“Aza Matoky ny Lehibe”
Toko Fahiraika Ambin’ny Folo
“Aza Matoky ny Lehibe”
1, 2. a) Inona no torohevitr’Andriamanitra tsy narahin’ny Jiosy, ary inona no vokany? b) Nahoana i Jehovah no nanontany hoe: “Aiza izay taratasy fisaoram-bady?”
“AZA matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. . . . Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny, Izay nanao ny lanitra sy ny tany.” (Salamo 146:3-6) Raha mba nanaraka an’io torohevitra io mantsy ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia! Raha mba nitoky tamin’ilay “Andriamanitr’i Jakoba” mantsy izy ireo, fa tsy tamin’i Ejipta na ny firenena mpanompo sampy hafa! Ho narovan’i Jehovah ny Joda, rehefa tonga nanafika azy ny fahavalony. Kanefa tsy nety nitady fanampiana tamin’i Jehovah izy. Havelan’i Jehovah horavana àry i Jerosalema ary hoentina ho babo any Babylona ny mponin’i Joda.
2 Ny tenany ihany no azon’ny Joda nomena tsiny. Tsy afaka nilaza izy hoe nivadika taminy i Jehovah, raha nandringana azy, na hoe nanadino ilay fanekena nifanaovany tamin’ilay firenena. Tsy nivadika tamin’ny fanekeny ilay Mpamorona. (Jeremia 31:32; Daniela 9:27; Apokalypsy 15:4) Hoy i Jehovah tamin’ny Jiosy, mba hanamafisana izany: “Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo?” (Isaia 50:1a) Teo ambany Lalàn’i Mosesy, ny lehilahy nisaraka tamin’ny vadiny dia tsy maintsy nanome azy taratasy fisaoram-bady. Nahazo nanambady olon-kafa ravehivavy avy eo. (Deoteronomia 24:1, 2) Toy ny hoe nanome taratasy toy izany ho an’ny Isiraely, ilay fanjakana rahavavin’ny Joda, i Jehovah. Tsy nanao izany tamin’ny Joda kosa anefa izy. * Mbola ‘vadiny’ ihany izy io. (Jeremia 3:8, 14) Tsy nahazo niray tamin’ny firenena mpanompo sampy velively àry ny Joda. Tokony haharitra “mandra-pahatongan’i Silo [ny Mesia]” ny fifandraisany tamin’i Jehovah.—Genesisy 49:10.
3. Inona no antony ‘nivarotan’i’ Jehovah ny vahoakany?
3 Hoy koa i Jehovah tamin’ny Joda: “Iza amin’izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo?” (Isaia 50:1b) Tsy hoe noho i Jehovah tsy nahaloa trosa akory no handefasana ny Jiosy ho babo any Babylona. Tsy toy ny Isiraelita nahantra akory izy, ka hoe tsy maintsy hivarotra ny zanany amin’izay nanan-trosa taminy mba handoavana ny trosany. (Eksodosy 21:7) Izao kosa no tena antony hanandevozana ny vahoakany: “Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.” (Isaia 50:1d) Ny Jiosy no nandao an’i Jehovah, fa tsy i Jehovah no nandao azy ireo.
4, 5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fitiavany ny vahoakany, nefa ahoana no namalian’izy ireo izany?
4 Manasongadina tsara ny fitiavan’i Jehovah ny vahoakany ny fanontaniany manaraka hoe: “Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho?” (Isaia 50:2a) Toy ny hoe tonga tao an-tranon’ny vahoakany, tamin’ny alalan’ireo mpaminany mpanompony, i Jehovah, mba hiangavy azy ireo hiverina aminy amin’ny fony rehetra. Tsy namaly anefa izy ireo, fa naleony nitady fanampiana tamin’ny olombelona, sy nitodika tany amin’i Ejipta indray.—Isaia 30:2; 31:1-3; Jeremia 37:5-7.
