Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Anaram-baovao”

“Anaram-baovao”

Toko Fahatelo Amby Roapolo

“Anaram-baovao”

Isaia 62:1-12

1. Inona no fanomezan-toky raketin’ny Isaia toko faha-62?

FANOMEZAN-TOKY, fampiononana, fampanantenana fanarenana: Izany no nilain’ireo Jiosy kivy tao Babylona. Efa am-polo taona izao no lasa hatramin’ny naharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Tany amin’ny 800 kilaometatra avy tao Babylona no nisy ny tany laon’i Joda, ary toa hadinon’i Jehovah ny Jiosy. Inona no afaka nanatsara ny toe-piainan’izy ireo? Fampanantenana avy tamin’i Jehovah hoe hampody azy ireo sy hamela azy ireo hamerina ny fivavahana marina amin’ny laoniny izy. Amin’izay ny anarana toy ny hoe “Nafoy” sy “Lao” dia hosoloana teny milaza ny fankasitrahan’Andriamanitra. (Isaia 62:4; Zakaria 2:16) Feno fampanantenana toy izany ny Isaia toko faha-62. Kanefa, toy ireo faminaniana hafa momba ny famerenana amin’ny laoniny koa izy io, satria tsy ny nanafahana ny Jiosy avy tao Babylona ihany no resahiny. Omeny toky isika fa azo antoka ny famonjena ilay firenena ara-panahin’i Jehovah, antsoina hoe “ny Isiraelin’Andriamanitra.”—Galatiana 6:16.

Tsy hitsaha-miteny i Jehovah

2. Ahoana no nanehoan’i Jehovah fankasitrahana tamin’i Ziona indray?

2 Voaongana i Babylona tamin’ny 539 T.K. Namoaka didy i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, avy eo mba hiverenan’ny Jiosy natahotra an’Andriamanitra tany Jerosalema sy hamerenany tamin’ny laoniny ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Ezra 1:2-4) Tonga tany an-tanindrazany ny voalohany tamin’izy ireo, tamin’ny 537 T.K. Asehon’ireto teniny feno fitiavana ireto fa nahazo sitraka tamin’i Jehovah indray i Jerosalema: “Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.”—Isaia 62:1.

3. a) Nahoana no tsy neken’i Jehovah intsony i Ziona teto an-tany, ary iza no nasolo azy? b) Ahoana ary oviana no nipoiran’ny fivadiham-pinoana, ary inona izao vanim-potoana iainantsika izao?

3 Notanterahin’i Jehovah tamin’ny 537 T.K. ny fampanantenany hamerina an’i Ziona, na Jerosalema, tamin’ny laoniny. Novonjeny ny mponina tao, ka nanjary namirapiratra ny fahamarinan’izy ireo. Naniasia indray anefa izy ireo tatỳ aoriana. Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia izy ireo tamin’ny farany, ka tsy neken’i Jehovah ho firenena voafidiny intsony. (Matio 21:43; 23:38; Jaona 1:9-13) Nampisy firenena vaovao izy, dia ilay antsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra.” Tonga vahoakany manokana io firenena vaovao io. Nazoto nitory ny vaovao tsara nanerana ny tany ireo anisan’izy io, tamin’ny taonjato voalohany. (Galatiana 6:16; Kolosiana 1:23) Mampalahelo fa nisy naniasia indray ny tao amin’ny fivavahana marina, taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly. Nipoitra indray ny fivadiham-pinoana, izay mbola mampiavaka ny Kristianisma Anarana ankehitriny ihany. (Matio 13:24-30, 36-43; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Navela hanala baraka ny anaran’i Jehovah nandritra ny an-jato taona ny Kristianisma Anarana. Nanomboka tamin’ny 1914 anefa ny “taona ankasitrahan’i Jehovah”, sy ny fahatanterahan’io faminanian’i Isaia io tamin’ny ambaratonga lehibe.—Isaia 61:2.

4, 5. a) Mifanitsy amin’iza ankehitriny i Ziona sy ny zanany? b) Ahoana no nampiasan’i Jehovah an’i Ziona, ka nahatonga ‘ny famonjena azy ho tahaka ny fanilo mirehitra’?

