Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah

Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah

Toko Fahavalo Ambin’ny Folo

Mamelombelona ny Fanahin’ny Manetry Tena i Jehovah

Isaia 57:1-21

1. Inona no toky nomen’i Jehovah, ary fanontaniana inona avy no napoitran’ny teniny?

“IZAO no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.” (Isaia 57:15) Izany no nosoratan’i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nahoana io hafatra io no tena nampahery ny mponin’i Joda? Inona no fanampiana azon’ny Kristianina ankehitriny avy amin’izy io? Andeha isika handinika ny Isaia toko faha-57, mba hamaliana izany.

‘Mankanesa atỳ ianareo’

2. a) Oviana no toa tanteraka ny teny ao amin’ny Isaia toko faha-57? b) Inona no nahazo ny olo-marina tamin’ny andron’i Isaia?

2 Toa efa tanteraka tamin’ny andron’i Isaia io faminaniany io. Mariho, araka ireto teny ireto, fa tena efa latsa-paka ny faharatsiana tamin’izay: “Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo. Miditra amin’ny fiadanana izy, mandry amin’ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ny hitsiny.” (Isaia 57:1, 2) Tsy nisy niraharaha, raha lavo ny olo-marina, ary tsy nisy nahita ny nahafatesany. Nahita fiadanana izy rehefa maty, satria tsy nampijalin’ny ratsy fanahy sy ny loza hafa intsony. Latsaka ambany dia ambany ilay firenena voafidin’Andriamanitra. Tena tsy maintsy ho nampahery an’ireo nahatoky anefa ny nahafantatra fa sady nahita izay nitranga i Jehovah no hanampy azy!

3. Ahoana no niantsoan’i Jehovah an’ireo ratsy fanahy, ary nahoana?

3 Niantso an’ireo ratsy fanahy tao Joda toy izao i Jehovah: “Fa hianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, hianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga.” (Isaia 57:3) Tena mendrika azy ireo ny anarana mahamenatra hoe zanaky ny mpanandro sy taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga. Nanaraka fivavahan-diso izy ireo, ka nanao fanompoan-tsampy naharikoriko sy nifandray tamin’ny fanahy ratsy ary nanaram-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Hoy àry i Jehovah tamin’ireo mpanota ireo: “Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va hianareo sady taranaky ny lainga? Dia hianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ny hazo terebinta eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.”—Isaia 57:4, 5.

4. Meloka noho ny inona ireo ratsy fanahy tao Joda?

4 Nataon’ireo ratsy fanahy tao Joda ampahibemaso ny fanompoan-tsampiny nanafintohina, ary ‘nihomehy’ mihitsy aza izy ireo teo am-panaovana izany. Nesoiny ny mpaminanin’Andriamanitra nirahina hanitsy azy, ary tsy tahotra tsy henatra dia nitrangany lela. Zanak’i Abrahama izy ireo, nefa tonga taranaky ny fiodinana sy lainga, noho ny fikomiany. (Isaia 1:4; 30:9; Jaona 8:39, 44) Teny ambanin’ireo hazo maitso tany an-tsaha no nitaomany ny olona hanaraka ny fivavahany tamin’ny sampy. Ary fivavahana lozabe no narahiny, satria namono ny zanany mihitsy izy ireo, toy ireo firenena noroahin’i Jehovah tamin’ilay tany noho ireo fanao naharikoriko ireo indrindra!—1 Mpanjaka 14:23; 2 Mpanjaka 16:3, 4; Isaia 1:29.

Vato no nanolorany fanatitra

5, 6. a) Tsy nivavaka tamin’i Jehovah ny mponin’i Joda, fa inona kosa no nofidiny hatao? b) Ahoana no ahafantarana fa sady nanafintohina no niely be ny fanompoan-tsampin’ny Joda?

