Tsy Fohy ny Tanan’i Jehovah
Toko Faharoapolo
Tsy Fohy ny Tanan’i Jehovah
1. Nanao ahoana ny toe-piainana tao Joda, ary inona no fanontanian’ny maro?
NIHAMBO ho nanao fanekena tamin’i Jehovah ny firenen’ny Joda. Feno zava-nanahirana anefa tao. Tsy fahita firy ny rariny, niely patrana ny asan-jiolahy sy ny fampijaliana, ary tsy afaka nanantena fiovana ny olona. Nisy zavatra tena tsy nety tao. Maro no nanontany tena raha mba hanao zavatra ihany i Jehovah. Toy izany ny zava-nisy tamin’ny andron’i Isaia. Tsy tantara tranainy fotsiny anefa no ao amin’ny bokiny. Misy fampitandremana ho an’izay rehetra mihambo ho manompo an’Andriamanitra nefa tsy miraharaha ny lalàny, koa ny faminaniany. Ankoatra izany, ny Isaia toko faha-59 dia mampahery an’ireo miezaka hanompo an’i Jehovah ao anatin’ny toe-javatra sarotra sy mampidi-doza.
Tafasaraka tamin’ilay Andriamanitra marina
2, 3. Nahoana i Jehovah no tsy niaro ny Joda?
2 Eritrereto fotsiny ange e: Nanjary nivadi-pinoana ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena! Nandao an’ilay Mpanao azy izy ireo, ka tsy nahazo ny fiarovany intsony. Latsaka tao anatin’ny fahoriana mangidy izy ireo, noho izany. Nanome tsiny an’i Jehovah ve izy ireo noho ny zava-tsarotra nahazo azy? Hoy i Isaia tamin’izy ireo: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no Isaia 59:1, 2.
mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.”—3 Nivantana be ireo teny ireo, nefa marina. Mbola Andriamanitry ny famonjena ihany i Jehovah. “Mpihaino vavaka” izy, ka mihaino ny vavaky ny mpanompony mahatoky. (Salamo 65:2) Kanefa tsy mitahy ny mpanao ratsy izy. Ilay vahoaka ihany no nampisaraka ny tenany tamin’i Jehovah. Ny faharatsian’izy ireo ihany no nahatonga an’i Jehovah hanafina ny tavany taminy.
4. Inona avy ireo zavatra niampangana ny Joda?
4 Tena tafahoatra ny faharatsian’ny Joda, raha ny tena izy. Izao avy no zavatra niampangana azy, araka ny faminanian’i Isaia: “Ny tànanareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsan-tànanareo amin’ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.” (Isaia 59:3) Sady nandainga ilay vahoaka no nilaza zava-dratsy. Ny hoe ‘voaloto amin’ny ra ny tananareo’ dia milaza fa namono olona mihitsy ny sasany. Endrey izany fahafaham-baraka ho an’Andriamanitra, izay nandrara ny famonoana olona sy ny ‘fankahalana ny rahalahin’ny tena amin’ny fo’! (Levitikosy 19:17) Tsy voafehy intsony ny fahotan’ny mponin’i Joda, ka tsy azo nialana ny vokany. Tokony hampahatsiahy antsika izany fa tsy maintsy mifehy ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika mpanota isika. Raha tsy izany, dia mety hanao zava-dratsy izay hampisaraka antsika amin’Andriamanitra isika.—Romana 12:9; Galatiana 5:15; Jakoba 1:14, 15.
5. Nanao ahoana ny faharatsian’ny Joda?
5 Nihanaka toy ny aretina teo amin’ilay firenena manontolo ny fahotana. Hoy ilay faminaniana: “Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.” (Isaia 59:4) Tsy nisy nilaza ny marina. Na tany am-pitsarana aza, tsy nahitana olona azo nitokisana. Nanda an’i Jehovah ny Joda, fa natoky kosa an’ireo firenena nifanaovany fanekena, sy ny sampy tsy nanana aina mihitsy aza. “Tsy izy”, na zava-poana, avokoa ireo rehetra ireo. (Isaia 40:17, 23; 41:29) Be dia be àry ny resaka sy tetika nataon’izy ireo, nefa zava-poana daholo izany, ary fampahoriana sy loza mihitsy aza no vokany.
