Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!

“Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!

Toko Fahatelo

“Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!

Isaia 42:1-25

1, 2. Nahoana no mahaliana ny Kristianina ankehitriny ny Isaia toko faha-42?

“HIANAREO no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko.” (Isaia 43:10) Fanambaran’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo T.K. io. Asehony fa vavolombelona avokoa ireo anisan’ilay vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena fahiny. Mpanompo nofidin’Andriamanitra izy ireo. Tamin’ny 1931, tokony ho 2 600 taona tatỳ aoriana, dia nambaran’ny Kristianina voahosotra fa nihatra tamin’ny tenany ireo teny ireo. Naka ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nandray am-po ireo andraikitra nentin’ny hoe mpanompon’Andriamanitra eto an-tany.

2 Tena maniry hampifaly an’Andriamanitra ny Vavolombelony. Tena mahaliana ny tsirairay aminy àry ny toko faha-42 amin’ny bokin’i Isaia, satria manazava momba ilay mpanompo ankasitrahan’i Jehovah, sy ilay mpanompo laviny. Hahafantatra izay ankasitrahany sy izay tsy ankasitrahany àry isika, raha mianatra io faminaniana io sy ny fahatanterahany.

“Napetrako tao aminy ny Fanahiko”

3. Inona no nasain’i Jehovah nolazain’i Isaia momba “ny Mpanompoko”?

3 Nasain’i Jehovah naminany i Isaia hoe hisy mpanompo iray hofidin’ny tenany. Hoy izy: “Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko; napetrako tao aminy ny Fanahiko; hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy. Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dàlana. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hamoaka izay tena rariny tokoa Izy. Tsy ho reraka na ho kivy Izy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.”—Isaia 42:1-4.

4. Iza moa ilay ‘voafidy’ voalaza mialoha, ary ahoana no ahafantarantsika izany?

4 Iza moa ilay Mpanompo resahina eto? Tsy avela hisalasala ny amin’ny valin’izany isika. Hitantsika ao amin’ny Matio indray ireo teny ireo, ary ampiharina amin’i Jesosy Kristy. (Matio 12:15-21) I Jesosy no ilay Mpanompo malala, ilay ‘voafidy.’ Oviana i Jehovah no nametraka ny fanahiny tao amin’i Jesosy? Tamin’ny taona 29, tamin’ny fotoanan’ny batisan’i Jesosy. Tantarain’ny teny ara-tsindrimandry fa rehefa niakatra avy tany anaty rano i Jesosy, “dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.” I Jehovah mihitsy àry no nampahafantatra hoe iza ilay Mpanompo malalany. Ny fanompoana sy ny fahagagana nataon’i Jesosy taorian’izay dia nanaporofo fa tao aminy tokoa ny fanahin’i Jehovah.—Lioka 3:21, 22; 4:14-21; Matio 3:16, 17.

“Hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy”

5. Nahoana no nilaina hohazavaina ny hoe rariny, tamin’ny taonjato voalohany?

5 Ilay Voafidin’i Jehovah dia “hamoaka fitsipika”, na hoe hampiharihary ny tena rariny. “Hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy.” (Matio 12:18) Tena nilaina izany tamin’ny taonjato voalohany! Naolan’ny mpitondra fivavahana jiosy mantsy ny fampianarana momba ny rariny sy ny fahamarinana. Nitady ho tonga olo-marina tamin’ny fanarahana lalàna henjana, noforonin’ny tenany ihany, izy ireo. Tsy nahitana soritry ny indrafo na fangorahana ny fampiharana ny rariny ho fanarahana ny lalàna ara-bakiteny fotsiny toy izany.

6. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampahafantaran’i Jesosy ny tena rariny?

6 I Jesosy kosa nampiharihary ny hevitr’Andriamanitra momba ny rariny. Nasehony tamin’ny fampianarany sy ny fomba fiainany fa mampiavaka ny tena rariny ny indrafo sy ny fangorahana. Diniho fotsiny ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra malaza. (Matio toko 5-7) Tapitra ohatra io fanazavana ny fomba tokony hampiharana ny rariny sy ny fahamarinana io! Rehefa mamaky ireo Filazantsara koa isika, moa ve tsy manohina ny fontsika ny fangorahan’i Jesosy ny nahantra sy ny ory? (Matio 20:34; Marka 1:41; 6:34; Lioka 7:13) Nampionona olona maro, izay toy ny volotara torotoro sy nilofika ary natao tsinontsinona, izy. Toy ny lahin-jiro nitsilopilopy, ka kely sisa dia ho faty, ireny olona ireny. Sady tsy nanapaka “volotara torotoro” no tsy namono “lahin-jiro manetona” toy izany anefa i Jesosy. Nanatanjaka ny fon’ireo nalemy fanahy kosa ny teniny sy ny zavatra nataony tamim-pitiavana sy fangoraham-po.—Matio 11:28-30.

7. Nahoana ilay faminaniana no nilaza fa ‘tsy hiantsoantso i Jesosy, na hanandratra ny feony eny an-dalana’?

7 Nahoana anefa ilay faminaniana no milaza fa ‘tsy hiantsoantso i Jesosy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana’? Satria tsy nampisongadina ny tenany, toy ny nataon’ny olona maro tamin’ny androny, izy. (Matio 6:5) Hoy izy, ohatra, tamin’ny lehilahy boka iray nositraniny: “Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza.” (Marka 1:40-44) Tsy nitady laza i Jesosy; tsy tiany hihaino resaka niampitampita koa ny olona, fa tiany kosa raha izy ireo mihitsy no nahita ny porofo mafy orina fa izy no Kristy, ilay Mpanompo voahosotr’i Jehovah.

8. a) Ahoana no namoahan’i Jesosy ‘ny rariny ho an’ny jentilisa’? b) Inona no fianarana momba ny rariny azontsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina tsara fanahy?

8 Tokony hamoaka ‘ny rariny ho an’ny jentilisa’ ilay Mpanompo Voafidy. Nanao izany i Jesosy. Nantitranteriny fa miavaka noho ny fangoraham-po ny rariny ankasitrahan’Andriamanitra, no sady tokony hampiharina amin’ny olona rehetra. Nampahatsiahy ny lehilahy iray mpahay lalàna i Jesosy indray mandeha, fa tokony ho tia an’Andriamanitra sy ny namany izy. Nanontany an’i Jesosy izy io hoe: “Iza ary no namako?” Angamba izy nanantena an’i Jesosy hamaly hoe: “Ny Jiosy tahaka anao.” Nilaza ilay fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy kosa anefa i Jesosy. Notantarainy fa tsy Levita na mpisorona no nanampy ny lehilahy iray notafihin’ny jiolahy, fa Samaritanina. Voatery niaiky ilay mpahay lalàna fa tamin’io, dia ilay Samaritanina nohamavoina no hita ho namana, fa tsy ilay Levita na ilay mpisorona. Nofaranan’i Jesosy tamin’izao torohevitra izao ilay fanoharana: “Mba manaova toy izany koa.”—Lioka 10:25-37; Levitikosy 19:18.

“Tsy ho reraka na ho kivy Izy”

9. Inona no ho vokatry ny fahatakarana ny atao hoe tena rariny eo amintsika?

9 Koa satria nohazavain’i Jesosy tsara ny atao hoe tena rariny, dia nianatra naneho azy io ny mpianany. Tsy maintsy manao toy izany koa isika. Mila manaiky ny fitsipik’Andriamanitra ny amin’ny tsara sy ny ratsy aloha isika, satria izy no manana ny zo hamaritra ny amin’izay rariny sy marina. Miezaka hanao zavatra araka ny fomban’i Jehovah koa isika, ary mampiseho amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika mahitsy ny atao hoe tena rariny.—1 Petera 2:12.

10. Nahoana isika no tsy maintsy mitory sy mampianatra raha te haneho ny rariny?

10 Maneho ny tena rariny koa isika, rehefa mazoto mitory sy mampianatra. Tsy nisalasala i Jehovah nanome fahalalana iankinan’ny aina momba ny tenany sy ny Zanany ary ny fikasany. (Jaona 17:3) Tsy hety, na ho rariny, ny hihazonana izany fahalalana izany ho an’ny tenantsika. “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”, hoy i Solomona. (Ohabolana 3:27) Aoka isika ho vonona hampita ny fahalalantsika momba an’Andriamanitra amin’ny olona rehetra, na inona na inona firazanany, fokony, na firenena niaviany.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

11. Ho fanahafana an’i Jesosy, ahoana moa no tokony hitondrantsika ny hafa?

11 Ankoatra izany, ny Kristianina marina dia mitondra ny hafa toy ny nataon’i Jesosy. Olona maro ankehitriny no mahita zava-manahirana mahakivy ary mila fangoraham-po sy fampaherezana. Na ny Kristianina vita fanoloran-tena aza dia mety ho tena vesaran’ny toe-javatra misy azy, ka toy ny volotara torotoro na ny lahin-jiro mila ho faty izy ireo. Tsy mila ny fanohanantsika ve izy ireny? (Lioka 22:32; Asan’ny Apostoly 11:23) Tena faly tokoa isika fa anisan’ny fikambanana misy Kristianina marina, izay miezaka hanahaka an’i Jesosy, raha ny amin’ny fanehoana ny rariny!

12. Nahoana isika no afaka matoky fa tena hisy tsy ho ela ny rariny ho an’ny rehetra?

12 Mba hisy rariny ho an’ny rehetra ihany ve indray andro any? Eny tokoa. “Tsy ho reraka na ho kivy” ilay Voafidin’i Jehovah, “mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany.” Kely foana sisa dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra” ilay Mpanjaka nomena fiandrianana, dia i Kristy Jesosy tafatsangana amin’ny maty. (2 Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy 16:14-16) Hosoloana ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona. Hanjaka ny rariny sy ny fahamarinana. (Ohabolana 2:21, 22; Isaia 11:3-5; Daniela 2:44; 2 Petera 3:13) Miandry mafy an’izany andro izany ny mpanompon’i Jehovah hatraiza hatraiza, na dia ireo izay any amin’ny “nosy” lavitra be aza.

‘Hanome azy ho fanazavan’ny jentilisa Aho’

13. Inona no nolazain’i Jehovah momba ilay Mpanompo Voafidiny?

13 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy.” (Isaia 42:5) Izany ka filazana mahery momba an’i Jehovah Mpamorona! Mampisy lanjany ny teniny io fampahatsiahivana momba ny heriny io. Hoy izy: “Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tànanao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavan’ny jentilisa, hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala ao an-trano famatorana.”—Isaia 42:6, 7.

14. a) Inona no tiana holazaina amin’ny fandraisan’i Jehovah ny tanan’ilay Mpanompo ankasitrahany? b) Inona no anjara asan’ilay Mpanompo Voafidy?

14 Ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, ilay Mpanome sady Mpanohana ny fiainana, dia mandray ny tanan’ilay Mpanompo Voafidiny, ka mampanantena fanohanana feno sy maharitra. Izany ka fanomezan-toky! Ankoatra izany, dia arovan’i Jehovah izy, mba hanomezany azy ho “fanekena ho an’ny olona.” Ny hoe fanekena dia fifanarahana na fampanantenana mavesa-danja. Didy azo antoka izy io. Eny, nataon’i Jehovah ho “antoka ho an’ilay vahoaka” ilay Mpanompony.—Fandikan-teny Amerikanina (anglisy).

15, 16. Tamin’ny heviny ahoana i Jesosy no “fanazavana ny jentilisa”?

15 Amin’ny maha “fanazavan’ny jentilisa” azy, dia hampahiratra “ny mason’ny jamba” ilay Mpanompo nampanantenaina, ary hanafaka an’izay “mipetraka ao amin’ny maizina.” Nanao izany tokoa i Jesosy. Nankalaza ny anaran’ilay Rainy any an-danitra izy, rehefa nanambara ny fahamarinana. (Jaona 17:4, 6) Nanala sarona ny lainga ara-pivavahana izy, nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary nanafaka an’ireo babo ara-panahy. (Matio 15:3-9; Lioka 4:43; Jaona 18:37) Nampitandrina ny amin’ny asan’ny maizina izy ary nanala sarona an’i Satana ho ny “rain’ny lainga” sady “andrianan’izao tontolo izao.”—Jaona 3:19-21; 8:44; 16:11.

16 Hoy i Jesosy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” (Jaona 8:12) Nanaporofo izany tamin’ny fomba tena niavaka izy, fony izy nanolotra ny ain’olombelona tanteraka nananany ho avotra. Izany no fomba hahazoan’ireo mino azy famelan-keloka sy fifandraisana tsara amin’Andriamanitra, ary fanantenana fiainana mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Jesosy nandritra ny fiainany manontolo, ka nanohana, tamin’izany fomba izany, ny fanjakan’i Jehovah ary nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. Tena nampahiratra ny jamba sy nanafaka an’ireo babon’ny haizina ara-panahy tokoa i Jesosy.

17. Amin’ny heviny ahoana avy isika no mpitondra fahazavana?

17 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Matio 5:14) Tsy mpitondra fahazavana koa ve isika? Ny fomba fiainantsika sy ny asa fitoriantsika dia fomba itarihantsika ny hafa ho amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny tena fahazavana ara-panahy. Ho fanahafana an’i Jesosy, dia mampahafantatra ny anaran’i Jehovah isika, manohana ny zony hitondra, ary manambara ny Fanjakany ho ny hany fanantenan’ny olombelona. Manala sarona ny lainga ara-pivavahana koa isika, sy mampitandrina ny amin’ireo asa maloton’ny maizina, ary manala sarona an’ilay ratsy, dia i Satana.—Asan’ny Apostoly 1:8; 1 Jaona 5:19.

“Samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah”

18. Inona no ampahafantarin’i Jehovah amin’ny vahoakany?

18 Nitodika tany amin’ny vahoakany i Jehovah izao, ka nanao hoe: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra. Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.” (Isaia 42:8, 9) Tsy andriamanitra tsy nisy vidiny no nanonona ilay faminaniana momba “ny mpanompoko”, fa ilay hany Andriamanitra velona sady marina. Tsy maintsy ho tanteraka àry ilay izy, ary dia tanteraka tokoa. Tena Loharanon’ny zava-baovao tokoa i Jehovah Andriamanitra, ary hampahafantariny ny vahoakany mialoha izy ireny. Ahoana no tokony ho fihetsitsika?

19, 20. a) Hira inona no tsy maintsy hiraina? b) Iza ankehitriny no mihira ilay hira fiderana ho an’i Jehovah?

19 Hoy i Isaia: “Hianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany. Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan’i Kedara; aoka hihoby ny mponina any Sela; ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy. Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.”—Isaia 42:10-12.

20 Nasaina nihira fiderana ho an’i Jehovah ny olona hatraiza hatraiza—ny mponin’ny tanàn-dehibe, sy ny tanàna tany an’efitra, ary ny nosy, ary na dia i “Kedara”, na hoe ny toby tany an’efitra, aza. Tena mampientam-po tokoa ankehitriny ny mahita olona an-tapitrisa manoina io antso ara-paminaniana io! Nandray am-po ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ary nanaiky an’i Jehovah ho Andriamaniny. Mihira io fihiram-baovao io, izany hoe mankalaza an’i Jehovah, ny vahoakany any amin’ny tany maherin’ny 230. Tena mampientam-po tokoa ny miara-mihira amin’io amboarampeo misy olona avy amin’ny kolontsaina sy fiteny ary firazanana maro io!

21. Nahoana no tsy afaka mampitsahatra ny hira fiderana ho an’i Jehovah ny fahavalon’ny vahoakany?

21 Afaka manohitra an’Andriamanitra ve ireo tsy manaiky azy, ka hampitsahatra io hira fiderana io? Tsia! “Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.” (Isaia 42:13) Fanjakana iza no afaka manohitra an’i Jehovah? Niredona izao hira izao i Mosesy mpaminany sy ny zanak’Isiraely, 3 500 taona lasa izay: “Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. Ny kalesin’i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ny Ranomasina Mena.” (Eksodosy 15:3, 4) Vao avy nandresy an’ilay tafika nahery indrindra tamin’izay i Jehovah. Tsy misy fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra mihitsy afaka mandresy, rehefa mivoaka tahaka ny mpiady mahery i Jehovah.

“Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay”

22, 23. Nahoana i Jehovah no “tsy niteny hatrizay hatrizay”?

22 Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah ary manao ny rariny, na dia rehefa mandringana ny fahavalony aza. Hoy izy: “Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina. Hataoko mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, ary hataoko tankina ny farihy.”—Isaia 42:14, 15.

23 Mamela fotoana handeha aloha i Jehovah, vao mampihatra fitsarana, mba hananan’ny mpanao ratsy fahafahana hiala amin’ny lalan-dratsiny. (Jeremia 18:7-10; 2 Petera 3:9) Raiso ny ohatry ny Babylonianina, izay nandresy an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., fony izy firenena natanjaka indrindra eran-tany. Namela izany hitranga i Jehovah, mba hanafaizana ny Isiraelita nivadika. Kanefa tsy takatry ny Babylonianina ilay anjara asa nasaina nataony, fa nasiaka loatra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo, tsy araka ny notakin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. (Isaia 47:6, 7; Zakaria 1:15) Tsy maintsy ho nampalahelo an’ilay Andriamanitra marina ny fahitana ny vahoakany nijaly! Nifehy tena tsy hanao zavatra anefa izy, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondrony. Tamin’izay, dia niezaka mafy izy, toy ny vehivavy miteraka, mba hanafahana ilay vahoakany sy hiterahana azy ireo ho firenena nahaleo tena. Nataony tankina sy foana àry i Babylona, tamin’ny 539 T.K., mba hahatongavana amin’izany.

24. Fahafahana inona no nomen’i Jehovah ho an’ny vahoakany?

24 Tsy maintsy ho nientam-po tokoa ny vahoakan’Andriamanitra, fa afaka nody ihany, rehefa avy tany an-tsesitany an-taonany maro! (2 Tantara 36:22, 23) Tsy maintsy ho niravoravo izy ireo, fa tanteraka ilay tenin’i Jehovah hoe: “Hitarika ny jamba amin’izay làlana tsy fantany Aho; ary amin’ny làlana tsy fantany no hitondrako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.”—Isaia 42:16.

25. a) Afaka matoky ny amin’ny inona moa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? b) Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika?

25 Ahoana no ampiharana ireo teny ireo ankehitriny? Efa ela be izao (an-jato taona mihitsy) no namelan’i Jehovah an’ireo firenena hanao araka izay tiany. Efa akaiky anefa ny fotoana voatondrony handaminan-javatra. Amin’izao androntsika izao, dia nanangana vahoaka iray mba hanambara ny anarany izy. Nandravona izay fanoherana rehetra hitan’izy ireo izy, ka nataony malama, na hoe mora, ny lalana hanompoan’izy ireo azy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Nampanantena izy hoe: “Tsy hamelako”, na hoe “tsy hilaozako”, izy ireo; ary nitana ny teny nataony izy. Ahoana ny amin’ireo mikiry mivavaka amin’ny andriamani-diso? Hoy i Jehovah: “Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin’ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.” (Isaia 42:17) Tena tsy maintsy mahatoky eo anatrehan’i Jehovah foana isika, sahala amin’ilay Voafidiny!

‘Mpanompo izay sady marenina no jamba’

26, 27. Ahoana no nisehoan’ny Isiraely ho ‘mpanompo izay sady marenina no jamba’, ary inona avy no ho vokany?

26 Nahatoky hatramin’ny fahafatesana i Jesosy Kristy, ilay Mpanompo Voafidin’Andriamanitra. Ny Isiraely, vahoakan’i Jehovah, kosa anefa mpanompo tsy nahatoky, marenina sady jamba ara-panahy. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Mihainoa hianareo, ry marenina; ary mijere, ry jamba, mba hahita. Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan’i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony? Mahita zavatra maro hianao, nefa tsy mitandrina; manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino. Sitrak’i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.”—Isaia 42:18-21.

27 Nahonena tokoa ny fivadihan’ny Isiraely! Imbetsaka izy ireo no nania ka nivavaka tamin’ny andriamanitra demonian’ireo firenena. Nandefa iraka tsy an-kijanona i Jehovah, nefa tsy nihaino ny vahoakany. (2 Tantara 36:14-16) Efa nilaza ny ho vokany toy izao i Isaia: “Ity dia firenena nobaboina sy norobaina; voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; voababo izy, ka tsy misy mamonjy; voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio. Iza aminareo no hihaino izany? Iza no handre, dia hitandrina izany amin’ny andro ho avy? Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny làlany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny; ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady; dia nampirehitra azy manodidina izany, nefa tsy fantany; ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ny fony.”—Isaia 42:22-25.

28. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra navelan’ny mponin’i Joda? b) Ahoana no mety hitadiavantsika sitraka amin’i Jehovah?

28 Navelan’i Jehovah hobaboina sy horobaina ny tanin’i Joda, tamin’ny 607 T.K., noho ny fivadihan’ny mponina tao aminy. Nandoro ny tempolin’i Jehovah ny Babylonianina, ka nandrava an’i Jerosalema ary nitondra ny Jiosy ho babo. (2 Tantara 36:17-21) Enga anie isika handray am-po io ohatra fampitandremana io, ka tsy hanampina ny sofintsika tsy hahare ny toromarik’i Jehovah, na hanakimpy ny masontsika tsy hahita ny Teniny voasoratra. Enga anie kosa isika hitady sitraka aminy, ka hanahaka an’i Kristy Jesosy, ilay Mpanompo nankasitrahan’i Jehovah. Sahala amin’i Jesosy, dia enga anie isika hampahafantatra ny tena rariny, amin’izay lazaintsika sy ataontsika. Hitoetra eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah isika raha manao izany, ka ho mpitondra fahazavana izay midera sy manome voninahitra an’ilay Andriamanitra marina.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 33]

Mampiavaka ny tena rariny ny indrafo sy ny fangorahana

[Sary, pejy 34]

Tokony hampiharina amin’ny olona rehetra ny tena rariny, araka ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritanina tsara fanahy

[Sary, pejy 36]

Rehefa mampahery sy tsara fanahy isika, dia maneho ny rariny ankasitrahan’Andriamanitra

[Sary, pejy 39]

Rehefa mitory isika, dia maneho ny rariny ankasitrahan’Andriamanitra

[Sary, pejy 40]

Nomena mba ho “fahazavan’ny firenena” ilay Mpanompo ankasitrahana