Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Taona Fankasitrahana”

“Taona Fankasitrahana”

Toko Fahafolo

“Taona Fankasitrahana”

Isaia 49:1-26

1, 2. a) Inona no fitahiana azon’i Isaia? b) Mihatra amin’iza avy ny faminaniana ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Isaia toko faha-49?

EFA nahazo sitraka sy fiarovana avy tamin’i Jehovah Andriamanitra hatramin’ny ela ny olombelona nahatoky. Tsy maneho ny fankasitrahany befahatany anefa i Jehovah. Tsy maintsy mendrika izany fitahiana tsy manam-paharoa izany ny olona iray vao hahazo azy, toy ny asehon’ny ohatr’i Isaia. Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy, ka nampiasain’i Jehovah mba hampahafantatra ny sitrapony tamin’ny hafa. Mahita ohatra ny amin’izany isika ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Isaia toko faha-49.

2 Ny taranak’i Abrahama no iantefan’io faminaniana io. Tamin’ny fahatanterahany voalohany, ilay taranaka dia ny firenen’ny Isiraely, naterak’i Abrahama. Kanefa be dia be amin’ny teny ao no mihatra amin’ilay Mesia nampanantenaina, ilay Taranak’i Abrahama nandrasana hatramin’ny ela. Mihatra amin’ny rahalahin’ny Mesia ara-panahy, izay tonga taranaka ara-panahin’i Abrahama sy “Isiraelin’Andriamanitra”, koa ireo teny ara-tsindrimandry ireo. (Galatiana 3:7, 16, 29; 6:16) Ny fifandraisana manokana eo amin’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany malala anefa no tena asehon’io faminanian’i Isaia io.—Isaia 49:26.

Voatendrin’i Jehovah sy narovany

3, 4. a) Mahazo ny fanohanan’iza moa ny Mesia? b) Iza no iresahan’ny Mesia?

3 Mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny Mesia. Omen’i Jehovah ny fahefana sy ny fanohanana ilainy mba hanatanterahana ny asa nanirahana azy izy. Tena mety àry ny ilazan’ilay Mesia hoe: “Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ineny no efa nankalazainy ny anarako.”—Isaia 49:1.

4 Miteny amin’ireo vahoaka “lavitra” ny Mesia eto. Ny Jiosy no nampanantenana ny Mesia, nefa ny firenena rehetra no hahazo fitahiana avy amin’ny fanompoany. (Matio 25:31-33) Tsy nifanao fanekena tamin’i Jehovah ireo “nosy” sy “firenena.” Tokony hankatò ilay Mesian’ny Isiraely ihany anefa izy ireo, satria nirahina mba hamonjy ny olombelona rehetra izy.

5. Ahoana no nampahafantarana ny Mesia, na dia talohan’ny nahaterahany ho olombelona aza?

5 Lazain’ny faminaniana fa hampahafantatra ny Mesia alohan’ny hahaterahany ho olombelona, i Jehovah. (Matio 1:21; Lioka 1:31) Ela be talohan’ny nahaterahany, dia efa nantsoina hoe “mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” izy. (Isaia 9:5) Ny hoe Imanoela, angamba anaran’ny zanak’i Isaia, dia anarana manondro ny Mesia koa. (Isaia 7:14; Matio 1:21-23) Efa nolazaina talohan’ny nahaterahany koa ilay anarana hahafantaran’ny olona ny Mesia hoe Jesosy. (Lioka 1:30, 31) Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “I Jehovah dia Famonjena” io anarana io. Mazava àry fa tsy i Jesosy no nanendry ny tenany ho Kristy.

