Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i Jehovah

“Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i Jehovah

Toko Fahenina

“Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i Jehovah

Isaia 45:1-25

1, 2. Fanomezan-toky inona avy no hita ao amin’ny Isaia toko faha-45, ary fanontaniana inona avy no hodinihintsika?

AZO itokisana ny ampanantenan’i Jehovah. Tsy Andriamanitra mpamorona fotsiny izy, fa Andriamanitra mahay manambara zavatra koa. Impiry impiry moa izy no voaporofo ho Andriamanitra marina sady Mpamonjy ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Izany no fanomezan-toky mahafaly, hita ao amin’ny Isaia toko faha-45.

2 Misy ohatra mahavariana ny amin’ny fahaizan’i Jehovah maminany koa ao amin’ny Isaia toko faha-45. Noho ny fanahin’Andriamanitra, i Isaia dia afaka nijery toerana lavitra be sy nandinika izay hitranga ao anatin’ireo taonjato maro ho avy, ary nilaza zava-mitranga iray izay i Jehovah, ilay Andriamanitry ny faminaniana marina, ihany no afaka nilaza azy araka ny marina. Inona moa izany? Inona no fiantraikany teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Isaia? Inona no heviny ho antsika amin’izao andro izao? Andeha isika handinika ny tenin’ilay mpaminany.

Nanambara ny hamelezana an’i Babylona i Jehovah

3. Teny mazava tsara hoe ahoana no ilazan’ny Isaia 45:1-3a ny fandresen’i Kyrosy?

3 “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; dia homeko anao ny rakitra ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina.”—Isaia 45:1-3a.

4. a) Nahoana i Jehovah no niantso an’i Kyrosy hoe ny “voahosony”? b) Inona no nataon’i Jehovah mba ho azo antoka ny fandresen’i Kyrosy?

4 Niresaka tamin’i Kyrosy tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah, toy ny hoe velona i Kyrosy. Mbola tsy teraka akory anefa izy tamin’ny andron’i Isaia. (Romana 4:17) Notendren’i Jehovah mialoha hanao asa manokana i Kyrosy, ka azo antsoina hoe ‘voahosotr’Andriamanitra.’ Hotarihin’Andriamanitra izy, ka handresy firenena maro, ary hahatonga mpanjaka maro ho malemy sy tsy ho afa-manohitra. Avy eo, rehefa hanafika an’i Babylona i Kyrosy, dia hataon’i Jehovah izay hamelana ireo varavaran’ilay tanàna hivoha ka ho toy ny vavahady nomontsamontsanina, tsy hisy hilana azy. Handroso eo alohan’i Kyrosy izy, ka handravona ny vato misakana rehetra. Handresy ilay tanàna ny tafik’i Kyrosy amin’ny farany, ary haka ny ‘harenany nafenina’, izay tao anaty efitra maizimaizina. Izany no nambaran’i Isaia mialoha. Tanteraka ve ny teniny?

5, 6. Oviana ary ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana momba ny fianjeran’i Babylona?

5 Tena tonga mba hanafika an’i Babylona tokoa i Kyrosy tamin’ny 539 T.K., tokony ho 200 taona taorian’ny nanoratan’i Isaia io faminaniana io. (Jeremia 51:11, 12) Tsy taitra akory anefa ny Babylonianina. Nino izy ireo fa tsy ho azo resena ny tanànany. Ireo mandany nijoalajoala dia nandondona teo ambonin’ireo hady vory lalina sy feno ranon’ny Ony Eofrata, izay anisan’ny fiarovana an’ilay tanàna. Tsy nisy fahavalo afaka nanafika an’i Babylona, tao anatin’ny zato taona mahery! Tena tsy nanana ahiahy velively i Belsazara, mpanjakan’i Babylona teo an-toerana tamin’izay, ka niara-nikorana tamin’ireo tandapany mihitsy aza. (Daniela 5:1) Tamin’io alina io (ny alin’ny 5 Oktobra) dia namita tetikady ara-tafika iray faran’izay feno hakingana i Kyrosy.

