Vavaka Fibebahana
Toko Fahadimy Amby Roapolo
Vavaka Fibebahana
1, 2. a) Inona no zava-kendren’ny famaizan’Andriamanitra? b) Inona no safidy nananan’ny Jiosy, rehefa avy nofaizin’i Jehovah izy ireo?
FAMAIZANA avy tamin’i Jehovah, ho fanehoana ny tsy fankasitrahany, ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny 607 T.K. Mendrika ilay sazy mafy ny firenen’ny Joda tsy nankatò. Na izany aza, dia tsy naniry ny haharipaka tanteraka ny Jiosy i Jehovah. Nilaza ny zava-kendren’ny famaizan’i Jehovah toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.”—Hebreo 12:11.
2 Ahoana no nandraisan’ny Jiosy ilay famaizana mafy avy tamin’i Jehovah? Hankahala azy io ve izy ireo? (Salamo 50:16, 17) Sa hanaiky azy io? Hibebaka ve izy ireo, ka ho sitrana? (Isaia 57:18; Ezekiela 18:23) Toa milaza ilay faminanian’i Isaia fa hanaiky tsara ilay famaizana ny sasany amin’ny mponin’i Joda. Ny andininy farany amin’ny toko faha-63 sy ny toko faha-64 dia mampiseho fa feno fanenenana ny firenen’ny Joda, ary mitalaho amin’i Jehovah amim-pahatsorana. Manonona vavaka fibebahana i Isaia mpaminany, izay misolo tena ny mpiray tanindrazana aminy ho any an-tsesitany any aoriana. Toy ny hoe hitan’ny masony ny zavatra tononiny ao amin’io vavaka io.
Ray mamindra fo
3. a) Ahoana no nanandratan’i Isaia an’i Jehovah tao amin’ilay vavaka faminaniany? b) Ahoana no ampisehoan’ny vavak’i Daniela fa tena ny eritreritry ny Jiosy nibebaka tao Babylona no nolazain’i Isaia? (Jereo pejy 362.)
3 Mivavaka amin’i Jehovah toy izao i Isaia: “Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao.” Ny lanitra misy an’i Jehovah sy ny zavaboariny ara-panahy, no resahin’ilay mpaminany eo. Milaza ny eritreritry ny Jiosy any an-tsesitany toy izao izy avy eo: “Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao dia voasakana tsy ho amiko.” (Isaia 63:15) Nifehy tena tsy haneho ny heriny sy ny fihetseham-pony lalina (‘ny fandevilevin’ny kibony sy ny famindram-pony’) tamin’ny vahoakany i Jehovah. Izy anefa no ‘Rain’ny’ firenena jiosy. I Abrahama sy Isiraely (Jakoba) no tena razamben’izy ireo, nefa raha mbola velona ireo, dia mety tsy hanaiky an’ireo mpivadika ireo ho taranany. Be famindram-po kokoa anefa i Jehovah. (Salamo 27:10) Velom-pankasitrahana àry i Isaia nilaza hoe: “Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.”—Isaia 63:16.
4, 5. a) Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no nampiala ny vahoakany tamin’ny lalany? b) Fanompoana manao ahoana no tian’i Jehovah?
4 Mbola nilaza tamim-pahatsorana ihany i Isaia hoe: “Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ny làlanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.” (Isaia 63:17) Eny, nivavaka i Isaia mba hikarakaran’i Jehovah indray ny mpanompony. Amin’ny heviny ahoana anefa i Jehovah no nampiala ny Jiosy tamin’ny lalany? Izy ve no nahatonga azy ireo ho mafy fo sy tsy hatahotra azy? Tsia, fa navelany hitranga izany, ary nitaraina ny Jiosy izao hoe navelan’i Jehovah hanao izany, satria nijaly izy ireo izao. (Eksodosy 4:21; Nehemia 9:16) Tiany kokoa raha nisakana azy tsy hanao ratsy i Jehovah.
5 Tsy manao toy izany amin’ny olombelona Andriamanitra. Afaka misafidy izay tiantsika hatao isika, ary mamela antsika hifidy ny hankatò azy na tsia i Jehovah. (Deoteronomia 30:15-19) Tiany hanompo azy amin’ny fo sy saina atosiky ny tena fitiavana ny mpanompony. Izany no namelany ny Jiosy hisafidy izay tiany hatao, na dia namela azy ireo hiodina taminy aza izany. Tamin’izany heviny izany no nanamafisany ny fon’izy ireo.—2 Tantara 36:14-21.
