Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hisy olona avy amin’ny firenena rehetra ho tafita velona

Hisy olona avy amin’ny firenena rehetra ho tafita velona

Toko Faha-8

Hisy olona avy amin’ny firenena rehetra ho tafita velona

1. Fampanantenana inona nomena an’i Abrahama no mampiseho fa afaka mandray soa amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra ny ‘fianakavian’olombelona rehetra’?

 JEHOVAH dia mihevitra amim-pitiavana ny olombelona avy amin’ny firenena rehetra sy foko rehetra. Nanao fandaharana izy mba hahafahan’ny fianakaviana rehetra eto an-tany handray soa amin’ny fankasitrahany sy hahazo ny fitahiany. Tamin’i Abrama (Abrahama), taranak’i Sema zanakalahin’i Noa, Jehovah dia nilaza izao fampanantenana izao: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 12:1-3; Asan’ny apostoly 7:2-4). “Ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Anisan’izany isika, tsy mampaninona izay tany nahaterahantsika na fiteny iresahantsika. — Salamo 65:2.

2. a) Sahala amin’i Abrahama, toetra inona no tokony haseho? b) Araka ny Hebreo 11:8-10, ahoana no nanaporofoan’i Abrahama fa nanana io toetra io izy?

2 Lehilahy nanam-pinoana ilay patriarka nanaovan’i Jehovah an’io fampanantenana io. Mba handraisana avy amin’Andriamanitra ireo fitahiana nampanantenainy azy, isika koa dia tokony hanam-pinoana (Jakoba 2:23; Hebreo 11:6). Tsy finoana tsotra nipetra-potsiny akory ny finoan’i Abrahama. Tsia, fa narahin’asa izany. Nanosika azy aza izany handao an’i Mesopotamia mba hankany amin’ny tany lavitra iray tsy mbola hitany akory talohan’izay. “Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona”, tamin’ny tsy fifikirana tamin’ny tanàna (na fanjakana) na inona na inona tao amin’ilay toerana. “Fa nanantena hahazo ny tanàna [ny Fanjakan’Andriamanitra] misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.” — Hebreo 11:8-10.

3. Tamin’ny fomba ahoana no nitsapana ny finoan’i Abrahama nifandray tamin’Isaka?

3 Rehefa 100 taona Abrahama ary Saraha vadiny 90 taona, dia notahin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fahagagana iray izy ireo: nomeny zanakalahy izy, dia Isaka. Niharan’ny fitsapana niharihary ho nisy ifandraisana tamin’io zanakalahy io anefa ny finoan’i Abrahama sy ny fankatoavany an’Andriamanitra. Nangataka azy tokoa Jehovah mba haka an’Isaka, zatovolahy tamin’izay, hitondra azy any amin’ny tany Moria ary any dia hanolotra azy ho fanatitra odorana. Noho izy nanana finoana ny herin’Andriamanitra hanangana ny zanany lahy amin’ny maty, dia nankatò Abrahama (Hebreo 11:17-19). Isaka, izay nanaiky ny rainy, dia nafatotra teo ambonin’ny alitara, ary Abrahama kosa nihazona teny an-tànana ny antsy izay handeha hamonoany azy, raha nisalovana ny anjelin’i Jehovah. Ampy fahalehibeazana ilay fitsapana mba hanaporofoana fa i Abrahama dia tsy handa na inona na inona ho an’Andriamanitra, izay nanamafy kosa ny fanekeny taminy. Lazaina toy izao ao amin’ny Baiboly izany:

4. Tamin’io fotoana io, fampanantenana lehibe vaovao inona no nomen’Andriamanitra ho tombontsoan’ny firenena rehetra?

4 “Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” — Genesisy 22:15-18.

5. a) Inona no nasehon’ny fihetsehan’i Abrahama rehefa nanandrana nanolotra an’Isaka ho fanatitra izy? b) Araka ny nanambaran’ny Genesisy 12:3 azy, amin’ny fomba ahoana no ‘anozonan’ny’ olombelona an’ilay Abrahama Lehibe, ary inona no vokatr’izany ho azy ireo? d) Ahoana no azontsika ‘iderana’ an’i Jehovah?