4 Ankehitriny, ny fampanantenan’i Jehovah hanarina an’i Ziona dia tanteraka tamin’i “Jerosalema any ambony”, na ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, sy tamin’ny Kristianina voahosotra, solontenan’izy io eto an-tany. (Galatiana 4:26) Tena mpanampy be fandavan-tena io fandaminan’i Jehovah any an-danitra io, izany hoe mailo sy be fitiavana ary mazoto miasa. Nampientam-po indrindra ilay fotoana niterahany ny Fanjakan’ny Mesia tamin’ny 1914! (Apokalypsy 12:1-5) Tamin’ny 1919 ny zanany teto an-tany no tena nanomboka nitory momba ny fahamarinany sy ny famonjena azy tany amin’ireo firenena. Nampamirapiratra ny hazavany tokoa ireo zanany ireo, ka nampisava ny haizina toy ny fanilo, araka ny nolazain’i Isaia.—Matio 5:15, 16; Filipiana 2:15.

5 Tena miahy ny mpanompony i Jehovah, ka tsy hipetraka, na hoe hangina, raha tsy efa tanterany ny teny rehetra nataony tamin’i Ziona sy ny zanany. Tsy nety nangina koa ny sisa voahosotra sy ny “ondry hafa” namany. (Jaona 10:16) Tena tsy nitsaha-niteny izy ireo mba hanoroana ny olona an’ilay hany fomba hahavoavonjy azy.—Romana 10:10.

“Anaram-baovao” nomen’i Jehovah

6. Inona no noeritreretin’i Jehovah homena an’i Ziona?

6 Inona no noeritreretin’i Jehovah homena an’i Ziona, ilay ‘vady nampakariny’ any an-danitra, izay mifanitsy amin’i Jerosalema fahiny? Hoy izy: “Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao hianao, izay hotononin’ny vavan’i Jehovah.” (Isaia 62:2) Voatery nahita ny nitandreman’ny Isiraelita ny fahamarinana ireo firenena. Na ireo mpanjaka aza voatery nanaiky fa nampiasa an’i Jerosalema i Jehovah, ary tena tsinontsinona ny fitondran’izy ireo raha ampitahaina amin’ny Fanjakan’i Jehovah.—Isaia 49:23.

7. Mampiseho inona ilay anarana vaovaon’i Ziona?

7 Nanome anaram-baovao an’i Ziona i Jehovah izao, mba hanamarinana fa niova ny toe-javatra nisy azy io. Nasehon’io anarana vaovao io fa nahazo fitahiana sy nomem-boninahitra ny zanak’i Ziona teto an-tany nanomboka tamin’ny 537 T.K. * Nasehon’izy io koa fa neken’i Jehovah ho fananany i Ziona. Mientam-po ny Isiraely ara-panahy ankehitriny, satria ankasitrahan’i Jehovah toy izany, ary miara-mifaly aminy ny ondry hafa.

8. Amin’ny fomba ahoana avy no anomezan’i Jehovah voninahitra an’i Ziona?

8 Hoy i Jehovah, rehefa avy nanome an’i Ziona ilay anarany vaovao: “Ho tonga satroboninahitra eo an-tànany hianao sy satrok’andriana eo am-pelatànan’Andriamanitrao.” (Isaia 62:3) Arantirantin’i Jehovah eny an-tanany ilay vadiny ara-panoharana, dia i Ziona any an-danitra, mba hoderain’ny olona. (Salamo 48:2; 50:2) Ilay hoe satroboninahitra sy “satrok’andriana” dia milaza fa manam-boninahitra sy fahefana izy io. (Zakaria 9:16) Ny Isiraelin’Andriamanitra, izay solontenan’i Ziona any an-danitra, na “Jerosalema any ambony”, dia vokatra mahatalanjon’ny fiasan’ny tanan’Andriamanitra, na ny heriny miasa. (Galatiana 4:26) Nampian’i Jehovah io firenena ara-panahy io, ka naneho tsy fivadihana sy fandavan-tena tsy nanam-paharoa. Olona an-tapitrisa, na voahosotra na ondry hafa, no ampaherezin’izany ka maneho finoana sy fitiavana miavaka koa. Rehefa hahazo ny valisoany be voninahitra any an-danitra ny voahosotra mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia hampiasain’i Jehovah mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ny zavaboary misento.—Romana 8:21, 22; Apokalypsy 22:2.

