Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra Marina

Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra Marina

Toko Fahadimy

Nanambara Fahafahana Ilay Andriamanitra Marina

Isaia 44:1-28

1, 2. a) Fanontaniana inona avy no napetrak’i Jehovah? b) Ahoana no hanaporofoan’i Jehovah fa izy irery no Andriamanitra marina?

‘IZA no Andriamanitra marina?’ Efa hatramin’ny an-jato taona ny olona no te hahafantatra ny valin’izany. Mahagaga àry ny mahita ao amin’ny bokin’i Isaia fa nametraka io fanontaniana io koa i Jehovah! Manasa ny olombelona izy handinika hoe: ‘I Jehovah ve no hany Andriamanitra marina? Sa misy andriamanitra hafa afaka mifaninana aminy amin’izany?’ Rehefa avy nampiditra ilay resaka i Jehovah, dia nametraka fitsipika azo ekena tsara mba handaminana io raharaha io. Nitarika ny olona tso-po hanatsoaka hevitra iray tsy azo lavina ilay fanjohian-kevitra narosony.

2 Tamin’ny andron’i Isaia, dia nivavaka tamin’ny sary ny olona hatraiza hatraiza. Asehon’ilay resaka feno fahatsorana sy mazava ao amin’ny Isaia toko faha-44, fa tena tsy misy dikany ny fivavahana amin’ny sary! Na ny vahoakan’Andriamanitra aza anefa dia voafandriky ny fivavahana amin’ny sampy. Koa mendrika hahazo famaizana mafy àry ny Isiraelita, araka ny hita tao amin’ireo toko teo aloha ao amin’ny Isaia. Nanome toky feno fitiavana azy ireo anefa i Jehovah fa, na dia havelany hobaboin’ny Babylonianina aza ny vahoakany, dia hafahany avy eo, amin’ny fotoana voatondrony. Tsy ho azo lavina fa i Jehovah irery no Andriamanitra marina, rehefa hanafaka ny vahoakany sy hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina izy. Ho menatra izay nivavaka tamin’ireo andriamanitra tsy manana aina.

3. Inona no fanampiana azon’ny Kristianina ankehitriny avy amin’ny faminanian’i Isaia?

3 Manatanjaka ny finoan’ny Kristianina ankehitriny ireo faminaniana ireo sy ny fahatanterahany tamin’ny andro fahiny. Misy fahatanterahany amin’ny androntsika sy amin’ny hoavy koa izy ireo, ary miresaka momba ny mpanafaka sy fanafahana lehibe lavitra noho izay nambara mialoha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny.

Fanantenana ho an’izay an’i Jehovah

4. Ahoana no nampaherezan’i Jehovah ny Isiraely?

4 Manomboka amin’ny teny mahafinaritra ny toko faha-44. Ampahatsiahiviny fa nofidin’Andriamanitra ny Isiraely, ary nosarahiny tamin’ireo firenena nanodidina mba ho mpanompony. Hoy ilay faminaniana: “Ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko; izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ary hianao, ry Jesoròna, izay nofidiko.” (Isaia 44:1, 2) Toy ny hoe nikarakara ny Isiraely hatrany am-bohoka i Jehovah, izany hoe hatramin’ny nahatongavan’ny Isiraely ho firenena, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta. Nantsoiny tamin’ilay anaram-boninahitra mitory fitiavana hoe “Jesoròna”, midika hoe “Izay Mahitsy”, ilay vahoakany. Io anarana io koa dia nampahatsiahy azy ireo fa tsy maintsy marina sy mahitsy foana izy ireo—zavatra izay nataony tsirambina matetika.

5, 6. Fanomezana mampahery inona avy no nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely, ary inona no vokany?

