Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo Kivy

Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo Kivy

Toko Fahenina Ambin’ny Folo

Hafatra Mahavelom-panantenana An’ireo Babo Kivy

Isaia 55:1-13

1. Nanao ahoana ny fiainan’ny Jiosy babo tao Babylona?

FOTOANA nanjombona teo amin’ny tantaran’ny Joda tamin’izay. Nesorina an-tery avy tany an-tanindrazany ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena, ary babo tao Babylona izy ireo izao. Afaka nanao ny raharahany andavanandro ihany aloha izy ireo. (Jeremia 29:4-7) Nisy aza afaka nianatra asa na nanao raharaham-barotra. * (Nehemia 3:8, 31, 32) Tsy mora ny fiainan’ireo Jiosy ireo, na dia izany aza, satria sady babo ara-bakiteny izy ireo no babo ara-panahy koa. Nahoana isika no milaza izany?

2, 3. Inona no vokatry ny nanaovana sesitany ny Jiosy teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah?

2 Tsy ilay firenena fotsiny no nasian’ny tafika babylonianina, fony izy ireo nandringana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., fa ny fivavahana marina koa. Norobainy sy noravany ny tempolin’i Jehovah. Nofoanany koa ny fisoronana, satria nentiny ho babo ny Levita sasany, ary novonoiny ny hafa. Tsy nanana trano nivavahana, na alitara, na mpisorona voalamina hanao ny asa, intsony ny Jiosy, ka tsy afaka nanao fanatitra ho an’ilay Andriamanitra marina araka ny nandidian’ny Lalàna.

3 Mbola afaka nampiseho ihany anefa ny Jiosy nahatoky fa hafa ny fivavahany, tamin’ny fankatoavana ny Lalàna araka izay azony natao, toy ny didy momba ny famorana sy ny fifadian-kanina ary ny Sabata. Nesoin’ny mpamabo azy anefa izy ireo noho izany, satria hadalana tamin’ny Babylonianina ireo fombafomban’ny fivavahana jiosy. Milaza tsara ny fahakivian’ireo babo ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Teo amoron’ny onin’i Babylona no nipetrahanay, sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’i Ziona. Teo amin’ny hazomalahelo teo afovoan’i Babylona no nanantonanay ny lokanganay. Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’i Ziona eto anatrehanay.”—Salamo 137:1-3.

4. Nahoana no ho very maina foana ny hitadiavan’ny Jiosy famonjena tany amin’ny firenena hafa, nefa taiza no azony nitadiavana fanampiana?

4 Taiza àry ireo Jiosy babo no afaka nitady fampiononana sy famonjena? Tsy tany amin’ireo firenena nanodidina velively! Samy tsy nisy naharesy ny tafik’i Babylona izy ireo, ary maro taminy no tsy tia an’ireo Jiosy. Tsy tokony hanary toky anefa ny Jiosy. Mbola nampitan’i Jehovah fanasana tamim-pitiavana ihany izy ireo tany an-tsesitany, na dia nikomy aza talohan’ilay fahababoana.

“Mankanesa amin’ny rano”

5. Inona no hevitry ny teny hoe “mankanesa amin’ny rano”?

5 Hoy i Jehovah tamin’ireo Jiosy babo tao Babylona, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.” (Isaia 55:1) Mampiasa teny an’ohatra maro izy eo. Raiso, ohatra, ilay fanasana hoe: “Mankanesa amin’ny rano.” Tsy misy fiainana, raha tsy misy rano. Tsy ho velona mihoatra ny herinandro isika olombelona, raha tsy misy rano. Tena mety tsara àry io teny an’ohatra nampiasain’i Jehovah io, mba hanazavana ny ho vokatry ny teniny eo amin’ireo Jiosy babo. Hamelombelona azy ireo, toy ny rano mangatsiaka amin’ny andro mafana, ny teniny, ary hampisinda ny alahelony, ka hanala ny hetahetany fahamarinana sy rariny. Hampanantena azy ireo fahafahana avy amin’ny fahababoana koa ny tenin’i Jehovah. Misy zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo anefa: Mandray sy mihaino ary mankatò ilay hafatr’Andriamanitra.

