Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandraisana mafana an’ireo izay miverina

Fandraisana mafana an’ireo izay miverina

Toko Faha-21

Fandraisana mafana an’ireo izay miverina

1. Ny amin’ny karazan’olona inona no resahina ao amin’ity toko ity?

 OLONA maro be no ampy fifandraisana tamin’ny fotoana sasany tamin’ny fahamarinana araka ny Baiboly mba hahafantarana fa Jehovah no Andriamanitra marina sy hahalalana na dia kely foana aza ny fikasany. Na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza izy ireny, dia angamba niara-nianatra tamin’izy ireo, na Vavolombelona ny ray aman-dreniny. Maro be tamin’izy ireny no nanatrika fivoriana sasany tany amin’ny Efitrano Fanjakana na efa nitory kely mihitsy aza ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny mpiara-belona taminy. Tsy nanolo-tena tamin’i Jehovah mba hanao ny sitrapony mihitsy anefa izy ireny. Nahoana?

2. a) Nahoana ireny olona ireny no nanalavitra ny fandaminana? b) Nahoana izy ireny no maniry hiverina ao?

2 Izao tontolo izao ankehitriny dia manolotra zavatra manintona iriny hananana na, araka ny fiheverany, dia mahatonga azy ho afaka hiaina tsaratsara kokoa. Nanalavitra ny fandaminan’i Jehovah ary izy ireo mba hahazoana izany zavatra izany. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, ny sasany dia mahatsapa fa tsy nahita ny karazam-piainana nantenainy izy ireo. Fantany fa raha manohy amin’izany lalana izany izy ireo dia hiara-ringana amin’izao tontolo izao. Tsy nohadinoiny ny filaminana sy ny fanambinana ara-panahy nandraisany soa tao amin’ny ‘tranon’i Jehovah’ ka maniry hiverina ao izy. Handray azy ireny anefa ve Jehovah?

NY FIVERENAN’NY ZANAKA ADALA IRAY

3. a) Inona no tarehin-javatra sahala amin’izany nolazalazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharany ny amin’ny zanaka adala? b) Mampiseho an’iza moa ilay ray?

3 Ny valin’io fanontaniana io dia omena antsika ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy be mpahalala tokoa, lazaina hoe ny an’ny zanaka adala, iresahana ny amin’ny zanakalahy roa. Nangataka tamin-drainy ny anjara fananany ilay zandriny ary dia lasa nankany an-tany lavitra izay nandanilaniany foana ny zavatra rehetra sady nandany ny fiainany tamin’ny filalaovan-dratsy. Niseho ho adala àry izy. Rehefa nitranga tao amin’io tany io ny mosary, ilay zazalahy, izay tsy nanana na inona na inona mihitsy, dia voatery niandry kisoa, nefa tsy navela hihinana tamin’ny voankazo fihinan’ireo akory izy. Very hevitra noho ireo zava-nanahirana azy izy ka nody ny sainy. Tsaroany fa nahafinaritra na dia ny fiainan’ireo mpikarama tao an-tranon-drainy aza ka tapa-kevitra izy ny hody. Lasa niaiky ny fahotany izy ka nangataka tamin-drainy mba tsy handray azy ho zanany intsony fa ho toy ny mpikarama (Lioka 15:11-19). Kanefa, taorian’izay rehetra nataony, moa ve ny rainy hamela azy hody ao an-trano? Ahoana no hiheveran’i Jehovah izay asehon’ilay ray ao amin’ny fanoharana ny fiverenan’ny olona toy izany?

4. Ahoana no nandraisan’ilay ray ny zanany lahy rehefa niverina tao an-trano izy io?

4 Raha nilazalaza tamin’ny fomba velona aoka izany ny fihetseham-pon’i Jehovah i Jesosy, dia izao no teny nanampiny: “Raha mbola lavitra izy [ilay zanakalahy zandriny], dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony. Fa rainy kosa nanao tamin’ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; ary ento etỳ ny zanak’omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.” — Lioka 15:20-24.

NY FAMPIHARANA AN’ILAY FANOHARANA AMIN’NY ANDRO ANKEHITRINY

5. a) Mampiseho an’iza moa ilay zanakalahy zokiny voalazan’ny fanoharana? b) Mampiseho an’iza ilay zandriny, ilay zanaka adala?

5 Ao amin’io fanoharana io, ny zanakalahy zokiny, ny lahimatoa, dia mifanitsy tsara amin’ny “kongregasionan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra”. (Hebreo 12:23, MN.) Ary ny zandriny? Izy io dia tokony hampiseho antokon’olona hafa noho ny “ondry vitsy” izay manana fanantenana ny ho any an-danitra. Ny sasany amin’ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo, fa tsy ny rehetra, dia mifanitsy amin’ny filazalazana an’ilay zandriny. Talohan’ny hahatongavan’ny fanangonana “ondry hafa” hiavaka manokana nanomboka tamin’ny 1935, dia nisy olona nanaiky an’i Jehovah ho hany Andriamanitra marina. Fantatr’izy ireo ny fanantenana ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany hotapahin’ny Fanjakany ary tsy nieritreritra velively ny ho anisan’ny “kongregasionan’ny lahimatoa” manana fanantenana ny ho any an-danitra izy ireny. Kanefa, tsy nanokan-tena hanao ny asan’i Jehovah izy ireny, fa nanaiky ho voatanan’izao tontolo izao tamin’ny fitadiavana hahatratra ireo zava-kendrena atolony. Nampiasain’izy ireo ny “fananana” nomen’Andriamanitra, ny fotoana sy ny aina nomeny azy ireo, mba hanomezana fahafahampo faniriana mampiseho fitiavan-tena. Tamin’ny 1935 anefa, rehefa fantatr’ireo mpanompon’i Jehovah mazava voalohany ny atao hoe “olona betsaka”, dia be dia be tamin’ireny olona ireny izay nifanitsy tamin’ilay zandry no nanolo-tena tamin’ny fo rehetra mba hanompo tao an-tranon’ny Rainy. Izany dia fotoam-piravoravoana azo ampitahaina amin’ny nolazalazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharany.

6. Amin’ny fahatanterahan’ilay fanoharana, ahoana no nananan’ny olona sasany fihetsika sahala amin’ny an’ilay zanakalahy zokiny, nefa moa ve izany no hita tamin’ny sisa rehetra amin’ny kristiana voahosotra?

6 Marina fa tamin’izay fotoana izay ny olona rehetra dia tsy nifaly tamin’ny fahatongavan’ny kilasy nasehon’ilay zandry. Tao amin’ny fanoharana nataony i Jesosy dia nampahafantatra fa ho toy izany no ho izy. Na dia izany aza, ny anisan’ny “ondry vitsy” rehetra mbola teto an-tany dia tsy naneho toe-tsaina toy izany. Tao amin’ny fanoharana nataony tokoa Jesosy dia nanao izay hahitana fa ireo izay tsy faly tamin’ny voalohany, rehefa avy eo dia ho afaka hiara-manana ny fifaliana tsapan’ny tenan’i Jehovah koa rehefa mibebaka amim-pahatsorana ny mpanota toy izany. — Lioka 15:7, 10, 25-32.

7, 8. a) Tao anatin’izao taona faramparany izao, inona no nanosika kristiana hafa handao ny tranon’i Jehovah? b) Tamin’ny lafiny inona avy moa ny sasany no nahatsapa fihetseham-po sahala amin’ny an’ilay zanaka adala? d) Nahoana izy ireo no tokony hiverina ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra?

7 Nanomboka tamin’izany fisehoan-javatra tany antenatenan’ireo taona 1930 izany, dia nisy olon-kafa nahatakatra fa tamin’ny lafiny sasany, izy ireny koa dia sahala amin’ilay zanaka adala. Fantany tsara ny trano ara-panahin’i Jehovah, ny fandaminany hita maso, nefa tamin’ny fomba fiainany dia nanalavitra izany izy, toy ny hoe lasa tany “an-tany lavitra”. Tsy nanohitra an’ireo mpanompon’i Jehovah izy ireny, kanefa ny fiainany tsy mifanaraka amin’ireo fitsipika naorin’ny Tenin’Andriamanitra. Angamba izy ireny nampifantoka ny fiainany rehetra ho amin’ny asany tsy ara-pivavahana sy ho amin’ny tenany, ka tsy nanaiky ny maha-zava-dehibe tokoa ny adidiny eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fotoan-tsarotra iainantsika. Ny sasany tamin’ireny olona ireny dia tafintohina noho ny tsy fahatanterahan’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ary tsy niandry tamim-paharetana ny hanarenan’i Jehovah ny zavatra. Fa tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana izy ireny no nipetraka rehefa nanalavitra toy izany ny tranon’ny finoana?

8 Rehefa nandeha ny fotoana, ny sasany tamin’ireny olona ireny dia nahatsikaritra fa nanjary nahantra ara-panahy aoka izany izy ireo. Tsapan’izy ireny fa ny fotoam-pahafinaretana fohy mety ho hitany dia tsy mitondra fahasambarana maharitra ho azy ireo. Tsapan’izy ireny aza angamba fa ny fomba fiainany dia misy vokany manimba eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy. Mahatsapa fahabangana anaty izy ireny sahala amin’izay rehetra tsy manana Andriamanitra sy tsy manana fanantenana (Efesiana 2:12). Miaiky izy ireny fa tsy tena sambatra raha tsy tao ‘an-tranon’i’ Jehovah ka maniry hiverina ao. Tokony hanao izany ve izy ireo? Inona no soa azony antenaina raha mitoetra ao anatin’ny fahantrany ara-panahy izy ireo? Mety hampidi-doza tokoa ny fampihemorany ny fiverenany, satria raha mifikitra hatrany amin’izao tontolo izao izy ireny dia hamoy ny aina amin’ny fandringanana azy.

9. a) Nahoana moa Jehovah no maniry ny hiverenan’y olona toy izany (Ezekiela 18:23)? b) Inona no angatahina amin’izy ireny?

9 Kanefa moa ve ireny olona ireny manana fahafahana ny hiverina? Manasa azy ireny amin-kafanam-po mba hanao toy izany Jehovah ary ny fandaminany hita maso dia manolotra amim-pitiavana ny fanampiany an’izay rehetra manaiky izany fanasana izany (Zakaria 1:3, 4). Inona àry no tokony hataon’izy ireo? Araka ny asehon’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia tokony hody ny sainy, tokony hanapa-kevitra izy ny hiverina ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ka hiaiky fa nanota tamin’Andriamanitra izy ireo. Raha nandika fotopoto-pitsipika kristiana lehibe izy ireo, dia tokony hanome ho an’ireo loholona, porofo mampiaiky fa niala tamin’ny fitondrantena ratsiny izy ireo ary mibebaka amim-pahatsorana. Tokony hohetsehin’ny faniriana amim-pahatsorana ny hanompo an’i Jehovah amin’ny maha-anisan’ny fandaminany hita maso izy (Lioka 15:18-21; Ohabolana 28:13). Raha tena ao am-pony tokoa ny fihetseham-po toy izany, dia mahazo matoky izy ireny fa amin’ny fialana amin’ny lalany sy ny heviny ratsy sy amin’ny fiverenana amin’i Jehovah dia hahazo fifaliana lehibe tokoa izy ireny (Isaia 55:7). Kanefa, mba hahatonga ny fifalian’izy ireo ho zavatra hafa fa tsy fahafinaretana fotsiny satria raisina amin-kafanam-po indray ao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hanao fanorenana ara-panahy indray amin’ny fototra tsara izy ireny.

FANORENANA EO AMBONY FOTOTRA MAFY

10. a) Inona no fihetsika eo anoloan’ireo fepetra takin’Andriamanitra tokony hambolen’ireny olona ireny? b) Ahoana no azony ampifamatorana fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah?

10 Ho an’izay miverina ao an-tranon’i Jehovah, dia zava-dehibe indrindra ny hianarana hahafantatra tsara ireo lafiny madinika isan-karazany amin’ny toetran’ny Mpamorona ka hitana fifandraisana manokana sy akaiky aminy. Tokony ho takatry ny olona toy izany fa izay rehetra takin’i Jehovah amintsika dia tena mba hahasoa antsika tokoa. Ny fanarahana ny didiny dia tsy manaisotra fifaliana amintsika mihitsy, fa mifanohitra amin’izany, dia misakana antsika tsy hanao zavatra sasany izay, na dia mitondra fahafinaretana vetivety aza, dia manome vokatra mangidy (Isaia 48:17; Galatiana 6:7, 8). Matoa manitsy antsika Andriamanitra, dia satria tia antsika izy (Ohabolana 3:11, 12). Ny fianarana manokana, ny fisaintsainana ireo zavatra nianarana, ny vavaka amim-pahatsorana sy ny famonjena tsy tapaka ireo fivoriana kristiana dia hanampy antsika hitoky tanteraka amin’i Jehovah sy hitady ny fitarihany amin’ny ataontsika rehetra. — Ohabolana 3:5, 6.

11. Ahoana no hanampiana ireny olona ireny a) amin’ny fambolena fankahalana ny ratsy? b) amin’ny fitadiavana fahiratan-tsaina? d) amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izay lazain’ny tena eo amin’ny fanajana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra? e) amin’ny fieritreretana ny ho vokatr’izay kasainy hatao? f) amin’ny fiahiana ny hafa amim-pitiavana?

11 Hain’ireo izay naniasia angamba ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, nefa izao izy dia tokony hankahala ny ratsy ary izany dia raha mbola hisy izany (Salamo 97:10). Hampiana hanao toy izany izy ireo raha mitady, tsy ny fahalalana ihany fa ny fahazoana koa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia mitaky voalohany indrindra fiheverana ny zavatra rehetra raha oharina amin’Andriamanitra. Tokony hekentsika ny fomba isan-karazany ampianarany antsika ka hekentsika fa ny fomba fandraisantsika ireo toroheviny dia hisy heriny eo amin’ny fifandraisantsika aminy (Ohabolana 4:7; 9:10). Ilaina koa ny hahatakarana ny maha-zava-dehibe ny hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny lazain’ny tena amin’ny fampiharana ireo torohevitr’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra sy amin’izay rehetra ataontsika (Titosy 2:11, 12; I Tesaloniana 4:7). Ilaina koa ny mitandrina mba tsy hiheverana fotsiny ny fahafinaretana eo no ho eo sy mihelina ateraky ny fanapahan-kevitsika, fa ny ho vokany rehefa ela ny ela (jereo Ohabolana 20:21; 23:17, 18; Hebreo 11:24-26). Tokony hiahy amim-pitiavana ny mety ho vokatry ny tenintsika sy ny ataontsika eo amin’ny mpiara-belona amintsika koa isika. — Romana 15:1, 2.

12. a) Mba hiarovana antsika kokoa, inona moa no tokony ho tsapantsika raha ny amin’i Satana sy ireo fombany? b) Inona no ilaina mba handresena amin’ny ady?

12 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia hanatanja-tena aoka izany isika raha takatsika fa manao ady ara-panahy amin’i Satana, fahavalontsika lehibe indrindra, sy amin’ireo demonia, isika. Tadiavin’ny Devoly amin’ny fomba rehetra izay hampialana antsika amin’ny asa iankinan’ny aina nankinin’i Jehovah amintsika. Ny zava-kendreny dia ny hamitaka antsika mba handavantsika ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah sy hahatonga antsika ho naman’izao tontolo izao izay izy no filohany. Matetika no ampiasainy ho fandrika ny faniriana araka ny natiora (ny fahasambarana, ny zavatra mampiadana ara-batana, ny fitiavana sy ny firaiketam-po), kanefa manosika antsika izy mba hihevitra ireny faniriana ireny ho zava-dehibe aoka izany, hany ka voaova ho ratsy ny antony mampisy izany na manosika antsika hanome fahafahampo izany amin’ny fomba tsy mendrika. Tsy ho tafavoaka amin’izany ady ho amin’ny fiainana ara-panahy izany isika raha tsy mampiasa amin’ny fomba feno ny fiadiana ara-panahy omen’Andriamanitra antsika. — Efesiana 6:11-18.

13. a) Ahoana no mety hahitantsika fampaherezana ho an’ny fanahintsika? b) Nahoana moa isika no hahita fahasambarana tokoa raha manompo an’i Jehovah toy ny nataon’i Kristy?

13 Nambaran’i Jesosy fa raha manatona azy isika ka mitondra ny ‘ziogany’, dia hahita fampaherezana ho an’ny fanahintsika (Matio 11:29, 30). Ny hoe mandray “zioga” dia milaza fanompoana. Kanefa raha manompo an’i Jehovah toy ny nataon’ny Zanany isika dia hahita tena fampaherezana. Nahoana? Satria hanana ny tena fahafahana isika. Tsy handevozin’ny fahotana intsony isika amin’ny fanaovan-javatra tsy tokony hataontsika ka angamba hirintsika tsy hatao (Jaona 8:32, 34-36). Raha manorina ny toetrantsika kristiana eo amin’i Jesosy Kristy izay fototra isika, dia hanaiky ny anjara raisiny ao amin’ny fikasan’i Jehovah, hihaino azy ka hanaiky hampianariny. Nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy izy. Hianatra hanahaka azy isika (Jaona 4:34; Salamo 40:8). Amin’ny fanarahana ireo fitsipik’Andriamanitra ara-pitondrantena, dia ho afaka ny hifaly amin’ny fieritreretana madio isika. Tsy ho velona ho an’ny tenantsika ihany intsony isika fa hanandrana ny fahasambarana manome (Asan’ny apostoly 20:35). Tena hisy zava-kendrena tokoa eo amin’ny fiainantsika. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia hifaly isika noho ny fahafantarana fa mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah mihitsy, dia ilay Rain’izay rehetra tonga zanany. — Ohabolana 10:22.

[Fanontaniana]