Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana Mitondra Fampiononana ho Anao

Faminaniana Mitondra Fampiononana ho Anao

Toko Faharoa

Faminaniana Mitondra Fampiononana ho Anao

Isaia 41:1-29

1. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ny faminanian’i Isaia?

EFA ho 3 000 taona lasa izay no nanoratan’i Isaia ilay boky mitondra ny anarany, nefa mbola misy vidiny ho antsika ankehitriny ihany izy io. Mianatra toro lalana tena lehibe avy amin’ny zavatra notantarainy isika. Mihamafy orina koa ny finoantsika, rehefa mianatra ireo faminaniana nosoratany tamin’ny anaran’i Jehovah isika. Eny, mpaminanin’ilay Andriamanitra velona i Isaia. Nanome tsindrimandry azy i Jehovah mba hanoratra mialoha ny tantara—toy ny hoe hilaza ireo zavatra hiseho, alohan’ny hitrangany. Nasehon’i Jehovah tamin’izany fa sady afaka milaza mialoha ny hoavy izy, no afaka manao izay hahatanterahany. Rehefa avy mianatra ny bokin’i Isaia ny Kristianina marina, dia miaiky fa hanatanteraka izay rehetra nampanantenainy i Jehovah.

2. Nanao ahoana ny toe-piainana tao Jerosalema, fony i Isaia nanoratra ny faminaniany, ary inona no fiovana hitranga?

2 Tamin’ny fotoana namitan’i Isaia ny faminaniany, dia efa nahatohitra ny fandrahonan’i Asyria i Jerosalema. Mbola nijoro ihany ilay tempoly, ary nanohy ny raharahany andavanandro ny olona, toy ny efa nataony hatramin’ny an-jato taona. Kanefa hiova io tarehin-javatra io. Ho avy ny fotoana hitondrana ny harenan’ny mpanjaka jiosy any Babylona, sy hahatonga ny tanora jiosy ho tandapa any amin’io tanàna io. * (Isaia 39:6, 7) Nitranga 100 taona mahery tatỳ aoriana izany.—2 Mpanjaka 24:12-17; Daniela 1:19.

3. Hafatra inona no hita ao amin’ny Isaia toko faha-41?

3 Tsy hafatra nilaza loza fotsiny anefa ilay nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia. Manomboka amin’ny hoe “Ampionòny” ny toko faha-40 amin’ny bokiny. * Hampionona ny Jiosy ilay fanomezan-toky fa ho afaka hiverina any an-tanindrazany izy na ny zanany. Manohy izany hafatra fampiononana izany ny toko faha-41, ary milaza fa hanangana mpanjaka mahery iray i Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony. Mirakitra fanomezan-toky maro izy io ary mampirisika hitoky amin’Andriamanitra. Alany sarona ho tsy manan-kery koa ireo andriamani-diso nitokisan’ireo firenena. Izany rehetra izany dia tena nanatanjaka ny finoana, na tamin’ny andron’i Isaia, na amin’izao androntsika izao.

Mihantsy an’ireo firenena i Jehovah

4. Ahoana no teny nihantsian’i Jehovah an’ireo firenena?

4 Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Mangìna hihaino Ahy hianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; aoka hanatona izy, ka dia hiteny; andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana.” (Isaia 41:1) Fihantsiana an’ireo firenena nanohitra ny vahoakany izany. Aoka izy ireo hitsangana eo anatrehany ka hiomana hiteny! Ho hitantsika any aoriana fa toy ny mpitsara any amin’ny fitsarana mihitsy i Jehovah, ka mitaky ny hanomezan’ireo firenena ireo ny porofo fa tena andriamanitra ireo sampiny. Moa ve ireo andriamanitra ireo afaka milaza mialoha hoe hovonjena ny mpivavaka aminy na hoe homelohina ny fahavalony? Raha eny, moa ve izy ireo afaka manatanteraka ny faminaniana toy izany? Tsia no valiny. I Jehovah irery no afaka manao izany.

