Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah

Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah

Toko Fahefatra Amby Roapolo

Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah

Isaia 63:1-14

1, 2. a) Inona no tena andrandrain’ny Kristianina avy amin’ny “andron’Andriamanitra”? b) Noho ny antony ambony inona no hahatongavan’ny andron’i Jehovah?

EFA ho roa arivo taona izao ny Kristianina no ‘nanantena sy nampahafaingana ny hiavian’ny andron’Andriamanitra.’ (2 Petera 3:12; Titosy 2:13) Tsy mahagaga raha tsy andrin’izy ireo ny hahatongavan’io andro io, satria hanomboka amin’izay ny fanesorana ny voka-dratsin’ny tsy fahatanterahana. (Romana 8:22) Hifarana amin’izay koa ireo fijaliana entin’izao “andro mahory” izao.—2 Timoty 3:1.

2 Hampitsahatra ny fahorian’ny olo-marina ny andron’i Jehovah, kanefa handringana koa an’ireo “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesaloniana 1:7, 8) Tena mampieritreritra izany. Mba hamonjena ny vahoakany fotsiny tokoa ve no handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy? Asehon’ny Isaia toko faha-63 fa misy antony ambony kokoa noho izany, dia ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra.

Mandroso ilay mpiady mandresy

3, 4. a) Inona no toe-javatra nanoratana ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-63? b) Iza no hitan’i Isaia manatona an’i Jerosalema, ary heverin’ny manam-pahaizana sasany hoe iza izy io?

3 Novakintsika tao amin’ny Isaia toko faha-62 fa nafahana avy tany Babylona ny Jiosy ary naverina tany an-tanindrazany. Mipoitra ho azy àry ilay fanontaniana hoe: Tokony hatahotra ny hotafihin’ny firenena fahavalo hafa indray ve izy ireo izao? Mampisinda izany tahotra izany ny fahitan’i Isaia, izay manomboka toy izao: “Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny?”—Isaia 63:1a.

4 Mahita mpiady iray, mavitrika sy mandresy, izay manatona an’i Jerosalema, i Isaia. Hita avy amin’ny fitafiany kanto fa avy amin’ny saranga ambony indrindra izy. Avy any Bozra, ilay tanàna lehibe indrindran’i Edoma, izy, ka angamba nandresy tamin’ny fomba nanetriketrika an’io tany fahavalo io. Mba iza àry io mpiady io? Misy manam-pahaizana milaza fa i Jesosy Kristy izy io. Ny hafa kosa mino fa ilay mpitari-tafika jiosy nantsoina hoe Judas Maccabée izy io. Kanefa hoy ny valiny nomen’ilay mpiady: “Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.”—Isaia 63:1b.

5. Iza ilay mpiady hitan’i Isaia, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?

5 Tsy isalasalana mihitsy fa i Jehovah Andriamanitra io mpiady io. Lazaina ho ‘be fahatanjahana’ sy “miteny ny marina” izy any amin’ny andininy hafa. (Isaia 40:26; 45:19, 23) Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto ny fitafiana kanton’ilay mpiady: “Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao; famirapiratana sy voninahitra no fitafinao.” (Salamo 104:1) Andriamanitra fitiavana i Jehovah, nefa mitafy ny akanjon’ny mpiady koa izy, rehefa ilaina izany, araka ny lazain’ny Baiboly.—Isaia 34:2; 1 Jaona 4:16.

6. Nahoana no hoe avy niady tany Edoma i Jehovah?

6 Nahoana anefa no lazaina fa avy niady tany Edoma i Jehovah? Fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny ela be ny Edomita. I Esao razambeny no voalohany naneho ilay fankahalana, ary mbola tohizin’izy ireo ihany izany. (Genesisy 25:24-34; Nomery 20:14-21) Niharihary indrindra ny fankahalan’i Edoma ny Joda, fony ny Edomita nihoby ny miaramila babylonianina nandrava an’i Jerosalema. (Salamo 137:7) Heverin’i Jehovah ho famelezana azy mihitsy izany fankahalana ny vahoakany izany. Tsy mahagaga raha tapa-kevitra ny hamely an’i Edoma amin’ny sabatry ny famaliana izy!—Isaia 34:5-15; Jeremia 49:7-22.

