Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitsimoka ao Ziona ny Fahamarinana

Mitsimoka ao Ziona ny Fahamarinana

Toko Faharoa Amby Roapolo

Mitsimoka ao Ziona ny Fahamarinana

Isaia 61:1-11

1, 2. Inona no fiovana ho hitan’ny Isiraely tsy ho ela, ary iza no hitondra izany?

AMBARAO ny fahafahana! Tapa-kevitra ny hanafaka ny vahoakany sy hamerina azy ireo any an-tanindrazany i Jehovah. Hipoitra indray ny fivavahana marina, toy ny voa mitsimoka rehefa azon’ny orana kely fotsiny. Fiderana sy fifaliana no hisolo ny famoizam-po, rehefa tonga izany andro izany, ary ny fankasitrahan’Andriamanitra no handravaka ny loha, fa tsy lavenona mariky ny alahelo intsony.

2 Iza no hitondra izany fiovana mahatalanjona izany? I Jehovah ihany no afaka manao zavatra toy izany. (Salamo 9:19, 20; Isaia 40:25) Hoy ny baikon’i Zefania mpaminany: “Mihobia, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Isiraely; mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao.” (Zefania 3:14, 15) Ho fotoam-pifaliana tokoa izany! Ho tanteraka ny nofin’ireo sisa nahatoky, rehefa hampodian’i Jehovah avy any Babylona izy ireo amin’ny 537 T.K.—Salamo 126:1.

3. Oviana avy ny faminanian’i Isaia toko faha-61 no tanteraka?

3 Nambara ao amin’ny Isaia toko faha-61 io fampodiana azy ireo io. Niharihary fa tanteraka tamin’ny 537 T.K. io faminaniana io, kanefa mbola ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa. I Jesosy sy ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany ary ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny no tena nahatanterahany. Tena zava-dehibe tokoa àry ireo teny ara-tsindrimandry ireo!

‘Ny taona fankasitrahana’

4. Iza no nasaina nitory vaovao tsara tamin’ny fahatanterahana voalohan’ny Isaia 61:1, ary iza tamin’ny fahatanterahany faharoa?

4 Hoy i Isaia: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava.” (Isaia 61:1) Iza no nasaina nitory teny soa mahafaly? I Isaia, fony tanteraka voalohany ilay faminaniana. Nasain’Andriamanitra nanoratra vaovao tsara ho an’ireo babo tany Babylona izy. Kanefa nasehon’i Jesosy fa hisy fahatanterahany lehibe izy io, satria nampihariny tamin’ny tenany ny tenin’i Isaia. (Lioka 4:16-21) Eny, nirahina hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra i Jesosy, ary izany no nanosorana azy tamin’ny fanahy masina tamin’ny fotoan’ny batisany.—Matio 3:16, 17.

5. Iza no nitory ny vaovao tsara nandritra ny 2 000 taona teo ho eo?

5 Nampianatra ny mpianany mba ho mpitory ny vaovao tsara koa i Jesosy. Voahosotry ny fanahy masina sy tonga zanaka ara-panahin’Andriamanitra ny 120 tamin’izy ireo, tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 14-42; Romana 8:14-16) Nasaina nilaza ny vaovao tsara tamin’ny mpandefitra sy torotoro fo koa izy ireo. Ireo 120 ireo no voalohany amin’ireo 144 000 voahosotry ny fanahy masina toy izany. Mbola marisika eto an-tany ihany ankehitriny ny sisa aminy. Efa nisy 2 000 taona àry ny nanambaran’ireo voahosotra “ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—Asan’ny Apostoly 20:21.

