Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana mendrika inoana momba ny ho avin’ny olombelona

Faminaniana mendrika inoana momba ny ho avin’ny olombelona

Toko Faha-5

Faminaniana mendrika inoana momba ny ho avin’ny olombelona

1. Nahoana moa ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly no miharihary fa marina foana?

 MANANA antony tsara tokony hinoana ny ho avy ampanantenain’ny Baiboly antsika isika. Tsy miorina amin’ny fanombatombanan’olona izay ho nandinika ny fandehan’ny fisehoan-javatra talohan’ny hilazana ny ho avy ireo faminaniany. “Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.” (II Petera 1:20, 21). Noho izany antony izany, ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia niharihary fa marina tamin’ny antsipiriany madinika indrindra.

2. Manomeza ohatra ny amin’ny faminaniana mahakasika ny tantaran’izao tontolo izao.

2 Nambaran’ny Baiboly ny fandrosoana sy ny fianjeran’ny empira maneran-tany sasany, tahaka an’i Babylona, ny Herim-panjakana mediana sy persiana sy Grisia. Nolazainy efa ho taonjato roa nialoha aza ny fomba hianjeran’i Babylona sy ny anaran’ilay handresy azy. Tanteraka ara-bakiteny izany faminaniana izany. Ohatra, nambarany fa amin’ny farany ny tanànan’i Babylona dia ho tonga efitra ka tsy honenana mihitsy, ka mbola izany no hita amin’izao andro izao (Daniela 7:3-8, 20-22; Isaia 44:27 ka hatramin’ny 45:2; 13:1, 17-20). Ny firenena hafa tsy voatonona anarana ao amin’ny Soratra Masina dia voalazalaza mialoha ihany amin’ny antsipiriany be dia be, hany ka afaka mamantatra azy mora foana ny olona iray mahalala zavatra tsara.

3. Moa ve misy faminaniana tsy ambara amin’ny endriky ny filazana zavatra hitranga?

3 Tokony ho takatra anefa fa ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia tsy manana endriky ny filazana zavatra hitranga fotsiny foana. Efa nomarihintsika izany toe-javatra izany raha ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy izay samy fambara ny amin’izay ho hitan’ny olombelona eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny tapany hafa amin’ny Soratra Masina toa tsy mirakitra filazana mialoha zavatra hitranga angamba raha vao jerena voalohany, dia manana endriny ara-paminaniana anefa.

OHATRA ARA-PAMINANIANA MANAITRA NY SAINA

4. Ahoana no anintonana ny saintsika ho amin’ny hevitry ny lalàn’i Mosesy ara-paminaniana?

4 Ny taratasy ho an’ny Hebreo indrindra no manazava antsika raha ny amin’ny hevitry ny zavatra sasany ara-paminaniana izay, eo imason’ny mpamaky antonontonony, dia tsy hisy afa-tsy vidiny ara-tantara fotsiny. Aharihariny amintsika indrindra fa ‘ny lalàna (lalàn’i Mosesy) dia aloky ny zava-tsoa ho avy’ ihany. — Hebreo 10:1.

5. Ohatra inona no mampiseho fa misy zavatra mety ho tandindon-javatra lehibe kokoa?

5 Indraindray dia nisy zavatra nampiasaina ho ohatra ara-paminaniana. Ohatra, ny amin’ny tranolay masina na tabernakely naorin’i Mosesy araka ny toromarik’i Jehovah, sy ny asa natao tao, ny mpanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny taratasy ho an’ny Hebreo dia manazava fa izany rehetra izany dia “endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra”. Ny tabernakely dia nampiseho ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izay any an-danitra ny Masina Indrindra aminy. Araka izany, “Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tànana, izany hoe tsy isan’izao zavatra ary izao, ary tsy nitondra ran’osilahy sy ran-janak’omby Izy, fa ny ran’ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. (...) Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”. (Hebreo 8:1-5; 9:1-14, 24-28.) Ireo kristiana dia nandray soa lehibe tamin’ny zavatra tena izy ara-panahy voalazalaza eo ka noho izany dia tokony hanaporofo ny fankasitrahany amin’ny andro iainany rehetra. — Hebreo 9:14; 10:19-29; 13:11-16.

