Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoana fanavaozana

Fotoana fanavaozana

Toko Faha-13

Fotoana fanavaozana

1. a) Fahatsinjovan-javatra kanto inona no miandry ireo ho tafita velona handova “tany vaovao”? b) Nefa inona no hilaina amin’izany?

 NY HO TAFITA VELONA amin’ny fandringanana izao tontolo izao ratsy ankehitriny dia fahatsinjovan-javatra kanto. Marina tokoa fa tsy andrintsika ny ho afaka amin’ny tsy rariny, ny fitiavan-karena fatratra ary ny herisetra mampiavaka izao tontolo izao ankehitriny. Nefa misy zavatra hafa koa mahatonga io fahatsinjovan-javatra io ho faniry manokana. Inona àry izany? Izay rehetra ho anisan’ny “tany vaovao” dia hanana fahafahana koa ho votsotra amin’ny tsy fahatanterahany manokana, amin’ny aretina, ny fanaintainana ary na dia ny fahafatesana aza (Apokalypsy 21:1-5). Kanefa mialoha izany, dia tsy maintsy ho efa voaongotra tanteraka ny ota. Ahoana no hetezan’izany? Izany dia mifamatotra amin’izay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “ny fanavaozana”.

2. Inona moa ny “fanavaozana” voalaza ao amin’ny Matio 19:28?

2 Nanambara tamin’ireo apostoliny izy hoe: “Rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, hianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.” (Matio 19:28). Io fanavaozana io, araka ny fandikan-teny hafa dia fotoana iray “fihavaozana”, ny an’ny “fanavaozana ny zava-drehetra”. (Baibolin’i Jerosalema, Baiboly Segond.) Noho io fanavaozana io, ny olombelona dia ho afaka indray handray soa amin’ny fahalavorariana izay nananan’ny taranak’olombelona teo am-piandohana.

3. a) Inona avy no vokatry ny fahotan’i Adama? b) Nahoana no tsy nisy na dia iray aza tamin’ny taranak’i Adama nahazo nanafa-tena tamin’ny vokatry ny ota nolovana?

3 Koa satria Adama namindra ny fahotana tamin’izy ireo, ny taranany rehetra dia tsy maintsy maty ary maro taminy, noho ny aretina mafy (Romana 5:12). Tsy misy na iza na iza afaka amin’ny fahafatesana amin’ny fanolorana vola. Na manao ahoana na manao ahoana asa azon’ny lehilahy iray tsy tanteraka natao dia tsy afaka nahazo ho an’ny tenany na ho an’ny hafa ny fanafahana amin’ny ota izy. Mba hananan’ny olona indray fahafahana hiaina mandrakizay, ny fahamarinan’Andriamanitra dia nitaky sorona mitovy vidy amin’izay verin’i Adama, dia fiainan’olombelona tanteraka. Kanefa tsy nisy na dia iray aza taranak’i Adama afaka nanolotra fiainana toy izany. — Salamo 49:7-9; Mpitoriteny 7:20.

4. a) Ahoana no nanolorana ny avotra nilaina? b) Ahoana no ahafahantsika mandray soa amin’izany?

4 Noho ny famindrampony lehibe, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanome izay nilaina tamin’ny fandefasana tetỳ an-tany an’i Jesosy, ilay Zanany lahitokana, mba hahaterahany ho lehilahy tanteraka ka ho afaka hanolotra ny ainy ho “avotra mifanitsy”. (I Timoty 2:5, 6, MN.) Endrey izany fanehoana kanto ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory sy ny fitiavany ny taranak’olombelona! Ny fiainana nanjary nety ho azo noho izany dia tsy horaisina toy ny hoe karama. Tsia, fanomezan’Andriamanitra izany. Kanefa tsy omena afa-tsy ireo izay miaiky amim-pahatsorana fa mila io fandaharan’Andriamanitra io izany, dia ireo maneho finoana izany ka manaporofo ny finoany amin’ny fankatoavana ny Zanak’Andriamanitra (Romana 6:23; Jaona 3:16, 36). Nefa rahoviana ny olombelona no handray soa avy amin’io sorona io?

SOA EO NO HO EO

5. a) Iza ireo olombelona voalohany nandray soa tamin’ny soron’i Kristy? b) Fitambaran’olona hafa inona avy eo no nandray soa tamin’izany ary hatramin’ny oviana indrindra?