6 Novakin’ireo injenieran’i Kyrosy ny moron’ny Ony Eofrata, tany avaratr’i Babylona, ka naviliny ny lalan’ilay ony, mba tsy hikorianany nianatsimo ho ao amin’ilay tanàna intsony. Vetivety dia nihena ny ranon’ilay ony tao Babylona sy nanodidina azy, hany ka afaka niroboka tao sy nanaraka ny fanambaniny ny tafik’i Kyrosy, ary tafiditra tao afovoan’ilay tanàna. (Isaia 44:27; Jeremia 50:38) Mahazendana fa tena nivoha tokoa ireo vavahady teny amoron’ilay ony, araka ny tenin’i Isaia. Nirohotra niditra tao Babylona ny tafik’i Kyrosy, ka naka an’ilay lapa, ary namono an’i Belsazara Mpanjaka. (Daniela 5:30) Azo tao anatin’ny indray alina monja ilay fandresena. Nianjera i Babylona. Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ilay faminaniana.

7. Manao ahoana ny fatokisan’ny Kristianina, noho ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba an’i Kyrosy?

7 Mihamafy ny finoan’ny Kristianina ankehitriny mahita fa tanteraka tamin’ny an-tsipiriany io faminaniana io. Mino mafy izy ireo fa azo itokisana koa ireo faminanian’ny Baiboly mbola tsy tanteraka. (2 Petera 1:20, 21) Fantatry ny mpanompon’i Jehovah fa efa nitranga tamin’ny 1919 ny fianjeran’i “Babylona Lehibe”, izay nifanitsy tamin’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 T.K. Na izany aza, dia tsy andrin’izy ireo ny handringanana azy io tanteraka. Tsy andriny koa ny hanesorana ny tontolo ara-politikan’i Satana, sy ny hanipazana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary ny hahatongavan’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. (Apokalypsy 18:2, 21; 19:19-21; 20:1-3, 12, 13; 21:1-4) Fantany koa fa tsy fampanantenana poakaty ny faminanian’i Jehovah, fa filazana zavatra tena ho tonga amin’ny hoavy. Mihamafy ny fatokisan’ny Kristianina marina, rehefa tadidiny ny fahatanterahan’ny tsipiriany rehetra tamin’ny faminanian’i Isaia momba ny fianjeran’i Babylona. Fantany fa mitana ny teny nataony foana i Jehovah.

Ny antony hifidianan’i Jehovah an’i Kyrosy

8. Inona no antony iray nanomezan’i Jehovah an’i Kyrosy ny fandresena an’i Babylona?

8 Rehefa avy nampahafantatra an’ilay handresy an’i Babylona sy ny fomba handreseny azy i Jehovah, dia nanome antony iray hanohanany an’i Kyrosy. Nolazainy tamin’i Kyrosy tao amin’ilay faminaniana fa izany dia “mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.” (Isaia 45:3b) Filohan’ny firenena natanjaka indrindra fahefatra, araka ny tantaran’ny Baiboly, i Kyrosy. Na izany aza dia tena mety ny hanekeny fa tsy ho nahazo ny fandreseny lehibe indrindra izy, raha tsy noho i Jehovah, ilay Tompon’izao Rehetra Izao. Tokony hanaiky i Kyrosy fa ilay niantso, na naniraka, azy dia i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Ary asehon’ny Baiboly fa tena nanaiky tokoa i Kyrosy hoe avy tamin’i Jehovah ilay fandreseny niezinezina.—Ezra 1:2, 3.