5 Azo nitokisana kokoa noho ny famonjen’i Jehovah ve ny an’i Ejipta? Toa hadinon’ireo Jiosy tsy nahatoky ireo ny zava-nitranga talohan’ny niforonan’ny fireneny, taonjato maro talohan’izay. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Moa fohy tokoa Isaia 50:2b, 3.
va ny tànako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ny rano sady matin-ketaheta. Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.”—6, 7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny heriny hamonjy, teo anoloan’ny Ejipsianina?
6 Tamin’ny 1513 T.K., dia tsy namonjy, fa nampahory ny vahoakan’Andriamanitra i Ejipta. Andevo tany amin’io tany mpanompo sampy io ny Isiraelita. Nafahan’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga anefa izy ireo! Nahatonga Loza Folo teo amin’ilay tany izy aloha. Nasain’i Farao nandeha ny Isiraelita, taorian’ilay loza fahafolo nahatsiravina. (Eksodosy 7:14–12:31) Kanefa tsy ela tatỳ aoriana, dia niova ny fon’i Farao. Nangoniny ny tafiny mba hanenjika ny Isiraelita sy hanery azy ireo hiverina tany Ejipta. (Eksodosy 14:5-9) Tsy nahita lalan-kivoahana ny Isiraelita, satria tao aoriany ny miaramila ejipsianina, ary teo alohany ny Ranomasina Mena! Teo anefa i Jehovah mba hiady ho azy ireo.
7 Nametraka andry rahona teo anelanelan’ny Ejipsianina sy ny Isiraelita, i Jehovah, mba hampijanonana ny Ejipsianina. Maizina ny teo amin’ny Ejipsianina, fa nazava kosa ny teo amin’ny Isiraelita. (Eksodosy 14:20) Rehefa tsy afa-nihetsika toy izany ny Ejipsianina, dia “rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina.” (Eksodosy 14:21) Raha vao nisaraka ireo rano, dia nanana fahafahana hita ny Ranomasina Mena mba ho voavonjy ny rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy. Rehefa lasa lavitra tsara ny vahoakany, dia nesorin’i Jehovah ilay rahona. Nirohotra hanenjika azy ireo teo amin’ny fanambanin’ilay ranomasina ny Ejipsianina. Rehefa tafita soa aman-tsara ny vahoakany, dia nakaton’i Jehovah ireo rano. Rendrika tao i Farao sy ny miaramilany. Toy izany no niadian’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Endrey ny fampaherezana azon’ny Kristianina ankehitriny avy amin’izany!—Eksodosy 14:23-28.
8. Nahoana ny mponin’i Joda no hatao sesitany amin’ny farany?
8 Fitonjato taona no lasa hatramin’iny fandresen’Andriamanitra iny ka hatramin’ny andron’i Isaia. Firenena nahaleo tena izao ny Joda. Indraindray izy dia nanao fifanekena tamin’ny fanjakana vahiny, toa an’i Asyria sy Ejipta. Tsy azo nitokisana anefa ny filohan’ireny firenena mpanompo sampy ireny. Ny tombontsoan’ny tenany foana no nomeny toerana talohan’ny fanekena nifanaovany tamin’ny Joda. Nampitandrina Jeremia 25:11) Kanefa sady tsy hanadino ny vahoakany i Jehovah, no tsy hanary azy mandrakizay. Hahatsiaro azy izy amin’ny fotoana voatondro, ary hanampy azy hody any an-tanindrazany mba hamerina ny fivavahana madio. Nahoana? Mba hiomanana ho amin’ny fahatongavan’i Silo, ilay hankatoavin’ny olona rehetra!
