Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitahy ny Fivavahana Madio i Jehovah

Mitahy ny Fivavahana Madio i Jehovah

Toko Fahafito Amby Roapolo

Mitahy ny Fivavahana Madio i Jehovah

Isaia 66:1-14

1. Loha hevitra inona avy no asongadina ao amin’ny toko faran’ny Isaia, ary fanontaniana inona avy no valiana ao?

MANASONGADINA tsara ny loha hevitra lehibe sasany ao amin’ny bokin’i Isaia ny toko farany ao aminy, ary mamaly fanontaniana lehibe sasantsasany. Ireto avy no anisan’izany loha hevitra izany: Manerinerina i Jehovah, mankahala ny fihatsarambelatsihy izy, tapa-kevitra ny hanafay ny ratsy fanahy, ary tia sy miahy ny olona mahatoky. Ireto avy kosa ny fanontaniana valiana ao: Inona no mampiavaka ny fivavahana marina amin’ny fivavahan-diso? Ahoana no ahazoantsika antoka fa hovalian’i Jehovah ny mpihatsaravelatsihy mihambo ho masina nefa mampahory ny vahoakany? Ary inona no fitahiana homeny an’ireo tsy mivadika aminy?

Ny tena ilaina mba hanarahana ny fivavahana madio

2. Inona no nambaran’i Jehovah momba ny fahalehibeazany, ary inona no tsy tian’izany holazaina?

2 Manantitrantitra ny fahalehibeazan’i Jehovah aloha ilay faminaniana: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro; trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?” (Isaia 66:1) Misy mino fa nanakivy ny Jiosy tsy hanorina indray ny tempolin’i Jehovah tany an-tanindrazany, i Isaia tamin’ireo teny ireo. Tsy marina anefa izany; i Jehovah mihitsy no nandidy ny hanorenana indray ilay tempoly. (Ezra 1:1-6; Isaia 60:13; Hagay 1:7, 8) Inona àry no tian’io andininy io holazaina?

3. Nahoana no mety ny iantsoana ny tany hoe ‘fitoeran-tongotr’i’ Jehovah?

3 Mety ho tsara aloha ny handinihana hoe nahoana ny tany no antsoina hoe ‘fitoeran-tongotr’i’ Jehovah. Tsy fanambaniana akory io. Amin’ireo tenan-javatra an’arivo tapitrisa eny amin’ny lanitra, dia ny tany irery no nomena io anarana manokana io. Tsy hanam-paharoa mandrakizay ny tanintsika, satria teto no nandoavan’ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah ny avotra. Eto koa no hanamarinan’i Jehovah ny zony hanjaka, amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Tena mety àry ny hiantsoana ny tany hoe fitoeran-tongotr’i Jehovah! Mety hampiasa fitoeran-tongotra tokoa ny mpanjaka mba hiakarana eo ambony seza fiandrianany sy hametrahana ny tongony avy eo.

4. a) Nahoana no tsy mety ho fonenan’i Jehovah ny trano iray etỳ an-tany? b) Inona no hevitry ny hoe “izao zavatra izao”, ary inona no fanatsoahan-kevitsika momba ny fivavahana amin’i Jehovah?

4 Tsy hipetraka eto ambonin’ny tany i Jehovah, toy ny mpanjaka tsy hipetraka eo ambonin’ny fitoeran-tongony mihitsy. Na ny lanitra ara-bakiteny midadasika aza tsy omby azy, koa mainka fa izay trano eto an-tany! (1 Mpanjaka 8:27) Ilay “lanitra” resahin’ny Isaia 66:1, misy ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny fonenany àry, dia ny faritra ara-panahy tsy hita maso. Manazava izany bebe kokoa ny andininy manaraka, manao hoe: “Fa izao zavatra izao no nataon’ny tànako, ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah.” (Isaia 66:2a) Alao sary an-tsaina ny tanan’i Jehovah mivelatra mba hanondro “izao zavatra izao”, izany hoe ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (Isaia 40:26; Apokalypsy 10:6) Izy no Mpamorona izao rehetra izao, ka mihoatra lavitra noho ny trano iray no mendrika ho azy. Mihoatra lavitra noho ny fivavahana anarany fotsiny koa no mendrika ho azy.

