Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hianareo no Vavolombeloko”!

“Hianareo no Vavolombeloko”!

Toko Fahefatra

“Hianareo no Vavolombeloko”!

Isaia 43:1-28

1. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny faminaniana, ary inona no tokony hataon’ny vahoakany, rehefa tanteraka ny faminaniana?

ANISAN’NY mampiavaka ilay Andriamanitra marina amin’ny andriamani-diso rehetra ny fahaizany manambara ny hoavy. Tsy ny hanaporofo ny maha Andriamanitra azy fotsiny anefa no tadiaviny, rehefa maminany izy. Asehon’ny Isaia toko faha-43 fa mampiasa ny faminaniana izy, ho porofon’ny maha Andriamanitra azy sy ny fitiavany ilay vahoaka nanaovany fanekena. Ilay vahoakany kosa dia tsy tokony hangina fotsiny, rehefa mahita ny fahatanterahan’ny faminaniana, fa tokony hanambara izay hitany. Eny, tokony ho vavolombelon’i Jehovah izy ireo!

2. a) Nanao ahoana ny toe-piainana ara-panahin’ny Isiraely tamin’ny andron’i Isaia? b) Ahoana no nampahiratan’i Jehovah ny mason’ny vahoakany?

2 Tamin’ny andron’i Isaia, dia tena nahonena ny toe-piainana nisy ny Isiraely, hany ka nihevitra azy ireo ho kilemaina ara-panahy i Jehovah. “Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.” (Isaia 43:8) Ahoana no nahafahan’ny olona jamba sady marenina ara-panahy nanompo an’i Jehovah, ka ho vavolombelony? Tsy nisy afa-tsy fomba iray ihany: Tamin’ny alalan’ny fahagagana. Ary dia izany tokoa no nataon’i Jehovah! Tamin’ny fomba ahoana? Nofaizin’i Jehovah mafy aloha izy ireo: Nankany an-tsesitany ny mponin’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra tamin’ny 740 T.K., ary ny an’ny Joda tamin’ny 607 T.K. Avy eo dia nampiasa ny heriny i Jehovah, ka nanafaka sy nampody tany an-tanindrazany ny sisa nibebaka sy novelomina ara-panahy indray, tamin’ny 537 T.K. Roanjato taona mialoha mihitsy aza, dia efa niresaka momba ny fanafahana ny Isiraely ho toy ny efa nitranga i Jehovah, satria natoky izy fa tsy ho azo sakanana ny fikasany.

3. Fampaherezana inona no nomen’i Jehovah an’ireo ho any an-tsesitany?

3 “Ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao.”—Isaia 43:1-3a.

4. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no Mpamorona ny Isiraely, ary inona no toky nomeny ny vahoakany?

4 Nahaliana an’i Jehovah indrindra ny Isiraely, satria azy izy ireo. Izy no namorona ilay firenena, ho fahatanterahan’ilay fanekena nataony tamin’i Abrahama. (Genesisy 12:1-3) Araka izany, dia hoy ny Salamo 100:3: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny.” Noho izy Mpamorona sy Mpanavotra ny Isiraely, dia hitondra ny vahoakany hody soa aman-tsara any amin’ny taniny i Jehovah. Tsy ho voasakan’ny rano be sy ny renirano tondraka ary ny efitra mahamay izy ireo, toy ny razambeny tsy voan’ireo zavatra ireo fony nankany amin’ny Tany Nampanantenaina, arivo taona talohan’io.

5. a) Ahoana no nampiononan’ny tenin’i Jehovah ny Isiraely ara-panahy? b) Iza ireo naman’ny Isiraely ara-panahy, ary mifanitsy amin’iza taloha izy ireo?

