Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miverena ho Amin’ny Fivavahana Amin’i Jehovah

Miverena ho Amin’ny Fivavahana Amin’i Jehovah

Toko Fahafito

Miverena ho Amin’ny Fivavahana Amin’i Jehovah

Isaia 46:1-13

1. Manonòna roa amin’ireo andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona, sy izay nambara mialoha momba azy ireo.

REHEFA hatao sesitany any Babylona ny Isiraely, dia ho voahodidin’ny fivavahan-diso. Tamin’ny andron’i Isaia, dia mbola tany an-tanindrazany ny vahoakan’i Jehovah, ary mbola nanana ny tempoly sy ny fisoronana. Kanefa maro tao amin’ilay firenena nanolo-tena ho an’Andriamanitra no latsaka tao amin’ny fanompoan-tsampy. Tena nilaina nampiomanina mialoha àry izy ireo, mba tsy ho resin-tahotra noho ireo andriamani-dison’i Babylona na halaim-panahy hanompo azy ireo. Hoy àry ny faminanian’i Isaia momba ny roa tamin’ireo andriamanitr’i Babylona lehibe indrindra: “Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ny zavatra fitòndranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ireo biby reraka.” (Isaia 46:1) I Bela no andriamanitra sampy lehibe indrindran’ny Kaldeanina, na Babylonianina. I Nebo kosa nankamasinina ho andriamanitry ny fahendrena sy ny fianarana. Nampidirin’ny Babylonianina tao amin’ny anarany ny anaran’ireo andriamanitra roa ireo, ho mariky ny fanajany azy ireo—Belsazara, Nabopolasara, Nebokadnezara, Nebozaradana, raha ireo fotsiny aza no hotononina.

2. Ahoana no nanasongadinana fa tsy afa-niaro tena ireo andriamanitr’i Babylona?

2 Nilaza i Isaia fa ‘nangozohozo’ i Bela, ary ‘efa niraika’ i Nebo. Haetry ireo andriamani-diso ireo. Tsy ho afaka hanampy ny mpivavaka aminy izy ireo, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’i Babylona i Jehovah. Tsy ho afaka hamonjy ny tenany akory aza izy ireo! Tsy holanjaina amim-boninahitra ao amin’ireo filaharam-pankalazana, toy ny tamin’ny fetin’ny Taom-baovao babylonianina, intsony i Bela sy i Nebo. Hotaritaritin’ny mpanompony amin’ny sarety, toy ny entana tsotra, kosa izy ireo. Tsy fiderana sy fankamasinana intsony no homena azy ireo, fa fanesoana sy fanamavoana.

3. a) Inona no hahataitra ny Babylonianina? b) Inona no azo ianarana ankehitriny avy amin’izay nanjo an’ireo andriamanitr’i Babylona?

3 Akory ny hatairan’ny Babylonianina, nandre fa tsy inona ireo sampiny tsy foiny, fa enta-mavesatra hoentin’ny biby reraka hariana fotsiny! Toy izany koa ankehitriny, fa mamitaka fotsiny ireo andriamanitr’ity tontolo ity, dia ireo zavatra ametrahan’ny olona ny fitokisany sy andaniany ny heriny ary amoizany ny ainy mihitsy aza. Nanjary zavatra ivavahana ny harena, ny fitaovam-piadiana, ny fahafinaretana, ny mpitondra, ny tanindrazana na ny marika famantarana azy, ary ny zavatra maro hafa. Haharihary ho zava-poana ireo andriamanitra ireo, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah.—Daniela 11:38; Matio 6:24; Asan’ny Apostoly 12:22; Filipiana 3:19; Kolosiana 3:5; Apokalypsy 13:14, 15.

