Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ny Vahoakan’Andriamanitra

Fampiononana ho An’ny Vahoakan’Andriamanitra

Toko Faharoa Ambin’ny Folo

 

Isaia 51:1-23

1. Inona no zavatra nahaketraka niandry an’i Jerosalema sy ny mponina tao aminy, kanefa inona no azony nantenaina?

FITOPOLO taona, toy ny halavan’ny fiainan’ny olona, no haha babo ny firenen’ny Joda any Babylona. (Salamo 90:10; Jeremia 25:11; 29:10) Hihantitra sy ho faty any ny ankamaroan’izy ireo. Eritrereto ny henatra ho tsapany noho ny esoeso sy ny latsan’ny fahavalony. Eritrereto koa ny fahafaham-baraka ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny, rehefa ho lao ela be toy izany ilay tanàna nampitoerany ny anarany. (Nehemia 1:9; Salamo 132:13; 137:1-3) Tsy ho eo intsony ilay tempoly tsy foiny, izay feno ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny fotoana nitokanan’i Solomona azy. (2 Tantara 7:1-3) Tena nahaketraka tokoa ny fieritreretana izany! Nasain’i Jehovah naminany anefa i Isaia hoe hiverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra. (Isaia 43:14; 44:26-28) Misy faminaniana hafa momba io fampiononana sy fanomezan-toky io, ao amin’ny Isaia toko faha-51.

2. a) Tamin’iza no nasain’i Jehovah nampitan’i Isaia ilay hafatra fampiononana? b) Inona no hataon’ny Jiosy mahatoky mba ‘hiezahana hitady fahamarinana’?

2 Natosiky ny fony hitady an’i Jehovah ny mponin’i Joda sasany, ka hoy i Jehovah taminy: “Mihainoa Ahy, hianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’i Jehovah.” (Isaia 51:1a) Milaza asa ny hoe “miezaka mitady fahamarinana.” Tsy hihambo fotsiny ho vahoakan’Andriamanitra ireo “miezaka mitady fahamarinana”, fa hikely aina mba ho olo-marina sy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 34:15; Ohabolana 21:21) Hiantehitra amin’i Jehovah, ilay hany Loharanon’ny fahamarinana, izy ireo, ary ‘hitady an’i Jehovah.’ (Salamo 11:7; 145:17) Tsy hoe tsy hahafantatra an’i Jehovah na ny fomba hivavahana aminy izy ireo. Ny hevitr’izany kosa dia hoe hiezaka hanatona akaiky kokoa azy izy ireo, ka hanompo azy sy hivavaka aminy ary hitady ny tari-dalany amin’izay rehetra hataony.

3, 4. a) Iza ilay “vatolampy” nakana an’ireo Jiosy, ary iza ilay “ati-lavaka” nihadiana azy ireo? b) Nahoana no hampionona ny Jiosy ny fitadidiana ny razambeny?

3 Kanefa vitsy ihany no tena nitady ny fahamarinana tao Joda, ka nety ho nahakivy sy nampanary toky azy ireo izany. Nampahery azy ireo tamin’ny alalan’izao fanoharana izao àry i Jehovah: “Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.” (Isaia 51:1b, 2) Ilay “vatolampy” nakana ny Jiosy dia i Abrahama, izay tena reharehan’ny firenen’ny Isiraely. (Matio 3:9; Jaona 8:33, 39) Izy ilay olombelona nipoiran’ilay firenena. Ilay “ati-lavaka” kosa dia i Saraha, ilay kibo niteraka an’i Isaka, razamben’ny Isiraely.

4 Samy efa tsy afaka niteraka intsony i Abrahama sy i Saraha, nefa mbola tsy nanan-janaka. Na izany aza, dia nampanantena ny hitahy an’i Abrahama sy ‘hahamaro’ azy i Jehovah. (Genesisy 17:1-6, 15-17) Nataon’Andriamanitra indray izay hahafahan’i Abrahama sy i Saraha hiteraka, ka nanana anaka izy ireo, na dia efa antitra aza. Avy tamin’io zanany io no nipoiran’ilay firenena nanaovan’Andriamanitra fanekena. Nataon’i Jehovah rain’ny firenena lehibe iray àry i Abrahama, ary nanjary tsy hita isa toy ny kintan’ny lanitra ny mponina tao aminy. (Genesisy 15:5; Asan’ny Apostoly 7:5) Vitan’i Jehovah àry ny naka an’i Abrahama avy tany an-tany lavitra, sy nampipoitra firenena lehibe avy taminy. Ho vitany toy izany koa ny hanatanteraka ny teniny hanafaka ny sisa nahatoky avy tany Babylona, sy hampody azy any an-tanindrazana ary hahatonga azy ho firenena lehibe indray. Ho tanteraka toy ny teny nataony tamin’i Abrahama ny teny nataony tamin’ireo Jiosy babo.

5. a) Mifanitsy amin’iza moa i Abrahama sy Saraha? Hazavao. b) Iza no avy amin’ilay “vatolampy”, amin’ny fahatanterahana faran’ilay faminaniana?

5 Toa misy fampiharana hafa koa io fanoharana ao amin’ny Isaia 51:1, 2 io. Antsoin’ny Deoteronomia 32:18 hoe ilay “Vatolampy” niteraka ny Isiraely i Jehovah, sady ilay “nahary” azy. Io teny farany io, amin’ny teny hebreo, dia mitovy amin’ilay matoanteny ao amin’ny Isaia 51:2 momba an’i Saraha niteraka ny Isiraely. Noho izany, i Abrahama dia mifanitsy amin’i Jehovah, ilay Abrahama Lehibe. I Saraha, vadin’i Abrahama kosa, dia mifanitsy amin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, voaforon’ny zavaboary ara-panahy, ary antsoin’ny Soratra Masina hoe vadin’Andriamanitra. (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:1, 5) Amin’ny fahatanterahana faran’io faminanian’i Isaia io, ilay firenena mipoitra avy amin’ilay “vatolampy” dia ny “Isiraelin’Andriamanitra.” Izy io dia ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, niforona tamin’ny Pentekosta taona 33. Efa nohazavaina tato amin’ity boky ity fa nobaboin’i Babylona Lehibe io firenena io tamin’ny 1918, nefa nahazo fanambinana ara-panahy indray tamin’ny 1919.—Galatiana 3:26-29; 4:28; 6:16.

6. a) Inona no niandry ny tanin’i Joda, ary inona no fiovana hitranga? b) Mampahatsiahy antsika fitrangan-javatra ankehitriny inona ny Isaia 51:3?

6 Tsy ny hanome azy mponina maro be fotsiny no nampanantenain’i Jehovah an’i Ziona, na Jerosalema, mba hampiononana azy. Izao no vakintsika: “Jehovah mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny efitra ao ho tahaka an’i Edena ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’i Jehovah; hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.” (Isaia 51:3) Ho tany efitra indray ny Joda, mandritra ireo 70 taona hahalao azy, ka ho rakotra tsilo sy zavamaniry dia. (Isaia 64:9; Jeremia 4:26; 9:9-11) Tsy vitan’ny hoe haverina any amin’ny taniny fotsiny ny mponin’i Joda, fa hamboarina koa ilay tany, ka ho tonga toy ny saha Edena hamokatra voa sy voankazo. Toy ny hoe hifaly sy hiravoravo ilay tany. Ho hafa tanteraka noho ilay toerana lao nandritra ny sesitany ilay izy, satria ho paradisa. Niditra tao amin’ny paradisa ara-panahy toy izany ny sisa voahosotra anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra tamin’ny 1919.—Isaia 11:6-9; 35:1-7.

Antony atokisana an’i Jehovah

7, 8. a) Inona no tena nangatahin’i Jehovah tamin’ny hoe “Atongilano amiko ny sofinareo”? b) Nahoana no tena nilain’ny Joda ny nankatò an’i Jehovah?

7 Hoy i Jehovah, nangataka ny vahoakany mbola hihaino azy: “Mihainoa Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena: Izaho no hantenain’ny nosy, ary ny sandriko no handrasany.”—Isaia 51:4, 5.

8 Tsy ny hihaino ny hafatra holazainy fotsiny no nangatahin’i Jehovah tamin’izany, fa ny mba hankatoavana izay zavatra re koa. (Salamo 49:1; 78:1) Tsy maintsy takatr’ilay firenena fa i Jehovah no Loharanon’ny fampianarana sy ny rariny ary ny famonjena. Izy irery no Loharanon’ny fahazavana ara-panahy. (2 Korintiana 4:6) Izy no Mpitsara fara tampony ny olombelona. Ireo lalàna sy fitsipika avy aminy dia fahazavana ho an’ireo manaiky hotarihiny.—Salamo 43:3; 119:105; Ohabolana 6:23.

9. Iza koa no handray soa avy amin’ny famonjen’i Jehovah?

9 Tsy ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena ihany no hankatò ka hahita fahazavana, fa ny olona tia ny fahamarinana hatraiza hatraiza, na dia any amin’ny nosy lavitra indrindra aza. Tsy ho diso fanantenana izy ireo, raha matoky an’Andriamanitra sy ny fahaizany mamonjy ny mpanompony mahatoky. Azo antoka ny sandriny, izany hoe ny heriny, na tanjany, ka tsy hisy hahasakana azy io. (Isaia 40:10; Lioka 1:51, 52) Mitory amin-jotom-po koa ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ankehitriny, ka olona an-tapitrisa, avy amin’ny tany sy nosy maro, no efa nanjary nino an’i Jehovah.

10. a) Inona no fahamarinana tsy maintsy heken’i Nebokadnezara Mpanjaka? b) Inona ilay “lanitra” sy ilay “tany” hofaranana?

10 Avy eo i Jehovah dia nilaza fahamarinana iray tsy maintsy heken’i Nebokadnezara, Mpanjakan’i Babylona. Tsy hisy na inona na inona hahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny sitrapony. (Daniela 4:31, 32) Izao no vakintsika: “Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary ny tany ho tahaka ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.” (Isaia 51:6) Na dia tsy fanaon’ny mpanjaka babylonianina mihitsy aza ny namela ny babony hody, dia tsy hisy hahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy ny vahoakany. (Isaia 14:16, 17) Ho resy ny “lanitra”, na filoha, babylonianina. Hofaranana koa ny “tany”, na ny olom-pehezin’ireo filohan’i Babylona ireo. Eny, tsy hahatohitra ny herin’i Jehovah na hahasakana azy tsy hamonjy, na dia ilay fanjakana lehibe indrindra tamin’izay aza.

11. Nahoana no mampahery ny Kristianina ankehitriny ny fahatanterahan’ilay faminaniana momba ny handringanana ny “lanitra” sy “tany” babylonianina?

11 Tena mampahery ny Kristianina ankehitriny ny mahalala fa efa tanteraka io faminaniana io! Nahoana? Satria nampiasa teny mitovitovy amin’io ny apostoly Petera mba hilazana zavatra ho avy. Niresaka momba ny andron’i Jehovah mihamanatona haingana izy, dia andro “izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” Hoy koa izy avy eo: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:12, 13; Isaia 34:4; Apokalypsy 6:12-14) Na dia hihantsy an’i Jehovah aza ireo firenena mahery sy ny filohany manerinerina toy ny kintana, dia hopotehiny amin’ny fotoana voatondrony. (Salamo 2:1-9) Ny fanjakana marin’Andriamanitra ihany no hanapaka mandrakizay eo amin’ny olombelona marina.—Daniela 2:44; Apokalypsy 21:1-4.

12. Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tsy tokony hatahotra, rehefa haratsin’ny mpanohitra?

12 Hoy i Jehovah amin’ireo “miezaka mitady fahamarinana”: “Mihainoa Ahy, hianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia hianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao: Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona, na manahy noho ny fanaratsiany. Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary ny lolofotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary ny famonjeko hihatra amin’ny taranaka fara mandimby.” (Isaia 51:7, 8) Hoharatsina sy holatsaina ireo matoky an’i Jehovah, satria be herim-po. Tsy tokony hatahoran’izy ireo anefa izany. Olombelona mety maty ihany ireo mpandatsa, ary ‘hohanina’, toy ny fihinan’ny kalalao ny lamba. * Sahala amin’ny Jiosy nahatoky fahiny, dia tsy manana antony hatahorana an’izay manohitra azy ny Kristianina marina ankehitriny. I Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay, no mpamonjy azy. (Salamo 37:1, 2) Ny latsa avy amin’ny fahavalon’Andriamanitra dia porofo fa manana ny fanahiny ny vahoakany.—Matio 5:11, 12; 10:24-31.

13, 14. Manondro an’iza ny hoe “Rahaba” sy “dragona”, ary amin’ny heviny ahoana izy no hoe ‘voatetitetika’ sy ‘voatomboka’?

13 Toy ny niantso an’i Jehovah hanao zavatra ho an’ny vahoakany babo i Isaia, nanao hoe: “Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny! Dia tamin’ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho làlana halehan’ny navotana?”—Isaia 51:9, 10.

14 Zava-nitranga voafantina tsara ireo noraisin’i Isaia ireo. Fantatry ny Isiraelita tsirairay ny nanafahana an’ilay firenena avy tany Ejipta sy nitany ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 12:24-27; 14:26-31) Ny teny hoe “Rahaba” sy “dragona” dia manondro an’i Ejipta tamin’ny andron’ilay Farao tsy nanaiky ny hialan’ny Isiraely avy tany Ejipta. (Salamo 74:13; 87:4; Isaia 30:7) Toy ny dragona na bibilava nampahatahotra ny fahitana an’i Ejipta fahiny: Teo am-bavaranon’i Neily ny lohany, ary ny vatany nanaraka ny Lohasaha lemak’i Neily nirefy an-jato kilaometatra. (Ezekiela 29:3) Voatetitetika anefa io dragona nahatsiravina io, rehefa nandefa ny Loza Folo teo aminy i Jehovah. Voatomboka, na naratra mafy, kosa izy, ka nanjary nalemy, rehefa maty tao amin’ny Ranomasina Mena ny tafiny. Eny, nampiseho ny herin’ny sandriny i Jehovah, rehefa niady tamin’i Ejipta. Moa ve izy tsy ho vonona toy izany koa hiady ho an’ny vahoakany babo tany Babylona?

15. a) Oviana ary ahoana no nandosiran’ny alahelo sy fisentoan’i Ziona? b) Oviana no nandosiran’ny alahelo sy fisentoan’ny Isiraelin’Andriamanitra ankehitriny?

15 Hoy ny tohin’ilay faminaniana, momba ny hanafahana ny Isiraely avy any Babylona: “Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” (Isaia 51:11) Afaka nanantena hoavy mahafinaritra ireo nitady ny fahamarinan’i Jehovah, na nampalahelo toy inona aza ny fiainany tany Babylona. Tsy hisy alahelo na fisentoana intsony. Fihobiana sy fifaliana ary faharavoravoana no ho re eo anivon’ireo navotana. Amin’ny andro ankehitriny, dia nafahana tsy ho babon’i Babylona Lehibe intsony koa, ny Isiraelin’Andriamanitra, tamin’ny 1919. Faly dia faly izy ireo, rehefa tafaverina ho amin’ny toe-piainany ara-panahy, ary mbola mitohy hatramin’izao izany fifaliana izany.

16. Inona no tsy maintsy haloa mba hanavotana ny Jiosy?

16 Inona no ho vidin’ny fanavotana ny Jiosy? Efa nilaza i Isaia fa ‘homen’i Jehovah ho avotrao i Ejipta ary i Etiopia sy Seba ho solonao.’ (Isaia 43:1-4) Any aoriana izany no hitranga. Handresy an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy aloha ny Fanjakana Persanina, ary avy eo dia handresy an’i Ejipta sy Etiopia ary Seba. Ireo no homena ho solon’ny Isiraelita. Izany dia mifanaraka tsara amin’ilay voalazan’ny Ohabolana 21:18 hoe: “Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, ary ny mpivadika ho solon’ny mahitsy.”

Fanomezan-toky hafa koa

17. Nahoana no tsy nila natahotra ny fahatezeran’i Babylona ny Jiosy?

17 Mbola nanome toky ny vahoakany toy izao ihany i Jehovah: “Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana hianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty sy ny zanak’olona izay hatao tahaka ny ahitra ka manadino an’i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro hianao noho ny fahatezeran’ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?” (Isaia 51:12, 13) Sesitany nandritra ny taona maro no niandry azy ireo. Tsy nisy antony hatahorany ny fahatezeran’i Babylona anefa. Handresy ny vahoakan’Andriamanitra io firenena natanjaka fahatelo io, ary hitady ‘hampahory’, na hisakana azy tsy handeha. Kanefa fantatry ny Jiosy nahatoky fa efa nanambara mialoha ny handresen’i Kyrosy an’i Babylona i Jehovah. (Isaia 44:8, 24-28) Tsy toa an’i Jehovah, ilay Mpamorona sady Andriamanitra mandrakizay, ny mponin’i Babylona, fa ho faty toy ny ahitra malazon’ny hainandro amin’ny main-tany. Aiza intsony izay fandrahonany sy fahatezerany amin’izay? Tena tsy fahendrena àry ny matahotra olona sy manadino an’i Jehovah, ilay nanao ny lanitra sy ny tany!

18. Inona no toky nomen’i Jehovah ny vahoakany, na dia ho babo elaela aza izy ireo?

18 ‘Hitanondrika’, na hoe ho babo, elaela ihany ny vahoakan’i Jehovah, nefa hafahana tampoka izy ireo. Tsy ho lany ripaka any Babylona izy ireo, na ho gadra maty noana, izany hoe hanjary tsy hanana aina any am-pasana, na any an-davaka. (Salamo 30:3; 88:3-5) Nanome azy ireo toky toy izao i Jehovah: “Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.”—Isaia 51:14.

19. Nahoana ny Jiosy nahatoky no afaka natoky tanteraka ny tenin’i Jehovah?

19 Hoy ihany i Jehovah, nampionona an’i Ziona: “Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ny maro, no anarako. Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’i Ziona hoe: Oloko hianao.” (Isaia 51:15, 16) Miresaka imbetsaka momba ny fahaizan’Andriamanitra mifehy ny ranomasina ny Baiboly. (Joba 26:12; Salamo 89:9; Jeremia 31:35) Nasehony, fony izy nanafaka ny vahoakany avy tany Ejipta, fa mahafehy tanteraka ny ranomasina sy ny rivotra izy. Iza no ho afaka hifampitaha na dia kely akory aza amin’i “Jehovah, Tompon’ny maro”?—Salamo 24:10.

20. Inona ilay “lanitra” sy “tany” hiforona, rehefa hamerina an’i Ziona i Jehovah, ary teny feno fampiononana inona no holazainy?

20 Mbola ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena ihany ny Jiosy, ary nomen’i Jehovah toky izy ireo fa hody any an-tanindrazany, ka hanaraka ny Lalàny. Hanorina an’i Jerosalema sy ny tempoliny indray izy ireo any, ary hiantsoroka indray ireo andraikitra voalazan’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy. Hisy “tany vaovao” hiforona, rehefa hameno an’ilay tany indray ny Isiraelita tafody sy ny bibiny. Hisy “lanitra vaovao”, na fitondrana vaovao, hanapaka eo aminy. (Isaia 65:17-19 Hagay 1:1, 14) Hilaza amin’i Ziona indray i Jehovah hoe: “Oloko hianao.”

Antso fanentanana

21. Nentanin’i Jehovah hanao inona i Ziona?

21 Nandefa antso fanentanana i Jehovah, rehefa avy nanome toky an’i Ziona. Ny fomba fiteniny dia toy ny hoe efa nifarana ny fijalian’izy io: “Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ny tànan’i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ny faikany.” (Isaia 51:17) Eny, tsy maintsy ho tafarina avy amin’ilay loza nanjo azy i Jerosalema ka ho feno voninahitra toy ny taloha indray. Ho efa nosotroiny tanteraka ny kapoaky ny famaizan’Andriamanitra. Tsy hisy soritry ny fahatezeran’Andriamanitra intsony.

22, 23. Inona no vokatry ny fisotroan’i Jerosalema ny kapoaky ny fahatezeran’i Jehovah?

22 Na izany aza, rehefa hofaizina i Jerosalema, dia tsy hahasakana izany ny “zanani-lahy”, izany hoe ny mponina ao aminy. (Isaia 43:5-7; Jeremia 3:14) Hoy ilay faminaniana: “Tsy misy mitondra azy ny zanani-lahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zanani-lahy rehetra izay notezainy.” (Isaia 51:18) Tena hampijalin’ny Babylonianina tokoa izy! “Izao zavatra roa izao no hanjo anao (iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao? Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dàlambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’i Jehovah sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao.”—Isaia 51:19, 20.

23 Indrisy, ry Jerosalema! “Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra” no tsy maintsy hanjo azy. Tsy ho afaka hitari-dalana na hanatanjaka azy ny ‘zanany lahy’, fa hijery azy fotsiny, satria sady tsy hanam-piarovana no tsy hahatohitra ny Babylonianina. Ho hitan’ny olona rehetra eny an-joron-dalana eny izy ireo, kely aina sy osa ary reraka. (Fitomaniana 2:19; 4:1, 2) Ho efa voasotrony ny kapoaky ny fahatezeran’Andriamanitra, ka tsy ho afa-mihetsika toy ny biby voafandrika izy.

24, 25. a) Inona no tsy hanjo an’i Jerosalema intsony? b) Iza no hisotro amin’ny kapoaky ny fahatezeran’i Jehovah aorian’i Jerosalema?

24 Tsy haharitra anefa io zavatra mampalahelo io. Nampionona toy izao i Isaia: “Koa mihainoa izao, hianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay: Izao no lazain’i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ny olony: Indro, esoriko eny an-tànanao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny, fa hataoko eo an-tànan’izay mampahory anao kosa,—dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny làlambe ho an’izay mandeha eo.” (Isaia 51:21-23) Rehefa avy nanafay an’i Jerosalema i Jehovah, dia vonona ny hiantra sy hamela heloka.

25 Hafindran’i Jehovah amin’i Babylona izao ny fahatezerany. Efa ravan’i Babylona sy nampietreny i Jerosalema. (Salamo 137:7-9) Tsy ho voatery hisotro izany kapoaka izany avy eo an-tanan’i Babylona na ny namany intsony anefa i Jerosalema. Hesorina avy eny aminy kosa ilay kapoaka, ka homena hosotroin’ireo nifaly noho ny fietreny. (Fitomaniana 4:21, 22) Hietry i Babylona, mamo tanteraka. (Jeremia 51:6-8) Ho tafarina kosa i Ziona! Hivadika tokoa ny rasa! Tena hahazo fampiononana avy amin’ny fahafantarana izany i Ziona. Afaka matoky àry ny mpanompon’i Jehovah fa hohamasinina ny anarany, noho ny famonjena hataony.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Ilay bibikely fony izy mbola fanday no resahina eto, raha ny tena izy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 167]

I Jehovah, ilay Abrahama Lehibe, no ilay “vatolampy” nakana ny vahoakany

[Sary, pejy 170]

Hanjavona toy ny lamba lanin’ny kalalao ny mpanohitra ny vahoakan’Andriamanitra

[Sary, pejy 176, 177]

Nampiseho ny fahaizany mifehy ny rivotra sy ny ranomasina i Jehovah

[Sary, pejy 178]

Tsy maintsy hisotroan’i Babylona sy ny namany ilay kapoaka nisotroan’i Jerosalema