5. Hazavao ny amin’ny fahatanterahana mihoatra ny iray ananan’ny faminanian’i Isaia.

5 Rehefa handinika ny faminanian’i Isaia isika, dia tadidio fa misy fahatanterahany mihoatra ny iray izy io, toy ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly. Amin’ny 607 T.K., dia hatao sesitany any Babylona ny Joda. Ampahafantarin’ny faminanian’i Isaia anefa fa hanafaka ny Isiraelita voatana ho babo tany i Jehovah. Tamin’ny 537 T.K. izany no nitranga. Nanana ny nifanitsy taminy io fanafahana io, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nandia fotoam-pahoriana ny mpanompon’i Jehovah voahosotra teto an-tany, nandritra ny ady lehibe voalohany. Tamin’ny 1918, dia saika nitsahatra tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara voalamina, noho ny fanerena avy tamin’ny tontolon’i Satana, indrindra fa ny Kristianisma Anarana, izay tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. (Apokalypsy 11:5-10) Nampidirina an-tranomaizina, noho ny fiampangana lainga, ny tompon’andraikitra sasany tao amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Toy ny hoe nandresy ity tontolo ity, tamin’ny ady nataony tamin’ny mpanompon’Andriamanitra. Tamin’izay, tsy nampoizina akory, dia nanafaka azy ireo i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny 537 T.K. Nafahana avy tany an-tranomaizina ireo tompon’andraikitra tamin’ny 1919, ary avy eo dia navela tanteraka ilay fiampangana. Nisy fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny Septambra 1919, ka nahazo tanjaka indray ny mpanompon’i Jehovah hanohy ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Apokalypsy 11:11, 12) Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia nitombo tsy nisy ohatra izany io asa fitoriana io. Tsy izay ihany anefa, fa maro amin’ireo tenin’i Isaia no mbola ho tanteraka ao amin’ilay Paradisa ho avy eto an-tany. Noho izany, dia mahakasika ny firenena sy ny olona rehetra ankehitriny ireo teny nataon’i Isaia taloha ela be ireo.

Nisy mpanafaka iray nantsoina

6. Inona no nolazain’ilay mpaminany momba ny mpandresy iray ho avy?

6 Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah fa hisy mpandresy iray, izay sady hamonjy ny vahoakany avy ao Babylona, no hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalony. Hoy izy: “Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin’izay làlana tsy mbola nodiavin’ny tongony. Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.”—Isaia 41:2-4.

7. Iza moa ilay mpandresy ho avy, ary inona no hotanterahiny?

7 Iza moa ilay notairina avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro tany atsinanana? Tany atsinanan’i Babylona no nisy ny tanin’i Media-Persia sy Elama. Avy tany no niaingan’i Kyrosy Persanina, niaraka tamin’ireo tafiny nahery be. (Isaia 41:25; 44:28; 45:1-4, 13; 46:11) Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah i Kyrosy, nefa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Nandresy mpanjaka maro i Kyrosy, ka niparitaka tahaka ny vovoka teo anoloany izy rehetra. Nitady tany horesena izy, ka nandroso “soa aman-tsara” teo amin’ny lalana tsy falehan’ny olona, ary nandresy ny vato nisakana rehetra. Tamin’ny taona 539 T.K., dia tonga tao Babylona, ilay tanàna nahery, i Kyrosy, ka nanongana azy io. Nafahana avy tao àry ny vahoakan’Andriamanitra, mba hiverina tany Jerosalema, ka hampiorina ny fivavahana marina tany indray.—Ezra 1:1-7. *

8. Zavatra inona no i Jehovah irery no afaka manao azy?

8 Efa nolazain’i Jehovah ela be talohan’ny hahaterahan’i Kyrosy àry fa ho avy izy. Ilay Andriamanitra marina ihany no afaka maminany zavatra araka ny marina toy izany. Tsy manan-tsahala i Jehovah, raha oharina amin’ny andriamani-dison’ireo firenena. Nanana antony tsara nilazana toy izao àry izy: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” I Jehovah irery no afaka milaza ara-drariny hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.”—Isaia 42:8; 44:6, 7.