5 Ny soron’i Jesosy dia nanomboka nisy vokany mahasoa teo amin’ny fiainan’ny olona rehefa avy nampiseho (tamin’ny anjara asany amin’ny maha-Mpisoronaben’Andriamanitra) ny vidin’ny sorony teo anatrehan’ny Rainy tany an-danitra izy. Ireo voalohany nandray soa tamin’izany, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, dia ireo kristiana voantso ho tonga mpiray lova amin’i Kristy mba hanompo amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy any an-danitra (Asan’ny apostoly 2:32, 33; Kolosiana 1:13, 14). Manaraka izany, ary tamin’ny fomba niavaka, tamin’ny 1935, ireo olombelona nanana fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany dia nanomboka niseho. Ny fanantenan’izy ireo koa dia tsy nisy raha tsy noho ny soron’i Kristy (I Jaona 2:1, 2). Io fampiharana miandalana ny vidin’ny soron’i Jesosy io dia voambaran’ireo fisehoan-javatra nanamarika ny Andro Fanavotana teo amin’ny Isiraely.

6. Lazao amin’ny ambangovangony izay nitranga tamin’ny Andro Fanavotana.

6 Ilay mpisoronabe niasa tao amin’ny taberinakely masin’ny Isiraely, ary tatỳ aoriana tao amin’ny tempoly, dia anisan’ny ankohonan’i Arona, avy tamin’ny fokon’i Levy. Ireo lehilahy hafa tamin’io ankohonan’i Arona io dia mpisorona lefitra, ary ny an’ny foko iray manontolon’i Levy dia nanampy azy ireo. Mba hanaronana ny ota, ilay mpisoronabe dia nanao sorona biby roa, ka ny ran’ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia naseho nitokana tao anatin’ny Masina Indrindra, araka izay nandidian’ireo toromarik’i Jehovah. Ilay mpisoronabe tao amin’ny mpianakavin’i Arona dia nanolotra vantotr’ombilahy aloha “ho an’ny tenany sy ny ankohonany”, izay nahatafiditra ny fokon’i Levy manontolo. (Levitikosy 16:11, 14). Avy eo izy dia nanolotra ny osilahy ho fanatitra noho ny ota, ary amin’ity dia “ho an’ny olona”, izany hoe ireo foko roa ambin’ny folo hafa (Levitikosy 16:15). Taorian’izany izy dia niaiky ny fahotan’ny Isiraely manontolo teo amin’ny lohan’ny osilahy velona iray izay nalefa hankany an’efitra (Levitikosy 16:21, 22). Inona no hevitr’izany rehetra izany?

7. a) Sorona tokana inona no notandindomin’izany? b) Nahoana no biby maro no natolotra?

7 Nanazava ny apostoly Paoly fa ny fahatanterahan’io sary ara-paminaniana io dia mahakasika ny hany soron’i Jesosy Kristy. “Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika (...) mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany.” (Hebreo 9:24-26). Fa nahoana ilay mpisoronabe no nitondra ran’ny biby betsaka tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny Andro Fanavotana? Mba hitarihana ny saina ho amin’ny lafiny isan-karazany amin’ny vokatra hoentin’ny sorona olombelona tanteraka nataon’i Jesosy. Nisy hevitra iray hafa koa nasongadina rehefa niaiky ny fahotan’ilay firenena teo amin’ny lohan’ny osilahy velona iray nalefa tany an’efitra nony avy eo.

8. a) Ahoana no nampisehoan’ny fizotry ny Andro Fanavotana hoe iza ireo handray soa voalohany amin’ny soron’i Kristy? b) Fampiharana ny soron’i Jesosy inona no nasongadina tamin’ny fanatitra noho ny ota “ho an’ny olona”? d) Inona ambonin’izany no notondroin’ny hoe nandefasana osilahy tany an’efitra?