5 Tena tafalatsaka lalina tao amin’ny fanompoan-tsampy ny mponin’i Joda, araka izao teny izao: “Ao amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’izany va Aho?” (Isaia 57:6) Vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena ny Jiosy, nefa tsy izy no nivavahan’izy ireo, fa vato notsimponiny teny amin’ny renirano. Nilaza i Davida fa i Jehovah no anjara lovany. Ny sampy vato tsy nanana aina anefa no nofidin’ireo mpanota ireo ho anjarany sy nanolorany fanatitra. (Salamo 16:5; Habakoka 2:19) Hahatsindry fo ve i Jehovah, nahita ilay vahoaka nitondra ny anarany nandoto toy izany ny fivavahana marina?

6 Nanao ny fanompoan-tsampiny hatraiza hatraiza ny Joda: teny ambany hazo lehibe, teny amin’ny lohasahan-driaka, teny ambony havoana, tao an-tanàna. Hitan’i Jehovah anefa izany rehetra izany, ka nalany sarona toy izao ilay firenena nikororosy fahana: “Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao.” (Isaia 57:7, 8a) Teny amin’ireo fitoerana avo no nanaovan’ny Joda ny fandriany feno fahalotoana ara-panahy, sy nanolorany fanatitra ho an’andriamanitra vahiny. * Na ny tranon’ny olona aza nahitana sampy tao ambadiky ny varavarana sy tolam-baravarana.

7. Inona no toe-tsaina nanosika ny Joda hanaraka fivavahana maloto?

7 Manontany tena angamba ny sasany hoe nahoana ny Joda no tafalatsaka lalina tao amin’ny fivavahana naloto toy izany. Nisy nanery azy hahafoy an’i Jehovah ve? Tsia. Nanao izany tamin’ny nahim-pony izy, ary may erỳ. Hoy i Jehovah: “Lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’izay hataon’ireny hianao; tia ny fandriana aminy hianao ka nizaha toerana ho anao.” (Isaia 57:8b) Nanao fanekena tamin’ireo andriamani-disony ny Joda, ary tena tia io fifandraisana tsy ara-dalàna io. Ny firaisana maloto (angamba nampiasana ny sarin’ny filahiana) izay nampiavaka ny fivavahana tamin’ireny andriamanitra ireny, no tena tiany!

8. Mpanjaka iza no tena nampiroborobo ny fanompoan-tsampy tao Joda?

8 Mifanentana tsara amin’ny mpanjaka ratsy fanahy maro teo amin’ny Joda io teny momba fanompoan-tsampy maloto sy lozabe io. I Manase, ohatra, dia nanorina fitoerana avo sy nanangana alitara ho an’i Bala ary nametraka alitaran’ny fivavahan-diso tao amin’ny kianja roa tamin’ny tempoly. Nandoro ny zanany ho fanatitra izy, nanandro, nanao sikidy, ary nampirisika ny hifandraisana tamin’ny fanahy ratsy. Napetrak’i Manase Mpanjaka tao amin’ny tempolin’i Jehovah koa ilay sarin’i Aseraha, na tsato-kazo masina, nataony. * Nitaona ny Joda “hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny jentilisa, izay naringan’i Jehovah”, izy. (2 Mpanjaka 21:2-9) Misy mino fa nampamono an’i Isaia i Manase; tsy voatonona ao amin’ny Isaia 1:1 anefa ny anarany.

“Nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao”

9. Nahoana ny Joda no nandefa iraka “hatrany lavitra any”?

9 Tsy nianina tamin’ny fivavahana tamin’andriamani-diso anefa ny Joda. Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: ‘Nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ny fasana ianao.’ (Isaia 57:9) Nankany amin’ny “mpanjaka” (mpanjakan’ny firenena vahiny angamba), ny firenen’ny Joda nivadika, ka nanolotra fanomezana tsara sy lafo vidy, toy ny diloilo sy zava-manitra. Nandefa iraka hatrany lavitra koa ny Joda. Nahoana? Mba handresen-dahatra ny firenena jentilisa hanao fifanekena ara-politika taminy. Nanda an’i Jehovah izy, ary mpanjaka vahiny indray no nitokisany.