5. Ahoana no ampisehoantsika fa “malahelo sy torotoro fanahy” isika?

5 Fivavahana manao ahoana no mendrika ho an’ilay Tompon’izao Rehetra Izao? Mamaly izany toy izao izy: “Izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.” (Isaia 66:2b) Eny, tena ilaina ny toe-po tsara, rehefa te hanaraka ny fivavahana madio. (Apokalypsy 4:11) Tsy maintsy “malahelo sy torotoro fanahy” ny mpivavaka amin’i Jehovah. Midika ve izany fa tsy tian’i Jehovah ho sambatra isika? Tsia, satria “Andriamanitra finaritra” izy, ary tiany ho faly koa ny mpivavaka aminy. (1 Timoty 1:11; Filipiana 4:4) Kanefa matetika isika rehetra no manota. Tsy tokony hohamaivanintsika ny fahotantsika, fa tokony ‘hampalahelo’ antsika kosa, satria tsy nahatratra ny fari-pitsipika marin’i Jehovah isika. (Salamo 51:17) Tokony hasehontsika fa “torotoro fanahy” isika, ka hibebaka sy hiezaka handresy ny fironantsika hanota ary hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah amin’ny vavaka.—Lioka 11:4; 1 Jaona 1:8-10.

6. Amin’ny heviny ahoana ny mpivavaka marina no tokony ‘hangovitra noho ny tenin’Andriamanitra’?

6 Ankoatra izany, dia mijery ireo ‘mangovitra noho ny teniny’ i Jehovah. Midika ve izany fa tiany hipararetra noho ny tahotra isika, isaky ny mamaky ny teniny? Tsia, fa tiany kosa ny hahatsapantsika fanajana lalina an’izay lazainy. Maniry sy mitady ny toroheviny isika, ary mampiasa azy io mba hitari-dalana antsika eo amin’izay rehetra ataontsika. (Salamo 119:105) Mety ‘hangovitra’ koa isika, satria manahy sao handika ny lalàn’Andriamanitra, na handoto ny fahamarinana momba azy amin’ny fampianaran’olombelona, na tsy hihevitra azy io ho zava-dehibe loatra. Tena ilaina ny fanetren-tena toy izany, raha te hanaraka ny fivavahana madio. Mampalahelo anefa fa tsy fahita firy ny olona manetry tena ankehitriny.

Mankahala ny fivavahana feno fihatsarambelatsihy i Jehovah

7, 8. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fivavahana anarany fotsiny nataon’ireo mpivavaka mpihatsaravelatsihy?

7 Nandinika an’ireo niara-belona taminy i Isaia, ary fantany tsara fa vitsy no nanana ireo toetra tian’i Jehovah hananan’ny mpanompony. Mendrika ilay fanamelohana nananontanona àry i Jerosalema nivadi-pinoana. Mariho ny fiheveran’i Jehovah ny fivavahana natao tao: “Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’alika; izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ireny ny halehany sy ny nifalian’ny fanahiny tamin’ny fahavetavetany.”—Isaia 66:3.

8 Mampahatsiahy antsika an’ireo tenin’i Jehovah ao amin’ny toko voalohany amin’ny Isaia ireo teny ireo. Nolazainy tao fa tsy nankasitrahany ny fivavahana anarany fotsiny nataon’ilay vahoakany naniasia, ary tena ara-drariny raha nahatezitra azy mihitsy, satria nihatsaravelatsihy ireo mpanompony. (Isaia 1:11-17) Eto koa dia nampitovin’i Jehovah tamin’ny heloka maharikoriko ny fanatitr’izy ireo. Tsy hampionona an’i Jehovah ny fanaovan’izy ireo fanatitra omby lafo vidy, fa mitovy tsy misy valaka amin’ny famonoana olona ihany! Ny fanatitra hafa kosa dia toy ny fanolorana alika na kisoa, izay samy biby maloto, araka ny Lalàn’i Mosesy, ka tena tsy azo nekena. (Levitikosy 11:7, 27) Havelan’i Jehovah ho afa-maina ve ny mpivavaka mihatsaravelatsihy toy izany?