5 Mampionona ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy ankehitriny koa ny tenin’i Jehovah, izay miantso ny mpikambana ao hoe “olom-baovao” nateraky ny fanahy. (2 Korintiana 5:17) Nisetra tamin-kerim-po ny olombelona oharina amin’ny “rano” izy ireo, ka arovan’Andriamanitra amim-pitiavana avy amin’ny tondra-drano ara-panoharana. Tsy nitondra fahavoazana ho azy ireo ny fisedrana nahamay avy tamin’ny fahavalony, fa vao mainka aza nanadio azy ireo. (Zakaria 13:9; Apokalypsy 12:15-17) Nokarakarain’i Jehovah koa ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, izay niandany tamin’ny firenena ara-panahin’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Izy ireo dia mifanitsy amin’ireo “olona maro samy hafa firenena” nandao an’i Ejipta niaraka tamin’ny Isiraelita, sy amin’ireo tsy Jiosy niara-niverina tamin’ireo babo nafahana avy tany an-tsesitany tany Babylona.—Eksodosy 12:38; Ezra 2:1, 43, 55, 58.

6. Ahoana no nisehoan’i Jehovah ho Andriamanitry ny rariny, fony izy nanavotra a) ny Isiraely ara-nofo? b) ny Isiraely ara-panahy?

6 Nanome ny teniny i Jehovah hoe hanafaka ny vahoakany avy tany Babylona tamin’ny alalan’ny tafik’i Media sy i Persia. (Isaia 13:17-19; 21:2, 9; 44:28; Daniela 5:28) Andriamanitry ny rariny i Jehovah, ka handoa amin’ireo Medianina sy Persanina “nampiasainy”, avotra ampy tsara ho takalon’ny Isiraely. “Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. Satria malala eo imasoko hianao, eny, be voninahitra hianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ny ainao.” (Isaia 43:3b, 4) Hamarinin’ny tantara fa tena nandresy an’i Ejipta sy Etiopia ary Seba teo akaikiny, tokoa ny Fanjakana Persanina, araka ny nolazain’Andriamanitra mialoha. (Ohabolana 21:18) Nanafaka ny sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy tamin’ny fahababoana, i Jehovah, tamin’ny 1919, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy nila valisoa anefa i Jesosy, noho izany asa fanampiana nataony izany. Tsy filoha mpanompo sampy akory izy. Ary ny rahalahiny ara-panahy no nafahany. Ankoatra izany, dia efa nomen’i Jehovah ‘ny jentilisa ho lovany ary ny faran’ny tany ho fananany’ izy, tamin’ny 1914.—Salamo 2:8.

7. Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah amin’ny vahoakany, fahiny sy ankehitriny?

7 Mariho fa tsy nisalasala nilaza ny fitiavany tamin’ireo olona navotany avy tany an-tsesitany i Jehovah. Nolazainy fa “malala” sy “be voninahitra” eo imasony izy ireo, ary ‘tiany.’ (Jeremia 31:3) Mitovy amin’izany, raha tsy mihoatra aza, ny fihetseham-po tsapany amin’ireo mpanompony mahatoky ankehitriny. Nanjary nanana fifandraisana amin’Andriamanitra ny Kristianina voahosotra. Tsy hatramin’ny nahaterahany akory izany, fa noho ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra, taorian’ny fanoloran-tenany ho an’ny Mpamorona azy. Nitaona azy ireo ho amin’ny Zanany sy ho amin’ny tenany i Jehovah, ary nanoratra ny lalàny sy ny toro lalany tao am-pony vonon-kandray.—Jeremia 31:31-34; Jaona 6:44.

8. Toky inona no nomen’i Jehovah an’ireo tany an-tsesitany, ary inona no ho tsapan’izy ireo momba ny fanafahana azy?

8 Mbola nanome toky an’ireo tany an-tsesitany ihany i Jehovah, ka nanao hoe: “Aza matahotra, fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.” (Isaia 43:5-7) Ho tratran’i Jehovah foana na dia ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany aza, rehefa ho tonga ny fotoana hanafahana ny zanany lahy sy zanany vavy, sy hampodiana azy ireo any an-tanindrazany malala. (Jeremia 30:10, 11) Eo imason’izy ireo, dia tena hihoatra lavitra noho ilay fanafahana avy tany Ejipta io fanafahana io.—Jeremia 16:14, 15.