6. Amin’ny heviny ahoana ny vavan’ny Mesia no tahaka ny sabatra maranitra, ary amin’ny heviny ahoana izy no afenina?

6 Hoy ny tohin’ny faminaniana nolazain’ny Mesia: “Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy, ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.” (Isaia 49:2) Nanomboka tamin’ny taona 29 ny fanompoan’ilay Mesian’i Jehovah teto an-tany. Ny teny sy ny asa nataony nanomboka tamin’izay dia tena toy ny fiadiana maranitra sy voalambolambo tsara, ka nanohina ny fon’ny mpihaino azy. (Lioka 4:31, 32) Nahatezitra ny fahavalon’i Jehovah, dia i Satana sy ny solontenany, izany. Hatramin’ny nahaterahan’i Jesosy, dia nitady hamono azy i Satana. Toy ny zana-tsipìka nafenina tao amin’ny tranon-jana-tsipìkan’i Jehovah anefa i Jesosy. * Afaka niantehitra tanteraka tamin’ny fiarovan-dRainy izy. (Salamo 91:1; Lioka 1:35) Tamin’ny fotoana voatondro, dia nanome ny ainy mba hamonjena ny olombelona i Jesosy. Ho avy anefa ny fotoana hisehoany ho mpiady mahery any an-danitra, ka hitondrany sabatra maranitra indray koa, saingy eo am-bavany, mba hanatanterahana zava-kendrena hafa. Amin’io indray mandeha io, ilay sabatra maranitra dia ny fahefan’i Jesosy hanambara sy hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalon’i Jehovah.—Apokalypsy 1:16.

Tsy very maina ny asan’ilay mpanompon’Andriamanitra

7. Mihatra amin’iza ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia 49:3, ary nahoana?

7 Manonona izao faminaniana izao i Jehovah avy eo: “Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô, izay entiko mampiseho ny voninahitro.” (Isaia 49:3) Antsoin’i Jehovah hoe mpanompony ny firenen’ny Isiraely. (Isaia 41:8) I Jesosy Kristy anefa no Mpanompon’Andriamanitra lehibe indrindra. (Asan’ny Apostoly 3:13) Tsy misy na iray aza amin’ny zavaboarin’Andriamanitra afaka maneho ny ‘voninahitr’i’ Jehovah, tsara noho ny nataon’i Jesosy. Koa na dia ny Isiraely aza no voatonona, dia amin’i Jesosy ireo teny ireo no tena mihatra.—Jaona 14:9; Kolosiana 1:15.

8. Ahoana no nandraisan’ireo iray firenena tamin’ny Mesia azy, nefa iza no asain’ny Mesia mitsara ny fahombiazany?

8 Tsy marina ve anefa, fa nohamavoin’ireo iray firenena taminy i Jesosy, sady nolavin’izy ireo? Marina izany. Ny ankabeazan’ny Isiraelita dia tsy nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mpanompo voahosotr’Andriamanitra. (Jaona 1:11) Nety ho toa tsy nisy vidiny firy, tsinontsinona mihitsy aza, ny fiheveran’ny mpiara-belona tamin’i Jesosy ny zavatra rehetra nataony teto an-tany. Toy izao no ilazan’ny Mesia io toa tsy fahombiazan’ny fanompoany io: “Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.” (Isaia 49:4a) Tsy kivy akory ny Mesia, raha nilaza izany, satria hoy izy avy eo: “Ao amin’i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.” (Isaia 49:4b) Andriamanitra no natao hitsara ny fahombiazan’ny Mesia, fa tsy ny olona.

9, 10. a) Nirahin’i Jehovah hanao inona moa ny Mesia, ary nanao ahoana ny vokatra azony? b) Inona no fampaherezana azon’ny Kristianina avy amin’ny ohatry ny Mesia?

9 Ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra no tena mahaliana an’i Jesosy. Hoy ny Mesia, ao amin’ilay faminaniana: “Ankehitriny, hoy Jehovah, izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (fa mahazo voninahitra eo imason’i Jehovah Aho, ary Andriamanitro no heriko).” (Isaia 49:5) Tonga mba hamerina ny fon’ny zanak’Isiraely ho amin’ny Rainy any an-danitra ny Mesia. Hisy sasantsasany hanaiky azy, fa ny ankamaroany kosa tsy hanaiky azy. Kanefa i Jehovah Andriamanitra no hamaly soa azy. Tsy ny fomba fijerin’ny olombelona no hamaritana ny fahombiazany, fa ny an’i Jehovah.