7. a) Inona no fahatanterahana voalohan’ilay faminaniana momba an’i Edoma? b) Manondro an’iza i Edoma?

7 Tena nampahery an’ireo Jiosy niverina tany Jerosalema àry ny fahitan’i Isaia. Nahazo toky izy ireo fa honina amim-pilaminana ao amin’ny fonenany vaovao. Tamin’ny andron’i Malakia mpaminany tokoa, dia efa nataon’Andriamanitra ho ‘tany lao ny tendrombohitr’i Edoma, ary ny lovany natolony ho an’ny amboadia any an’efitra.’ (Malakia 1:3) Midika ve izany fa efa tanteraka tamin’ny andron’i Malakia io faminanian’i Isaia io? Tsia, satria na dia lao toy inona aza i Edoma, dia mbola tapa-kevitra ihany ny hanamboatra indray ny taniny rava. I Malakia koa aza mbola niantso an’i Edoma hoe “tanin’ny faharatsiana” sy “firenena tezeran’i Jehovah mandrakizay.” * (Malakia 1:4, 5) Tsy ny taranak’i Esao ara-bakiteny ihany anefa no nahatanterahan’io faminaniana momba an’i Edoma io. I Edoma dia manondro ny firenena rehetra izay hita fa fahavalon’ny mpivavaka amin’i Jehovah. Ny firenena ao amin’ny Kristianisma Anarana no tena miavaka indrindra amin’izany. Inona no hanjo an’io Edoma ankehitriny io?

Ilay famiazam-boaloboka

8, 9. a) Asa inona no hitan’i Isaia nataon’ilay mpiady? b) Rahoviana ary ahoana no hanosihosena ilay famiazam-boaloboka?

8 Nanontany an’ilay mpiady avy niady i Isaia hoe: “Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?” Namaly i Jehovah hoe: “Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.”—Isaia 63:2, 3.

9 Ra mandriaka no lazain’ireo teny mazava be ireo. Voaloto hatramin’ny fitafiana mihajan’Andriamanitra, toy ny akanjon’ny olona manosihosy famiazam-boaloboka! Mety tsara ny famiazam-boaloboka mba hampisehoana fa ho voafandrika ny fahavalon’i Jehovah Andriamanitra, rehefa handroso handringana azy ireo izy. Rahoviana no hohosihosena io famiazam-boaloboka io? Miresaka famiazam-boaloboka koa i Joela sy ny apostoly Jaona. Ny famiazam-boaloboka resahin’izy ireo dia hohosihosena rehefa handringana ny fahavalony amin’ny Haramagedona i Jehovah. (Joela 4:13; Apokalypsy 14:18-20; 16:16) Amin’io fotoana io koa no hampiasana ilay famiazam-boaloboka resahin’ny faminanian’i Isaia.

10. Nahoana i Jehovah no nilaza fa nanosihosy ilay famiazam-boaloboka irery izy?

10 Nahoana anefa i Jehovah no nilaza fa nanosihosy ilay famiazam-boaloboka irery izy, fa tsy mba nisy niaraka taminy ny avy tamin’ny firenena? Tsy hitarika ny fanosihosena ilay famiazam-boaloboka angaha moa i Jesosy Kristy, ilay solontenan’i Jehovah? (Apokalypsy 19:11-16) Marina izany, nefa olombelona no resahin’i Jehovah eto, fa tsy zavaboary ara-panahy. Ny tiany holazaina dia hoe tsy hisy olombelona hahavita hanaisotra ny mpanaraka an’i Satana avy eto an-tany. (Isaia 59:15, 16) Ilay Andriamanitra Tsitoha no hanosihosy azy ireo, noho ny fahatezerany, mandra-pahalevon’izy ireo tanteraka.

11. a) Nahoana i Jehovah no hampihatra ‘andro famaliana’? b) Iza ireo ‘voavotra’ fahiny sy ankehitriny?