9. Amin’ny lafiny roa inona avy no nampifandraisan’i Jehovah ny anarany tamin’ny asa fanafahana ataony?

9 Nampahatsiahy ny vahoakany i Jehovah fa nantsoina tamin’ny anarany izy ireo, ka nanamafy, araka izany, ilay fampanantenany hanafaka azy. (Isaia 54:5, 6) Nampifandraisiny tamin’ilay teny nataony hanafaka azy ireo koa ny anarany. Nataony azo antoka tamin’izany, fa ny tenany no hahazo ny voninahitra, rehefa ho tanteraka ny faminaniany. Na ilay handresy an’i Babylona aza dia tsy hahazo ny voninahitra tokony ho an’ilay hany Andriamanitra velona.

Miakatra fitsarana ireo Andriamanitra

10. Inona no fihantsiana nataon’i Jehovah tamin’ireo firenena sy ny andriamaniny?

10 Izao dia ampiakarin’i Jehovah fitsarana ireo andriamanitry ny firenena, noho ny fampanantenany hanafaka ny Isiraely. Izao no vakintsika: “Aoka hiangona ny firenena rehetra, ary aoka hivory ny olombelona; iza aminareo [andriamaniny] no mahalaza izany? Aoka hambarany [ambaran’ireo andriamaniny] amintsika ny fahiny taloha; aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.” (Isaia 43:9) Fihantsiana tena lehibe izany nataon’i Jehovah tamin’ireo firenena izany. Toy ny nilaza izy hoe: ‘Avelao ny andriamanitrareo hanaporofo fa andriamanitra ny tenany, amin’ny filazana ny hoavy tsy misy diso.’ Koa satria ilay Andriamanitra marina ihany no afaka maminany zavatra toy izany, dia ho voala sarona avokoa ny mpisandoka rehetra. (Isaia 48:5) Nanampy fepetra iray hafa anefa ny Tsitoha: Tsy maintsy mamoaka vavolombelona hanamarina ny faminaniany sy ny fahatanterahany, ireo rehetra mihambo ho andriamanitra marina. Mazava ho azy fa nampidirin’i Jehovah tao amin’io fepetra io koa ny tenany.

11. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny mpanompony, ary inona no naharihariny momba ny maha Andriamanitra ny tenany?

11 Tsy nanan-kery ireo andriamani-diso, ka tsy afaka nampiseho vavolombelona. Koa nahamenatra àry fa tsy nisy olona teo amin’ny toerana fijoroan’ny vavolombelona. Tonga anefa ny fotoana hanamarinan’i Jehovah ny maha Andriamanitra azy. Nitodika tany amin’ny vahoakany izy, ka nanao hoe: “Hianareo no vavolombeloko, . . . sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; dia hianareo no vavolombeloko, . . . ary Izaho no Andriamanitra. Eny, hatramin’izany andro izany Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka amin’ny tànako; miasa Aho, ka iza moa no mahasakana [ny tanako]?”—Isaia 43:10-13.

12, 13. a) Porofo fanamarinana be dia be inona no natolotry ny vahoakan’i Jehovah? b) Inona no nanasongadina ny anaran’i Jehovah tamin’izao andro izao?

12 Mba hamaliana ny tenin’i Jehovah, tsy ela dia feno hipoka vavolombelona falifaly ilay toerana fijoroan’ny vavolombelona. Nazava sady tsy azo narodana ny teny fanamarinana nataon’izy ireo. Nanamarina, sahala amin’i Josoa, izy ireo fa ‘efa tanteraka avokoa ny zavatra rehetra nolazain’i Jehovah; tsy nisy latsaka na dia zavatra iray akory aza.’ (Josoa 23:14) Mbola tao an-tsofin’ny vahoakan’i Jehovah ny tenin’i Isaia, Jeremia, Ezekiela ary ny mpaminany hafa. Izy ireo dia samy naminany momba ny hanaovana sesitany ny Joda sy ilay fahagagana hanafaka azy ireo avy any. (Jeremia 25:11, 12) Efa nampahafantarina ela be talohan’ny hahaterahany, ny anaran’i Kyrosy, ilay hanafaka ny Joda!—Isaia 44:26–45:1.

