Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao ahoana ny tany?

Hanao ahoana ny tany?

Toko Voalohany

Hanao ahoana ny tany?

1. Inona no antenainao avy amin’ny ho avy, ary nahoana?

 INONA no antenainao avy amin’ny ho avy, ho an’ny tenanao sy ny mponina an-davitrisany maro amin’ny tany? Moa ve ianao tsy haniry ny hahita fiadanana sy filaminana ary hiaina eo afovoan’ny olona izay tena hifankatia tokoa? Eny, izany no mety hoentin’ny ho avy ho anao, ary mbola mihoatra lavitra noho izany aza. Tsy izany anefa no ampoizin’ny ankamaroan’ny olona miara-miaina amintsika. Nahoana?

2, 3. Amin’ny ahoana ny fandrahonan’ny ady noklehera iray no misy heriny eo amin’ny fomba fiheveran’ny olona maro ny ho avy?

2 Niteraka fisalasalana lehibe tokoa ny fandrahonan’ny ady noklehera iray raha ny amin’ny ho avin’ny olombelona, hany ka velom-panontaniana mihitsy aza ny tena raha hisy ho avy ho an’ny ankamaroan’olona. Hevero fa rehefa nalatsaka ny baomba ataomika voalohany tamin’ny 1945, tamin’ny faran’ny ady, dia maherin’ny 70 000 ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy maty avy hatrany. Olona an’arivony maro hafa no maty tao anatin’ireo andro sy ireo taona nanaraka, taorian’ny fijaliana nahatsiravina. Amin’izao andro izao, ny loha noklehera iray monja dia mirakitra hery azo ampitahaina amin’ny an’ny baomba rehetra nalatsaka nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Bala afomanga noklehera an’aliny maro anefa no atsangana saika hatraiza hatraiza maneran-tany ary vonona ny halefa avy hatrany. Ary ireo firenena dia mandany isan’andro eo amin’ny roa lavitrisa dôlara (izany hoe maherin’ny 150 lavitrisa ariary) amin’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana ka tamin’izany dia nampangovitry ny tahotra ny mponina maro amin’ny gilaoby.

3 Ary raha “ady noklehera voafetra ihany” no mitranga? Mbola hahatsiravina ihany ny ho vokany. Araka ny filazan’i Carl Sagan, manam-pahaizana be mpahalala tokoa, na dia tsy mampiasa afa-tsy ampahany amin’ny hery noklehera ananany fotsiny aza ireo firenena, “dia tsy isalasalana loatra fa ho rava ny sivilizasionantsika maneran-tany. (...) Ary toa tena mety hitranga ny fanafoanana ny taranak’olombelona”. Be dia be ny olona miezaka tsy hieritreritra zavatra mety hitranga toy izany, nefa tsy manalavitra ny loza akory izany. Ny hafa, mihamaro hatrany, dia namorona fikambanana mba “hahavelomana”. Noho ny fanantenana fa hisy olona mbola ho velona ihany, dia nanorina fialofana izy ireo any amin’ny toerana mangingina ka notehiriziny any ny sakafo, fanafody sy fiadiana koa aza mba handroahana ny mpitsofotsofoka foana.

4. Nahoana moa no loza lehibe ny fanimbana ny toerana manodidina antsika?

4 Ankoatra ny ady noklehera, ireo manam-pahaizana dia miresaka koa ny amin’ny mety ho loza aman’antambo avy amin’ny fanimbana ny toerana manodidina antsika. Miteraka fanahiana mafy ny fandotoana ny rivotra. Foanana amin’ny fomba mahatsiravina ny ala, kanefa izy ireny mandray anjara lehibe amin’ny fihodinan’ny “oxygène” sy ny ranonorana mbamin’ny fitehirizana ny tany. Noho ny tsy fahalalana na noho ny fitiavam-bola loatra, dia simbàn’ny olona ny voly zava-pihinana maro. Voaloto ny tahirin-drano, matetika noho ny zavatra shimika mahafaty. Ilaina mba hahavelona ny taranak’olombelona anefa izany zavatra rehetra izany.

5, 6. Noho ny antony hafa inona moa no tsy anantenan’ny olona hiaina amim-pilaminana sy sambatra indray andro any?

5 Kanefa angamba mbola loza mivantana kokoa ihany eo imasonao ny herisetra sy ny fanaovana heloka bevava izay manery ny olona hihidy trano mafy. Hafa koa amin’izany ny fikorontanana ara-politika sy ara-tsosialy. Miteraka fihafiana sy fatiantoka ny tsy fananana asa amin’ny ambaratonga lehibe sy ny fisondrotan’ny vidin-javatra tsy misy toy izany. Tsy mahafapo velively ny fiainam-pianakaviana ho an’ny maro; matetika no tsy misy ny fitiavana izay tokony hampiray ny fianakaviana. Hatraiza hatraiza dia ny fihetsika hoe “izaho aloha” no manjaka.