6. Iza no nahazo fanamaivanana rehefa nahare ny vaovao tsara, fahiny sy ankehitriny?

6 Nitondra fanamaivanana ho an’ny Jiosy nibebaka tao Babylona ny hafatra nasain’Andriamanitra nampitain’i Isaia. Tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany kosa, dia nitondra fanamaivanana ho an’ny Jiosy torotoro fo noho ny faharatsiana teo amin’ny Isiraely izy io. Nijaly izy ireo, satria babon’ny fampianaran-dison’ny Jodaisma tamin’ny androny. (Matio 15:3-6) Olona an-tapitrisa koa ankehitriny no voafandriky ny fanaon’ny fanompoan-tsampy sy ny lovantsofina manala baraka an’Andriamanitra ataon’ny Kristianisma Anarana. “Misento sy mitaraina” izy ireo noho ny zava-betaveta ataon’izy io. (Ezekiela 9:4) Nafahana ka tsy babon’izany intsony ny olona manaiky ilay vaovao tsara. (Matio 9:35-38) Mahiratra ny mason’ny sainy, rehefa mianatra ny mivavaka amin’i Jehovah “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy.—Jaona 4:24.

7, 8. a) Inona avy ireo ‘taona fankasitrahana’ roa? b) Inona avy ireo ‘andro famalian’i’ Jehovah roa?

7 Misy fotoanany ny fitoriana ny vaovao tsara. Notendrena “hitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra”, i Jesosy sy ny mpianany. (Isaia 61:2) Maharitra ela ny herintaona, nefa misy fiandohana sy fiafarany. Mandritra ny “taona ankasitrahan’i Jehovah”, dia afaka manaiky ilay fanafahana ambarany ny mpandefitra.

8 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanomboka tamin’ny taona 29 ny taona fankasitrahana ho an’ny Jiosy, fony i Jesosy nanomboka ny fanompoany teto an-tany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17) Naharitra hatramin’ny ‘andro famalian’i’ Jehovah iny taona fankasitrahana iny. Io indray kosa dia nifarana tamin’ny taona 70, rehefa navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny tafika romanina. (Matio 24:3-22) Miaina amin’ny taona fankasitrahana iray hafa isika ankehitriny. Nanomboka tamin’ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914 izy io, ary hifarana amin’ny andro famaliana iray hafa, izay ho lehibe lavitra. Ity tontolo ity manontolo no horavan’i Jehovah amin’ny “fahoriana lehibe” amin’izay.—Matio 24:21.

9. Iza no mandray soa avy amin’ny taona fankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny?

9 Iza no mandray soa avy amin’ny taona fankasitrahan’Andriamanitra ankehitriny? Ireo manaiky ilay hafatra, sy mandefitra ary mazoto manambara ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny “firenena rehetra.” (Marka 13:10) Tena mahazo fampiononana avy amin’ny vaovao tsara ny olona toy izany. Kanefa ireo mandà ilay hafatra, ka tsy mety manararaotra ny taona fankasitrahan’i Jehovah, dia tsy ho afa-miala ny andro famaliany tsy ho ela.—2 Tesaloniana 1:6-9.

Vokatra ara-panahy manome voninahitra an’Andriamanitra

10. Inona no vokatr’ilay zavatra lehibe nataon’i Jehovah, teo amin’ny Jiosy niverina avy tany Babylona?

10 Takatry ny Jiosy niverina avy tany Babylona fa nanao zavatra lehibe ho azy ireo i Jehovah. Niova ho fifaliana sy fiderana ny alahelony tany amin’ny fahababoana, satria nafahana izy ireo rehefa ela ny ela. Tanterak’i Isaia mpaminany àry ilay nasaina nataony, dia ny “hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona,—eny, hanome azy hamama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.”—Isaia 61:3.