5 Mahafinaritra sy mamelombelona erỳ ny tenin’i Jehovah nanaraka! Hoy izy: “Handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’izay tany karankaina; eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny terakao; dia haniry eny amin’ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ny rano mandeha ireny.” (Isaia 44:3, 4) Na any amin’ny tany mafana sy maina aza, dia ahitana hazo mirobona manaraka ny moron’ireo loharano. Rehefa manome ny ranon’ny fahamarinana mamelona i Jehovah, ka mandrotsaka ny fanahiny masina, dia hiroborobo fatratra ny Isiraely, toy ny hazo eny amoron’ny rano mandeha. (Salamo 1:3; Jeremia 17:7, 8) Hanome ny vahoakany ny tanjaka hilainy mba ho vavolombelona hanamarina ny maha Andriamanitra azy àry i Jehovah.

6 Rehefa hirotsaka ny fanahy masina, dia hankasitraka indray ny fifandraisany amin’i Jehovah ny sasany tao amin’ny Isiraely. Izao, ohatra, no vakintsika: “Ny anankiray hilaza hoe: An’i Jehovah aho: ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ny tànany hoe: An’i Jehovah, ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.” (Isaia 44:5) Eny, ho voninahitra ny mitondra ny anaran’i Jehovah, satria ho hita fa izy no hany Andriamanitra marina.

Fihantsiana an’ireo andriamanitra

7, 8. Inona no fihantsiana nataon’i Jehovah tamin’ny andriamanitr’ireo firenena?

7 Teo ambany Lalàn’i Mosesy, dia afaka nividy olona mba hanafahana azy tamin’ny fanandevozana ny mpanavotra iray, izany hoe ny lehilahy havany akaiky indrindra mazàna. (Levitikosy 25:47-54; Rota 2:20) Nilaza i Jehovah izao fa izy no Mpanavotra ny Isiraely, dia ilay hanavotra ilay firenena, ka hampahamenatra an’i Babylona sy ny andriamaniny rehetra. (Jeremia 50:34) Nihantsy an’ireo andriamani-diso sy ny mpanompon’ireo izy, ka nanao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany. Aza matahotra na mangovitra hianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, hianareo no vavolombeloko; misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.”—Isaia 44:6-8.

8 Nihantsy an’ireo andriamanitra mba handahatra ny porofony, i Jehovah. Ho afaka hanambara ny hoavy ve izy ireo, ka hilaza faminaniana marina, toy ny hoe efa nitranga ilay izy? Tsy misy afaka manao izany afa-tsy ilay ‘voalohany sady farany’, izay efa nisy talohan’ny nisian’ireo andriamani-diso rehetra ary mbola ho eo foana na dia efa hadino hatramin’ny ela aza izy ireo. Tsy tokony hatahotra ny hanambara izany ny vahoakany, satria nanohana azy i Jehovah, izay toy ny vatolampy miorina mafy sady tsy mihozongozona!—Deoteronomia 32:4; 2 Samoela 22:31, 32.

Zava-poana ny fivavahana amin’ny sary

9. Ratsy ve ny fanaovan’ny Isiraelita sarina zavamananaina, na inona izany na inona? Hazavao.

9 Mampahatsiahy antsika ny faharoa amin’ny Didy Folo ny fihantsiana nataon’i Jehovah tamin’ireo andriamani-diso. Mazava tsara io didy io hoe: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy.” (Eksodosy 20:4, 5) Tsy nidika akory io fandrarana io hoe tsy tokony hanao sarin-javatra hatao haingo na ravaka, ny Isiraelita. I Jehovah aza nanome toromarika mba hametrahana sarina zavamaniry sy kerobima tao amin’ny tabernakely. (Eksodosy 25:18, 33; 26:31) Kanefa, tsy natao hankamasinina, na hivavahana, izy ireny. Tsy nisy nahazo nivavaka na nanolotra fanatitra ho an’ireny sarin-javatra ireny. Ilay didy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra kosa dia nandrara ny fanaovana sary natao hivavahana, na inona izany na inona. Fanompoan-tsampy ny fivavahana amin’ny sary na ny fiankohofana eo anoloany ho fankamasinana azy.—1 Jaona 5:21.