“Sitrak’i Jehovah hianao”

9. Resaho ny amin’ny fiovana hitan’i Ziona.

9 Anisan’ny marika mampiseho ilay fiovana nahafinaritra hitan’i Ziona any an-danitra sy ny zanany misolo tena azy eto an-tany ilay anaram-baovao nomena azy. Izao no vakintsika: “Hianao tsy hatao intsony hoe Nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao; fa hianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; fa sitrak’i Jehovah hianao, ary ny taninao hampanambadina.” (Isaia 62:4) Lao i Ziona teto an-tany nanomboka tamin’ny nandravana azy tamin’ny 607 T.K. Nahazo toky avy tamin’ny tenin’i Jehovah anefa izy fa harenina indray sy hisy mponina indray. Tsy ho toy ny vehivavy nafoy intsony i Ziona izay rava teo, ary tsy ho lao intsony ny taniny. Toe-piainana vaovao, hifanohitra tanteraka amin’ny fahafoanana hitany teo aloha, no ho hitan’i Jerosalema tafarina tamin’ny 537 T.K. Hantsoina hoe “Ilay sitrako” i Ziona, ary hoe “Vady ampakarina” ny taniny, hoy i Jehovah.—Isaia 54:1, 5, 6; 66:8; Jeremia 23:5-8; 30:17; Galatiana 4:27-31.

10. a) Inona no fiovana hitan’ny Isiraelin’Andriamanitra? b) Inona ilay ‘tanin’ny’ Isiraelin’Andriamanitra?

10 Nahita fiovana toy izany koa ny Isiraelin’Andriamanitra nanomboka tamin’ny 1919. Toy ny hoe narian’Andriamanitra tsy ho zanany intsony ny Kristianina voahosotra tamin’ny Ady Lehibe I. Nanehoany fankasitrahana indray anefa izy ireo tamin’ny 1919, ary nodiovina ny fomba fivavahany. Nisy vokany teo amin’ny zavatra nampianariny sy ny fomba fandaminany zavatra ary ny asany izany. Nanomboka tamin’izay ny Isiraelin’Andriamanitra dia niditra tao amin’ny ‘taniny’, na hoe nanatontosa ilay asa nasain’Andriamanitra nataony eto an-tany.—Isaia 66:7, 8, 20-22.

11. Amin’ny fomba ahoana no hampakaran’ny Jiosy ny reniny?

11 Nanamafy ny fankasitrahany ny vahoakany indray i Jehovah, tamin’ny filazana hoe: “Tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao.” (Isaia 62:5) Ahoana no hahafahan’ny Jiosy, izany hoe ny “mponina” na zanak’i Ziona, hampakatra an’i Ziona reniny? Amin’ny heviny hoe rehefa hafahana avy any Babylona ireo zanany ireo, dia haka an’ilay renivohiny taloha ary honina ao indray. Tsy ho lao intsony i Ziona, rehefa hitranga izany, fa ho feno mponina.—Jeremia 3:14.

12. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah mazava tsara fa anisan’ilay fandaminana oharina amin’ny vadiny ny Kristianina voahosotra? b) Nahoana no azo raisina ho modely fakan-tahaka ho an’ny fanambadiana ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny vahoakany? (Jereo pejy 342.)

12 Nisy zavatra nifanitsy tamin’izany nitranga tamin’ny 1919: Naka ny ‘taniny’, izay nantsoina hoe “Vady ampakarina”, ny zanak’ilay Ziona any an-danitra, ka nanao ilay asa nasain’Andriamanitra nataony eto an-tany. Nahariharin’izany asa kristianina ataony izany fa ‘olona ankalazana ny anaran’i Jehovah’ ireo Kristianina voahosotra ireo. (Asan’ny Apostoly 15:14) Mamokatra ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fampahafantarana ny anaran’i Jehovah, ka miharihary fa tena ankasitrahany izy ireo. Nataony mazava tsara fa anisan’ilay fandaminana tafaray aminy izy ireo. Nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ireo, sy nafahany avy tamin’ny fahababoana ara-panahy, ary nampiasainy mba hitory momba ilay Fanjakana tamin’ny olona rehetra. Toy izany no nampisehoan’i Jehovah fa faly amin’izy ireo izy, toy ny mpampakatra faly amin’ny ampakariny.—Jeremia 32:41.

“Aza mitsahatra”

13, 14. a) Ahoana no nahatongavan’i Jerosalema ho tanàna nahitana fiarovana, fahiny? b) Ahoana no nahatongavan’i Ziona “hoderaina amin’ny tany”, ankehitriny?