6. Heviny ara-paminaniana inona no mifamatotra amin’olona a) ao amin’ny Galatiana 4:21-31? b) ao amin’ny Matio 17:10-13?

6 Misy olona resahin’ny Baiboly nampiasaina koa ho ohatra ara-paminaniana. Ahitana ohatra hentitra ny amin’izany ao amin’ny Galatiana 4:21-31 izay iresahana ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama (izay mifanitsy amin’i “Jerosalema any ambony”), ny amin’ny mpanompovaviny (tondroina ho “Jerosalema [eto an-tany] ankehitriny”), sy ireo zanany. Tamin’ny toe-javatra hafa iray dia nampian’i Jesosy ireo mpianany hahatakatra fa ny nifanitsy tamin’i Elia dia Jaona Mpanao batisa izay, sahala amin’ilay mpaminany, dia nanala sarona tsy nisy tahotra ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. — Matio 17:10-13.

7. Tamin’ny lafiny inona avy moa Jesosy Kristy no nasehon’i a) Solomona? b) Melkizedeka?

7 Fa raha ny amin’i Solomona izay nalaza noho ny fahendreny mbamin’ny fiadanana sy ny fanambinana tamin’ny andro nanjakany, izy io dia sary ara-paminaniana mety, mampiseho an’i Jesosy Kristy (I Mpanjaka 3:28; 5:5; Lioka 11:31; Kolosiana 2:3). Na dia tsy mitantara afa-tsy fohy dia fohy ny amin’ny nihaonan’i Abrahama sy Melkizedeka aza ny Genesisy, dia asehon’ny Salamo 110:1-4 kosa fa tena misy heviny io fitantarana io, satria ny Mesia ho “Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka”, izany hoe handray ny fisoronana avy amin’Andriamanitra mihitsy izy fa tsy hoe satria izy ho teraka ao anatin’ny fianakaviana toy izao na izao. Atỳ aoriana lavitra, dia hiresaka bebe kokoa ihany ny amin’io raharaha io ny taratasy ho an’ny Hebreo ka hampiaraka ny fahazoana tsara ireo raharaha ireo amin’ny fahamasahana kristiana, dia toetra tena lehibe ho an’izay mitady sitraka amin’Andriamanitra. — Hebreo 5:10-14; 7:1-17.

8. a) Ohatra inona no mampiseho fa misy fisehoan-javatra miavaka amin’ny fiainana iray mety ho ara-paminaniana? b) Moa ve ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny olona toy izany tsy maintsy misy vidiny ara-paminaniana?

8 Miharihary tokoa fa ireo fampitahana ara-paminaniana dia tsy mahakasika fotsiny ny raharaha na ny toeran’ny olona sasany, fa mahakasika koa ireo fisehoan-javatra niavaka teo amin’ny fiainan’izy ireny. Araka izany, dia izao no nambaran’i Jesosy indray andro tamin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy izay nampiseho ny tsy finoany: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” (Matio 12:38-40; Jona 2:1; 2:11). Tsy nilaza anefa akory Jesosy hoe ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’i Jona dia nampiseho izay hiainan’ny tenany. Rehefa nanankina asa nanirahana taminy Jehovah, dia tsy nandositra izy, nifanohitra tamin’i Jona izay nanandrana nandositra ho any Tarsisy. Araka ny nampisehoan’i Jesosy azy kosa anefa, ny loza nahazo an’i Jona tao an-kibon’ny hazandrano makadiry iray dia nosoratana ao amin’ny Baiboly mba hanome ohatra ara-paminaniana hentitra ny amin’ny fahafatesana sy ny fanangananany tenan’i Jesosy tamin’ny maty. — Matio 16:4, 21.

9. a) Lafiny ara-paminaniana inona avy amin’ny vanim-potoana teo amin’ny tantara anankiroa no nosoritan’i Jesosy? b) Ara-tsindrimandrin’ Andriamanitra, antsipiriany lehibe hafa inona moa no notononin’i Petera?

