Mihoby Ilay Vehivavy Momba
Toko Fahadimy Ambin’ny Folo
Mihoby Ilay Vehivavy Momba
1. Nahoana i Saraha no naniry hanan-janaka, ary inona no zavatra niainany?
NANIRY mafy ny hanan-janaka i Saraha. Mampalahelo anefa fa momba izy, ary ory dia ory noho izany. Fahafaham-baraka ny hoe momba tamin’izany andro izany. Tsy izany ihany anefa no tena nampahory an’i Saraha. Nanantena mafy ny hahita ny fahatanterahan’ny teny nataon’Andriamanitra tamin’ny vadiny koa izy. Tokony ho tonga rain’ilay taranaka hitahiana ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany mantsy i Abrahama. (Genesisy 12:1-3) Kanefa mbola tsy nanan-janaka ihany izy ireo, am-polo taona tatỳ aoriana. Efa nihantitra i Saraha, ary mbola momba ihany. Mety ho nanontany tena izy raha very maina ireny taona niandrasany ireny. Indray andro anefa, dia nivadika ho fifaliana ny famoizam-pony!
2. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-54?
2 Manampy antsika hahazo ny hevitr’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-54 ny fahorian’i Saraha. Ao i Jerosalema dia oharina amin’ny vehivavy momba, izay nifaly aoka izany, satria lasa niteraka be dia be. Antsoin’i Jehovah hoe vadiny ilay vahoakany fahiny, ka hita amin’izany ny fitiavany azy ireo. Io toko io koa dia manampy antsika hahatakatra lafiny lehibe iray amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “zava-niafina.” (Romana 16:25, 26) Ny fahafantarana hoe iza io “vehivavy” io, sy ny filazan’ilay faminaniana momba ny zavatra hiainany, dia mampianatra zavatra lehibe momba ny fivavahana madio ankehitriny.
Fantatra ilay vehivavy
3. Nahoana no hanana antony hihobiana ilay vehivavy momba?
3 Izao teny falifaly izao no anombohan’ny toko faha-54: “Mihobia, ry momba, hianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, hianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manam-bady, hoy Jehovah.” (Isaia 54:1) Tena tsy maintsy ho nampihetsi-po an’i Isaia ny nilaza ireo teny ireo! Ary endrey ny fampiononana hoentin’ny fahatanterahan’izy ireo ho an’ny Jiosy babo tany Babylona! Mbola ho lao i Jerosalema amin’izay. Toa tsy ho azo nantenaina ny hisian’ny mponina ao indray, raha araka ny fijerintsika olombelona. Toy ny vehivavy momba efa antitra, izay tsy afaka nanantena ny hiteraka intsony, izy. Nisy fitahiana lehibe niandry an’io vehivavy an’ohatra io anefa: Hiteraka izy. Tsy ho omby tratra ny hafalian’i Jerosalema amin’izay. Ho feno ‘zanaka’, na mponina, indray izy.
4. a) Inona no tenin’i Paoly mampiseho fa tsy maintsy tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa noho ny tamin’ny 537 T.K. ny Isaia toko faha-54? b) Inona moa ilay “Jerosalema any ambony”?
4 Mety ho tsy fantatr’i Isaia akory fa hisy fahatanterahany maromaro io faminaniana io. Manonona ny Isaia toko faha-54, ohatra, ny apostoly Paoly, ary manazava fa mifanitsy amin-javatra lehibe kokoa noho ny tanànan’i Jerosalema teto an-tany ny hoe “vehivavy.” Hoy izy: “Jerosalema any ambony . . ., izay renintsika, dia tsy mba andevo.” (Galatiana 4:26) Inona moa io “Jerosalema any ambony” io? Mazava fa tsy ilay tanànan’i Jerosalema tany amin’ny Tany Nampanantenaina, izay teto an-tany, izy io. ‘Vadin’Andriamanitra’ any an-danitra i “Jerosalema any ambony”, izany hoe ny fandaminany voaforon’ireo anjely mahery.
5. Araka ny Galatiana 4:22-31, mifanandrify amin’iza moa i a) Abrahama? b) Saraha? d) Isaka? e) Hagara? f) Isimaela?
Galatiana 4:22-31; jereo “Iza no Mifanandrify Amin’ny Fianakavian’i Abrahama?”, eo amin’ny pejy 218.) I Saraha, ilay vehivavy “tsy andevo” sady vadin’i Abrahama, dia mifanandrify amin’ny fandaminan’i Jehovah voaforon’ireo anjely ary antsoina hoe vadin’i Jehovah. I Hagara, ilay andevovavy sady vadikelin’i Abrahama, kosa dia mifanandrify amin’i Jerosalema eto an-tany.
5 Ahoana anefa no ananan’i Jehovah vady an’ohatra roa, ka ny iray any an-danitra ary ilay faharoa eto an-tany? Misy zavatra tsy mifanaraka ve amin’izany? Tsia! Ny tenin’ny apostoly Paoly momba izay mifanandrify amin’ny mpianakavin’i Abrahama no hanazava izany. (6. Tamin’ny heviny ahoana ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra no momba, nandritra ny ela be?
6 Rehefa heverina izany, dia mihamazava amintsika izao ny hevitra lalina fonosin’ny Isaia 54:1. Momba nandritra ny am-polo taona i Saraha, nefa rehefa 90 taona izy dia niteraka an’i Isaka. Momba nandritra ny ela be toy izany koa ilay fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Nampanantena i Jehovah tany Edena fa hanana ‘taranaka’ io “vehivavy” vadiny io. (Genesisy 3:15) Roa arivo taona mahery tatỳ aoriana, dia nanao fanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, momba ilay Taranaka nampanantenaina. Tsy maintsy niandry an-jato taona anefa ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra, vao niteraka an’io Taranaka io. Na izany aza dia nihoatra noho ny isan’ny zanak’i Isiraely araka ny nofo ny an’ny zanak’io ‘vehivavy momba’ taloha io, rehefa nandeha ny fotoana. Iny ohatra ny amin’ilay vehivavy momba iny dia manampy antsika hahazo hoe nahoana ny anjely no may hanambara ny fahatongavan’ilay Taranaka nampanantenaina. (1 Petera 1:12) Oviana tokoa izany no tanteraka?
7. Oviana i “Jerosalema any ambony” no afaka nihoby, ho fahatanterahan’ny Isaia 54:1, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
7 Tena nihoby tokoa ny anjely, rehefa teraka teto an-tany Lioka 2:9-14) Tsy io anefa ilay nambaran’ny faminanian’ny Isaia 54:1. Fony i Jesosy nateraky ny fanahy masina tamin’ny taona 29 vao tonga zanaka ara-panahin’i “Jerosalema any ambony” izy. Nambaran’Andriamanitra ampahibemaso tamin’io fa ‘Zanany malalany’ izy. (Marka 1:10, 11; Hebreo 1:5; 5:4, 5) Tamin’izay ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra no tena nihoby, ho fahatanterahan’ny Isaia 54:1. Niteraka an’ilay Taranaka nampanantenaina, dia ny Mesia, ihany izy rehefa ela ny ela! Momba nandritra ny an-jato taona izy, nefa niova izany izao. Mbola nanana antony hafa hihobiana koa anefa izy.
i Jesosy. (Nanjary maro anaka ilay vehivavy momba
8. Nahoana no afaka nihoby ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra, rehefa niteraka an’ilay Taranaka nampanantenaina?
8 Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nihoby Kolosiana 1:18) Nanomboka niteraka zanaka ara-panahy hafa koa izy avy eo. Nisy mpanara-dia an’i Jesosy 120 voahosotry ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, ka tonga zanaka koa sady mpiara-mandova amin’i Kristy. Nisy 3 000 nanampy azy ireo, taoriana kely tamin’io andro io ihany. (Jaona 1:12; Asan’ny Apostoly 1:13-15; 2:1-4, 41; Romana 8:14-16) Nihanitombo ny isan’ireo zanaka ireo. Tsy nitombo firy intsony anefa io isany io, rehefa nipoitra kosa ny Kristianina Anarana mpivadi-pinoana. Kanefa niova izany tamin’ny taonjato faha-20.
ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra nandray indray an’io Zanaka nankasitrahana io, dia ilay “Lahimatoa tamin’ny maty.” (9, 10. Inona no hevitry ny hoe ‘manalalaka ny itoeran’ny lay’, ho an’ny vehivavy nonina an-day fahiny, ary nahoana izany no fotoam-pifaliana ho azy?
9 Naminany momba ny fotoam-pitomboana be iray izao i Isaia: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao; fa hitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia hianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao. Aza matahotra, fa tsy ho menatra hianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka hianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.”—Isaia 54:2-4.
10 Eto i Jerosalema dia aseho ho toy ny vady sady reny mitoetra an-day, sahala amin’i Saraha. Tsy maintsy nanitatra ny trano lainy ny renim-pianakaviana, rehefa nihanitombo ny fianakaviany. Nila nampiasa lay sy tady lava kokoa izy, sy
nanamafy ireo ‘tsima-day’ fanenjanana lay teo amin’ny toerany vaovao. Nahafaly azy io asa io, ary rehefa variana tamin’izany izy, dia mety ho nanadino mora foana ireo taona nampanahy azy momba ny hoe mbola hanan-taranaka ihany ve izy.11. a) Inona no fitahiana azon’ny vadin’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona no fitahiana azon’ny voahosotra eto an-tany, nanomboka tamin’ny 1919?
11 Nisy fanavaozana toy izany teo anivon’ilay Jerosalema teto an-tany, taorian’ilay sesitany tany Babylona. Nihoatra lavitra noho izany aza ny fitahiana azon’i “Jerosalema any ambony.” * Niroborobo ny ‘zanany’ voahosotra, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919, satria vao avy narenina ny toe-piainany ara-panahy. (Isaia 61:4; 66:8) ‘Nahazo jentilisa’ izy ireo, satria nankany amin’ny tany maro mba hitady an’izay rehetra hanatevin-daharana ny fianakaviany ara-panahy. Nitombo haingana tsy nisy ohatra izany àry ireo voahosotra voangona. Toa feno ny isany 144 000 teo antenatenan’ireo taona 1930. (Apokalypsy 14:3) Tsy nifantoka tamin’ny fanangonana ny voahosotra intsony àry ny asa fitoriana, nefa tsy nitsahatra teo ny fitomboana.
12. Iza koa, ankoatra ny voahosotra, no nangonina ho ao amin’ny fiangonana kristianina, nanomboka tamin’ireo taona 1930?
12 Naminany i Jesosy fa ankoatra ny “ondry vitsy”, izany hoe ny rahalahiny voahosotra, dia hanana “ondry hafa” koa izy. Hangonina ho anisan’ny Kristianina marina koa ireo. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Tsy voahosotra, na zanak’i “Jerosalema any ambony”, ireo olo-mahatoky naman’ny voahosotra ireo, nefa manana anjara lehibe efa nambara ela be mialoha. (Zakaria 8:23) Nanomboka tamin’ireo taona 1930 ka hatramin’izao, dia “olona betsaka” amin’izy ireo no efa nangonina, ka tena nitatra be ny fiangonana kristianina. (Apokalypsy 7:9, 10) Miisa an-tapitrisa ny olona betsaka ankehitriny. Mila manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary biraon’ny sampana fanampiny haingana àry isika. Mbola tsy marina toy ny amin’izao fotoana izao ny tenin’i Isaia. Tena tombontsoa ny mandray anjara amin’izany fanitarana nambara mialoha izany!
Reny miahy ny zanany
13, 14. a) Nahoana no toa sarotra ny mahazo ny hevitry ny teny sasany ampiharina amin’ny ‘vadin’Andriamanitra’ any an-danitra? b) Inona no azontsika avy amin’ny fampiasan’Andriamanitra ny hoe fianakaviana?
13 Efa hitantsika fa ilay vehivavy ao amin’ilay faminaniana dia mifanandrify amin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Rehefa avy namaky ny Isaia 54:4 anefa isika, dia mety hanontany tena hoe efa nahatsapa henatra na tondromaso ve io fandaminana voaforon’ny anjely io. Lazain’ireo andininy manaraka fa hafoy sy hampahorina ary hotafihina io ‘vadin’Andriamanitra’ io. Hampahatezitra an’Andriamanitra mihitsy aza izy. Ahoana no hetezan’izany, nefa anjely lavorary sy tsy nanota mihitsy no mahaforona azy io? Ny hevitry ny hoe fianakaviana no manome ny valiny.
14 Mampiasa ny fifandraisan’ny mpianakavy (ny mpivady, ny reny sy ny zanany) i Jehovah, mba hilazana fahamarinana lalina, satria azon’ny olombelona tsara izany. Na manao ahoana na manao ahoana fiainam-pianakaviantsika taloha sy ankehitriny, dia azo inoana fa fantatsika ny atao hoe fanambadiana vanona sy ray aman-dreny sy zanaka mihavana tsara. Tena mazava sy mandaitra tsara tokoa ilay ohatra noraisin’i Jehovah! Fantatsika izao fa misy fifandraisana akaiky sy feno fitiavana sy fifampitokisana, eo aminy sy ny mpanompony ara-panahy maro be. Fantatsika koa fa miahy an’ireo zanany voahosotra eto an-tany ny Matio 25:40.
fandaminan’i Jehovah any an-danitra! Rehefa mijaly ny mpanompony eto an-tany, dia mijaly koa ireo mpanompo mahatoky any an-danitra, dia i “Jerosalema any ambony.” Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko [voahosotry ny fanahy] kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”—15, 16. Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 54:5, 6 voalohany, sy tatỳ aoriana?
15 Tsy mahagaga àry raha mahakasika an’ireo zanany eto an-tany koa ireo zavatra lazaina momba ilay ‘vadin’Andriamanitra’ any an-danitra. Diniho, ohatra, ireto teny ireto: “Ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany; ary ny Iray Masin’ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany. Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.”—Isaia 54:5, 6.
16 Iza moa io antsoina hoe “vady” io? Izany dia i Jerosalema, izay manondro ny vahoakan’Andriamanitra, fony tanteraka voalohany ilay faminaniana. Nahatsiaro tena ho nafoin’i Jehovah sy napetrany izy ireo, nandritra ilay sesitany 70 taona tany Babylona. I “Jerosalema any ambony” kosa no tondroin’ilay hoe “vady”, fony tanteraka tamin’ny ambaratonga lehibe kokoa ilay faminaniana. Izy io no niteraka ilay ‘taranaka’ voalazan’ny Genesisy 3:15.
Famaizana vetivety, fa fitahiana mandrakizay kosa
17. Ahoana no ‘nirehetan’ny’ fahatezeran’Andriamanitra a) tamin’i Jerosalema teto an-tany? b) tamin’ny zanak’i “Jerosalema any ambony”?
17 Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Indray mipì-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ny indra-fo lehibe kosa no ampodiako anao. Tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipì-maso monja, Isaia 54:7, 8) ‘Nirehetan’ny’ fahatezeran’Andriamanitra i Jerosalema, fony notafihin’ny miaramilan’i Babylona tamin’ny 607 T.K. Mety ho toa lava be izany sesitany 70 taona izany. “Indray mipì-maso monja” anefa ny fisedrana toy izany, raha oharina amin’ireo fitahiana mandrakizay miandry an’ireo manaiky ilay famaizana. Nahatsiaro ho ‘nirehetan’ny’ fahatezeran’i Jehovah koa ireo voahosotra zanak’i “Jerosalema any ambony”, fony izy ireo navelan’Andriamanitra hotafihin’ny filoha ara-politika, izay nampirisihin’i Babylona Lehibe. Toa fohy dia fohy anefa ny fahitana izany famaizana izany tatỳ aoriana, raha nampitahaina tamin’ilay fe-potoana feno fitahiana ara-panahy nanomboka tamin’ny 1919!
fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.” (18. Inona no ianarantsika momba ny fahatezeran’i Jehovah amin’ny vahoakany, ary inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika?
18 Milaza fahamarinana lehibe hafa ireo andininy ireo: Mihelina ny fahatezeran’Andriamanitra, fa ny famindram-pony kosa maharitra mandrakizay. Mirehitra ny fahatezerany, noho ny fanaovan-dratsy, nefa voafehiny tsara sy misy Jakoba 5:14) Marina fa mety hofaizina isika amin’izay, ary sarotra ny manaiky famaizana indraindray. (Hebreo 12:11) Ho vetivety anefa ilay izy, rehefa ampitahaina amin’ny fitahiana mandrakizay hoentin’ny fahazoana ny famelan’i Jehovah Andriamanitra!
zava-kendrena foana. Ary raha manaiky ny famaizan’i Jehovah isika, dia “indray mipì-maso monja” dia ho afaka ny fahatezerany. Haneho ny ‘indrafony lehibe’ izy, izany hoe famelan-keloka sy fitiavana. Maharitra “mandrakizay” ireo. Tokony hibebaka tsy misy hataka andro àry isika, rehefa manota, ka hiezaka hihavana indray amin’Andriamanitra. Tokony hanatona ny anti-panahy avy hatrany isika, raha fahotana lehibe ilay izy. (19, 20. a) Inona ilay fanekena ny amin’ny avana, ary nilaza inona ho an’ireo babo tany Babylona izy io? b) Toky inona no omen’ilay ‘faneken’ny fihavanana’ ho an’ny Kristianina voahosotra ankehitriny?
19 Nanome toky sy fampiononana ho an’ny vahoakany izao i Jehovah: “Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa, dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.” (Isaia 54:9, 10) Nanao fanekena tamin’i Noa sy ny zavamiaina hafa rehetra Andriamanitra, taorian’ny Safo-drano. Antsoina hoe fanekena ny amin’ny avana izy io, indraindray, satria nampanantena i Jehovah fa tsy handringana ny tany amin’ny safo-drano intsony. (Genesisy 9:8-17) Inona no hevitr’izany ho an’i Isaia sy ny fireneny?
20 Nampionona azy ireo ny nahalala fa indray mandeha monja no hampiharana ny famaizana aminy (rehefa hatao sesitany 70 taona any Babylona izy ireo). Tsy hiverina fanindroany izany. Aorian’izay, dia hanan-kery ilay ‘faneken’ny fihavanan’Andriamanitra.’ Ilay teny hebreo nadika hoe ‘fihavanana’,
na fiadanana, dia tsy milaza tsy fisian’ny ady fotsiny, fa fahasambarana amin’ny lafiny rehetra koa. Maharitra io fanekena io, raha ny amin’Andriamanitra. Rehefa hanjavona ny havoana sy ny tendrombohitra vao hitsahatra ny hatsaram-pony amin’ny vahoakany mahatoky! Mampalahelo fa nivadika tamin’ilay fanekena ny vahoakany, ka nanapaka tanteraka an’ilay fihavanana, satria nanda ny Mesia. Tsy toy izany kosa anefa i “Jerosalema any ambony”: Nomen’Andriamanitra toky izy ireo fa harovany, raha vao tapitra ilay fotoam-pamaizana.Ny filaminana ara-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra
21, 22. a) Nahoana no hoe ory sy asafotofoton’ny tafio-drivotra i “Jerosalema any ambony”? b) Milaza inona momba ny ‘zanany’ eto an-tany ny fitahiana azon’ilay ‘vadin’Andriamanitra’ any an-danitra?
21 Naminany filaminana ho an’ny vahoakany nahatoky i Jehovah avy eo: “Hianao, ry ory izay afotofoton’ny tafio-drivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ny safira, hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny fari-taninao manodidina. Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao. Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra hianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.”—Isaia 54:11-15.
22 Tsy nampahorina nivantana na nasafotofoton’ny tafio-drivotra ara-bakiteny ilay ‘vadin’i’ Jehovah any an-danitra. Nijaly anefa izy, rehefa nijaly ny ‘zanany’ voahosotra eto an-tany. Marina indrindra izany, fony nobaboina ara-panahy izy ireo, teo anelanelan’ny 1918 sy 1919. Raha misandratra
kosa anefa io vehivavy any an-danitra io, izany dia taratr’izay tsapan’ny zanany. Diniho izao ilay filazana be voninahitra momba an’i “Jerosalema any ambony.” Misy boky milaza fa ireo vatosoa eo amin’ny vavahady sy ny “antimony”, na rihitra mafy lafo vidy, ny fanambaniny, ary ny manodidina na sisin-tany, dia milaza “hatsaran-tarehy, voninahitra, fahadiovana, hery ary hamafy.” Inona no hahatonga ny Kristianina voahosotra hahita filaminana sy fitahiana toy izany?23. a) Inona no vokatry ny ‘fampianaran’i Jehovah’ ny Kristianina voahosotra, amin’ny andro farany? b) Inona no hevitry ny hoe nomena ‘vatosoa ho sisin-tany’ ny vahoakan’i Jehovah?
23 Mamaly izany ny Isaia 54:13 hoe: Samy ‘hampianarin’i Jehovah’ izy rehetra. Nampiharin’i Jesosy tamin’ny mpianany voahosotra ireo teny ireo. (Jaona 6:45) Nilaza i Daniela mpaminany fa hotahina ireo voahosotra ka homena fahalalana marina sy fahatakaran-javatra ara-panahy be dia be, amin’ny “andro farany.” (Daniela 12:3, 4) Izany dia nanampy azy ireo hitarika ilay fandaharam-pampianarana lehibe indrindra teo amin’ny tantara: Ny fanelezana ny fampianaran’Andriamanitra maneran-tany. (Matio 24:14) Izany koa dia nanampy azy ireo hahita ny fahasamihafan’ny fivavahana marina sy diso. Milaza momba ny ‘faritany manodidina vita amin’ny vatosoa’ ny Isaia 54:12. Nanampy ny voahosotra hahita tsara kokoa ireo faritany manodidina, na sisin-tany, ireo i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919. Izany dia sisin-tany ara-panahy, mampisaraka azy ireo amin’ny fivavahan-diso sy ny tapany ratsy hafa amin’ity tontolo ity. (Ezekiela 44:23; Jaona 17:14; Jakoba 1:27) Voatokana mba ho vahoakan’Andriamanitra àry izy ireo.—1 Petera 2:9.
24. Inona no hataontsika raha te hampianarin’i Jehovah isika?
24 Tokony hanontany tena àry ny tsirairay amintsika hoe: ‘Moa ve aho manaiky hampianarin’i Jehovah?’ Tsy azontsika ho azy izany fampianarana izany, fa tsy maintsy manao ezaka isika: Mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka sy misaintsaina momba azy io; mianatra sy mamaky ny boky Matio 24:45-47) Tokony hiezaka hampihatra izay ianarantsika koa isika, sy hifoha ary hiambina ara-panahy foana. Hampiavaka antsika amin’ity tontolo ratsy ity ny fampianaran’Andriamanitra, raha manao izany isika. (1 Petera 5:8, 9) Tsara noho izany aza, fa ‘hampanatona antsika an’Andriamanitra’ izany.—Jakoba 1:22-25; 4:8.
sy gazety ara-baiboly avoakan’ny “mpanompo mahatoky”; manomana sy manatrika ny fivoriana kristianina. Tena hampianarin’i Jehovah tokoa isika, raha manao izany. (25. Midika ho inona ho an’ny vahoakany ankehitriny ny fampanantenan’Andriamanitra fiadanana?
25 Asehon’ny faminanian’i Isaia koa fa hahita tena fiadanana ny voahosotra. Midika ve izany fa tsy hisy hanafika mihitsy izy ireo? Tsia, fa manome toky kosa Andriamanitra fa tsy ho avy aminy izany fanafihana izany, ary tsy havelany hahomby. Izao no vakintsika: “Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.”—Isaia 54:16, 17.
26. Nahoana no manome toky ny vahoakan’i Jehovah ny fahafantarany fa i Jehovah no Mpamorona ny olombelona rehetra?
26 Fanindroany izao i Jehovah, ato amin’ity Isaia toko faha-54 ity, no mampahatsiahy ny mpanompony fa izy no Mpamorona. Tamin’ny voalohany, dia nilazany ilay vadiny ara-panoharana fa ‘Mpanao azy’ izy. Izao kosa izy dia milaza fa izy no Mpamorona ny olombelona rehetra. Miresaka olona roa ny andininy faha-16: ny mpanefy, izay mitsoka ny afon’arina fiasany mba hanamboarany ny fiadiany, sy ny mpiady, izay lazaina ho “mpandringana mba handringana.” Mety hampahatahotra ny mpiara-monina aminy ny fahitany an’ireo lehilahy ireo, nefa ho afaka handresy ny Mpamorona azy ve izy ireo? Toy izany koa ankehitriny, na hanafika ny vahoakan’Andriamanitra aza ny tafika mahery indrindra eto an-tany, dia tsy haharesy azy. Nahoana?
27, 28. Afaka matoky ny amin’ny inona isika amin’izao andro sarotra izao, ary nahoana isika no mahafantatra fa tsy hahomby ny famelezan’i Satana antsika?
27 Efa lasa ny fotoana nitadiavana hanafoana ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fivavahan’izy ireo aminy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. (Jaona 4:23, 24) Namela an’i Babylona Lehibe hanafika indray mandeha, sy hahomby vetivety, i Jehovah. Toa nangina ny zanak’i “Jerosalema any ambony” nandritra ny fotoana fohy, satria saika nijanona tanteraka ny asa fitoriana teto an-tany. Tsy hiverina fanindroany izany! Mifaly noho ireo zanany i “Jerosalema any ambony” izao, satria tsy mety resy izy ireo, amin’ny lafiny ara-panahy. (Jaona 16:33; 1 Jaona 5:4) Nisy, sady mbola hisy, fiadiana noforonina hamelezana azy ireo. (Apokalypsy 12:17) Tsy nahomby anefa izy ireny, ary tsy hahomby. Tsy manana fiadiana afaka hamono ny finoana sy ny zotom-pon’ny voahosotra sy ny namany i Satana. “Lovan’ny mpanompon’i Jehovah” io fiadanana ara-panahy io, ka tsy hisy ho afaka handroba azy io aminy.—Salamo 118:6; Romana 8:38, 39.
28 Eny tokoa, tsy hisy na inona na inona hataon’ny tontolon’i Satana ho afaka hampijanona ilay asa sy ilay fivavahana madio sy maharitra ataon’ny mpanompon’Andriamanitra. Tena nampionona an’ireo voahosotra, zanak’i “Jerosalema any ambony”, izany fanomezan-toky izany. Toy izany koa ny olona betsaka. Mihamatanjaka ny finoantsika, rehefa mitombo ny fahalalantsika momba ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra sy ny fitondrany ny mpanompony eto an-tany. Ary raha matanjaka ny finoantsika, dia ho very maina ny fiadiana hamelezan’i Satana antsika!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Lazain’ny Apokalypsy 12:1-17 fa notahina ilay “vehivavy” vadin’Andriamanitra, satria niteraka ‘zanaka’ niavaka: tsy zanaka ara-panahy akory, fa ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra. Tamin’ny 1914 izany no nitranga. (Jereo Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy 177-186.) Ny faminanian’i Isaia kosa milaza ny fifaliana ho tsapan’ilay vehivavy, noho ny fitahian’Andriamanitra ny zanany voahosotra eto an-tany.
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 218, 219]
Iza no Mifanandrify Amin’ny Fianakavian’i Abrahama?
Nohazavain’ny apostoly Paoly fa ny fianakavian’i Abrahama dia mifanandrify amin’ny fifandraisan’i Jehovah amin’ny fandaminany any an-danitra sy amin’ny firenen’ny Isiraely teto an-tany teo ambany faneken’ny Lalàn’i Mosesy.—Galatiana 4:22-31.
I Abrahama, loham-pianakaviana, dia mifanandrify amin’i Jehovah Andriamanitra. Vonona ny hanolotra an’i Isaka, zanany malala, ho sorona, i Abrahama, toa an’i Jehovah vonona ny hanolotra an’ilay Zanany malala ho sorona hanavotana ny olombelona.—Genesisy 22:1-13; Jaona 3:16.
I Saraha dia mifanandrify amin’ny ‘vadin’Andriamanitra’ any an-danitra, na ny fandaminany voaforon’ireo anjely. Mety tsara ny iantsoana ny fandaminan’i Jehovah hoe ‘vadiny’, satria mifandray akaiky aminy izy io, manaiky azy ho lohany, ary manampy azy mba hanatanterahana ny fikasany. Antsoina hoe “Jerosalema any ambony” koa izy io. (Galatiana 4:26) Izy io koa ilay “vehivavy” voatonona ao amin’ny Genesisy 3:15 sy Apokalypsy 12:1-6, 13-17.
I Isaka dia mifanandrify amin’ilay Taranaka ara-panahy naterak’ilay vadin’Andriamanitra. I Jesosy Kristy no lehibe indrindra aminy, ary avy eo dia ny rahalahiny, izay natsangana ho zanaka ara-panahy sy mpiara-mandova aminy.—Romana 8:15-17; Galatiana 3:16, 29.
I Hagara, ilay vadikelin’i Abrahama, dia andevo, ka mifanandrify tsara amin’i Jerosalema teto an-tany. Ny Lalàn’i Mosesy no nifehy azy io, ka nampiharihary fa andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana ny mpanaraka azy io rehetra. Nilaza i Paoly fa “ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia”, satria tany no nanaovana ny faneken’ny Lalàna.—Galatiana 3:10, 13; 4:25.
I Isimaela, zanak’i Hagara, dia mifanandrify amin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, na ny zanak’i Jerosalema mbola nandevozin’ny Lalàn’i Mosesy. Nanenjika an’i Isaka i Isimaela, toy ny nanenjehan’ny Jiosy ny Kristianina voahosotra, zanak’i “Jerosalema any ambony”, ilay Saraha an’ohatra. Noroahin’i Abrahama i Hagara sy Isimaela, ary harian’i Jehovah toy izany koa i Jerosalema sy ny zanany mpikomy amin’ny farany.—Matio 23:37, 38.
[Sary, pejy 220]
Voahosotry ny fanahy masina i Jesosy, rehefa avy natao batisa, ary nanomboka tamin’izay ny fahatanterahan’ny Isaia 54:1 amin’ny ambaratonga lehibe
[Sary, pejy 225]
Nanafina ny tarehiny tamin’i Jerosalema “indray mipì-maso monja” i Jehovah
[Sary, pejy 231]
Haharesy ny Mpamorona azy ve ny mpiady sy ny mpanefy?