11. Iza tamin’ny taonjato voalohany no nanana antony niderana an’i Jehovah noho ny zavatra lehibe nataony?

11 Nidera an’Andriamanitra koa ny Jiosy nanaiky ilay fanafahana azy avy tamin’ny fivavahan-diso tamin’ny taonjato voalohany, satria nanao zavatra lehibe ho azy ireo izy. Niova ho “fitafiana fiderana” ny fanahiny reradreraka, rehefa nafahana avy tamin’ny fireneny maty ara-panahy izy ireo. Ny mpianatr’i Jesosy no nahatsapa izany fiovana izany voalohany. Nivadika ho fifaliana ny alahelony tamin’ny nahafatesan’ny Tompony, satria natsangana tamin’ny maty izy io, ary nanosotra azy ireo tamin’ny fanahy masina. Nahatsapa izany koa ny mpandefitra 3 000, tsy ela taorian’izay, rehefa nanaiky ny fitorian’ireo Kristianina vao voahosotra, ary natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asan’ny Apostoly 2:41) Tena mahafinaritra ny fananana fatokisana fa tahin’i Jehovah ny tena! Tsy ‘nalahelo noho i Ziona’ izy ireo, fa nahazo ny fanahy masina sy nohosorana ny “diloilon’ny fifaliambe” kosa, izany hoe nahatsapa ny fifalian’ireo tahin’i Jehovah.—Hebreo 1:9.

12, 13. a) Iza moa ireo “Hazon’ny fahamarinana” teo amin’ireo Jiosy nody tamin’ny 537 T.K.? b) Iza moa ireo “Hazon’ny fahamarinana”, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33?

12 Nomen’i Jehovah “Hazon’ny fahamarinana” ny vahoakany. Iza moa ireo hazo ireo? Taorian’ny 537 T.K., izy ireo dia ny olona nianatra sy nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ary niezaka hanaraka ny fitsipika marin’i Jehovah. (Salamo 1:1-3; Isaia 44:2-4; Jeremia 17:7, 8) Tena ‘hazo’ niavaka, na andry mafy nanohana ny fahamarinana sy nanohitra ny fahalotoana ara-panahy tao amin’ilay firenena, ny lehilahy toa an’i Ezra, Hagay, Zakaria, ary Josoa Mpisoronabe.

13 Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, dia namboly “Hazon’ny fahamarinana” toy izany koa Andriamanitra: Kristianina voahosotra be zotom-po, izay firenena vaovao miroborobo ara-panahy, antsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra”, na Isiraely ara-panahy. (Galatiana 6:16) Nanjary niisa 144 000 ireo ‘hazo’ ireo tao anatin’ny an-jato taona, ary namoa vokatra izay hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra. (Apokalypsy 14:3) Niroborobo ny farany tamin’ireo ‘hazo’ mijoalajoala ireo nanomboka tamin’ny 1919, rehefa novelomin’i Jehovah indray ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy izay tsy niasa nandritra ny fotoana kelikely. Notondrahany tamin’ny rano ara-panahy be dia be izy ireo, ka nanome ala feno hazo mamoa be dia be.—Isaia 27:6.

14, 15. Asa inona avy no natomboky ny mpanompon’i Jehovah afaka tamin’ny fahababoana, tamin’ny a) 537 T.K.? b) taona 33? d) 1919?

14 Nasehon’i Isaia toy izao ny asa hataon’ireo ‘hazo’ ireo: “Hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela.” (Isaia 61:4) Araka ny didin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy Jiosy nahatoky niala tao Babylona mba handeha hanamboatra indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny, izay lao nandritra ny ela be. Nisy asa fanamboarana ny simba koa natao taorian’ny taona 33 sy 1919.

15 Nalahelo mafy ny mpianatr’i Jesosy, tamin’ny taona 33, rehefa nosamborina sy notsaraina ary novonoina izy. (Matio 26:31) Kanefa niova izany, rehefa niseho tamin’izy ireo izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nahazo ny fanahy masina izy ireo, ka nanomboka nitory ny vaovao tsara tany “Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio izy ireo tamin’izany. Toy izany koa, nanomboka tamin’ny 1919, dia nasain’i Jesosy Kristy nanorina indray “ny tanàna rava, izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela” ny sisa amin’ny rahalahiny voahosotra. Tsy nampianatra momba an’i Jehovah ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana nandritra ny an-jato taona, fa lovantsofin’olombelona sy fampianarana tsy ara-baiboly kosa no nampianariny. Nodiovin’ny Kristianina voahosotra tsy ho voaloton’ny fanaon’ny fivavahan-diso intsony ny fiangonany. Afaka niroso amin’izay àry ny famerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. Natombok’izy ireo koa ilay fandaharam-pitoriana lehibe indrindra teto an-tany.—Marka 13:10.

16. Iza no nanampy ny Kristianina voahosotra hanao ny asa fanarenany, ary inona no asa nankinina tamin’izy ireo?

16 Iza no hanampy ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra hanao io asa goavana io? Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman-osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanimboaloboka ho anareo.” (Isaia 61:5) Ireo vahiny sy hafa firenena ireo dia ny “olona betsaka” anisan’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy. * (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:11, 16) Tsy voahosotry ny fanahy masina izy ireo, fa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa kosa. (Apokalypsy 21:3, 4) Na izany aza, dia tia an’i Jehovah sy nanankinana andraikitra koa izy ireo: Fiandrasana ondry sy fiasana tany ary fikarakarana tanimboaloboka, amin’ny heviny ara-panoharana. Tsy asa ambany akory ireo. Tarihin’ny sisa amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ireo mpiasa ireo, ary manampy azy ireo hiandry sy hikarakara ary hanangona olona, amin’ny heviny ara-panoharana.—Lioka 10:2; Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2; Apokalypsy 14:15, 16.

17. a) Ahoana no hiantsoana ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra? b) Inona no hany fanatitra nilaina mba hamelana ny fahotana?

17 Ahoana kosa ny amin’ny Isiraelin’Andriamanitra? Hoy i Jehovah taminy, tamin’ny alalan’i Isaia: “Hianareo kosa no hatao hoe mpisoron’i Jehovah, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; ho lasanareo ny haren’ny firenena, ary handimby voninahitra azy hianareo.” (Isaia 61:6) Ny Levita mpisorona no notendren’i Jehovah hanolotra ny fanatitry ny mpisorona sy ny Isiraelita hafa, teo amin’ny Isiraely fahiny. Kanefa nosoloan’i Jehovah fandaharana tsara kokoa izany tamin’ny taona 33. Nekeny ny fanatitra nataon’i Jesosy, dia ny ainy lavorary, mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahotany. Tsy nisy fanatitra hafa nilaina intsony nanomboka tamin’izay, satria manan-kery mandrakizay ny an’i Jesosy.—Jaona 14:6; Kolosiana 2:13, 14; Hebreo 9:11-14, 24.

18. Karazana mpisorona manao ahoana ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra, ary inona no asaina ataony?

18 Amin’ny heviny ahoana àry ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy no “mpisoron’i Jehovah”? Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina voahosotra namany: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjaka-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.” (1 Petera 2:9) Mpisorona asaina manao asa voafaritra tsara ny Kristianina voahosotra: hilaza momba ny voninahitr’i Jehovah amin’ny firenena. Tokony ho vavolombelony izy ireo. (Isaia 43:10-12) Nanatontosa io asa tena lehibe io tamim-pahatokiana ny Kristianina voahosotra, nandritra izao andro farany izao. Olona an-tapitrisa izao no manambara ny Fanjakan’i Jehovah miaraka aminy, ho vokatr’izany.