10. a) Inona no nangatahin’i Ahaza Mpanjaka tamin’ny mpanjakan’i Asyria? b) Amin’ny heviny ahoana ny Joda no hoe ‘nidina hatrany amin’ny fasana’?

10 Nisy ohatra ny amin’izany tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. Natahotra io mpanjaka tsy nahatoky io, noho ny fifanekena teo amin’i Isiraely sy Syria, ka nandefa iraka tany amin’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, ary nanao hoe: “Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ny mpanjakan’i Syria sy ny mpanjakan’ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.” Nanome tsolotra volafotsy sy volamena ho an’ny mpanjakan’i Asyria izy, hany ka nanaiky io ary nanafika sy nandresy an’i Syria. (2 Mpanjaka 16:7-9) Nidina ambany dia ambany, hatrany amin’ny fasana mihitsy, ny Joda, teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny firenena jentilisa. Noho ireny fifampiraharahana ireny, dia ho faty izy, na hoe tsy ho firenena nahaleo tena sy nanana mpanjaka intsony.

11. Inona no ninoan’ny Joda momba ny fahombiazany?

11 Nanohy ny teniny tamin’ny Joda toy izao i Jehovah: “Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra hianao, nefa hianao tsy niteny hoe: Kivy aho izany! Nahazo aina ny tànanao, ka dia tsy nahatsiaro reraka hianao.” (Isaia 57:10) Nisasatra mafy erỳ ilay firenena teo amin’ny fivadiham-pinoany, nefa tsy hitany fa herim-po very maina ihany ny azy. Vao mainka aza izy namita-tena hino fa ny heriny no nandreseny. Nahatsiaro ho natanjaka izy. Hadalana re izany!

12. Inona avy no itovian’ny Kristianisma Anarana sy Joda?

12 Mitovy amin’ny an’ny Joda tamin’ny andron’i Isaia ny fitondran-tenan’ny Kristianisma Anarana. Mampiasa ny anaran’i Jesosy izy io, nefa manao fifanekena amin’ireo firenena ary mameno ny trano fivavahany amin’ny sampy. Mametraka sary sampy ao an-tranony mihitsy aza ny mpivavaka ao aminy. Maty nataony sorona tamin’ny adin’ireo firenena ny zatovony. Izany rehetra izany dia tena manafintohina an’ilay Andriamanitra marina, izay mandidy ny Kristianina hoe: “Mandosira ny fanompoan-tsampy”! (1 Korintiana 10:14) Mitsabaka amin’ny politika ny Kristianisma Anarana, ka azo lazaina hoe ‘mijangajanga amin’ny mpanjakan’ny tany.’ (Apokalypsy 17:1, 2) Izy mihitsy aza no tena manohana ny Firenena Mikambana. Inona no miandry an’io vehivavy janga ara-pivavahana io? Inona no nolazain’i Jehovah tamin’ilay tandindon’izy io, dia ny Joda nivadika, ary indrindra fa i Jerosalema renivohiny?

‘Tsy hamonjy anao ireo maronao’

13. Inona no ‘lainga’ nataon’ny Joda, ary nanao ahoana ny fihetsiny teo anoloan’ny faharetan’i Jehovah?

13 “Ary iza no nahìnao sy natahoranao, no dia nandainga hianao. . ?”, hoy i Jehovah. Tsara tokoa izany fanontaniana izany! Tena tsy natahotra an’i Jehovah velively ny Joda. Raha tsy izany izy tsy ho tonga firenena mpandainga nivavaka tamin’andriamani-diso. Nanohy ny teniny i Jehovah hoe: ‘Tsy nahatsiaro Ahy na nandatsaka am-po ianao. Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.’ (Isaia 57:11) Nangina i Jehovah, ka tsy nanafay ny Joda avy hatrany. Nankasitraka izany ve ny Joda? Tsia, fa noheveriny ho tsy firaharahana kosa aza ny faharetan’Andriamanitra. Tsy nisy tahotra Azy intsony tao aminy.