5 Raha haintsika ny manavaka fa Jehovah no ilay Abrahama Lehibe, ary Isaka nampiseho an’i Jesosy Kristy, dia manomboka ho fantatsika ny tena maha-zava-dehibe ireo fisehoan-javatra ireo ho antsika. Raha ny marina, ny ho avintsika dia miankina amin’ny fihetsitsika eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Afaka mibanjina ny fiainana mandrakizay isika satria Andriamanitra nanolotra tokoa ny Zanany lahitokana ho sorona noho ny fahotantsika, tahaka ny nanehoan’i Abrahama izany an’ohatra rehefa nanandrana nanolotra an’Isaka ho fanatitra izy (Jaona 3:16). Na iza na iza mikiribiby ‘manozona’ an’i Jehovah, amin’ny fanimbazimbana ny tenany na ireo fikasany feno fitiavana, dia mihantsy loza, ka izany dia hahazoany ny fandringanana mandrakizay (jereo I Samoela 3:12-14; 2:12). Ny fankasitrahantsika an’i Jehovah, ilay Abrahama Lehibe, kosa anefa dia hamporisika antsika ‘hidera’ azy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanekena an-tsitrapo fa avy aminy ny zavatra rehetra, indrindra fa ny fanomezana ny fiainana ho an’izay tsy mendrika akory noho ny Zanany, nefa koa amin’ny firesahana amin’ny hafa ny hatsaram-pony sy ireo toetoetra mahafinaritra mampiavaka ny fiandrianany (Jakoba 1:17; Salamo 145:7-13). Amin’ny fanaovana izany no hahazoantsika manantena handray fitahiana mandrakizay avy amin’i Jehovah.

‘NY TARANAK’I ABRAHAMA’

6. a) Iza moa no ‘taranak’i Abrahama’ lehibe indrindra? b) Ahoana no ahafahantsika mahazo fitahiana noho izy io?

6 Anisan’ireo fandaharana noraisiny ho fitahiana ny olombelona, Jehovah dia nanomana fitondram-panjakana marina iray any an-danitra. Jesosy Kristy, teraka avy amin’ny taranak’i Abrahama ary ny ‘taranany’ lehibe indrindra, no nomen’i Jehovah ny fiandrianana (Galatiana 3:16; Matio 1:1). Araka izany, araka ny nasehon’ny fianianan’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia noho Jesosy Kristy no hitahiana olona avy amin’ny firenena rehetra. Manao izay takin’Andriamanitra ve ianao mba hahazoana izany fitahiana izany? Ohatra, moa ve ny fiainanao mampiseho fa takatrao ny hoe hatraiza no maha-zava-dehibe aminao ny sorona nataon’i Jesosy? Manaiky marina ny fahefam-piandrianany ve ianao? — Jaona 3:36; Asan’ny apostoly 4:12.

7. a) Olombelona hafa iza koa no anisan’ny ‘taranak’i Abrahama’? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy hankany an-danitra daholo akory izay rehetra manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana?

7 Tao amin’ny fahitany ara-paminaniana fisehoan-javatra tany an-danitra, ny apostoly Jaona dia nahita zava-manan’aina hafa teo anilan’i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra. Ireo koa dia anisan’ny “taranak’i Abrahama”. Araka ny apokalypsy 14:1-5, ireo zava-manan’aina miisa ho 144 000 ireo dia “navotana avy tamin’ny olona”. (Galatiana 3:26-29.) Olombelona iza àry no ao anatin’io isa io? Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa tsy nanan-kevitra na oviana na oviana handray ho any an-danitra ny olombelona rehetra tia ny rariny Andriamanitra (Matio 11:11; Asan’ny apostoly 2:34; Salamo 37:29). Ny tombontsoa tsy hay lazaina hanana anjara amin’ny Fanjakana any an-danitra eo anilan’i Kristy dia natokana ho an’ny “ondry vitsy” avy tamin’ny olombelona izay ho mpanjaka sady mpisorona hiaraka aminy mandritra ny arivo taona. — Lioka 12:32; Apokalypsy 5:9, 10; 20:6.