4. Amin’ny heviny ahoana ny andriamanitr’i Babylona no hoe ‘niraika’ sy ‘nangozohozo’?

4 Vao mainka asongadin’ny tohin’ilay faminaniana fa tsy nahomby tanteraka ireo andriamanitr’i Babylona. “Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.” (Isaia 46:2) Toa ‘niraika’ sy ‘nangozohozo’ ireo andriamanitr’i Babylona, toy ny hoe naratra an’ady na konka noho ny fahanterana. Tsy afaka nanamaivana ny entan’ireo biby nampalahelo nitondra azy izy ireo, na namonjy azy. Koa nanana antony hanomezam-boninahitra azy ireo ve ilay vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena, na dia babo tany Babylona aza? Tsia! Toy izany koa ireo mpanompo voahosotr’i Jehovah. Na dia fony babo ara-panahy aza izy ireo, dia tsy nanome voninahitra ny andriamani-dison’i “Babylona Lehibe”, izay tsy nahasakana ny fianjerany tamin’ny 1919, ary tsy hahavonjy azy amin’ny “fahoriana lehibe.”—Apokalypsy 18:2, 21; Matio 24:21.

5. Inona no fahadisoana nataon’ny Babylonianina ka tsy averin’ny Kristianina ankehitriny?

5 Tsy miankohoka eo anatrehan’ny sampy, na inona na inona, ny Kristianina marina ankehitriny. (1 Jaona 5:21) Na lakroa, na sapile, na sarin’olo-masina, dia tsy mahatonga ny Mpamorona ho azo hatonina kokoa. Tsy afaka misalovana ho antsika izy ireny. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nampianatra ny mpianany ny fomba tsara hivavahana amin’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Raha mangataka zavatra amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany.”—Jaona 14:6, 14, fanamarihana ambany pejy.

“Nentina hatrany am-bohoka”

6. Inona no tsy itovian’i Jehovah amin’ny andriamanitr’ireo firenena?

6 Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany, rehefa avy nalany sarona ny naha zava-poana ny fivavahana tamin’ireo sampin’i Babylona: “Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka.” (Isaia 46:3) Endrey izany fahasamihafana teo amin’i Jehovah sy ireo sary sokitr’i Babylona! Tsy afaka nanao na inona na inona ho an’ny mpivavaka taminy ny andriamanitr’i Babylona. Raha tokony hifindra toerana izy ireo, dia tsy maintsy nentin’ny biby mpitondra entana. Tsy toy izany anefa i Jehovah, fa izy no nitondra ny vahoakany. Nanohana azy ireo “hatrany am-bohoka” izy, izany hoe hatramin’ny fotoana niforonan’ilay firenena. Tokony hampirisika ny Jiosy tsy hivavaka amin’ny sampy, fa hitoky amin’ilay Rainy sady Sakaizany kosa, ny fahatsiarovana ny nitondran’i Jehovah azy.

7. Nahoana no hoe mihoatra noho ny fiahian’ny olombelona ny zanany ny fiahian’i Jehovah ny mpanompony?

7 Hoy ny tohin’ny teny feno fitiavana nataon’i Jehovah: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsi-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.” (Isaia 46:4) Toa tsinontsinona ny fiahian’ny ray na reny be fitiavana indrindra, raha ampitahaina amin’ny fiahian’i Jehovah ny vahoakany. Rehefa mihalehibe ny zanany, dia mety hihevitra ny ray aman-dreny hoe mihamihena ny andraikiny aminy. Ary rehefa mihantitra ny ray aman-dreny, dia ny zanany matetika no mikarakara azy. Tsy toy izany velively ny amin’i Jehovah. Tsy mitsahatra mikarakara ny olombelona zanany mihitsy izy, na dia efa antitra aza izy ireo. Matoky sy tia ny Mpamorona azy ny mpanompony ankehitriny, ary mahazo fampiononana be avy amin’ireo teny ao amin’ny Isaia ireo. Tsy mila manahy ny amin’ny andro na taona sisa tavela hiainany eto amin’ity tontolo ity izy ireo. Nampanantena i Jehovah fa ‘hisahirana hitondra’ ny efa mandroso taona izy, ka hanome azy ireo ny tanjaka hilainy mba hiaretana sy tsy hivadihana. Hitrotro sy hanatanjaka ary hanafaka azy ireo izy.—Hebreo 6:10.