10, 11. Nahoana i Jehovah no mihevitra an’ireo sary ho mahamenatra?

10 Nohazavain’i Isaia izao fa zava-poana ireo sary tsy manana aina ary ho menatra ireo izay nanao azy ireo. “Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; ny vavolombelon’ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy. Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory? Indro, ho menatra ny namany rehetra; fa ny mpiasa dia olona ihany; aoka hivory izy rehetra ka handroso; aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.”—Isaia 44:9-11.

11 Nahoana Andriamanitra no nihevitra fa tena nahamenatra ireo sary ireo? Voalohany aloha, dia tsy afaka manao sary marin’ny Tsitoha, amin’ny alalan’ny zavatra azo tsapain-tanana, ny olona. (Asan’ny Apostoly 17:29) Ambonin’izany, dia fanevatevana an’i Jehovah ny mivavaka amin’ny zavatra noforonina fa tsy amin’ny Mpamorona. Ary moa ve izany tsy mampietry ny fahamendrehan’ny olombelona, izay noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra”?—Genesisy 1:27; Romana 1:23, 25.

12, 13. Nahoana ny olona no tsy afaka mamolavola sary mendrika ny hivavahana?

12 Ho tonga masina ho azy ve ny zavatra hita maso, satria fotsiny hoe novolavolaina mba hivavahana? Ampahatsiahivin’i Isaia isika fa toy ny asa hafa rehetra ataon’ny olona ihany ny fanaovana sary. Mitovy amin’ny fitaovana sy teknika ampiasain’ny mpiasa tanana hafa rehetra ihany ny an’ny mpanao sary. “Ny mpanefy manamboatra fiasana; miasa amin’ny arina izy ary manamboatra azy amin’ny tantanana sy miasa azy amin’ny sandriny matanjaka; eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka. Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ny fitsipihana; manamboatra azy amin’ny vankona izy, dia manamarika azy amin’ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona, mba hampitoerina ao an-trano.”—Isaia 44:12, 13.

13 Ilay Andriamanitra marina no nanao ny zavamananaina rehetra eto an-tany, anisan’izany ny olombelona. Porofo tena mahatalanjona ny maha Andriamanitra an’i Jehovah ny zavamiaina mahatsiaro tena, nefa mazava ho azy fa ambany noho izy daholo ny zavatra rehetra noforoniny. Afaka ny hihoatra ny fahaizan’Andriamanitra ve ny an’ny olombelona? Afaka manamboatra zavatra ambony noho ny tenany ve ny olombelona, ka hihevitra azy io ho mendrika ny hivavahany mihitsy? Rehefa avy manamboatra sary ny olona iray, dia vizana sy noana ary mangetaheta. Voafetran’ireo zavatra ireo ny mety ho vitan’ny olombelona, kanefa asehon’izy ireo koa fa velona izy. Tsy toy izany anefa ny sary amboariny. Mety hitovy endrika amin’ny olona iray ilay izy, mety ho tsara tarehy mihitsy aza. Tsy manana aina anefa izy io, ary tsy manan-toetran’andriamanitra velively. Ankoatra izany, dia mbola tsy nisy sary sokitra ‘latsaka avy tany an-danitra’, toy ny hoe tsy olombelona mety maty no niaviany.—Asan’ny Apostoly 19:35.

14. Amin’ny heviny ahoana ireo mpanao sary no miankina tanteraka amin’i Jehovah?

14 Nasehon’i Isaia izao fa niankina tanteraka tamin’ireo zava-mitranga sy fitaovana eo amin’ny natiora noforonin’i Jehovah ireo mpanao sary. Hoy izy: “Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka ary mifidy hazo any an-ala; mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin’ny ranonorana izany; ary dia anaovan’ny olona kitay izany ka analany hamindroany; eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany. Ny sasany dorany amin’ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; manatsatsika hena izy, ka dia voky; eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! Ary ny sisan’izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro hianao.”—Isaia 44:14-17.