6. Inona avy no soa ho azon’ny Jiosy, raha ‘nividy divay sy ronono’ izy ireo?

6 Manolotra “divay sy ronono” koa i Jehovah. Manatanjaka ny vatan’ny ankizy ny ronono, ary manampy azy hitombo. Hanatanjaka ara-panahy ny vahoakany toy izany koa ny Tenin’i Jehovah, ary hanampy azy ireo hanamafy ny fifandraisany aminy. Ahoana ny amin’ny divay? Ampiasaina amin’ny fety ny divay matetika. Ampifandraisina amin’ny fanambinana sy ny fifaliana izy io, ao amin’ny Baiboly. (Salamo 104:15) Ny fanasan’i Jehovah ny vahoakany ‘hividy divay’ àry dia fanomezan-toky fa “hifaly tokoa” izy ireo, rehefa hiverina amin’ny fony rehetra ho amin’ny fivavahana marina.—Deoteronomia 16:15; Salamo 19:8; Ohabolana 10:22.

7. Nahoana no miavaka ny fangoraham-pon’i Jehovah tamin’ireo babo, ary inona no ianarantsika momba azy avy amin’izany?

7 Endrey ny famindram-pon’i Jehovah, nanolotra izany famelombelomana ara-panahy izany tamin’ireo Jiosy babo! Vao mainka miavaka ny famindram-pony, rehefa tadidintsika fa tsy nitsahatra naniasia sy nikomy izy ireo. Tsy mendrika ny hahazo sitraka tamin’i Jehovah izy ireo. Kanefa hoy i Davida, taonjato maro talohan’io: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay.” (Salamo 103:8, 9) Tsy nanilika tanteraka ny vahoakany i Jehovah, fa izy kosa aza no voalohany niezaka hihavana tamin’izy ireo indray. Andriamanitra “tia famindrampo” tokoa izy.—Mika 7:18.

Fitokisana diso toerana

8. Iza no nitokisan’ny Jiosy, nefa inona no fampitandremana efa nomena azy?

8 Jiosy maro no mbola tsy natoky tanteraka ny famonjen’i Jehovah. Nitady fanampiana tany amin’ireo firenena natanjaka, ohatra, ny mpanjakany, talohan’ny nianjeran’i Jerosalema, ka toy ny hoe nijangajanga tamin’i Ejipta sy Babylona. (Ezekiela 16:26-29; 23:14) Nety tsara àry ny nampitandreman’i Jeremia azy ireo toy izao: “Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony.” (Jeremia 17:5) Izany indrindra anefa no nataon’ny vahoakan’Andriamanitra!

9. Nahoana no hoe ‘nandany vola tamin’izay tsy hanina’ ny Jiosy maro?

9 Nobaboin’ny iray tamin’ireo firenena nitokisany izy ireo izao. Nandray fianarana avy tamin’izany ve izy ireo? Toa maro no tsy nanao izany, araka izao fanontanian’i Jehovah izao: “Nahoana hianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?” (Isaia 55:2a) ‘Nandany vola tamin’izay tsy hanina’ ny Jiosy babo, raha natoky olon-kafa ankoatra an’i Jehovah. Tsy hanafaka azy ireo mihitsy i Babylona, satria tsy fanaony ny namela ny babony hiverina tany amin’ny taniny. Tsy nitady afa-tsy ny hanjakazaka sy hanankarena ary hanaraka ny fivavahan-disony i Babylona, raha ny marina, ka tsy nisy zavatra hafa azony natolotra ny Jiosy.

10. a) Inona no valisoa homen’i Jehovah ny Jiosy babo, raha nihaino azy izy ireo? b) Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida?

10 Niangavy ny vahoakany toy izao i Jehovah: “Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko,—mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.” (Isaia 55:2b, 3) I Jehovah no hany fanantenan’io vahoaka mosarena ara-panahy io, ary niresaka tamin’izy ireo tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany izy izao. Niankina tamin’ny fihainoana ny hafatr’Andriamanitra ny ain’izy ireo. ‘Ho velona’ izy ireo, raha nihaino azy. Inona anefa ilay “fanekena mandrakizay” nataon’i Jehovah tamin’ireo nankatò azy? Izany dia “ny famindrampo . . . nampanantenaina an’i Davida.” Nampanantena an’i Davida i Jehovah, taonjato maro talohan’io, fa “hitoetra mandrakizay” ny seza fiandrianany. (2 Samoela 7:16) Fanekena ny amin’ny fanjakana àry ilay “fanekena mandrakizay.”