6. Inona no itovian’ny Kristianisma Anarana sy ny Joda fahiny?
6 Tena mitovy be amin’izay hita ao amin’ny Kristianisma Anarana ny tsy rariny sy ny herisetra tany Joda. (Jereo “Tsy Misy Hafa Amin’i Jerosalema Nivadi-pinoana ny Kristianisma Anarana”, pejy 294.) Firenena nilaza tena ho Kristianina no nisehoan’ireo ady lehibe roa nahatsiravina aoka izany. Mbola tsy nahasakana ireo fandripahana foko sy adim-poko ataon’ny mpivavaka ao aminy ihany ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana. (2 Timoty 3:5) Nampianatra ny mpanara-dia azy mba hitoky amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Ny firenena ao amin’ny Kristianisma Anarana anefa mbola miantehitra amin’ny fitaovam-piadiana sy fifanekena politika ihany mba hahazoana fandriampahalemana. (Matio 6:10) Maro amin’izy ireo mihitsy aza no mpamokatra fitaovam-piadiana be indrindra eto an-tany! Eny, mitoky amin-javatra “tsy izy” koa ny Kristianisma Anarana, rehefa mitoky amin’ny ezaka sy fikambanan’olombelona.
Vokany mangidy
7. Nahoana no fahavoazana foana no vokatry ny tetika nataon’ny Joda?
7 Ratsy fototra ny fiaraha-monina feno olona manompo sampy sy tsy manao ny marina. Izany anefa no nataon’ireo Jiosy nivadika, ka nijinja ny vokatry ny voa nafafiny ihany izy izao. “Mikotrika ny atodin’ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy Isaia 59:5) Manomboka amin’ny famolavolana azy, ka hatramin’ny fanatanterahana azy, dia tsy hisy vokany ireo tetika nataon’ny Joda. Zava-dratsy foana no ateraky ny fomba fisainany diso, toy ny atodina menarana misy poizina izay tsy hamoaka afa-tsy menarana misy poizina. Ilay firenena no nijaly, noho izany.
ao.” (8. Inona no nampiseho fa nisy tsininy ny fomba fisainan’ny Joda?
8 Nety ho nampiasa herisetra ny mponina sasany, mba hiarovan-tena, nefa very maina izany. Tsy mahasolo ny tena lamba mba hiarovan-tena amin’ny andro ratsy ny tranon-kala. Azo oharina amin’izany ny fampiasana herim-batana, izay tsy mahasolo ny fitokisana amin’i Jehovah sy ny fanaovana asa marina, mba hahazoana fiarovana. Hoy i Isaia: “Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany. Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy sy mimaona handatsaka ra marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany.” (Isaia 59:6, 7) Nisy tsininy ny fomba fisainan’ny Joda. Niharihary fa ratsy ny toe-tsainy, satria herisetra no nampiasainy ho vahaolana. Tsy noraharahainy raha olona tsy nanan-tsiny, na tena mpanompon’Andriamanitra mihitsy aza, no nasiany.