6, 7. a) Inona no vokatry ny nandaozan’ny Jiosy ny lalan’i Jehovah? b) Inona no faniriana tsy tanteraka nolazain’i Isaia, nefa inona no tsy azon’ny Jiosy nantenaina?
6 Inona no vokany? Mamaly izany ilay faminanian’i Isaia hoe: “Vetivety foana no nananan’ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina. Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory.” (Isaia 63:18, 19a) Nanana ny fitoerana masin’i Jehovah teo anivony ny vahoakany nandritra ny fotoana kelikely. Avy eo dia navelany horavana izy io, ary navelany hatao sesitany ilay vahoakany. Tamin’izay, dia toy ny hoe tsy nisy fanekena teo aminy sy ny taranak’i Abrahama, toy ny hoe tsy nantsoina teo amin’izy ireo ny anarany. Babo tao Babylona ny Jiosy izao, ka namoy fo ary nihiaka hoe: “Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra—dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano—mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao, ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.” (Isaia 63:19b–64:1) Tena manan-kery hamonjy i Jehovah. Ho afaka nidina sy niady ho an’ny vahoakany izy, ka nandriatra ny fitondram-panjakana oharina amin’ny lanitra sy nanorotoro ny fanjakana lehibe oharina amin’ny tendrombohitra. Ho afaka nampahafantatra ny anarany izy, tamin’ny fiarovana ny vahoakany tamin-jotom-po.
7 Nanao zavatra toy izany i Jehovah taloha. Hoy ny notantarain’i Isaia: “Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.” (Isaia 64:2) Nampiseho ny herin’i Jehovah sy ny maha Andriamanitra azy ny asa lehibe toy izany. Kanefa nivadika ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia, ka tsy nanana zo hanantena ny hanaovan’i Jehovah izany ho azy.
I Jehovah ihany no afaka mamonjy
8. a) Inona no lafiny iray tsy itovian’i Jehovah amin’ny andriamani-dison’ireo firenena? b) Nahoana i Jehovah no tsy namonjy ny vahoakany, na dia afaka nanao izany aza? d) Ahoana no nampiharan’i Paoly ny Isaia 64:3? (Jereo pejy 366.)
8 Tsy afaka mamonjy ny mpivavaka aminy ireo andriamani-diso. Hoy i Isaia: “Hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ny olona, na nohenoiny, na hitan’ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy afa-tsy Hianao. Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ny làlanao.” (Isaia 64:4, 5a) I Jehovah ihany no “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Miaro an’ireo manao ny marina sy mahatsiaro azy izy. (Isaia 30:18) Nanao izany ve ny Jiosy? Tsia. Hoy i Isaia tamin’i Jehovah: “Indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; hatramin’ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?” (Isaia 64:4b) Nanota tsy an-kijanona ny vahoakan’Andriamanitra, ka tsy nanana antony hifehezana ny fahatezerany sy hamonjena azy ireo i Jehovah.
9. Inona no azon’ny Jiosy nibebaka nantenaina, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
9 Tsy afaka namerina ny lasa ny Jiosy, nefa raha nibebaka izy ireo, ka nanaraka ny fivavahana marina indray, dia ho afaka nahazo famelan-keloka sy fitahiana. Hovalian’i Jehovah soa, amin’ny fotoany, ireo nibebaka, ka hafahany avy any Babylona. Na izany aza, dia nila faharetana izy ireo. Tsy hanova ny fandaharam-potoanany i Jehovah, na dia nibebaka aza izy ireo. Raha mailo hatrany anefa izy ireo, ka nanaiky ny sitrapon’i Jehovah, dia tena hafahany tokoa. Miandry an’i Jehovah amim-paharetana toy izany koa ny Kristianina ankehitriny. (2 Petera 3:11, 12) Mandray am-po ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto isika: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.”—Galatiana 6:9.
10. Inona no neken’i Isaia tamim-pahatsorana?
10 Tsy fieken-keloka anarany fotsiny ny vavaka faminanian’i Isaia, fa fiekena tamim-pahatsorana kosa fa tsy afaka nanavo-tena ilay firenena. Hoy ilay mpaminany: “Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra; malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra.” (Isaia 64:5) Mety ho efa tsy nanompo sampy intsony ny Jiosy nibebaka rehefa nifarana ilay sesitany. Nety ho efa nitodika tany amin’i Jehovah izy ireo, ka nanao asa marina. Mbola tsy lavorary anefa izy ireo. Na dia mendri-piderana aza ny asa tsara nataon’izy ireo, dia tsy nisy vidiny toy ny lamba mihosin-dra, satria tsy afaka nanavotra azy ireo tamin’ny fahotany. Ny famelan-kelok’i Jehovah dia fanomezana tsy manam-paharoa ataony noho izy mamindra fo. Tsy zavatra omeny antsika ho tambin’ny nataontsika izy io.—Romana 3:23, 24.
11. a) Nanao ahoana ny fahasalamana ara-panahin’ny ankamaroan’ny Jiosy tany an-tsesitany, ary inona no mety ho antony? b) Iza avy no oha-pinoana niavaka nandritra ilay sesitany?
Isaia 64:6) Ratsy dia ratsy ny fahasalamana ara-panahin’ilay firenena. Tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra izy, rehefa nivavaka. Tsy nanompo sampy intsony izy, nefa toa mbola nanao tsirambina ny fivavahany ihany, ary ‘tsy nisy nifoha hifikitra tamin’i’ Jehovah. Tsy nanana fifandraisana tsara tamin’ny Mpamorona azy velively izy. Nisy angamba nihevi-tena ho tsy mendrika ny hivavaka tamin’i Jehovah. Ny hafa angamba tsy nieritreritra azy akory, fa variana nanao ny raharahany andavanandro. Marina fa nisy oha-pinoana faran’izay tsara, toa an’i Daniela, Hanania, Misaela, Azaria ary i Ezekiela, teo anivon’ireo babo. (Hebreo 11:33, 34) Teo am-pifaranan’ilay fahababoana 70 taona, dia nisy lehilahy, toa an’i Hagay, Zakaria, Zerobabela, ary Josoa Mpisoronabe, nanome ohatra niavaka tamin’ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah. Na izany aza, dia ny toe-piainan’ny ankamaroan’ireo babo no noresahin’i Isaia tao amin’ilay vavaka faminaniana.
11 Inona no hitan’i Isaia, rehefa nibanjina ny hoavy izy? Nivavaka toy izao izy: “Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.” (“Ny manaraka no tsara noho ny fanatitra”
12. Ahoana no nanehoan’i Isaia ny fahavononan’ny Jiosy nibebaka hiova fitondran-tena?
12 Vonona ny hiova ireo Jiosy nibebaka. Nisolo tena azy ireo tamin’ny vavaka i Isaia: “Ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra.” (Isaia 64:7) Nanaiky ny fahefan’i Jehovah Rainy, na Mpanome Aina azy, indray i Isaia tamin’ireo teny ireo. (Joba 10:9) Noharina tamin’ny tanimanga mora volavolaina ireo Jiosy nibebaka. Azo notefena, na novolavolaina mba hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra, ireo nanaiky ny famaizany. Tsy hety anefa izany, raha tsy mamela ny helok’izy ireo ilay Mpanefy, dia i Jehovah. Niangavy azy indroa àry i Isaia mba hitadidy fa olony ireo Jiosy ireo: “Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô, ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; Masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.”—Isaia 64:8.
13. Nanao ahoana ny tanin’i Isiraely, nandritra ny nanaovana sesitany an’ilay vahoaka?
13 Tsy ilay fahababoana tao amin’ny tanin’ny mpanompo sampy fotsiny no tsy maintsy niaretan’ny Jiosy natao sesitany. Nahafa-baraka azy ireo sy ilay Andriamaniny koa ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Nitantara izany toy izao ny vavaka fibebahana nataon’i Isaia: “Tonga efitra ireo tanànanao masina, eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema. Ny tranonay masina sady mendrika, izay nideran’ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.”—14. a) Inona no fampitandremana efa nomen’i Jehovah, momba ny toe-javatra nisy teo amin’ny Isiraely? b) Na dia sitrak’i Jehovah aza ilay tempoliny sy ireo fanatitra natao tao, inona no lehibe kokoa?
14 Fantatr’i Jehovah tsara ny toe-javatra tany an-tanindrazan’ny Jiosy. Tokony ho 420 taona talohan’ny naharavan’i Jerosalema, dia efa nampitandremany ny vahoakany fa raha tsy nitandrina ny didiny izy ireo, ka nanompo andriamani-kafa, dia “[hofongorany] tsy ho amin’ny tany”, ary ho antontan-javatra rava ilay tempoly tsara tarehy. (1 Mpanjaka 9:6-9) Marina fa sitrak’i Jehovah ilay tany nomeny ny vahoakany, sy ilay tempoly fatratra naorina ho azy, ary ireo fanatitra natolotra ho azy. Lehibe lavitra noho ny zavatra ara-nofo sy ny fanatitra koa aza anefa ny tsy fivadihana sy ny fankatoavana. Nilaza izany tsara toy izao tamin’i Saoly Mpanjaka i Samoela mpaminany: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy.”—1 Samoela 15:22.
15. a) Inona no fiangaviana nataon’i Isaia tamin’i Jehovah, ary ahoana no namaliany azy io? b) Nahoana no nolavin’i Jehovah tanteraka ny firenen’ny Isiraely tamin’ny farany?
15 Na izany aza, tsy ho onena ve ny Andriamanitry ny Isiraely, nijery ny fahorian’ilay vahoakany nibebaka? Izany Isaia 64:11) Tena namela ny helok’izy ireo i Jehovah, tamin’ny farany, ary namerina azy ireo tany amin’ny taniny tamin’ny 537 T.K., mba hanarahany indray ny fivavahana madio. (Joela 2:13) Rava indray anefa i Jerosalema sy ny tempoliny taonjato maro tatỳ aoriana, ary nolavin’Andriamanitra tanteraka ilay firenena nanaovany fanekena. Nahoana? Satria tsy nankatò ny didiny indray izy ireo ary nanda ny Mesia. (Jaona 1:11; 3:19, 20) Nosoloan’i Jehovah firenena vaovao, dia firenena ara-panahy antsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra”, àry ny Isiraely fahiny.—Galatiana 6:16; 1 Petera 2:9.
no fanontaniana namaranan’i Isaia ilay vavaka nataony. Niangavy toy izao ho an’ireo Jiosy babo izy: “Ary mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?” (Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka”
16. Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny famelan-kelok’i Jehovah?
16 Misy fianarana lehibe azo raisina avy amin’izay nanjo ny Isiraely. Nianarantsika fa “tsara sady mamela heloka” i Jehovah. (Salamo 86:5) Tsy lavorary isika, ka mila ny famindram-pony sy famelan-keloka avy aminy mba ho voavonjy. Tsy misy zavatra ataontsika ka hahatonga antsika ho mendrika hahazo ireo fitahiana ireo. Kanefa tsy ny heloky ny olona tsy an-kanavaka akory no avelan’i Jehovah. Ireo mibebaka ka miverina ihany no mahazo famelan-keloka avy aminy.—Asan’ny Apostoly 3:19.
17, 18. a) Inona no mampiseho fa tena te hahafantatra ny eritreritsika sy fihetseham-pontsika i Jehovah? b) Nahoana i Jehovah no mahari-po amin’ny olombelona mpanota?
17 Nianarantsika koa fa mihaino tsara ny vavaka ataontsika aminy i Jehovah, mba hahafantarana ny eritreritsika sy fihetseham-pontsika. Izy no “Mpihaino vavaka.” (Salamo ) Manome antsika toky toy izao ny apostoly Petera: “Ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” ( 65:2, 31 Petera 3:12) Nianarantsika ihany koa fa tsy maintsy miaiky ny helotsika amim-pahatsorana isika rehefa manao vavaka fibebahana. (Ohabolana 28:13) Tsy midika anefa izany hoe afaka manararaotra loatra ny famindram-pon’Andriamanitra isika. Ampitandreman’ny Baiboly ny Kristianina ‘mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra’, na hoe ho diso ny zava-kendren’izy io.—2 Korintiana 6:1.
18 Ny fianarana farany dia momba ny zava-kendren’ny faharetan’Andriamanitra tamin’ilay vahoakany mpanota. Nohazavain’ny apostoly Petera fa mahari-po i Jehovah satria “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Na izany aza, dia hosazin’Andriamanitra amin’ny farany ireo mikiry manao tsinontsinona ny faharetany. Izao no vakintsika momba izany: “[I Jehovah] hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana.”—Romana 2:6-8.
19. Inona avy no toetra asehon’i Jehovah foana?
19 Toy izany no nitondran’Andriamanitra ny Isiraely fahiny. Mbola toy izany ihany no itondrany antsika ankehitriny, satria tsy miova ny fitsipiny. Tsy miahotra hampihatra famaizana ara-drariny i Jehovah, kanefa “Andriamanitra mamindra fo sy miantra [foana izy], mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana.”—Eksodosy 34:6, 7.
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 362]
Vavaka Fibebahan’i Daniela
Tany Babylona i Daniela mpaminany nandritra ireo 70 taona naharetan’ny fahababoan’ny Jiosy. Roa taona talohan’ny hahataperan’ilay fahababoana, dia takatr’i Daniela avy tamin’ny faminanian’i Jeremia fa efa hifarana izy io. (Jeremia 25:11; 29:10; Daniela 9:1, 2) Nisolo tena an’ilay firenena manontolo i Daniela, rehefa nanao vavaka fibebahana tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Nampanatrehiko an’Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona. Ary nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra.”—Daniela 9:3, 4.
Tokony ho roanjato taona taorian’ny nanoratan’i Isaia ilay vavaka faminaniana hita ao amin’ny toko faha-63 sy 64 amin’ny bokiny, no nanononan’i Daniela ny azy. Tsy maintsy ho nisy Jiosy tso-po maro nivavaka tamin’i Jehovah nandritra ilay fotoan-tsarotra tany an-tsesitany. Asongadin’ny Baiboly manokana anefa ny vavaka nataon’i Daniela, nilazany ny fihetseham-pon’ny Jiosy nahatoky maro. Manamarina ny nolazain’i Isaia tao amin’ilay vavaka faminaniana nataony momba ny fihetseham-pon’ny Jiosy nahatoky tany Babylona àry ny vavak’i Daniela.
Zavatra sasany itovian’ny vavak’i Daniela sy ny an’i Isaia.
Isaia 63:19b–64:2 Daniela 9:15
Isaia 64:9, 10 Daniela 9:16-18
[Efajoro, pejy 366]
“Izay Tsy Mbola Hitan’ny Maso”
Nanonona teny tao amin’ny Isaia ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra toy izao ho an’ny Korintianina: “Araka ny voasoratra hoe: ‘Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.’” (1 Korintiana 2:9) * Na ny tenin’i Paoly na ny an’i Isaia dia samy tsy manondro ireo zavatra namboarin’i Jehovah ho an’ny vahoakany any an-danitra na eto an-tany zary paradisa. Nampiharin’i Paoly tamin’ireo fitahiana efa azon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny tenin’i Isaia. Anisan’izany ny fahazoana ny hevitr’ireo zava-dalin’Andriamanitra sy ny fahazoana fahazavana ara-panahy avy aminy.
Rehefa tonga ny fotoana ampahafantaran’i Jehovah ireo zava-dalina ara-panahy, ary raha olona araka ny fanahy sy manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah isika, vao hahazo ny hevitr’izy ireo. Ny olona tsy tia zavatra ara-panahy firy no noresahin’i Paoly. Tsy mahita ireo fahamarinana ara-panahy ny mason’izy ireo, ary tsy mahare, na hoe mahazo ny heviny, ny sofin’izy ireo. Tsy miditra ao am-pon’ny olona toy izany ny fahalalana ireo zavatra namboarin’i Jehovah ho an’ireo tia azy. Nampahafantariny ireo zavatra ireo, tamin’ny alalan’ny fanahiny anefa ny olona nanolo-tena ho azy, toa an’i Paoly.—1 Korintiana 2:1-16.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 56 Tsy hita ara-bakiteny ao amin’ny Soratra Hebreo ireo tenin’i Paoly ireo, fa mety ho hevitra tao amin’ny Isaia 52:15 sy 64:3 ary 65:17 no nakambany tao.
[Sary, pejy 367]
Nanana an’i Jerosalema sy ny tempoliny “vetivety foana” ilay vahoakan’Andriamanitra