Fihetsika roa samy hafa manoloana ny fankatoavana
Toko Faha-17
Fihetsika roa samy hafa manoloana ny fankatoavana
1. Nahoana Jehovah no namela an’i Jerosalema horavan’ny Babyloniana?
NANDRITRA ireo taona maro nialoha ny fandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema, Jehovah dia nampiomana ireo Jiosy ny amin’izay hitranga aminy ary dia nohazavainy taminy ny antony. Nefa naleon’izy ireo nanaraka ny fironan’ny fony naditra toy izay hankatò azy. — Jeremia 25:8, 9; 7:24-28.
2. a) Soa inona avy no miankina ara-drariny amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra? b) Ahoana no nahatafiditra ny Isiraely tao amin’ny fifandraisam-panekena tamin’i Jehovah?
2 Tsy manery na iza na iza hanompo azy Jehovah, nefa takiny ara-drariny loatra ny fankatoavana amin’izay rehetra maniry hahazo ny fankasitrahany sy ny fiainana ho valisoa. Rehefa avy nanafaka ireo Isiraelita tamin’ny fampahoriana egyptiana Jehovah dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6). Rehefa avy nilaza taminy izay notakiny Andriamanitra ka nihaino ny famakiana ny “bokin’ny fanekena” ireo Isiraelita, dia nanaiky an-tsitrapo hiantsoroka ny andraikitra avy amin’io karazana fifandraisana tamin’Andriamanitra io izy ireo. — Eksodosy 24:7.
3. a) Ahoana no nisehoan’ny Isiraely ho mpikomy? b) Nahoana ireny zava-niseho ireny no noraketina ao amin’ny Baiboly?
3 Kanefa tsy ela izy ireo dia niseho ho mpikomy. Marina aloha fa tsy nanda ankarihary ny finoany an’i Jehovah izy ireo, nefa tamin’ny fandikana ny lalàny dia maro no nitady hampiditra fombafomba egyptiana tao amin’ny fanompoam-pivavahany (Eksodosy 32:1-8). Tatỳ aoriana ny sasantsasany dia nanakiana ireo lehilahy nampiasain’i Jehovah ho solontenany hita maso (Nomery 12:1-10; 16:1-3, 31-35). Ny firenena tamin’ny fitambarany dia tsy nanana finoana ampy mba hanaovan-javatra araka ny tenin’Andriamanitra; natahotra olona izy (Nomery 13:2, 31-33; 14:1-4; Hebreo 3:17-19). Ireo izay nibaboka rehefa avy nanao fahotana tsy nahy dia afaka nahazo famelan-keloka. Nefa nandritra ny vanim-potoana nisy taonjato sivy mahery, ilay firenena dia nandika ankitsirano zavatra notakin’Andriamanitra iray ihany aloha, avy eo dia hafa indray ary tamin’ny farany dia maro imbetsaka tokoa. Ireo fandikany lalàna sy ireo vokany dia voatantara ao amin’ny Baiboly ho ohatra fampitandremana ho antsika avokoa. — II Tantara 36:15-17; I Korintiana 10:6-11.
4. a) Iza moa ireo Rekabita? b) Zavatra tsy maintsy hatao inona no nandidian’i Jonadaba azy ireo?
4 Tamin’ny andron’i Jeremia, rehefa avy nampiomana imbetsaka ireo Isiraelita ny amin’ny ho vokatra mampidi-dozan’ny fitondrantenany Jehovah dia nanolotra ho azy ireo ny ohatry ny Rekabita. Izy ireo dia tsy Isiraelita, taranak’i Jonadaba izay nanaporofo ny fanohanany feno an’i Jeho, izay tsy nanaiky na dia iray aza, asa fandrafiana an’i Jehovah. Io Jonadaba io, patriarka avy amin’ny fokon’ny Rekabita, dia nandidy an’ireo hifady divay mandritra ny fotoana tsy voafetra, tsy hitoetra an-trano sy tsy hanao fambolena, fa honina ao amin’ny tranolay amin’ny maha-mpifindrafindra monina. Hanana fomba fiaina mahay mianina sy tsotra àry izy ireo, hitandrina mba tsy ho resin’ny faniriany feno fitiavan-tena rehetra ary hanalavitra ny faharatsiana mampiavaka ny fiainana an-tanàn-dehibe, sady hanaraka ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah miaraka amin’ireo Isiraelita niarahany nonina.