9. Nahoana no tsy hahita fiadanana ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana?
9 Mampahatsiahy antsika ny trosan-dran’ny Kristianisma Anarana ireo teny ara-tsindrimandry ireo. Tena tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah izy, noho izy tsy nampiseho ny Kristianisma marina araka ny tena izy! Sahala amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia ny Kristianisma Anarana, izay tena ratsy fitondran-tena, satria izany no natoron’ny mpitondra fivavahany azy. Miresaka fiadanana izy, nefa manao ny tsy rariny. Fihatsarambelatsihy re izany! Mbola manao izany ihany anefa ireo mpitondra fivavahana ireo, ka tsy hahita ny Isaia 59:8.
tena fiadanana. Toy izao no ilazan’ilay faminaniana azy: “Ny làlan’ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; làlana miolakolaka ny làlany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.”—Nitsapatsapa tao anaty haizina ara-panahy
10. Niaiky ny amin’ny heloka inona i Isaia?
10 Tsy afaka nitahy ny Joda i Jehovah, noho ireo asany nanimba sy feno fitaka. (Salamo 11:5) Niaiky ny helok’ilay firenena manontolo toy izao àry i Isaia: “Lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ny aizim-pito ihany no andehanantsika. Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary eo amin’ny matanjaka dia tahaka ny maty isika. Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala.” (Isaia 59:9-11a) Tsy nataon’ny Jiosy ho fanilon’ny tongony sy fanazavana ny lalany ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:105) Tao anatin’ny haizina àry izy ireo. Nitsapatsapa toy ny tamin’ny alina izy ireo, na dia tamin’ny mitataovovonana aza. Toy ny hoe maty izy ireo. Naniry hahita fahamaivanana izy ireo, ka nierona mafy toy ny bera noana na maratra. Nisy nitoloko tahaka ny voromahailala manirery.
11. Nahoana no tsy ho tanteraka ny fanantenan’ny Joda ny rariny sy famonjena?
11 Fantatr’i Isaia tsara fa noho ny Joda nikomy tamin’Andriamanitra no nijalian’izy ireo toy izao. Hoy izy: “Miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany. Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray, dia ny miodina sy ny mandà an’i Jehovah, ary ny miala amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.” (Isaia 59:11b-13) Mbola tsy voavela ny heloky ny mponin’i Joda, satria tsy nibebaka izy ireo. Niala teo amin’ilay tany ny rariny, satria niala tamin’i Jehovah ilay vahoaka. Mpamitaka raindahiny izy ireo, ary nampahory ny rahalahiny mihitsy aza. Tena ny Kristianisma Anarana ankehitriny mihitsy izany! Tsy vitan’ny hoe tsy manao ny rariny ny maro ao aminy, fa enjehiny mafy koa ny Vavolombelon’i Jehovah, izay miezaka hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Nampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah
12. Inona no fihetsik’ireo tokony hampihatra ny rariny tao Joda?
12 Toa samy tsy hita tao Joda, na ny rariny, na ny hitsiny, na ny fahamarinana. “Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.” (Isaia 59:14) Nisy kianja nalalaka tao ambadik’ireo vavahadin’i Joda, nipetrahan’ny loholona nandamina raharaha ara-pitsarana. (Rota 4:1, 2, 11) Tokony hitsara araka ny rariny sy ny fahamarinana ireny lehilahy ireny, ary tsy handray kolikoly. (Deoteronomia 16:18-20) Nitsara araka ny heviny fotsiny anefa izy ireo. Mbola ratsy kokoa aza, fa izay tena niezaka nanao ny tsara indray no toy ny remby mora voan’izy ireo. “Tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobaboin’ny sasany.”—Isaia 59:15a.
13. Inona no hataon’i Jehovah, noho ireo mpitsaran’ny Joda nanao tsirambina ny adidiny?
13 Hadinon’ireo tsy sahy nanameloka ny faharatsian-toetra toy izany fa tsy jamba na bado na nalemy akory Andriamanitra. Hoy i Isaia: “Hitan’i Jehovah ny tsi-fisian’ny rariny, ka nataony fa ratsy izany; eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.” (Isaia 59:15b, 16) Nanao tsirambina ny adidiny ireo mpitsara voatendry, ka tsy maintsy nanao zavatra i Jehovah. Hampihatra ny fahamarinany sy ny heriny izy amin’izay.
14. a) Manao ahoana ny fihetsiky ny olona maro ankehitriny? b) Inona no fiomanana efa ataon’i Jehovah?