13 Rehefa heverina izany porofo tondraka izany, iza moa no handa fa i Jehovah no ilay hany Andriamanitra marina? Tsy mitovy amin’ny andriamanitra sampy i Jehovah, fa izy irery no tsy noforonina; izy irery no Andriamanitra marina. * Tombontsoa tsy nanam-paharoa sy nampientana àry ny an’ilay vahoaka nitondra ny anaran’i Jehovah: Ny hitantara ireo zavatra mahatalanjona nataony, amin’ny taranany ho avy sy amin’izay manontany momba azy. (Salamo 78:5-7) Manana tombontsoa toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, dia ny hanambara ny anaran’i Jehovah amin’ny tany manontolo. Tamin’ireo taona 1920, dia nihanahatakatra ny tena hevitry ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny Mpianatra ny Baiboly. Avy eo, tamin’ny 26 Jolay 1931, tamin’ny fivoriambe iray tany Colombus, any Etazonia, dia nanolotra fanapahan-kevitra holanina, nitondra ny lohateny hoe “Anarana Vaovao”, i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana. Nampientam-po ny mpanatrika ny fivoriambe ny teny hoe “Maniry ho fantatra sy hantsoina amin’ny anarana hoe Vavolombelon’ i Jehovah isika.” Nanaiky ilay fanapahan-kevitra tamin’ny “Eny” nanakoako àry izy ireo! Nanjary nalaza maneran-tany ny anaran’i Jehovah, nanomboka teo.—Salamo 83:18.

14. Inona no nampahatsiahivin’i Jehovah ny Isiraelita, ary nahoana izany no nety tsara?

14 Tia an’ireo mitondra ny anarany amim-panajana i Jehovah, ka mihevitra azy ireo ho “tahaka ny anakandriamasony.” Nampahatsiahiviny ny Isiraelita izany: Nolazainy tamin’izy ireo ny nanafahany azy avy tany Ejipta sy ny nitarihany azy hamakivaky soa aman-tsara ny efitra. (Deoteronomia 32:10, 12) Tsy nisy andriamani-kafa teo amin’izy ireo tamin’izay, satria hitan’ny masony ny nampietrena tanteraka ny andriamanitr’i Ejipta rehetra. Eny, tsy afaka niaro an’i Ejipta na nisakana ny fandehanan’ny Isiraely ireo andriamanitra ejipsianina. (Eksodosy 12:12) Toy izany koa, fa tsy ho afaka hisakana ny tanan’ny Tsitoha tsy hanafaka ny vahoakany i Babylona nahery be, izay nahitana tempoly nijoalajoala 50, fara fahakeliny, natokana ho an’andriamani-diso. Mazava fa “tsy misy Mpamonjy” afa-tsy i Jehovah.

Nianjera ny soavalin’ady, nisokatra ny tranomaizina

15. Inona no faminaniana nolazain’i Jehovah momba an’i Babylona?

15 “Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ny sambo izay efa nifaliany. Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo. Izao no lazain’i Jehovah, Izay manao làlana eny amin’ny ranomasina sy làlan-kaleha eny amin’ny rano manonja, Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy mahery—miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro.”—Isaia 43:14-17.