5. Ahoana no nanehoan’ireo Rekabita fankatoavana mendrika ny halain-tahaka?
5 Azo nampoizina ve ny hankatoavan’ireo Rekabita ilay razambeny, olona iray, nefa ny Jiosy nanda ny hihaino an’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao? Izany anefa no nataon’izy ireo, ary tamin’ny fomba mendrika halain-tahaka. Rehefa nanafika ny Joda ny tafika babyloniana sy syriana ka tsy maintsy nialoka tao Jerosalema izy ireo, dia mbola nitoetra hatrany tamin’ny tranolay ihany izy ireo. Nefa ho tapa-kevitra foana ny tsy hisotro divay ve izy ireo raha nomen-dalana hisotro izany ny firenena nifaneraserany? Nangataka an’i Jeremia àry Jehovah hampiantso ireo Rekabita ho ao amin’ny trano fisakafoana iray ao amin’ny tempoly ary dia nandroso divay ho azy ireo mba hosotroiny. Nefa dia nanda ny hisotro izy ireo. Nahoana? Satria niharihary fa noheverin’izy ireo ho zava-tsarobidy tokoa ny fifikirana nasehon’i Jonadaba tamin’i Jehovah ary takatr’izy ireo fa niahy ny amin’ny fahasambaran’izy ireo tamim-pitiavana lehibe ilay razambeny. Noho izany, dia nankatò ny didiny izy ireo. Faly tokoa Jehovah nahita io oha-pankatoavana tsara nampisongadina ny tsy fankatoavan’ny Jiosy io. — Jeremia 35:1-11.
6. a) Iza no mitovy amin’ireo Rekabita amin’izao fotoana izao? b) Iza no mifanitsy amin’ny firenen’Isiraely nivadika amin’izao andro izao?
6 Misy olona mitovy amin’ny Rekabita ankehitriny: ireo ‘ondry hafan’ny’ Tompo. Tsy ny hisotroany divay na tsia akory no ilaina ho fantatra (jereo I Timoty 5:23). Raharaha manokana izany raha mbola tsy lasa mpisotro tafahoatra na mamo lava ny tena (Ohabolana 23:20; I Korintiana 6:9, 10). Iankinan’ny aina kosa anefa ny fankatoavana an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mifanitsy amin’ny Isiraely nivadika ankehitriny, ny kilasin’ny Rekabita ankehitriny dia mampiseho amin’ny asany fa manaiky ny hasarobidin’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Inona no soa hotsoahiny avy amin’izany?
7. a) Fampanantenana nampahery inona no nomen’i Jehovah an’ireo Rekabita? b) Fanantenana inona no omeny ny kilasin’ny Rekabita amin’ny andro ankehitriny?
7 Mba hamalian-tsoa azy ireo noho ny fifikirany taminy, Jehovah dia nanome fampanantenana ho an’ireo Rekabita izay misy heviny ara-paminaniana lehibe tokoa ho an’ny androntsika. Izao no nolazainy taminy: “Noho ny nahatananareo ny hafatr’i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo, dia izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak’i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.” (Jeremia 35:18, 19). Anisan’ireo tafita velona àry izy ireo rehefa noravana Jerosalema tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Tahaka izany koa, ny kilasin’olona izay izy no tandindona dia ho tafita velona amin’ny fandringanana tsy ho ela ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny olon-kafa rehetra mandeha amim-pahaleovan-tena, amin’ny tsy fetezana hanaiky ny fiandrianan’i Jehovah.