15. Ahoana no nampisehoan’ny mpanao sary fa tena tsy nanam-pahalalana izy?

15 Afaka mamonjy olona ve ny kitay iray tsy mirehitra? Mazava ho azy fa tsia. Ilay Andriamanitra marina ihany no afaka mamonjy. Ahoana no ahafahan’ny olona mivavaka amin-javatra tsy manana aina? Nasehon’i Isaia toy izao fa ao am-pon’ny olona ilay zava-manahirana: “Tsy mahalala na mahafantatra ireny; fa voatampina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony, ka tsy mahalala. Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ny afo; eny, efa nanendy mofo tamin’ny vainafony aho: efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo? Homan-davenona izy; voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tànako ankavanana?” (Isaia 44:18-20) Eny, ny olona mino fa afaka manome zavatra tsara ara-panahy ny fanompoan-tsampy dia toy ny mihinana lavenona, fa tsy hanina mahavelona.

16. Ahoana no niandohan’ny fanompoan-tsampy, ary inona no mampipoitra azy io?

16 Niantomboka tany an-danitra ny fanompoan-tsampy, fony nitsiriritra ny fivavahana tokony ho an’i Jehovah irery ihany ilay zavaboary ara-panahy nahery izay tonga Satana. Nampisaraka azy tamin’Andriamanitra izany faniriany izany. Toy ny fanompoan-tsampy ihany ny fitsiriritana, hoy ny apostoly Paoly, ka tamin’izay tokoa no niandohan’ny fanompoan-tsampy. (Isaia 14:12-14; Ezekiela 28:13-15, 17; Kolosiana 3:5) Nandrisika ilay mpivady olombelona voalohany ho tia tena i Satana. Nitsiriritra izay natolotr’i Satana azy i Eva, dia ny hoe: “Hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Nilaza i Jesosy fa ao am-po no ipoiran’ny fitsiriritana. (Genesisy 3:5; Marka 7:20-23) Rehefa simba ny fo, dia hipoitra mora foana ny fanompoan-tsampy. Tena ilaina àry ny ‘hitandremantsika rehetra ny fontsika’, ka tsy hamelantsika na iza na iza, sy na inona na inona haka ny toerana tokony hotanan’i Jehovah ao!—Ohabolana 4:23; Jakoba 1:14.

Manohina ny fo i Jehovah

17. Inona no tokony ho noraisin’ny Isiraely am-po?

17 Avy eo dia niangavian’i Jehovah hahatsiaro ny andraikiny sady tombontsoany ny Isiraelita: Ny ho vavolombelony! Hoy izy: “Tsarovy izany, ry Jakoba, dia hianao, ry Isiraely, fa mpanompoko hianao; noforoniko hianao ka mpanompoko; tsy hohadinoiko hianao, ry Isiraely ô, Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. Mihobia, ry lanitra; fa Jehovah no nanao izany; manaova feo fifaliana hianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ny tany; velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary hianao, ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao; fa Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’Isiraely.”—Isaia 44:21-23.

18. a) Nahoana ny Isiraely no nanana antony hifaliana? b) Ahoana no hanahafan’ny mpanompon’i Jehovah ny famindram-pony ankehitriny?

18 Tsy ny Isiraely akory no nanao an’i Jehovah. Tsy andriamanitra nataon’olombelona izy. I Jehovah kosa no nanao ny Isiraely mba ho mpanompony voafidiny. Ary hanaporofo ny maha Andriamanitra azy indray izy, rehefa hanafaka ilay firenena. Nanome toky ny vahoakany tamim-pitiavana izy fa, raha nibebaka izy ireo, dia havelany tanteraka ny fahotany, ka hafeniny toy ny hoe ao ambadiky ny rahona matevim-be. Endrey izany antony tokony hifalian’ny Isiraely! Manosika ny mpanompony ankehitriny hanahaka ny famindram-pon’i Jehovah ny ohatra nomeny. Afaka manao izany izy ireo, rehefa manampy an’ireo manao fahadisoana, ka mampiorina azy ireo ara-panahy indray, raha azo atao.—Galatiana 6:1, 2.