14, 15. Inona no nolazain’i Jehovah momba ny asan’ny Joda sy ny ‘marony’?

14 Kanefa tsy maintsy hifarana ny fahari-pon’Andriamanitra. Hoy izy momba ny fotoana hahatongavan’izany: “Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. Raha mitaraina hianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ny tso-drivotra malemilemy aza.” (Isaia 57:12, 13a) Hahariharin’i Jehovah fa sandoka ny fanaovan’ny Joda ny marina. Tsy hahasoa azy ireo ny fihatsarambelatsihiny. Tsy hamonjy azy ny ‘marony’, na sampiny maro isan-karazany. Tsio-drivotra kely fotsiny dia hahafaoka ireo sampy ireo, rehefa hamely ny loza.

15 Tanteraka tamin’ny 607 T.K. ny tenin’i Jehovah. Tamin’izay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, no nandrava an’i Jerosalema sy nandoro ny tempoly ary namabo ny ankamaroan’ny olona tao. “Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ny taniny.”—2 Mpanjaka 25:1-21.

16. Inona no miandry ny Kristianisma Anarana sy ny sisa amin’i “Babylona Lehibe”?

16 Tsy hamonjy ny Kristianisma Anarana ankehitriny koa ireo sampiny maro isan-karazany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. (Isaia 2:19-22; 2 Tesaloniana 1:6-10) Hofoanana miaraka amin’i “Babylona Lehibe” (ny fivavahan-diso maneran-tany) ny Kristianisma Anarana. Ilay bibidia mivolon-jaky ara-panoharana sy ny tandrony folo no “hahatsinontsinona [an’i Babylona Lehibe] sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Apokalypsy 17:3, 16, 17) Tena faly tokoa isika nankatò ilay baiko hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy”! (Apokalypsy 18:4, 5) Enga anie isika tsy hiverina intsony mihitsy ho any amin’i Babylona Lehibe na ny fanaony.

‘Izay mialoka amiko no hanana ny tany’

17. Inona no nampanantenaina ‘an’izay nialoka tamin’i Jehovah’, ary oviana izany no tanteraka?

17 Ahoana kosa ny amin’ireo teny manaraka manao hoe: “Izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.” (Isaia 57:13b) Iza io nitenenan’i Jehovah io? Naminany momba izay hitranga taorian’ilay loza hoavy izy, dia ny hanafahana ny vahoakany avy tao Babylona sy hamerenana ny fivavahana madio tany Jerosalema, tendrombohiny masina. (Isaia 66:20; Daniela 9:16) Azo antoka fa tena nampahery an’ireo Jiosy nahatoky izany! Hoy koa i Jehovah: “Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara làlana, esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko.” (Isaia 57:14) Efa ho voavoatra ny lalana, ary ho efa nesorina ny vato nisakana rehetra, rehefa tonga ny fotoana hanafahan’Andriamanitra ny vahoakany.—2 Tantara 36:22, 23.

18. Inona no teny ilazana ny fahambonian’i Jehovah, nefa iza no anehoany fitiavana sy fiahiana?

18 Tamin’izay i Isaia mpaminany no nilaza ireo teny notononintsika tetsy am-boalohany hoe: “Izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.” (Isaia 57:15) Any amin’ny lanitra avo indrindra no misy ny seza fiandrianan’i Jehovah. Tsy misy toerana avo na manerinerina noho izany. Tena mampahery tokoa ny mahalala fa mahita ny zava-drehetra izy avy any: tsy ny fahotan’ny ratsy fanahy ihany, fa ny asa tsaran’izay miezaka hanompo azy koa! (Salamo 102:19; 103:6) Mandre ny fitarainan’ny ampahorina koa izy, ary mamelombelona ny fon’ny torotoro fo. Tsy maintsy ho nanohina ny fon’ny Jiosy nibebaka tamin’ny andro fahiny ireo teny ireo, ary tena manohina ny fontsika ankehitriny.

