Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Fahazavana ho An’ny Olombelona ny Mpaminanin’Andriamanitra Iray

Mitondra Fahazavana ho An’ny Olombelona ny Mpaminanin’Andriamanitra Iray

Toko Voalohany

Mitondra Fahazavana ho An’ny Olombelona ny Mpaminanin’Andriamanitra Iray

1, 2. Manao ahoana ny toe-piainana misy ankehitriny ka mampanahy ny olona maro?

TOA saika mety ho vitan’ny olombelona avokoa ny zava-drehetra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Ny fandehanana any amin’ny habakabaka, ny fahaizana momba ny ordinatera, ny fanovana fototarazo, ary ny zava-baovao ara-tsiansa hafa dia toa mampanantena ny olombelona fa hihatsara ny fiainany, ho lava kokoa mihitsy aza angamba.

2 Nahatonga anao hanaisotra ireo hidim-baravaranao ve anefa izany fandrosoana izany? Nanafoana ny fandrahonan’ny ady ve izy ireny? Nanasitrana ny aretina na nanala ny alahelo ateraky ny famoizana hava-malala noho ny fahafatesana ve izy ireny? Tsia! Na dia mety hahavariana aza ny fandrosoana nataon’ny olombelona, dia voafetra ihany. “Hitantsika ny fomba andehanana eny amin’ny volana, vitantsika ny manao fitaovana mihamatanjaka hatrany, ary haintsika ny manolo ny fototarazon’olombelona”, hoy ny tatitra nataon’ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao. “Mbola tsy haintsika ihany anefa ny manome rano madio ho an’ny olona arivo tapitrisa, ny misakana ny karazan-javaboary an’arivo tsy ho lany tamingana, na ny mampiasa ny angovo ilaintsika nefa tsy hampihilangilana ny atmosfera.” Tsy mahagaga raha manahy be momba ny hoavy ny olona maro, ka tsy mahalala izay tokony hitodihana mba hahitana fampiononana sy fanantenana.

3. Nanao ahoana ny toe-piainan’ny Joda tamin’ny taonjato fahavalo T.K.?

3 Mitovy amin’ny toe-piainan’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taonjato fahavalo T.K. ny antsika ankehitriny. * Naniraka an’i Isaia mpaminaniny Andriamanitra tamin’izay, mba hitondra hafatra fampiononana ho an’ny mponin’i Joda, ary tena nila fampiononana izy ireo. Nisy hotakotaka be teo amin’ilay firenena. Tsy ho ela dia handrahona azy ireo ny Fanjakana Asyrianina lozabe, ka hahatoran-kovitra ny maro. Taiza no nety hahitan’ny vahoakan’Andriamanitra famonjena? Nampiasa ny anaran’i Jehovah izy ireo, nefa naleony nitoky tamin’ny olona.—2 Mpanjaka 16:7; 18:21.

Fahazavana namirapiratra tao anatin’ny haizina

4. Hafatra roa sosona inona no nasaina nambaran’i Isaia?

4 Ho vokatry ny fikomian’ny Joda, dia tsy maintsy horinganina i Jerosalema, ary hoentina ho babo tany Babylona ny mponina tao Joda. Eny, nisy fotoana nanjombona niandry azy ireo. Naniraka an’i Isaia mpaminaniny i Jehovah, mba hanambara mialoha io fotoana hitondra loza io, nefa nasainy nilaza vaovao tsara koa izy. Hafahana avy any Babylona ny Jiosy, aorian’ny sesitany 70 taona! Hisy sisa falifaly hiverina any Ziona, ary hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina any. Nampamirapiratra fahazavana tao anatin’ny haizina i Jehovah, tamin’ny alalan’io hafatra falifaly nampitain’ny mpaminaniny io.

5. Nahoana i Jehovah no nampahafantatra ny fikasany aloha be toy izany?

5 Tsy natao ho lao i Joda raha tsy zato taona mahery taorian’ny nanoratan’i Isaia ny faminaniany. Nahoana àry i Jehovah no nampahafantatra ny fikasany aloha be toy izany? Tsy ho efa maty ela be ve ireo nandre ny fanambaran’i Isaia, amin’ny fotoana hahatanterahan’ireo faminaniana ireo? Marina izany. Kanefa ireo zavatra nampahafantarin’i Jehovah an’i Isaia dia ho firaketana an-tsoratra hampiasain’ireo ho velona amin’ny fotoana handringanana an’i Jerosalema amin’ny 607 T.K. Ho porofo tsy azo lavina izany fa i Jehovah no ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.”—Isaia 46:10; 55:10, 11.