19. Inona no fanompoana hotontosain’ny Kristianina voahosotra?

19 Mpisorona hanompo amin’ny fomba hafa koa ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Rehefa maty izy ireo, dia hatsangana ho zavaboary ara-panahy any an-danitra, ary tsy ho faty mihitsy. Tsy ho mpanjaka miaraka amin’i Jesosy fotsiny izy ireo any, fa ho mpisoron’Andriamanitra koa. (Apokalypsy 5:10; 20:6) Ireo mpisorona ireo dia hampihatra ny vokatry ny sorom-panavotan’i Jesosy amin’ny olombelona mahatoky eto an-tany. Antsoina hoe ‘hazo’ indray izy ireo ao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy toko faha-22. Asehon’ny fahitany fa any an-danitra ireo ‘hazo’ 144 000 ireo, ary “mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana ary ny [raviny] dia ho fanasitranana ny firenena maro.” (Apokalypsy 22:1, 2) Tena mahatalanjona tokoa ny fanompoana hataon’ireo mpisorona ireo!

Henatra sy tondromaso, ary avy eo dia fifaliana

20. Inona no fitahiana ho azon’ireo mpisorona sady mpanjaka, na eo aza ny fanoherana?

20 Notoherin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana foana ireo mpisorona sady mpanjaka ireo, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona fankasitrahan’i Jehovah, tamin’ny 1914. (Apokalypsy 12:17) Tsy nahomby anefa izany fanoherana rehetra izany, araka ny efa nambaran’ny faminanian’i Isaia toy izao: “Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.”—Isaia 61:7.

21. Inona no fitahiana avo roa heny azon’ny Kristianina voahosotra?

21 Nampitondra henatra sy tondromaso ny sisa voahosotra ny Kristianisma Anarana mpanindrahindra tanindrazana, tamin’ny Ady Lehibe I. Nisy mpitondra fivavahana niampanga ny rahalahy nahatoky valo tao amin’ny foibe tany Brooklyn ho nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana. Nogadraina tsy ara-drariny nandritra ny sivy volana ireo rahalahy ireo. Nafahana ihany izy ireo tamin’ny fiandohan’ny 1919, ary nesorina ny fiampangana rehetra natao taminy. Nandamòka àry ny tetika hampitsaharana ny asa fitoriana. Tsy navelan’i Jehovah ho menatra mandrakizay ny mpanompony, fa nareniny ary nomeny fitahiana avo roa heny mihitsy aza. Tena nahonitra ny fijaliana rehetra niaretany ny fitahiana be dia be nomen’i Jehovah azy. Tsy antony tokony hihobiana ve izany?

22, 23. Inona no nataon’ny Kristianina voahosotra mba hanahafana an’i Jehovah, ary inona no valisoa nomeny azy ireo?

22 Misy antony hafa tokony hifalian’ny Kristianina ankehitriny. Hoy i Jehovah: “Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.” (Isaia 61:8) Nampianatra ny sisa voahosotra ho tia rariny sy hankahala ny faharatsiana ny fianarany ny Baiboly. (Ohabolana 6:12-19; 11:20) Nianatra ny “hanefy ny sabany ho fangady” izy ireo, ka tsy manohana ny ady sy korontana politika. (Isaia 2:4) Nialany koa ireo fanao manala baraka an’Andriamanitra, toy ny fanendrikendrehana, fijangajangana, fangalarana ary fimamoana.—Galatiana 5:19-21.

23 Manahaka ny Mpamorona azy ny Kristianina voahosotra, ka tia ny rariny. Nomen’i Jehovah “ny valin’asany amin’ny fahamarinana” izy ireo, noho izany. Anisan’izany ny fanekena vaovao, dia ilay fanekena mandrakizay nampahafantarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany. Tonga firenena ara-panahy sy vahoaka manokan’Andriamanitra izy ireo tamin’ny alalan’io fanekena io. (Jeremia 31:31-34; Lioka 22:20) Araka io fanekena io, dia hampihatra ny soa rehetra entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy i Jehovah, toy ny famelana ny heloky ny voahosotra sy ny an’ny olona mahatoky hafa rehetra.

Faly, satria tahin’i Jehovah

24. Iza ao amin’ireo firenena no ilay “taranaka” nahazo fitahiana, ary nahoana izy ireo no tonga amin’izany toerana izany?