9 Ny sasany amin’ireo vanim-potoana teo amin’ny tantara dia mampiseho koa lafiny ara-paminaniana mahaliana antsika indrindra. Fony izy niresaka ny amin’ny fotoana izay amin’ny fahataperany no hiharihariany amin’ny herin’ny Fanjakana rehetra, dia nataon’i Jesosy ny fampitahana tamin’ny fotoana roa hafa teo aloha izay nampiharan’Andriamanitra ny fanamelohany ny ratsy fanahy. Niresaka ny “andron’i Noa” sy ny “andron’i Lota” ho samy fotoana misy heviny izy, ary nosoritany indrindra fa nikarakara loatra ireo raharaha teo amin’ny fiainana andavanandro ny olona tamin’izany fotoana izany. Nananatra antsika izy mba hanao zavatra haingana ka tsy hiverina any aoriana noho ny fitiavana ireo zavatra nilaozantsika, toy ny nataon’ny vadin’i Lota (Lioka 17:26-32). Ao amin’ny taratasiny faharoa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny apostoly Petera dia manome antsipiriany lehibe hafa: ny tsy fankatoavan’ny anjely talohan’ny safodrano, ny fitorian’i Noa, ny alahelon’i Lota noho ny fitondrantena ratsin’ireo mponina tany Sodoma izay tsy niraharaha ny lalàna. Nasehony koa fa tamin’ny fanesorana ny ratsy fanahy tamin’ny fotoana voatendriny, Andriamanitra dia nanorina ohatra ny amin’ny zavatra ho avy ary nanome porofo fa manana fahefana sy fikasana ny hanafaka an’ireo mpanompony mahatoky izy. — II Petera 2:4-9.

10. Asehoy amin’ny alalan’ny fampitahana ny Apokalypsy sy ny bokin’i Jeremia fa nisy faminaniana efa tanteraka mbola mety hisy vidiny ara-paminaniana koa.

10 Raha misy faminaniana efa tanteraka, dia tsy milaza akory izany fa tsy mifono afa-tsy heviny ara-tantara intsony ireo hatramin’izao. Ny fanambarana ilay fisehoan-javatra mbamin’ny fomba tena nitrangany tokoa dia matetika no sary ara-paminaniana mampiseho fisehoan-javatra ho avy lehibe lavitra. Izany no hita ny amin’izay nosoratana momba an’i Babylona fahizay, empira faran’izay fatra-panaraka fivavahana iray izay mbola tsapa maneran-tany ihany ny heriny amin’izao fotoana izao. Raha latsaka teo an-tanan’ny Mediana sy ny Persiana Babylona tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny bokin’ny Apokalypsy nosoratana tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana dia mandray indray ny tenin’i Jeremia mpaminany mba hanambarana fahatanterahan’ireo faminaniana ireo hafa iray, saingy tamin’io indray mandeha io dia teo amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ho ohatra dia ampitahao amin’ny Jeremia 51:6, 45 ny Apokalypsy 18:4; Apokalypsy 17:1, 15 sy 16:12 amin’ny Jeremia 51:13 sy 50:38; Apokalypsy 18:21 amin’ny Jeremia 51:63, 64.

11. Inona no hevitra ara-paminanian’ny nataon’i Jehovah tamin’ny fanjakan’ny Isiraely sy Joda nanjary nivadika? Nahoana?

11 Toy izany koa, ny nataon’i Jehovah tamin’ny fanjakan’ny Isiraely nivadika, ny an’ny foko folo, sy tamin’ireo mpanjaka mbamin’ny mpisorona tsy nanam-pinoana teo amin’ny fanjakan’ny Joda, dia ireo foko roa hafa, dia ara-paminaniana. Na ny faminaniana mahakasika ireo faminaniana ireo na ny fahatanterahany, voatantara ao amin’ny Soratra Masina, dia milazalaza araka ny tena izy ny fitondrana hampiharin’i Jehovah amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao androntsika izao, izay mihambo koa ho manompo an’ilay Andriamanitry ny Baiboly, kanefa mandika ankarihary ireo fitsipiny marina.

12. Soa manokana inona no azontsika tsoahina avy amin’ireo fitantarana ireo?

12 Zava-dehibe tokoa ho antsika àry izany fitantarana rehetra izany. Izany dia manampy antsika hahatakatra hoe ahoana no fomba fijerin’Andriamanitra ny zavatra amin’izao andro izao sy izay tokony hataon’ny tenantsika mba ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe efa antomotra izao. Amin’izany no amelany antsika hankamamy kokoa hoe hatraiza ny “soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra (no) mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. — II Timoty 3:16, 17.

