Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miely Maneran-tany ny Fivavahana Marina

Miely Maneran-tany ny Fivavahana Marina

Toko Fahiraika Amby Roapolo

Miely Maneran-tany ny Fivavahana Marina

Isaia 60:1-22

1. Inona no hafatra mampahery raketin’ny Isaia toko faha-60?

TENA tantara mampientam-po ny Isaia toko faha-60. Efa misarika ny saintsika sahady ilay fisehoan-javatra mampihetsi-po ao amin’ireo andininy voalohany. Manaraka izany ny fitantarana zava-mitranga maro mifampitohy haingana, izay mifarana amin’ny fisehoan-javatra mampihetsi-po. Sarin-teny mazava tsara no ilazan’ilay toko ny famerenana ny fivavahana marina tany Jerosalema fahiny sy ny fielezany hatrany amin’ny faran’ny tany ankehitriny. Tanisaina ao koa ireo fitahiana mandrakizay miandry ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky rehetra. Afaka mandray anjara amin’ny fanatanterahana io faminaniana ao amin’ny Isaia io ny tsirairay amintsika. Handinika azy io akaiky kokoa àry isika izao.

Mamirapiratra ao amin’ny maizina ny hazavana

2. Inona no asaina ataon’ilay vehivavy mitakoko ao anaty haizina, ary nahoana izy no mila mankatò izany haingana?

2 Nampahafantarin’ny toko faha-59 antsika fa i Ziona no iresahana eto, ary ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, dia antsoina hoe vehivavy izy eo amin’ny andininy voalohany amin’ny toko faha-60. Lazaina fa mampahonena sy mitakoko eo amin’ny tany ao anaty haizina io vehivavy io. Tampoka teo, dia misy hazavana manazava ilay toerana maizimaizina, ary miantso i Jehovah hoe: “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” (Isaia 60:1) Eny, tokony hitsangana sy hampamirapiratra ny voninahitr’i Jehovah ilay vehivavy! Nahoana izy no tsy maintsy manao izany haingana? Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” (Isaia 60:2) Tsy maintsy mandefa ‘hazavana’ ilay vehivavy, mba hanampiana an’ireo mbola mitsapatsapa ao anaty haizina. Inona no ho vokany? “Ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.” (Isaia 60:3) Ireo andininy voalohany ireo dia manome ny votoatin’ny fanazavana velabelarin’ireo andininy manaraka: Tsy maintsy hiely maneran-tany ny fivavahana marina!

3. a) Iza moa ilay vehivavy? b) Nahoana ilay vehivavy no nitakoko tao anaty haizina?

3 Milaza amin’i Ziona (ilay vehivavy) i Jehovah fa efa “tonga” ny fahazavany, na dia zavatra mbola ho avy aza izany. Ny filazana ilay faminaniana ho toy ny zavatra efa lasa dia manamafy fa tsy maintsy tanteraka izy io. Manondro an’iza anefa i Ziona, na Jerosalema, renivohitr’i Joda? (Isaia 52:1, 2; 60:14) Manondro an’ilay firenena manontolo izy io. Tamin’ny fahatanterahan’io faminaniana io voalohany, dia nitakoko tao anaty haizina io vehivavy io, nanomboka tamin’ny nandravana azy tamin’ny 607 T.K. Kanefa tamin’ny 537 T.K, dia nisy Jiosy nahatoky niverina tany Jerosalema ary namerina ny fivavahana madio tany. Nampahazava an’ilay vehivavy vadiny i Jehovah tamin’ny farany, ary tonga loharanom-pahazavana ho an’ireo firenena ao anaty haizina ara-panahy ilay vahoakany tafaverina tao amin’ny taniny.