Mitandrema amin’ny sampin’ny andro ankehitriny

8. Inona no fahotana tsy azo nalana tsiny nataon’ny mpiray tanindrazana sasany tamin’i Isaia?

8 Eritrereto ny fahadisoam-panantenana niandry ny Babylonianina, izay nitoky tamin’ny sampy tsy hahavita na inona na inona! Dia tokony hino ve ny Isiraely fa afaka mitaha amin’i Jehovah ireny andriamanitra ireny? Mazava ho azy fa tsia. Mety àry ny fanontanian’i Jehovah hoe: “Hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy, ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?” (Isaia 46:5) Tsy azo nalana tsiny velively ny mpiray tanindrazana sasany tamin’i Isaia izay nivavaka tamin’ny sarivongana tsy afa-niteny sy tsy nanana aina ary tsy afa-niaro tena! Tena hadalana tokoa, raha olona efa nahafantatra an’i Jehovah no hitoky amin’ny sary tsy nanana aina sy tsy nanam-piarovana.

9. Resaho ny amin’ny tsy fahampiam-pisainan’ny mpanompo sampy sasany.

9 Diniho ny tsy fahampiam-pisainan’ireo mpanompo sampy: “Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandanja volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.” (Isaia 46:6) Tsy nitsitsy vola nanamboarana ny andriamaniny ireo mpanompo sampy, toy ny hoe afaka namonjy kokoa noho ny sampy hazo ny sampy lafo vidy. Na nanao ahoana na nanao ahoana anefa ezaka natao sy vidiny naloa, ny sampy tsy manana aina dia mbola sampy tsy manana aina ihany.

10. Teny inona no mampiseho fa zava-poana ny fivavahana amin’ny sampy?

10 Mbola nanasongadina ny hadalan’ny fivavahana amin’ny sampy toy izao ihany ilay faminaniana: “Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.” (Isaia 46:7) Tena mahatsikaiky tokoa ny mivavaka amin’ny sary tsy afaka mandre na mihetsika! Mety tsara tokoa izao tenin’ny mpanao salamo izao, momba ireny zavatra ivavahana tsy mahavita na inona na inona ireny: “Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asan’ny tànan’olona: Manam-bava izy, fa tsy miteny; mana-maso izy, fa tsy mahita; manan-tsofina izy, fa tsy mandre; manana orona izy, fa tsy manimbolo; manan-tànana izy, fa tsy mandray; manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; ary tsy mahaloa-peo ny tendany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.”—Salamo 115:4-8.

“Misikìna herim-po”

11. Inona no hanampy an’ireo niroa saina, ‘hisikina herim-po’?

11 Voaporofon’i Jehovah àry fa zava-poana ny fivavahana amin’ny sampy, ka izao izy dia nanome antony tokony hanompoan’ny vahoakany azy: “Tsarovy izany, ka mahereza hianareo; eritrereto tsara izany, ry mpiodina. Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy.” (Isaia 46:8, 9) Tokony hitadidy ny lasa ireo niroa saina momba ny fivavahana marina sy ny fanompoan-tsampy. Tokony hotadidiny ny zavatra nataon’i Jehovah. Izany dia hanampy azy ireo hisikina herim-po sy hanao ny tsara. Hanampy azy ireo hiverina hivavaka amin’i Jehovah koa izany.

12, 13. Inona no ady tsy maintsy ataon’ny Kristianina, ary ahoana no ahafahany mandresy?

12 Mbola ilaina amin’izao andro izao ihany io fampirisihana io. Sahala amin’ny Isiraelita, ny Kristianina tso-po dia tsy maintsy miady amin’ny fakam-panahy sy amin’ny tsy fahatanterahan’ny tenany. (Romana 7:21-24) Tsy maintsy manao ady ara-panahy amin’ny fahavalo tsy hita maso, nefa faran’izay mahery, koa izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”—Efesiana 6:12.

13 Hampiasa izay rehetra azony ampiasaina i Satana sy ny demoniany, mba hampialana ny Kristianina amin’ny fivavahana marina. Mila manaraka ny torohevitr’i Jehovah, ka misikina herim-po ny Kristianina, mba ho mpandresy amin’izany ady izany. Amin’ny fomba ahoana? Hoy ny apostoly Paoly: “Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” Tsy mandefa ny mpanompony hiady tsy hitondra fiadiana, i Jehovah. Anisan’ny fiadian’izy ireo ara-panahy “ny finoana ho ampinga, izay [hahazoany] hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.” (Efesiana 6:11, 16) Nantsoina hoe mpiodina ny Isiraelita, satria tsy niraharaha ireo fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah ho azy. Raha nisaintsaina momba ny asa famonjena mahery maro nataon’i Jehovah izy ireo, dia tsy ho nivavaka tamin’ny sampy naharikoriko mihitsy. Enga anie isika handray fianarana avy amin’izany, ka tsy hiroa saina mihitsy eo amin’ny ady ataontsika mba hanao ny tsara.—1 Korintiana 10:11.

14. Fahaizana inona no notononin’i Jehovah, mba hampisehoana fa izy no hany Andriamanitra marina?

14 I Jehovah no ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory,—dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.” (Isaia 46:10) Andriamanitra hafa iza no afaka mitaha amin’i Jehovah momba izany? Ny fahaizana milaza ny hoavy dia tena porofo mampiaiky ny maha Andriamanitra ny Mpamorona. Kanefa tsy fahalalan-javatra mialoha fotsiny no ilaina mba hanatanterahana ireo zavatra nambara mialoha. Ilay fanambarana hoe “ho to ny fikasako” dia manamafy fa tsy miova ny fikasan’Andriamanitra. Koa satria tsy voafetra ny herin’i Jehovah, dia tsy misy na inona na inona eo amin’izao rehetra izao afaka misakana azy tsy hanatanteraka ny sitrapony. (Daniela 4:32) Afaka matoky àry isika fa na inona na inona faminaniana mbola tokony ho tanteraka dia ho to tokoa, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.—Isaia 55:11.

15. Ohatra manaitra inona ny amin’ny fahaizan’i Jehovah milaza ny hoavy no isarihana ny saintsika?

15 Izao nolazain’i Isaia izao no ohatra manaitra iray ny amin’ny fahaizan’i Jehovah milaza ny hoavy, sy manatanteraka ny teny nataony: “Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.” (Isaia 46:11) Hitarika ny raharahan’ny olombelona mba hanatanterahana ny fikasany, i Jehovah Andriamanitra, ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany.” Hiantso an’i Kyrosy “avy any atsinanana” izy, na hoe avy any Persia, nisy an’i Pasargades, ilay renivohitra tian’i Kyrosy. Ho toy ny “vorona mpihaza” i Kyrosy, ka hifaoka an’i Babylona amin’ny fomba tsy ampoizina.

16. Ahoana no nanamafisan’i Jehovah fa azo antoka ilay faminaniany momba an’i Babylona?

16 Azo antoka ny faminanian’i Jehovah momba an’i Babylona, araka ny hamafisin’ilay teniny hoe: “Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa.” Maimaika mampanantena zavatra ny olombelona tsy tanteraka, fa ny Mpamorona kosa manatanteraka foana ny teny nataony. I Jehovah no ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga”, ka afaka matoky isika fa raha ‘nikasa azy’ izy, dia “hahefa azy” koa.—Titosy 1:2.