10 Ankehitriny koa dia mety hahatsiaro ho misasatra tsy amin’ny antony ny mpanara-dia an’i Jesosy indraindray. Any amin’ny tany sasany, dia mety ho toa kely dia kely ny vokatry ny fanompoany, raha oharina amin’ny habetsahan’ny asa sy ny ezaka ataony. Na izany aza, dia miaritra izy ireo, satria ampaherezin’ny ohatr’i Jesosy. Hatanjahin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto koa izy ireo: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.”—1 Korintiana 15:58.

“Fanazavana ny jentilisa”

11, 12. Amin’ny heviny ahoana ny Mesia no “fanazavana ny jentilisa”?

11 Ao amin’ny faminanian’i Isaia, dia mampahery ny Mesia i Jehovah, ka mampahatsiahy azy fa ‘tsy raharaha madinika’ (NW) akory ny hoe Mpanompon’Andriamanitra. Tokony “hanandratra ny firenen’i Jakoba . . . sy hampody ny Isiraely sisa voaro” i Jesosy. Hoy koa i Jehovah: “Homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Isaia 49:6) Ahoana no ahafahan’i Jesosy manazava ny olona “hatrany amin’ny faran’ny tany”, nefa teo amin’ny Isiraely ihany no nanaovany ny fanompoany teto an-tany?

12 Asehon’ny Baiboly fa tsy maty akory io “fanazavana ny jentilisa” avy amin’i Jehovah io, fony i Jesosy niala teto an-tany. Tokony ho 15 taona tatỳ aoriana, dia nanonona ny Isaia 49:6 i Paoly sy Barnabasy, ka nampihatra io faminaniana io tamin’ny mpianatra na rahalahy ara-panahin’i Jesosy. Hoy izy ireo: “Izao no nandidian’ny Tompo anay: ‘Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao.’” (Asan’ny Apostoly 13:47) Hitan’i Paoly talohan’ny hahafatesany, fa tsy ny Jiosy ihany no nahazo ny vaovao tsara, fa ny ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny.’ (Kolosiana 1:6, 23) Ankehitriny, dia manohy io asa io ny sisa amin’ny voahosotra, rahalahin’i Kristy. “Fanazavana ny jentilisa” any amin’ny tany maherin’ny 230 izy ireo sy ny “olona betsaka” miisa an-tapitrisa.—Apokalypsy 7:9.

13, 14. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’ny fitoriana nataon’ny Mesia sy ny mpanara-dia azy? b) Inona no fitsimbadihan-javatra nitranga?

13 I Jehovah no nanome ny tanjaka nilain’ny Mesia Mpanompony, sy ireo rahalahiny voahosotra, ary ny olona betsaka rehetra, mba hitoriana ny vaovao tsara. Marina fa hamavoin’ny olona sy toheriny ny mpianatr’i Jesosy, tahaka azy ihany. (Jaona 15:20) Mahay mampitsimbadika ny toe-javatra foana anefa i Jehovah, amin’ny fotoany, mba hamonjena sy hamalian-tsoa ny mpanompony mahatoky. “Hamavoin’ny olona sy halan’ny firenena” ny Mesia. Koa hoy àry i Jehovah: “Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’i Jehovah, Izay mahatoky, dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Izay efa nifidy Anao.”—Isaia 49:7.

14 Nanoratra momba io fitsimbadihan-javatra io tamin’ny Kristianina tany Filipy ny apostoly Paoly tatỳ aoriana. Nolazainy fa nampietrena teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, nefa nasandratr’Andriamanitra avy eo. Nasandratr’i Jehovah ilay Mpanompony, ka ‘nomeny ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra.’ (Filipiana 2:8-11) Efa nampitandremana ny mpanara-dia an’i Kristy mahatoky fa henjehina koa izy ireo. Sahala amin’ny Mesia anefa, dia matoky ny fankasitrahan’i Jehovah izy ireo.—Matio 5:10-12; 24:9-13; Marka 10:29, 30.