8 Toy ny nanolorana ny ran’ilay ombilahy ho an’ny ankohonan’i Arona izay nentina voalohany tao amin’ny Masina Indrindra, dia toy izany koa fa ireo soa azo avy amin’ny soron’i Jesosy dia nomena voalohany indrindra ireo izay hikambana aminy any amin’ny fisoronana any an-danitra, ary izany dia nanomboka tamin’ny taona 33. Mifanohitra amin’i Arona, Jesosy dia tsy nanana ota izay tsy maintsy nanaovana fanavotana, fa ireo izay ho tonga mpisorona lefitra miaraka amin’i Kristy, izy ireo kosa dia nomena. Nanana ho tandindona ny fokon’i Levy izy ireo (I Petera 2:4, 5). Ny fampisehoana ny ra avy amin’ilay sorona faharoa, ny an’ilay osilahy natolotra ho avotra noho ny ota “ho an’ny olona” dia namela hino fa hisy olon-kafa handray soa amin’ny soron’i Jesosy aorian’ilay kilasy ho any an-danitra. Izany dia ho olona hahazo ny fiainana ao amin’ny paradisa voaorina indray eto an-tany. Izy ireo dia nasehon’ireo “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” tsy nanao fisoronana tamin’ny Andro Fanavotana (Matio 19:28; Salamo 37:29). Tsy hoe maty fotsiny ho an’ireo rehetra ireo Jesosy, fa tena nitondra ny otan’ireo izay nanolorany tena ho sorona izy ka nitondra fanamaivanana ho azy ireo tamin’izany. Izany no nasehon’ny hoe tamin’ny farany dia nisy fiaikena ny fahotan’ny Isiraely teo amin’ny osilahy velona iray izay nalefa tany an’efitra mba tsy hahitana azy intsony. — Salamo 103:12; Isaia 53:4-6.

9. a) Fitahiana inona avy no raisin’ireo olombelona izay maneho finoana ny soron’i Kristy, dieny ankehitriny? b) Soa hafa inona avy no horaisiny any aoriana any?

9 Izay rehetra maneho finoana an’ireo fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy dia afaka dieny ankehitriny mahazo famelana ny fahotany, ka izany dia ahafahan’izy ireo ho madio eo anatrehan’Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana fiainan’izy ireo tamin’ny lasa. Afaka manandrana fitahiana tsy hay tombanana izy ireo dia: ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fanompoana masina ary amin’ny fieritreretana madio (I Korintiana 6:9-11; Hebreo 9:13, 14). Tsy milaza anefa akory izany fa omena dieny ankehitriny fiainana afaka amin’ny vokatry ny ota rehetra izy ireo (I Jaona 1:8-10; Romana 7:21-25). Ireo rehetra voantso hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra dia tsy hahita io fiainana io raha tsy efa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany, rehefa ho avy natsangana ho zavaboary tsy mety maty any an-danitra. Fa raha ny amin’ireo olombelona hafa, dia ny fanavaozana no hahatonga azy ireo ho afaka tanteraka amin’ny ota.

“REHEFA MBY AMIN’NY FANAVAOZANA”

10. a) Oviana no nanomboka ny fanavaozana? b) Moa ve ny sasany efa nomena seza fiandrianana ho fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah?

10 Araka ny nambaran’i Jesosy, ny fanavaozana dia hisy rehefa “hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona [Jesosy Kristy]”. (Matio 19:28.) Mazava ho azy fa tsy tonga tamin’ny fotoana nipetrahany teo amin’ny seza fiandrianany akory ny zavatra rehetra. Taorian’ny nampanjakana azy tamin’ny 1914, dia nanadio ny lanitra aloha izy tamin’ny fandroahana an’i Satana sy ireo demoniany tsy ho any. Avy teo izy dia nanomboka nanangana ireo mpianany voahosotry ny fanahy mba hanome ho azy ireo ny voninahitra any an-danitra (Apokalypsy 12:5, 7-12; I Tesaloniana 4:15-17). Ireo apostoly roa ambin’ny folo mahatokin’i Jesosy Kristy dia nandray ireo “seza fiandrianana roa ambin’ny folo” nampanantenaina azy ireo, nefa ambonin’izany, ireo 144 000 hafa rehetra dia mahazo seza fiandrianana tsikelikely any an-danitra rehefa mitsangana amin’ny maty. — Apokalypsy 3:21.

11. Amin’ny heviny ahoana ireo “ondry hafa” no mahatsapa sahady ireo soa avy amin’ny fanavaozana?

11 Koa satria nifarana ny fifidianana ireo olombelona nantsoina hahaforona ny kilasy any an-danitra, dia nanomboka ny fanangonana ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”, nanomboka tamin’ny 1935 indrindra. Ireny kristiana ireny koa dia nanomboka nanandrana ireo soa avy amin’ny soron’i Kristy satria “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”. Mandray ny fanampiana ilaina izy ireny mba hitafy “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. (Apokalypsy 7:9, 10, 14; Efesiana 4:20-24.) Mihamaro hatrany izy ireo no mandray soa amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, fandehanana izay mety hitarika azy ireo ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa voaorina indray. — Apokalypsy 7:17; 22:17.

