Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza malahelo izay nilaozanao

Aza malahelo izay nilaozanao

Toko Faha-22

Aza malahelo izay nilaozanao

1. a) Inona avy ireo fitahiana miandry ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra? b) Inona anefa no nataon’ny sasany?

 NY FAHATANTERAHAN’IREO faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manaporofo miharihary fa eo an-tokonan’ny fandehan-javatra vaovao be voninahitra nomanin’Andriamanitra isika. Tsy ho ela dia hanjavona ny izao tontolo izao ratsy ankehitriny, ary hiara-hanjavona aminy ny fanaintainana, ny fahadisoam-panantenana sy ny alahelo naterany. Ny tany dia hovana ho Paradisa hahafahan’ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina hifaly mandrakizay amin’ny fiainan’olombelona tanteraka. Raha nampiseho izy fa azo antoka izany fampanantenana izany, dia izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny apostoly Jaona: “Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” (Apokalypsy 21:1-5). Kanefa, na dia mety toa hahagaga aza izany, ny olona sasany izay mahalala tsara izany fahamarinana izany dia miverina amin’ny fomba fiaina mampiavaka an’izao tontolo izao horavan’Andriamanitra tsy ho ela. Fahavoazana re izany! Fa nahoana izy ireny no manao toy izany?

2. a) Mba hanalavirana izany, inona no tokony hatao rehefa avy nahafantatra ny fahamarinana? b) Raha tsy manao toy izany ny olona iray, inona no mety hanapaka ny fisainany, ary inona no ho vokany?

2 Rehefa nandre firesahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra voalohany izy ireny ka nahafantatra ny soa hoentiny, dia nanaiky izany vaovao tsara izany tamim-pahadodonana. Zava-dehibe dia lehibe koa anefa ny handrosoana ho amin’ny fahamasahana kristiana, ny handalinana ny fahalalan’ny tena ny Tenin’Andriamanitra sy ny hitadiavana ny hoe ahoana no hampiharana azy amin’ny fomba feno eo amin’ny fiainan’ny tena (Hebreo 6:1, 11, 12). Ny kristiana izay tsy mankamamy ny tena maha-zava-dehibe izany zavatra izany ka manao tsirambina azy dia tsy hihevitra ho sarobidy intsony ny tombontsoa hanompo an’Andriamanitra. Mety hanjary tsy haharitra izy ka hieritreritra fa ireo fitahiana amin’ny lafiny ara-nofo nampanantenaina dia ela loatra vao tonga. Etsy andaniny koa, dia tsy ho hitany ny ilàna handroso ara-panahy na ny maha-zava-dehibe ny handraisana anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana sy ny asa fanaovana mpianatra, dia asa ankinin’Andriamanitra amintsika. Handany fotoana misimisy kokoa hatrany izy hanomezana fahafahampo ny faniriany fananana ara-nofo na hikatsahana izay lazaina fa fahafinaretana. Hailiny ho any amin’ny toerana faharoa amin’izay ny zavatra ara-panahy. Na dia tsy tonga miaraka amin’izay aza izany, dia ho voasinton’izao tontolo izao tsikelikely indray izy. — I Timoty 6:9, 10.

3. a) Nahoana no mampidi-doza ny fifidianana ho sakaiza, olona tsy mivavaka amin’i Jehovah? b) Amin’ny fotoana toy inona ny tena no mety ho tafaraka mora foana amin’ny olona toy izany?

3 Hisy hilaza angamba fa iriny ny hahazoana antoka ny amin’ny hahatafitany velona sy handovany ny “tany vaovao”, ny hiainana ao amin’izao tontolo izao hanjakan’ny fahamarinana. Nefa moa ve manamarina ny teniny ny fifidianana ny olona ifaneraserany? Marina fa voatery isika miaraka isan’andro amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah, any am-piasana, any an-tsekoly, rehefa miantsena sy ao an-tranontsika mihitsy aza. Kanefa, rehefa misy fiatoana, aloha sy aorian’ny fianarana, rehefa mandefa telefaonina isika na mitsidika namana, na amin’ny fotoana fialantsika voly koa, fifaneraserana manao ahoana no fidintsika? Zava-dehibe tokoa ve izany? Manome antsika izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (I Korintiana 15:33). Inona marina moa no tiana holazaina amin’ny hoe “fikambanana amin’ny ratsy”? Tena ratsy tokoa ve raha misy olona ifaneraserantsika tsy mivavaka amin’i Jehovah, raha manao izay heveriny ho mahitsy fotsiny izy ireo? Araka ny efa nianarantsika, dia fantatsika fa tsy ho tafita velona izany karazan’olona izany ary tsy handova ny “tany vaovao”. Ny kristiana izay mampidina ny fitsipika naorin’i Jehovah rehefa mifidy ireo sakaizany, tsy ho ela dia hahita ny tenany indray ao anatin’izao tontolo izao noheveriny fa nialana. Kanefa, ireo ohatra voatantara ao amin’ny Soratra masina ho fampitandremana dia mety hisakana antsika tsy hanao toy izany, raha raisintsika am-po anefa izany. — I Korintiana 10:11.

“VOASORATRA IZANY HO FANANARANA ANTSIKA”

4. a) Karazam-piainana nanao ahoana moa no hitan’ny Isiraelita tany Egypta taorian’ny nahafatesan’i Josefa? b) Nahoana no nisy “olona maro samy hafa firenena” nanaraka azy ireo rehefa nafahana avy tany Egypta izy ireo? d) Mifanitsy amin’inona moa io tantara manaitra ny saina ara-paminaniana io amin’izao andro izao?

4 Rehefa nanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana tany Egypta Jehovah, dia tsy isalasalana mihitsy fa fanamaivanana lehibe ho azy ireo izany. Noho ny fampahoriana tamin-kalozana tsy maintsy nihatra tamin’izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Josefa, Egypta dia sahala amin’ny lafaoro lehibe ho nanipazana azy ireo (Eksodosy 1:13, 14; Deoteronomia 4:20). Namely an’ilay tany tamin’ny loza folo Jehovah tamin’izay. Natao nanjary niharihary tamin’izany ny tsy fitovian’ilay Andriamanitra marina sy ireo andriamanitr’i Egypta. Noho izany antony izany, rehefa nandao an’i Egypta ny Isiraelita, dia “nisy olona maro samy hafa firenena”, tsy Isiraelita, niaraka tamin’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny isarahan’ny “olona betsaka” amin’izao andro izao amin’izao tontolo izao mba hiaraka amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy (Eksodosy 12:38). Fa inona no nitranga tany amin’ny tobin’ny Isiraelita, fotoana fohy taorian’ny fifindram-ponenana?

5. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ny Isiraelita no “manina an’i Egypta”, fotoana fohy taorian’ny fanafahana azy ireo? b) Inona no antony?

5 Nanazava izany tamin’izao teny izao i Stefana, mpianatra kristiana iray: “Manina an’i Egypta ny fony.” Volana vitsivitsy monja taorian’ny nanafahana azy ireo izany (Asan’ny apostoly 7:39, 40). Fa ahoana no nampisehoan’izy ireo izany? Nanao ombilahikely volamena izy ireo, sahala amin’ny natao tany Egypta, tamin’ny filazana fa “ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah” izany. Raha ny marina, dia nanahaka ny Egyptiana izy ireo (Eksodosy 32:1-6). Tsy faly aoka izany Jehovah satria izy ireo nanao zavatra nifanohitra tanteraka tamin’ny Lalàna nomena azy ireo teo an-tendrombohitra Sinay. An’arivony maro tamin’izy ireny no novonoina. Nahoana no nanao toy izany izy ireny? Fantany tsara ireo didin’i Jehovah, kanefa miharihary fa tsy namboly fankasitrahana avy amin’ny fo noho izany na noho ny hoe ilay Andriamanitra marina no nitarika azy ireo izy.

6. a) Inona no nomen’i Jehovah azy ireo fony izy tany an’efitra (I Korintiana 10:3, 4)? b) Nahoana ny sasany no nanomboka nalahelo izay nananany tany Egypta?

6 Rehefa nandao an’i Egypta ny Isiraelita sy ny “olona maro samy hafa firenena” nanaraka azy, dia fantany fa izany no zavatra tsara indrindra tokony hataony. Rehefa afaka herintaona anefa, dia mbola tsy tany amin’ny Tany nampanantenaina ihany izy ireo; mbola tsy nanan-trano tany amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely” izy ireo. Nanan-kohanina be dia be anefa izy ireo ary indrindra, tsy nisy tsy ampy mihitsy teo amin’ny lafiny ara-panahy. Ny fisian’ny rahona sy ny andry afo dia porofo foana fa nitarika azy ireo Andriamanitra. Tao an-tendrombohitra Sinay sy tao amin’ny ranomasina Mena izy ireo dia nanatrika fampisehoana naharaiki-tahotra ny herin’i Jehovah. Fa raha ny amin’ny faneken’ny Lalàna, izany dia nanome azy ireo sakafo sy fampaherezana ara-panahy. Ambonin’izany, dia nitondra zavatra be dia be ho azy ireo teo amin’ny lafiny manokana izany. Nasehony tamin’izy ireo hoe tamin’ny lafiny inona avy izy ireo no tokony hanitsy ny fitondrantenany, ny fisainany sy ny antony manosika azy mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah. Mampalahelo anefa fa tsy nankasitraka izay rehetra nataon’i Jehovah ho azy ireo izy fa nanomboka nalahelo ny zavatra ara-nofo nananany tany Egypta. Nitarika maro be taminy ho amin’ny fahavoazana izany alahelo feno fitiavan-tena izany. — Nomery 11:4-6, 31-34.

7. a) Rehefa niverina nanao tatitra ireo mpisafo tany, nahoana ny vahoaka no niresaka ny amin’ny hiverenana tany Egypta? b) Inona no vokatr’izany (Hebreo 3:17, 19)?

7 Fotoana fohy taorian’izay, dia naniraka mpisafo tany ho any amin’ny Tany nampanantenaina i Mosesy. Rehefa niverina ireo dia niara-niaiky fa tena tany “tondra-dronono sy tantely” tokoa ilay izy. Natahotra ny mponina tao anefa ny folo taminy ary raiki-tahotra noho ny tanànany mimanda mafy. Tsy niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra izy ireo ary nanao izay hampangovitra ny Isiraelita hafa. Teo indray koa ny eritreriny dia nampiverina azy ireo tany Egypta ary niresaka ny amin’ny hiverenana tany izy ireo. Noho ny tsy fahampiam-pinoany, dia tsy niditra tao amin’ny Tany nampanantenaina mihitsy ny taranaka Isiraelita manontolo roapolo taona no ho miakatra, fa maty tany an’efitra. — Nomery 13:27-33; 14:1-4, 29.

8. a) Inona no tsy maintsy nataon’i Lota sy ny ankohonany mba handosirana ny fandringanana tany Sodoma? b) Nahoana ny vadin’i Lota no novana ho tsanganan-tsira? d) Hafatra fampitandremana inona no hitantsika ao amin’io tantara mampangitakitaka io?

8 400 taona mahery talohan’izay, dia nasongadina koa io fianarana io tao anatin’ny toe-javatra niseho hafa. Nifidy ny honina tao Sodoma, tanàna nandroso, nefa feno faharatsiana aoka izany, i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Lehibe aoka izany ny faharatsian’io tanàna io sy ny Distrikany, hany ka nanapa-kevitra i Jehovah fa horavana izy io ary tsy haorina indray intsony mihitsy. Naniraka anjely anefa izy mba hamonjy an’i Lota sy ny ankohonany. Rehefa nampiomana an’ireo ho tonga vinantony i Lota, dia ‘nataon’ireo ho tahaka ny mpanao vazivazy’ izy. Tsy vazivazy anefa izany. Raha vao nazava ratsy, dia namoaka haingana an’i Lota sy ny ankohonany ho any ivelan’ny tanàna ireo anjely ary nilaza tamin’izy ireo mba handositra fa tsy hiherika. Niankina tamin’ny fankatoavany àry ny fahavelomany. Nihaino ny toromarik’ireo anjely i Lota sy ny zanany vavy roa ka voavonjy ny ainy. Ny vadin’i Lota kosa anefa, izay tsy isalasalana fa niahotrahotra ny hamoy fananana ara-nofo sasany, dia niherika ka maty, niova ho tsanganan-tsira. Raisintsika am-po ve ny fianarana avy amin’io fisehoan-javatra io? Mba tsy hanadinoantsika azy, dia nampahatsiahivin’i Jesosy izany rehefa nosoritany ny ilàna handositra tsy misy hataka andro avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Raha nampitandrina ireo mpihaino azy mba tsy hiahy be loatra ny amin’ny zavatra ara-nofo izy, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo tamin’ny teny hentitra tsara: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Genesisy 19:12-26; Lioka 17:31, 32). Fa ahoana no azontsika iarovan-tena amin’ireo fandrika nahalavoan’ny Isiraelita sy ny vadin’i Lota?

‘AOKA ISIKA HANIRY TOERANA TSARA LAVITRA’

9. Inona moa no atao hoe finoana, ary ahoana no azontsika ambolena azy?

9 Raha tsy tiantsika ny hoe mety hiherika, dia ilaintsika ny hambolena finoana lehibe kokoa ihany ny fanantenana atolotra antsika. Ny Hebreo 11:1 dia milazalaza ny finoana ho “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Izany dia fiantohana na antoka, toy ny taratasy milaza fananana, fa hahazo izay nampanantenain’Andriamanitra isika. Ny finoana dia miorina amin’ny porofo mahery, hany ka manana antony mafy orina tokony hinoana zavatra tena hisy ho avy mbola tsy hitantsika isika. Tsy milaza akory izany fa minomino foana isika, vonona ny hino zavatra iray satria hitantsika ho tsara fotsiny izany. Mba hananana tena finoana, dia tokony hanintona ny saintsika amin’ny fomba ampy ireo toe-javatra mahaforona ny fanorenany mba hahalalana tsara izany. Tokony hoeritreretintsika tsara koa ny vokatry ny zavatra ianarana eo amin’ny fiainantsika ka ho velom-pankasitrahana amim-pahatsorana noho izany isika.

10. a) Ahoana no nampisehoan’i Abrahama ny finoany, ary nandritra ny fotoana toy inona? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsara ny nataony?

10 Nanana finoana toy izany Abrahama. Noho izany antony izany, dia nanaraka ireo toromarik’i Jehovah izy ka nandao ny tanàna nandroson’i Oran’ny Kaldeana ary nandeha ho any Kanana, tany lavitra iray mbola tsy hitany mihitsy teo aloha. Niaina toy ny mpivahiny izy tao, ka noho ny fitandremana, dia tsy nifikitra mihitsy tamin’ny tanàna na fanjakana iray. “Nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana [dia ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah] izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” Raha tsy nitsahatra ny nalahelo ny fiainana tany Kaldea izy, dia azo antoka fa ho niverina tany amin’io tany io. Mifanohitra amin’izany fa ‘naniry toerana tsara lavitra izy, izany hoe toerana an’ny lanitra’. (Hebreo 11:8-16, MN.) Tsy nandritra ny folo na roapolo taona ihany i Abrahama no ‘naniry’ “toerana tsara lavitra”, fa hatreo amin’ny fahafatesany, izany hoe 100 taona na mahery taorian’ny niaingany avy tany Ora. Tsy nianina tamin’ny filazana izy fa nanana finoana. Nasehony tamin’ny asany izany. Azo antoka àry ny valisoany. Azo antoka aoka izany ny hananganana an’i Abrahama amin’ny maty amin’ny ho avy, hany ka ‘velona Abrahama ho an’Andriamanitra’. — Lioka 20:37, 38; Jakoba 2:18.

11. Ahoana moa no nampisehoan’Isaka sy Jakoba fa nanam-pinoana koa izy ireo?

11 Fa inona no holazaina ny amin’Isaka, zanak’i Abrahama, sy Jakoba, zanak’Isaka? Marina fa tsy mbola nahalala mihitsy ny fiainana tany Kaldea izy, kanefa tsy nandeha ho any izy mba hahita hoe tahaka ny inona io tany io. Noraisiny am-po ireo fampanantenan’Andriamanitra nampahafantarin’ny ray aman-dreniny azy ireo. Namboly finoana sahala amin’ny an’i Abrahama izy ireo. ‘Naniry toerana tsara lavitra’ koa izy ireo. Tsy menatra azy ireo Andriamanitra. — Hebreo 11:9, 16, 20, 21; Genesisy 26:24, 25; 28:20-22.

12. Ahoana no nahitan’i Esao sy Dina fahasahiranana lehibe?

12 Tsy nankamamy ny zavatra ara-panahy kosa anefa Esao, rahalahin’i Jakoba. Nanambady vehivavy tsy nivavaka tamin’i Jehovah izy. Tsy nihevitra ho sarobidy ny zavatra masina izy, fa nivarotra ny fizokiany ho takalon’ny sakafo indray mihinana monja (Genesisy 25:29-34; 26:34, 35; Hebreo 12:14-17). Izy dia karazan’ireo izay maniry hanome fahafahampo ny faniriany ara-nofo eo no ho eo. Nahita fahasahiranana lehibe koa i Dina, zanakavavin’i Jakoba. Nahoana? Noho izy tia ny fiarahana tamin’ny “zazavavy tompon-tany”. — Genesisy 34:1, 2.

13. a) Fiainana manao ahoana no atolotr’izao tontolo izao an’ireo anisany? b) Inona no hisakana antsika tsy hiverina any amin’izao tontolo izao?

13 Raha toa, sahala amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka ‘tena maniry toerana tsara lavitra’ ianao, maniry ny hiaina eo ambany fanapahan’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah, dia aza manaiky ho voasinton’izao tontolo izao indray. Tadidio fa tsy manana ho avy maharitra hatolotra anao mihitsy izy. Nefa kosa, “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. Ary fiainana hahafinaritra toy inona moa no ho hitany! — I Jaona 2:17.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 172]

Tsarovy ny vadin’i Lota.