8. Oviana no nanomboka ny fifidianana ny anisan’ny “ondry vitsy”, ary nandritra ny fotoana toy inona no nitohizany?

8 Ahoana no fomba nifidianana ireo anisan’izany “ondry vitsy” izany? Ny fanasana feno fahamoram-panahy ho anisan’ny Fanjakana any an-danitra dia niantefa tany amin’ireo Isiraelita araka ny nofo aloha. Kanefa noho ny tsy fahampiam-pinoan’izy ireo dia tsy nahaforona ny fitambaran’ireo 144 000 izy. Noho izany no nanasan’Andriamanitra Samaritana ary tatỳ aoriana dia olona avy amin’ny firenena rehetra (Asan’ny apostoly 1:8). Ireo mpiray lova amin’i Kristy voalohany dia voahosotry ny fanahy masina tamin’ny 33, andro Pentekosta. Nitohy ny fifidianana ireny ho mpanjaka ireny mandra-pahatongan’ny fitambaran’ireo 144 000 ho voaisy tombo-kase, izany hoe ankasitrahan’Andriamanitra. Manaraka izany, ny saina dia sarihina ho amin’ny fanangonana ireo olombelona hiaina eto an-tany amin’ny maha-vahoaka feno fankasitrahan’ny fitondram-panjakana any an-danitra.

9. a) Teny inona avy no ampiasain’ny Baiboly mba hanondroana ireo mpikambana ao amin’io kilasin’ny ho any an-danitra io? b) Olona iza no nasehon’ny Isiraelita araka ny nofo?

9 Ny Soratra masina dia miresaka ny amin’ireo olombelona voantso handova ny Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy ho “olom-boafidy”, “olona masina”, kristiana ‘voahosotr’Andriamanitra’. (II Timoty 2:10; I Korintiana 6:1, 2; II Korintiana 1:21.) Lazalazaina miaraka ho toy ny ‘vadin’i Kristy’ ihany koa izy ireo (Apokalypsy 21:2, 9; Efesiana 5:22-32). Raha jerena koa ny filazana hafa, dia antsoina hoe ‘rahalahin’i’ Kristy, “mpiray lova amin’i Kristy” sy ‘zanak’Andriamanitra, izy (Hebreo 2:10, 11; Romana 8:15-17; Efesiana 1:5). Na inona na inona firenena niaviany, izy ireny dia mahaforona ny “Isiraelin’Andriamanitra”, raha lazaina amin’ny heviny ara-panahy. (Galatiana 6:16; Romana 2:28, 29; 9:6-8.) Rehefa nofaranan’i Jehovah ny Lalàna, dia ny fanekena nifanaovany tamin’ny Isiraely araka ny nofo, dia nampiditra ny Isiraely ara-panahy ho ao anatin’ny fanekena vaovao nifanaovana taminy izy. Kanefa ny fifandraisana notanan’i Jehovah tamin’ny Isiraely araka ny nofo fony io firenena io teo ambanin’ny Lalàna dia nampiseho niharihary ohatra ny amin’ny zavatra ho avy (Hebreo 10:1). Nampiseho inona àry ny Isiraely araka ny nofo natokan’Andriamanitra hatao “rakitra soa [fananana manokana, MN]” ho azy? Ny Isiraely ara-panahy, izany hoe ny fitambaran’ny olombelona nofidin’Andriamanitra mba hanjaka any an-danitra miaraka amin’i Kristy (ampitahao amin’ny Eksodosy 19:5, 6 ny I Petera 1:3, 4 sy 2:9). Izy ireo dia mahaforona, miaraka amin’i Kristy, ny fiasana natao hanomezana fitahiana ho an’ny olombelona hafa rehetra mankatò. Tena ilaina ny anekena io fitrangan-javatra io mba hahatakarana tsara ny Baiboly.

IREO HOTAHINA NOHO ILAY “TARANAKA”

10. Olona iza no nasehon’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah tsy Isiraelita?

10 Nandritra ny fotoana rehetra nitanany fifandraisana manokana tamin’ny Isiraely, Andriamanitra dia nanao zavatra tamim-pitiavana ihany koa ho tombontsoan’ny olona tsy anisan’io firenena io kanefa natosiky ny fony hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina niaraka taminy. Mitana toerana lehibe rahateo ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly izy ireny. Azo atao ve ny manao fampitahana ireny olona tamin’ny lasa ireny amin’ny olona velona amin’izao andro izao? Izany dia izany tokoa. Izy ireny dia mampiseho amin’ny lafiny maro amin’ireo izay, na dia tsy Isiraelita ara-panahy aza, dia mankamamy ny fanantenany mahatalanjona, dia ny hiaina mandrakizay amin’ny maha-vahoaka eto an-tanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo no noresahin’Andriamanitra rehefa niteny tamin’i Abrahama izy fa hisy olona avy amin’ny “firenena rehetra ambonin’ny tany” hotahina noho ny ‘taranany’. — Genesisy 22:18; Deoteronomia 32:43.