12. a) Olombelona iza no nasehon’ny “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” noresahin’i Jesosy? b) Ankoatra ireo ho tafita velona, olona iza no handray soa koa amin’ny fanavaozana?

12 Izao tontolo izao ratsy ankehitriny dia ho ringana tsy ho ela ary Satana sy ireo demoniany dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Amin’izay dia hanomboka ny Andro Fitsarana ho an’ny taranak’olombelona, andro haharitra arivo taona. Jesosy Kristy izay hitarika ny fivoriamben’ireo mpitsara dia hiahy ny hahazoan’ny olombelona rehetra fahafahana hahavita zavatra sy fanampiana hilain’izy ireo mba hianarana sy hanarahana ny lalana marin’i Jehovah. Ireo mpianany voahosotra izay ho nanaporofo ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana dia hiara-hiasa aminy amin’io asa ‘hitsarana ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo’ io. (Lioka 22:28-30; Apokalypsy 20:4, 6.) Tsy midika akory izany fa hoe ireo taranak’Isiraely ara-nofo ihany no hotsarain’izy ireo. Tsia, hitsara ireo rehetra nanana ho tandindona ny “firenen’Isiraely roa ambin’ny folo” tsy nanao fisoronana tamin’ny andro Fanavotana izy, izany hoe izao tontolo izaon’ny olombelona navotana (I Korintiana 6:2). Ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe no ho voalohany handray soa amin’io fandaharana hamela ny fanarenana ny taranak’olombelona io. Nefa hisy olon-kafa an’arivony tapitrisa maro handray soa amin’izany koa, satria “ny velona sy ny maty” dia tsy maintsy hotsaraina (II Timoty 4:1; Asan’ny apostoly 24:15). Endrey izany ho fientanam-po rehefa hiverina amin’ny fiainana indray ireo maty navotana noho ny sorom-panavotan’i Kristy! Endrey izany ranomasom-pifaliana rehefa ho tafakambana indray amin’izay ireo mifankatia!

13. Nahoana no ho azo atao ny hiresaka ny amin’ny Andro Fanavotana ho toy ny fanavaozana?

13 Izany àry no ho fotoana nandrasana aoka izany izay hanafahana ny taranak’olombelona amin’ny aretina ara-batana sy ara-tsaina rehetra vokatry ny ota. Fony izy tetỳ an-tany, Jesosy dia nanasitrana teo no ho eo, nalemy, jamba, marenina, moana, tapa-tongotra ary olona osan’ny aretina. Ireny asa mahery ireny dia tsy inona fa santatr’izay hataon’i Jesosy ho an’ny olombelona rehetra mandritra ny fanjakany arivo taona. Ireo izay, na dia vavolombelona na nandray soa avy amin’ny mariky ny hatsaram-pon’i Jehovah mahagaga toy izany aza dia handa ny fiandrianan’Andriamanitra, dia ho ringana mandrakizay ara-drariny tokoa. Mifanohitra amin’izany kosa, noho ny fianarana horaisiny ao amin’ny lalana marin’i Jehovah, ireo izay haneho finoana sy fankatoavana tanteraka dia hahita ny sainy sy ny antony manosika azy hihamadio miandalana mba hahatrarana ny fahatanterahana amin’ny farany. Ireny olombelona tia an’i Jehovah ireny dia handalo marina tokoa amin’ny fiteraham-baovao, dia fanavaozana. Toy ny hoe nomena fiaingana vaovao eo amin’ny fiainana izy ireo amin’ny fananana ray vaovao, ilay Ray mandrakizay, dia Jesosy Kristy. — Isaia 26:9; 9:5.

14. Fifandraisana sarobidy inona no mety hananan’ireo rehetra handalo ny fisedrana farany amim-pahombiazana?

14 Farany, rehefa ho avy nandalo fitsapana farany ireo olombelona ireo amin’ny faran’ny arivo taona, Jehovah Andriamanitra dia hanangana azy ireo ho zanaka amin’ny alalan’i Kristy, mba hahatongavan’izy ireo ho zanany, ho anisan’ny fianakaviany lavorary manerana izao rehetra izao. Moa ve izany tsy fahatsinjovan-javatra tena faran’izay mampahery, tsy ho an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ihany, fa ho an’ireo maty rehetra hiverina ho amin’ny fiainana feno fifaliana ao amin’ny Paradisa an-tany koa? — Romana 8:20, 21.

[Fanontaniana]