“Andro fankasitrahana”

15. Fotoana miavaka inona no resahin’ny faminanian’i Isaia, ary inona no tian’izany holazaina?

15 Manao fanambarana iray tena lehibe izao i Isaia. Hoy i Jehovah tamin’ny Mesia: “Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona.” (Isaia 49:8a) Mampiasa teny mitovitovy amin’ny hoe “taona fankasitrahana” ny Salamo 69:13-18, dia ny hoe “andro fankasitrahana.” Ny tian’izany holazaina dia hoe haneho ny fankasitrahany sy ny fiarovany amin’ny fomba miavaka i Jehovah, saingy mandritra ny fe-potoana iray voafaritra tsara sy voafetra ihany.

16. Ahoana no nanehoan’i Jehovah ny fankasitrahany, teo amin’ny Isiraely fahiny?

16 Oviana no nisy an’izany fotoam-pankasitrahana izany? Tany am-boalohany, dia nahakasika ny fodian’ny Jiosy avy tany an-tsesitany io faminaniana io. Nahita fotoam-pankasitrahana ny firenen’ny Isiraely, fony izy ireo ‘nanangana ny tany indray’ sy ‘nandova ny lova izay efa rava.’ (Isaia 49:8b) Tsy “mpifatotra” tany Babylona intsony izy ireo. Teny an-dalana hody, noho ny fanampian’i Jehovah, dia ‘tsy noana na nangetaheta’ izy ireo, ary ‘tsy namely azy ny hainandro nigaingaina na ny masoandro.’ Rehefa avy niely ‘tany lavitra, tany avaratra sy andrefana’ ny Isiraelita, dia nirohotra nody tany an-tanindrazany. (Isaia 49:9-12) Asehon’ny Baiboly anefa fa hisy fahatanterahany hafa koa io faminaniana io.

17, 18. Inona ilay fotoam-pankasitrahan’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany?

17 Ny fahatanterahany nanaraka dia fony ireo anjely nanambara fiadanana sy ny fankasitrahan’Andriamanitra ho an’ny olona, tamin’ny nahaterahan’i Jesosy. (Lioka 2:13, 14) Tsy ny olona tamin’ny ankapobeny anefa no nahazo izany fankasitrahana izany, fa ireo nino an’i Jesosy ihany. Namaky ampahibemaso ny Isaia 61:1, 2 i Jesosy tatỳ aoriana, ka nampihatra io faminaniana io tamin’ny tenany, ilay nitory ny “taona ankasitrahan’i Jehovah.” (Lioka 4:17-21) Nilaza ny apostoly Paoly fa narovan’i Jehovah manokana i Jesosy, fony izy teto an-tany. (Hebreo 5:7-9) Tanteraka tamin’i Jesosy, fony izy olombelona, àry io fotoam-pankasitrahan’Andriamanitra io.

18 Kanefa mbola hisy fahatanterahany hafa koa. Hoy ny tohin’ny tenin’i Paoly, rehefa avy nanonona ny tenin’i Isaia momba ny fotoana fankasitrahana izy: “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena.” (2 Korintiana 6:2) Roa amby roapolo taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy no nanoratan’i Paoly an’ireo teny ireo. Miharihary àry fa nitarin’i Jehovah tamin’ireo voahosotra, mpanara-dia an’i Kristy, ny taona fankasitrahany, rehefa teraka ny fiangonana kristianina tamin’ny Pentekosta taona 33.

19. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina ankehitriny mandray soa avy amin’ny fotoam-pankasitrahan’i Jehovah?

19 Ahoana ny amin’ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny, izay handova ny tany, fa tsy ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra? Afaka mandray soa avy amin’io fotoam-pankasitrahana io koa ve izy ireo? Eny. Asehon’ny Apokalypsy fa fotoam-pankasitrahan’i Jehovah izao ho an’ny olona betsaka, izay ho ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’, ka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Apokalypsy 7:13-17) Ny Kristianina rehetra àry dia afaka manararaotra an’io fotoana voafetra io, izay mbola anehoan’i Jehovah ny fankasitrahany amin’ny olombelona tsy tanteraka.