16. Inona no hanjo an’i Babylona sy ny mpandranto kaldeanina ary izay hitady hiaro an’i Babylona?

16 Toy ny tranomaizina i Babylona ho an’ireo natao sesitany tao, satria nisakana azy ireo tsy hiverina tany Jerosalema. Tsy vato misakana ho an’ny Tsitoha anefa ireo fiarovan’i Babylona. Talohan’io izy dia efa nanao ‘lalana teny amin’ny [Ranomasina Mena] sy lalan-kaleha teny amin’ny rano nanonja’—ny an’i Jordana angamba. (Eksodosy 14:16; Josoa 3:13) Toy izany koa fa hahatonga ny ony Eofrata hihena i Kyrosy, ilay hampiasain’i Jehovah, ka hamela ny miaramilany hiditra ao amin’ilay tanàna. Rehefa hianjera ilay renivohiny mahery be, dia hitaraina amin’alahelo ireo mpandranto kaldeanina nivezivezy teny amin’ny lakan-dranon’i Babylona (ireo renirano natao ho an’ny sambom-barotra an’arivo sy ny sambofisaka mpitondra ireo andriamanitra babylonianina). Toy ny kalesin’i Farao tao amin’ny Ranomasina Mena, dia tsy hahavita na inona na inona koa ny kalesy haingam-pandehan’i Babylona. Tsy hahavonjy azy izy ireo. Ho mora foana ny hamonoan’ilay mpanafika an’izay hitady hiaro azy, toy ny famonoana ny lahin-jiron-tsolika.

Nitarika ny vahoakany hody soa aman-tsara i Jehovah

17, 18. a) “Zava-baovao” inona no voalazan’ny faminanian’i Jehovah? b) Amin’ny heviny ahoana ilay vahoaka no tsy tokony hahatsiaro ny zavatra taloha, ary nahoana?

17 Nampitaha ny asa famonjena nataony taloha sy izay hataony izao i Jehovah, ka nanao hoe: “Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha. Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany; tsy hahalala izany va hianareo? Eny, any an-efitra no hanaovako làlana ary any amin’ny tany lao no hasiako ony; dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ny tany lao Aho, hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.”—Isaia 43:18-21.

18 Ny hoe “Aza mahatsiaro ny lasa” akory tsy midika hoe tokony hamafa tao an-tsainy ny asa famonjena nataon’i Jehovah taloha ny mpanompony. Maro tamin’izany no anisan’ny tantaran’ny Isiraely nasain’Andriamanitra nosoratana. Nodidian’i Jehovah ny hankalazana ny Paska, mba hahatsiarovana isan-taona ilay fandosirana avy tany Ejipta. (Levitikosy 23:5; Deoteronomia 16:1-4) Kanefa izao dia nirin’i Jehovah ny hankalazan’ny vahoakany azy noho ny “zava-baovao” iray, izay hiainan’izy ireo mivantana. Anisan’izany ny fanafahana azy avy tany Babylona, sy ny diany nody, izay tena fahagagana, angamba nanaraka ilay lalana nahitsy kokoa tany an’efitra. Hanao “làlana” ho azy ireo i Jehovah tany amin’io tany ngazana io, ary hanao asa mahery izay hampahatsiahy azy ireo ny nataony ho an’ny Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy. Eny tokoa, hamahana azy ireo any an’efitra izy ary hanafaka ny hetahetany amin’ny alalan’ny renirano ara-bakiteny. Ho tondraka aoka izany ny fanomezan’i Jehovah, hany ka na ny bibidia aza dia hanome voninahitra an’Andriamanitra, ka tsy hamely ny olona.