6. Amin’ny heviny ahoana avy i Jehovah no mihoatra noho ny olombelona mpaminavina ny hoavy?

6 I Jehovah ihany no afaka milaza zavatra toy izany ara-drariny. Mety ho afaka haminany ny zavatra hitranga rahampitso na rahafakampitso ny olombelona, arakaraka ny fahatakarany ny rivo-piainana politika na sosialy iainany anio. I Jehovah ihany anefa no afaka mahita mialoha amin’ny fomba azo antoka tanteraka izay hitranga na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, ary na dia any amin’ny hoavy lavitra be aza. Afaka manome hery ny mpanompony koa izy, mba hanambaran’izy ireo izay hiseho, ela be mialoha. Hoy ny Baiboly: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.”—Amosa 3:7.

Nisy “Isaia” firy?

7. Ahoana no nampisehoan’ny manam-pahaizana maro ny fisalasalany raha ny amin’ny mpanoratra ny Isaia, ary nahoana?

7 Ny faminaniana ao amin’ny Isaia dia nahatonga manam-pahaizana maro hisalasala ny amin’ny mpanoratra azy io. Manizingizina ireo mpanao tsikera ireo hoe tsy maintsy ho nosoratan’olona velona tamin’ny taonjato fahenina T.K., nandritra ny fahababoana tany Babylona na taoriana, ny tapany farany amin’ilay boky. Araka ny filazan’izy ireo, dia hoe efa foana i Joda vao nosoratana ilay lazaina hoe faminaniana, ka noho izany dia tsy tena faminaniana. Nilaza koa ireo mpanao tsikera ireo fa, aorian’ny toko faha-40, ny fomba fiteny ao dia toy ny hoe i Babylona no firenena natanjaka indrindra tamin’izay ary babo tany ny Isiraelita. Koa manatsoaka hevitra àry izy ireo hoe tsy maintsy ho tamin’io fe-potoana io, izany hoe tamin’ny taonjato fahenina T.K., no nanoratan’ilay mpanoratra ny tapany farany amin’ny Isaia. Mitombina ve izany fanjohian-kevitra izany? Tsia!

8. Oviana no nanomboka ny fisalasalana momba ny mpanoratra ny Isaia, ary ahoana no nielezan’izany?

8 Taorian’ny taonjato faha-12 A.K. vao tena nisy nisalasala momba ny mpanoratra ny Isaia. Ilay manam-pahaizana jiosy nantsoina hoe Abraham Ibn Ezra no nanao izany voalohany. Hoy ny Rakipahalalana Judaica (anglisy): “Milaza [i Abraham Ibn Ezra] ao amin’ny fanazavany momba ny Isaia, fa ny tapany faharoa, manomboka eo amin’ny toko faha-40, dia nosoratan’ny mpaminany iray velona nandritra ilay Sesitany Tany Babylona sy teo am-piandohan’ny Fiverenana Tany Ziona.” Tamin’ny taonjato faha-18 sy 19, dia nisy manam-pahaizana sasany nandray io fomba fihevitr’i Ibn Ezra io. Anisan’izany i Johann Christoph Doederlein, teolojianina alemà izay nampanonta ny fanazavany momba ny Isaia tamin’ny 1775, ary avy eo dia tamin’ny 1789. Hoy ny Fanazavana ny Baiboly Amin’ny Taonjato Vaovao (anglisy): “Efa eken’ny rehetra, afa-tsy ny manam-pahaizana tsy tia fiovana, izao ilay hevitra naroson’i Doederlein . . . hoe ireo faminaniana ao amin’ny toko faha-40-66 amin’ny bokin’i Isaia dia tsy nosoratan’ilay Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo, fa tatỳ aoriana kokoa.”

9. a) Ahoana no ‘nandrasarasan’ny’ olona ny bokin’i Isaia? b) Ahoana no namintinan’ny olona iray mpanazava ny Baiboly ilay adihevitra momba ny mpanoratra ny Isaia?