9. Nihaino ny fampahatsiahivan’i Jehovah nampitain’i Isaia ve ny ankamaroan’ny Jiosy, ary inona no tsy maintsy ho vokany?

9 Hoy i Jehovah: “Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy sy handatsahako ny fahatahorany ho aminy, satria niantso Aho, fa tsy nisy namaly, niteny Aho, fa tsy nihaino izy; fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidiny.” (Isaia 66:4) Afaka nanonona ireo teny ireo tamim-patokisana tanteraka i Isaia. Efa nampiasain’i Jehovah hatramin’ny taona maro izy, mba ‘hiantso’ ny vahoakany sy ‘hiteny’ tamin’izy ireo. Fantatr’ilay mpaminany tsara fa tsy nihaino azy ny ankamaroany. Tsy nitsahatra nanao ratsy izy ireo, ka tsy maintsy ho tonga ny valiny. Hifidy ny fomba hanafaizana an’ilay vahoakany nivadi-pinoana i Jehovah, ka hahatonga zava-mahatahotra amin’izy ireo.

10. Inona no ampahafantarin’ny nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Joda, momba ny fiheverany ny Kristianisma Anarana?

10 Nanao zavatra tsy nankasitrahan’i Jehovah toy izany koa ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Feno fanompoan-tsampy ny trano fiangonany; hindrahindrainy eny ambony polipitra ny fampianarana sy lovantsofina tsy araka ny Baiboly; nitady fahefana ara-politika izy, ka vao mainka mijangajanga ara-panahy amin’ny firenena amin’ny tany. (Marka 7:13; Apokalypsy 18:4, 5, 9) Toy ny tamin’i Jerosalema fahiny, dia tsy ho azo sakanana ny zavatra ‘mahatahotra’, na famaliana ara-drariny ny ratsy ataon’ny Kristianisma Anarana. Ny fomba nitondran’izy io ny vahoakan’Andriamanitra no anisan’ny antony tsy maintsy hanafaizana azy.

11. a) Inona no nanampy trotraka ny fahotan’ny mpivadi-pinoana tamin’ny andron’i Isaia? b) Inona no hevitry ny hoe fandroahana ‘noho ny amin’ny anaran’Andriamanitra’?

11 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Mihainoa ny tenin’i Jehovah, hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.” (Isaia 66:5) Ny ‘rahalahin’i’ Isaia dia ireo mpiray tanindrazana taminy. Tsy niantsoroka ilay andraikitra nomen’i Jehovah Andriamanitra azy izy ireo, dia ny hisolo tena azy sy hanaiky ny zony hanjaka. Fahotana tena lehibe tokoa izany, nefa mbola nanampy trotraka izany izy ireo, tamin’ny fankahalana olona nahatoky sy nanetry tena toa an’i Isaia. Nankahalain’ireny mpivadi-pinoana ireny sy noroahiny ny olona toy izany, satria tena nisolo tena an’i Jehovah. Izany no hevitr’ilay hoe fandroahana ‘noho ny amin’ny anaran’Andriamanitra.’ Nihambo ho nisolo tena an’i Jehovah koa anefa ireny mpanompo sandoka ireny, ary nampiasa tamim-pihatsarambelatsihy teny toy ny hoe “Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah.” *