19. Ahoana no andehanan’ny Isiraely ara-panahy sy ny namany eo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana”?

19 Toy izany koa, tamin’ny 1919, dia nafahana tamin’ny fahababoan’i Babylona Lehibe ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, ka nanomboka nandeha teo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana”, izay nomanin’i Jehovah ho azy. (Isaia 35:8) Tsy voatery nifindrafindra toerana ara-bakiteny tany an’efitra nahamay, toy ny Isiraelita, izy ireo. Tsy vita tao anatin’ny volana vitsivitsy ny diany, ary tsy nankany Jerosalema izy ireo. Kanefa tena nitarika ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra ho any amin’ny paradisa ara-panahy iray ilay “Làlan’ny fahamasinana.” Tsy miala amin’io “Làlan’ny fahamasinana” io izy ireo, satria mbola voatery mamakivaky ity tontolo ity. Raha tsy miala amin’io lalambe io izy ireo, izany hoe mitandrina foana ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fahadiovana sy ny fahamasinana, dia tsy hiala amin’ilay paradisa ara-panahy. Ary endrey ny fifalian’izy ireo, rehefa tonga nanatona mba hiaraka aminy ny vahoaka be voaforon’ny namany “tsy Isiraelita”! Mifanohitra tanteraka amin’ireo miantehitra amin’ny tontolon’i Satana, ny sisa voahosotra sy ny namany dia samy mbola mankafy fanasam-be ara-panahy avy amin’i Jehovah ihany. (Isaia 25:6; 65:13, 14) Olona maro nasiaka toy ny biby no nahita ny itahian’i Jehovah ny vahoakany, ka niova ary manome voninahitra an’ilay Andriamanitra marina.—Isaia 11:6-9.

Mampahafantatra ny alahelony i Jehovah

20. Nahoana ny Isiraely tamin’ny andron’i Isaia no nandiso fanantenana an’i Jehovah?

20 Tamin’ny andro fahiny, ny sisa tamin’ny Isiraely nampodiana dia vahoaka niova, tsy toy ilay taranaka ratsy fanahy tamin’ny andron’i Isaia. Hoy i Jehovah momba ireto farany: “Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; fa sasatra amiko hianao, ry Isiraely. Tsy nitondranao ny zanak’ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo mani-pofona. Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy hianao, na nahavoky Ahy tamin’ny saboran’ny fanatitrao; fa nampahavesatra Ahy tamin’ny fahotanao kosa hianao sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.”—Isaia 43:22-24.

21, 22. a) Nahoana no azo lazaina fa tsy mavesatra ireo zavatra takin’i Jehovah? b) Nahoana no toy ny hoe i Jehovah indray no nasain’ilay vahoaka nanompo azy?

21 Tamin’ny filazana hoe: “Tsy nampahavesatra anao tamin’ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo mani-pofona”, dia tsy te hilaza akory i Jehovah hoe tsy zavatra notakina ny fanatitra sy ny ditin-kazo mani-pofona (nanaovana emboka manitra masina). Tapany tsy nisaraka tamin’ny fivavahana marina teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna tokoa ireo. Toy izany koa ny “veromanitra”, na zavamaniry toy ny fary mamerovero, nanaovana diloilo masina fanosorana. Tsy nampiasa ireo zavatra ireo teo amin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly ny Isiraelita. Navesatra ve anefa izany zavatra notakina taminy izany? Tsia! Maivana ny zavatra takin’i Jehovah, tsy toy izay notakin’ireo andriamani-diso. Ilay andriamani-diso natao hoe Moloka, ohatra, dia nitaky ny hanaovana sorona ankizy; i Jehovah anefa tsy nangataka zavatra toy izany na oviana na oviana!—Deoteronomia 30:11; Mika 6:3, 4, 8.

22 Raha mba olona araka ny fanahy mantsy ny Isiraelita, dia tsy ho ‘sasatra tamin’i Jehovah’ mihitsy. Raha nijery tao amin’ny Lalàny izy ireo, dia ho nahita ny fitiavan’i Jehovah azy ary ho faly nanolotra ho azy ‘ny sabora’, na ny tsara indrindra tamin’ny fanatitra nateriny. Toy ny hoe nierina an-kanina kosa izy ireo, ka nihazona ny sabora ho an’ny tenany. (Levitikosy 3:9-11, 16) Tena nampahory an’i Jehovah tokoa io firenena ratsy fanahy io, noho ny havesatry ny fahotany, toy ny hoe izy indray no nasain’izy ireo nanompo azy!—Nehemia 9:28-30.