9. Inona no antony faharoa nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba handresy an’i Babylona?

9 Izao no antony faharoa nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba handresy an’i Babylona: “Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza hianao.” (Isaia 45:4) Nanova tanteraka an’izao tontolo izao ny nandresen’i Kyrosy an’i Babylona, satria tamin’izay dia nianjera ny firenena natanjaka iray ary nisandratra ny iray hafa. Nisy vokany naharitra teo amin’ny tantara izany. Na izany aza, dia ho gaga ny firenena nanodidina izay nanaraka ny zava-niseho, rehefa ho fantany fa izany rehetra izany dia noho ny amin’ny olona “tsinontsinona” an’arivo vitsivitsy, izany hoe ny Jiosy, taranak’i Jakoba, izay babo tany Babylona. Tsy tsinontsinona mihitsy anefa ireo sisa tavela tamin’ny firenen’ny Isiraely fahiny ireo, teo imason’i Jehovah. ‘Mpanompony’ izy ireo, dia ilay ‘nofidiny’ avy tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany. Tsy nahafantatra an’i Jehovah i Kyrosy teo aloha, nefa nampiasain’i Jehovah ho toy ny Voahosony mba hanongana ilay tanàna tsy nety nanafaka ireo babony. Tsy fikasan’Andriamanitra ny hamoy mandrakizay an’ilay vahoaka voafidiny tany an-tanin’olona.

10. Inona no antony lehibe indrindra nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba hamarana ny Fanjakana Babylonianina?

10 Misy antony fahatelo, izay lehibe kokoa noho ireo efa voalaza ireo aza, nampiasan’i Jehovah an’i Kyrosy mba hanongana an’i Babylona. Hoy i Jehovah: “Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy hianao, mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa.” (Isaia 45:5, 6) Eny, ny nianjeran’ny Fanjakana Babylonianina dia fanehoan’i Jehovah ny maha Andriamanitra azy, porofo ho an’ny rehetra fa izy irery no mendrika hivavahana. Ny nanafahany ny vahoakany dia hahatonga olona avy amin’ny firenena maro (hatrany atsinanana ka hatrany andrefana) hanaiky fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina.—Malakia 1:11.

11. Ahoana no nanazavan’i Jehovah fa nanan-kery hanatanterahana ny fikasany momba an’i Babylona izy?

11 Tadidio fa tokony ho 200 taona talohan’ilay zava-niseho no nanoratana io faminanian’i Isaia io. Rehefa nahare azy io ny sasany, dia nety ho nanontany tena hoe: ‘Dia tena ho vitan’i Jehovah tokoa ve ny hanatanteraka izany?’ ‘Eny’ no valin’izany, araka ny nohamarinin’ny tantara. Nohazavain’i Jehovah toy izao ny antony azo inoana izany: “Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.” (Isaia 45:7) Izay rehetra eo amin’ny zavatra noforonina (ny mazava sy ny maizina) sy eo amin’ny tantara (ny fiadanana sy ny loza) dia samy azony fehezina avokoa. Nahavita namorona ny hazavan’ny andro sy ny haizin’ny alina izy, ary hahavita hitondra fiadanana ho an’ny Isiraely sy loza ho an’i Babylona koa. Nanana ny hery hamoronana izao rehetra izao i Jehovah, ary manana ny hery hanatanterahana ny faminaniany koa. Izany dia fanomezan-toky ho an’ny Kristianina ankehitriny, izay mianatra amim-pitandremana ny faminaniany.

12. a) Hasain’i Jehovah hamokatra inona ny lanitra sy tany ara-panoharana? b) Inona no fampanantenana sy fampiononana raketin’ny Isaia 45:8 ho an’ny Kristianina ankehitriny?

