Angonina ao An-tranon’Andriamanitra ny Hafa Firenena
Toko Fahafito Ambin’ny Folo
Angonina ao An-tranon’Andriamanitra ny Hafa Firenena
1, 2. Inona no fanambarana nampientam-po natao tamin’ny 1935, ary anisan’ny inona ilay izy?
NANDAHA-TENY tamin’ny fivoriambe tany Washington, any Etazonia, i Joseph Rutherford, tamin’ny zoma 31 Mey 1935. Nampahafantariny hoe iza ireo “olona betsaka” hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana. Hoy izy, rehefa tonga teo amin’ny hevi-dehibe indrindra tamin’ny lahateniny: “Mba mitsangàna, aza fady, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany!” Nolazain’ny olona iray nanatrika tamin’izay fa “maherin’ny antsasaky ny mpanatrika no nitsangana.” Hoy ilay mpandahateny avy eo: “Jereo ny olona betsaka!” Hoy ny fitantaran’ny mpanatrika iray hafa: “Nangina be aloha tamin’ny voalohany, avy eo dia nisy hiakam-pifaliana sy tehaka mafy sy naharitra.”—Apokalypsy 7:9.
2 Iny fotoan-dehibe iny dia anisan’ny nahatanteraka ny faminaniana hitantsika ao amin’ny Isaia toko faha-56, nosoratana 2 700 taona lasa izay. Mirakitra fampanantenana mahafaly sy fampitandremana hentitra io faminaniana io, toy ny faminanian’i Isaia maro hafa. Ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena tamin’ny andron’i Isaia no niharan’izy io voalohany. Naharitra an-jato taona anefa ny fahatanterahany, ka tonga hatratỳ amin’ny androntsika.
Ny tokony hatao mba ho voavonjy
3. Inona no tsy maintsy nataon’ny Jiosy, raha tiany ny hovonjen’Andriamanitra?
3 Nananatra ny Jiosy aloha ny Isaia toko faha-56. Kanefa ny mpivavaka marina rehetra no tokony hankatò ny tenin’ilay mpaminany. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory.” (Isaia 56:1, 2) Tsy maintsy nankatò ny Lalàn’i Mosesy ny mponin’i Joda ka nitandrina ny rariny sy nanao ny marina, raha tiany ny hovonjen’Andriamanitra. Nahoana? Satria marina i Jehovah. Sambatra ireo manao ny marina, satria ankasitrahan’i Jehovah.—Salamo 144:15b.
4. Nahoana no zava-dehibe teo amin’ny Isiraely ny fitandremana ny Sabata?
4 Nasongadin’ilay faminaniana ny fitandremana ny Sabata, satria lafiny lehibe tamin’ny Lalàn’i Mosesy izy io. Raha ny marina aza, dia ny nanaovan’ny mponin’i Joda tsirambina ny Sabata no anisan’ny antony nanaovana sesitany azy ireo. (Levitikosy 26:34, 35; 2 Tantara 36:20, 21) Famantarana ny fifandraisana manokana nisy teo amin’i Jehovah sy ny Jiosy ny Sabata. Nampiseho ny fankasitrahany izany fifandraisana izany àry izay nitandrina ny Sabata. (Eksodosy 31:13) Ny fitandreman’ny mpiara-belona tamin’i Isaia ny Sabata koa dia nampahatsiahy azy ireo fa i Jehovah no Mpamorona. Nampahatsiahy azy ireo ny famindram-pony tamin’izy ireo koa izany. (Eksodosy 20:8-11; Deoteronomia 5:12-15) Afaka nanompo an’i Jehovah tamin’ny fomba voalamina sy tsy tapaka koa izy ireo, tamin’ny andro Sabata. Rehefa nitsahatra tamin’ny asany indray mandeha isan-kerinandro tokoa ny mponin’i Joda, dia afaka nivavaka sy nianatra ary nisaintsaina.