9 Kanefa mbola nitohy ihany ny fisalasalana momba ny mpanoratra ny bokin’i Isaia. Ilay vinavina hoe mety hisy Isaia Faharoa dia nampipoitra ilay hevitra hoe nety ho nisy mpanoratra fahatelo. * Vao mainka nodinihina fatratra ihany ny bokin’i Isaia avy eo, hany ka nisy manam-pahaizana nilaza fa mpaminany iray tsy fantatra no nanoratra ny toko faha-15 sy 16. Ny manam-pahaizana iray hafa nisalasala ny amin’ny mpanoratra ny toko faha-23 ka hatramin’ny 27. Nisy iray hafa koa nilaza fa tsy nety ho Isaia no nanoratra ireo teny ao amin’ny toko faha-34 sy 35. Fa nahoana? Nilaza izy fa ilay soratra ao dia mitovy be amin’izay hita ao amin’ny toko faha-40 ka hatramin’ny 66, izay efa nolazaina fa nosoratan’ny olona iray hafa noho ilay Isaia niaina tamin’ny taonjato fahavalo! Mamintina izany rehetra izany toy izao ilay mpanazava ny Baiboly atao hoe Charles Torrey: “Ilay ‘Mpaminany Momba ny Sesitany’ nalaza taloha dia nanjary tsinontsinona sy toa nanjavona tanteraka, noho ilay ‘fandrasarasana’ ny bokiny.” Kanefa tsy ny manam-pahaizana rehetra no mitovy hevitra amin’io “fandrasarasana” ny bokin’i Isaia io.

Porofo fa tsy nisy afa-tsy mpanoratra iray

10. Manomeza ohatra ny amin’ny fampiasana teny mitovy, mba hanaporofoana fa olona iray ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia.

10 Misy antony tena mampiaiky fa iray ihany ny mpanoratra ny bokin’i Isaia. Ny fampiasany teny mitovy sy miverimberina no fanaporofoan-kevitra voalohany. Ohatra, ilay teny hoe “Ny Iray Masin’ny Isiraely” dia hita in-12 ao amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-39 ary in-13 ao amin’ny toko faha-40 ka hatramin’ny 66. Inenina monja anefa no ahitana io filazana momba an’i Jehovah io ao amin’ny tapany hafa rehetra amin’ny Soratra Hebreo. Ny fiverimberenan’io teny, izay tsy ampiasaina firy any an-toeran-kafa io, dia manaporofo fa olona iray ihany no nanoratra ny Isaia.

11. Fitoviana inona avy no hita eo amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-39 sy ny toko faha-40 ka hatramin’ny 66?

11 Misy fitoviana hafa eo amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-39 sy ny toko faha-40 ka hatramin’ny 66. Ireo tapany roa ireo dia samy mampiasa matetika sarin-teny mitovy, toy ny hoe vehivavy mihetsi-jaza sy ny hoe “làlana” na “làlambe.” * Miverimberina koa ny hoe “Ziona”, teny izay hita in-29 ao amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny faha-39, ary im-18 ao amin’ny toko faha-40 ka hatramin’ny 66. Raha ny marina aza, i Ziona dia resahina matetika kokoa ao amin’ny Isaia noho ny any amin’ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly! Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy) fa ny porofo toy izany dia “toy ny tombo-kase mampiavaka ilay boky, izay ho sarotra hazavaina”, raha toa izy io ka nosoratan’ny mpanoratra roa na telo na mihoatra.

12, 13. Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Grika Kristianina fa olona iray ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia?

12 Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina no ahitana ny porofo mampiaiky indrindra fa olona iray ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia. Hita mazava tsara ao fa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany dia nino fa olona iray ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia. I Lioka, ohatra, dia miresaka momba ny manam-pahefana etiopianina iray izay namaky teny ao amin’ny Isaia toko faha-53 ankehitriny. Io ilay tapany lazain’ny mpanao tsikera maoderina hoe nosoratan’ilay Isaia Faharoa. Nilaza fotsiny anefa i Lioka fa “namaky teny tao amin’Isaia mpaminany” ilay Etiopianina.—Asan’ny Apostoly 8:26-28.