12 Tena nety ny nampiasan’i Jehovah ny zavatra mpitranga matetika eo amin’ny zavatra noforonina, mba hanazavana izay niandry ny Jiosy babo. Hoy izy: “Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; aoka ny tany hisokatra, ary aoka ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena; ary aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.” (Isaia 45:8) Toy ny lanitra ara-bakiteny asainy mampilatsaka orana mahavelona, ny lanitra ara-panoharana koa dia hasain’i Jehovah handrotsaka fahamarinana eo amin’ny vahoakany. Ary toy ny tany ara-bakiteny asainy mamokatra voa tondraka, ny tany ara-panoharana koa dia hasainy hanatanteraka ny fikasany, indrindra fa ny famonjena ilay vahoakany babo tany Babylona. Nasain’i Jehovah namokatra zavatra toy izany koa ny ‘lanitra’ sy ny ‘tany’, mba hanafahana ny vahoakany, tamin’ny 1919. Mahafaly ny Kristianina ankehitriny ny fahitana zavatra toy izany. Nahoana? Satria manamafy ny finoany izany, eo am-piandrasany ilay fotoana handrotsahan’ny lanitra ara-panoharana (ny Fanjakan’Andriamanitra) fitahiana ho an’ny tany hanjakan’ny fahamarinana. Amin’izay, dia hitatra lavitra noho ny tamin’ny nanonganana an’i Babylona fahiny, ilay fahamarinana sy famonjena hipoitra avy amin’ny lanitra sy tany ara-panoharana. Halaza tokoa izany fahatanterahana faran’ny tenin’i Isaia izany!—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1.

Fitahiana entin’ny fanekena ny fiandrianan’i Jehovah

13. Nahoana no mahatsikaiky ny hanakianan’ny olombelona ny fikasan’i Jehovah?

13 Rehefa avy nilaza ireo fitahiana mahafaly ho avy ireo i Isaia, dia nanambara loza roa, ka miova tampoka ny fihetseham-po ampitain’ilay faminaniana: “Lozan’izay miady amin’ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tànana izy? Lozan’izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?” (Isaia 45:9, 10) Toa tsy nanaiky ilay zavatra nambaran’i Jehovah mialoha ny Isiraelita. Angamba izy ireo tsy nino hoe hamela ny vahoakany hoentina any an-tsesitany i Jehovah. Na nety ho nokianin’izy ireo ilay hoe mpanjakan’ny firenena mpanompo sampy no hanafaka ny Isiraely, fa tsy mpanjaka taranak’i Davida. Nahatsikaiky ny fanoherana toy izany, hany ka nampitahain’i Isaia tamin’ny vongan-tanimanga sy vakivakim-bilany efa nariana, izay ho sahy hisalasala ny amin’ny fahendren’ilay nanao azy, ireo mpanohitra ireo. Ilay zavatra nataon’ny mpanefy tanimanga indray ve no hilaza hoe tsy nanana tanana na hery hanefy azy ilay mpanefy? Tsy ho hadalana ve izany? Toy ny ankizy kely sahy manakiana ny fahefan’ny ray aman-dreniny ireo mpanohitra ireo.

14, 15. Inona no ahariharin’ny teny hoe ‘ny Iray Masina’ sy hoe “ny namorona”, momba an’i Jehovah?

14 Izao no valin-tenin’i Jehovah, nampitain’i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah, ny Iray Masin’ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan’ny tànako dia aoka ho adidiko ihany. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tànako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana, ary ny làlany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”—Isaia 45:11-13.

15 Nanantitrantitra ny fahamasinan’i Jehovah ny hoe ‘ny Iray Masina.’ Ary ny hoe “ny namorona” dia nanamafy ny zony hanapaka izay ho fizotran’ny zava-drehetra, satria izy no Mpamorona. Afaka nampahafantatra tamin’ny zanak’Isiraely ny zavatra ho avy i Jehovah, sy nikarakara ny asa tanany, izany hoe ny vahoakany. Eto indray koa, dia toy ny ananany fahefana hanapa-kevitra ny amin’izay hoforonina, no ananany fahefana hanapa-kevitra ny amin’izay hambara. Izy no Mpamorona izao rehetra izao, ka manana ny zo hitarika ny fizotran-javatra, araka izay tiany. (1 Tantara 29:11, 12) Eto, ohatra, dia nanapa-kevitra ny hanangana an’i Kyrosy, mpanompo sampy, mba hanafaka ny Isiraely, ilay Mpanjaka Tompo. Zavatra azo antoka toy ny fisian’ny lanitra sy ny tany, ny fahatongavan’i Kyrosy, na dia mbola amin’ny hoavy aza. Iza amin’ny zanak’Isiraely àry no ho sahy hanakiana ny Ray, dia i “Jehovah Tompon’ny maro”?

16. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tokony hanaiky hofeheziny?

16 Ahitana antony iray hafa tokony haneken’ny mpanompon’Andriamanitra hofeheziny, ireo andininy ao amin’ny Isaia ireo. Izay hahasoa indrindra ny mpanompony foana no anton’ny fanapahan-keviny. (Joba 36:3) Nanao lalàna izy mba hanampiana ny vahoakany hahita soa. (Isaia 48:17) Nahita ny fahamarinan’izany ireo Jiosy nanaiky ny fanjakan’i Jehovah tamin’ny andron’i Kyrosy. Ho fanarahana ny fahamarinan’i Jehovah, dia nandefa azy ireo hody avy tany Babylona i Kyrosy, mba hanorenan’izy ireo indray ny tempoly. (Ezra 6:3-5) Mahazo fitahiana toy izany koa ankehitriny ireo manaraka ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fiainany andavanandro, ka manaiky hofehezin’ny fanjakany.—Salamo 1:1-3; 19:7; 119:105; Jaona 8:31, 32.

Fitahiana ho an’ny firenena hafa

17. Ankoatra ny Isiraely, iza koa no handray soa avy amin’ny famonjen’i Jehovah, ary amin’ny fomba ahoana?

17 Tsy ny firenen’ny Isiraely irery no handray soa avy amin’ny fianjeran’i Babylona. Hoy i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny vokatry ny fisasaran’i Egypta sy ny tombom-barotr’i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao [ireo mpiasa tany sy mpandranto ireo]; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.” (Isaia 45:14) Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nisy “olona maro samy hafa firenena”, tsy Isiraelita, niara-niala tamin’izy ireo avy tany Ejipta. (Eksodosy 12:37, 38) Hisy olona vahiny toy izany koa hiara-miverina hody amin’ireo Jiosy avy any Babylona. Tsy hoterena handeha ireo tsy Jiosy ireo, fa ‘ho avy hanaraka azy’ kosa. Ny tenin’i Jehovah hoe ‘Hiankohoka eo anatrehanao izy’, sy hoe ‘Hifona aminao izy’, dia milaza ny fanekena sy ny fankatoavana an-tsitrapo hasehon’ireo vahiny ireo amin’ny Isiraely. Raha nitondra gadra izy ireo, dia ho an-tsitrapo izany, hilazany ny fahavononany hanompo an’ilay vahoakan’Andriamanitra, izay hilazany hoe: “Ato aminao tokoa Andriamanitra.” Ho proselyta hanompo an’i Jehovah izy ireo, ary hanaraka ilay fanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’ny Isiraely.—Isaia 56:6.

18. Iza ankehitriny no nandray soa avy tamin’ny nanafahan’i Jehovah “ny Isiraelin’Andriamanitra”, ary amin’ny heviny ahoana avy?