5. Ahoana no ampiharan’ny Kristianina ny torohevitra hitandrina ny Sabata?
5 Ahoana kosa ny amin’ny Kristianina? Mihatra aminy ve ny fampirisihana hitandrina ny Sabata? Tsy eo ambanin’ny Lalàna ny Kristianina, ka tsy voatery hitandrina ny Sabata. (Kolosiana 2:16, 17) Na izany aza, dia nilaza ny apostoly Paoly fa misy “sabata fitsaharana” ho an’ny Kristianina mahatoky. Ny hoe miditra amin’io “sabata fitsaharana” io dia midika hoe mino ny sorom-panavotan’i Jesosy mba ho voavonjy sy mitsahatra tsy manao afa-tsy izay tian’ny tena. (Hebreo 4:6-10) Ny tenin’i Isaia mpaminany momba ny Sabata àry dia mampahatsiahy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny fa tena ilaina ny mino ny fomba famonjena nalamin’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika koa izy io fa ilaina ny manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy manompo azy tsy tapaka ka tsy hiovaova.
Fampiononana ho an’ny hafa firenena sy ny ionoka
6. Antokon’olona roa iza avy no niresahan’i Jehovah izao?
6 Niresaka tamin’ny antokon’olona roa naniry hanompo azy izao i Jehovah. Tsy nahafeno fepetra ho anisan’ny fiangonana Jiosy anefa izy ireo, araka ny Lalàn’i Mosesy. Izao no vakintsika: “Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin’i Jehovah tsy ho isan’ny olony tokoa aho; ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.” (Isaia 56:3) Natahotra ny hafa firenena sao hesorina tsy ho isan’ny Isiraely. Ny ionoka kosa nanahy sao tsy hanana zanaka handimby ny anarany. Tsy tokony hanary toky anefa izy ireo. Hiresaka momba ny anton’izany isika, nefa andeha aloha isika hijery ny toeran’izy ireo teo amin’ny Isiraely, araka ny Lalàn’i Mosesy.
7. Inona avy no fetra nofaritan’ny Lalàna ho an’ny hafa firenena teo amin’ny Isiraely?
Eksodosy 12:43) Nentina ara-drariny sy noraisina tsara ny hafa firenena izay tsy ninia nandika ny lalàn’ilay tany, kanefa tsy nahazo ireo tombontsoa rehetra nananan’ilay firenena. Nisy nanaiky tanteraka ny Lalàna, ka noforana. Tonga proselyta izy ireo tamin’izany, ka nahazo nanompo tao amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah, ary noheverina ho anisan’ny Isiraely. (Levitikosy 17:10-14; 20:2; 24:22) Kanefa na ny proselyta aza tsy afaka nanararaotra tamin’ny fomba feno an’ilay fanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’ny Isiraely, ary tsy nandova tany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nahazo nitodika tany amin’ny tempoly ny hafa firenena rehefa nivavaka, ary toa nahazo nanolotra fanatitra tamin’ny alalan’ny mpisorona, raha mbola nifanaraka tamin’ny Lalàna koa izany fanatitra izany. (Levitikosy 22:25; 1 Mpanjaka 8:41-43) Tsy nahazo nifanerasera akaiky taminy anefa ny Isiraelita.
7 Tsy navela hiara-manompo tamin’ny Isiraely ny hafa firenena tsy voafora. Tsy nahazo nihinana ny Paska izy ireo, ohatra. (Nahazo anarana mandrakizay ny ionoka
8. a) Ahoana no niheverana ny ionoka, teo ambanin’ny Lalàna? b) Ahoana no nampiasan’ny firenena mpanompo sampy ny ionoka, ary midika ho inona ny hoe “ionoka” indraindray?