an’ilay vahoaka, tamin’ny anaran’i Jehovah, àry ny mpaminaniny mba tsy hatoky an’ireny lehilahy ireny. Tsy nety nihaino anefa ilay vahoaka. Amin’ny farany, dia hatao sesitany sy handevozina any Babylona mandritra ny 70 taona ny Jiosy. (Tonga i Silo
9. Iza moa i Silo, ary karazana mpampianatra manao ahoana izy?
9 Taonjato maro no lasa. Tonga ilay “fotoan’andro”, ary niseho teto an-tany ilay nantsoina hoe Silo, dia i Jesosy Kristy Tompo. (Galatiana 4:4; Hebreo 1:1, 2) Tena tia ny vahoakany i Jehovah, matoa ilay namany akaiky indrindra no notendreny ho Mpitondra Teniny teo amin’ny Jiosy. Karazana mpitondra teny nanao ahoana moa i Jesosy? Ny tsara indrindra! Tsy mpitondra teny tsotra fotsiny i Jesosy, fa mpampianatra, sady Mpampianatra Faran’izay Mahay. Tsy mahagaga izany, satria i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nampianatra azy. (Jaona 5:30; 6:45; 7:15, 16, 46; 8:26) Manamarina izany ny teny nolazain’i Jesosy tao amin’ny faminanian’i Isaia, manao hoe: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay.”—Isaia 50:4. *
10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia ny vahoakan’i Jehovah koa izy, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo?
10 Talohan’ny nahatongavany teto an-tany, dia niasa teo anilan’ny Rainy tany an-danitra i Jesosy. Milaza ny fifankatiavan’izy mianaka toy izao ny Ohabolana 8:30: “Mpità-marika teo [anilan’i Jehovah] aho sady ravoravo . . . mandrakariva teo anatrehany.” Tena nahafaly an’i Jesosy ny nihaino an-dRainy. Tia “ny zanak’olombelona”, sahala amin’ny Rainy, koa izy. (Ohabolana 8:31) Fony teto an-tany i Jesosy, dia ‘nanao teny nampahatanjaka ny reraka.’ Namaky izao teny mampahery ao amin’ny faminanian’i Isaia izao izy, teo am-piandohan’ny fanompoany: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy . . . sy . . . hanafaka izay nampahorina.” (Lioka 4:18; Isaia 61:1) Vaovao tsara ho an’ny malahelo! Famelombelomana ho an’ny reraka! Endrey ny fifaliana hoentin’izany ho an’ny olona! Nisy tokoa ny nifaly, saingy tsy ny rehetra. Tamin’ny farany, dia maro no tsy nanaiky hoe nampianarin’i Jehovah i Jesosy.
11. Iza no manaiky hiara-mitondra zioga amin’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany teo amin’izy ireo?
11 Kanefa nisy naniry hihaino azy. Faly izy ireo nanoina izao fanasana nataon’i Jesosy tamim-pitiavana izao: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy Matio 11:28, 29) Anisan’ny nanatona an’i Jesosy ireo lehilahy izay tonga apostoliny. Fantatr’izy ireo fa nitaky asa mafy ny fanekena hiara-mitondra zioga tamin’i Jesosy. Anisan’izany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana hatrany amin’ny faran’ny tany. (Matio 24:14) Hitan’ny apostoly sy ny mpianatra hafa fa tena nahitany fitsaharana, na famelombelomana, tokoa ny fanaovana io asa io. Mbola manao io asa io ny Kristianina mahatoky ankehitriny, ary tena mahafaly azy ireo koa izany.
mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” (Tsy naditra izy
12. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny fankatoavany an’ilay Rainy an-danitra?
12 Tsy hadinon’i Jesosy mihitsy ny antony nahatongavany teto an-tany, dia ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nolazaina mialoha toy izao ny ho fihetsiny: “Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.” (Isaia 50:5) Nankatò an’Andriamanitra foana i Jesosy. Nilaza mihitsy aza izy hoe: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” (Jaona 5:19) Talohan’ny nahatongavany teto an-tany, dia niara-niasa tamin-dRainy izy, nandritra ny an-tapitrisa taona, an’arivo tapitrisa taona mihitsy aza. Mbola nankatò ny toromarik’i Jehovah ihany izy tetỳ an-tany. Koa tsy vao mainka ve tokony hitandrina izay lazain’i Jehovah isika, mpianatr’i Kristy tsy lavorary?