11 Notohizin’i Jehovah ny fanazavany ny antony hanaovan’ny tenany manokana io asa io. Hoy izy: “Efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ny voàvotro.” (Isaia 63:4) * I Jehovah irery no manana zo hamaly ny ratsy atao amin’ny vahoakany. (Deoteronomia 32:35) Fahiny ireo ‘voavotra’ ireo dia ny Jiosy nampijalin’ny Babylonianina. (Isaia 35:10; 43:1; 48:20) Ankehitriny kosa, dia ny sisa voahosotra izy ireo. (Apokalypsy 12:17) Navotana avy tamin’ny fahababoana ara-pivavahana, toy ny Jiosy fahiny, izy ireo. Enjehina sy toherina sahala amin’ireny Jiosy ireny koa izy ireo sy ny “ondry hafa” namany. (Jaona 10:16) Mahazo toky avy amin’ny faminanian’i Isaia àry ny Kristianina ankehitriny fa hamonjy azy ireo amin’ny fotoana voatondrony Andriamanitra.

12, 13. a) Nahoana no hoe tsy misy manampy i Jehovah? b) Ahoana no amonjen’ny sandrin’i Jehovah, ary ahoana no anohanan’ny fahavinirany azy?

12 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talanjona Aho, satria tsy nisy hanohana,—ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy. Ary ny fahavinirako no nanohana Ahy. Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.”—Isaia 63:5, 6.

13 Tsy hisy olombelona hanampy an’i Jehovah, ka ho afaka hihambo ho nampihatra ny andro famaliany lehibe. Tsy mila olombelona hanampy azy hanatanteraka ny sitrapony koa i Jehovah. * Mahavita tsara io asa io ny herin’ny sandriny tsy hay tohaina. (Salamo 44:3; 98:1; Jeremia 27:5) Zava-dehibe kokoa aza ny fanohanan’ny fahavinirany azy. Ahoana izany? Tsy fihetseham-po tsy voafehy akory ny fahavinirany, fa fahatezerana ara-drariny. Miorina amin’ny fitsipika marina foana ny fahavinirany, ka izany no ahafahany mandatsaka ‘ny ran’ny’ fahavalony “amin’ny tany.” Izany no manosika azy handringana azy ireo, ka hitondra fahafaham-baraka sy faharesena ho azy ireo.—Salamo 75:8; Isaia 25:10; 26:5.

Ny famindram-pon’Andriamanitra

14. Inona izao no ampahatsiahivin’i Isaia an’ilay vahoaka?

14 Vetivety dia hadinon’ny Jiosy fahizay ireo zavatra nataon’i Jehovah ho azy. Tena mety àry ny ampahatsiahivan’i Isaia azy ireo ny antony nanaovan’i Jehovah ireny zavatra ireny. Hoy izy: “Ny famindrampon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Isiraely, izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ny famindrampony. Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra.”—Isaia 63:7-9.

15. Tamin’ny fomba ahoana ary nahoana i Jehovah no naneho famindram-po tamin’ny taranak’i Abrahama tany Ejipta?

15 Tena ohatra miavaka no nomen’i Jehovah, raha ny amin’ny famindram-po, na fitiavana tsy mivadika! (Salamo 36:7; 62:12) Tsy nivadika tamin’ny fitiavany an’i Abrahama i Jehovah. (Mika 7:20) Nampanantena azy i Jehovah hoe amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (Genesisy 22:17, 18) Tsy nivadika tamin’io teny nataony io Jehovah, ka naneho hatsaram-po be tamin’ny taranak’i Isiraely. Anisan’ny niavaka indrindra tamin’izany ny nanafahany ny taranak’i Abrahama avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta.—Eksodosy 14:30.

16. a) Inona no fomba fihevitr’i Jehovah, fony izy nanao fanekena tamin’ny Isiraely? b) Ahoana no itondran’Andriamanitra ny vahoakany?