13 Nahatsiaro ho voaro ny vahoakan’i Jehovah, noho ilay anaram-baovao. Fantatr’izy ireo fa sady neken’i Jehovah izy ireo no noheveriny ho fananany. Fanoharana hafa indray izao no nampiasain’i Jehovah, ka nantsoiny hoe tanàna mimanda izy ireo: “Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, hianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra; ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ny tany.” (Isaia 62:6, 7) Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, aorian’ny hiverenan’ny sisa nahatoky avy any Babylona, dia “hoderaina amin’ny tany” i Jerosalema, izay ho tanàna mimanda hiaro mafy ny mponina ao aminy. Ho mailo andro aman’alina ireo mpiambina eny ambonin’ireo manda ireo, hiaro an’ilay tanàna sy hampitandrina ny mponina ao.—Nehemia 6:15; 7:3; Isaia 52:8.

14 Ireo voahosotra no ampiasain’i Jehovah ho toy ny mpiambina ankehitriny, mba hanoroana ny mpandefitra ny fomba hanafahan-tena amin’ny fivavahan-diso. Asaina hiditra ao amin’ny fandaminany ireo mpandefitra ireo, mba ho voaro amin’ny fahalotoana ara-panahy sy ny fitaoman-dratsy ary ny fahatezeran’i Jehovah. (Jeremia 33:9; Zefania 3:19) Ny mpanompo mahatoky sy malina no tena nanome izany fiarovana izany, amin’ny alalan’ny hanina ara-panahy amin’ny fotoana mety. (Matio 24:45-47) Miara-miasa amin’izy ireo ny “olona betsaka”, ka mahatonga an’i Ziona “hoderaina amin’ny tany” koa.—Apokalypsy 7:9.

15. Ahoana no anompoan’ireo mpiambina sy ny namany an’i Jehovah mandrakariva?

15 Mbola mitohy ihany ny fanompoana ataon’ireo mpiambina sy ny namany! Manao ny asany amin’ny fony rehetra izy ireo. Manaporofo izany ny asa ataon’ny olo-mahatoky an-tapitrisa be zotom-po, ary koa ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, ny mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela samihafa, ny misionera, ny mpisava lalana rehetra. Miezaka mafy koa izy ireo mba hanorina Efitrano Fanjakana vaovao, hitsidika ny marary, hanampy ireo mahita zava-tsarotra ara-pitsaboana sy ny tratran’ny loza sy voina. Maro amin’ireo olona feno fahafoizan-tena ireo no manompo “andro aman-alina” ara-bakiteny matetika!—Apokalypsy 7:14, 15.

16. Inona no hevitry ny hoe ‘tsy mamela Azy hitsahatra’ ny mpanompon’i Jehovah?

16 Ampirisihina hivavaka tsy tapaka ny mpanompon’i Jehovah, mba ‘hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.’ (Matio 6:9, 10; 1 Tesaloniana 5:17) Ampirisihina toy izao koa izy ireo: “Aza mamela [an’i Jehovah] hitsahatra”, mandra-pahatanteraky ny faniriany sy fanantenany momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina. Nohamafisin’i Jesosy fa nilaina ny nivavaka mandrakariva, ary nampirisihiny ny mpianany mba ‘hitaraina amin’Andriamanitra andro aman’alina.’—Lioka 18:1-8.

Hovalian-tsoa ny fanompoana an’Andriamanitra

17, 18. a) Afaka nankafy ny vokatry ny fisasarany ve ny mponin’i Joda? Hazavao. b) Afaka mankafy ny vokatry ny fisasarany ve ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? Hazavao.

17 Nanome toky ny mpanompon’i Jehovah ilay anaram-baovao fa tsy very maina ny ezaka nataon’izy ireo. “Jehovah efa nianiana tamin’ny tànany ankavanana, dia tamin’ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao; fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an’i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ny kianjako masina.” (Isaia 62:8, 9) Manondro ny herin’i Jehovah sy ny tanjany ny tanany havanana sy ny sandriny mahery. (Deoteronomia 32:40; Ezekiela 20:5) Nampiasa an’ireo izy rehefa nianiana; koa mazava fa tapa-kevitra ny hanova ny toe-javatra nisy an’i Ziona izy. Navelany handroba an’i Ziona sy haka ny fananany an-keriny ny fahavalony, tamin’ny 607 T.K. (Deoteronomia 28:33, 51) Izao anefa dia ireo nanana zo hankafy ny zavatra nananan’i Ziona ihany no nahazo nanao izany.—Deoteronomia 14:22-27.

18 Fanambinana ara-panahy be dia be no azon’ny vahoakan’i Jehovah, rehefa tanteraka io fampanantenany io ankehitriny. Tena mankafy ny vokatry ny fisasarany izy ireo, dia mpianatra kristianina mitombo isa sy sakafo ara-panahy tondraka. (Isaia 55:1, 2; 65:14) Tsy mivadika amin’i Jehovah ny vahoakany; noho izany, dia tsy avelany hanembantsembana ny fanambinana ara-panahiny na handroba ny vokatry ny fanompoany ny fahavalony. Tsy very maina ny asa atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Malakia 3:10-12; Hebreo 6:10.

19, 20. a) Ahoana no nisavana ny lalana niverenan’ny Jiosy tany Jerosalema? b) Ahoana no isavana ny lalana idiran’ny mpandefitra ao amin’ny Fandaminan’i Jehovah ankehitriny?

19 Manintona ny olona tso-po koa ny fandaminan’i Jehovah, noho ilay anarana vaovao. Olona sesehena no mirohotra ho aminy, ary mbola misokatra ny lalana idirana ao. Hoy ny faminanian’i Isaia: “Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady, amboary ny làlana halehan’ny olona; asandrato ho avo ny làlambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ny firenena.” (Isaia 62:10) Ny fivoahana avy tamin’ny vavahadin’ny tanànan’i Babylona mba hiverenana tany Jerosalema angamba no noresahina, fony tanteraka voalohany ireo teny ireo. Tsy maintsy nanaisotra ireo vato teny an-dalana mba hanamorana ny dia ireo mpandeha, ary nanangana faneva mba hanoroana ny lalana.—Isaia 11:12.

20 Nanomboka tamin’ny 1919 kosa dia natokana mba hanompo an’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra ary mandeha eo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana.” (Isaia 35:8) Izy ireo no voalohany nanaraka ny lalam-be nivoaka avy tamin’i Babylona Lehibe. (Isaia 40:3; 48:20) Izy ireo no nataon’Andriamanitra ho loha laharana hanambara ny asany lehibe sy hanoro ny hafa ny lalana mitarika ho amin’io lalam-be io. Ho azy ireo indrindra no tena nanesorana ireo vato nanakantsakana na nanafintohina. (Isaia 57:14) Nila nahita mazava tsara ny fikasan’Andriamanitra sy ny fampianarany izy ireo, kanefa toy ny vato nisakana teo amin’ny lalan’ny fiainana ireo fampianaran-diso. Ny Tenin’Andriamanitra kosa dia “tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy.” Mampiasa azy io àry ny Kristianina voahosotra mba hamotehana ireo vato nety ho namingana an’ireo naniry hanompo an’i Jehovah.—Jeremia 23:29.

21, 22. Inona ilay faneva natsangan’i Jehovah ho an’ireo miala amin’ny fivavahan-diso, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

21 Tamin’ny 537 T.K., dia tonga faneva nanoro ny lalana harahin’ny Jiosy nody mba hanorina indray ny tempoly i Jerosalema. (Isaia 49:22) Tsy voatery nirenireny koa ny sisa voahosotra, tamin’ny 1919, rehefa nafahana avy tamin’ny fivavahan-diso. Fantany tsara izay halehany, satria nasian’i Jehovah faneva teo amin’ny lalany. Inona ilay izy? Ilay faneva voalazan’ny Isaia 11:10 ihany, manao hoe: “Amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese [dia] hitsangana ho fanevan’ny firenena.” Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Jesosy ireo teny ireo. (Romana 15:8, 12) Eny, ilay faneva dia i Kristy Jesosy tonga Mpanjaka eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra.—Hebreo 12:22; Apokalypsy 14:1.

22 Manodidina an’i Jesosy Kristy ny Kristianina voahosotra sy ny ondry hafa, mba hiara-manompo an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Ny fitondran’i Jesosy dia manamarina ny zon’i Jehovah hanjaka manerana izao rehetra izao, ary mitondra fitahiana ho an’ny olona tso-po avy amin’ny firenena rehetra. Tsy manosika antsika rehetra hidera sy hankalaza azy koa ve izany?

“Avy ny famonjena anao”!

23, 24. Ahoana no anomezana famonjena an’ireo mino an’Andriamanitra?

23 Ilay anaram-baovao nomen’i Jehovah ny fandaminany oharina amin’ny vadiny dia mifandray amin’ny famonjena mandrakizay ny zanany. Hoy i Isaia: “Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; indro, ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.” (Isaia 62:11) Nahazo famonjena ireo Jiosy, rehefa nianjera i Babylona ary niverina tany an-tanindrazany izy ireo. Tanteraka tamin’ny ambaratonga lehibe kokoa koa anefa ireo teny ireo. Mampahatsiahy an’izao faminanian’i Zakaria izao io tenin’i Jehovah io: “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.”—Zakaria 9:9.