11. a) Ahoana no nanambarana io sokajin’olona io tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona? b) Araka ny faminanian’Isaia 56:6, 7, amin’ny heviny ahoana ny “vahiny” no ‘manaiky ho an’i Jehovah’ amin’izao andro izao?

11 Fikasan’Andriamanitra foana ny hampiray ny olombelona rehetra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina. Tena nety indrindra àry, nandritra ny fitokanana ny tempoly naoriny tao Jerosalema, ny nangatahan’i Solomona tamin’i Jehovah mba hihaino ny vavaky ny vahiny izay mikambana amin’ny Isiraely mba hiezaka hanolotra ho azy fanompoam-pivavahana ankasitrahana (II Tantara 6:32, 33). Nanome izao fampanantenana hafa izao koa Andriamanitra ao amin’ny Isaia 56:6, 7: “Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony, (...) dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana. (...) Fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.” Misy “olona hafa firenena” izay maneho ny toe-tsaina voalazalazan’ireo teny ireo ary avy amin’ny firenena rehetra, miangona ankehitriny, tsy ho toy ny mpitazana fotsiny, fa mba ‘hanaiky ho an’i Jehovah’. Izany no ataony amin’ny fanolorana ny fiainany ho an’Andriamanitra, amin’ny fanamarihana ny fanapahan-keviny amin’ny alalan’ny batisa amin’ny rano, avy eo dia amin’ny fanompoana amin’ny fomba mampiseho ny fitiavany “ny anaran’i Jehovah” sy izay rehetra asehony. — Matio 28:19, 20.

12. Ahoana no anehoan’ny lalàn’i Mosesy raha tokony hanaraka ireo fitsipika ambony mihatra amin’ny Isiraelita ara-panahy ny olona manantena ho tonga vahoaka eto an-tanin’ny Fanjakan’Andriamanitra na tsia?

12 Tokony hanaporofo ny tsy fivadihany sahala amin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy koa izy ireny. Teo ambany lalàn’i Mosesy, Jehovah dia nitaky tamin’izay rehetra nety ho “vahiny” nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina mba hiainany mifanaraka amin’ireo didy mitovy amin’izay notandreman’ny Isiraelita (Nomery 15:15, 16). Tsy tokony ho voamariky ny fanekena lembenana fotsiny ny fifandraisan’izy ireo fa ny fitiavana amim-pahatsorana (Levitikosy 19:34). Toy izany koa, fa ireo olona nasehon’ny vahiny dia miezaka hampifanaraka ny fiainany amin’ireo zavatra takin’i Jehovah sady manompo azy, tafaray ao amin’ny fitiavana miaraka amin’ny Isiraelita ara-panahy mbola eto an-tany. — Isaia 61:5.

13. Hevitra hentitra inona ao amin’ny faminanian’Isaia no tokony horaisintsika am-po raha irintsika ny ho tafita velona sy hampidirina ao amin’ny “tany vaovao”?

13 Tamin’ny alalan’Isaia mpaminaniny, Jehovah dia nilazalaza ny vahoaka marisika avy amin’ny “firenena rehetra” izay, manerana ny tany, dia miangona amin’izao andro izao ao amin’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana ho azy. Izao no vakintsika: “Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: ‘Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.’ ” ‘Nanefy ny sabany ho fangady’ àry izy ireny ary, na dia velona eo amin’izao tontolo izao rotidrotika aza izy, dia ‘tsy mianatra ady intsony’. (Isaia 2:1-4.) Mahita ny tenanao eo afovoan’izany vahoaka sambatra izany ve ianao? Irinao ve, dia ianao koa, ny hianatra ireo zavatra takin’i Jehovah, ny hampifanaraka ny fiainanao amin’izany ary hitsahatra tsy hametraka ny fitokisanao amin’ireo fitaovam-piadiana? Nampanantena Andriamanitra fa hisy olona betsaka maniry hanaraka io fitsipi-pitondrantena io ho ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’, izany hoe ho tafita velona ka hampidirina ao amin’ny ‘taniny vaovao’ ho voamariky ny fiadanana. — Apokalypsy 7:9, 10, 14; Salamo 46:8, 9.

[Fanontaniana]