13 Manaraka izany, i Matio, mpanoratra Filazantsara, dia manazava fa nahatanteraka ilay faminaniana hitantsika ankehitriny ao amin’ny Isaia 40:3 ny fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa. Iza no lazain’i Matio fa nanoratra io faminaniana io? Izany Isaia Faharoa tsy fantatra izany ve? Tsia, milaza fotsiny izy fa i “Isaia mpaminany” ilay mpanoratra. * (Matio 3:1-3) Indray mandeha koa, i Jesosy dia namaky avy tao amin’ny horonana iray, ireo teny hitantsika ankehitriny ao amin’ny Isaia 61:1, 2. Hoy i Lioka momba izany: “Natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany.” (Lioka 4:17) Ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romanina, dia misy teny avy tao amin’ny tapany voalohany sy faharoa amin’ny Isaia, nefa tsy ahitana ilay hevitra hoe misy mpanoratra hafa ankoatra an’i Isaia. (Romana 10:16, 20; 15:12) Mazava fa tsy nino ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe olona roa na telo na mihoatra no nanoratra ny bokin’i Isaia.

14. Fanamarinana inona no omen’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty momba ny mpanoratra ny Isaia?

14 Eo koa ny fanamarinana avy amin’ireo Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty—sora-tanana tranainy, izay vita talohan’ny andron’i Jesosy ny maro aminy. Ny iray amin’izy ireo, antsoina hoe Horonam-bokin’i Isaia, dia vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Toherin’izy io ilay filazana hoe ilay Isaia Faharoa no nanoratra ilay boky, manomboka eo amin’ny toko faha-40. Ahoana no ahafantarantsika izany? Hita ao amin’io sora-tanana tranainy io fa ny fehezanteny voalohany amin’ilay toko faha-40 fantatsika ankehitriny dia manomboka eo amin’ny faran’ny tsanganana iray, ary mifarana eo amin’ny tsanganana manaraka. Mazava fa tsy fantatr’ilay mpanao kopia hoe nisy izany hoe fiovan’ny mpanoratra, na fizaran’ilay boky, izany teo amin’io toerana io.

15. Inona no nolazain’i Flavius Josèphe momba ireo faminanian’i Isaia nahakasika an’i Kyrosy?

15 Farany, dia diniho ny fanamarinana avy tamin’i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nasehony fotsiny fa nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. ny faminaniana ao amin’ny Isaia mahakasika an’i Kyrosy, fa nolazainy koa fa nahalala momba ireo faminaniana ireo i Kyrosy. “Nahafantatra ireo zavatra ireo i Kyrosy, avy tamin’ny famakiana ny bokin’ny faminaniana nosoratan’i Isaia, folo sy roanjato taona taloha”, hoy i Josèphe. Araka ny heviny, ny fahalalan’i Kyrosy an’ireo faminaniana ireo no nety ho nahatonga azy ho vonona hampiverina ny Jiosy tany an-tanindrazany, satria “nanjary naniry mafy sy nikatsaka mafy ny hanao izay voasoratra tao” i Kyrosy.—Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), Boky XI, toko 1, fehintsoratra 2.

16. Ahoana no azo amaliana ny mpanao tsikera mampiasa ny tapany farany amin’ny Isaia mba hilazana fa i Babylona no firenena natanjaka indrindra tamin’izay?

16 Voalaza teo aloha hoe mpanao tsikera maro no milaza fa manomboka eo amin’ny Isaia toko faha-40, dia resahina fa i Babylona no firenena natanjaka indrindra, ary efa tany an-tsesitany ny Isiraelita. Moa ve izany tsy mampiseho fa velona tamin’ny taonjato fahenina T.K. ilay mpanoratra? Tsy voatery ho izany. Na dia ao alohan’ny toko faha-40 amin’ny Isaia aza, dia resahina indraindray ho ny firenena natanjaka indrindra teto an-tany i Babylona. Ohatra, ao amin’ny Isaia 13:19, i Babylona dia antsoina hoe “ravaky ny fanjakana maro”, na hoe “ny fanjakana kanto indrindra amin’ny rehetra”, araka ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny (anglisy). Mazava fa ara-paminaniana ireo teny ireo, satria tsy tonga firenena natanjaka eran-tany i Babylona, raha tsy zato taona mahery tatỳ aoriana. “Nandamina” io zava-nanahirana azy io ny mpanao tsikera iray, tamin’ny filazana fotsiny fa olona hafa no nanoratra ny Isaia toko faha-13! Raha ny tena izy, anefa, dia zavatra fahita matetika ao amin’ny faminanian’ny Baiboly ny firesahana momba ny fisehoan-javatra ho avy ho toy ny efa nitranga. Tena mandaitra io fomba fanoratra io, mba hanamafisana fa azo antoka ny hahatanterahan’ny faminaniana iray. (Apokalypsy 21:5, 6) Eny tokoa, ilay Andriamanitry ny faminaniana marina ihany no afaka manambara hoe: “Zava-baovao . . . no toriko . . .; na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.”—Isaia 42:9.