16 Rehefa niala tany Ejipta ny Isiraelita, dia nentin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ary nampanantenainy hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy . . . Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6) Nisy fitaka na fanambakana ve tao amin’izany fanolorana nataon’i Jehovah izany? Tsia, satria ahariharin’i Isaia eto fa nilaza i Jehovah tamin’izay hoe: “Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga.” Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ilay hoe ‘tokoa’ akory tsy didin’ny mpanjaka to teny, na tenin’ny mahay milaza ny hoavy, fa tenin’ny manam-pitiavana izay manantena sy matoky ny olony.” Eny, nanao ny fanekeny tamin’ny fo madio tanteraka i Jehovah, satria tena tiany hankatò sy hahazo ilay valisoa ny vahoakany. Mbola naneho ny fatokisany azy ireo ihany izy, na dia maro aza ny kileman-toetran’izy ireo. Tena mahafinaritra ny manompo Andriamanitra matoky ny mpivavaka aminy toy izany! Mampahery an’ilay vahoakan’Andriamanitra nankinina taminy ny anti-panahy ankehitriny, rehefa tsy miahiahy fa matoky ny hatsaram-pon’izy ireo toy izany koa.—2 Tesaloniana 3:4; Hebreo 6:9, 10.

17. a) Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah ny fitiavany ny Isiraelita? b) Afaka matoky ny amin’ny inona isika ankehitriny?

17 Na izany aza, dia hoy ny mpanao salamo momba ny Isiraelita: “Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta.” (Salamo 106:21) Tsy nankatò sy mafy hatoka izy ireo, ka matetika no niharan’ny vokany. (Deoteronomia 9:6) Tsy namindra fo tamin’izy ireo intsony ve i Jehovah? Ny mifanohitra amin’izany no marina, araka ny tenin’i Isaia hoe: “Tamin’ny [fahorian’ny Isiraely] rehetra dia niory koa Izy.” Endrey ny fahaizan’i Jehovah miara-miory amin’ny hafa! Nalahelo, toy ny ray be fitiavana rehetra, izy, nahita ny zanany nijaly, na dia noho ny hadalan’izy ireo ihany aza no nijaliany. Araka ilay faminaniana sy ho porofon’ny fitiavany, dia naniraka ny “Anjelin’ny tavany”, na ny mpitondra hafany manokana, izy. I Jesosy talohan’ny naha olombelona azy angamba io nirahiny mba hitarika azy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina io. (Eksodosy 23:20) Novimbinin’i Jehovah sy nentiny, “tahaka ny fitondran’ny olona ny zanany”, àry ilay firenena. (Deoteronomia 1:31; Salamo 106:10) Afaka matoky isika ankehitriny fa mahita ny fijaliantsika koa i Jehovah ary miara-miory amintsika rehefa ao anatin’ny fahoriana mangidy isika. Afaka ‘mametraka aminy ny fanahiantsika rehetra isika, fa izy no miahy antsika.’—1 Petera 5:7.

Tonga fahavalo Andriamanitra

18. Nahoana i Jehovah no tonga fahavalon’ny vahoakany?

18 Tsy tokony hanararaotra loatra ny famindram-pon’Andriamanitra anefa isika. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.” (Isaia 63:10) Nampitandrina i Jehovah fa “tsy mety manamarina ny meloka” Izy, na dia mamindra fo sy miantra aza. (Eksodosy 34:6, 7) Mendrika ny hofaizina ny Isiraelita, noho ny fahazarany nikomy. “Aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra”, hoy i Mosesy. “Hatramin’ny andro nialanao tany amin’ny tany Egypta ka hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity tany ity dia mbola niodina tamin’i Jehovah ihany hianareo.” (Deoteronomia 9:7) Nanohitra ny fitaomana tsaran’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo, ka nampalahelo azy io. (Efesiana 4:30) Nanery an’i Jehovah ho tonga fahavalony izy ireo tamin’izany.—Levitikosy 26:17; Deoteronomia 28:63.

19, 20. Zavatra inona avy no tadidin’ny Jiosy, ary nahoana?

19 Nahatonga ny Jiosy sasany hisaintsaina momba ny lasa ny fahoriany. Hoy i Isaia: “Ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy, dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy, dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy? Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’i Jehovah fitsaharana ho azy.”—Isaia 63:11-14a.