14 Misy zavatra mitovy amin’izany ankehitriny. Feno “olona tsy mahalala henatra intsony” manodidina antsika. (Efesiana 4:19) Vitsy no mino hoe hanao zavatra mba hanafoanana ny ratsy eto an-tany i Jehovah. Asehon’ny faminanian’i Isaia anefa fa manara-maso akaiky ny ataon’ny olombelona Izy. Efa mamoaka didim-pitsarana izy, ary hampihatra izany amin’ny fotoany. Ara-drariny ve ny didim-pitsarany? Eny, hoy i Isaia, izay nanoratra toy izao momba ny firenen’ny Joda: “Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra [i Jehovah], ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.” (Isaia 59:17) Mampiseho an’i Jehovah ho toy ny mpiady mivonona hiady io faminaniana io. Tapa-kevitra izy ny hamonjy sy hanatanteraka hatramin’ny farany ny fikasany hampihatra ny rariny. Azony antoka tanteraka fa tena marina ny azy. Tsy hatahotra izy ary ho may hampihatra ny didim-pitsarany. Tsy maintsy handresy tokoa ny rariny sy ny hitsiny.
15. a) Inona no hataon’ny Kristianina marina, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah? b) Inona no azo lazaina momba ny fitsaran’i Jehovah?
15 Mitady hanakantsakana ny asan’ny mpanompon’i Jehovah ny fahavalon’ny fahamarinana, any amin’ny tany sasany ankehitriny, ka manely lainga sy fanosoram-potaka. Tsy miahotra hiaro ny fahamarinana ny Kristianina marina, nefa tsy mitady hamaly faty mihitsy. (Romana 12:19) Na dia rehefa hampamoaka ny Kristianina Anarana nivadi-pinoana aza i Jehovah, dia tsy handray anjara amin’ny fandringanana azy io ny mpanompony. Fantatr’izy ireo fa nanendry tena hanao ny famaliana i Jehovah ary hanao zavatra rehefa tonga ny fotoana mety ho amin’izany. Manome toky antsika ilay faminaniana hoe: “Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony, famaliana ho an’ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.” (Isaia 59:18) Toy ny tamin’ny andron’i Isaia, dia tsy ho ara-drariny fotsiny ny didim-pitsaran’Andriamanitra, fa hampihariny hatramin’ny farany koa. Hampiharina hatrany amin’ny “nosy” lavitra be izy ireo. Tsy hisy olona ho lavitra loatra, na hitokana loatra, ka tsy ho tratrany.
16. Iza no ho tafita velona, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah, ary inona no hampianarin’izany azy ireo?
16 Hotsarain’i Jehovah araka ny rariny ny olona mikely aina hanao ny marina. Nolazain’i Isaia fa ho tafita velona ny olona toy izany, izay ho hita eran’ny tany. Rehefa harovan’i Jehovah izy ireo, dia tena hihalalina ny fanajany Azy. (Malakia 1:11) Izao no vakintsika: “Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’i Jehovah.” (Isaia 59:19) Afaka manosika rano be sy mifaoka izay rehetra eny amin’ny lalany ny tafio-drivotra mahery. Hifaoka ny sakana rehetra atao mba hampandamòka ny fikasany toy izany koa ny fanahin’i Jehovah. Mahery kokoa noho izay hery rehetra ananan’ny olombelona ny fanahiny. Ho azo antoka sy ho tanteraka hatramin’ny farany ny didim-pitsarany hampihariny amin’ny alalan’izy io.