19. Rahoviana no mitsahatra ny fahatezeran’i Jehovah?

19 Mampahery koa ireto tenin’i Jehovah ireto: “Tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.” (Isaia 57:16) Tsy hisy zavaboary mbola ho velona, raha mitohy mandrakizay ny fahatezeran’i Jehovah. Soa ihany anefa fa tsy haharitra izy io, fa hitsahatra, raha vao mibebaka ny olona. Tsy velom-pankasitrahana ve isika, noho ny fahalalantsika ny fitiavan’i Jehovah ny zavaboariny?

20. a) Inona no ataon’i Jehovah amin’ny mpanao ratsy mibebaka? b) Inona no fampiononana omeny ny olona manenina?

20 Mihamitombo ny zavatra fantatsika, noho ny tohin’ny tenin’i Jehovah. Hoy izy aloha: “Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny làlana tian’ny fony ihany.” (Isaia 57:17) Tena hahatezitra an’Andriamanitra ny ratsy atao noho ny fieremana, na fitiavan-karena. Raha tsy miova ny olona, fa tafalatsaka ao am-pony ny fiodinana, dia mbola ho tezitra ihany i Jehovah. Ahoana kosa raha manaiky ny famaizana ilay mpiodina? Amin’izay dia hasehon’i Jehovah fa hanosika azy hanao zavatra ny fitiavany sy ny fangoraham-pony: “Efa nahita ny làlany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dàlana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy.” (Isaia 57:18) Rehefa avy nanafay olona i Jehovah, ka mahatonga azy hanenina, dia hanasitrana azy sy hampionona azy sy ireo miara-malahelo aminy. Izany no nahafahan’ny Jiosy nody tany amin’ny taniny tamin’ny 537 T.K. Tsy tonga fanjakana nahaleo tena, notarihin’ny mpanjaka taranak’i Davida, intsony mihitsy i Joda. Tafaorina indray anefa ny tempoly tao Jerosalema, ary tafaverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina.

21. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hamelombelomana ny fanahin’ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919? b) Inona no toetra tokony hiezahantsika hananana?

21 Nasehon’i Jehovah, ilay “Iray avo sy manerinerina”, koa fa niahy ny amin’ny sisa voahosotra izy tamin’ny 1919. Nanenina sy nanetry tena izy ireo, ary hitan’ilay Andriamanitra lehibe ny fahoriany. Nafahany avy tamin’i Babylona Lehibe àry izy ireo. Nesoriny koa ny vato nisakana rehetra. Afaka nanaraka ny fivavahana madio àry izy ireo. Tanteraka tamin’izay koa àry ny tenin’i Jehovah nampitain’i Isaia. Misy toro lalana ho antsika tsirairay koa ireo teniny ireo. Ny fanompoan’ny manetry tena ihany no eken’i Jehovah. Ary raha sendra manota ny mpanompony, dia tokony hiaiky ny fahadisoany haingana sy hanaiky fananarana ary hanitsy ny fitondran-tenany. Enga anie isika tsy hanadino mihitsy fa manasitrana sy mampionona ny manetry tena i Jehovah, fa “manohitra ny mpiavonavona” kosa.—Jakoba 4:6.

“Fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky”

22. Hoavy manao ahoana no ampanantenain’i Jehovah a) ho an’ny mibebaka? b) ho an’ny ratsy fanahy?

22 Ampifanoherin’i Jehovah izao ny hoavin’ireo mibebaka sy ny an’ireo mikiry hanao ratsy. Hoy izy: “Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! . . ., ka dia hahasitrana azy Aho. Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy.”—Isaia 57:19-21.

23. Inona ilay vokatry ny molotra, ary nahoana no hoe “mahary” io vokatra io i Jehovah?

23 Ny vokatry ny molotra dia ny fanati-piderana atolotra an’Andriamanitra, izany hoe ny fanekena, na fanambarana ny anarany ampahibemaso. (Hebreo 13:15) Nahoana no hoe “mahary” io fanambarana ampahibemaso io Jehovah? Tsy maintsy mianatra momba an’Andriamanitra sy mino azy aloha ny olona iray, vao afaka manolotra fanati-piderana. Manosika azy io hilaza amin’ny hafa momba izay reny ny finoana. Fanambarana ampahibemaso no ataony amin’izany. (Romana 10:13-15) Tokony hotadidintsika koa fa i Jehovah no ilay maniraka ny mpanompony hanambara ny fiderana azy. Izy koa no ilay manafaka ny vahoakany, mba hahafahan’izy ireo hanolotra izany fanati-piderana izany. (1 Petera 2:9) Tena mety àry ny hilazana hoe mahary io vokatry ny molotra io i Jehovah.

24. a) Iza no nahita ny fiadanan’Andriamanitra, ary inona no vokany? b) Iza no tsy nahita fiadanana, ary inona no vokany?

24 Tena vokatry ny molotra nampientam-po no natolotry ny Jiosy, rehefa nody izy ireo ka nihira fiderana ho an’i Jehovah! Faly nahafantatra ny fiadanan’Andriamanitra tokoa izy ireo, na “lavitra” no nisy azy (mbola lavitra an’i Joda, ka niandry ny hodiany), na “akaiky” (efa tafody tany amin’ny taniny). Hafa tanteraka noho izany kosa no hitan’ny ratsy fanahy! Tsy nahita fiadanana mihitsy ny ratsy fanahy, dia izay rehetra tsy nanaiky ny famaizan’i Jehovah, na iza izy na iza ary na taiza na taiza no nisy azy. Nisamboaravoara toy ny ranomasina izy ireo, ka tsy namokatra ny vokatry ny molotra, fa “loto sy fotaka” kosa, dia ny karazan-javatra maloto rehetra.

25. Ahoana no ahitan’ny olona maro hatraiza hatraiza fiadanana?

25 Ankehitriny koa ny mpivavaka amin’i Jehovah hatraiza hatraiza dia manambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Manolotra ny vokatry ny molotra ny Kristianina any amin’ny tany maherin’ny 230, ka mampanakoako ny fiderana an’ilay hany Andriamanitra marina. Re “hatramin’ny faran’ny tany” ny fiderana hirain’izy ireo. (Isaia 42:10-12) Ireo mahare ka manaiky izany dia manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Manjary mahita fiadanana àry izy ireo, ho vokatry ny fanompoany an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana.”—Romana 16:20.

26. a) Inona no miandry ny ratsy fanahy? b) Inona no nampanantenaina ny mpandefitra, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

26 Tsy mety mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ny ratsy fanahy. Tsy ho ela anefa dia tsy havela handrava ny fiadanan’ny olo-marina intsony izy ireo. “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy”, hoy ny nampanantenain’i Jehovah. Handova ny tany kosa ireo mialoka amin’i Jehovah. “Ny mpandefitra . . . no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11, 29) Tena hahafinaritra ny tanintsika amin’izay! Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny tsy hamoy ny fiadanan’Andriamanitra, ka hihira fiderana ho an’Andriamanitra mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ny alitara na ny toerana nanompoan-tsampy angamba no tondroin’ny hoe ‘fandriana.’ Io teny io dia mampahatsiahy fa fijangajangana ara-panahy io fivavahana io.

^ feh. 8 Ireo tsato-kazo masina dia nety ho sarin’ny fivaviana, ary ny tsangam-baton-tsampy ny an’ny filahiana. Samy nampiasain’ny mponin’i Joda nivadika izy ireo.—2 Mpanjaka 18:4; 23:14.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 263]

Nanao ny fanompoany naloto teny ambany hazo maitso rehetra ny Joda

[Sary, pejy 267]

Nanorina alitara nanerana ilay tany ny Joda

[Sary, pejy 275]

“Izaho . . . mahary ny vokatry ny molotra”