Ny fara heriny amin’ilay fitsapana ny amin’izay tena Andriamanitra

19, 20. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hitondrana ny fanaporofoan-keviny ho amin’ny fara heriny? b) Inona avy no nolazainy fa hataony ho an’ny vahoakany, ary iza no hampiasainy mba hanatanteraka azy ireo?

19 Entin’i Jehovah ho amin’ny fara heriny izao ny fanaporofoan-keviny. Vonona ny hamaly ilay fitsapana henjana indrindra ny amin’izay tena Andriamanitra izy: ny fahaizana milaza ny hoavy mialoha sy araka ny marina. Ireo andininy dimy manaraka amin’ny Isaia toko faha-44, dia nantsoin’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly hoe “poezia momba ny fahambonian’ny Andriamanitry ny Isiraely”, dia ilay hany Mpamorona, ilay hany Mpanambara ny hoavy sy hany fanantenan’ny Isiraely. Nanaitra mafy ilay faminaniana, rehefa nambara ny anaran’ilay lehilahy hanafaka ilay firenena avy tao Babylona.

20 “Izao no lazain’i Jehovah, Izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany; Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana, ary mahatò ny tenin’ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’i Jerosalema hoe: Honenana hianao, sy amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Hatsangana hianareo, ka hamboariko izay rava eo, ary milaza amin’ny rano lalina hoe: Tankìna, fa hataoko tankina ny oninao, ary milaza an’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.”—Isaia 44:24-28.

21. Nanome antoka ny amin’inona ny tenin’i Jehovah?

21 Eny, sady mahay milaza mialoha ny zavatra ho avy i Jehovah, no manan-kery hanatanteraka ny fikasana rehetra nambarany. Hameno fanantenana ny Isiraely io teniny io. Manome antoka izy io fa, na dia hofoanan’ny tafik’i Babylona aza ilay tany, dia ho tafatsangana indray i Jerosalema sy ireo tanàna niankina taminy ary ho tafaorina indray ny fivavahana marina. Amin’ny fomba ahoana anefa?

22. Lazao ny fomba nahatankina ny Ony Eofrata.

22 Mazàna ny mpisandoka ho milaza ny hoavy no tsy sahy manao vinavina hentitra loatra, sao hita fa diso ilay izy, rehefa mandeha ny fotoana. Mifanohitra amin’izany i Jehovah, fa na ny anaran’ilay lehilahy hampiasainy aza dia efa nampahafantariny tamin’ny alalan’i Isaia. Izy no hanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana, mba hodiany sy hanorenany indray an’i Jerosalema sy ny tempoly. Kyrosy no anarany, ary Kyrosy Lehibe avy any Persia no ahafantarana azy. Nomen’i Jehovah koa aza ny tsipirian’ny tetikady hampiasain’izy io mba hamakiana ny fiarovana mafin’i Babylona. Manda avo sy lakan-drano namakivaky sy nanodidina azy no hiaro azy. Ny Ony Eofrata, dia ilay fiarovany lehibe indrindra, no hohararaotin’i Kyrosy. Nilaza i Hérodote sy Xénophon, mpahay tantara fahiny, fa teny amin’ny toerana iray talohan’ny hahatongavan’ilay ony tao Babylona, dia navilin’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata, mandra-pahafaky ny miaramilany nandeha tao anaty rano efa narivo. Tankina io ony nahery be io, amin’ny heviny hoe tsy nahavita niaro an’i Babylona izy.

23. Inona no porofo ananantsika fa tanteraka ilay faminaniana hoe hanafaka ny Isiraely i Kyrosy?

23 Ahoana ny amin’ilay teny hoe hanafaka ny vahoakan’Andriamanitra i Kyrosy, sy hanao izay hanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempoly? Nanao izao fanambarana ofisialy voatahiry ao amin’ny Baiboly izao mihitsy i Kyrosy: “Izao no lazain’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany dia efa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,—Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” (Ezra 1:2, 3) Tanteraka tamin’ny fomba feno ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia!