Nisy vokany ny famaizana

23. a) Nahoana no ara-drariny ny famaizan’i Jehovah? b) Ahoana no nanafaizan’Andriamanitra ny Isiraely?

23 Henjana, nefa ara-drariny ilay famaizan’i Jehovah. Na izany aza, dia azo ilay vokatra notadiavina, ka azo natao ny naneho famindram-po. “Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao. Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao. Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko, koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an’i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.” (Isaia 43:25-28) Avy tamin’i Adama, ilay “voalohany indrindra”, toy ny firenena rehetra, ny Isiraely. Tsy nisy na iray taminy àry afaka nilaza tena ho ‘marina.’ Na ireo “mpanalalana” teo amin’ny Isiraely (ny mpampianatra, na mpanazava ny hevitry ny Lalàna) aza, dia nanota tamin’i Jehovah ary nampianatra lainga. Ary dia hatolotr’i Jehovah “ho fandringana” sy “ho latsa” ilay fireneny manontolo. Hataony maty hasina koa izay rehetra niantsoroka andraikitra teo amin’ny ‘fitoerany masina.’

24. Inona no antony voalohany hamelan’i Jehovah ny fahotan’ny vahoakany (fahiny sy ankehitriny), kanefa manao ahoana ny fihetseham-pony amin’izy ireo?

24 Mariho anefa fa tsy ny fanenenan’ny Isiraely fotsiny no nahatonga ny famindram-pon’Andriamanitra, fa noho ny tenan’i Jehovah mihitsy. Eny, voakasik’izany ny anarany. Raha namela ny Isiraely tany an-tsesitany mandrakizay izy, dia ny anarany no ho nalan’ny mpitazana baraka. (Salamo 79:9; Ezekiela 20:8-10) Toy izany koa ankehitriny, ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany no tena zava-dehibe, fa tsy ny famonjena ny olombelona. Na izany aza, dia tia an’ireo manaiky ny famaizany sy mivavaka aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, i Jehovah. Mampiseho ny fitiavany azy ireo izy (na voahosotra izy ireo, na ondry hafa) amin’ny ‘famonoana ny fahadisoany’, miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy.—Jaona 3:16; 4:23, 24.

25. Zava-mahatahotra inona avy no hataon’i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela, ary ahoana no hanehoantsika ny fankasitrahantsika dieny izao?

25 Ankoatra izany, tsy ho ela i Jehovah dia mbola hampiseho ny fitiavany ny olona betsaka mpivavaka aminy: Hanafaka azy ireo avy ao amin’ny “fahoriana lehibe” mba hiditra ao amin’ny “tany vaovao” voadio, izy. (Apokalypsy 7:14; 2 Petera 3:13) Ho vavolombelona hanatri-maso ny fomba mahatahotra indrindra hanehoan’i Jehovah ny heriny izy ireo. Matoky ny sisa voahosotra sy ny olona betsaka fa tena ho tonga izany, hany ka faly izy ireo ary miaina isan’andro mifanaraka amin’ilay fanendrena mendri-kaja hoe: “Hianareo no vavolombeloko”!—Isaia 43:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Ao amin’ny anganon’ireo firenena, dia andriamanitra maro no “nateraka” sy “manan-janaka.”

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 48, 49]

Hanohana ny Jiosy eny an-dalana hody any Jerosalema i Jehovah

[Sary, pejy 52]

Mihantsy an’ireo firenena mba hampiseho vavolombelona hanamarina ny andriamaniny avy i Jehovah

1. Sarivongana varahina mampiseho an’i Bala 2. Sarivongana tanimanga mampiseho an’i Astarta 3. Fitambaran’andriamanitra telo ejipsianina: Horus sy Osiris ary Isis 4. Andriamanitra grika: Athéna (ankavia) sy Aphrodite

[Sary, pejy 58]

“Hianareo no vavolombeloko.”—Isaia 43:10