8 Tsy nekena ho anisan’ny firenena Isiraely tamin’ny heviny feno ny ionoka, na dia Jiosy aza ny ray aman-dreniny. * (Deoteronomia 23:2) Nanana toerana tena manokana ny ionoka teo amin’ny firenena mpanompo sampy sasany, tamin’ny andron’ny Baiboly, ary matetika no novosirin’izy ireo ny ankizilahy sasany babo an’ady. Notendrena hiasa tao an-dapa ny ionoka. Azo notendrena ho “mpifehy ny vehivavy” na “mpitandrina ny vaditsindrano” na mpanompon’ny vadin’ny mpanjaka, ny tsindranolahy, na ionoka. (Estera 2:3, 12-15; 4:4-6, 9) Tsy misy porofo anefa ilazana raha nanaraka izany fanao izany ny Isiraelita, na nanendry ionoka mba hanompo ny mpanjaka Isiraelita. *
9. Inona no teny fampiononana nataon’i Jehovah tamin’ny ionoka ara-bakiteny?
9 Tsy vitan’ny hoe noferana ny fahafahan’ny ionoka ara-bakiteny nanompo an’ilay Andriamanitra marina teo amin’ny Isiraely, fa nijaly koa izy ireo noho ilay fahafaham-baraka, satria tsy afaka nanana zanaka hitondra ny anaran’ny fianakaviany. Tena nampionona azy ireo àry ny tenin’ilay faminaniana nanao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny amin’ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko, dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny màndako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.”—Isaia 56:4, 5.
10. Oviana no niova ny fomba fiheverana ny ionoka, ary inona no tombontsoa nomena azy ireo nanomboka tamin’izay?
10 Eny, ho tonga ny fotoana tsy hisakanana intsony ny ionoka ara-bakiteny tsy ho mpanompon’i Jehovah amin’ny heviny feno. Raha nankatò izy ireo, dia hanaovana “fahatsiarovana”, na toerana, ao amin’ny tranon’i Jehovah. Homena anarana, izay tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy, Galatiana 6:16) Neken’Andriamanitra nanomboka tamin’izay ny fanompoan’ny olona nino rehetra. Tsy zava-dehibe intsony ny toe-batana. Homena “anarana mandrakizay izay tsy hesorina” ireo niaritra sy nahatoky, na manao ahoana na manao ahoana toe-batany. Tsy hohadinoin’i Jehovah izy ireo. Hosoratana ao amin’ny ‘boky fahatsiarovany’ ny anaran’izy ireo, ary homeny ny fiainana mandrakizay izy ireo.—Malakia 3:16; Ohabolana 22:1; 1 Jaona 2:17.
koa izy ireo. Rahoviana izany no ho tanteraka? Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ho efa lany andro ny faneken’ny Lalàna amin’izay, ka hosoloana ny fanekena vaovao. Hosoloana ny “Isiraelin’Andriamanitra” koa ny Isiraely ara-nofo. (Miara-manompo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny hafa firenena
11. Inona no nasaina nataon’ny hafa firenena, raha tiany ny hahazo fitahiana?
11 Ahoana kosa ny amin’ny hafa firenena? Niresaka azy ireo indray ilay faminaniana, ary tena nampionona azy ireo ny tenin’i Jehovah nanao hoe: “Ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony—dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko—dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra odorany sy ny fanatitra hafa alatsa-dra dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.”—Isaia 56:6, 7.
12. Inona no ninoana taloha momba ilay faminanian’i Jesosy ny amin’ny “ondry hafa”?
12 Nihanazava tsikelikely ny atao hoe “hafa firenena” amin’ny andro ankehitriny. Efa fantatra talohan’ny Ady Jaona 10:16 hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” Azon’izy ireo tsara fa ho eto an-tany ireo “ondry hafa” ireo. Nino anefa izy ireo fa mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy izy ireo vao hiseho.
Lehibe Voalohany fa ho betsaka kokoa noho ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, na ny Isiraelin’Andriamanitra, ireo ho voavonjy. Fantatry ny mpianatra ny Baiboly ny tenin’i Jesosy ao amin’ny13. Nahoana no tsy maintsy amin’ny andro faran’ity tontolo ity no isehoan’ireo ondry ao amin’ny Matio toko faha-25?