18 Nanomboka tamin’ny 1919, fony “ny Isiraelin’Andriamanitra” nafahana tamin’ny fahababoana ara-panahy, dia tanteraka tamin’ny lafiny lehibe kokoa ny tenin’i Isaia. Olona an-tapitrisa maneran-tany no vonona hanompo an’i Jehovah. (Galatiana 6:16; Zakaria 8:23) Toy ireo “mpiasa tany” sy “mpandranto” noresahin’i Isaia, dia faly izy ireo manolotra ny tanjany ara-batana sy ny fananany ara-bola, mba hanohanana ny fivavahana marina. (Matio 25:34-40; Marka 12:30) Nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireo, ka mandeha eo amin’ny lalany, ary faly fa tonga andevony. (Lioka 9:23) Tsy manompo afa-tsy i Jehovah izy ireo, ary mandray soa avy amin’ny fiarahany amin’ny ‘mpanompon’i Jehovah mahatoky sy malina’, izay manana fifandraisam-panekena manokana amin’Andriamanitra. (Matio 24:45-47; 26:28; Hebreo 8:8-13) Tsy ao anatin’io fanekena io ireo “mpiasa tany” sy “mpandranto” ireo, nefa mandray soa avy amin’izy io ihany, sy mankatò ireo lalàna ao anatiny. Feno fahasahiana izy ireo manambara hoe: “Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.” Tena mampientam-po tokoa ny manatri-maso ny fitomboan’ny isan’ny mpanohana an-tsitrapo ny fivavahana marina toy izany ankehitriny!—Isaia 60:22.

19. Inona no hanjo an’ireo mikiry hivavaka amin’ny sampy?

19 Rehefa avy nampahafantarin’ilay mpaminany fa hisy olona avy amin’ireo firenena hanompo an’i Jehovah, dia nihiaka izy hoe: “Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô”! (Isaia 45:15) Mbola tsy nampiseho ny heriny aloha i Jehovah izao, fa tsy hiafina intsony kosa izy amin’ny hoavy. Hasehony amin’izay fa izy no Andriamanitry ny Isiraely, ilay Mpamonjy ny vahoakany. Kanefa tsy ho Mpamonjy an’ireo mitoky amin’ny sampy i Jehovah. Hoy i Isaia momba ny olona toy izany: “Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra.” (Isaia 45:16) Tsy ho fahafaham-baraka sy henatra mihelina fotsiny akory ny fampietrena azy ireo, fa ho fahafatesana mihitsy. Mifanohitra amin’izany kosa no nampanantenain’i Jehovah ny Isiraely avy eo.

20. Amin’ny heviny ahoana ny Isiraely no hahazo “famonjena mandrakizay”?

20 “Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’i Jehovah amin’ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay hianareo.” (Isaia 45:17) Nampanantena famonjena mandrakizay ho an’ny Isiraely i Jehovah, saingy nisy fepetra izy io: Tsy maintsy nihavana tamin’i Jehovah foana ny Isiraely. Tapaka anefa izany fihavanana izany, rehefa tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny Isiraely, hany ka namoy ny fanantenany hahazo “famonjena mandrakizay” ilay firenena. Kanefa nisy sasantsasany teo amin’ny Isiraely nino an’i Jesosy. Tonga fototry ny Isiraelin’Andriamanitra izy ireo, ary haka ny toeran’ny Isiraely araka ny nofo. (Matio 21:43; Galatiana 3:28, 29; 1 Petera 2:9) Tsy haetry na oviana na oviana ny Isiraely ara-panahy, fa vao mainka aza hampidirina ao amin’ny “fanekena mandrakizay.”—Hebreo 13:20.

Azo itokisana i Jehovah, raha ny amin’ny famoronana sy ny fanambarana ataony

21. Nahoana i Jehovah no azo itokisana tanteraka, raha ny amin’ny famoronana sy ny fanambarana ataony?

21 Afaka natoky ny fampanantenan’i Jehovah famonjena mandrakizay ho an’ny Isiraely ve ny Jiosy? Hoy ny valin-tenin’i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy tao amin’ny mangingina, dia tao amin’ny fitoera-maizina amin’ny tany, no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.” (Isaia 45:18, 19) Faninefany sady farany izao ao amin’io toko io no anombohan’i Isaia ny hafatra ara-paminaniana mavesa-danja iray amin’ny teny hoe: “Izao no lazain’i Jehovah.” (Isaia 45:1, 11, 14) Inona no nolazain’i Jehovah? Hoe azo itokisana izy, raha ny amin’ny famoronana sy ny fanambarana ataony. Tsy “hoe tsy misy endrika”, na hoe ‘tsy amin’ny antony’ (araka ny teny hebreo), akory no namoronany ny tany. Toy izany koa fa tsy nangataka ny Isiraely vahoakany hitady azy “foana”, na “tsy amin’ny antony” (araka ny teny hebreo), izy. Ho tanteraka tsy misy hafa amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany, ny fikasany ho an’ny vahoaka voafidiny. Lazain’i Jehovah ampahibemaso foana ny teniny, tsy toy ny fanambarana maizimaizina ataon’ireo manompo andriamani-diso. Ara-drariny ny teniny, ary ho tanteraka. Tsy ho very maina ny fanompoan’ireo manompo azy.

