Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no hataonao manokana?

Inona no hataonao manokana?

Toko Faha-16

Inona no hataonao manokana?

1. Fanapahan-kevitra inona no tsy maintsy raisin’ny tsirairay avy?

 TSY misy olon-kafa afaka manapa-kevitra eo amin’ny toeranao hanompo an’i Jehovah. Raha toa ny vadinao mpanompon’Andriamanitra mahatoky dia mety ho fitahiana tsy hay tombanana izany. Toy izany koa, raha tia an’i Jehovah ireo ray aman-dreninao dia manana tombontsoa ianao. Ny toerana ara-pianakaviana toy izany dia mety hanosika anao hifanerasera amin’ireo mivavaka amin’i Jehovah “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23, 24.) Nefa amin’ny farany, dia ianao no tokony handray fanapahan-kevitra. Tena tia an’i Jehovah ve ianao ary maniry ho anisan’ireo mpanompony? Moa ve ianao maniry tokoa hiaina ao amin’izao tontolo izao iray hanjakan’ny rariny?

2. a) Nahoana moa no zava-dehibe indrindra ny fihetsiky ny ray na ny reny manoloana ny fanompoana an’i Jehovah? b) Inona avy ireo zavatra dimy azon’ireo ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hanao fiaingana tsara?

2 Raha ray na reny ianao, dia ho tianao marina tokoa ny handraisan’ireo zanakao ho fitahiana ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa tsy ho azonao atao ny hifidy eo amin’ny toeran’izy ireo ny fitsipi-pitondrantena harahiny rehefa ho be taona kokoa izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fihetsikao manokana manoloana ny fanompoam-pivavahana marina dia mety hisy fitaomana tena mahery, tsara na ratsy, eo amin’izy ireo. Raha sanatria ka mitsahatra tsy manompo an’i Jehovah ianao, dia hanaisotra amin’ireo zanakao izay mety ho fahafahana tsara indrindra hiditra eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Na koa, rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ianao, ka tsy miahy loatra ny hampifanaraka ny fiainanao amin’io voady io dia mety hitarika ny fianakavianao manontolo ho amin’ny loza aman’antambo ara-panahy ary amin’izay dia hamoy ny zava-drehetra amin’ny fahoriana lehibe. Mifanipaka amin’izany, raha toa ianao ka oha-pahatokiana tsara ho an’ny zanakao, raha manampy azy ireo manokana hianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, raha toa ianao mandatsaka ao aminy, toy ny nambolen’ny tenanao izany, ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fanajana ny fandaminany hita maso, raha toa ianao manao izay hahatakarany fa miaro ny tenany izy ireny amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ary raha asehonao azy ny fomba hanovozana fifaliana lalina amin’ny fanompoana masina, dia manome ho azy ireo fiaingana tsara dia tsara eo amin’ny lalana izay mitarika ho amin’ny fiainana ianao. Ny fitahian’i Jehovah dia tena ilaina mba hanatrarana io zava-kendrena io (jereo II Timoty 1:5). Mivavaha tsy tapaka àry mba hahazoana izany. Mitaky fiezahana be dia be avy aminao koa izany, nefa mendrika hisahiranana ny vokatra azo.

3. a) Ahoana no azo atao raha mahita fanoherana eo anivon’ny fianakaviana ny tena? b) Inona no hatao raha mitohy io fanoherana io?

3 Angamba ny mpianakavinao sasany tsy tia an’i Jehovah toa anao. Moa ve izy ireo mitady izay hanakiviana anao mba hahatonga anao “hanaiky ho voatarika”? Sa mivantana kokoa ny fanoheran’izy ireo? Inona àry no azonao atao mba hanampiana azy ireo hahita ny fifaliana azo avy amin’ny fahatakarana tsara ny fikasan’Andriamanitra? Matetika dia azo atao ny mandresy io karazana vato misakana io amin’ny fanasana azy ireo ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana mba hahatsapan’ny tenan’izy ireo ihany izay mitranga ao. Angamba izy ao ho afaka hiresaka amin’ny anankiray amin’ireo loholona ary hahazo fanazavana sasany momba ny zavatra inoana sy fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nefa inona no hatao raha mitohy ny fanoherana? Tokony hanontany tena toy izao ianao: ‘Moa ve aho tena tia an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany? Moa ve aho ampy fankasitrahana azy ireo noho izay rehetra nataony ho tombontsoako mba hahatonga ahy ho vonona hiaritra fahasahiranana sasany ary hanaporofo amin’izy ireo amin’izany ny fitiavako sy ny fankasitrahako? Ampy ve ny fitiavako ireo mpianakaviko mba hanosika ahy hanome ohatra tsara ho azy ireo, ka izany dia angamba hanampy azy ireo handray soa amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny fiainana mandrakizay?’ — Matio 10:36-38; I Korintiana 7:12, 13, 16.

NY FAMANTARANA IZAY ITODIHAN’IREO FIRENENA

4. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa tia marina an’i Jehovah isika?