24 Telo taona taorian’ny nanaovana batisa an’i Jesosy sy nanosorana azy tamin’ny fanahin’Andriamanitra, dia niditra tao Jerosalema izy ary nanadio ny tempoly tao. (Matio 21:1-5; Jaona 12:14-16) I Jesosy Kristy ankehitriny no mitondra ny famonjen’i Jehovah amin’ireo rehetra mino an’Andriamanitra. Izy koa no notendren’i Jehovah ho Mpitsara sy Mpanatanteraka ny Didim-pitsarany, tamin’ny 1914. Telo taona sy tapany tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny 1918, dia nanadio ny tempolin’i Jehovah ara-panahy izy, tamin’ny fanadiovana ny solontenan’izy io eto an-tany, dia ny Kristianina voahosotra. (Malakia 3:1-5) Natsangana ho faneva izy, ka nanomboka tamin’izay ny fanangonana olona maneran-tany hanohana ny Fanjakan’ny Mesia. Nahazo “famonjena” ny Isiraelin’Andriamanitra, rehefa nafahana avy tamin’i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. Ilay “valim-pitia” na “valin’asa” miandry an’ireo mpijinja be fahafoizan-tena ireo dia, na tsy fahafatesana any an-danitra, na fiainana mandrakizay eto an-tany. Afaka matoky ireo rehetra tsy mivadika fa ‘tsy foana tsy akory ny fikelezany aina ao amin’ny Tompo.’—1 Korintiana 15:58.

25. Inona no toky nomena ny vahoakan’i Jehovah?

25 Endrey ny fanantenana omen’izany ho an’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, sy ny voahosotra solontenany eto an-tany ary ireo rehetra miara-miasa amin’izy ireo! (Deoteronomia 26:19) Hoy i Isaia: “Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan’i Jehovah; ary hianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.” (Isaia 62:12) Nisy fotoana nahatsiarovan’i “Jerosalema any ambony” sy ny Isiraelin’Andriamanitra solontenany, ho nafoy. Tsy hiverina fanindroany izany. Hokarakarain’i Jehovah sy harovany mandrakizay ny vahoakany, ka hahazo sitraka aminy foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Milaza fahazoana toerana na tombontsoa vaovao indraindray ny hoe “anaram-baovao”, ao amin’ny Baiboly.—Apokalypsy 2:17; 3:12.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 342]

Modely Fakan-tahaka ho An’ny Fanambadiana

Samy miandrandra zavatra avy amin’ny fanambadiana ny mpivady vao rehetra. Inona kosa anefa no andrandrain’Andriamanitra, ilay namorona ny fanambadiana? Inona no fikasany momba azy io?

Mampahafantatra izany antsika ny fifandraisany tamin’ny firenen’ny Isiraely. Oharin’i Isaia amin’ny fanambadiana izany fifandraisana izany. (Isaia 62:1-5) Mariho izay ataon’i Jehovah Andriamanitra ho an’ilay ‘vady ampakariny.’ Narovany sy nohamasininy izy io. (Isaia 62:6, 7, 12) Nomeny voninahitra izy io, ary sarobidy taminy. (Isaia 62:3, 8, 9) Faly izy nanana azy io, araka ireo anaram-baovao nomeny azy.—Isaia 62:4, 5, 12.

Mampiasa io fanoharan’i Isaia io koa i Paoly ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ampitahainy amin’ny fifandraisan’i Kristy tamin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ny fifandraisan’ny lehilahy amin’ny vadiny.—Efesiana 5:21-27.

Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina mba hanao ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ny fiangonana ho modely ho an’ny fanambadiany. Tsy hisy fitiavana lehibe kokoa noho izay nasehon’i Jehovah ny Isiraely sy izay nasehon’i Kristy ny fiangonana. Modely fakan-tahaka ireo fifandraisana ireo, raha ny amin’ny fanambadiana vanona sy sambatra eo amin’ny kristianina.—Efesiana 5:28-33.

[Sary, pejy 339]

Hantsoin’i Jehovah amin’ny anaram-baovao i Ziona

[Sary, pejy 347]

Tsy nitsahatra ireo mpiambina ampiasain’i Jehovah ankehitriny