‘Asandrato ny Feo, ka Miaraha Mihoby!’
Toko Fahatelo Ambin’ny Folo
‘Asandrato ny Feo, ka Miaraha Mihoby!’
1. Nahoana no mahafaly ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-52, ary oviana avy izy ireo no tanteraka?
FAHAFAHANA! Misy fanantenana mahafaly kokoa ny olona babo noho izany ve? Fahafahana sy famerenana amin’ny laoniny no tena resahin’ny bokin’i Isaia. Tsy mahagaga àry raha izy io no boky ao amin’ny Baiboly miresaka be indrindra momba ny fifaliana, ankoatra ny Salamo. Ny Isaia toko faha-52 no tena manome antony hifalian’ny vahoakan’Andriamanitra. Tanteraka tamin’i Jerosalema tamin’ny 537 T.K. ireo faminaniana ireo. Tanteraka tamin’ny ambaratonga lehibe kokoa izy ireo tamin’i “Jerosalema any ambony”, dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra voaforon’ny zavaboariny ara-panahy ary atao hoe reny sy vady indraindray.—Galatiana 4:26; Apokalypsy 12:1.
“Tafio ny herinao, ry Ziona ô”!
2. Oviana i Ziona no nifoha, ary inona no nitarika ho amin’izany?
2 Nasain’i Jehovah niantso an’i Ziona, ilay tanànany malala, toy izao i Isaia: “Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. Ahintsano ny vovoka hiala amin’ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.” (Isaia 52:1, 2) Nampahatezitra an’i Jehovah ny mponin’i Jerosalema, ka navela ho lao nandritra ny 70 taona ilay tanàna. (2 Mpanjaka 24:4; 2 Tantara 36:15-21; Jeremia 25:8-11; Daniela 9:2) Tsy nanao na inona na inona nandritra ny ela be izy ireo, ka tsy maintsy nifoha amin’izay, mba hanao ny fitafiana tsara tarehin’ny fahafahana. Nanohina ny fon’i Kyrosy i Jehovah, mba hanafahany an’i “Ziona, zanakavavy.” Amin’izay ny mponin’i Jerosalema taloha sy ny zanany dia ho afaka hiala ao Babylona sy hody ka hampiorina indray ny fivavahana marina any amin’ny taniny. Tsy tokony hisy olona tsy voafora na maloto any Jerosalema.—Ezra 1:1-4.
3. Nahoana ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra no azo antsoina hoe “Ziona, zanakavavy”, ary amin’ny heviny ahoana izy ireo no hoe afaka?
3 Tanteraka teo amin’ny fiangonana kristianina koa ireo tenin’i Isaia ireo. Azo antsoina hoe “Ziona, zanakavavy” koa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, satria i “Jerosalema any ambony” no reniny. * Nafahana avy tamin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy sy ny mpivadi-pinoana ireo voahosotra, ka tsy maintsy madio foana eo anatrehan’i Jehovah. Takina aminy amin’izany ny ho voafora fo, fa tsy ho voafora ara-bakiteny akory. (Jeremia 31:33; Romana 2:25-29) Tsy maintsy madio ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena eo anatrehan’i Jehovah izy ireo.—1 Korintiana 7:19; Efesiana 2:3.
4. Na dia tsy nandika ny tenin’i Jehovah mihitsy aza i “Jerosalema any ambony”, inona kosa no nanjo ny solontenany teto an-tany, toy ny nanjo ny mponin’i Jerosalema fahiny?
4 Tsy nandika ny tenin’i Jehovah mihitsy i “Jerosalema any ambony.” Tamin’ny Ady Lehibe Voalohany anefa, dia nandika tsy nahy ny lalàn’i Jehovah ny Kristianina voahosotra, solontenan’izy io eto an-tany. Tsy takatr’izy ireo tsara ny tena dikan’ny hoe tsy naman’izao tontolo izao ny Kristianina. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo tamin’izay, ka nanjary babon’i “Babylona lehibe”, na ny fivavahan-diso maneran-tany. (Apokalypsy 17:5) Ny ratsy indrindra tamin’izany fotoam-panandevozana izany dia tamin’ny Jona 1918, rehefa nogadraina ny valo tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Nampangaina lainga izy ireo. Nolazaina, ohatra, fa nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana izy ireo. Nitsahatra ny fitoriana tamin’ny fomba voalamina tamin’izay. Tamin’ny 1919 anefa, dia nisy antso mafy nalefa mba hifohazana ara-panahy. Nanomboka nisaraka tanteraka tamin’i Babylona Lehibe, izay naloto ara-pitondran-tena sy ara-panahy, ny Kristianina voahosotra. Toy ny hoe nitsangana avy tamin’ny vovoky ny fanandevozana izy ireo. Nanjary namirapiratra toy ny “tanàna masina”, tsy misy fahalotoana ara-panahy, i “Jerosalema any ambony.”