Fo tsy manam-pinoana

17, 18. Iza moa ireo “madi-po” a) tamin’ny andro fahiny? b) ankehitriny?

17 Nampitodika ny faminaniany ho amin’ny Babylonianina indray koa izao i Jehovah: “Mihainoa Ahy, hianareo madi-po, izay lavitra ny fahamarinana.” (Isaia 46:12) Ny teny hoe “madi-po” dia milaza tsara an’ireo kirina sy tapa-kevitra hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy misy isalasalana fa lavitra an’Andriamanitra ny Babylonianina. Nankahala an’i Jehovah sy ny vahoakany izy ireo, ka nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, ary nanao sesitany ny mponina tao.

18 Ireo manana fo misalasala sy tsy mino ankehitriny dia mikiry tsy mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana, izay torina amin’ny tany onenana manontolo. (Matio 24:14) Tsy mety manaiky izy ireo hoe i Jehovah no ilay manana ny zo ho Mpanjaka. (Salamo 83:18; Apokalypsy 4:11) Mandà sy manohitra ny sitrapony izy ireo, satria “lavitra ny fahamarinana” ny fony. (2 Timoty 3:1-5) Toy ny Babylonianina, dia tsy mety mihaino an’i Jehovah izy ireo.

Tsy hitaredretra ny famonjen’Andriamanitra

19. Ahoana no hanehoan’i Jehovah fahamarinana amin’ny Isiraely?

19 Manasongadina lafiny sasany amin’ny toetran’i Jehovah ny teny mamarana ny Isaia toko faha-46, manao hoe: “Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an’ny Isiraely.” (Isaia 46:13) Haneho ny fahamarinan’Andriamanitra ny fanafahany ny Isiraely. Tsy hamela ny vahoakany ho any an-tsesitany mandrakizay izy. Ho tonga amin’ny fotoana mety tsara ny famonjena an’i Ziona, fa “tsy hitaredretra.” Rehefa avy nafahana avy tany amin’ny fahababoana ny Isiraelita, dia hisarika ny mason’ny firenena manodidina. Ho porofon’ny herin’i Jehovah hamonjy ny nanafahany ny fireneny. Ho voala sarona eo imason’ny rehetra ny tsy fahaizan’i Bela sy i Nebo, andriamanitr’i Babylona, ary koa ny tsy fananany hery.—1 Mpanjaka 18:39, 40.

20. Nahoana ny Kristianina no afaka matoky fa ‘tsy hitaredretra ny famonjen’i’ Jehovah?

20 Nanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana ara-panahy i Jehovah tamin’ny 1919. Tsy nitaredretra izy. Mampahery antsika ankehitriny iny zava-nitranga iny sy ny nianjeran’i Babylona fahiny teo an-tanan’i Kyrosy. Nampanantena ny hamarana ny tontolo ratsy misy antsika, miaraka amin’ny fivavahan-disony, i Jehovah. (Apokalypsy 19:1, 2, 17-21) Raha mijery araka ny fomba fijerin’olombelona ny Kristianina sasany, dia mety hihevitra hoe nahemotra ny famonjena azy. Kanefa ny faharetana asehon’i Jehovah mandra-panatanterany io teniny io, dia fanehoana ny fitiavany ny rariny, raha ny tena izy. Raha ny marina tokoa, dia “tsy [tian’i Jehovah] hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Matokia àry fa toy ny tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny, dia ‘tsy hitaredretra ny famonjena.’ Tena mihamanatona hatrany tokoa ny andro famonjena, ary mbola manasa antsika amim-pitiavana ihany i Jehovah hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.”—Isaia 55:6, 7.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 94]

Tsy niaro an’i Babylona tsy ho rava ireo andriamaniny

[Sary, pejy 98]

Tsy maintsy mitandrina amin’ny sampy amin’ny andro ankehitriny ny Kristianina

[Sary, pejy 101]

Misikìna herim-po hanao ny tsara