NAHOANA NO METY HO SAROTRA NY FANKATOAVANA
8. Nahoana no manahirana olona maro ny mankatò?
8 Olona maro no sahirana mianatra ny fankatoavana satria nitombo tao amin’izao tontolo izao iray anaovan’ny tsirairay avy izay tiany. Angamba tian’izy ireo izay nianarany momba ny toe-piainana hisy eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nefa raha toa ka nohamaizinin’ny avonavona ny sainy dia mety hahatafintohina azy ny zavatra takin’Andriamanitra sasany na mety hanakiana ny fomba nampitana izany taminy izy ireo (Ohabolana 8:13; 16:18). Izany no zava-nanahirana an’i Namàna, filohan’ny tafika syriana tamin’ny andron’i Elisa mpaminany.
9. a) Inona no antony nandehanan’i Namàna nankany amin’i Elisa? b) Inona no nampoiziny, nefa inona no nitranga?
9 Boka io lehilahy io. Rehefa avy nanambara tamim-pahasahiana ny finoany ny zazavavy babo isiraelita iray tamin’ny fanamafisana fa ho sitrana i Namàna raha mandeha mitady fotsiny an’i Elisa, mpaminanin’i Jehovah, dia nandeha tany Isiraely ilay Syriana. Avy teo izy dia nankany amin’ny tranon’i Elisa niaraka tamin’ny soavaly sy kalesy fitondra miady. Koa satria olona ambony i Namàna dia nanantena ny hahita an’i Elisa hitsena azy, avy eo, amin’ny fomba tena malaza dia hiantso an’i Jehovah ary hikasika ny vatany marary mandra-pahasitrany. Nefa nandefa mpitondra hafatra iray ho azy fotsiny Elisa mba hilaza aminy handro impito ao Jordana. — II Mpanjaka 5:1-12.
10. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Namàna? b) Inona tamin’ny farany no nanosika azy hankato? d) Inona no vokatr’izany?
10 Voadona ny hambom-pon’i Namàna ary dia lasa tamin-katezerana izy. Nefa rehefa avy nampisaintsainin’ireo mpanompony izy dia nanetry tena ary naneho finoana. “Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.” Niaiky Namàna fa Jehovah no hany Andriamanitra marina ary na dia teo aza ny fihetsiny tamin’ny voalohany dia takany fa ireo toromarika nomen’i Elisa dia avy amin’ny Tsitoha marina tokoa. — II Mpanjaka 5:13-15.
11. a) Tamin’ny lafiny inona avy Namàna no tandindon’ireo “ondry hafa”? b) Lesona lehibe inona avy no tokony hotsoahintsika rehetra avy amin’io fitantarana io?
11 Angamba hitanao amin’ny tenanao ny toetoetra sasany nampiavaka an’i Namàna. Toy ny ataony amin’ireo tsy Isiraelita hafa izay maneho finoana, ny Soratra masina dia mampiasa koa an’i Namàna ho toy ny sarin’ny “ondry hafa” izay tonga manaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Ireto voalaza farany izay teraka tao amin’ny ota avokoa, dia narary ara-panahy fahiny. Tsy maintsy nitady ny fanampian’ny kilasin’ny mpanompon’i Jehovah voahosotra izy ireo ary avy eo dia nanaraka ireo toromarika izay nomen’io “mpanompo” io ho azy ireo tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra (Matio 24:45). Tamin’ny fotoana sasany, dia tsy nankamamy ny hasarobidin’ireo torohevitra araka ny Baiboly nomena azy ny sasany tamin’ireny olona ireny, ohatra, ny ilàna hamonjena tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona, ny maha-zava-dehibe ny hihatahana amin’izao tontolo izao na ny fanaovana batisa anaty rano. Nisalasala angamba izy ireny hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa satria ny fony dia nitaona azy ‘tsy handa tena’ mba hahatongavana ho mpianatr’i Kristy. Nisy nanakiana ny fomba nanomezan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kongregasiona azy torohevitra toy izao na izao. Nefa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ireo izay naniry marina ho anisan’ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo dia tsy maintsy nianatra ny maha-zava-dehibe indrindra ny hankatoavana amim-panetren-tena sy fitiavana. — Jakoba 4:6; Matio 16:24.
DIDY AHITAN-TSOA
12, 13. a) Nahoana no ahitan-tsoa ny fankatoavana ireo didin’i Jehovah? b) Ahoana no azo anazavana izany an-tsary?
12 Rehefa manana ny fahalalana an’i Jehovah sy ny lalany isika, dia tonga amin’ny fiaikena ny fahamarinan’ireto teny manaraka ireto izay nataon’Andriamanitra ho an’ny mpanompony tamin’ny lasa: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko!” (Isaia 48:17, 18). Irin’i Jehovah amim-pahatsorana ny vahoakany hanalavitra ny loza sy hiaina sambatra amin’ny fitandremana ireo didiny. Fantany ny fomba nanaovana antsika sy izay hitondra fahasambarana marina ho antsika. Mampitandrina antsika amin’izay rehetra fitondrantena mety hampietry antsika na hanimba ny fifandraisantsika amin’ny hafa izy.
13 Ireo izay nihevitra ireo fampitandremany momba ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, dia nanalavitra zava-manahirana maro ara-pihetseham-po, aretina ary zazasary (I Korintiana 6:18; Hebreo 13:4). Tamin’ny fanarahana torohevitra mitovy amin’izay omena ao amin’ny II Korintiana 7:1, izy ireo dia nanafa-tena tamin’ny sigara na paraky sy ny fampiasana zavatra mahadomelina amin’ny ankapobeny, manimba ny fahasalamana, izay mety hanafaingana mihitsy ny fahafatesan’ireo andevoziny aza. Ny didin’Andriamanitra mba ‘hifady ny ra’ dia nanampy ireo mpanompon’i Jehovah hanamafy orina ny fitokisany azy, izay iankinan’ny fahatsinjovany rehetra fiainan-ko avy. Niaraka tamin’izany, dia niaro tena tamin’ny aretina mampidi-doza izay mety hifindra amin’ny alalan’ny fampidiran-dra izy ireo. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.
14. Nahoana no mahasoa ny hikatsahana ilay Fanjakana aloha fa tsy ny hiharoharoantsika tsy amin’ny antony amin’izao tontolo izao?
14 Raha mbola eo amin’izao tontolo izao foana isika dia manana fifandraisana sasany tsy azo sorohina aminy. Kanefa Jehovah dia mampitandrina antsika mba tsy hametraka ny fanantenantsika amin’izao tontolo izao sy tsy ho anisany. Fantany tokoa ny ho anjarany. Ho hadalana tokoa ny hanokanana ny fiainan’ny tena hanamafisana orina izay holevonin’Andriamanitra tsy ho ela. Ny mbola ratsy kokoa dia ireo rehetra manao toy izany dia hanana ny anjaran’izao tontolo izao ho nanolorany ny fiainany. Tena mahasoa tokoa àry ity torohevitry ny Zanak’Andriamanitra manaraka ity: Katsaho ny Fanjakan’Andriamanitra. Omeo toerana voalohany eo amin’ny fiainanao izany. — I Jaona 2:17; Matio 6:33.
15. a) Inona no tokony hianarantsika raha maniry hahita indray izay verin’i Adama isika? b) Amin’ny alalan’ny inona no hiresahan’i Jehovah amintsika mandritra ny Arivo taona?
15 Jehovah izay mahafantatra tanteraka ny ilaintsika dia manomana ny vahoakany ho amin’ny fiainana ao amin’ny fandehan-javatra vaovao sy marina. Adama dia nitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny tsy fahatanterahana noho ny tsy fankatoavany; nampamoy azy ireo ny fiainana mandrakizay izy ary nitarika ny fandroahana azy ireo tsy ho ao amin’ny Paradisa. Raha maniry hotahina isika ary hahita indray izay verin’i Adama, dia tokony hanome porofo marina tokoa fa mihaino an’Andriamanitra isika rehefa miteny amintsika izy. Kanefa, amin’ny alalan’ny inona no hampianarany antsika mandritra ny fanjakana arivo taona ho avy izay hahatafaverina indray ny taranak’olombelona ao amin’ny fahatanterahana? Amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianika. Moa ve io fitondram-panjakana io hanana solontena hita maso eto an-tany koa? Izany tokoa. Hampiasa ireo “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra” ilay Mpanjaka. (Salamo 45:16; jereo Isaia 32:1, 2.) Amin’ny fankatoavana amim-pitiavana ireny mpanapaka ireny, ny olombelona dia hanaporofo amin’izay fa manaiky ilay Mpanjakany any an-danitra izy ireo.
16. Nahoana ny fankatoavana ireo loholona no fiarovana dieny ankehitriny ary fiomanana tsara ho fitsinjovana ny fandaharan-javatra vaovao?
16 Mba hanomanana antsika ho amin’io fotoana io, Jehovah dia efa mampianatra antsika dieny izao amin’ny alalan’ny fandaminany teokratika hita maso. Any amin’ireo kongregasiona dia nanendry zokiolona na loholona amin’ny heviny ara-panahy izy. Izy ireo dia miahy ny fitarihana ilaina amin’ny fivoriana ary loha laharana amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Manampy izay rehetra maniry hanompo an’i Jehovah hianatra ny fomba hampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainany izy ireo ary mampitandrina azy ireny amim-pitiavana amin’ny fandrika mety hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Eran’izao tontolo izao manontolo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahatakatra koa fa amin’ny fanarahana ireo toromarika omeny dia nahavonjy matetika ny ainy izy ireo tamin’ny tafiodrivotra, horohorontany na ady nitanana fiadiana. Na dia izany aza, dia fananan’Andriamanitra ny kongregasiona fa tsy an’ireo loholona. Tsy mihambo ho nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra izy ireo, nefa, araka ny asehon’ny Soratra masina, Jehovah dia mampiasa azy ireo mba hitarika ireo rahalahiny. Amin’ny fankatoavana azy ireo, dia aseho àry fa manaja ireo fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanomanana ireo mpanompony ho amin’ny fahatafitana velona sy ny fampidirana azy ireo ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao ny tena. — Asan’ny Apostoly 20:28; Hebreo 13:17.
17. Inona no tokony hanosika antsika hankatò an’Andriamanitra?
17 Kanefa ny fankatoavana toy izany dia tsy atosiky ny faniriana fotsiny ho tafita velona amin’ny fandravana tsy ho ela izao tontolo izao. Misy zavatra hafa. Inona àry izany? Ny fankasitrahana noho ny fiainana sy izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika mba haharetan’izany sy hanatsarana azy: ny fahaizana misaina, mankamamy ny hatsaran-tarehy sy ny zava-tsarobidy ara-panahy, ny fahaizana hahafantatra sy hivavaka amin’ny Mpamorona antsika. Mankatò an’Andriamanitra koa isika satria mahatsapa ny fitiavana lalina nanosika azy hanolotra ny Zanany mihitsy ho sorona mba hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay.
18. Rehefa tonga amin’ny fahalalana an’Andriamanitra isika, moa ve adidy mavesatra ny fankatoavana azy sy ny fandaminany?
18 Ho an’ireo izay tonga tamin’ny fahafantarana tsara an’Andriamanitra, ny fankatoavana azy dia tsy adidy mavesatra. Noho ny fahatakarana tsara ny fikasany sy ny zavatra takiny, ary satria ny tenan’izy ireo mihitsy no nahatsapa ireo soa entin’ny fankatoavana, dia tsy misalasala kely akory izy ireo fa ny hany fihetsika mampiseho fahendrena sy mety dia ny fizorana amin’ny lalan’Andriamanitra. Miaiky izy ireo fa fiarovana izany ary koa fomba hanaporofoany ny fitiavany an’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny fankatoavany dia mitondra fahafinaretana lehibe ho azy ireo. — I Jaona 5:3; Salamo 119:129.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 135]
Ny sasany, toa an’i Namàna boka, dia tsy maintsy nandresy ny fiavonavonany.