VOAFETRA MIALOHA DAHOLO VE NY ZAVATRA REHETRA?

13. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy manosika na iza na iza hanao fahotana Andriamanitra noho ny fikendrena an-tsitrapo ny hanorina ohatra ara-paminaniana?

13 Tokony hotsoahina avy amin’izany rehetra izany ve fa noferan’Andriamanitra mialoha ny fitondrantenan’ny olona sy ireo firenena, araka ny ilazalazana azy ao amin’ny Baiboly, mba hisy heviny ara-paminaniana izany? Miharihary fa taloha Andriamanitra dia nanao zavatra tamin’ny fomba sasany tamin’ireo mpanompony mba hanomezana ohatra ny amin’ny zavatra lehibe kokoa nomaniny ho amin’ny ho avy. Fa ahoana ny amin’ny ataon’ny olombelona? Ny sasany nanao fahotana lehibe dia lehibe. Moa ve Andriamanitra nanosika azy ireny hanao izany mba hanoratana ny fahadisoany ao amin’ny Baiboly rehefa avy eo ka amin’izany dia hanaovana azy ho tapany amin’ny Soratra Masina? Mamaly toy izao i Jakoba, anankiray tamin’ireo mpanoratra kristiana ao amin’ny Baiboly: “Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.” (Jakoba 1:13). Tsy Andriamanitra akory no nanosika azy ireny hanao ratsy mba ho azo atao ohatra ara-paminaniana.

14. a) Ahoana no ahafantaran’i Jehovah izay hataon’olona na Satana koa aza amin’ny ho avy? b) Amin’ny fomba ahoana moa no mahatafiditra ny fahalalana ananan’i Jehovah ny amin’ny tenany sy ny fikasany ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly?

14 Aza hadinoina fa Jehovah no Mpamorona ny olombelona. Fantany ny hoe ahoana no nanaovana antsika sy izay manosika ny olona hanao tahaka ny ataony (Genesisy 6:5; Deoteronomia 31:21). Azony atao tsara tokoa ny manambara mialoha sy tsy misy diso izay hitranga amin’ny olona manaraka ny fotopoto-pitsipiny araka ny rariny sy amin’ireo izay manandrana manadino fa miankina aminy izy ireo na izay manolana ny lalany (Galatiana 6:7, 8). Tsy miafina aminy fa hampiasa hafetsena tahaka ny taloha ny Devoly, nefa fantany koa izay hataon’ny tenany ao anatin’ny toe-javatra miseho iray, fa hanao zavatra araka ny rariny izy, tsy misy fizahan-tavan’olona, amim-pitiavana sy famindrampo, dia toetra mahatalanjona nasehony foana. Koa satria tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany, Jehovah dia afaka manambara mialoha ny ho vokany sy izay hataony mba hanatanterahana izany (Isaia 14:24, 27). Araka izany dia azony natao ny nifidy fisehoan-javatra kely teo amin’ny fiainan’ny olona sasany na ny tantaran’ny firenena maromaro ka nampiditra izany tao amin’ny fitantarana araka ny Baiboly mba hahazoantsika an-tsaina ny amin’izay hoentin’ny ho avy.

15. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly tsara fa tsy ara-tantara fotsiny akory ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly?

15 Nety tokoa àry, taorian’ny nampahatsiarovana fisehoan-javatra sasany teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, ny nanoratan’ny apostoly Paoly toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao [faran’ny fandehan-javatra, MN].” (I Korintiana 10:11). Izao no nolazainy tamin’ny kongregasionan’i Roma: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Amin’izany, raha takatsika fa mihoatra noho ny tantara ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia azontsika atao, noho izany, ny hanomboka hahazo an-tsaina ny amin’ny ho avy hahatalanjona miandry ny olombelona.

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 41]

OHATRA ARA-PAMINANIANA — manambara inona izany?

Ny andron’i Noa

Ny tabernakely

Solomona mpanjaka

Jona tao an-kibon’ny hazandrano iray nandritra ny hateloana

Ny fianjeran’i Babylona