13 Nihanazava avy eo ny hevitry ny andininy iray hafa miresaka momba ny ondry, dia ny Matio toko faha-25 izay mirakitra ny fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy. Hahazo ny fiainana mandrakizay ny ondry, satria nanampy ny rahalahin’i Jesosy. Mazava àry fa antokon’olona miavaka tsara amin’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy izy ireo. Nohazavaina tamin’ny fivoriambe iray tany Los Angeles, any Etazonia, tamin’ny 1923, fa tsy maintsy niseho nandritra ny andro faran’ity tontolo ity ireo ondry ireo, fa tsy mandritra ny Arivo Taona. Nahoana? Satria io fanoharana io dia anisan’ny valiny nomen’i Jesosy ho an’ilay fanontaniana hoe: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.”—Matio 24:3.
14, 15. Inona avy no nanampy mba hahafantarana hoe iza ireo ondry hafa amin’ny fotoan’ny farany?
14 Nandritra ireo taona 1920, dia nisy olona nifanerasera tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, nefa tsy nahatsiaro ho nantsoin’ny fanahin’i Jehovah ho any an-danitra. Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra anefa izy ireny, ary be zotom-po. Nihanazava kokoa ny momba azy ireo, noho ilay boky hoe Fanamarinana (anglisy), nivoaka tamin’Ezekiela 9:1-11) Namakivaky an’i Jerosalema io “olona” io ary nanisy marika ny handrin’ireo nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana natao tao. Mifanitsy amin’io “olona” io ny rahalahin’i Jesosy, izany hoe ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra eto an-tany amin’ny fotoana handringanana ny Kristianisma Anarana izay mifanitsy amin’i Jerosalema fahiny. Ireo asiana marika kosa dia ny ondry hafa velona amin’io fotoana io koa. Hotsimbinina ny ain’ireo, rehefa handringana an’io tanàna nivadi-pinoana io ny mpanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah.
ny 1931. Nanazava ny andininy tsirairay amin’ny bokin’i Ezekiela io boky io, ary anisan’izany ilay fahitana ny amin’ilay “olona” nitondra fitoeran-dranomainty. (15 Nanjary azo tsara ny hevitry ny tantaran’i Jeho, mpanjakan’ny Isiraely, sy Jonadaba tsy Isiraelita, tamin’ny 1932. Fantatra fa i Jonadaba izay nanampy an’i Jeho mba hamongotra ny fivavahana tamin’i Bala, dia mifanitsy amin’ireo ondry hafa manampy ny voahosotra rahalahin’i Kristy. Farany, dia fantatra tamin’ny 1935 fa ny ondry hafa velona amin’ny andro faran’ity tontolo ity dia ireo olona betsaka hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana. Tamin’ilay fivoriambe tany Washington voalaza tetsy aloha no nanazavana izany voalohany, fony i Joseph Rutherford niantso an’ireo manantena ny ho eto an-tany hoe “ny olona betsaka.”
16. Inona avy no tombontsoa sy andraikitra ananan’ny “hafa firenena”?
16 Nihanazava tsikelikely àry fa mahatanteraka ny fikasan’i Jehovah amin’izao andro farany izao koa “ny hafa firenena.” Manatona ny Isiraelin’Andriamanitra izy ireo mba hanompo an’i Jehovah. (Zakaria 8:23) Manolotra fanatitra azon’Andriamanitra ekena miaraka amin’io firenena ara-panahy io izy ireo, ary miditra ao amin’ny sabata fitsaharana. (Hebreo 13:15, 16) Manompo ao amin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra koa izy ireo, dia “trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”, sahala amin’ilay tempoly tany Jerosalema. (Marka 11:17) ‘Manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo, izany hoe mino ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Manompo an’i Jehovah “andro aman-alina”, na tsy tapaka, koa izy ireo.—Apokalypsy 7:14, 15.