22. a) Afaka natoky ny amin’ny inona ny Jiosy babo tany Babylona? b) Inona no toky ananan’ny Kristianina ankehitriny?

22 Nanome toky ny vahoakan’Andriamanitra babo tany Babylona ireo teny ireo fa tsy havela ho lao ny Tany Nampanantenaina. Hisy mponina indray izy io. Tanteraka tokoa ny teny nataon’i Jehovah tamin’izy ireo. Mbola manome toky ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ihany ny tenin’i Isaia, hoe tsy ho tonga lao sy foana ny tany: tsy ho kilan’ny afo, araka ny inoan’ny sasany, na ho potiky ny baomba, araka ny atahoran’ny hafa. Tany hitoetra mandrakizay, sy ho rakotra paradisa kanto ary honenan’ny olona marina sy mahitsy, no fikasan’Andriamanitra. (Salamo 37:11, 29; 115:16; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4) Eny, toy ny teo amin’ny Isiraely, dia tena ho azo itokisana ny tenin’i Jehovah.

Maneho famindram-po i Jehovah

23. Inona no hiafaran’ireo mivavaka amin’ny sampy, ary ahoana kosa ny amin’ireo mivavaka amin’i Jehovah?

23 Antitranterina ato amin’ireto tenin’i Jehovah manaraka ireto ny famonjena ny Isiraely: “Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, hianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy. Alaharo, ka asehoy mazava; eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.” (Isaia 45:20, 21) Nasain’i Jehovah nampitaha ny famonjena azy ireo tamin’izay nanjo an’ireo nivavaka tamin’ny sampy, ireo “sisa afaka.” (Deoteronomia 30:3; Jeremia 29:14; 50:28) Nivavaka tamin’andriamanitra tsy nanan-kery hamonjy azy, ireo mpanompo sampy, ka azo lazaina hoe tsy ‘nanam-pahalalana.’ Very maina ny fivavahan’izy ireo. Ireo nivavaka tamin’i Jehovah kosa anefa nahita fa manana ny hery hampitrangana ireo zavatra nolazainy mialoha “hatramin’ny fahiny” ilay Andriamaniny. Anisan’izany ny famonjena ny vahoakany babo tany Babylona. Mampiavaka an’i Jehovah amin’ny andriamani-kafa rehetra ny hery sy ny fahitan-javatra mialoha toy izany. Tena “Andriamanitra marina sady Mpamonjy” tokoa izy.

“Ny famonjena dia azonay avy amin’Andriamanitray”

24, 25. a) Fanasana inona no nataon’i Jehovah, ary nahoana no azo antoka fa ho to ny teny nataony? b) Manana zo hitaky inona moa i Jehovah?

24 Nanosika an’i Jehovah hanao izao fanasana izao ny famindram-pony: “Mijere Ahy, dia ho voavonjy hianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa. Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin’ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra, sy hianianan’ny lela rehetra hoe: Ao amin’i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka Izy ihany no hohatonin’ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy. Ao amin’i Jehovah no hanamarinana ny taranak’Isiraely rehetra sy hananany rehareha.”—Isaia 45:22-25.