Fanantenana sy fitahiana ho an’ny mibebaka
17. Iza no Mpanavotra an’i Ziona, ary rahoviana izy no hanavotra azy io?
17 Teo ambany Lalàn’i Mosesy, ny Isiraelita nivarotra ny tenany ho andevo dia azon’ny mpanavotra iray novidina indray, mba hanafahana azy. Efa niantso an’i Jehovah hoe Mpanavotra an’ireo nibebaka ny faminanian’i Isaia. (Isaia 48:17) Mbola niantso azy toy izany indray izao i Isaia. Hoy ny nosoratany: “Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, ho amin’ny Jakoba izay miala amin’ny fahadisoana, hoy Jehovah.” (Isaia 59:20) Tanteraka tamin’ny 537 T.K. io faminaniana manome toky io. Ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa anefa izy io. Nampihatra ireo teny ireo tamin’ny Kristianina ny apostoly Paoly, nanao hoe: “Amin’izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra,—araka ny voasoratra hoe: ‘Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’i Jakoba Izy; ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.’” (Romana 11:26, 27) Mahakasika ny androntsika sy ny any aoriana koa aza ny faminanian’i Isaia. Ahoana izany?
18. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana i Jehovah no niteraka ny Isiraely ara-panahy?
18 Nisy sisa tamin’ny firenen’ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. (Romana 9:27; 11:5) Nandrotsaka ny fanahiny masina tamin’ny mpino 120 i Jehovah tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nampiditra azy ireo tao amin’ny fanekeny vaovao. I Jesosy Kristy no mpanelanelana tamin’izany. (Jeremia 31:31-33; Hebreo 9:15) Teraka tamin’io andro io “ny Isiraelin’Andriamanitra”, na Isiraely ara-panahy, izay firenena vaovao. Ateraky ny fanahin’Andriamanitra ireo anisan’io firenena io, fa tsy taranak’i Abrahama ara-bakiteny. (Galatiana 6:16) Nanjary nisy Jentilisa tsy voafora koa tao amin’izy io, ka i Kornelio no voalohany tamin’izany. (Asan’ny Apostoly 10:24-48; Apokalypsy 5:9, 10) Natsangan’i Jehovah Andriamanitra àry izy ireo, ka tonga zanany ara-panahy, mpiray lova amin’i Jesosy.—Romana 8:16, 17.
19. Inona no fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely ara-panahy?
19 Nanao fanekena tamin’ny Isiraely ara-panahy i Jehovah izao. Izao no vakintsika: “Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.” (Isaia 59:21) Tsy fantatra raha tanteraka tamin’i Isaia ireo teny ireo na tsia; fa azo antoka kosa fa tanteraka tamin’i Jesosy izy ireo, ary nahazo toky i Jesosy fa ‘hahita ny taranany.’ (Isaia 53:10) Nilaza ireo zavatra nianarany avy tamin’i Jehovah izy, ary teo aminy ny fanahin’i Jehovah. (Jaona 1:18; 7:16) Mety àry raha mahazo ny fanahy masin’i Jehovah koa ireo rahalahiny sady mpiray lova aminy sy anisan’ny Isiraely ara-panahy, ka mitory hafatra izay nianarany avy tamin’ny Rainy any an-danitra. Samy “nampianarin’i Jehovah” izy rehetra. (Isaia 54:13; Lioka 12:12; Asan’ny Apostoly 2:38) Na tamin’ny alalan’i Isaia, na tamin’ny alalan’i Jesosy izay nifanitsy tamin’i Isaia, dia nanao fanekena i Jehovah mba tsy hanolo azy ireo fa hampiasa azy ireo ho vavolombelony mandrakizay. (Isaia 43:10) Iza kosa ilay taranak’izy ireo izay handray soa avy amin’io fanekena io koa?
20. Tamin’iza avy no tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama, tamin’ny taonjato voalohany?
20 Nampanantena an’i Abrahama toy izao i Jehovah fahiny: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18) Nankany amin’ny firenena maro àry ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-bakiteny nanaiky ny Mesia, mba hitory ny vaovao tsara momba ny Kristy. Nisy Jentilisa tsy voafora maro ‘notahina’ tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay Taranak’i Abrahama, ka i Kornelio no voalohany tamin’izany. Tonga anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra sy tapany faharoa amin’ny taranak’i Abrahama izy ireo. Anisan’ny ‘firenena masin’i’ Jehovah izy ireo, ary nirahina mba ‘hilaza ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’—1 Petera 2:9; Galatiana 3:7-9, 14, 26-29.
21. a) Iza ireo ‘taranaka’ azon’ny Isiraely ara-panahy amin’izao andro izao? b) Inona no toky azon’ireo ‘taranaka’ avy amin’ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely ara-panahy?
21 Toa efa feno ankehitriny ny isan’ireo anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra. Na izany aza, dia mbola tahina ihany Salamo 37:11, 29) Ampianarin’i Jehovah ny amin’ny lalany koa ireo ‘taranaka’ ireo. (Isaia 2:2-4) Tsy natao batisa tamin’ny fanahy masina izy ireo, na tafiditra ao amin’ny fanekena vaovao, nefa hatanjahin’ny fanahy masin’i Jehovah mba handresy ny vato misakana rehetra anoheran’i Satana ny asa fitoriana ataony. (Isaia 40:28-31) Efa miisa an-tapitrisa izy ireo izao, ary mbola mitombo ihany, satria izy ireo indray no mahazo taranaka. Ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny voahosotra dia manome toky an’ireo ‘taranaka’ ireo fa hanohy hampiasa azy ireo ho mpitondra teniny mandrakizay koa i Jehovah.—Apokalypsy 21:3, 4, 7.
ireo firenena, ary amin’ny ambaratonga lehibe mihitsy. Nahoana? Satria nahazo ‘taranaka’ ny Isiraelin’Andriamanitra, dia mpianatr’i Jesosy koa, nefa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany zary paradisa. (22. Inona no azontsika atokisana momba an’i Jehovah, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?
22 Enga anie àry isika rehetra hino an’i Jehovah foana. Sady maniry hamonjy izy no afaka mamonjy! Tsy ho fohy mihitsy ny tanany, ary hanafaka ny olony mahatoky foana izy. Tsy hiala eo amin’ny vavan’ireo mitoky aminy ny teniny tsara, “hatramin’izao ka ho mandrakizay.”
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 294]
Tsy Misy Hafa Amin’i Jerosalema Nivadi-pinoana ny Kristianisma Anarana
I Jerosalema, renivohitr’ilay firenena nofidin’Andriamanitra, dia mifanitsy amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra. Ireo zavaboary ara-panahy sy ny ampakarin’i Kristy, na ny Kristianina voahosotra rehetra tafatsangana any an-danitra, no mahaforona azy io. (Galatiana 4:25, 26; Apokalypsy 21:2) Matetika anefa ny mponin’i Jerosalema no nivadika tamin’i Jehovah, ary nantsoina hoe vehivavy janga sy mpanitsakitsa-bady ilay tanàna. (Ezekiela 16:3, 15, 30-42) Tena mifanitsy tsara amin’i Jerosalema ny Kristianisma Anarana amin’io lafiny io.
Nantsoin’i Jesosy hoe ilay ‘namono ny mpaminany sy nitora-bato izay nirahina any aminy’ i Jerosalema. (Lioka 13:34; Matio 16:21) Sahala amin’i Jerosalema nivadika, dia mihambo ho manompo an’ilay Andriamanitra marina, nefa nandao ny lalany marina, ny Kristianisma Anarana. Afaka matoky isika fa hotsarain’i Jehovah araka ny rariny, toy ny nitsarany an’i Jerosalema, izy io.
[Sary, pejy 296]
Tokony hitsara araka ny rariny sy ny fahamarinana ny mpitsara, ary tsy handray kolikoly
[Sary, pejy 298]
Sahala amin’ny ony tondraka, dia hifaoka ny sakana rehetra atao hampandamòka ny fikasany ny didim-pitsaran’i Jehovah
[Sary, pejy 302]
Nanao fanekena i Jehovah fa ho vavolombelony foana ny vahoakany