13. Inona no niandry an’i Jesosy, kanefa ahoana no nampisehoany herim-po?
13 Nanenjika an’ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah ny sasany tamin’ireo nanda azy. Efa voalaza mialoha toy izao koa izany: “Ny lamosiko natolotro ho amin’ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’izay manongo-baoka; ny tavako tsy Isaia 50:6) Hampijaly sy hanao izay hahamenatra ny Mesia ny mpanohitra azy, araka ilay faminaniana. Fantatr’i Jesosy izany. Fantany koa ny hiafaran’io fanenjehana azy io. Na izany aza, rehefa hifarana ny fiainany teto an-tany, dia tsy nampiseho tahotra izy. Tapa-kevitra izy, ka niainga ho any Jerosalema, ilay toerana hiafaran’ny fiainany teto an-tany. Hoy izy tamin’ny mpianany, teny an-dalana: “Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.” (Marka 10:33, 34) Nahalala tsara momba izany faharatsiana rehetra hatao amin’ny Mesia izany ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nefa izy ireo indray no nitarika azy io.
nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora.” (14, 15. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia momba ny hikapohana sy hanaovana izay hahamenatra an’i Jesosy?
14 Tao amin’ny sahan’i Getsemane, niaraka tamin’ny mpianany sasany, i Jesosy, tamin’ny alin’ny 14 Nisana taona 33. Nivavaka izy. Tampoka teo dia nisy olona maro be nipoitra sy nisambotra azy. Tsy natahotra anefa izy. Fantany fa nomba azy i Jehovah. Nomeny toky ny mpianany tora-kovitra fa afaka nangataka an-dRainy handefa anjely roa ambin’ny folo legiona mba hamonjy azy izy, raha tiany. Hoy koa anefa izy: “Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina?”—Matio 26:36, 47, 53, 54.
15 Tanteraka avokoa ny zavatra rehetra nolazaina momba ny fisedrana sy ny fahafatesan’ny Mesia. Notsaraina maimaika teo anoloan’ny Synedriona i Jesosy, ary nofotopotoran’i Pontio Pilato, ka nasainy nokapohina. “Nikapoka ny lohany tamin’ny volotara [ireo miaramila romanina] sady nandrora Azy.” Tanteraka, araka izany, àry ny tenin’i Isaia. (Marka 14:65; 15:19; Matio 26:67, 68) Tsy lazain’ny Baiboly raha tena nisy ‘nanongo-baoka’ an’i Jesosy, na hoe nisintona ny volombavany (fihetsika naneho fanivaivana), nefa tsy maintsy ho nitranga izany, araka ny tenin’i Isaia. *—Nehemia 13:25.
16. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy, na dia nampijalina mafy aza izy, ary nahoana izy no tsy menatra?
16 Fony teo anatrehan’i Pilato i Jesosy, dia tsy nitomany hoe ‘tsimbino ny aiko.’ Tony kosa izy nijoro teo, satria fantany fa tsy maintsy ho faty izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina. Nilaza ilay governora romanina fa nanana fahefana hanafaka na hanameloka an’i Jesosy ho faty izy. Tsy natahotra anefa i Jesosy namaly hoe: “Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony.” (Jaona 19:11) Tsy nifaditrovana ny miaramilan’i Pilato, nefa tsy nahatonga an’i Jesosy ho menatra izany. Nahoana tokoa moa izy no ho menatra? Tsy hoe nanota izy ka rariny raha nosazina. Tsia, fa ny nanaovany ny fahamarinana kosa no nanenjehana azy. Tanteraka koa àry ireto tenin’i Isaia ireto: “Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.”—Isaia 50:7.
17. Ahoana no nanohanan’i Jehovah an’i Jesosy nandritra ny fanompoany?
17 Ny fatokisany feno an’i Jehovah no nahatonga an’i Jesosy ho be herim-po toy izany. Nasehon’ny fihetsiny fa nanaiky tanteraka ireto tenin’i Isaia ireto izy: “Efa akaiky Izay manamarina Ahy; iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko. Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ny kalalao izy.” (Isaia 50:8, 9) Nambaran’i Jehovah ho marina sady zanany ara-panahy i Jesosy tamin’ny andro nanaovana batisa azy. Re mihitsy aza ny feon’Andriamanitra nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Nandohalika hivavaka i Jesosy tao amin’ny sahan’i Getsemane, taloha kelin’ny hahafatesany. Tamin’izay, dia “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.” (Lioka 22:41-43) Fantatr’i Jesosy tamin’izany fa nankasitrahan’ny Rainy ny fiainany. Tsy nanota velively io Zanak’Andriamanitra lavorary io. (1 Petera 2:22) Nampangain’ny fahavalony ho mpandika ny Sabata sy mpimamo ary azon’ny demonia izy. Tsy nahafa-baraka an’i Jesosy anefa ny laingan’izy ireo. Nomba azy Andriamanitra, koa iza no hahatohitra azy?—Lioka 7:34; Jaona 5:18; 7:20; Romana 8:31; Hebreo 12:3.
18, 19. Inona avy no zavatra nihatra tamin’i Jesosy ka nihatra tamin’ny Kristianina voahosotra koa?
18 Nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Tsy ela dia hita fa marina izany. Nirotsaka tamin’ny mpianatra nahatokin’i Jesosy ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33, ary niforona ny fiangonana kristianina. Avy hatrany, dia nitady hampijanona ny asa fitoriana nataon’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky ireo ny filoha ara-pivavahana. Tafaray tamin’i Jesosy mantsy izy ireo izao, izany hoe anisan’ny “taranak’i Abrahama” sady natsangana ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra. (Galatiana 3:26, 29; 4:5, 6) Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia tsy maintsy niaritra fiampangana lainga sy fanenjehana namaivay avy tamin’ny fahavalon’i Jesosy ny Kristianina voahosotra, izay miandany amin’ny fahamarinana koa.
19 Na izany aza, dia tadidin’izy ireo izao fampaherezan’i Jesosy izao: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.” (Matio 5:11, 12) Noho izany, dia tsy mitanondrika ny Kristianina voahosotra, na faran’izay mafy aza ny famelezana. Fantany fa efa nohamarinin’Andriamanitra ny tenany, na inona na inona lazain’ny mpanohitra azy. ‘Tsy manan-tsiny amam-pondro’ izy ireo, eo imasony.—Kolosiana 1:21, 22.
20. a) Iza no manampy ny Kristianina voahosotra, ary inona koa no iaretan’izy ireo? b) Ahoana no ahazoan’ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa” ny lelan’ny efa mahay?
20 Misy “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” manampy ny Kristianina voahosotra ankehitriny. Miandany amin’ny fahamarinana koa izy ireo. Miara-mijaly amin’ny rahalahiny voahosotra koa àry izy ireo, ary efa ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ Nohamarinin’i Jehovah izy ireo, mba ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:9, 14, 15; Jaona 10:16; Jakoba 2:23) Na dia toa matanjaka aza ny mpanohitra azy ireo ankehitriny, dia ho tahaka ny lamba lanin’ny kalalao ka hariana fotsiny, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, hoy ny faminanian’i Isaia. Mandra-pahatongan’izany, dia mivavaka sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary manatrika fivoriana tsy tapaka ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa”, mba hatanjaka hatrany. Ampianarin’i Jehovah izy ireo amin’izany, ka mianatra miteny amin’ny lelan’ny efa mahay.
Matokia ny anaran’i Jehovah
21. a) Iza no mandeha ao amin’ny mazava, ary hanao ahoana ny ho fiafarany? b) Inona no manjo an’ireo mandeha ao amin’ny maizina?
21 Mariho izao fifanoheran-javatra izao: “Iza aminareo no matahotra an’i Jehovah ka mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran’i Jehovah sy hiankina amin’Andriamaniny.” (Isaia 50:10) Mandeha ao amin’ny mazava ireo mihaino ny feon’i Jesosy Kristy, ilay Mpanompon’Andriamanitra. (Jaona 3:21) Sady mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izy ireo, no matoky an’ilay mitondra io anarana io koa. Nety ho nandeha tao amin’ny maizina izy ireo taloha. Izao kosa anefa izy ireo tsy matahotra olona, satria miantehitra amin’Andriamanitra. Kanefa izay mikiry handeha ao amin’ny maizina dia resin’ny tahotra olona. Izany no nanjo an’i Pontio Pilato. Fantatr’io manamboninahitra romanina io fa tsy marina ireo fiampangana lainga natototra an’i Jesosy. Tsy nanafaka an’i Jesosy anefa izy, satria natahotra. Novonoin’ireo miaramila romanina ilay Zanak’Andriamanitra, nefa natsangan’i Jehovah ary nomeny voninahitra sy haja. Ary i Pilato? Nolazain’ilay mpahay tantara jiosy natao hoe Josèphe fa efa-taona monja taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nesorina tsy ho governoran’i Roma i Pilato. Nasaina niverina tany Roma izy avy eo, mba hotsaraina noho ny fanaovan-dratsy lehibe. Ary ireo Jiosy nampamono an’i Jesosy? Latsaka ny efapolo taona tatỳ aoriana, dia nandrava an’i Jerosalema ny tafika romanina, ary namono ny mponina tao na nitondra azy ho andevo. Tsy hanana fahazavana, izany hoe ho ratsy fiafara, ireo tia ny maizina!—Jaona 3:19.
22. Nahoana no hadalana tanteraka ny miandry famonjena avy amin’ny olombelona?
22 Hadalana tanteraka ny miandry famonjena avy amin’ny olombelona. Manazava ny antony toy izao i Isaia: “He! hianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana amin’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ny tànako: Handry amin’ny fahoriana hianareo.” (Isaia 50:11) Miserana ihany ny filoha olombelona. Mety hahay hambabo olona mandritra ny fotoana kelikely ny filoha iray. Voafetra ihany anefa ny zava-bitan’ny olona, na dia ny olona tso-po indrindra aza. Tsy afo midedadeda no voarehiny, araka ny antenain’ny mpanohana azy, fa “kilalaon’afo”, na pitik’afo, vitsivitsy monja. Manazava sy manafana kely ireo, nefa vetivety dia maty. Ireo matoky an’i Silo, ilay Mesia nampanantenain’Andriamanitra, kosa dia tsy ho diso fanantenana velively.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Nantsoin’i Jehovah hoe vadiny ny firenen’i Joda, ao amin’ny Isaia 50:1-3, ary nantsoiny hoe zanany ny mponina tsirairay tao.
^ feh. 9 Toa miresaka momba ny tenany i Isaia, ao amin’ny Isaia 50:4-11. Mety ho nanjo an’i Isaia tokoa ny sasany tamin’ireo fisedrana resahiny ao. Tamin’i Jesosy Kristy anefa no tena tanteraka ireo faminaniana ireo.
^ feh. 15 Mahaliana ny nandikan’ny Fitopolo ny Isaia 50:6 hoe: “Nomeko hovelezina ny lamosiko, ary hokapohina ny takolako.”
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 155]
Niantehitra tamin’ny filoha olombelona, fa tsy tamin’i Jehovah, ny Jiosy
[Sary, pejy 156, 157]
Nametraka andry rahona teo anelanelan’ny Ejipsianina sy ny Isiraelita i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena, mba hamonjena ny vahoakany