25 Nampanantena ny Isiraely i Jehovah fa hamonjy an’ireo nitodika tany aminy, tany Babylona. Tsy hety mihitsy izany hoe faminaniany tsy ho tanteraka izany, satria tsy maniry hamonjy ny vahoakany fotsiny i Jehovah, fa mahay manao izany koa. (Isaia 55:11) Ireo teny lazainy fotsiny dia efa azo itokisana, ka mainka fa raha ampiany ny fianianany mba hanamafisana azy. (Hebreo 6:13) Zony ny mitaky fanekena (“handohalehan’ny lohalika rehetra”) sy fanomezan-toky hiantsoroka adidy (“hianianan’ny lela rehetra”) amin’ireo maniry hahazo sitraka aminy. Hovonjena ny Isiraelita maneho fikirizana eo amin’ny fivavahany amin’i Jehovah. Ho afaka hirehareha noho izay hataon’i Jehovah ho azy izy ireo.—2 Korintiana 10:17.

26. Ahoana no ampisehoan’ny “olona betsaka” fa manoina ny fanasan’i Jehovah hitodika any aminy izy ireo?

26 Tsy ho an’ireo babo tany Babylona fahiny ihany anefa ny fanasan’i Jehovah hitodika any aminy. (Asan’ny Apostoly 14:14, 15; 15:19; 1 Timoty 2:3, 4) Mbola manan-kery ihany io fanasana io, ary misy ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra’ manoina azy io ka manambara hoe: “Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, . . . sy ho an’ny Zanak’ondry [Jesosy].” (Apokalypsy 7:9, 10; 15:4) Olona vaovao ana hetsy no manatevin-daharana ny olona betsaka isan-taona. Mitodika any amin’Andriamanitra izy ireo, ka manaiky tanteraka ny fanjakany ary manambara ampahibemaso ny tsy fivadihany aminy. Manohana ny Isiraely ara-panahy, dia ny “taranak’i Abrahama”, koa izy ireo. (Galatiana 3:29) Maneho ny fitiavany ny fanjakana marin’i Jehovah izy ireo, ka manambara maneran-tany hoe: “Ao amin’i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery.” * Nanonona ny teny ao amin’ny Isaia 45:23 ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Tiany haseho fa amin’ny farany, dia hanaiky ny fanjakan’Andriamanitra ny olona velona rehetra ka hidera ny anarany mandrakizay.—Romana 14:11; Filipiana 2:9-11; Apokalypsy 21:22-27.

27. Nahoana ny Kristianina ankehitriny no afaka matoky tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?

27 Nahoana ny olona betsaka no afaka matoky fa ho voavonjy izy raha mitodika any amin’Andriamanitra? Satria azo itokisana ny teny ataon’i Jehovah, araka ny asehon’ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-45 mazava tsara. Nanana ny hery sy fahendrena hamoronana ny lanitra sy ny tany i Jehovah. Toy izany koa, fa manana ny hery sy fahendrena hanatanterahana ny faminaniany izy. Ary toy ny nanatanterahany ilay faminaniana momba an’i Kyrosy, no hanatanterahany izay faminaniana ara-baiboly hafa rehetra mbola tsy tanteraka. Afaka matoky àry ny mpanompon’i Jehovah fa tsy ho ela i Jehovah dia hiseho indray ho “Andriamanitra marina sady Mpamonjy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 26 Amin’ny endriny milaza maro ilay teny hebreo nadika hoe “fahamarinana be” eto. Izany dia mba hanehoana ny haben’ny fahamarinan’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 80, 81]

Afaka mitondra fiadanana sy mahatonga loza i Jehovah, izay namorona ny mazava sy nahary ny maizina

[Sary, pejy 83]

Hasain’i Jehovah handrotsaka fitahiana ny “lanitra” ary hamokatra famonjena “ny tany”

[Sary, pejy 84]

Moa ve ny vakivakim-bilany efa nariana tokony hisalasala ny amin’ny fahendren’ny mpanao azy?

[Sary, pejy 89]

Tsy namorona ny tany tsy amin’ny antony i Jehovah