24 Nahita ny nitahian’i Jehovah ny vahoakany ny olona sasany tao amin’ireo firenena. Efa nanambara izany toy izao i Jehovah: “Ny taranany ho fantatra any amin’ny jentilisa ary ny terany any amin’ny firenena; izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’i Jehovah.” (Isaia 61:9) Nitory tamin’ny mponin’ireo firenena ny Isiraely ara-panahy, nandritra ny taona fankasitrahan’i Jehovah. Miisa an-tapitrisa ankehitriny ny olona nanaiky ny fitoriany, ary miara-miasa akaiky aminy. Tonga “taranaka notahin’i Jehovah” koa ireo, ary hitan’ny olona rehetra ny fahasambarany.

25, 26. Manao ahoana ny fihetseham-pon’ny Kristianina rehetra, araka ny Isaia 61:10?

25 Tsy andrin’ny Kristianina rehetra ny hidera an’i Jehovah mandrakizay, na voahosotra izy ireo na ondry hafa. Manaiky amin’ny fony rehetra an’ireto tenin’i Isaia ireto izy ireo: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.”—Isaia 61:10.

26 Tapa-kevitra ny ho madio eo imason’i Jehovah foana ny Kristianina voahosotra, izay “nakanjoiny akanjo fahamarinana.” (2 Korintiana 11:1, 2) Ambaran’i Jehovah ho marina izy ireo, mba hahafahany hiaina any an-danitra. Efa nafahana tamin’i Babylona Lehibe izy ireo, ka tsy hiverina any intsony. (Romana 5:9; 8:30) Tena sarobidy aminy ireo fitafiana famonjena. Tapa-kevitra ny hanaraka ny fitsipika ambonin’ny fivavahana madion’i Jehovah Andriamanitra toy izany koa ny ondry hafa namany. ‘Nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ ireo, ka ambara ho marina mba hahafahany ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apokalypsy 7:14; Jakoba 2:23, 25) Mandra-pahatongan’izany, dia manahaka ny voahosotra namany izy ireo, ka mitandrina sao voaloton’i Babylona Lehibe.

27. a) Zavatra mahatalanjona inona no ‘hitsimoka’ mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? b) Nahoana no hoe efa mitsimoka eo amin’ny olombelona sahady ny fahamarinana?

27 Tena faly ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny fa ao amin’ny paradisa ara-panahy. Ho ao amin’ny Paradisa ara-bakiteny koa izy ireo tsy ho ela. Tena tsy andrintsika io fotoana io, izay voalaza mazava tsara toy izao ao amin’ny andininy farany amin’ny Isaia toko faha-61: “Tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.” (Isaia 61:11) ‘Hitsimoka ny fahamarinana’ eto an-tany, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hanao hiakam-pandresena ny olombelona, ary hiely maneran-tany ny fahamarinana. (Isaia 26:9) Tsy voatery hiandry an’izany andro be voninahitra izany anefa isika vao hanao hira fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra. Efa mitsimoka sahady ny fahamarinana eo amin’ny olona an-tapitrisa, izay manome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra sy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. Ny finoantsika sy ny fanantenantsika dia efa antony hihobiantsika, noho ireo fitahiana omen’ilay Andriamanitsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Nety ho tanteraka fahiny ny Isaia 61:5, satria nisy tsy Jiosy niara-niverina tamin’ny Jiosy tany Jerosalema sy nanampy azy ireo hamerina ilay tany tamin’ny laoniny. (Ezra 2:43-58) Kanefa toa teo amin’ny Isiraelin’Andriamanitra ihany ny Isaia 61:6-11 no tanteraka.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 323]

Nanana vaovao tsara hotorina tamin’ny babo jiosy i Isaia

[Sary, pejy 331]

Namboly “hazon’ny fahamarinana” 144 000 i Jehovah, nanomboka tamin’ny taona 33

[Sary, pejy 334]

Hitsimoka eto an-tany ny fahamarinana