20. Inona no ataon’ny Kristianina, mba tsy ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’i Jehovah?

20 Nanome fampitandremana aloha ny apostoly Paoly, vao nanambara ny fotoam-pankasitrahan’i Jehovah. Nampitandrina ny Kristianina izy mba ‘tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra’, na hoe ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. (2 Korintiana 6:1) Noho izany, dia mitady fomba hampifaliana an’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony foana izy ireo. (Efesiana 5:15, 16) Tsara raha manaraka izao tenin’i Paoly izao koa izy ireo: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.”—Hebreo 3:12, 13.

21. Hiakam-pifaliana inona no mamarana ny tapany voalohany amin’ny Isaia 49?

21 Eo am-pifaranan’ny teny ataon’i Jehovah sy ny Mesiany, ao amin’ilay faminaniana, dia hoy ny hiakam-pifalian’i Isaia: “Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ny olony mahantra.” (Isaia 49:13) Endrey ny fampiononana nentin’izany ho an’ny Isiraelita fahiny sy i Jesosy Kristy, Mpanompon’i Jehovah, ary koa ho an’ny mpanompon’i Jehovah voahosotra sy ny “ondry hafa” namany ankehitriny!—Jaona 10:16.

Tsy manadino ny vahoakany i Jehovah

22. Ahoana no anamafisan’i Jehovah fa tsy hanadino ny vahoakany mihitsy izy?

22 Notohizin’i Isaia indray izao ireo fanambarana nataon’i Jehovah. Naminany izy fa hitady ho reraka sy hamoy fo ny Isiraelita any an-tsesitany. Hoy izy: “Hoy Ziona: Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoko efa nanadino ahy.” (Isaia 49:14) Marina ve izany? Nahafoy sy nanadino ny vahoakany tokoa ve i Jehovah? Hoy i Isaia, nitondra ny tenin’i Jehovah: “Mety manadino ny zanany va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” (Isaia 49:15) Endrey izany valin-teny feno fitiavana avy amin’i Jehovah! Lehibe noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany. Tsy mitsahatra mieritreritra an’ireo tsy mivadika aminy izy. Tadidiny izy ireo, toy ny hoe vita sokitra eo amin’ny tanany ny anarany, satria hoy izy: “Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatànako hianao, ary ny màndanao dia eo anatrehako mandrakariva.”—Isaia 49:16.

23. Ahoana no nampirisihan’i Paoly ny Kristianina mba hatoky fa tsy hanadino azy ireo i Jehovah?

23 Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Galatia: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9) Ary nampahereziny toy izao kosa ny Hebreo: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany.” (Hebreo 6:10) Tsy tokony hihevitra na oviana na oviana isika hoe nanadino ny vahoakany i Jehovah. Manana antony tsara hifaliana sy hiandrasana an’i Jehovah amim-paharetana ny Kristianina, toa an’i Ziona fahiny. Tsy miala amin’ireo fepetra sy fampanantenana omeny ao amin’ny fanekeny izy.

24. Ahoana no hamerenana an’i Ziona amin’ny laoniny, ary inona no hanontaniany?

24 Mbola nanome fampiononana fanampiny i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia. Tsy tokony hatahorana intsony na ny Babylonianina na ny Jiosy nivadi-pinoana, izay samy “nanimba” an’i Ziona. ‘Tamy faingana ny zanany’, dia ny Jiosy babo izay tsy nivadika tamin’i Jehovah. ‘Hovorina’ izy ireo. Hiverina haingana any Jerosalema ireo Jiosy, ka ho haingon’ny renivohiny, toy ny ‘ampakarina miravaka.’ (Isaia 49:17, 18) “Rava” ny tanin’i Ziona. Eritrereto àry ny fahagagany, rehefa ho feno olona tampoka izy, ka toa tsy ho omby ny toeram-ponenany. (Vakio ny Isaia 49:19, 20.) Tsy mahagaga, raha manontany izay niavian’ireo ankizy rehetra ireo izy hoe: “Hanao anakampo hianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?” (Isaia 49:21) Akory moa ny hafalian’i Ziona, izay momba teo aloha!