20 Eny, nijinja ny vokatry ny tsy fankatoavany ny Jiosy, ka nanembona ny andro fony i Jehovah Mpanavotra azy fa tsy fahavalony. Tsaroan’izy ireo ny nitarihan’i Mosesy sy Arona “mpiandry ondriny” azy ireo hita soa aman-tsara ny Ranomasina Mena. (Salamo 77:20; Isaia 51:10) Tsaroan’izy ireo ny fotoana fony izy ireo tsy nampalahelo ny fanahin’Andriamanitra, fa notarihin’i Mosesy sy ny loholona hafa notendren’ny fanahy. (Nomery 11:16, 17) Tadidin’izy ireo koa ny herin’i Jehovah, na “sandriny be voninahitra”, izay namonjy azy ireo tamin’ny alalan’i Mosesy! Notarihin’Andriamanitra izy ireo avy eo hivoaka an’ilay efitra lehibe sy nahatahotra mba hiditra tao amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nahitany fitsaharana. (Deoteronomia 1:19; Josoa 5:6; 22:4) Nijaly anefa ny Isiraelita izao, satria tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra intsony!

‘Anarana be voninahitra ho an’ny tenany’

21. a) Inona no tombontsoa lehibe nifandray tamin’ny anaran’Andriamanitra nety ho azon’ny Isiraely? b) Inona no antony lehibe indrindra nanafahan’Andriamanitra ny Isiraelita avy tany Ejipta?

21 Na izany aza, dia tsinontsinona ny famoizana ireo zavatra ara-nofo ireo, raha oharina amin’ny famoizana ilay tombontsoa hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Hoy i Mosesy tamin’ny Isiraelita: “Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah, araka izay nianianany taminao, raha mitandrina ny didin’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mandeha amin’ny làlany. Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.” (Deoteronomia 28:9, 10) Tsy mba hanamorana na hampahafinaritra ny fiainan’ny taranak’i Abrahama fotsiny no namonjen’i Jehovah azy ireo avy tany Ejipta. Misy antony lehibe lavitra noho izany, dia ny anarany. Eny, nataony izay ‘hanambarana ny anarany any amin’ny tany rehetra.’ (Eksodosy 9:15, 16) Ary tsy fihetseham-po fotsiny koa no nahatonga azy hamindra fo, rehefa nikomy ny Isiraelita tany an’efitra. Hoy izy: “Niasa noho ny amin’ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason’ny jentilisa.”—Ezekiela 20:8-10.

22. a) Nahoana Andriamanitra no hiady ho an’ny vahoakany indray amin’ny hoavy? b) Manosika antsika hanao inona ny fitiavantsika ny anaran’Andriamanitra?

22 Teny manan-kery no namaranan’i Isaia ny faminaniany avy eo! Hoy izy: “Tahaka izany no nitondranao ny olonao, mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.” (Isaia 63:14b) Mazava tsara izao ny antony niadian’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Izany dia ny mba hanaovana anarana be voninahitra ho an’ny tenany. Ampahatsiahivin’ny faminanian’i Isaia àry fa sady tombontsoa tsy manam-paharoa no andraikitra goavana ny mitondra ny anaran’i Jehovah. Tia ny anaran’i Jehovah mihoatra noho ny ainy ny Kristianina marina ankehitriny. (Isaia 56:6; Hebreo 6:10) Halan’izy ireo ny hanao na inona na inona mety hahafa-baraka an’io anarana masina io. Tsy mivadika amin’Andriamanitra izy ireo, ho setrin’ny fitiavany tsy mivadika. Noho ny fitiavan’izy ireo an’io anarana be voninahitra io koa, dia tsy andrin’izy ireo ny andro hanosihosen’i Jehovah ny fahavalony ao amin’ny famiazam-boaloboky ny fahatezerany. Tsy ho famonjena azy ireo fotsiny izany, fa ho fanomezam-boninahitra ny anaran’ilay Andriamanitra tiany koa.—Matio 6:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Edomita ireo mpanjaka nantsoina hoe Heroda tamin’ny taonjato voalohany.

^ feh. 11 Manondro fe-potoana mitovy ihany angamba ny hoe “taonan’ny voàvotro” sy ny hoe “andro hamaliako.” Mariho ny fomba fampiasa ireo teny ireo ao amin’ny Isaia 34:8.

^ feh. 13 Gaga i Jehovah satria tsy nisy vonona hanampy azy. Mety hahagaga tokoa ny mbola anoheran’ireo manan-kery eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, 2 000 taona aorian’ny nahafatesan’i Jesosy.—Salamo 2:2-12; Isaia 59:16.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 359]

Niandrandra zavatra lehibe ho an’ny vahoakany i Jehovah