5. Nahoana i Jehovah no nanana zo hanavotra ny olony, nefa tsy nandoa na inona na inona tamin’ny mpamabo azy ireo?
5 Nanana zo ara-drariny hanafaka ny olony i Jehovah, na tamin’ny 537 T.K. izany, na tamin’ny 1919. Hoy i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.” (Isaia 52:3) Tsy nandoa na dia ariary aza, na i Babylona fahiny na i Babylona Lehibe, rehefa naka ny vahoakan’Andriamanitra ho babo. Tsy nisy vola naloa tamin’izay, ka mbola i Jehovah ihany àry no Tompon’ny vahoakany ara-dalàna. Tokony hahatsiaro ho ananan’olona trosa ve izy? Tsia, mazava ho azy. Zony ny nanavotra ny mpanompony fahiny sy ankehitriny, nefa tsy nandoa na inona na inona tamin’ny mpamabo azy ireo.—Isaia 45:13.
6. Inona no fianarana tsy noraisin’ny fahavalon’i Jehovah avy tamin’ny tantara?
6 Tsy nandray fianarana avy tamin’ny tantara ny fahavalon’i Jehovah. Izao no vakintsika: “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ny oloko tamin’ny voalohany mba hivahiny tany; ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.” (Isaia 52:4) Nandevozin’i Farao ny Isiraelita, na dia vahiny nasain’i Ejipta honina tao amin’ny taniny aza. Narendrik’i Jehovah tao amin’ ny Ranomasina Mena niaraka tamin’ny tafiny anefa i Farao avy eo. (Eksodosy 1:11-14; 14:27, 28) Nandrahona an’i Jerosalema koa i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, nefa novonoin’ny anjelin’i Jehovah ny miaramilany 185 000. (Isaia 37:33-37) Samy tsy ho afa-maina koa na i Babylona fahiny na i Babylona Lehibe, izay samy nampahory ny vahoakan’Andriamanitra.
“Ny oloko dia hahalala ny anarako”
7. Nisy vokany inona teo amin’ny anaran’i Jehovah ny fahababoan’ny vahoakany?
7 Nisy fiantraikany teo amin’ny anaran’i Jehovah ny nanandevozana ny vahoakany. Hoy ilay faminaniana: “Ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; eny, amin’izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.” (Isaia 52:5, 6) Nanontany i Jehovah hoe: “Inona no hataoko eto?”, amin’ny heviny hoe: Inona no idirako amin’ny nanandevozana ny Isiraely tany Babylona? Tsy maintsy nanao zavatra i Jehovah, satria namabo ny vahoakany i Babylona sy nanakora azy ireo. Nahatonga an’i Babylona hanamavo ny anaran’i Jehovah izany fieboeboany izany. (Ezekiela 36:20, 21) Tsy nety nanaiky izy fa noho i Jehovah tsy faly tamin’ny vahoakany no nahalao an’i Jerosalema. Noraisin’i Babylona ho porofon’ny fahalemen’ny Andriamanitry ny Jiosy kosa ny naha andevo azy ireo. Naniratsira an’i Jehovah mihitsy aza i Belsazara, mpanjaka lefitr’i Babylona, ka nampiasa ny fitaovan’ny tempolin’i Jehovah, mba hankalazana ny andriamanitr’i Babylona.—Daniela 5:1-4.
8. Inona no natao tamin’ny anaran’i Jehovah, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly?
8 Ahoana no azo ampiharana izany amin’i “Jerosalema any ambony”? Tafaorina teo amin’ireo nilaza azy ho kristianina ny fivadiham-pinoana, ary hatramin’izay dia azo lazaina fa izy ireo “no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.” (Romana 2:24; Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Ohatra, noho ny finoanoam-poana, dia nanjary tsy nety nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Jiosy. Nanjary tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra toy izany koa ny Kristianina nivadi-pinoana, rehefa maty ireo apostoly. Niforona àry ny Kristianisma Anarana, izay ny tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. (2 Tesalonianina 2:3, 7; Apokalypsy 17:5) Nanala baraka ny anaran’i Jehovah ny fahalotoam-pitondran-tena mahatsiravina sy ny trosan-dra mihoa-pampana eo amin’izy ireo.—2 Petera 2:1, 2.