6 Raha izany no izy, moa ve isika manana antony tsara tokony hanantenana ny hiaina ao anatin’ny filaminana indray andro any? Raha toa ny ho avintsika, dia isika mponina amin’ny tany ka tsy miankina afa-tsy amin’izay tian’ny olona sy ny firenena tompon’andraikitra amin’ny tarehin-javatra hatao na hainy atao, dia tena manjombona tokoa izany. Nefa moa ve izany no izy?

ZAVA-MISY TSY TOKONY HODIAN-TSY FANTATRA

7. a) Inona no manaporofo fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly? b) Nahoana no tena ilaina ny hahalalana ny Baiboly?

7 Amin’ny faminavinany ny ho avy, dia matetika tokoa ny olombelona no manadino an’ilay Mpamorona ny tany sy ny olombelona. Ahoana anefa no mety hahafantarantsika ny fikasany? Amin’ny famakiana ny Baiboly. Manantitrantitra imbetsaka io boky io fa avy amin’Andriamanitra ny teny raketiny, ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Izany tokoa ve no izy? Raha eny, ny fiainanao dia miankina amin’ny fihetsikao eo anoloan’io boky io, amin’ny finiavanao hanaraka izany. Noho ny maha-zava-dehibe an’io raharaha io, dia mamporisika anao mafy izahay handinika manokana ny Baiboly. Ho tsapanao ny maha-hafa dia hafa ireo faminaniany maro izay ahitana taratry ny fahalalana ny ho avy amin’ny antsipiriany. Rehefa mivaofy raharaha iankinan’ny aina mba hahasambatra antsika mandrakizay ny Baiboly dia mampiharihary fahendrena tsy manam-paharoa. Matoky izahay fa raha mandinika ny zava-misy amin’ny saina tsy miangatra ianao, dia hanaiky fa tsy mety afa-tsy ho avy amin’ny loharano iray mahery noho ny olombelona ny Baiboly, avy amin’ny Andriamanitra iray izay tena tia tokoa ny olombelona a. Mirakitra fahalalana tena lehibe tokoa izy io momba ny hahavelona antsika amin’izao vanim-potoana farany amin’ny tantaran’olombelona izao. Rariny tokoa àry raha izy io no boky fatra-piely indrindra eo amin’izao tontolo izao. — Jereo II Petera 1:20, 21; 3:11-14; II Timoty 3:1-5, 14-17.

8. Inona no anarana anondroan’ny Baiboly ny Mpamorona ny tany?

8 Ny andininy voalohany amin’ny Baiboly dia manonona fahamarinana iray tena lehibe, manao hoe: “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1). b Raha tian’ny sasany kokoa ny tsy hanome anarana an’Andriamanitra, ny Baiboly kosa dia manome iray ho azy. Mampahafantatra ny Mpamorona amin’ny anarany ny Genesisy 2:4 ka milaza fa ‘Jehovah Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany’. (Jereo koa Genesisy 14:22; Eksodosy 6:3; 20:11.) Ny tapany lehibe iray tamin’ny Baiboly dia nosoratana tamin’ny teny hebreo. Ao amin’ny soratra hebreo anefa, ny anarana manokan’ Andriamanitra dia hita saika in-7 000 amin’ny endriky ny Tetragrama masina (יהזה). Misy mpandika teny mandika azy amin’ny hoe Yaweh na Iave, nefa amin’ny teny malagasy, ny endriny mahazatra indrindra amin’io anarana io dia hoe Jehovah.

9. a) Avy amin’iza no nandraisan’Andriamanitra an’io anarana io? b) Inona no maha-zava-dehibe ho antsika ny anaran’Andriamanitra (Joela 3:5; Mika 4:5)?

9 Tsy olona tia fivavahana akory no namorona an’io anarana io fa ny tenan’ny Mpamorona mihitsy no nanome azy (Eksodosy 3:13-15; Isaia 42:8). Tsy azo atao ny manolo azy araka izay tiana hatao amin’ny anarana toy ny hoe Bouddha, Brahma, Allah na Jesosy, toy ny hoe teny azo ampifanoloana ireo. Tamim-pahendrena tokoa no nanambaran’i Mosesy toy izao tamin’ny firenen’Isiraely fahizay: “Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.” (Deoteronomia 4:39). Io ilay Andriamanitra nivavahan’i Jesosy Kristy; izy no nitenenany raha niresaka ny amin’ny “Andriamanitra tokana sady marina” izy. Amin’izao andro izao izy dia ivavahan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay nampianarina ny aminy. — Jaona 17:3; Matio 4:8-10; 26:39; Romana 3:29.