Fahatanterahana amin’ny ambaratonga lehibe kokoa

4. Iza no solontenan’ilay vehivavy eto an-tany ankehitriny, ary tanteraka amin’iza koa io faminaniana io?

4 Tsy ny fahatanterahany tamin’i Jerosalema fahiny ihany no mahaliana antsika amin’io faminaniana io. Manana solontena eto an-tany ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah any an-danitra, ankehitriny, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra.” (Galatiana 6:16) Nanomboka tamin’ny fotoana niforonany tamin’ny Pentekosta taona 33 ka hatramin’izao, dia nahafeno ny isany 144 000 ireo anisan’io firenena ara-panahy io. Ireo no voahosotry ny fanahy ary “navotana niala tamin’ny tany” mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Apokalypsy 14:1, 3) Ireo anisan’ny 144 000 eto an-tany mandritra ny andro farany no tena ahatanterahan’ny Isaia toko faha-60, ankehitriny. (2 Timoty 3:1) Tanteraka amin’ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, naman’izy ireo, koa anefa izy io.—Apokalypsy 7:9; Jaona 10:11, 16.

5. Oviana ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra teto an-tany no toy ny hoe nitakoko tao anaty haizina, ary oviana izy ireo no nomen’i Jehovah fahazavana?

5 Nisy fotoana nahitana an’ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra teto an-tany ho toy ny nitakoko tao anaty haizina, teo am-piandohan’ireo taona 1900. Rehefa nifarana ny Ady Lehibe Voalohany, dia toy ny faty ‘niampatra teny an-dalambe amin’ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta’, izy ireo. (Apokalypsy 11:8) Nomen’i Jehovah fahazavana anefa izy ireo tamin’ny 1919, ka nitsangana ary nampamirapiratra ny fahazavan’Andriamanitra sy nitory tamin-kerim-po ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany.—Matio 5:14-16; 24:14.

6. Inona no nataon’ny ankamaroan’ny olona nahare momba ny fanjakan’i Jesosy, nefa iza no voasinton’ny fahazavan’i Jehovah?

6 Nanaiky hotaomin’i Satana, filohan’ny “mpanjakan’izao fahamaizinana izao, ny ankamaroan’ny olona, ka nanda ilay fanambarana momba ny fanjakan’i Jesosy Kristy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao.” (Efesiana 6:12; Jaona 8:12; 2 Korintiana 4:3, 4) Na izany aza, dia nisy olona an-tapitrisa voasinton’ny fahazavan’i Jehovah. Anisan’izany ny “mpanjaka” (ireo voahosotra handova ilay Fanjakana any an-danitra) sy ny “firenena” (ny olona betsaka anisan’ny ondry hafa).

Tena mahafaly ny fitaran’ny fivavahana marina

7. Inona no zavatra mampihetsi-po tazan’ilay vehivavy?

7 Manome baiko hafa an’ilay vehivavy i Jehovah, mba hamelabelarana kokoa ilay loha hevitra naroso tao amin’ny Isaia 60:3. Hoy izy: “Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo!” Mankatò ilay vehivavy, ary zavatra tena mampihetsi-po no tazan’ny masony: Mody ny zanany! “Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.” (Isaia 60:4) Nanjary nisy ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavy’ voahosotra hafa nanatevin-daharana ny Isiraelin’Andriamanitra, noho ny fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany nanomboka tamin’ny 1919. Toy izany no namenoan’i Jehovah ny isan’ireo 144 000 hiara-manjaka amin’i Kristy.—Apokalypsy 5:9, 10.

8. Inona no nahafaly ny Isiraelin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919?

8 Nahafaly io fitomboana io. “Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.” (Isaia 60:5) Tena nahafaly ny Isiraelin’Andriamanitra ny fanangonana ny voahosotra tamin’ireo taona 1920 sy ireo taona 1930. Nisy zavatra hafa nahafaly azy ireo koa anefa. Nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1930, dia nisy olona avy amin’ny firenena rehetra nanatona ny Isiraelin’Andriamanitra mba hiara-manompo aminy. Nivoaka avy teo anivon’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra sy oharina amin’ny “ranomasina” izy ireo. (Isaia 57:20; Hagay 2:7) Tsy hoe samy manompo an’i Jehovah, araka izay tiany avy, akory ireo olona ireo. Manatona an’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra kosa izy ireo, ary tonga anisan’ilay andian’ondrin’Andriamanitra tafaray. Samy mandray anjara amin’ny fanitarana ny fivavahana marina ny mpanompon’Andriamanitra rehetra.