9, 10. Inona no takatry ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny momba ny fitsipik’i Jehovah sy ny anarany?
9 Nafahan’ilay Kyrosy Lehibe, na i Jesosy Kristy, avy tamin’ny fahababoana tao amin’i Babylona Lehibe ilay vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny 1919. Takatr’izy ireo kokoa izao izay notakin’i Jehovah. Efa nanadio tena ho afaka amin’ny fampianaran’ny Kristianisma Anarana izy ireo: ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe, izay samy avy amin’ny fanompoan-tsampy talohan’ny andron’i Kristy. Nanomboka namafa izay soritra rehetra avy tamin’i Babylona
Lehibe kosa izy ireo izao. Takany koa fa zava-dehibe ny tsy miandany na amin’iza na amin’iza amin’ny raharahan’ity tontolo ity. Naniry hanadio tena ho afaka tamin’ny trosan-dra nety ho nanameloka ny Kristianina sasany mihitsy aza izy ireo.10 Takatry ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny koa fa zava-dehibe ny anaran’i Jehovah. Nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tamin’ny 1931, ka nampahafantatra ampahibemaso tamin’izany fa manohana an’i Jehovah sy ny anarany izy ireo. Ankoatra izany, dia nomeny ny tena toerany ao amin’ny Baiboly indray ny anaran’Andriamanitra, rehefa namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo tamin’ny 1950. Takatr’izy ireo tokoa ny halehiben’ny anaran’i Jehovah, izay ampahafantariny maneran-tany.
“Irỳ mitondra teny soa mahafaly”
11. Nahoana no mety tsara amin’ny zava-nitranga tamin’ny 537 T.K. ny teny hoe “Tonga Mpanjaka ny Andriamanitrao!”?
11 Hiverina any Ziona, fony izy mbola lao, isika izao. Nisy iraka iray nitondra izao vaovao tsara izao: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!” Ireo teny farany ireo dia nandikana ny teny tany am-boalohany hoe: “Tonga Mpanjaka ny Andriamanitrao!” (Isaia 52:7) Nahoana no hoe tonga Mpanjaka ny Andriamanitr’i Ziona, tamin’ny 537 T.K.? Tsy efa Mpanjaka foana angaha moa i Jehovah? Marina izany, “Mpanjaka mandrakizay” izy! (Apokalypsy 15:3) Mety tsara anefa ilay teny hoe “Tonga Mpanjaka ny Andriamanitrao”, satria endrika vaovao nisehoan’i Jehovah ho mpanjaka ny fianjeran’i Babylona sy ilay fanambaran’ny mpanjaka hanorina indray ny tempolin’i Jerosalema sy hamerina ny fivavahana madio any.—Salamo 97:1.
12. Iza ilay ‘nitondra teny soa mahafaly’ lehibe indrindra, ary tamin’ny fomba ahoana?
Matio 9:35) Namela ohatra tsara i Jesosy, rehefa nitory tamin-jotom-po io vaovao tsara io sy nanararaotra ny fahafahana rehetra hampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 5:1, 2; Marka 6:34; Lioka 19:1-10; Jaona 4:5-26) Nanaraka ny ohatra nomeny ny mpianany.
12 Tsy nisy olona na antokon’olona fantatra ho ilay “mitondra teny soa mahafaly”, tamin’ny andron’i Isaia. Fantatra kosa ankehitriny ilay mitondra vaovao tsara. I Jesosy Kristy no mpitondra hafatr’i Jehovah lehibe indrindra. Fony teto an-tany izy, dia nitory ilay vaovao tsara hoe hafahana avy amin’ny vokatry ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama ny olona, ka anisan’izany ny aretina sy ny fahafatesana. (13. a) Ahoana no nampiharan’ny apostoly Paoly ilay teny hoe “Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana”? b) Nahoana no lazaina hoe tsara ny tongotr’ireo mpitondra hafatra?
13 Nanonona ny Isaia 52:7 ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, mba hanasongadinana fa tena ilaina ny mitory ny vaovao tsara. Nametraka fanontaniana nampisaintsaina toy izao izy: ‘Hataon’ny olona ahoana no fandre, raha tsy misy mitory?’ Hoy izy avy eo: “Araka ny voasoratra hoe: Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!” (Romana 10:14, 15, Fandikan-teny Katolika) Nampiasa ny mpamaritra anarana milaza maro hoe “ireto” i Paoly (araka io fandikan-teny io sy ny teny tany am-boalohany), fa tsy ilay milaza tokana hoe “iry” ao amin’ny Isaia, mba hampiharana azy amin’ny olona maro kokoa. Manahaka an’i Jesosy Kristy ny Kristianina rehetra, ka samy iraka mitondra ny vaovao tsaran’ny fiadanana avokoa. Nahoana no hoe tsara tarehy ny tongotr’izy ireo? Araka ny filazan’i Isaia azy, dia toy ny avy teny amin’ireo tendrombohitr’i Joda ilay iraka nanatona an’i Jerosalema. Tsy nisy afaka nahita avy lavitra ny tongotr’ilay iraka. Izy anefa no tena nifantohana, ka ny hoe tongotra dia manondro azy. Tsara tarehy tokoa ny fahitan’ny mpandefitra an’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ny androny. Mahafinaritra an’ireo manetry tena manaiky an’io vaovao tsara mamonjy ny ainy io koa, ny fahitana ny Vavolombelona ankehitriny.
14. Tamin’ny heviny ahoana i Jehovah no hoe tonga Mpanjaka ankehitriny, ary nanomboka oviana izany no nambara?
14 Nanomboka oviana no nandrenesana ilay antso mafy hoe “Tonga Mpanjaka ny Andriamanitrao!” amin’izao andro izao? Nanomboka tamin’ny 1919. Nisy fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’io taona io. Nampientanentana ny mpihaino tamin’ilay lahateny hoe “Lahateny ho An’ny Mpiara-miasa”, i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana tamin’izay. Niorina tamin’ny Isaia 52:7 sy Apokalypsy 15:2 izy io, ary nampirisika ny mpanatrika rehetra hiroso hitory. Nanomboka niseho teny “an-tendrombohitra” àry ireo ‘tongotra tsara tarehy.’ Ny Kristianina voahosotra aloha, ary avy eo ny “ondry hafa” namany, dia nitory tamin-jotom-po ilay vaovao tsara hoe tonga Mpanjaka i Jehovah. (Jaona 10:16) Tamin’ny heviny ahoana indray i Jehovah no hoe tonga Mpanjaka? Endrika vaovao indray koa no nisehoan’ny fanjakany tamin’ny 1914, rehefa nomeny ny seza fiandrianan’ilay Fanjakana tafaorina tany an-danitra i Jesosy Kristy Zanany. Nisy endrika vaovao hafa koa nanehoan’i Jehovah ny fanjakany tamin’ny 1919, rehefa nafahany avy tao amin’i Babylona Lehibe “ny Isiraelin’Andriamanitra.”—Galatiana 6:16; Salamo 47:8; Apokalypsy 11:15, 17; 19:6.
‘Manandratra ny feony ny mpitilinao’
15. Iza moa ireo ‘mpitily’ nanandratra ny feony tamin’ny 537 T.K.?
15 Nisy akony ve ilay hiaka hoe “Tonga Mpanjaka ny Andriamanitrao!”? Eny, araka ny tenin’i Isaia hoe: “Injany ny feon’ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’i Jehovah ho any Ziona.” (Isaia 52:8) Tsy nisy mpitily niandry sy nandray ara-bakiteny an’ireo babo voalohany tafaverina tao Jerosalema, tamin’ny 537 T.K. Lao nandritra ny 70 taona ilay tanàna. (Jeremia 25:11, 12) Koa ireo ‘mpitily’ nanandratra ny feony ireo àry dia tsy maintsy ho ireo Isiraelita nahare mialoha an’ilay vaovao momba ny hanarenana an’i Ziona, ka tsy maintsy nampita azy io tamin’ny zanak’i Ziona hafa rehetra. Raha vao hitan’ireo mpitily fa navelan’i Jehovah handresy an’i Babylona i Kyrosy tamin’ny 539 T.K., dia azon’izy ireo avy hatrany fa nanafaka ny vahoakany i Jehovah. Niara-nanandra-peo sy nihoby tamin’ireo nanoina ny antsony izy ireo, mba hampitana ilay vaovao tsara amin’ny hafa.