Isaia sy Kyrosy ary ny Kristianina ankehitriny

24. Inona no ifandraisan’ny nivoahan’ny baikon’i Artaksersesy “hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema” sy ny fahatongavan’ny Mesia?

24 Ny Isaia toko faha-44 dia manandratra an’i Jehovah ho ilay hany Andriamanitra marina sady Mpanafaka ny vahoakany fahiny. Manana heviny lalina ho antsika rehetra ankehitriny koa io faminaniana io. Ny didin’i Kyrosy hanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema, nivoaka tamin’ny 538/537 T.K., dia fiandohan-javatra nifampitohitohy ary niafara tamin’ny fahatanterahan’ny faminaniana mahavariana iray hafa. Iny didin’i Kyrosy iny dia narahin’ny an’i Artaksersesy, mpanjaka hafa tatỳ aoriana, momba ny hanorenana indray ny tanànan’i Jerosalema. Nampahafantatra ny bokin’i Daniela fa “hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema [tamin’ny 455 T.K.] ka hatramin’i Mesia Andriana”, dia hisy 69 “herinandro” misy 7 taona avy. (Daniela 9:24, 25) Tanteraka koa io faminaniana io. Tamin’ny taona 29, izany hoe 483 taona katroka taorian’ny nahatanterahan’ny didin’i Artaksersesy tany amin’ny Tany Nampanantenaina, dia natao batisa i Jesosy, ka nanomboka ny fanompoany teto an-tany. *

25. Manondro inona ankehitriny ny nianjeran’i Babylona teo an-tanan’i Kyrosy?

25 Ny fanafahana ny Jiosy nahatoky avy tany an-tsesitany, rehefa nianjera i Babylona, dia nanambara ny fanafahana ny Kristianina voahosotra avy tamin’ny sesitany ara-panahy, tamin’ny 1919. Io fanafahana io dia porofo fa nianjera ny Babylona iray hafa, resahina ho toy ny vehivavy janga, dia i Babylona Lehibe, izay sary mampiseho ny fivavahan-diso rehetra amin’ny fitambarany. Nahita mialoha io fianjerany io ny apostoly Jaona, araka ny Apokalypsy. (Apokalypsy 14:8) Hitany mialoha koa ny ho fandringanana azy io tampoka. Ny filazan’i Jaona momba ny fandringanana an’io tontolo feno sampy io dia misy itoviana amin’ny filazan’i Isaia momba ny nandresen’i Kyrosy ny tanànan’i Babylona fahiny. Ireo lakan-dranon’i Babylona dia tsy nahavonjy azy tamin’i Kyrosy; toy izany koa fa tsy hahavonjy an’i Babylona Lehibe ireo olombelona mpanohana azy, izay oharina amin’ny ‘rano’ ary ho “ritra” alohan’ny handringanana azy ara-drariny.—Apokalypsy 16:12. *

26. Ahoana no anamafisan’ny faminanian’i Isaia sy ny fahatanterahany ny finoantsika?

26 Rehefa jerentsika amin’izao andro izao ny faminanian’i Isaia, izany hoe roa arivo taona sy tapany mahery atỳ aoriana, dia hitantsika fa tena ‘mahatanteraka ny saina atolotry ny irany’ Andriamanitra. (Isaia 44:26) Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia àry dia ohatra miavaka mampiseho fa mendri-pitokisana ny faminaniana rehetra ao amin’ny Soratra Masina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Jereo ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, toko faha-11, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 25 Jereo ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, toko faha-35 sy 36, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 63]

Afaka mamonjy olona ve ny kitay iray tsy mirehitra?

[Sary, pejy 75]

Nahatanteraka faminaniana i Kyrosy, tamin’ny familiana ny ranon’i Eofrata