12. Milazà ohatra ny amin’ny nanenjehan’ny mpivavaka mpihatsaravelatsihy ny mpanompon’i Jehovah nahatoky.

12 Tsy zava-baovao ny fankahalan’ny fivavahan-diso an’ireo manaraka ny fivavahana madio. Izany koa dia fahatanterahan’ny Genesisy 3:15, momba ny fifankahalan’ny taranak’i Satana sy ny Taranaky ny vadin’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny voahosotra nanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany i Jesosy fa hampijalin’ireo mpiray tanindrazana aminy koa izy ireo, ka horoahiny avy ao amin’ny synagoga sy henjehiny ary hovonoiny mihitsy aza. (Jaona 16:2) Ary ankehitriny? Teo am-piandohan’ny ‘andro farany’, dia efa hitan’ny vahoakan’Andriamanitra fa henjehina izy ireo. (2 Timoty 3:1) Tamin’ny 1914, dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana momba ny Isaia 66:5: “Saika ny fanenjehana rehetra nahazo ny vahoakan’Andriamanitra no avy tamin’ny olona nihambo ho Kristianina.” Hoy koa izy io: “Tsy fantatsika izao, fa angamba ho lasa lavitra dia lavitra izy ireo amin’ny androntsika: tsy hitondra antsika toy ny mpiara-monina aminy, handrava ny fandaminantsika, hamono antsika mihitsy angamba.” Tanteraka tokoa ireo teny ireo! Tsy ela taorian’izay, dia faran’izay namaivay ny fanenjehana notarihin’ny mpitondra fivavahana, tamin’ny Ady Lehibe I. Nanjary menatra anefa ny Kristianisma Anarana, araka ilay faminaniana. Nahoana?

Fanarenana haingana sy tampoka

13. Inona ilay ‘horakoraka tany an-tanàna’, rehefa tanteraka voalohany ilay faminaniana?

13 Hoy ny faminanian’i Isaia: “Injany! horakoraka any an-tanàna, ary feo ao amin’ny tempoly, dia feon’i Jehovah izay mamaly ny ataon’ny fahavalony.” (Isaia 66:6) Tamin’ny fahatanterahany voalohany, ilay tanàna dia i Jerosalema, izay nisy ny tempolin’i Jehovah. Ilay “horakoraka” dia ny akoran’ady re tao amin’ilay tanàna notafihin’ny tafika babylonianina, tamin’ny 607 T.K. Ary ankehitriny?

14. a) Inona no nolazain’i Malakia momba ny nanaovan’i Jehovah fisafoana tao amin’ny tempoliny? b) Araka ny faminanian’i Ezekiela, inona no vokatry ny nisafoan’i Jehovah tao amin’ny tempoliny? d) Oviana i Jehovah sy Jesosy no nanao fisafoana tao amin’ny tempoly ara-panahy, ary inona no vokany teo amin’ireo nihambo ho nisolo tena ny fivavahana madio?

14 Mifanaraka tsara amin’ny faminaniana ao amin’ny Ezekiela 43:4, 6-9 sy ny Malakia 3:1-5 ireo tenin’i Isaia ireo. Samy naminany i Ezekiela sy Malakia fa hitsidika ny tempoliny i Jehovah Andriamanitra. Asehon’ny faminanian’i Malakia fa tonga hisafo sy hanadio ny fivavahana madio i Jehovah, ary ho toy ny Mpandrendrika ka hanilika an’ireo tsy tena misolo tena azy. Ny fahitan’i Ezekiela kosa dia mampiseho an’i Jehovah miditra ao amin’ny tempoliny ary mitaky ny hanesorana ny soritry ny fahalotoam-pitondran-tena sy fanompoan-tsampy rehetra. * Fony tanteraka ireo faminaniana ireo ankehitriny, dia nisy zava-nitranga lehibe nifandray tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah, tany an-danitra tamin’ny 1918. Toa nanao fisafoana teo amin’ireo rehetra nihambo ho solontenan’ny fivavahana madio i Jehovah sy Jesosy. Nolaviny tanteraka ny Kristianisma Anarana, izay hitany fa ratsy fitondran-tena. Nanao fisafoana teo amin’ny voahosotra mpanara-dia an’i Kristy koa izy, ary nandia fotoam-panadiovana vetivety ireo, nefa narenina haingana teo amin’ny lafiny ara-panahy, tamin’ny 1919.—1 Petera 4:17.

15. Ny hahaterahan’iza no nolazaina mialoha, ary ahoana no nahatanterahan’izany tamin’ny 537 T.K.?

15 Voalaza mazava tsara amin’ireto tenin’i Isaia manaraka ireto io famerenana tamin’ny laoniny io: “Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.” (Isaia 66:7, 8) Tena nampientana an’ireo Jiosy babo tany Babylona ny fahatanterahan’ireo teny ireo voalohany. Aseho ho toy ny vehivavy miteraka indray i Ziona, na Jerosalema, saingy fiterahana tsy toy ny mahazatra! Haingana be sy tampoka be ilay izy, ka tsy nihetsi-jaza akory ilay vehivavy! Tena mety tsara io fanoharana io. Haingana be sy tampoka be ny nahaterahan’ny vahoakan’Andriamanitra ho firenena nahaleo tena indray tamin’ny 537 T.K., ka toy ny fahagagana mihitsy. Volana vitsivitsy monja taorian’ny nanafahan’i Kyrosy ny Jiosy dia efa tonga tany an-tanindrazany izy ireo! Nifanohitra be tamin’ny fotoana nahaterahan’ny firenen’ny Isiraely tamin’ny voalohany izany! Tamin’ity indray mandeha ity izy ireo dia tsy nila nitalaho tamin’ny mpanjaka tsy nety nanafaka azy, tsy nila nandositra tafika nankahala azy, ary tsy nila namakivaky efitra nandritra ny 40 taona.

16. Ankehitriny, iza moa i Ziona voalazan’ny Isaia 66:7, 8, ary amin’ny heviny ahoana no hoe teraka indray ny zanany?

16 Ankehitriny kosa, i Ziona dia ilay vehivavy ‘vadin’i’ Jehovah, izany hoe ny fandaminany any an-danitra voaforon’ny zavaboary ara-panahy. Nifaly io “vehivavy” io tamin’ny 1919, nahita fa “teraka”, na tonga “firenena” voalamina, ny zanany voahosotra teto an-tany. Haingana sady tampoka io fahaterahana io. * Tsy nanao na inona na inona ireo voahosotra ireo, ka toy ny maty. Volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana anefa, dia narisika be indray izy ireo, rehefa nomen’Andriamanitra fahefana hanao ny asany eto an-tany. (Apokalypsy 11:8-12) Tamin’ny faramparan’ny taona 1919, dia nanambara ny nivoahan’ny gazety vaovao naman’ny Tilikambo Fiambenana izy ireo. Io gazety nantsoina hoe Fotoam-pahasambarana (Mifohaza! ankehitriny) io dia porofo fa novelomina indray ny vahoakan’Andriamanitra, ary voalamina indray hanao ny fanompoana.

17. Inona no toky nomen’i Jehovah ny vahoakany fa tsy hisy hisakana azy tsy hanatontosa ny fikasany momba ny Isiraely ara-panahy?

17 Tsy misy hery eran’izao rehetra izao afaka misakana io fiterahana io. Milaza izany toy izao ny andininy manaraka: “Izaho moa hahatonga ho eo amin’ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.” (Isaia 66:9) Tsy azo sakanana ny fiterahana ara-bakiteny, raha vao manomboka. Tsy azo najanona toy izany koa ny nahaterahan’ny Isiraely ara-panahy, raha vao nanomboka. Nisy nanohitra izany, ary mbola hisy hanohitra ihany. I Jehovah ihany anefa no afaka mampijanona izay atombony, nefa tsy manao izany mihitsy izy! Ahoana kosa no itondrany an’ilay vahoakany novelomina indray?

Feno fiahiana sy fitiavana i Jehovah

18, 19. a) Fanoharana mampihetsi-po inona no ampiasain’i Jehovah, ary ahoana no nahatanterahan’izy io tamin’ny vahoakany babo? b) Ahoana no ikarakaran’i Jehovah sy amahanany ny sisa voahosotra ankehitriny?

18 Teny mampihetsi-po momba ny fiahian’i Jehovah sy ny fitiavany no lazain’ny andininy efatra manaraka. Hoy aloha i Isaia: “Miaraha mifaly amin’i Jerosalema, ary miravoravoa aminy hianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly, eny, mba higoka hianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny.” (Isaia 66:10, 11) Vehivavy mampinono ny zanany kely no ohatra raisin’i Jehovah eto. Mikiakiaka mitomany ny zazakely rehefa noana. Rehefa mahazo ny nonon-dreniny anefa izy, dia falifaly sy afa-po avy hatrany. Vetivety foana toy izany koa dia tsy halahelo intsony ny Jiosy nahatoky tany Babylona. Ho faly sy afa-po izy ireo, rehefa tonga ny fotoana hanafahana sy hampodiana azy. Homem-boninahitra indray i Jerosalema, satria hamboarina sy hisy mponina indray. Ho hita taratra eo amin’ireo mponina mahatoky koa ny voninahitr’ilay tanàna. Hisy mpisorona hiasa indray, ka ho voafahana ara-panahy ilay vahoaka.—Ezekiela 44:15, 23.

19 Voafahana toy izany koa ny Isiraely ara-panahy, rehefa tafarina indray tamin’ny 1919. Nanomboka tamin’izay, dia tsy tapaka ny sakafo ara-panahy naroso tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47) Tena nifaly sy afa-po tokoa ny sisa voahosotra. Mbola nisy fitahiana hafa koa anefa.

20. Inona no hevitry ny hoe ho “tahaka ny renirano tondraka” ny fitahiana ho azon’i Jerosalema, fahiny sy ankehitriny?

20 Hoy ny tohin’ilay faminaniana: “Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, ka hinono hianareo; ary hosakalehina hianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.” (Isaia 66:12) Ampiarahina eto ny fanoharana momba ny fampinonoana sy ny fanoharana momba ny firotsahan’ny fitahiana toy ny “ony” sy “renirano tondraka.” Hahazo fiadanana be avy amin’i Jehovah i Jerosalema, ary hirotsaka aminy koa “ny voninahitry ny firenena.” Midika izany fa hisy olona avy amin’ireo firenena hirohotra hanatona ny vahoakan’i Jehovah. (Hagay 2:7) Nisy olona avy tamin’ny firenena samihafa tokoa nifikitra tamin’ny Isiraely fahiny, ka tonga proselyta jiosy. Kanefa misy fahatanterahany lehibe kokoa izany ankehitriny: Nisy “olona betsaka . . . avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, toy ny renirano tondraka mihitsy, nifikitra tamin’ny sisa amin’ny Jiosy ara-panahy.—Apokalypsy 7:9; Zakaria 8:23.

21. Inona no fampiononana voalaza mialoha amin’ny alalan’ny sarin-teny mahafinaritra?

21 Misy teny maneho ny fitiavan-dreny koa ao amin’ny Isaia 66:12: ny hoe ‘fanindrahindrana eo ambony lohalika’, na fanambatambazana zaza eo am-pofoana, sy ny hoe ‘fisakelehana’, na fitrotroana azy. Misy hevitra mitovy amin’izany ao amin’ny andininy manaraka, saingy miova ilay resahina. “Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.” (Isaia 66:13) Efa ‘olon-dehibe’ izao ilay zaza. Mbola maniry hampionona azy ihany anefa ny reniny, rehefa iharam-pahoriana izy.

22. Inona no mampiseho ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah?

22 Manome fanoharana mahafinaritra momba ny halehiben’ny fitiavany sy ny firaiketam-pony amin’ny vahoakany i Jehovah. Na ny fitiavan-dreny lehibe indrindra aza toa tsinontsinona raha ampitahaina amin’ny fitiavana lalin’i Jehovah ny vahoakany mahatoky. (Isaia 49:15) Tena ilain’ny Kristianina rehetra ny maneho io toetra tsaran’ilay Rainy an-danitra io! Nanao izany ny apostoly Paoly, ka namela ohatra faran’izay tsara ho an’ny anti-panahy kristianina. (1 Tesaloniana 2:7) Nilaza i Jesosy fa ny fitiavan-drahalahy no tena hahafantarana ny mpanara-dia azy.—Jaona 13:34, 35.

23. Resaho ny fahasambaran’ilay vahoakan’i Jehovah tafody.

23 Asehon’i Jehovah amin’ny asa ny fitiavany. Izany no ilazany hoe: “Hahita izany hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso; ary ny tànan’i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.” (Isaia 66:14) Araka ny hevitry ny mpampianatra teny hebreo iray, ny hoe “hahita izany hianareo” dia milaza fa na aiza na aiza hanopazan’ireo babo tafody any amin’ny taniny ny masony, dia “fifaliana foana no ho hitany.” Hifaly tokoa izy ireo, ary tsy ho hay lazaina ny faharavoany hoe tafody any an-tanindrazany malala. Hahatsiaro ho toy ny tanora indray izy ireo, ka toy ny hoe hatanjaka indray sy hitombo tsara toy ny ahi-maitso maniry amin’ny lohataona ny taolany. Ho fantatry ny rehetra fa tsy olombelona no nahatonga izany, fa “ny tànan’i Jehovah.”

24. a) Inona no fanatsoahan-kevitrao, rehefa mandinika ireo zava-nitranga nahakasika ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

24 Mahita ny fiasan’ny tanan’i Jehovah eo amin’ny vahoakany ankehitriny ve ianao? Tsy misy olombelona hahavita hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio. Tsy misy olombelona hahatonga olona an-tapitrisa avy amin’ireo firenena, hirohotra hiaraka amin’ny sisa mahatoky, mba hanao ilay asa asain’Andriamanitra ataony eto an-tany. I Jehovah Andriamanitra ihany no mahavita izany. Mameno hafaliana ny fontsika ireo fanehoam-pitiavan’i Jehovah ireo. Enga anie tsy hohamaivanintsika mihitsy ny fitiavany. Aoka isika ‘hangovitra noho ny teniny’ foana. Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly, ka hiravoravo manompo an’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Maro no tsy mety mampiasa ny anaran’i Jehovah, ao amin’ny Kristianisma Anarana. Fandikan-tenin’ny Baiboly maro aza no tsy misy azy io intsony. Maneso ny vahoakan’Andriamanitra mampiasa azy io ny olona sasany, nefa maro no manao hoe “Haleloia”, izay midika hoe “Derao i Jah.” Fanafohezana ny anarana hoe “Jehovah” ny hoe “Jah.”

^ feh. 14 Samy mpikomy na ny mpitarika na ny vahoaka tao Jerosalema, ary araka ny Ezekiela 43:7, 9, dia nofenoin’izy ireo “sampy” ny tempolin’Andriamanitra.

^ feh. 16 Tsy mitovy amin’ilay fahaterahana voalazan’ny Apokalypsy 12:1, 2, 5 ilay resahin’ity faminaniana ity, satria ilay “zazalahy” teraka voalazan’ny Apokalypsy dia ny Fanjakan’ny Mesia, izay nanomboka niasa tamin’ny 1914. “Vehivavy” iray ihany anefa no resahin’ireo faminaniana ireo.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 395]

“Izao zavatra izao no nataon’ny tànako”

[Sary, pejy 402]

Homen’i Jehovah “ny voninahitry ny firenena” i Ziona