16. Iza no hitan’ireo mpitily ‘nifanatri-maso’, ary tamin’ny heviny ahoana?
16 Nanana fifandraisana manokana sy akaiky tamin’i Jehovah ireo mpitily mailo ireo, ka toy ny hoe ‘nahita azy nifanatri-maso.’ (Nomery 14:14) Ny fifaneraserany tamin’i Jehovah sy tamin’izy samy izy dia manasongadina fa miray saina izy ireo ary mahafaly ilay hafatra nentiny.—1 Korintiana 1:10.
17, 18. a) Ahoana no nanandratan’ireo mpitily ankehitriny ny feony? b) Amin’ny heviny ahoana izy ireo no hoe niara-nampanakoako ilay antso?
Matio 24:45-47) Nisy antso nalefa mba hanangonana ny sisa voahosotra tamin’ny 1919. Nohamafisina io antso io tamin’ny 1922, tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ilay lahateny hoe “Ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany.” Ny fanangonana ny olona betsaka indray no nifantohana nanomboka tamin’ny 1935. (Apokalypsy 7:9, 10) Nihamafy ny fanambarana ny fanjakan’i Jehovah tato anatin’ireo taona faramparany. Tamin’ny fomba ahoana? Tokony ho enina tapitrisa no nanambara ny Fanjakan’i Jehovah tany amin’ny tany maherin’ny 230, tamin’ny taona 2000. Ny Tilikambo Fiambenana no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ireo mpitily mba hampitana ilay hafatra mahafaly amin’ny fiteny maherin’ny 130.
17 Ny mpitily amin’ny andro ankehitriny dia ny mpanompo mahatoky sy malina. Manandratra ny feony izy mba hiantsoana ny efa ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ireo any ivelany. (18 Mitaky fanetren-tena sy fitiavan-drahalahy ny fanaovana io asa mampiray hina io. Raha tiana hisy vokany ilay antso, dia tsy maintsy hafatra mitovy no ampitain’ireo mpitondra hafatra: Momba ny anaran’i Jehovah, ny nanomezany fanavotana, ny fahendreny, ny fitiavany ary ny Fanjakany. Mifarimbona manao io asa io ny Kristianina rehetra maneran-tany, ka vao mainka mihamafy ny fifandraisany manokana amin’i Jehovah, sy ny fahatapahan-keviny hiara-mampanakoako ilay vaovao tsara.
19. a) Inona no nahatonga ny “fitoeran-drava any Jerosalema” hihoby? b) Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no hoe “nampiseho ny sandriny masina”?
19 Na ny toeram-ponenan’ny vahoakan’Andriamanitra aza toa falifaly, noho ny fihobian’izy ireo. Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’i Jerosalema. Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitsika.” (Isaia 52:9, 10) Rehefa tafaverina avy tany Babylona ilay vahoaka, dia azo naverina amin’izay ny fivavahana madio, hany ka toa falifaly i Jerosalema sy ireo toerana rava tao aminy. (Isaia 35:1, 2) I Jehovah no tsy maintsy ho nahatonga izany. “Nampiseho ny sandriny masina” izy, toy ny hoe nampakatra ny tanan’akanjony, mba hivonona hamonjy ny vahoakany.—Ezra 1:2, 3.
20. Inona no vokany, taloha sy amin’ny hoavy, rehefa mampiseho ny sandriny masina i Jehovah?
2 Timoty 3:1; Apokalypsy 11:3, 7-13) Nampidiriny tao amin’ny paradisa ara-panahy izy ireo, nanomboka tamin’ny 1919, ary misy namany an-tapitrisa anisan’ny ondry hafa, miaraka aminy ao koa ankehitriny. Mbola hampiseho ny sandriny masina i Jehovah, mba hamonjena ny vahoakany amin’ny “Hara-magedona.” (Apokalypsy 16:14, 16) Amin’izay, “ny faran’ny tany rehetra [dia] hahita ny famonjen’Andriamanitsika.”
20 Efa nampiseho ny sandriny masina i Jehovah amin’izao ‘andro farany’ izao, mba hamelomana indray ny sisa voahosotra, antsoin’ny Apokalypsy hoe ‘vavolombelona roa.’ (Fepetra nilaina hofenoina haingana
21. a) Inona no notakina tamin’ireo ‘nitondra ny fanak’i Jehovah’? b) Nahoana no tsy nila ny hikoropaka handositra ny Jiosy, rehefa niala tany Babylona?