25. Ahoana no namerenana ny Isiraely ara-panahy ho toy ny taloha?

25 Tanteraka amin’ny andro ankehitriny koa ireo teny ireo. Toy ny lao sy babo ny Isiraely ara-panahy, nandritra ireo taona nampahory tamin’ny ady lehibe voalohany. Naverina ho toy ny taloha anefa izy, ary tafiditra ao amin’ny paradisa ara-panahy. (Isaia 35:1-10) Toy ilay tanàna fahiny noresahin’i Isaia, dia ravoravo koa izy izao, satria feno mpanompon’i Jehovah falifaly sy marisika.

“Fanevan’ny firenena”

26. Inona no fitarihana nomen’i Jehovah ny vahoakany vao avy nafahany?

26 Entin’i Jehovah any amin’ny fotoana hanafahana ny vahoakany avy ao Babylona izao i Isaia. Hahazo ny fitarihan’Andriamanitra ve izy ireo? Hoy i Jehovah: “Indro, hanandratra ny tànako amin’ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakao-vavy ho entiny eny an-tsorony.” (Isaia 49:22) Fony tanteraka voalohany io teny io, dia tonga ‘faneva’ na ‘famantaran’i’ Jehovah i Jerosalema, izay foiben’ny fitondram-panjakany sy nisy ny tempolin’i Jehovah. Nanampy ny Isiraelita teny an-dalany hody ny “mpanjaka” sy ny “zanakavavin’andriana”, izany hoe ny olona ambony sy nanam-pahefana tany amin’ny firenena hafa. (Isaia 49:23a) I Kyrosy sy i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, sy ny ankohonan’izy ireo avy, no anisan’izany. (Ezra 5:13; 7:11-26) Mbola misy fahatanterahany hafa koa anefa ireo tenin’i Isaia ireo.

27. a) Hirohotra ho amin’ny “faneva” inona moa ny olona ankehitriny? b) Inona no ho vokany, rehefa ho voatery hiankohoka hanaiky ny Mesia ny firenena rehetra?

27 Miresaka momba ny “fanevan’ny firenena” ny Isaia 11:10. Nampiharin’i Paoly tamin’i Kristy Jesosy ireo teny ireo. (Romana 15:8-12) Fony tanteraka farany àry izy ireo, dia i Jesosy sy ireo voahosotra hiara-manjaka aminy, no “faneva”, ary mirohotra ho amin’izy ireo ny olona. (Apokalypsy 14:1) Tsy maintsy hiankohoka hanaiky ny fanapahan’ny Mesia ny olona rehetra amin’ny tany—na dia ny mpitondra ankehitriny koa aza. (Salamo 2:10, 11; Daniela 2:44) Ny vokany? Hoy i Jehovah: “Ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.”—Isaia 49:23b.

‘Akaiky ny famonjena antsika’

28. a) Inona indray no toky nomen’i Jehovah ny vahoakany fa hafahany izy ireo? b) Inona no neken’i Jehovah fa hataony ho an’ny vahoakany?

28 Mety ho nanontany tena ny sasany tany an-tsesitany tany Babylona hoe: ‘Tena hafahana tokoa ve ny Isiraely?’ Mba hamaliana izany, dia nanontany i Jehovah hoe: “Azo alaina eny amin’ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?” (Isaia 49:24) ‘Eny’ no valin’izany. Nanome toky azy ireo àry i Jehovah hoe: “Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpandrombaka.” (Isaia 49:25a) Izany ka fampaherezana! Ankoatra izany, dia nilaza izao teny fanekena mazava tsara ny hiaro azy ireo izao koa i Jehovah: “Izaho no hiady amin’izay miady aminareo, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.” (Isaia 49:25b) Mbola manan-kery ihany izany teny izany, araka ny nolazainy tamin’ny vahoakany ao amin’ny Zakaria 2:12 hoe: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny [anakandriamasoko].” Marina fa ao anatin’ny fotoana fankasitrahana isika ankehitriny, ka mbola afaka mirohotra ho amin’i Ziona ara-panahy ny olona maneran-tany. Kanefa tsy maintsy hifarana io fotoana io.