17. Inona no hevitry ny hoe mitana ny fanekena vaovao ireo hafa firenena ankehitriny?
17 Mitana ny fanekena vaovao ireo hafa firenena ankehitriny ireo, amin’ny heviny hoe mifanerasera amin’ny Isiraelin’Andriamanitra izy ireo, ka mandray soa sy fitahiana avy amin’ny fanekena vaovao. Tsy tafiditra ao amin’io fanekena io izy ireo, nefa manaiky ny lalàna ao anatiny amin’ny fony rehetra. Ao am-pon’izy ireo àry ny lalàn’i Jehovah, Jeremia 31:33, 34; Matio 6:9; Jaona 17:3.
ary mahafantatra azy sy manaiky azy ho Rainy any an-danitra sy Mpanjaka fara tampony izy ireo.—18. Inona no asa fanangonana tanterahina amin’izao fotoan’ny farany izao?
18 Hoy ny tohin’ny faminanian’i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo, izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.” (Isaia 56:8) Namory “ny Isiraely voaroaka”, na ny sisa voahosotra, i Jehovah amin’ny fotoan’ny farany. Mamory ireo anisan’ny olona betsaka koa izy. Miara-manompo ao anatin’ny fiadanana sy firaisan-tsaina izy ireo, tarihin’i Jehovah sy Kristy Jesosy notendreny ho Mpanjaka. Tsy mivadika amin’ny fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy izy ireo, ka nampiraisin’io Mpiandry Tsara io ho ao amin’ny andiany falifaly iray ihany.
Mpitily jamba, amboa moana
19. Nasaina ho amin’ny inona ny bibidia rehetra?
19 Ireo teny mampahery sy maneho fitiavana ireo dia arahina teny manaitra sy mila hanafintohina mihitsy. Vonona ny hamindra fo tamin’ireo hafa firenena sy ionoka i Jehovah. Maro tamin’ireo milaza ho anisan’ny fiangonan’Andriamanitra anefa no voaheloka ka hiharan’ny didim-pitsarany. Tsy mendrika ny hanaovana fandevenana mihaja akory aza izy ireo, fa havela hohanin’ny bibidia lian-dremby. Izao tokoa no vakintsika: “He, hianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, hianareo biby rehetra any an-ala.” (Isaia 56:9) Inona no fanasam-be anasana ireo bibidia ireo? Ny valiny omen’ilay faminaniana dia mety hahatonga ao an-tsaintsika izay hanjo an’ireo mpanohitra an’Andriamanitra amin’ny ady Hara-magedona, satria havela hohanin’ny vorona koa ny fatin’izy ireo.—Apokalypsy 19:17, 18.
20, 21. Nahoana ireo mpitondra fivavahana no mpitarika ara-panahy tsy nisy nilana azy?
20 Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavòvò, manonofy izy, eny, mandry ka tia torimaso. Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ny làlany avy izy rehetra, samy mankamin’ny filàny harena avokoa izy rehetra. Avia, hianareo, hoy ireny, fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza.”—21 Nihambo ho nivavaka tamin’i Jehovah sy ho “mpitiliny” ny mpitondra fivavahana teo amin’ny Joda. Jamba sy moana ary natoritory ara-panahy anefa izy ireo. Koa nisy nilana azy ireo ve, raha tsy afaka niambina na nampitandrina ny amin’ny loza akory izy ireo? Tsy nahazo na nahalala na inona na inona ireny mpitily ara-pivavahana ireny, ka tsy nahafeno fepetra ho mpitarika ara-panahy an’ilay vahoaka. Mpandray kolikoly koa izy ireny, sy feno filan-dratsy ary tsy nety afa-po. Tsy nanaraka ny fitarihan’i Jehovah izy ireny, fa nanao izay tiany hatao, ary nikatsaka harena tsy marina, sy nanaram-po tamin’ny toaka ary nitaona ny hafa hanaraka azy. Hadinony ilay didim-pitsaran’Andriamanitra, ka nilazany ny olona fa tsy nisy tokony hampanahy azy ireo.