Mirohotra ho ao Jerosalema ny firenena

9, 10. Iza avy no hita nirohotra nankany Jerosalema, ary ahoana no nandraisan’i Jehovah azy ireo?

9 Mampiasa ohatra fantatr’ireo niara-belona tamin’i Isaia izao i Jehovah, mba hilazana ny fitaran’ny fivavahana marina. Nitazana ny tany atsinanana aloha ilay vehivavy, avy teny amin’ny Tendrombohitr’i Ziona. Inona no hitany? “Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly hambarany.” (Isaia 60:6) Mpivarotra samihafa foko sy nandeha rameva no niara-dia, ho any Jerosalema. (Genesisy 37:25, 28; Mpitsara 6:1, 5; 1 Mpanjaka 10:1, 2) Nisy rameva hatraiza hatraiza, toy ny tondra-drano nanafotra ilay tany! Tsara fikasa ireo olona ireo, matoa nitondra fanomezana sarobidy. Tonga hanompo an’i Jehovah sy hanome azy ny tsara indrindra azony natolotra izy ireo.

10 Tsy ireo mpivarotra ireo ihany anefa no hita nandeha teny. “Ny ondry aman-osy rehetra any Kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota hanompo anao.” Eny, nisy foko mpiompy koa nankany Jerosalema. Nitondra ny andian’ondriny (ny fananany sarobidy indrindra), izy ireo mba hatao fanomezana, ary nanolotra ny tenany koa mba hanompo. Ahoana no nandraisan’i Jehovah azy ireo? Hoy izy: “Hiakatra amin’ny fankasitrahana ho eo ambonin’ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitro.” (Isaia 60:7) Neken’i Jehovah ny fanomezan’izy ireo, izay hampiasaina ho amin’ny fivavahana madio.—Isaia 56:7; Jeremia 49:28, 29.

11, 12. a) Inona no hitan’ilay vehivavy nibanjina ny tany andrefana? b) Nahoana no maro be no maika nankany Jerosalema?

11 Nasain’i Jehovah nitodika tany andrefana izao ilay vehivavy, ary nanontaniany hoe: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?” I Jehovah ihany no namaly izany toy izao: “Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-làlana, hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Isiraely, satria efa nanome voninahitra anao Izy.”—Isaia 60:8, 9.

12 Aoka hatao hoe miara-mijoro amin’ilay vehivavy ianao, ary mibanjina ny any amin’ny farany andrefana amin’ny Ranomasina Lehibe. Inona no hitanao? Pentimpentina fotsy be dia be, toy ny rahona eo ambony rano. Toa vorona ny fahitanao azy, nefa rehefa manatona izy ireo, dia hitanao fa sambo namelatra ny lainy. “Avy lavitra” izy ireo. * (Isaia 49:12) Maro be ireo sambo manatona haingana an’i Ziona ireo, ka toy ny andiam-boromahailala mody ny fahitana azy. Nahoana no maika be io andian-tsambo io? Maika hanatitra an’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah avy tany amin’ny seranana lavitra be izy ireo. Ireo olona vao tonga rehetra ireo (na Isiraelita na vahiny, na avy tany atsinanana na avy tany andrefana, na avy lavitra na akaiky) dia samy maika ho any Jerosalema mba hanolotra ny fananany rehetra ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny.—Isaia 55:5.

13. Iza moa ireo ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavy’ ankehitriny, ary iza ireo “fananan’ny firenena”?

13 Mazava tsara ny teny ilazan’ny Isaia 60:4-9 momba ny fielezan’ny fivavahana marina nanomboka tamin’ny nanomezan’ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah hazavana teto amin’ity tontolo maizina ity! Ny ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavin’i’ Ziona, izany hoe ny Kristianina voahosotra, no tonga voalohany. Nampahafantatra ny tenany ampahibemaso ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tamin’ny 1931. Avy eo dia nisy mpandefitra maro be nanatona haingana ny sisa tamin’ny rahalahin’i Kristy. Ireo no antsoina hoe “fananan’ny firenena” sy “haren’ny ranomasina.” * Avy amin’ny vazan-tany efatra sy ny saranga rehetra ireo mpanompon’i Jehovah rehetra ireo ankehitriny. Manatona ny Isiraely ara-panahy izy ireo, mba hiaraka aminy hidera an’i Jehovah Tompony sy hanandratra ny anarany.

14. Inona no hevitry ny hoe ‘miakatra eo ambonin’ny alitaran’Andriamanitra’ ireo vao tonga?

14 Inona kosa no hevitry ny hoe ‘hiakatra eo ambonin’ny alitaran’Andriamanitra’ ireo vaovao avy any amin’ny firenena ireo? Fanatitra no napetraka teo ambony alitara. Nampiasa io teny io ny apostoly Paoly, tamin’ny filazana hoe: “Mangataka aminareo aho . . . mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” (Romana 12:1) Vonona ny hiezaka mafy ny Kristianina marina. (Lioka 9:23, 24) Manokana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fahaizany izy ireo, mba hampandrosoana ny fivavahana madio. (Romana 6:13) Fanati-piderana azon’Andriamanitra ekena no atolotr’izy ireo amin’izany. (Hebreo 13:15) Tena mampahery ny mahita mpanompon’i Jehovah an-tapitrisa ankehitriny, tanora sy antitra, izay mametraka ny fanirian’ny tenany ao aorian’ny Fanjakan’Andriamanitra! Izany no tena fandavan-tena.—Matio 6:33; 2 Korintiana 5:15.

Mandray anjara amin’ny asa fanitarana ireo vao tonga

15. a) Ahoana no nanehoan’i Jehovah famindram-po tamin’ny hafa firenena, fahiny? b) Inona no fanampiana omen’ny “hafa firenena” ankehitriny mba hampiorenana ny fivavahana marina?

15 Manolotra ny fananany ireo vao tonga ary vonona ny hiasa, mba hanampiana ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah. “Ny hafa firenena no hanangana ny màndanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao.” (Isaia 60:10) Namindra fo tamin’ny hafa firenena i Jehovah tamin’ny taonjato fahenina T.K., ka namela azy ireo hanampy hanorina indray an’i Jerosalema. (Ezra 3:7; Nehemia 3:26) Ireo “hafa firenena” amin’ny andro ankehitriny dia ny olona betsaka, izay manampy ny sisa voahosotra hampiorina ny fivavahana marina. Manampy an’ireo olona ampianariny Baiboly mba hanana toetra kristianina izy ireo. Izany indray kosa dia mampiorina ireo fiangonana kristianina ary manatanjaka ny ‘mandan’ny’ fandaminan’i Jehovah oharina amin’ny tanàna. (1 Korintiana 3:10-15) Manorina ara-bakiteny koa izy ireo, ary miasa mafy manao Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary tranon’ny Betela. Manatona ny rahalahiny voahosotra àry izy ireo, mba hiaraka aminy hikarakara ny fandaminan’i Jehovah izay mihamitatra.—Isaia 61:5.

16, 17. a) Inona no nihazona ireo ‘vavahadin’ny’ fandaminan’Andriamanitra hidanadana? b) Inona no fanompoana nataon’ireo ‘mpanjaka’ ho an’i Ziona? d) Inona no hanjo an’ireo mitady hanidy ireo ‘vavahady’ izay tian’i Jehovah hivoha foana?

16 Olona “hafa firenena” ana hetsy no tonga ao amin’ny fandaminan’i Jehovah isan-taona, ho vokatr’io asa fanorenana ara-panahy io, ary mbola malalaka ny lalana hidiran’ny hafa. Hoy i Jehovah: “Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.” (Isaia 60:11) Iza ireo ‘mpanjaka’ mitarika ny fampidirana ny haren’ireo firenena ho ao Ziona? Nanosika ny fon’ny mpanjaka mba “hanompo” an’i Ziona i Jehovah fahiny. I Kyrosy, ohatra, dia nandray ny fanapahan-kevitra hampody ny Jiosy, mba hanorina indray ny tempoly tany Jerosalema. I Artaksersesy kosa nanome harena, na fitaovana, ary nandefa an’i Nehemia mba hanamboatra ny mandan’ilay tanàna. (Ezra 1:2, 3; Nehemia 2:1-8) Tena toy ny “rano velona eo an-tànan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka.” (Ohabolana 21:1) Afaka mitaona mpanjaka mahery hanatanteraka ny sitrapony mihitsy aza ilay Andriamanitsika.

17 ‘Mpanjaka’, na manam-pahefana, maro no nitady hanidy ireo ‘vavahadin’ny’ fandaminan’i Jehovah ankehitriny. Kanefa nisy hafa nanompo an’i Ziona ka nanapa-kevitra ny hihazona ireo ‘vavahady’ hidanadana. (Romana 13:4) Nanafaka an’i Joseph Rutherford sy ny namany, izay nampidirina am-ponja tsy ara-drariny, ohatra, ireo manam-pahefana tamin’ny 1919. (Apokalypsy 11:13) Nisy fitondram-panjakana “nitelina” ny onjam-panenjehana nalefan’i Satana taorian’ny nanjerana azy avy tany an-danitra. (Apokalypsy 12:16) Ny sasany taminy nanohana ny fahalalahana ara-pivavahana, mba hanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah indrindra indrindra. Nanamora ny fidiran’ny mpandefitra sesehena tamin’ireo ‘vavahadin’ny’ fandaminan’i Jehovah ny fanompoana toy izany. Ahoana kosa ny amin’ireo mpanohitra mitady hanidy an’ireo ‘vavahady’ ireo? Ho very maina fotsiny ny ezaka ataony. Hoy i Jehovah momba azy ireo: “Ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.” (Isaia 60:12) Ho levona izay rehetra miady amin’ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah, na olona tsirairay izany na fikambanana, amin’ny Haramagedona raha ela indrindra.—Apokalypsy 16:14, 16.

18. a) Milaza inona ny hoe hiroborobo ireo hazo ao Isiraely? b) Inona ilay ‘fitoeran-tongotr’i Jehovah’ ankehitriny?

18 Rehefa avy nampitandrina ny amin’io didim-pitsarana io ilay mpaminany, dia nampanantena fahasambarana sy fanambinana indray. Hoy i Jehovah tamin’ilay vehivavy ‘vadiny’: “Ny voninahitr’i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” (Isaia 60:13) Milaza hatsaran-tarehy sy fahavokarana ny hazo mandrobona. (Isaia 41:19; 55:13) Ny teny hoe ‘fitoerana masina’ sy ‘fitoeran-tongotra’ ao amin’io andininy io dia manondro ny tempolin’i Jerosalema. (1 Tantara 28:2; Salamo 99:5) Kanefa nohazavain’ny apostoly Paoly fa ilay tempoly tao Jerosalema dia manondro tempoly ara-panahy lehibe kokoa, izany hoe ny fivavahana amin’i Jehovah miorina amin’ny soron’i Kristy. (Hebreo 8:1-5; 9:2-10, 23) Ny ‘fitoeran-tongotr’i’ Jehovah dia ny kianja eto an-tanin’io tempoly ara-panahy lehibe io. Asian’i Jehovah voninahitra izy io ankehitriny, hany ka manintona olona avy amin’ny firenena rehetra ho amin’ny fivavahana marina.—Isaia 2:1-4; Hagay 2:7.

19. Inona no ho voatery heken’ny mpanohitra, ary rahoviana raha ela indrindra?

19 Hoy indray i Jehovah tamin’ireo mpanohitra: “Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely.” (Isaia 60:14) Eny, hahita ilay fitomboana be sy ny hatsaran’ny fomba fiainan’ilay vahoaka tahin’Andriamanitra ny mpanohitra sasany, ka ho voatosika hiankohoka eo anoloan’ilay vehivavy. Ho voatery hanaiky izy ireo, amin’ny Haramagedona raha ela indrindra, fa ny sisa voahosotra sy ny namany dia tena solontenan’ny “Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely”, na ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra.

Fanararaotana ireo harena, na fitaovana, misy

20. Inona no fiovana lehibe ho hitan’ilay vehivavy?

20 Tena hahita fiovana lehibe ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah! Hoy i Jehovah: “Ho solon’ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay hianao, eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara mandimby. Ary hinono amin’ny jentilisa hianao sady hinono amin’ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.”—Isaia 60:15, 16.

21. a) Inona no hevitry ny hoe ‘nasandratra ho rehareha’ i Jerosalema fahiny? b) Inona no fitahiana azon’ny mpanompon’i Jehovah voahosotra nanomboka tamin’ny 1919, ary inona no hevitry ny hoe ‘ninono tamin’ny jentilisa’ izy ireo?

21 Toy ny hoe tsy nisy i Jerosalema fahiny, satria ‘tsy nisy olona nandeha namaky’ azy nandritra ny 70 taona. Nasian’i Jehovah mponina indray anefa ilay tanàna, nanomboka tamin’ny 537 T.K., ka ‘nasandrany ho rehareha.’ Ny Isiraelin’Andriamanitra koa dia nahita fahoriana be tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany, ka nahatsiaro ho ‘nafoy.’ Nanavotra an’ireo mpanompony voahosotra ireo avy tamin’ny fahababoana anefa i Jehovah tamin’ny 1919. Nitombo tsy nisy ohatra izany ary niroborobo be teo amin’ny ara-panahy izy ireo nanomboka tamin’izay, noho ny fitahian’i Jehovah. ‘Ninono tamin’ny jentilisa’ ny vahoakany, izany hoe nampiasa ny haren’ireo firenena mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Nampiasa tsara ny fahaizana sy fitaovana maoderina izy ireo, ohatra, mba handikana sy hanaovana pirinty Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ny fiteny an-jato. Olona ana hetsy isan-taona àry izao no miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka manjary mahafantatra fa i Jehovah no Mpamonjy sy Mpanavotra azy, amin’ny alalan’i Kristy.—Asan’ny Apostoly 5:31; 1 Jaona 4:14.

Nihatsara ny fomba fandaminan-javatra

22. Inona no fanatsarana manokana nampanantenain’i Jehovah?

22 Tsy nitombo isa fotsiny ny vahoakan’i Jehovah, fa nanatsara ny fomba fandaminany zavatra koa. Hoy i Jehovah: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” (Isaia 60:17) Fanatsarana izany hoe varahina soloana volamena izany; ary toy izany koa ny amin’ireo zavatra hafa voalaza ireo. Nohatsaraina hatrany tokoa ny fomba fandaminana ny vahoakan’i Jehovah, nandritra izao andro farany izao.

23, 24. Inona avy no fanatsarana natao teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919?

23 Anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana nofidin’ny maro an’isa no nitantana ireo fiangonana hatramin’ny 1919. Nanomboka hatreo kosa, dia nisy talen’ny fanompoana notendrena araka izay takin’Andriamanitra, mba hiandraikitra ny asa fitoriana. Nanohitra an’ilay talen’ny fanompoana anefa ny anti-panahy voafidy sasany. Niova izany tamin’ny 1932. Natoro tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa tsy maintsy natsahatr’ireo fiangonana ny fifidianana anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Komitin’ny fanompoana kosa no nasaina nofidin’izy ireo mba hiara-miasa amin’ilay talen’ny fanompoana. Tena fanatsarana lehibe izany.

24 Nisy “volamena” hafa koa nampidirina tamin’ny 1938, rehefa nasaina notendrena araka izay takin’Andriamanitra ny mpikarakara rehetra teo anivon’ny fiangonana. Ilay nantsoina hoe mpikarakara ny fiangonana sy ireo rahalahy nanampy azy no nanankinana ny fitantanana ny fiangonana. Samy notendrena teo ambany fitarihan’ny mpanompo mahatoky sy malina izy ireo. (Matio 24:45-47) Fantatra tamin’ny 1972 anefa fa, araka ny Soratra Masina, dia anti-panahy maromaro no tokony hiara-miandraikitra ny fiangonana, fa tsy lehilahy iray monja. (Filipiana 1:1) Nisy fiovana hafa koa natao teo anivon’ny fiangonana sy teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Ohatra, nampandrenesina tamin’ny 7 Oktobra 2000 fa nametra-pialana tsy ho anisan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Pennsylvanie sy ny fikambanana mifandray aminy, ny sasany tamin’ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Afaka mifantoka kokoa amin’ny raharaha ara-panahin’ny “fiangonan’Andriamanitra” sy ny ondry hafa àry ny Filan-kevi-pitantanana, izay solontenan’ny mpanompo mahatoky sy malina. (Asan’ny Apostoly 20:28) Fanatsarana izany fiovana rehetra izany, satria nanatanjaka ny fandaminan’i Jehovah ary nitondra fitahiana ho an’ny mpanompony.

25. Iza no tompon’andraikitra tamin’ny fanatsarana ny fomba fandaminan-javatra, ary inona no soa naterak’izany?

25 Iza no tompon’andraikitra tamin’ireny fanatsarana ireny? Olona mahay mandamin-javatra manokana ve? Tsia, satria nilaza i Jehovah hoe: ‘Izaho hahatonga volamena.’ Ny fitarihan’Andriamanitra no nahatonga izany fandrosoana rehetra izany. Manaiky ny fitarihany sy manitsy izay tsy mety ny vahoakany, ka mandray soa be dia be. Manjaka ny fiadanana eo anivon’izy ireo, ary ny fitiavana ny rariny no anompoany an’i Jehovah.

26. Miaiky ny amin’ny inona na dia ny mpanohitra aza?

26 Mampiova olona ny fiadanana avy amin’Andriamanitra. Hoy i Jehovah: “Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao; ny màndanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.” (Isaia 60:18) Tena marina izany! Na ny mpanohitra aza miaiky fa tena mampiavaka ny Kristianina marina ny fihavanana. (Mika 4:3) Mihavana amin’Andriamanitra sy amin’izy samy izy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena toeram-pialofana mahafinaritra eto amin’ity tontolo mampahory ity ny toeram-pivoriany. (1 Petera 2:17) Izany dia santatry ny fiadanana hisy, rehefa ho “nampianarin’i Jehovah” ny mponina rehetra amin’ny tany.—Isaia 11:9; 54:13.

Toy ny hazavana be voninahitra ny fankasitrahan’Andriamanitra

27. Inona ilay hazavana hamirapiratra foana eo amin’ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah?

27 Hazavain’i Jehovah toy izao ny herin’ilay hazavana mamirapiratra eo amin’i Jerosalema: “Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao. Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.” (Isaia 60:19, 20) Ho ‘fanazavana mandrakizay’ ho an’ilay vehivavy ‘vadiny’ i Jehovah. Tsy “hilentika” toy ny masoandro sy ny volana mihitsy izy. * Hamirapiratra eo amin’ny Kristianina voahosotra foana ny fankasitrahany, satria izy ireo no solontenan’ilay vehivavy ‘vadin’Andriamanitra’ eto an-tany. Tena manjelanjelatra ny hazavana ara-panahy azon’izy ireo sy ny olona betsaka, ary tsy hampihena azy io ny haizin’ny tontolo ara-politika na ara-toe-karena. Matoky an’ilay hoavy mamirapiratra ampanantenain’i Jehovah koa izy ireo.—Romana 2:7; Apokalypsy 21:3-5.

28. a) Inona no nampanantenaina an’ireo niverina tany Jerosalema? b) Inona no azon’ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919? d) Hatramin’ny rahoviana no handovan’ny marina ny tany?

28 Hoy ihany i Jehovah momba ny mponin’i Jerosalema: “Ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako, asan’ny tànako ho fampisehoam-boninahitra.” (Isaia 60:21) Nahazo tany ny Isiraely fahiny, rehefa niverina avy tany Babylona. Tsy naharitra “mandrakizay” anefa ny fananany azy io, fa nifarana rehefa noravan’ny tafika romanina i Jerosalema sy ny fanjakana jiosy. Nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919; kanefa tsy nahazo tany ara-bakiteny izy ireo, fa nomena fahefana kosa mba hanao ny asan’Andriamanitra eto an-tany. (Isaia 66:8) Tsy hifarana mihitsy ny fitahiana sy fanambinana ho azony, satria tsy hivadika toy ny nataon’ny firenen’ny Isiraely fahiny ny Isiraelin’Andriamanitra. Ho tanteraka ara-bakiteny koa ny faminanian’i Isaia, rehefa ho tonga paradisa holovan’ny marina ny tany. Hiaina mandrakizay ao anatin’ny fiadanana izy ireo ao.—Salamo 37:11, 29.

29, 30. Inona no nahatonga ilay “kely” teo aloha ho “arivo”?

29 Mifarana amin’izao fampanantenan’i Jehovah izao ny Isaia toko faha-60: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Fony izy ireo tafarina mba hiasa indray tamin’ny 1919, dia “kely”, na hoe vitsy, ny sisa voahosotra. * Nitombo anefa ny isany, rehefa nampidirina ho anisany ny sisa taminy. Vao mainka nahazendana ny fitomboana, rehefa nanomboka ny fanangonana ny olona betsaka.

30 Vetivety foana dia tonga “firenena mahery” ara-bakiteny ilay “kely” teo aloha, satria olona tso-po maro be no voasinton’ny fiadanana sy ny fahamarinana teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Be mponina kokoa noho ny firenena maro eto an-tany io firenena io ankehitriny. Mazava fa i Jehovah no nitarika ny asan’ilay Fanjakana sy nanafaingana azy, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tena mampientam-po ny mahita ny fivavahana marina miely maneran-tany, sy ny mandray anjara amin’io fanitarana azy io! Eny, mahafaly ny mahalala fa manome voninahitra an’i Jehovah io fitomboana efa nolazainy ela be mialoha io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Tany Espaina angamba no nisy an’i Tarsisy. Kanefa milaza ny boky sasany fa ny teny hoe “sambon’i Tarsisy” dia manondro karazan-tsambo (“sambo avo salazana izay namakivaky ireo ranomasimbe”) izay “afaka nivezivezy nankany Tarsisy”, izany hoe sambo afaka nanao dia hatrany amin’ny seranana lavitra.—1 Mpanjaka 22:49.

^ feh. 13 Efa nisy Kristianina be zotom-po nanantena ny hiaina eto an-tany niaraka tamin’ny Isiraelin’Andriamanitra, talohan’ny 1930, nefa taorian’izay vao tena nanomboka nitombo ny isany.

^ feh. 27 Mampiasa teny mitovy amin’izany ny apostoly Jaona, rehefa miresaka momba an’i “Jerosalema vaovao”, na ny 144 000 efa nomem-boninahitra any an-danitra. (Apokalypsy 3:12; 21:10, 22-26) I “Jerosalema vaovao” dia ireo rehetra anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra nahazo ny valisoany any an-danitra. Amin’izay izy ireo, miaraka amin’i Jesosy Kristy, dia tonga ny tapany lehibe indrindra amin’i “Jerosalema any ambony”, ilay vehivavy vadin’Andriamanitra.—Galatiana 4:26.

^ feh. 29 Tsy nisy 4 000 akory ny isan’ireo nitory ny vaovao tsara isam-bolana tamin’ny 1918.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 305]

Nasaina ‘nitsangana’ ilay vehivavy

[Sary, pejy 312, 313]

Nitondra ny mpivavaka tamin’i Jehovah ireo “sambon’i Tarsisy”