10. Nahoana moa ny fandrahonan’ny ady noklehera sy ny fanimban’ny fandotoana no tsy hanakantsakana ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany?

10 Koa satria Jehovah no Mpamorona ny tany, dia azy ny planeta manontolo ary eo an-tanany ny ho aviny (Deoteronomia 10:14; Salamo 89:11). Tsy lehibe loatra amin’Andriamanitra akory ireo zava-manahirana ny olombelona. Marina fa maharaiki-tahotra ny olombelona ny fahatsinjovana ady noklehera, kanefa moa ve Andriamanitra tsy Mpanao ireo lalàna mifehy ny hery ataomika heverina ho ao noho ny fisian’ny kintana an-davitrisany maro? Moa ve izy tsy manana ny fahalalana sy ny hery tena ilaina mba hiarovana ny fiainana eto an-tany? Toy izany koa, ireo zava-manahirana nateraky ny olombelona izay, noho ny tsy fahalalana sy ny fitiavan-karena loatra, dia nandoto ny manodidina azy, dia tsy hanakantsakana ny fikasan’ny Tsitoha. Ilay manana ny fahendrena sy ny hery ilaina mba hamoronana ny tany sy ireo karazam-piainana mahavariana mameno azy dia afaka manome fiaingana vaovao ho an’izany koa, raha izany no sitrapony (Isaia 40:26; Salamo 104:24). Inona àry no fikasan’i Jehovah ho an’ny tanintsika, ny fonenantsika?

MANDRITRA NY FOTOANA TOY INONA NO HAHARITRA NY TANY?

11. a) Araka ny filazan’ny manam-pahaizana sasany, inona no hiafaran’ny tany? b) Iza no manam-pahaizana kokoa noho izy ireny amin’io raharaha io, ary nahoana?

11 Moa ve ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanafoana ny tany sy ny karazam-piainana rehetra mameno azy? Aroson’ny astronoma sasany ho tsangan-kevitra ny hoe hipoaka ny masoandrontsika ka hihalehibe ary dia handevona ny tany. Ny hafa koa milaza fa noho ny toetoetr’izao tontolo izao hita maso mihitsy dia ho avy ny fotoana tsy hamirapiratan’ny masoandro intsony ka tsy hahafahan’ny tany intsony hitana ny fiainana. Marina ve ny voalazan’izy ireny? Inona no nolazain’ny Mpamorona, dia ilay Loharanon’ny hery sy ny tenan-javatra, Mpanao ireo lalàna iankinan’ny fahavelomantsika? — Joba 38:1-6; Salamo 146:3-6.

12. Ahoana no nihariharian’ny teny voalaza ao amin’ny Mpitoriteny 1:4 fa marina?

12 Nanome tsindrimandry an’i Solomona mpanjaka hendry Jehovah mba hanoratany ny amin’ny fiainan’ny olombelona oharina amin’ny fisian’ny tany. Nilaza hevitra toy izao àry i Solomona ao amin’ny Mpitoriteny 1:4: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.” Manamafy ny fahamarinan’ireo teny ireo ny tantaran’ny olombelona. Raha nosoloana hafa ny taranak’olombelona tsirairay avy, dia mbola eo foana kosa ny tany, ny planetantsika. Haharitra toy inona anefa? Araka ny dikany ara-bakiteny ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, dia hoe “hatramin’ny fotoana tsy voafetra”. Inona no tiana holazaina amin’izany?

13. a) Inona no mety ho dikan’ny fitenenana hoe “fotoana tsy voafetra”? b) Nahoana anefa no azo atao ny matoky fa haharitra mandrakizay ny tany?

13 Ny teny hebreo ‘ôlâm, nadika eo hoe “fotoana tsy voafetra”, dia manondro indrindra, vanim-potoana izay, raha oharina amin’ny ankehitriny, dia tsy noferana na miafina, kanefa maharitra. Azo adika hoe “mandrakariva” izy io. Izany ve no izy ao amin’io andininy io, sa io teny io milaza fa amin’ny ho avy tsy voafetra, amin’ny daty iray miafina amintsika, dia angamba ho foana ny tany amin’ny farany? Araka ny Baiboly, dia nisy zavatra samihafa tokony haharitra “hatramin’ny fotoana tsy voafetra”, nifarana ihany (jereo Nomery 25:13, MN; Hebreo 7:12). Ampiarahin’ny Soratra masina amin’ny hoe mandrakizay koa anefa ny hoe ‘ôlâm, ohatra rehefa miresaka ny Mpamorona mihitsy (jereo Salamo 90:2 sy I Timoty 1:17). Raha ny amin’ny hevitr’io teny io mifandray amin’ny tany, dia tsy avela ho ao anatin’ny fisalasalana isika. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Salamo 104:5: “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria [hatramin’ny fotoana tsy voafetra, na mandrakizay, MN] c.” — Jereo koa Salamo 119:90.

14. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ho tonga tany foana sy karankaina akory ny planetantsika indray andro any?

14 Izay haharitra mandrakizay anefa dia tsy tany iray karankaina sy tsy mahavokatra akory. Milaza amintsika tokoa ny Jeremia 10:10-12 hoe: “Jehovah no Andriamanitra tokoa (...) dia Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao [ny tany mahavokatra, MN] tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fisainany.” Mariho fa tsy nanao “ny tany” fotsiny Andriamanitra, fa nanorina “ny tany mahavokatra” koa izy. Ho solon’io fitenenana farany io, dia mpandika teny maro no mandika ny teny hebreo hoe tével amin’ny hoe “izao tontolo izao” fotsiny. Kanefa, araka ny filazan’i William Wilson (ao amin’ny Old Testament Word Studies), ny dikan’ny hoe tével dia “ny tany mahavokatra sy onenana, ny gilaoby, izao tontolo izao azo onenana”. Momba ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny tany lonaka sy onenana, dia mirakitra izao teny manome toky izao ny Salamo 96:10: “Jehovah no Mpanjaka; ary izao rehetra izao [ny tany mahavokatra koa, MN] voaorina ka tsy hihetsika.” — Jereo koa Isaia 45:18.

15. Amin’ny ahoana izany no mifanaraka amin’ny vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany?

15 Ny amin’ny tany, ny planeta iainantsika àry no nampianaran’i Jesosy Kristy ny mpianany hivavaka tamin’Andriamanitra toy izao: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.

16. a) Karazan’olona manao ahoana no hiaina eto an-tany amin’izany? b) Inona moa ny “tany vaovao” resahin’ny Baiboly?

16 Ny sitrapon’i Jehovah dia tsy ny hahatonga ny tany honenan’ olona tsy manana fanajana mihitsy ny Tompony na tsy mifankatia firy. Efa ela be tokoa izay, dia nanome izao fampanantenana izao izy: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:9, 29). “Ny tany honenana ho avy” asian’ny Baiboly fitenenana dia ho feno olona izay matahotra an’Andriamanitra sy tia amim-pahatsorana ny mpiara-belona aminy (Hebreo 2:5, MN; jereo Lioka 10:25-28). Ho lehibe aoka izany ireo fiovana hatao toy izany eo ambany fitarihan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, hany ka ny Soratra Masina dia miresaka ny amin’ny “tany vaovao” — tsy gilaoby tany hafa akory, fa fitambaran’olona vaovao izay hiaina ao anatin’ny toe-piainana paradisa nokasain’ny Mpamorona ny olombelona haorina fony izy vao nanomboka namorona ny tany. — Apokalypsy 21:1-5; Genesisy 2:7-9, 15.

17. Nahoana moa no zava-dehibe ny hianarana dieny izao ireo fepetra takin’Andriamanitra mba hahavelomana?

17 Ny fametrahana izany “tany vaovao” izany dia tsy maintsy hialohavan’ny fandringanana lehibe, araka ny tsy mbola hitan’ny olombelona mihitsy. Marina tokoa fa mba hahasoa ny tany sy hitondra fahasambarana ho an’ireo izay tena miseho tokoa ho velom-pankasitrahana ny Mpamorona azy, dia ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:17, 18.) Akaiky dia akaiky ny fotoana voatendrin’ Andriamanitra mba hanaovana izany. Ho anisan’ireo ho tafita velona ve ianao amin’izay? — I Jaona 2:17; Ohabolana 2:21, 22.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay boky hoe La Bible est-elle vraiment la Parole de Dieu?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

b Raha tsy misy filazana manokana, ny toko sy andininy ao amin’ny Baiboly nalaina dia avy amin’ny fandikan-teny malagasy.

c Mihevitra àry ny mpanao diksionera sasany fa ny dikan’ny teny hoe ‘ôlâm araka ny ampiasana azy ao amin’ny Mpitoriteny 1:4 dia hoe “mandrakizay”, “tsy misy farany”. (Jérusalem, Osty, Segond, Votre Bible, Dhorme.)

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]