22. Inona no nitovian’ny mpitondra fivavahana teo amin’ny Joda fahiny sy tamin’ny andron’i Jesosy?
22 Efa nampiasa teny an’ohatra mitovy amin’io i Isaia, teo am-piandohan’ny faminaniany, mba hiresahana momba ny mpitondra fivavahana tsy nahatoky teo amin’ny Joda: Mamo ara-panahy sy rendremana ary tsy nahalala na inona na inona. Nanototra ny vahoaka tamin’ny lovantsofin’olombelona izy ireo, sy nilaza lainga ara-pivavahana ary 2 Mpanjaka 16:5-9; Isaia 29:1, 9-14) Niharihary fa tsy nandray fianarana avy tamin’izany izy ireo. Mampalahelo fa nisy mpitondra toy izany tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nanaiky ilay vaovao tsara nentin’ilay Zanak’Andriamanitra izy ireo, fa nanda an’i Jesosy kosa ary niray tetika hampamono azy. Tsy niolakolaka niantso azy ireo hoe “mpitarika jamba” i Jesosy, ary nilaza koa fa “raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.”—Matio 15:14.
nitoky tamin’i Asyria fa tsy tamin’Andriamanitra. (Mpitily ankehitriny
23. Inona no faminaniana momba ireo mpitondra fivavahana nolazain’i Petera ka tanteraka?
23 Nampitandrina ny apostoly Petera fa hisy mpampianatra sandoka hamitaka ny Kristianina. Hoy izy: “Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handa ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany.” (2 Petera 2:1) Inona no vokatry ny fampianarana sandoka sy ny sain-dison’ireo mpampianatra sandoka? Ny Kristianisma Anarana. Mangataka ny hitahian’Andriamanitra an’ireo sakaizany ara-politika ny mpitondra fivavahana ao aminy, nefa mampanantena hoavy mamirapiratra koa. Hita àry fa jamba sy moana ary matory ara-panahy ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana.
24. Inona no mampiseho fa tafaray ny Isiraely ara-panahy sy ny hafa firenena?
24 Kanefa mampiditra olona hafa firenena an-tapitrisa ao amin’ny tranony ara-panahy i Jehovah, mba hiara-manompo amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy. Avy amin’ny firenena sy firazanana ary fiteny maro izy ireo, nefa miray saina sy tafaray amin’ny Isiraely ara-panahy. Mino izy ireo fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ihany ny famonjena. Tia an’i Jehovah izy ireo, ka manatevin-daharana ny voahosotra rahalahin’i Kristy mba hanambara ny finoany. Ary manovo fampiononana lehibe izy ireo avy amin’ny tenin’ilay apostoly hoe: “Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao.”—Romana 10:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Ny ionoka dia lehilahy novosirina. Nanjary nidika koa hoe tandapa anefa io teny io. Koa satria proselyta ilay Etiopianina (ka azo natao batisa talohan’ny nanomezana io tombontsoa io ho an’ny tsy Jiosy), dia tamin’ny heviny hoe “tandapa” no niantsoana azy hoe “ionoka”, tamin’ny teny tany am-boalohany.—Asan’ny Apostoly 8:27-39.
^ feh. 8 Nantsoina hoe ionoka i Ebeda-meleka, araka ny teny tany am-boalohany. Nanampy an’i Jeremia izy ary nifanerasera akaiky tamin’i Zedekia Mpanjaka. Tandapa àry no dikan’io teny io eo, fa tsy ionoka ara-bakiteny.—Jeremia 38:7-13.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 250]
Afaka nivavaka sy nianatra ary nisaintsaina ny vahoaka tamin’ny Sabata
[Sary, pejy 256]
Nolazaina mazava tsara tamin’ny fivoriambe tany Washington, tamin’ny 1935, hoe iza ny ondry hafa (eto ambany: batisa; ankavanana: fandaharana)
[Sary, pejy 259]
Asaina ho amin’ny fanasam-be iray ireo bibidia
[Sary, pejy 261]
Tafaray ny hafa firenena sy ny Isiraelin’Andriamanitra