Bokim-paminaniana azo itokisana

17. Ahoana no azo anazavana ny fiovan’ny fomba fanoratra manomboka eo amin’ny toko faha-40?

17 Inona àry no fanatsoahan-kevitra azo avy amin’ireo porofo ananana? Izao: Olona iray ihany no nahazo tsindrimandry mba hanoratra ny bokin’i Isaia. Tao anatin’ireo taonjato maro nisiany, dia boky tokana ihany no nahaforona azy io, fa tsy roa na mihoatra. Marina fa mety hisy hilaza hoe somary miova ny fomba fiteny ao amin’ny bokin’i Isaia, manomboka eo amin’ny toko faha-40. Tadidio anefa fa tsy latsaka ny 46 taona no naha mpaminanin’Andriamanitra an’i Isaia. Tao anatin’io fe-potoana lava be io, dia azo ampoizina fa hiova ilay hafatra hampitainy, ary koa ny fomba hilazany izany hafatra izany. Marina tokoa izany, satria tsy fampitandremana ny amin’ny didim-pitsarana henjana fotsiny no nasain’Andriamanitra nampitain’i Isaia, fa ireto teniny ireto koa: “Ampionòny, ampionòny ny oloko.” (Isaia 40:1) Tena hampionona ny vahoakan’Andriamanitra tokoa ilay fampanantenany fa hiverina any an-tanindrazany izy ireo, aorian’ilay sesitany 70 taona.

18. Foto-kevitra inona ao amin’ny Isaia no hodinihina ato amin’ity boky ity?

18 Ny fanafahana ny Jiosy avy tamin’ny fahababoana tany Babylona no foto-kevitry ny toko maro ao amin’ny Isaia dinihina ato amin’ity boky ity. * Misy fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny ny sasany amin’ireny faminaniana ireny, araka ny ho hitantsika. Hahita faminaniana mampientam-po koa isika ao, izay tanteraka teo amin’ny fiainan’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, sy teo amin’ny fahafatesany. Hitondra soa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny hafa maneran-tany tokoa ny fianarana ireo faminaniana lehibe raketin’ny bokin’i Isaia. Tena fahazavana ho an’ny olombelona rehetra tokoa ireny faminaniana ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny hoe T.K. dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny hoe A.K. “Aorian’i Kristy.”

^ feh. 9 Antsoina hoe Trito-Isaia, na Isaia Fahatelo, ilay lazaina hoe mpanoratra fahatelo, heverina ho nanoratra ny toko faha-56-66.

^ feh. 13 Mampiasa io teny io koa i Marka sy Lioka ary Jaona, ao amin’ny Filazantsarany.—Marka 1:2; Lioka 3:4; Jaona 1:23.

^ feh. 18 Ireo toko 40 voalohany amin’ny Isaia dia dinihina ao amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 9]

Porofo Omen’ny Famakafakana ny Fivoaran’ny Fiteny

Ny fianarana momba ny fivoaran’ny fiteny (izay mandinika ireo fiovana madinika miseho ao amin’ny fiteny ao anatin’ny taona maro) dia manome porofo fanampiny fa olona iray ihany no nanoratra ny bokin’i Isaia. Raha toa ka nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. ny tapany iray tamin’ny Isaia, ary ny iray hafa 200 taona tatỳ aoriana, dia tokony hisy fahasamihafana eo amin’ny teny hebreo ampiasaina ao amin’ireo tapany roa ireo. Araka ny Gazety Teolojikan’i Westminster (anglisy) anefa, dia “tondraka ny porofo omen’ny famakafakana ny fivoaran’ny fiteny, izay manamarina fa vita talohan’ny fotoan’ny sesitany ny Isaia 40-66.” Hoy ny fanatsoahan-keviny: “Raha mbola manizingizina ihany ireo mpanao tsikera hoe tokony holazaina fa vita nandritra ny sesitany na taorian’ny sesitany ny Isaia, dia tsy miraharaha ny porofo omen’ny famakafakana ny fivoaran’ny fiteny, izy ireo.”

[Sary, pejy 11]

Tapany iray amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Nasiana marika ny faran’ny toko faha-39

[Sary, pejy 12, 13]

Tokony ho 200 taona mialoha, dia efa nanambara ny hanafahana ny Jiosy i Isaia