29. Inona no miandry an’ireo tsy mety mankatò an’i Jehovah?

29 Inona no hanjo an’ireo mikiry tsy hankatò an’i Jehovah sy manenjika ny mpanompony mihitsy aza? Hoy izy: “Hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ny ran’ny tenany ihany ireny.” (Isaia 49:26a) Mahatahotra tokoa izany! Tsy hiaina mandrakizay ireo mikiry hanohitra toy izany, fa horinganina. Ho voaporofo àry fa Mpamonjy tokoa i Jehovah, rehefa hamonjy ny vahoakany sy handringana ny fahavalony izy. “Ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.”—Isaia 49:26b.

30. Ahoana no efa namonjen’i Jehovah ny vahoakany, ary inona no mbola hataony?

30 Tanteraka voalohany ireo teny ireo, fony i Jehovah nampiasa an’i Kyrosy mba hanafaka ny vahoakany babo tany Babylona. Tanteraka koa izy ireo tamin’ny 1919, fony i Jehovah nampiasa an’i Jesosy Kristy, Zanany efa nomena fiandrianana, mba hanafaka ny vahoakany babo ara-panahy. Izany no antony ilazan’ny Baiboly fa samy mpamonjy i Jehovah sy i Jesosy. (Titosy 2:11-13; 3:4-6) I Jehovah no Mpamonjy antsika, ary i Jesosy Mesia no Fiasana Lehibe Indrindra ampiasainy. (Asan’ny Apostoly 5:31) Tena mahatalanjona ny asa famonjena ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ny vaovao tsara no ampiasain’i Jehovah mba hanafahana an’ireo tso-po avy amin’ny fivavahan-diso. Amin’ny alalan’ny sorom-panavotana no anafahany azy ireo amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tamin’ny 1919, dia nanafaka ny rahalahin’i Jesosy tamin’ny fahababoana ara-panahy izy. Ary amin’ny Ady Hara-magedona mihamanatona haingana, dia hanafaka olona mahatoky sesehena tsy hiara-ringana amin’ny mpanota izy.

31. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra?

31 Tena tombontsoa tokoa àry ny fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra! Koa aoka àry isika rehetra hampiasa tsara an’izao fotoam-pankasitrahana izao. Ary aoka isika hanao zavatra haingana, ka hanaraka ireto tenin’i Paoly tamin’ny Romanina ireto: “Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny filalaovan-dratsy, na amin’ny fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana, na amin’ny fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana, na amin’ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filany.”—Romana 13:11-14.

32. Matoky ny amin’ny inona ny vahoakan’Andriamanitra?

32 Hahazo sitraka amin’i Jehovah foana ireo mankatò azy. Hanome azy ireo ny tanjaka sy ny fahaizana ilaina mba hitoriana ny vaovao tsara izy. (2 Korintiana 4:7) Hampiasa ny mpanompony izy, toy ny nampiasany an’i Jesosy, ilay Mpitarika azy ireo. Hataony ho toy ny “sabatra maranitra” ny vavan’izy ireo, mba hahaizany hanohina ny fon’ny malemy fanahy, amin’ny alalan’ny vaovao tsara. (Matio 28:19, 20) Hiaro ny vahoakany ‘ao amin’ny aloky ny tanany’ izy. Ho toy ny “zana-tsipìka voalambolambo tsara” izy ireo, ary hafenina ao “amin’ny tranon-jana-tsipìkany.” Eny, tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah!—Salamo 94:14; Isaia 49:2, 15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 “Fantatr’i Satana fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Fantany koa fa izy no hanorotoro ny lohany, araka ilay faminaniana. (Ge 3:15) Nanao izay rehetra azony natao àry izy mba hamonoana an’i Jesosy. Hoy anefa ny anjely Gabriela tamin’i Maria: ‘Ny fanahy masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.’ (Lk 1:35) Niaro ny Zanany i Jehovah. Nandamòka àry ny ezaka natao mba hamonoana an’i Jesosy zazakely.”—Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 2, pejy 902, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 139]

Toy ny “zana-tsipìka voalambolambo tsara” ny Mesia ao amin’ny tranon-jana-tsipìkan’i Jehovah

[Sary, pejy 141]

“Fanazavana ny jentilisa” ny Mesia

[Sary, pejy 147]

Lehibe noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany