Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voala Sarona ny Fihatsarambelatsihy!

Voala Sarona ny Fihatsarambelatsihy!

Toko Fahasivy Ambin’ny Folo

Voala Sarona ny Fihatsarambelatsihy!

Isaia 58:1-14

1. Ahoana no fiheveran’i Jesosy sy Jehovah ny fihatsarambelatsihy, nefa inona no hita tamin’ny andron’i Isaia?

“RAHA amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina [ianareo], nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” (Matio 23:28) Nanameloka ny fihatsarambelatsihy i Jesosy, toy ilay Rainy an-danitra ihany. Ny Isaia toko faha-58 dia mifantoka indrindra indrindra amin’ny fihatsarambelatsihy niely patrana tao Joda. Fahita tamin’izany ny fifandirana sy ny fampahoriana ary ny herisetra, ary nanjary fombafomba fotsiny sisa ny fitandremana ny Sabata. Fanompoana anarany fotsiny ny fivavahan’ilay vahoaka tamin’i Jehovah, ary tsy natosiky ny fo ny fifadian-kanina nataony, fa fisehosehoana fotsiny. Tsy mahagaga raha nalan’i Jehovah sarona ny tena toetran’izy ireo!

‘Ambarao amin’ny olona ny fahadisoany’

2. Inona no toetra nanosika an’i Isaia hanambara ny hafatr’i Jehovah, ary iza no tahaka azy ankehitriny?

2 Naharikoriko an’i Jehovah ny fitondran-tenan’ny Joda, nefa mbola niangavy azy ireo tamim-pitiavana hibebaka ihany izy. Tiany hazava tsara koa anefa ny fananarany, ka hoy izy tamin’i Isaia: “Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara, ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany.” (Isaia 58:1) Mety tsy ho tian’ilay vahoaka i Isaia, rehefa hanambara amin-kerim-po izany tenin’i Jehovah izany, nefa tsy niahotra izy. Mbola feno fandavan-tena ihany izy, toy ny tamin’ny fotoana nilazany hoe: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Tena ohatra tsara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny i Isaia, raha ny amin’ny fiaretana! Irahina hitory ny Tenin’Andriamanitra sy hanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ireo fivavahana koa mantsy izy ireo.—Salamo 118:6; 2 Timoty 4:1-5.

3, 4. a) Inona no fihamboan’ny vahoaka tamin’ny andron’i Isaia? b) Nanao ahoana anefa ny tena toe-javatra tao Joda?

3 Toa nitady an’i Jehovah sy nankasitraka ny fitsipiky ny fahamarinany, na ny fitsarany marina, ny fahitana an’ireo niara-belona tamin’i Isaia. Hoy i Jehovah: “Izaho mbola tadiaviny ihany isan-andro isan-andro, ary ny hahalala ny làlako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’Andriamanitra.” (Isaia 58:2) Tena avy amin’ny fony ve io filazany ho nankasitraka ny lalan’i Jehovah io? Tsia. “Tahaka ny firenena efa nanao ny marina” izy ireo, nefa an-kosoka fotsiny izany. “Nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny” io firenena io, raha ny marina.

4 Nitovy be tamin’izay naseho an’i Ezekiela mpaminany tatỳ aoriana ny toe-javatra tamin’izay. Nilaza tamin’i Ezekiela i Jehovah fa nifampiresaka toy izao ny Jiosy: “Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’i Jehovah.” Nampitandrina an’i Ezekiela anefa i Jehovah hoe tsy avy tamin’ny fon’izy ireo izany. Hoy izy: “Mankao aminao . . . izy . . . ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena. Koa, indro, hianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.” (Ezekiela 33:30-32) Nihambo ho nitady tsy tapaka an’i Jehovah ireo niara-belona tamin’i Isaia, nefa tsy nankatò ny teniny.

Fifadian-kanina feno fihatsarambelatsihy

5. Inona no nataon’ny Jiosy mba hitadiavana sitraka tamin’Andriamanitra, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah?

5 Nitady hahazo sitraka tamin’Andriamanitra ny Jiosy, ka nanaraka ny fombafomba fifadian-kanina. Vao mainka nampanalavitra azy an’i Jehovah anefa ny fihatsarambelatsihiny. Mody gaga izy ireo, nanontany hoe: “Nahoana izahay no mifady, . . . nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao?” Tsy niolakolaka ny valin-tenin’i Jehovah hoe: “Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny ifadianareo ary ny hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ny avo. Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany,—moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’i Jehovah?”—Isaia 58:3-5.

6. Inona no nampiseho fa fihatsarambelatsihy fotsiny ny fifadian-kanin’ny Jiosy?

6 Nifady hanina ilay vahoaka, sy mody nanao ny marina ary nitady ny hitsaran’i Jehovah azy ara-drariny mihitsy aza. Nikatsaka fahafinaretana sy raharaham-barotra tamim-pitiavan-tena koa anefa izy ireo. Fahita teo amin’izy ireo koa ny fifandirana sy fampahoriana ary herisetra. Nanandrana nanafina ny fitondran-tenany izy ireo, ka be fihetsiketsehana erỳ, rehefa nanaraka ireo fombafomba fisaonana: nanondrika ny lohany toy ny zozoro sy nipetraka teo ambony lamba fisaonana sy lavenona, ka toy ny hoe nibebaka noho ny fahotany. Inona anefa no nilana izany, raha mbola nikomy ihany izy ireo? Tsy hita teo aminy ilay alahelo sy fibebahana ankasitrahan’Andriamanitra tokony hampiavaka ny fifadian-kanina natosiky ny fo. Tsy re tany an-danitra ny fitomaniany, na dia mafy toy inona aza.

7. Inona no mampiseho fa mpihatsaravelatsihy ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, sy ny olona maro ankehitriny?

7 Nifady hanina ho fanaraham-pomba fotsiny koa ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, ary indroa isan-kerinandro mihitsy aza ny an’ny sasany! (Matio 6:16-18; Lioka 18:11, 12) Nasiaka sy nanjakazaka toy ireo niara-belona tamin’i Isaia koa ny maro tamin’ireo mpitondra fivavahana. Nalan’i Jesosy sarona tamin-kerim-po àry izy ireo, ka nilazany fa very maina ny fivavahany. (Matio 15:7-9) Olona an-tapitrisa koa ankehitriny no “manaiky fa mahalala an’Andriamanitra . . ., nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.” (Titosy 1:16) Mety hanantena ny famindram-pon’Andriamanitra ny olona toy izany, nefa hita amin’ny fitondran-tenany fa tsy tso-po izy ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa maneho tena fitiavana an’Andriamanitra sy tena fitiavan-drahalahy.—Jaona 13:35.

Ny tena fibebahana

8, 9. Inona koa no tsy maintsy nataon’ny olona iray tena nibebaka tamim-pahatsorana?

8 Tsy ny hifady hanina fotsiny no tian’i Jehovah hataon’ny olony, raha nanota izy ireo, fa ny hibebaka koa. Izany no hahazoan’izy ireo sitraka Aminy. (Ezekiela 18:23, 32) Nohazavain’i Jehovah fa tsy nisy heviny ny fifadian-kanina nataon’ny olona iray, raha tsy niala tamin’ny fahotany izy. Diniho ity fanontaniana mampisaintsaina napetrak’i Jehovah ity: “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?”—Isaia 58:6.

9 Ohatra mety tsara ilazana ny famaboana tsy mifaditrovana ny famatorana sy ny zioga. Tsy nety àry raha sady nifady hanina ilay vahoaka no nampahory ny mpiray finoana taminy, fa tokony hankatò kosa ilay baiko hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18) Tokony hanafaka an’izay rehetra nampahoriny sy nandevoziny tsy ara-drariny izy ireo. * Ny fifadian-kanina sy ny zavatra hafa natao mba ho hitan’ny olona, dia tsy mahasolo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavan-drahalahy avy amin’ny fo. Hoy i Mika mpaminany, niara-belona tamin’i Isaia: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”—Mika 6:8.

10, 11. a) Inona no tsara kokoa noho ny nifady hanina, teo amin’ny Jiosy? b) Ahoana no ampiharan’ny Kristianina io torohevitr’i Jehovah ho an’ny Jiosy io?

10 Izay te ho marina sy hamindra fo ary hanetry tena, dia tsy maintsy nanao soa tamin’ny hafa, ka izany no fototry ny Lalàn’i Jehovah. (Matio 7:12) Tsara lavitra noho ny fifadian-kanina ny nizara ny fananana tamin’ny nahantra. Hoy i Jehovah: “Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va [ny fifadiana izay ankasitrahako], sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao?” (Isaia 58:7) Eny, tokony hanome hanina, fitafiana na fialofana ho an’ireo ‘namany’, na mpiray tanindrazana taminy nahantra ny Jiosy afaka nanao izany, fa tsy hoe hifady hanina ho hitan’ny hafa.

11 Tsy ny Jiosy tamin’ny andron’i Isaia ihany no tsy maintsy naneho ireo toetra kanto notononin’i Jehovah ireo, dia ny fitiavan-drahalahy sy ny famindram-po. Ireo koa no manosika ny Kristianina hanao zavatra. Izany no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10) Tsy maintsy ho akany iroboroboan’ny fitiavana sy firaiketam-pon-drahalahy ny fiangonana kristianina, indrindra fa amin’izao andro mihamahory iainantsika izao.—2 Timoty 3:1; Jakoba 1:27.

Valian-tsoa ny fankatoavana

12. Inona no hataon’i Jehovah, raha nankatò azy ilay vahoakany?

12 Raha mba hendry mantsy ilay vahoakan’i Jehovah ka nitandrina ny fananarany feno fitiavana! Hoy i Jehovah: “Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-làlanao, ary ny voninahitr’i Jehovah ho vodi-làlanao. Ary amin’izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly; eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho.” (Isaia 58:8, 9a) Endrey izany teny feno fitiavana sy fiangaviana! Nitahy sy niaro an’ireo faly naneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary fahamarinana i Jehovah. Hamiratra kokoa ny hoavin’ireo nasiaka sy nanjakazaka, raha nibebaka sy nankatò izy ireo. ‘Hositranin’i’ Jehovah ilay firenena, izany hoe homeny fahasalamana ara-panahy sy ara-batana. Hiaro azy ireo koa izy, toy ny nataony tamin’ny razambeny teo am-pandaozana an’i Ejipta. Hovaliany avy hatrany koa ny fitalahoan’izy ireo fanampiana.—Eksodosy 14:19, 20, 31.

13. Inona no fitahiana niandry ny Jiosy, raha nanaiky ny fampirisihan’i Jehovah izy ireo?

13 Mbola nampirisika ny vahoakany toy izao ihany i Jehovah: “Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga [ny fanandevozana masiaka, tsy ara-drariny] sy ny fanondroan’ny fanondro [mety ho fanesoana na fanendrikendrehana] sy ny fitenenan-dratsy, ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory hianao,—dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana.” (Isaia 58:9b, 10) Toy ny mandrora mitsilany ka mahavoa tena ny olona tia tena sy masiaka. Mahatezitra an’i Jehovah koa izy ireo. Ny tsara fanahy sy ny malala-tanana kosa, indrindra fa amin’ny noana sy ny ory, dia hotahin’Andriamanitra. Raha mba nandray izany tao amin’ny fony mantsy ny Jiosy! Ho namirapiratra sy nambinina eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, toy ny masoandro amin’ny mitataovovonana, izay mampisinda ny haizina rehetra. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia hanome voninahitra sy dera an’i Jehovah, ilay Loharanon’izany fitahiana izany, izy ireo.—1 Mpanjaka 8:41-43.

Tafarina indray ilay firenena

14. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo niara-belona tamin’i Isaia? b) Inona no mbola nomen’i Jehovah azy ireo?

14 Mampalahelo fa tsy niraharaha ny fiangavian’i Jehovah ilay firenena, fa vao mainka nihanilentika tao anatin’ny faharatsiana. Voatery nandefa azy tany an-tsesitany, araka ny efa nampitandremany, i Jehovah tamin’ny farany. (Deoteronomia 28:15, 36, 37, 64, 65) Mbola nanome fanantenana, tamin’ny alalan’i Isaia, ihany anefa izy. Nolazainy fa raha nisy sisa nanaiky ilay famaizana ka nanenina, dia hiverina any Joda izy, ary ho faly na dia lao aza ilay tany.

15. Inona ilay famerenana amin’ny laoniny mahafaly nolazain’i Jehovah mialoha?

15 Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia, momba ny famerenana ny vahoakany tany amin’ny taniny, tamin’ny 537 T.K.: “Jehovah hitari-dàlana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano hianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.” (Isaia 58:11) Hataon’i Jehovah ho tany hamokatra be indray ilay tanin’ny Isiraely karankaina teo aloha. Hahatalanjona kokoa aza ny fitahiany an’ilay vahoakany nibebaka: hohatanjahiny ny ‘taolany’, izay toa maty ara-panahy teo, ka ho be aina indray. (Ezekiela 37:1-14) Ho toy ny “saha vonton-drano” ilay vahoaka, ka hamokatra be eo amin’ny ara-panahy.

16. Amin’ny fomba ahoana no hanamboarana indray ilay tany?

16 Hamboarina koa ireo tanàna noravan’ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. “Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary hianao dia hatao hoe Mpamboatra ny rava, Mpamelon-dàlana honenana amin’ny tany.” (Isaia 58:12) Milaza zavatra iray ihany ny hoe “ny efa rava ela” sy ny hoe “ny naorina hatry ny fony fahagola” (na ireo fanorenana rava nandritra ny ela be). Asehon’izy ireo fa hanamboatra indray an’ireo tanàna rava tao Joda, indrindra fa i Jerosalema, ny sisa tafody. (Nehemia 2:5; 12:27; Isaia 44:28) Hanamboatra “ny rava” izy ireo, izany hoe ireo manda gorobaka tao Jerosalema sy ny tanàna hafa.—Jeremia 31:38-40; Amosa 9:14.

Hahazo fitahiana ireo nitandrina tsara ny Sabata

17. Inona no fiangaviana nataon’i Jehovah mba hankatoavan’ny vahoakany ireo lalàna momba ny Sabata?

17 Ny Sabata dia fanehoan’Andriamanitra ny fiahiany lalina ny fahasalamana ara-batana sy ara-panahin’ny vahoakany. Hoy i Jesosy: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona.” (Marka 2:27) Nanana fahafahana manokana hampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra ny Isiraelita tamin’io andro nohamasinin’i Jehovah io. Mampalahelo anefa fa fombafomba fotsiny sisa izy io tamin’ny andron’i Isaia, ary nahitana ny fitiavan-tenan’ilay vahoaka. Voatery niteny azy ireo indray àry i Jehovah, ary niezaka hanohina ny fony indray. Hoy izy: “Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’i Jehovah hoe Miendrika hohajaina ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ny làlanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,dia hiravoravo amin’i Jehovah hianao, ary hasandratro ao amin’ny havoana amin’ny tany hianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao; fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”—Isaia 58:13, 14.

18. Inona no ho vokatry ny tsy fanajan’ny Joda ny Sabata?

18 Natao hisaintsainana zavatra ara-panahy sy hivavahana ary hiarahan’ny fianakaviana hanompo ny andro Sabata. Tokony hieritreritra momba ireo zavatra nahatalanjona nataon’i Jehovah ho azy ny Jiosy tamin’io andro io, ary koa momba ny rariny sy ny fitiavana niorenan’ny Lalàny. Raha nitandrina tsara io andro masina io ilay vahoaka, dia ho nanatona akaiky kokoa an’ilay Andriamaniny. Nandika ny Sabata anefa izy ireo, ka tena nety hamoy ny fitahian’i Jehovah.—Levitikosy 26:34; 2 Tantara 36:21.

19. Inona avy ireo fitahiana niandry ny vahoakan’Andriamanitra, raha nitandrina ny Sabata indray izy ireo?

19 Na izany aza, dia hotahina tokoa ny Jiosy, raha nandray fianarana avy tamin’ilay famaizana, ka nanaja indray ny Sabata. Ho tondraka ny vokatra tsaran’ny fanarahany ny fivavahana marina sy ny fanajany ny Sabata, ka hiseho eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainany. (Deoteronomia 28:1-13; Salamo 19:7-11) Ohatra, ‘hasandratr’i Jehovah ho eo amin’ny havoana amin’ny tany’ ilay vahoakany. Midika izany fa ho voaro sy handresy ny fahavalony izy ireo. Izay olona nifehy ireo havoana sy tendrombohitra mantsy no nifehy an’ilay tany. (Deoteronomia 32:13; 33:29) Nisy fotoana nankatoavan’ny Isiraely an’i Jehovah. Narovany ilay firenena tamin’izay, ka nohajain’ny firenena hafa sy natahorany mihitsy aza. (Josoa 2:9-11; 1 Mpanjaka 4:20, 21) Hahazo indray izany voninahitra nananany taloha izany izy ireo, raha nankatò an’i Jehovah indray. Hasain’i Jehovah hanararaotra tanteraka “ny lovan’i Jakoba” izy ireo, izany hoe ireo fitahiana nampanantenainy an’ireo razambeny, indrindra fa ny fonenany tsy nisy ahiahy tao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Salamo 105:8-11.

20. Inona ilay “sabata fitsaharana” tandreman’ny Kristianina?

20 Misy fianarana azon’ny Kristianina raisina avy amin’izany ve? Efa nifarana ny Lalàn’i Mosesy, izay nisy ny lalàna momba ny Sabata. (Kolosiana 2:16, 17) Kanefa mbola tena ilain’ny mpanompon’i Jehovah hananana ihany ilay toe-tsaina tokony ho nananan’ny Joda tamin’ny fitandremana ny Sabata: ny fanaovana ny zavatra ara-panahy ho loha laharana sy ny fanatonana an’i Jehovah. (Matio 6:33; Jakoba 4:8) Hoy koa i Paoly tamin’ny Hebreo: “Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra.” Miditra ao amin’io sabata fitsaharana io ny Kristianina, raha mankatò an’i Jehovah ka miezaka ny ho olo-marina, noho ny finoany ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy. (Hebreo 3:12, 18, 19; 4:6, 9-11, 14-16) Tsy indray mandeha isan-kerinandro no itandreman’ny Kristianina an’io sabata io, fa isan’andro.—Kolosiana 3:23, 24.

‘Asandratra ho eo amin’ny havoana amin’ny tany’ ny Isiraely ara-panahy

21, 22. Inona no nataon’i Jehovah mba ‘hanandratana ny Isiraely ara-panahy ho eo amin’ny havoana amin’ny tany’?

21 Nanomboka nitandrina tsara ilay sabata ara-panoharana ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919, fony izy ireo nafahana avy tamin’i Babylona Lehibe. ‘Nasandratr’i Jehovah ho eo amin’ny havoana amin’ny tany’ izy ireo, noho izany. Amin’ny heviny ahoana? Nanao fanekena tamin’ny taranak’i Abrahama i Jehovah tamin’ny 1513 T.K., fa ho fanjaka-mpisorona sy firenena masina izy ireo, raha nankatò. (Eksodosy 19:5, 6) Nitondra sy niaro azy ireo toy ny voromahery nitondra ny zanany i Jehovah, nandritra ireo 40 taona tany an’efitra, ary nanome azy izay rehetra nilainy. (Deoteronomia 32:10-12) Tsy nanam-pinoana anefa ilay firenena, ka maty antoka tsy nahazo ireo tombontsoa rehetra tokony ho azony. Na izany aza, dia manana fanjaka-mpisorona i Jehovah ankehitriny: ilay antsoina hoe Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy.—Galatiana 6:16; 1 Petera 2:9.

22 Nanao izay tsy nataon’ny Isiraely fahiny io firenena ara-panahy io tamin’izao andro “farany” izao. Nino an’i Jehovah foana izy ireo. (Daniela 8:17) Manaraka akaiky an’ireo lalàna sy fitsipi-pitondran-tena ambony nataon’i Jehovah izy ireo, ka asandratr’i Jehovah ho ambony amin’ny heviny ara-panahy. (Ohabolana 4:4, 5, 8; Apokalypsy 11:12) Voaro amin’ny fahalotoana manodidina azy izy ireo, ka tsara lavitra izao ny fomba fiainany. Tsy mikiry manao izay tiany hatao koa izy ireo, fa ‘miravoravo amin’i Jehovah’ sy ny Teniny kosa. (Salamo 37:4) Arovan’i Jehovah eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, rehefa miatrika fanoherana mafy hatraiza hatraiza. Mbola tsy notafihina ny ‘taniny’ ara-panahy, nanomboka tamin’ny 1919. (Isaia 66:8) Mbola vahoaka ankalazana ny anarany misandratra ihany izy ireo, ary faly mitory izany anarana izany maneran-tany. (Deoteronomia 32:3; Asan’ny Apostoly 15:14) Misy mpandefitra mihamitombo isa avy amin’ny firenena rehetra koa ankehitriny manana ilay tombontsoa ampianarina momba ny lalan’i Jehovah sy ampiana hanaraka azy io.

23. Inona no fandaharana nataon’i Jehovah mba ‘hamahanana ny mpanompony voahosotra amin’ny lovan’i Jakoba’?

23 ‘Hofahanan’i Jehovah amin’ny lovan’i Jakoba’ ny mpanompony voahosotra. Fony nitso-drano an’i Jakoba, fa tsy Esao, i Isaka, dia nanonona fitahiana ho an’izay rehetra nino an’ilay Taranak’i Abrahama nampanantenaina. (Genesisy 27:27-29; Galatiana 3:16, 17) Sahala amin’i Jakoba, fa tsy Esao, ny Kristianina voahosotra sy ny namany, satria ‘manaja’, na mankasitraka, ‘ny zavatra masina’, indrindra fa ny sakafo ara-panahy tondraka omen’Andriamanitra. (Hebreo 12:16, 17; Matio 4:4) Manatanjaka azy ary tena iankinan’ny ainy ara-panahy io sakafo ara-panahy io, dia ny fahalalana momba izay tanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’ilay Taranaka sy ny mpiara-mandova aminy. Noho izany, dia tena mila mamahan-tena ara-panahy tsy tapaka izy ireo, ka mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 1:1-3) Tena mila mifanerasera amin’ny mpiray finoana aminy any amin’ny fivoriana kristianina koa izy ireo. Tena mila manaja ireo fitsipi-pitondran-tena ambony ao amin’ny fivavahana madio ihany koa izy ireo, no sady faly mizara an’io sakafo ara-panahy io amin’ny olon-kafa.

24. Fitondran-tena manao ahoana no arahin’ny Kristianina marina ankehitriny?

24 Enga anie ny Kristianina marina hanalavitra ny fihatsarambelatsihy amin’ny endriny rehetra, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Enga anie izy ireo ho voaro ara-panahy hatrany eny “amin’ny havoana amin’ny tany”, satria voafahana “amin’ny lovan’i Jakoba.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Nahazo nivarotra ny tenany ho andevo ny Isiraelita nanan-trosa, ka tonga mpikarama mba handoavana ny trosany. (Levitikosy 25:39-43) Kanefa nasain’ny Lalàna nanehoana hatsaram-panahy ny andevo. Tsy maintsy nafahana kosa ireo nampijalina.—Eksodosy 21:2, 3, 26, 27; Deoteronomia 15:12-15.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 278]

Nifady hanina sy mody nanondrika ny lohany ho fibebahana ny Jiosy, nefa tsy nanova ny fitondran-tenany

[Sary, pejy 283]

Nanome fialofana, fitafiana na hanina ho an’ireo nahantra, ny Jiosy afaka nanao izany

[Sary, pejy 286]

Hanamboatra indray ireo tanàna rava ny Joda, raha nibebaka