Nitoky tamin’ny sampy ireo firenena azon-tahotra

9-11. Ahoana no fihetsik’ireo firenena teo anoloan’ny fandroson’i Kyrosy?

9 Hoy i Isaia momba ny fihetsik’ireo firenena teo anoloan’io mpandresy ho avy io: “Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; tora-kovitra ny vazan-tany, dia nanatona izy ka tonga. Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin’ny rahalahiny avy hoe: Matokia. Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin’ny tantanana nampahery izay nively teo amin’ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin’ny hombo izy mba tsy hihozongozona.”—Isaia 41:5-7.

10 Nandinika ny toe-javatra hitranga haneran-tany rehefa afaka 200 taona i Jehovah. Nandeha haingana ireo tafik’i Kyrosy nahery be, ary nandresy an’izay rehetra nanohitra. Nangovitra noho ny fanatonany ireo firenena, eny, fa na dia ny mponin’ireo nosy sy ireo tany lavitra indrindra aza. Nitambatra àry izy ireo mba hanohitra ilay nantsoin’i Jehovah avy tany atsinanana mba hampihatra ny didim-pitsarany. Niezaka ny hifampahery izy ireo, tamin’ny teny hoe: “Matokia.”

11 Niara-niasa ireo mpanao asa tanana mba hanamboatra andriamanitra sampy hamonjy ny olona. Nanamboatra rafitra hazo ny mpandrafitra, ary avy eo dia nampirisika ny mpanefy volamena handrakotra takela-bolamena, na metaly hafa, azy io. Nandambolambo ilay metaly ny mpanao sokitra ary nanaiky fa nety ilay faninginana. Nisy fanesoana kely angamba ilay filazana hoe nofantsihina mafy tamin’ny hombo ilay izy mba tsy halemy na hihozongozona, toy ilay sary vongan’i Dagona izay nidaraboka teo anoloan’ny fiaran’i Jehovah.—1 Samoela 5:4.

Aza matahotra!

12. Toky inona no nomen’i Jehovah ny Isiraely?

12 Nampitodika ny sainy tany amin’ny vahoakany i Jehovah izao. Tsy nisy antony tokony hatahoran’ireo nitoky tamin’ilay Andriamanitra marina, tsy toy ireo firenena nitoky tamin’ny sampy tsy nanana aina. Mba hanomezan-toky azy ireo, dia nampahatsiahivin’i Jehovah aloha fa taranak’i Abrahama sakaizany ny Isiraely. Nampita ireto tenin’i Jehovah feno fanehoam-pitiavana ireto i Isaia: “Hianao . . ., ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako, hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko hianao, efa nofidiko ka tsy mba nariako: Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tànana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”—Isaia 41:8-10.

13. Nahoana no hampionona an’ireo Jiosy babo ny tenin’i Jehovah?

13 Tena fampiononana ho an’ireo Jiosy nahatoky babo tany an-tanin’olona tokoa izany teny izany! Tena hampahery azy ireo tokoa ny handre an’i Jehovah hiantso azy hoe “mpanompoko”, rehefa any an-tsesitany izy ireo, ka mpanompon’ny mpanjakan’i Babylona! (2 Tantara 36:20) Na dia hanafay azy ireo noho ny tsy fahatokiany aza i Jehovah, dia tsy hahafoy azy. An’i Jehovah ny Isiraely, fa tsy an’i Babylona. Tsy hisy antony tokony hangovitan’ny mpanompon’Andriamanitra, raha nihananatona ihany i Kyrosy mpandresy. Homba ny vahoakany, mba hanampy azy, i Jehovah.

14. Inona no fampiononana azon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny avy amin’ny teny nataony tamin’ny Isiraely?

14 Nanome toky sy nanatanjaka ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’izao androntsika izao mihitsy aza ireo teny ireo. Tamin’ny 1918, dia naniry ny hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah momba azy izy ireo. Naniry mafy ny ho afaka tamin’ilay fahababoana ara-panahy nisy azy izy ireo. Isika ankehitriny koa dia maniry fanamaivanana, satria vesaran’ny fanerena avy amin’i Satana sy ity tontolo ity ary ny tsy fahatanterahantsika. Takatsika anefa fa fantatr’i Jehovah tsara ny fotoana sy ny fomba hamonjeny ny vahoakany. Toy ny ankizy kely isika, mamikitra amin’ny tanany mahery, satria matoky fa hanampy antsika hiaritra izy. (Salamo 63:7, 8) Sarobidy amin’i Jehovah ireo manompo azy. Manohana antsika izy ankehitriny, toy ny nataony tamin’ny vahoakany tamin’ny 1918-1919, sy tamin’ny Isiraelita nahatoky fahiny.

15, 16. a) Inona no hanjo ny fahavalon’ny Isiraely, ary ahoana no nitovian’ny Isiraely tamin’ny kankana? b) Inona no fanafihana hitranga tsy ho ela ka mahatonga ny tenin’i Jehovah hampahery indrindra ankehitriny?

15 Diniho izay nolazain’i Jehovah avy eo, tamin’ny alalan’i Isaia: “Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; eny, ho levona izay miady aminao. Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. Fa Izaho Jehovah Andriamanitra no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. Aza matahotra hianao, ry Jakoba kankana, dia hianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no Mpanavotra anao.”—Isaia 41:11-14.

16 Tsy handresy ny fahavalon’ny Isiraely. Ho menatra ireo tezitra tamin’ny Isiraely. Ho faty ireo niady taminy. Na dia toa nalemy sy tsy nanam-piarovana toy ny kankana miolanolana ao anaty tany aza ny Isiraelita babo, dia hanampy azy ireo i Jehovah. Tena fampaherezana ho an’ny Kristianina marina amin’izao ‘andro farany’ izao tokoa izany, noho izy ankahalain’olona maro be eo amin’ity tontolo ity! (2 Timoty 3:1) Ary tena manatanjaka tokoa ny fampanantenan’i Jehovah, rehefa hanafika tsy ho ela i Satana, ilay “Goga avy any amin’ny tany Magoga” ao amin’ny faminaniana! Rehefa hotafihin’i Goga amin-kabibiana ny vahoakan’i Jehovah, dia toa tsy hanam-piarovana toy ny kankana, toy ny vahoaka “monina ao an-tanàna tsy misy mànda na hidy na vavahady.” Kanefa ireo manantena an’i Jehovah dia tsy hila hipararetra noho ny tahotra. Ilay Tsitoha mihitsy no hiady mba hanafaka azy ireo.—Ezekiela 38:2, 11, 14-16, 21-23; 2 Korintiana 1:3.

Fampiononana ho an’ny Isiraely

17, 18. Inona no nolazain’i Isaia momba ny tanjaka ho azon’ny Isiraely, ary inona no azontsika antoka fa ho tanteraka?

17 Mbola mampionona ny vahoakany ihany i Jehovah hoe: “Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra hianao; hively ny tendrombohitra hianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa. Hikororoka azy hianao, ka hopaohin’ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; fa hianao kosa dia hiravoravo amin’i Jehovah, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no ho reharehanao.”—Isaia 41:15, 16.

18 Hohatanjahina ny Isiraely mba hanaovany zavatra, ary mba handreseny, amin’ny heviny ara-panahy, an’ireo fahavalony oharina amin’ny tendrombohitra. Rehefa hiverina avy any an-tsesitany ny Isiraely, dia handresy ny fahavalony, izay hitady hisakana ny fanorenana indray ilay tempoly sy ny mandan’i Jerosalema. (Ezra 6:12; Nehemia 6:16) Kanefa ho tanteraka amin’ny lafiny lehibe eo amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ireo tenin’i Jehovah ireo. (Galatiana 6:16) Hoy i Jesosy tamin’ny Kristianina voahosotra: “Izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany dia homeko fahefana amin’ny jentilisa; ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko.” (Apokalypsy 2:26, 27) Ho avy tokoa ny andro hahazoan’ny rahalahin’i Kristy ny voninahitra any an-danitra, ka hiarahany hiasa aminy mba handringana ny fahavalon’i Jehovah Andriamanitra.—2 Tesaloniana 1:7, 8; Apokalypsy 20:4, 6.

19, 20. Inona no nosoratan’i Isaia momba ny fampodiana ny Isiraely tany amin’ny toerana kanto iray, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

19 Mampiasa teny an’ohatra izao i Jehovah, mba hanamafisana ny fampanantenany hanome fanampiana ny vahoakany. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy; hampiboika renirano ao amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin’ny lohasaha; hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika. Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay, mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan’i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin’ny Isiraely no nahary izany.”—Isaia 41:17-20.

20 Nonina tao amin’ny renivohitry ny firenena iray natanjaka sy nanankarena ny Isiraelita fony tany an-tsesitany. Nahatsiaro ho toy ny tany an’efitra tsy nisy rano anefa izy ireo. Toy ny an’i Davida, fony izy niafina an’i Saoly Mpanjaka, ny fihetseham-pony. Nampian’i Jehovah izy ireo tamin’ny 537 T.K., ka afaka niverina tany Joda sy nanorina indray ny tempoliny tao Jerosalema, ary namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tao. Ary i Jehovah kosa dia nitahy azy ireo. Hoy i Isaia, tao amin’ny faminaniana iray tatỳ aoriana: “Jehovah mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny efitra ao ho tahaka an’i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’i Jehovah.” (Isaia 51:3) Tena nitranga tokoa izany, rehefa niverina tany an-tanindrazany ny Jiosy.

21. Inona no naverina tamin’ny laoniny tamin’izao androntsika izao, ary inona no hitranga amin’ny hoavy?

21 Misy zavatra mitovy amin’izany nitranga tamin’ny androntsika, fony i Kristy Jesosy, ilay Kyrosy Lehibe, nanafaka ny mpanara-dia azy voahosotra avy tamin’ny fahababoana ara-panahy, mba hamerenana amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Nomena paradisa ara-panahy kanto, dia saha Edena ara-panoharana, ho valisoany, ireny olo-nahatoky ireny. (Isaia 11:6-9; 35:1-7) Tsy ho ela, rehefa handringana ny fahavalony Andriamanitra, dia hovana ho paradisa ara-bakiteny ny tany manontolo, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy teo amin’ny hazo.—Lioka 23:43.

Fihantsiana ny fahavalon’ny Isiraely

22. Teny nanao ahoana izao no nihantsian’i Jehovah indray an’ireo firenena?

22 Niverina tamin’ilay adihevitra nataony tamin’ireo firenena sy ny sampiny indray izao i Jehovah. Hoy izy: “Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan’i Jakoba. Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra hianareo; eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita. Indro, hianareo dia naman’ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman’ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.” (Isaia 41:21-24) Afaka naminany araka ny marina ve ny andriamanitr’ireo firenena, ka nanaporofo tamin’izany fa nanam-pahalalana nihoatra noho ny an’ny olombelona izy ireo? Raha eny, dia tena tokony hisy vokany hita, na tsara na ratsy, hanamarina ny fihamboany. Raha ny tena izy anefa, dia tsy nahatontosa na inona na inona ireo andriamanitra sampy, ary naman’ny tsinontsinona.

23. Nahoana i Jehovah no nanameloka tsy an-kijanona ireo sampy?

23 Mety hisy hanontany tena ankehitriny hoe nahoana i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia sy ny mpaminany hafa, no nandany andro toy izany hanamelohana ny maha hadalana ny fanompoan-tsampy. Mety ho efa miharihary amin’ny olona maro ankehitriny fa zava-poana ny sampy vitan’olombelona. Kanefa, raha vao tafaorina ny finoana diso iray ka eken’ny besinimaro, dia sarotra ny manaisotra azy avy ao an-tsain’izy ireo. Finoana maro ankehitriny no tena hadalana, toy ny finoana fa hoe andriamanitra ireo sary tsy manana aina. Mifikitra amin’ny finoana toy izany ihany anefa ny olona, na dia misy porofo mampiaiky momba ny fahadisoan’izy ireny aza. Rehefa mahare ny fahamarinana miverimberina ihany ny olona sasany vao hahita fa fahendrena ny mitoky amin’i Jehovah.

24, 25. Inona indray no nolazain’i Jehovah momba an’i Kyrosy, ary mampahatsiahy antsika faminaniana hafa inona izany?

24 Hoy indray i Jehovah momba an’i Kyrosy: “Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.” (Isaia 41:25) * Tsy sahala amin’ny andriamanitr’ireo firenena i Jehovah, fa mahatontosa zavatra. Rehefa hitondra an’i Kyrosy avy any amin’ny “fiposahan’ny masoandro” any atsinanana Andriamanitra, dia hampiseho ny fahaizany milaza ny hoavy mialoha ary hanao izay hahatanteraka ilay teniny.

25 Mampahatsiahy antsika ny faminanian’ny apostoly Jaona momba ireo mpanjaka hotairina hanao zavatra amin’ny androntsika, ireo teny ireo. Milaza ny Apokalypsy 16:12 fa hamboarina “ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” ireny. Tsy iza ireo mpanjaka ireo fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. Toy ny nanafahan’i Kyrosy ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, dia handringana ny fahavalony ireo mpanjaka faran’izay matanjaka ireo ary hitarika ny vahoakany hamakivaky ny fahoriana lehibe ho ao amin’ny tontolo vaovao sy marina.—Salamo 2:8, 9; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:14-17.

Fara tampony i Jehovah!

26. Fanontaniana inona izao no napetrak’i Jehovah, ary voavaly ve izy io? 

26 Naverin’i Jehovah indray ilay fahamarinana hoe izy irery no Andriamanitra marina. Hoy izy: “Iza no nitory izany hatramin’ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; ary tsy nisy nandre ny teninareo.” (Isaia 41:26) Tsy nisy andriamanitra sampy nanambara ny hiavian’ny mpandresy iray mba hanafaka ireo nitoky taminy. Samy tsy manana aina sy tsy afa-miteny, ny andriamanitra rehetra toy izany. Tsy andriamanitra velively izy ireny.

27, 28. Inona no fahamarinana lehibe antitranterina ao amin’ireo andinin-teny mamarana ny Isaia 41, ary iza ihany no manambara azy io?

27 Rehefa avy nilaza ireo tenin’i Jehovah mampientam-po ireo i Isaia, dia nanantitrantitra izao fahamarinana lehibe izao: “Izaho no voalohany, Izay milaza amin’i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’i Jerosalema. Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny, kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho. Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivotra sy zava-poana ny sampiny an-idina.”—Isaia 41:27-29.

28 I Jehovah no voalohany, sy fara tampony! Izy no Andriamanitra marina, izay manambara ilay vaovao tsara amin’ny vahoakany hoe hafahana izy ireo. Ny Vavolombelony ihany no manambara ny fahalehibeazany amin’ireo firenena. Manebaka sy manameloka an’ireo mitoky amin’ny sampy, izay antsoiny hoe “rivotra sy zava-poana”, i Jehovah. Izany ka antony mahery hifikirana amin’ilay Andriamanitra marina! I Jehovah irery no mendrika ny fatokisantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tsy iza ilay Kyrosy Lehibe nanafaka “ny Isiraelin’Andriamanitra” tamin’ny 1919 fa i Jesosy Kristy izay natao Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914.—Galatiana 6:16.

^ feh. 24 Tany atsinanan’i Babylona ny tanindrazan’i Kyrosy, nefa nidina avy tany Azia Minora tany avaratra izy, rehefa nanafika farany an’i Babylona.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Nofidina hanao ny asan’Andriamanitra i Kyrosy, na dia mpanompo sampy aza

[Sary, pejy 21]

Mitoky amin’ny sampy tsy manana aina ireo firenena

[Sary, pejy 27]

‘Hanorotoro ny tendrombohitra’ ny Isiraely, oharina amin’ny “kodia vy”