21 Nisy fepetra tsy maintsy nofenoin’ireo hiala ao Babylona mba hody any Jerosalema. Hoy i Isaia: “Mialà, mialà hianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, hianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah. Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-làlanareo.” (Isaia 52:11, 12) Tsy maintsy namela izay zavatra rehetra namofompofona fivavahan-diso ny Isiraelita niala tany Babylona. Nitondra ny fanak’i Jehovah avy tany amin’ny tempoly tany Jerosalema izy ireo, ka tsy maintsy nadio. Tsy fahadiovana ivelany, ho fanarahana fombafomba, fotsiny izany, fa fahadiovana tao am-pony indrindra indrindra. (2 Mpanjaka 24:11-13; Ezra 1:7) Nitarika azy ireo teo aloha koa i Jehovah, ka tsy nila ny hikoropaka handositra izy ireo, toy ny hoe nenjehin’olona lian-dra nitady hamono azy. “Vodi-làlan’izy ireo” koa ilay Andriamanitry ny Isiraely, izany hoe niambina azy tao aoriana.—Ezra 8:21-23.
22. Inona no tenin’i Paoly manamafy fa tsy maintsy madio ny Kristianina voahosotra?
Isaia 52:11 i Paoly, rehefa nananatra ny Kristianina tany Korinto mba tsy hanisy zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino. Hoy izy : “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio.” (2 Korintiana 6:14-17) Sahala amin’ireo Isiraelita nody avy tany Babylona, ny Kristianina koa dia tsy maintsy manalavitra tanteraka ny fivavahan-dison’i Babylona Lehibe.
22 Tanteraka amin’ny lafiny lehibe kokoa eo amin’ny zanak’i “Jerosalema any ambony” ny tenin’i Isaia momba ny fahadiovana. Nanonona ny23. Miezaka ny hadio amin’ny lafiny inona avy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny?
23 Marina indrindra izany tamin’ireo voahosotra nandositra an’i Babylona Lehibe tamin’ny 1919. Nanadio tena tsikelikely ho afaka amin’ny soritry ny fivavahan-diso rehetra izy ireo. (Isaia 8:19, 20; Romana 15:4) Takany tsikelikely koa fa tena ilaina ny fitondran-tena madio. Efa nanamafy foana ny tokony hanarahana fitsipi-pitondran-tena ambony ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanantitrantitra anefa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1952 fa tsy maintsy nofaizina ny maloto fitondran-tena, mba hihazonana ny fiangonana ho madio. Izany famaizana izany koa dia manampy an’ilay nanao ratsy hahita fa mila mibebaka amim-pahatsorana izy.—1 Korintiana 5:6, 7, 9-13; 2 Korintiana 7:8-10; 2 Jaona 10, 11.
24. a) Inona moa ireo “fanak’i Jehovah” ankehitriny? b) Nahoana ny Kristianina ankehitriny no matoky fa handeha eo alohany sy ao aoriany foana i Jehovah?
24 Tapa-kevitra ny tsy hikasika zavatra tsy madio amin’ny lafiny ara-panahy ny Kristianina voahosotra sy ny olona betsaka. Mahafeno fepetra hitondra “ny fanak’i Jehovah” izy ireo, rehefa voadio toy izany. Ny “fanak’i Jehovah” dia ireo zavatra sarobidy omeny mba hanaovantsika ny fanompoana masina, izany hoe ny fitoriana isan-trano sy fampianarana Baiboly ary endriny hafa amin’ny asa kristianina. Afaka matoky ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny fa handeha eo alohany sy ao aoriany foana i Jehovah, raha miezaka hadio hatrany izy ireo. Tena manana antony maro be ‘hanandratana ny feony sy hiaraha-mihoby’ tokoa ny vahoaka madion’Andriamanitra!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Manazava bebe kokoa momba ny fifandraisan’i “Jerosalema any ambony” sy ny zanany voahosotra eto an-tany ny Toko faha-15 amin’ity boky ity.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 183]
Hafahana amin’ny fahababoana i Ziona
[Sary, pejy 186]
Nisy ‘tongotra tsara tarehy’ indray teny “an-tendrombohitra”, nanomboka tamin’ny 1919
[Sary, pejy 189]
Miteny amim-piraisan-tsaina ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 192]
Tsy maintsy madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy ireo “mitondra ny fanak’i Jehovah”