Mpandova maharitra ny fanjakana mandrakizay

11. Nahoana no nety ho tsy azon’ireo babo ninoana ilay teny nataon’i Jehovah tamin’i Davida?

11 Nety ho tsy azon’ireo Jiosy babo ninoana ny hisian’ny mpanjaka avy amin’ny taranak’i Davida. Efa tsy nanana tany, ary tsy firenena intsony izy ireo! Vetivety ihany anefa izany. Tsy hadinon’i Jehovah ilay fanekena nataony tamin’i Davida. Tsy maintsy to ny fikasan’Andriamanitra hifidy mpanjaka mandrakizay avy amin’ny taranany, na dia toa sarotra ninoana aza izany. Amin’ny fomba ahoana sy rahoviana anefa? Nanafaka ny vahoakany avy tany Babylona i Jehovah tamin’ny 537 T.K., ka namerina azy ireo tany an-tanindrazany. Fanjakana haharitra mandrakizay ve no naoriny tamin’izay? Tsia, satria izy ireo mbola nofehezin’ny fanjakana mpanompo sampy iray hafa, dia i Media-Persia. Mbola tsy tapitra ‘ny andro’ nanjakan’ireo firenena. (Lioka 21:24) Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely, ary an-jato taona atỳ aoriana vao ho tanteraka ilay teny nataon’i Jehovah tamin’i Davida.

12. Inona no dingana nataon’i Jehovah mba hanatanterahana ilay fanekena nataony tamin’i Davida?

12 Dimanjato taona mahery taorian’ny nanafahan’i Jehovah ny Isiraely avy tany Babylona, dia nanao dingana lehibe izy mba hanatanterahana ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana. Nafindrany avy tany amin’ny fiainana be voninahitra tany an-danitra ho ao an-kibon’ny vehivavy jiosy virjiny natao hoe Maria ny ain’ilay Zanany lahimatoa, dia ilay zavaboariny voalohany. (Kolosiana 1:15-17) Hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Maria: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:32, 33) Taranak’i Davida Mpanjaka àry i Jesosy, ka nandova ny zo ho mpanjaka. Raha vao homena ny fiandrianany izy, dia hanjaka mandrakizay. “Tsy hanam-pahataperana” ny fanapahany. (Isaia 9:6; Daniela 7:14) Afaka nanatanteraka ilay fampanantenany hatramin’ny ela hanome mpandova mandrakizay ho an’i Davida Mpanjaka amin’izay àry i Jehovah.

“Komandy amin’ny firenena”

13. Nahoana no lazaina hoe “vavolombelona ho an’ny firenena” i Jesosy, teto an-tany sy taorian’ny niakarany tany an-danitra?

13 Inona no hataon’io mpanjaka io? Hoy i Jehovah: “Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.” (Isaia 55:4) Nisolo tena an’i Jehovah teto an-tany i Jesosy, ary vavolombelon’Andriamanitra ho an’ny firenena. Teo amin’ny “ondry very amin’ny taranak’Isiraely” no nanaovany ny fanompoany teto an-tany. Kanefa, hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra . . ., indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 10:5, 6; 15:24; 28:19, 20) Koa notorina tany amin’ny tsy Jiosy àry ny hafatra momba ilay Fanjakana tatỳ aoriana, ary tanteraka tamin’ny sasany taminy koa ilay fanekena natao tamin’i Davida. (Asan’ny Apostoly 13:46) Mbola ‘vavolombelon’i Jehovah ho an’ny firenena’ ihany àry i Jesosy, na dia taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty ary niakarany tany an-danitra aza.

14, 15. a) Inona no nataon’i Jesosy ka nampiseho fa “mpanapaka sy komandy” izy? b) Inona no fanantenan’ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?

14 “Ho mpanapaka sy komandy” koa i Jesosy. Nahatanteraka io faminaniana io Jesosy, satria nanaiky tanteraka ireo andraikitra notakin’ny fahefana nomena azy teto an-tany: Nitari-dalana tamin’ny lafiny rehetra izy, ka nahasarika olona maro, ary nampianatra azy ireo ny fahamarinana sy ny soa ho azon’ireo manaraka ny fitarihany. (Matio 4:24; 7:28, 29; 11:5) Nampiofana tsara ny mpianany izy, ka nanomana azy ireo hanao ilay asa fitoriana niandry azy ireo. (Lioka 10:1-12; Asan’ny Apostoly 1:8; Kolosiana 1:23) Tafaorin’i Jesosy tao anatin’ny telo taona sy tapany monja ny fototry ny fiangonana iraisam-pirenena sy tafaray, hisy mpikambana an’arivo avy amin’ny firazanana maro! Ny tena “mpanapaka sy komandy” ihany no mahavita asa goavana toy izany. *

15 Voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra ireo tonga anisan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. (Apokalypsy 14:1) Kanefa nanambara zavatra hafa hitranga atỳ aoriana kokoa ny faminanian’i Isaia. Asehon’ny porofo fa tamin’ny 1914 i Jesosy Kristy vao nanomboka nanjaka tao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny zavatra niainan’ny Kristianina voahosotra teto an-tany taoriana kelin’io dia nifanitsy tsara tamin’ny zavatra niainan’ny Jiosy babo tamin’ny taonjato fahenina T.K. Raha ny marina aza, dia fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tamin’ny ambaratonga lehibe kokoa ny zavatra niainan’ireo Kristianina ireo.

Fahababoana sy fanafahana amin’ny andro ankehitriny

16. Inona no fahoriana hita, rehefa nahazo ny fanjakana i Jesosy tamin’ny 1914?

16 Fahoriana maro mbola tsy nisy toy izany no hita naneran-tany, rehefa nahazo ny fanjakana i Jesosy tamin’ny 1914. Fa nahoana? Satria nandroaka an’i Satana sy ny fanahy ratsy hafa avy tany an-danitra izy, raha vao tonga Mpanjaka. Tsy nahazo nihetsika avy tetỳ amin’ny manodidina ny tany intsony àry izao i Satana, ka nanomboka niady tamin’ireo olo-masina sisa tavela, dia ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra. (Apokalypsy 12:7-12, 17) Nitranga tamin’ny 1918 ny ratsy indrindra tamin’izany, satria saika nitsahatra tanteraka ny asa fitoriana ampahibemaso, ary nampangaina ho nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, ka nogadraina. Nanjary babo ara-panahy àry ny mpanompon’i Jehovah, toy ny Jiosy fahiny babo ara-bakiteny. Fahafaham-baraka lehibe no niaretan’izy ireo tamin’izay.

17. Inona no fiovan-javatra nitranga tamin’ireo voahosotra tamin’ny 1919, ary iza no nanatanjaka azy ireo?

17 Kanefa tsy naharitra ela ny fahababoan’ny mpanompon’Andriamanitra voahosotra. Nafahana ireo tompon’andraikitra tamin’ny 26 Martsa 1919, ary nofoanana daholo ireo fiampangana azy. Nandrotsaka ny fanahiny masina tamin’ilay vahoakany afaka i Jehovah, ka nanatanjaka azy ireo hanao ilay asa niandry azy. Faly izy ireo nanoina ilay fanasana “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17) Nividy ‘divay sy ronono izy ireo, nefa tsy tamim-bola, na tamin-karena.’ Nahazo hery ara-panahy ireo sisa voahosotra ireo mba hiatrehana ny fitomboana goavana, izay tsy nampoizin’izy ireo velively.

Mihazakazaka manatona ny voahosotr’Andriamanitra ny olona betsaka

18. Antokon’olona roa iza avy no hita eo anivon’ny mpianatr’i Jesosy Kristy, ary mahaforona inona izy ireo ankehitriny?

18 Fanantenana roa samy hafa no mivelatra eo anoloan’ny mpianatr’i Jesosy. Voalohany aloha, dia ny “ondry vitsy” miisa 144 000, izay manantena ny hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Izy ireo no “Isiraelin’Andriamanitra”, dia Kristianina voahosotra Jiosy sy tsy Jiosy. (Lioka 12:32; Galatiana 6:16; Apokalypsy 14:1) Faharoa, dia ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, izay niseho tamin’izao andro farany izao. Manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa izy ireo, ary tsy voafaritra mialoha ny isany. Miara-manompo amin’ny ondry vitsy izy ireo, alohan’ny hipoahan’ny fahoriana lehibe. Mahaforona “andiany iray” tarihin’ny ‘mpiandry iray ihany’ ireo antokon’olona roa ireo.—Apokalypsy 7:9, 10; Jaona 10:16.

19. Nanao ahoana ny fihetsiky ny “firenena” iray tsy fantatry ny Isiraelin’Andriamanitra teo aloha, rehefa nantsoin’izy io?

19 Hita avy amin’ny tenin’i Isaia manaraka ny fanangonana an’ireo olona betsaka ireo. Hoy ny faminaniany: “Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.” (Isaia 55:5) Taorian’ny nanafahana azy ireo, dia tsy takatry ny sisa voahosotra avy hatrany hoe hampiasain’i Jehovah izy ireo mba hiantso “firenena” lehibe iray hanompo azy, alohan’ny Hara-magedona. Kanefa rehefa nandeha ny fotoana, dia olona tso-po maro tsy nanantena ny ho any an-danitra no nanomboka nifanerasera tamin’ny voahosotra sy nazoto nanompo an’i Jehovah toa azy ireo koa. Voamarik’ireo vaovao ireo fa nomem-boninahitra ny vahoakan’Andriamanitra, ary takany fa nomba azy ireo i Jehovah. (Zakaria 8:23) Nanjary fantatry ny voahosotra, tany amin’ireo taona 1930, hoe iza marina io antokon’olona tsy nitsaha-nitombo isa io. Takany koa fa mbola nisy asa fanangonana lehibe niandry azy. Toy ny hoe mihazakazaka manatona an’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena ireo olona betsaka ireo. Mora azo ny anton’izany.

20. a) Nahoana no ilaina maika ny ‘mitady an’i Jehovah’ ankehitriny, ary ahoana no anaovana izany? b) Inona no hataon’i Jehovah ho an’ireo mitady azy?

20 Nalefa izao antso izao, tamin’ny andron’i Isaia: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.” (Isaia 55:6) Tena mety amin’izao androntsika izao ireo teny ireo, na ho an’ny Isiraelin’Andriamanitra, na ho an’ny olona betsaka mihamitombo isa. Misy fepetra ny fahazoana ny fitahian’i Jehovah, ary misy fetrany ny faharetan’ny fandefasany ilay fanasana. Izao no fotoana hitadiavana sitraka amin’Andriamanitra. Ho diso aoriana loatra, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany izy. Koa hoy àry i Isaia: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.”—Isaia 55:7.

21. Inona no nataon’ny Isiraely ka nampiseho fa tsy nanaraka ny fahatapahan-kevitry ny razambeny izy ireo?

21 Ny hoe “aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny” dia midika fa ireo mila mibebaka dia efa nihavana tamin’Andriamanitra teo aloha. Ampahatsiahivin’io teny io amintsika koa fa lafiny maro tamin’io faminanian’i Isaia io no tanteraka voalohany tamin’ny Jiosy babo tany Babylona. Taonjato maro talohan’io, dia nilaza ny razamben’ireo babo ireo fa tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah izy ireo. “Sanatria raha hahafoy an’i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa”, hoy izy ireo. (Josoa 24:16) Asehon’ny tantara anefa fa imbetsaka izy ireo no nandika io zavatra ‘nosanatriaviny’ io! Ny tsy fahampiam-pinoany no nanaovana sesitany azy tany Babylona.

22. Nahoana i Jehovah no nilaza fa avo noho ny an’ny olombelona ny fiheviny sy ny lalany?

22 Inona no hitranga, raha nibebaka izy ireo? Nampanantena tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah fa “hamela heloka dia hamela heloka tokoa izy.” Hoy koa izy: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55:8, 9) Lavorary i Jehovah, ary avo ny fiheviny sy ny lalany ka tsy takatra. Na ny haben’ny famindram-pony aza tsy ho tratrantsika olombelona na oviana na oviana. Eritrereto fotsiny izao: Rehefa mamela ny heloky ny hafa isika, dia samy mpanota no mifampiraharaha. Fantatsika fa na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hila ny famelan-keloky ny olon-kafa koa isika. (Matio 6:12) I Jehovah anefa ‘mamela heloka dia mamela heloka’, nefa izy aza tsy hila ny famelan-keloky ny olon-kafa mihitsy! Tena Andriamanitra be fitiavana sy hatsaram-panahy marina izy. Be famindram-po koa i Jehovah, ka hamoha ny varavaran’ny lanitra, ary handrotsaka fitahiana amin’ireo miverina aminy amin’ny fony rehetra.—Malakia 3:10.

Fitahiana ho an’ireo miverina amin’i Jehovah

23. Inona no ohatra nanazavan’i Jehovah fa tsy maintsy tanteraka ny teniny?

23 Nampanantena ny vahoakany i Jehovah hoe: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana,—dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:10, 11) Tsy maintsy tanteraka izay rehetra lazain’i Jehovah. Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka mamonto ny tany ary mampamokatra azy, dia toy izany koa ny teny aloaky ny vavan’i Jehovah, izany hoe azo itokisana tanteraka. Mitana ny teny nataony foana izy; tsy misy isalasalana ny amin’izany.—Nomery 23:19.

24, 25. Fitahiana inona avy no niandry an’ireo Jiosy babo izay nankatò ilay hafatr’i Jehovah nampitain’i Isaia?

24 Azo antoka àry fa hovonjen’i Jehovah, araka ny nampanantenainy, ny Jiosy, raha nanaraka ilay teny tao amin’ny faminanian’i Isaia. Hahafaly azy ireo indrindra izany. Hoy tokoa i Jehovah: “Amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tànana. Ny hazo kypreso haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ny sampivato; ary ho anarana ho an’i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.”—Isaia 55:12, 13.

25 Tena nifaly tokoa ny Jiosy babo nivoaka avy tao Babylona tamin’ny 537 T.K. (Salamo 126:1, 2) Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia tany rakotra tsilo sy zavamaniry dia hafa no hitany, satria lao nandritra ny am-polo taona ilay tany. Afaka nanova azy io ho tany mahafinaritra anefa izao ilay vahoakan’i Jehovah tafody! Hazo nijoalajoala, toy ny hazo kypreso sy ny hazo rotra, no nisolo ny tsilo. Niharihary avy hatrany ny fitahian’i Jehovah, rehefa nanompo azy ka ‘velona hoby’ ny vahoakany. Toy ny hoe ilay tany mihitsy no nihoby.

26. Inona no fitahiana hitan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

26 Nafahana tamin’ny fahababoana ara-panahy ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra, tamin’ny 1919. (Isaia 66:8) Faly izy ireo sy ny olona betsaka miara-manompo an’Andriamanitra ao amin’ny paradisa ara-panahy. Tsy ahitana pentina avy amin’i Babylona intsony izy ireo, ka ankasitrahan’i Jehovah. Nanjary toy ny “anarana” ho an’ilay Andriamaniny izany, satria manome voninahitra ny anarany ny fanambinana ara-panahy hitan’izy ireo, ary mankalaza azy ho ilay Andriamanitry ny faminaniana marina. Ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo, dia manaporofo ny maha Andriamanitra azy, sy ny fahaizany mitana ny teny nataony, ary ny famindram-pony amin’ireo mibebaka. Enga anie izay rehetra manohy ‘mividy divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena’, ka ho faly hanompo azy mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Nahitana anarana Jiosy maro tao amin’ny firaketana an-tsoratra ara-barotr’i Babylona fahiny.

^ feh. 14 Mbola miandraikitra ny asa fanaovana mpianatra ihany i Jesosy. (Apokalypsy 14:14-16) Izy no Lohan’ny fiangonana, ho an’ny lehilahy sy vehivavy kristianina ankehitriny. (1 Korintiana 11:3) “Ho mpanapaka sy komandy” amin’ny fomba hafa koa izy, rehefa hitarika ilay ady farany hatao amin’ny fahavalon’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona.—Apokalypsy 19:19-21.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 234]

Nasaina ‘nankany amin’ny rano’ sy ‘nividy divay sy ronono’ ny Jiosy nangetaheta ara-panahy

[Sary, pejy 239]

“Mpanapaka sy komandy” ho an’ny firenena i Jesosy

[Sary, pejy 244, 245]

“Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany”