Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy

Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy

Toko Fahavalo

Ny Fivavahan-diso—Tsinjo ny Hiafarany Hanaitra Mafy

Isaia 47:1-15

1, 2. a) Nahoana no toa tsy hino ny sasany hoe hisy fiovana goavana tsy ho ela eo amin’ny sehatry ny fivavahana? b) Ahoana no ahafantarantsika fa mihatra amin’ny hoavy ny tenin’ny Isaia toko faha-47? d) Nahoana no mety tsara amin’ny fivavahan-diso rehetra ny anarana hoe “Babylona Lehibe”?

“TAFARINA Indray ny Fivavahana.” Izany no nambaran’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy). Nasehon’izy io fa toa mbola latsa-paka lalina ao am-po sy ao an-tsain’ny olona an-tapitrisa ihany ny fivavahana. Mety ho sarotra àry ny hino hoe hisy fiovana goavana hiseho eo amin’ny sehatry ny fivavahana maneran-tany. Asehon’ny toko faha-47 amin’ny Isaia anefa fa hisy izany fiovana izany.

2 Tanteraka ny tenin’i Isaia, 2 500 taona lasa izay. Kanefa mbola tononin’ny bokin’ny Apokalypsy ny teny ao amin’ny Isaia 47:8 ary ampihariny amin’ny hoavy. Ao ny Baiboly dia maminany momba ny faran’ny fivavahan-diso maneran-tany, izay oharina amin’ny vehivavy janga antsoina hoe “Babylona lehibe.” (Apokalypsy 16:19) Tena mety amin’ireo fivavahan-dison’ity tontolo ity ny anarana hoe “Babylona”, satria tao Babylona fahiny no niandohan’ny fivavahan-diso. Niainga avy tao izy io ka niely hatrany amin’ny vazan-tany efatra. (Genesisy 11:1-9) Hita saika ao amin’ny fivavahana rehetra, anisan’izany ny Kristianisma Anarana, ireo fampianarana niandoha tao Babylona, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny afobe ary ny fivavahana amin’ny andriamanitra telo izay iray. * Manome antsika fahazavana momba ny hoavin’ny fivavahana ve ny faminanian’i Isaia?

Haetry ho amin’ny vovoka i Babylona

3. Hazavao ny halehiben’ny Fanjakana Babylonianina.

3 Henoy izao fanambarana manaitra nataon’Andriamanitra izao: “Mialà, ka mipetraha amin’ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony hianao.” (Isaia 47:1) An-taona maro i Babylona no firenena natanjaka indrindra eran-tany. “Ravaky ny fanjakana maro” izy, izany hoe foibe ara-pivavahana sy ara-barotra ary ara-tafika niroborobo be. (Isaia 13:19) Fony teo amin’ny fara tampony i Babylona, dia tonga hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta tany atsimo ny fanjakany. Ary rehefa naharesy an’i Jerosalema izy tamin’ny 607 T.K., na Andriamanitra aza toa tsy nahasakana ny fandreseny! Noho izany, dia nihevi-tena ho “zanakavavy virijina”, tsy hotafihin’ny vahiny mihitsy, izy. *

4. Inona no hanjo an’i Babylona?

4 Kanefa haongana io “virijina” nieboebo io, ka tsy ho ny firenena matanjaka indrindra intsony, fa haetry ka hasaina ‘hipetraka amin’ny vovoka.’ (Isaia 26:5) Tsy hoheverina ho “malemilemy sy mihantahanta”, toy ny mpanjakavavy ampihantaina, intsony izy. Nandidy àry i Jehovah hoe: “Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.” (Isaia 47:2) Rehefa avy nanandevo ny firenen’i Joda i Babylona, dia izy indray izao no hoentina toy ny andevo! Ny Medianina sy Persanina no hanongana azy, ka hanery azy hanao asa mampietry ho azy ireo.

5. a) Amin’ny heviny ahoana no hanendahana amin’i Babylona ny ‘fisalobonany sy ny moron-tongotr’akanjony’? b) Inona no mety ho dikan’ilay baiko hoe “miroboha mita ny ony”?

5 Hendahana amin’i Babylona àry ny ‘fisalobonany sy ny moron-tongotr’akanjony’, ka tsy hahitana soritra intsony ny fahamboniany sy ny fahamendrehany. “Miroboha mita ny ony”, hoy ny baikon’ny mpampiasa azy. Angamba nisy Babylonianina tena noterena tokoa hanao asan’andevo teny an-tsaha. Na mety ho te hilaza ilay faminaniana hoe hisy hotaritina hita renirano ara-bakiteny, rehefa hoentina any an-tsesitany. Na ahoana na ahoana, dia tsy hoentina eo ambony seza na filanjana, araka ny fomba mihajan’ny mpanjakavavy intsony i Babylona, rehefa hita renirano. Ho toy ny andevo voatery hanadino ny fahamaotinany kosa izy, ka hanainga ny zipony ary hampihanjahanja ny ranjony, rehefa hita renirano. Fietrena re izany!

6. a) Ahoana no hisehoan’ny fitanjahan’i Babylona? b) Amin’ny heviny ahoana Andriamanitra no “tsy hiantra olona”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Mbola nihantsy ihany i Jehovah hoe: “Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.” (Isaia 47:3) * Eny, ho menatra sy ho afa-baraka i Babylona. Halana sarona ny faharatsiany sy ny halozany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy misy olombelona mahasakana ny famalian’Andriamanitra!

7. a) Hanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy tany an-tsesitany, rehefa hianjera i Babylona? b) Ahoana no hanavotan’i Jehovah ny vahoakany?

7 Rehefa avy nohazonina ho babo tao Babylona nandritra ny 70 taona ny vahoakan’Andriamanitra, dia tena hifaly rehefa hianjera io tanàna io. Hihiaka izy ireo hoe: “Ny anaran’ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ny maro, Iray Masin’ny Isiraely.” (Isaia 47:4) Teo ambany Lalàn’i Mosesy, raha nivaro-tena ho andevo mba hamerenana ny trosany, ny Isiraelita iray, dia afaka nividy, na nanavotra, azy hiala tamin’ny fanandevozana, ny mpanavotra (havana akaiky) iray. (Levitikosy 25:47-54) Koa satria namidy ho andevon’i Babylona ny Jiosy, dia nila ny havotana, na hafahana. Ho an’ny andevo, mazàna ny faharesen’ny tompony dia tsy inona fa fiovana tompo fotsiny. I Jehovah kosa anefa hitarika an’i Kyrosy Mpanjaka mpandresy, mba hanafaka ny Jiosy amin’ny fanandevozana. Homena an’i Kyrosy ho ‘avotra’ ho solon’ny Jiosy, i Ejipta sy Etiopia ary Seba. (Isaia 43:3) Tena mety ny iantsoana ny Mpanavotra ny Isiraely hoe “Jehovah, Tompon’ny maro”, na Tompon’ny tafika. Ny tafik’i Babylona izay toa natanjaka be, dia nalemy kely, rehefa nampitahaina tamin’ny tafik’anjelin’i Jehovah tsy hita maso.

Ny vidin’ny halozana

8. Amin’ny heviny ahoana i Babylona no ‘hiditra ao amin’ny maizina’?

8 Nanameloka an’i Babylona indray ny faminanian’i Jehovah: “Mipetraha mangingina, ka midira ao amin’ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ny fanjakana intsony hianao.” (Isaia 47:5) Tsy hisy afa-tsy haizina sy haizim-pito sisa ho an’i Babylona. Tsy ho tompovavy lozabe hanapaka ny fanjakana hafa intsony izy.—Isaia 14:4.

9. Nahoana i Jehovah no nanjary tezitra tamin’ny Jiosy?

9 Fa nahoana moa i Babylona no navela hanisy ratsy ny vahoakan’Andriamanitra? Hoy ny fanazavan’i Jehovah: “Tezitra tamin’ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tànanao izy.” (Isaia 47:6a) Nanana antony tsara i Jehovah, matoa tezitra tamin’ny Jiosy. Efa nampitandremany izy ireo teo aloha hoe horoahina avy teo amin’ilay tany, raha tsy nankatò ny Lalàny. (Deoteronomia 28:64) Rehefa nanjary nanompo sampy sy naloto fitondran-tena izy ireo, dia mbola naneho fitiavana ihany i Jehovah, ka naniraka mpaminany hamerina azy ireo ho amin’ny fivavahana madio. “Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.” (2 Tantara 36:16) Navelan’Andriamanitra àry ny Babylonianina hanafika ilay tany, mba handoto ny lovany, dia i Joda, sy ny tempoliny masina.—Salamo 79:1; Ezekiela 24:21.

10, 11. Nahoana i Jehovah no tezitra tamin’i Babylona, na dia sitrapony aza ny handresen’izy io ny vahoakany?

10 Koa moa àry ve tsy nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fotsiny i Babylona, rehefa nanao ny Jiosy ho andevony? Tsia, satria hoy Andriamanitra: “Tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra. Ary hoy hianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany hianao, na nitsapa izay hiafarany.” (Isaia 47:6b, 7) Tsy nasain’Andriamanitra hampihatra halozana tafahoatra, sy tsy hamindra fo “na dia [amin’ny] antitra aza”, i Babylona. (Fitomaniana 4:16; 5:12) Tsy nampirisihiny ho faly hampijaly sy haneso an’ireo Jiosy babony koa izy ireo.—Salamo 137:3.

11 Tsy azon’i Babylona fa ho vetivety monja ny hihazonany ny Jiosy. Tsy noraharahainy ny fampitandreman’i Isaia hoe amin’ny farany, dia hanafaka ny vahoakany i Jehovah. Ny fihetsik’i Babylona dia toy ny hoe nanana ny zo hanjaka mandrakizay teo amin’ny Jiosy izy, na hoe ho tompovavy mandrakizay teo amin’ireo firenena nofeheziny. Tsy noraharahainy ilay hafatra hoe hisy ‘farany’ ny fitondrany nampahory!

Nambara mialoha ny hianjeran’i Babylona

12. Nahoana i Babylona no nolazaina hoe ‘nihantahanta’?

12 Nanambara toy izao i Jehovah: “Mihainoa, hianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan-anaka.” (Isaia 47:8) Fantatry ny rehetra fa nalaza ho ‘mpihantahanta’, na mpitia fahafinaretana, i Babylona. Notantarain’i Hérodote, mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy T.K., fa nisy “fanao nahamenatra indrindra” teo amin’ny Babylonianina: Notakina tamin’ny vehivavy rehetra ny hivarotany tena, ho fanomezam-boninahitra ny andriamanibavin’ny fitiavana. Nilaza koa i Curtius, mpahay tantara fahiny, hoe: “Tsy nisy nahitana fitondran-tena maloto noho ny tao amin’ilay tanàna; tsy nisy nahitana fakam-panahy na fandrisihana hanaram-po amin’ny ratsy, nahery noho ny tao.”

13. Nahoana no hanafaingana ny fianjeran’i Babylona ny fitiavany fahafinaretana fatratra?

13 Hanafaingana ny fianjeran’i Babylona ny fitiavany fahafinaretana fatratra. Amin’ny alina mialoha ny hianjerany, dia hanao fanasana ny mpanjakany sy ny mpanolo-tsainy, ka hisotro mandra-pahamamony. Tsy hiraharaha an’ireo tafika medianina sy persanina hanafika ilay tanàna àry izy ireo. (Daniela 5:1-4) ‘Nipetraka tsy nanana ahiahy’ i Babylona, ka nihevitra fa hiaro azy amin’ny fanafihana, ireo mandany sy hady voriny toa tsy nety resy. Niteny anakampo izy hoe ‘tsy nisy hafa’ ho afaka haka ny toerana fara tampony notanany. Tsy nihevitra ny ho tonga “mpitondratena”, izay hamoy ny mpanjakany sy ny ‘zanany’, na vahoakany, izy. Na izany aza, dia tsy hisy manda ho afaka hiaro azy amin’ny famalian’i Jehovah Andriamanitra! Hoy i Jehovah avy eo: “Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian’ny mpandringana azy.”—Jeremia 51:53.

14. Amin’ny heviny ahoana i Babylona no hiharan’ny “fahafoanan-anaka sy ny fananoan-tena”?

14 Inona no ho vokatr’izany ho an’i Babylona? Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Kanjo hanjo anao tampoka amin’ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan-anaka sy ny fananoan-tena; hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.” (Isaia 47:9) Eny, hifarana tampoka ny maha fanjakana fara tampony an’i Babylona. Ny famoizana vady sy zanaka no faran’izay nangidy indrindra tamin’ny vehivavy tatsinanana fahiny. Tsy fantatsika hoe firy ny ‘zanaka’ nafoin’i Babylona tamin’ilay alina nianjerany. * Amin’ny farany anefa, dia ho lao tanteraka io tanàna io. (Jeremia 51:29) Ho tonga mpitondratena koa izy, amin’ny heviny hoe haongana ireo mpanjakany.

15. Ankoatra ny halozan’i Babylona tamin’ny Jiosy, inona koa no nahatezitra an’i Jehovah taminy?

15 Tsy ny fampijalian’i Babylona ny Jiosy ihany anefa no antony nahatezitra an’i Jehovah. Nahatezitra azy koa ny ‘fankatovana maro’ nataon’izy io. Nanameloka ny fifandraisana tamin’ny fanahy ratsy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely; i Babylona anefa nanaram-po fatratra tamin’ny asan’ny maizina. (Deoteronomia 18:10-12; Ezekiela 21:21) Milaza ny boky Ny Fiaraha-monina teo Amin’ny Asyrianina sy ny Babylonianina (anglisy) fa ny Babylonianina dia “niaina tao anatin’ny tahotra tsy an-kijanona an’ireo demonia tsy toko tsy forohana izay ninoany fa nanodidina azy.”

Fitokisana tamin’ny faharatsiana

16, 17. a) Ahoana no nampisehoan’i Babylona fa ‘nitoky tamin’ny faharatsiany’ izy? b) Nahoana no tsy azo nosakanana ny hiafaran’i Babylona?

16 Hamonjy an’i Babylona ve ireo mpanandrony? Hoy ny navalin’i Jehovah: “Nitoky tamin’ny faharatsianao hianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo hianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.” (Isaia 47:10) Nino i Babylona fa ho afaka hihazona ny toeran’ny firenena natanjaka izy noho ny fahendreny (ara-pivavahana sy amin’ny lafiny hafa), ny tanjany ara-tafika, ary ny habibiany sy ny hafetseny. Nihevitra izy fa tsy nisy ‘nahita’ azy, na hampamoaka azy noho ny ratsy nataony. Tsy nisy rafiny nanangasanga koa. “Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho”, hoy izy anakampo.

17 Kanefa nampitandrina, tamin’ny alalan’ny mpaminaniny iray hafa, i Jehovah hoe: “Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako?” (Jeremia 23:24; Hebreo 4:13) Koa nanambara àry i Jehovah hoe: “Hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.” (Isaia 47:11) Na ny andriamanitr’i Babylona, na ny ‘fanafana’ nampiasain’ny mpifandray tamin’ny fanahy ratsy, dia tsy nahasakana ilay loza ho avy, izay tsy nisy toa azy hatramin’izay!

Tsy nahavoa ireo mpanolo-tsain’i Babylona

18, 19. Ahoana no hahitana fa hitondra loza ny fitokisan’i Babylona tamin’ny mpanolo-tsainy?

18 Nanome izao baiko feno fanesoana manindrona izao i Jehovah: “Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony hianao mbola kely; angamba hahavita izay mahasoa hianao; angamba ho tonga mahatahotra hianao.” (Isaia 47:12) Nasaina ‘niroso’, na nikiry tsy hiova, i Babylona, raha ny amin’ny fitokisany tamin’ny mazia. Efa nisasatra mafy ‘hatry ny fony izy mbola kely’ tokoa ilay firenena, mba hampandrosoana ny asan’ny maizina.

19 Naneso azy anefa i Jehovah hoe: “Sasatra noho ny hamaroan’ny fisainanao hianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.” (Isaia 47:13) * Tsy hahomby tanteraka ireo mpanolo-tsain’i Babylona. Marina fa fandinihana ny teny amin’ny lanitra nandritra ny an-jato taona no natao mba hampandrosoana ny fanandroana babylonianina. Amin’ny alina hianjerany anefa, dia tsy hahomby velively ny mpanandrony, ka hibaribary fa tsy misy ilana azy ny fanaovana sikidy.—Daniela 5:7, 8.

20. Inona no hanjo an’ireo mpanolo-tsain’i Babylona?

20 Namarana io tapany amin’ilay faminaniana io toy izao i Jehovah: “Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza. Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony hianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.” (Isaia 47:14, 15) Eny, handia fotoana hivaivay ireo mpanolo-tsaina sandoka ireo. Tsy ho afo famindroana mahafinaritra akory izany, fa ho afo mandringana sy mandoro izay hanala sarona an’ireo mpanolo-tsaina sandoka ho toy ny vodivary tsy hisy hilana azy. Tsy mahagaga àry raha hisahotaka handositra ireo mpanolo-tsain’i Babylona! Tsy ho eo intsony ireo mpanohana farany an’i Babylona ireo, ka tsy hisy hamonjy azy. Hivaly aminy ny ratsy nataony tamin’i Jerosalema.—Jeremia 11:12.

21. Ahoana ary oviana no tanteraka ny faminanian’i Isaia?

21 Nanomboka tamin’ny 539 T.K. ny fahatanterahan’io faminaniana io. Namabo an’ilay tanàna ny tafiky ny Medianina sy Persanina notarihin’i Kyrosy, ka namono an’i Belsazara Mpanjaka, izay nonina tao. (Daniela 5:1-4, 30) Indray alina monja, dia voaongana tsy ho fanjakana fara tampony intsony i Babylona. Nifarana àry ny fahambonian’ny taranaka semitika naharitra an-jato taona. Nofehezin’ny taranaka arianina indray izao ny tany. Nikororosy i Babylona, ary naharitra an-jato taona izany. Efa “korontam-bato” sisa izy, tamin’ny taonjato fahefatra A.K. (Jeremia 51:37) Tanteraka tamin’ny fomba feno àry ny faminanian’i Isaia.

Babylona iray hafa amin’ny andro ankehitriny

22. Inona no fianarana momba ny avonavona azontsika avy amin’ny fianjeran’i Babylona?

22 Tena mampieritreritra ny faminanian’i Isaia. Voalohany aloha, dia manamafy ny loza entin’ny avonavona sy ny eboebo izy io. Ny fianjeran’i Babylona mpiavonavona dia ohatra tsara manamarina ilay ohabolana ara-baiboly manao hoe: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” (Ohabolana 16:18) Mahazo vahana eo amintsika indraindray ny avonavona, noho isika tsy tanteraka, nefa raha ‘mieboebo’ isika, dia hitarika antsika ho amin’ny “fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly” izany. (1 Timoty 3:6, 7) Tsara àry raha manaraka izao torohevitr’i Jakoba izao isika: “Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.”—Jakoba 4:10.

23. Manampy antsika hatoky ny amin’ny inona ny faminanian’i Isaia?

23 Manampy antsika hatoky an’i Jehovah, izay mahery noho ny mpanohitra azy rehetra, koa io faminaniana io. (Salamo 24:8; 34:7; 50:15; 91:14, 15) Izany fampahatsiahivana izany dia manome fampiononana antsika amin’izao andro sarotra izao. Rehefa matoky an’i Jehovah isika, dia vao mainka tapa-kevitra ny tsy hanan-tsiny mandrakariva eo imasony, satria fantatsika fa ‘tsy ho fongotra ny olona mahitsy.’ (Salamo 37:37, 38) Lalan’ny fahendrena foana ny miantehitra amin’i Jehovah, fa tsy amin’ny herintsika manokana, rehefa iharan’ny ‘fanangolen’i’ Satana isika.—Efesiana 6:10-13.

24, 25. a) Nahoana no tsy misy dikany ny fanandroana, kanefa nahoana no maro no manao azy? b) Nahoana ny Kristianina no tsy minomino foana?

24 Ampitandremana isika tsy hifandray amin’ny fanahy ratsy, indrindra fa amin’ny fanandroana. (Galatiana 5:20, 21) Rehefa nianjera i Babylona dia mbola nangeja ny olona ihany ny fanandroana. Mahaliana ny fanamarihana nataon’ny boky Ireo Tanàna Lehibe teo Amin’ny Tontolo Fahiny (anglisy) hoe “nifindra toerana” ireo antokon-kintana nofaritan’ny Babylonianina, ka “nanjary tsy nisy dikany intsony ilay hevitra manontolo momba ny [fanandroana].” Na izany aza, dia mbola miroborobo ihany ny fanandroana, ary gazety maro no misy lahatsoratra momba ny tombam-bintana eo amin’ny pejy mora hitan’ny mpamaky.

25 Nahoana no maka hevitra avy amin’ny kintana, na minomino foana sy manaraka fanao tsy misy dikany, ny olona, nefa mba nahita fianarana ihany ny maro aminy? Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Mbola hisy foana angamba ny finoanoam-poana, raha mbola mifampahatahotra sy tsy matoky ny hoavy koa ny olona.” Mety hitarika ny olona hinohino foana ny tahotra sy ny tsy fananan-toky. Ny Kristianina anefa mandositra ny finoanoam-poana. Tsy matahotra olona izy, fa i Jehovah no mpanohana azy. (Salamo 6:4-10) Matoky ny hoavy koa izy, mahafantatra ny fikasan’i Jehovah ary tsy misalasala ny amin’ny “fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay.” (Salamo 33:11) Hanana hoavy sambatra maharitra isika, raha mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fisainan’i Jehovah.

26. Ahoana no nahitana fa ‘zava-poana ny hevitry ny hendry’?

26 Vao haingana, dia nisy nitady hamantatra ny hoavy amin’ny fomba “ara-tsiansa” kokoa. Misy mihitsy aza taranja antsoina hoe siansa momba ny hoavy, na ny “fianarana momba izay mety hitranga amin’ny hoavy, miorina amin’ny fizotran-javatra ankehitriny.” Ohatra, tamin’ny 1972, dia nanambara ireo avara-pianarana sy mpandraharaha ao amin’ny Fikambanan’i Roma, fa ho lany tanteraka, hono, ny tahirina volamena, volavelona, fanitso, ary solika rehetra amin’ny tany, amin’ny 1992. Nahita zava-nanahirana nahatsiravina tokoa ny tany hatramin’ny 1972, nefa diso tanteraka io vinavina io. Mbola manana tahirina volamena, volavelona, fanitso ary solika ihany ny tany. Eny tokoa, nanasa-tena hitady haminany ny hoavy ny olombelona, nefa tsy azo itokisana ny vinavina ataony. Tena ‘zava-poana marina ny hevitry ny hendry’!—1 Korintiana 3:20.

Hifarana tsy ho ela i Babylona Lehibe

27. Oviana ary ahoana no nianjeran’i Babylona Lehibe, toa an’i Babylona tamin’ny 539 T.K.?

27 Nihazona maro tamin’ireo fampianaran’i Babylona fahiny ireo fivavahana ankehitriny. Mety tsara amin’ny fivavahan-diso maneran-tany àry ny anarana hoe Babylona Lehibe. (Apokalypsy 17:5) Efa nianjera io fitambaran’ny fivavahana iraisam-pirenena io, toa an’i Babylona tamin’ny 539 T.K. (Apokalypsy 14:8; 18:2) Tamin’ny 1919, dia nivoaka avy tamin’ny fahababoana ara-panahy ny sisa amin’ny rahalahin’i Kristy, ary tsy nanaiky intsony ny fitaoman’ny Kristianisma Anarana, izay tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. Nanomboka tamin’izay, dia tsy nanan-kery firy intsony tany amin’ny tany maro nanjakany taloha ny Kristianisma Anarana.

28. Mirehareha ny amin’ny inona i Babylona Lehibe, nefa inona no miandry azy?

28 Nialoha lalana ny fandringanana hanjo ny fivavahan-diso amin’ny farany fotsiny anefa iny fianjerany iny. Mahaliana ilay faminanian’ny Apokalypsy momba ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, satria mampahatsiahy antsika ny faminaniana ao amin’ny Isaia 47:8, 9. Milaza sahala amin’i Babylona fahiny i Babylona Lehibe hoe: “Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho.” Kanefa “ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” Ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-47 àry dia fampitandremana ho an’ireo mbola mifandray amin’ny fivavahan-diso. Raha tsy tiany ny hiara-ko ringana aminy, dia aoka izy hanaraka ilay baiko ara-tsindrimandry hoe: “Mialà aminy hianareo”!—Apokalypsy 18:4, 7, 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Manazava ny niorenan’ny fampianaran-diso ara-pivavahana ny boky Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 3 Ny hoe “Babylona, zanakavavy virijina” amin’ny teny hebreo dia manondro an’i Babylona na ny mponin’i Babylona. “Virijina” izy satria tsy nisy nandresy na nandroba hatramin’ny naha firenena natanjaka azy.

^ feh. 6 Ilay teny hebreo nadika hoe “tsy hiantra olona [aho]” dia nolazain’ny manam-pahaizana fa “teny faran’izay sarotra” adika. Ny tena heviny dia hoe tsy hisy olon-kafa havela hamonjy an’i Babylona, araka ny nandikan’ny Fikambanana Famoaham-boky Jiosy azy hoe: ‘Tsy hamela na iza na iza hisalovana aho.’

^ feh. 14 Lazain’ny boky Nabonida sy Belsazara (anglisy), nataon’i Raymond Dougherty, fa araka ny Tantaran’i Nabonida, dia niditra “tsy niady” ny mpanafika an’i Babylona, fa araka an’i Xénophon, mpahay tantara grika, kosa dia nety ho nisy ra nandriaka be tamin’izay.

^ feh. 19 “Mpizarazara ny lanitra” koa no nandikana ny teny hebreo nadika hoe “mpamantatra ny lanitra.” Manondro ilay fizarazarana ny lanitra ho sehatra samy hafa hiorenan’ny tombam-bintana io teny io.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 111]

Haetry ho amin’ny vovoka i Babylona mpitia fahafinaretana

[Sary, pejy 114]

Tsy ho afaka hilaza mialoha ny hianjeran’i Babylona ireo mpanandrony

[Sary, pejy 116]

Kalandrien’ny fanandroana babylonianina, vita taorian’ny 1 000 T.K.

[Sary, pejy 119]

Tsy ho ela dia tsy hisy intsony i Babylona amin’ny andro ankehitriny