4 Na aiza na aiza iainany, ny taranak’olombelona dia tolorana ankehitriny fahafahana hanaporofo ny fitiavany an’i Jehovah amin’ny fanekena ny Fanjakana mesianika. Io fitondram-panjakana io tokoa no fomba hanamarinana ny anaran’i Jehovah. Ny fihetsitsika eo anoloan’ilay Fanjakana àry dia mampiharihary ny fihetseham-pontsika manoloana ny tenan’Andriamanitra mihitsy.

5. a) Inona no voambara ao amin’ny Isaia 11:10 momba ny androntsika? b) Inona no hevitr’ireo teny ireo?

5 Nanome tsindrimandry an’Isaia mpaminany Jehovah mba hanoratany izao: “Ary amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra.” (Isaia 11:10). Jesosy Kristy Tompo, ao amin’ny toerany be voninahitra no “Solofon’i Jese”. Rehefa nanomboka nampihatra ny fahefan’ny mpanjaka i Jesosy, tahaka ny ‘solofo’ mamelombelona, dia nanome aina vaovao ny tarana-mpanjaka mesianika avy amin’i Jese tamin’ny alalan’ny zanany, dia Davida mpanjaka (Apokalypsy 5:5; 22:16). Nanomboka tamin’ny 1914, dia ‘mitsangana ho fanevan’ny firenena’ izy, toy ny famantarana mamory ny olombelona rehetra maniry mafy fitondram-panjakana araka ny rariny. Ny tenan’i Jehovah mihitsy no nanandratra azy ho io Faneva io, ilay tena Mpanjaka mesianika. — Isaia 11:12.

6. a) Inona no nahatonga olona ho afaka hiangona manodidina ny mpanjaka iray any an-danitra? b) Inona no nianaran’ireo olona izay ‘nitady’ ilay “faneva”?

6 Nefa ahoana no ahafahan’olombelona miaina eto an-tany hivory hanodidina mpanjaka iray any an-danitra? Mila ny hampianarina amin’ny alalan’ny Baiboly izy ireo mba hahita azy amin’ny mason’ny saina. Eo ambany fitarihan’ny fanahy masina, ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy dia manatanteraka amin-jotom-po io asa fampianarana io amin’ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana mesianikan’Andriamanitra efa miorina ankehitriny. Misy olona avy amin’ny firenena rehetra nihaino io vaovao tsara io tamim-pankasitrahana. Notadiaviny izay hahalalana ny notakin’Andriamanitra taminy mba hahatongavany ho vahoakan’io Fanjakana io sy hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Rehefa nahafapo azy ireo ny valiny notsoahina avy tao amin’ny Baiboly, dia nampifanaraka ny fiainany tamin’izany izy ireo ary dia niandany tamin’ilay Fanjakana mesianikan’i Jehovah. Nanao toy izany koa ve ianao?

‘HANDRE IZY IREO NEFA TSY HANKATÒ’

7. Fihetsika manao ahoana manoloana ny hafatry ny Baiboly no nambaran’ny teny ao amin’ny Ezekiela 33:30-33?

7 Noho ny asany amin-jotom-po dia matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no fototry ny ady hevitra. Nefa ahoana no andraisan’ny olona ny hafatra toriny? Ny ankamaroan’izy ireo dia manana fihetsika toy ny an’ireo niara-babo tamin’i Ezekiela tany Babylona. Nanambara Jehovah momba azy ireo hoe: “Ary hianao, ry zanak’olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka (...) ka samy manao amin’ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’i Jehovah. Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia lasa nanaraka ny filan-karena. Koa, indro, hianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy. Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.” — Ezekiela 33:30-33.

8. Ahoana no ampisehoan’ny olona maro fa izany tokoa no fihetsiny?

8 Olona maro no midera ny Vavolombelon’i Jehovah ary mankasitraka ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nataony. Angamba aza izy ireny manaiky hianatra maimaimpoana ny Baiboly miaraka amin’izy ireo. Ny sasany dia tonga miaraka amin’ireo namany amin’ny fivoriana manokana alamin’ny Vavolombelona. Isan-taona, amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ohatra, dia tsy mahalana no ahitana mpanatrika avo roa heny noho ny isan’ny Vavolombelona miasa rehetra. Any amin’ny tany sasany aza io isa io dia avo dimy heny noho ny an’ny Vavolombelona. Nefa hataon’ireny olona ireny inona ny fahamarinana araka ny Baiboly henony? Mihoatra ny telo tapitrisa amin’izy ireny no nandray izany am-po sy nampifanaraka ny fiainany tamin’izany. Ary ireo hafa? Noheveriny ho toy ny mozika mahafinaritra izany, tsy mihoatra noho izany, toy ny zavatra mampiala voly azy. Mihatakataka izy ireo ary angamba manao teny fampaherezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy manolo-tena ho an’Andriamanitra na mandray anjara amin’ny fanompoana masina.

9. Ho solon’ny fisalasalana na fiandrasana fotsiny, inona no hataon’ireo hendry?

9 Inona no azo antenaina raha misalasala ka mijanona miandry fotsiny? Mazava ho azy fa tsy ny fankasitrahana na fiarovan’i Jehovah rehefa ho avy ny andro famaliany. Raha maniry ho anisan’ireo ho tafita velona ianao, dia tsy maintsy manome porofo mampiaiky dieny izao fa ‘manaiky an’i Jehovah’ ary azy. — Zakaria 2:15; Matio 7:21.

NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA TSARA IZY IREO

10, 11. a) Iza moa Hobaba, ary inona no nanasana azy hataony? b) Ahoana no ahafantarantsika ny fanapahan-keviny farany?

10 Ny lehilahy sy vehivavy rehetra nanjary mpianatr’i Jesosy Kristy, noho izany dia mpivavaka amin’i Jehovah, dia nanapa-kevitra manokana hanao toy izany. Toy izany no izy ho an’ireo ho mpandova ny Fanjakan’ny lanitra rehetra. Nefa ireo olombelona hafa dia tolorana koa ankehitriny ny tombontsoa tsy hay tombanana hanao ny safidiny amin’ny fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ary handray ny fahalavorariana eto an-tany. Momba izany, Hobaba dia namela ohatra mendrika ny harahina.

11 Hobaba dia zaodahin’i Mosesy. Tsy Isiraelita izy, nefa anisan’ny fokon’ny Kenita izay nonina tao amin’ny faritanin’i Midiana. Rehefa nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy ireo Isiraelita ary nahavita ny taberinakely masina ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, dia tonga ny fotoana ho azy ireo hizorana ho any avaratra, ho any amin’ny Tany nampanantenaina. Ny andry rahona izay nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah dia handeha hialoha azy ireo mba hanoro lalana azy sy hampiseho amin’izy ireo izay hitobiany. Nefa ho nilain’izy ireo ny hanana miaraka aminy, olona iray nahalala tsara ny tany ary hanampy azy ireo hahita ny zavatra tena ilaina amin’ny fitobiana. Nanasa an’i Hobaba àry Mosesy hiaraka amin’izy ireo, nefa dia nanda io, tamin’ny fiheverana fa tokony hijanona hiaraka amin’ny fianakaviany any amin’izay nahaterahany izy. Kanefa nanantitrantitra i Mosesy mba handinihany indray ny valinteniny sy hiarahany amin’izy ireo ‘ho masony’ ary handray soa amin’izany avy amin’ny fitahiana homen’i Jehovah ny vahoakany. Tamin’ny farany, araka izay lazain’ny Mpitsara 1:16, dia nanao zavatra tamim-pahendrena i Hobaba ary nanaiky. — Nomery 10:29-32.

12. a) Olona iza ankehitriny no manahaka an’i Hobaba, ary amin’ny lafiny inona avy? b) Fanasana inona mitovy amin’ny nataon’i Mosesy tamin’i Hobaba no atao ankehitriny?

12 Misy olona manana ho tandindona an’i Hobaba amin’izao androntsika izao. Na dia tsy Isiraelita ara-panahy aza izy ireo dia mamatotra ny anjarany aminy ary miara-dalana amin’izy ireo ho any amin’ny fandaharan-javatra vaovao haorin’Andriamanitra. Mba hanaovana izany, izy ireo dia tsy maintsy manapaka ny fifandraisana amin’ireo havana mifikitra amin’izao tontolo izao sy ireo fitondram-panjakan’olombelona. Teo ambany fitarihan’ilay Mosesy lehibe, dia Jesosy Kristy, izy ireo dia manompo amim-pifaliana eo anilan’ny sisa amin’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy ary matetika no manokatra faritany vaovao ho an’ny fitoriana ny vaovao tsara. Maro tamin’ireny olona ireny no nifindra tany amin’ny faritra izay ilàna indrindra mpitory ilay Fanjakana amin’ny maha-misionera na mpitory maharitra, amin’ny fanokanana fotoana betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana marina ho an’ny taranak’olombelona. Mbola misy fahafahana betsaka ihany handray anjara amin’io fanompoana masina io amin’izao andro izao. Ireo olona mahafeno ireo fepetra takina dia asaina mba ho afaka sy handray soa amin’ny fitahiana entin’io fanompoana manokana io. Afaka manao izany ve ianao?

13. a) Iza moa Jaela, ary nanao ahoana ny toeran’ny vadiny teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Ahoana no nisedrana an’i Jaela?

13 Tokony ho 180 taona taorian’ny nanapahan’i Hobaba hevitra hanaraka ny Isiraely, ny anankiray tamin’ireo taranany, lehilahy nantsoina hoe Hebera, dia nonina tsy lavitra an’i Megido niaraka tamin’i Jaela vadiny. Niaraka tamin’ireo Kenita hafa i Hebera ary tsara fihavanana tamin’i Jabina, mpanjaka kananita, izay nampahory mafy ny Isiraelita. Rehefa naniraka an’i Baraka hanafaka ny Isiraely Jehovah, Sisera, filohan’ny tafik’i Jabina, dia nanangona ny miaramilany sy kalesy sivinjato fitondra miady misy antsy vy fijinjana nipetaka tamin’ny kodia. Nefa niara-niady tamin’ny vahoakany Jehovah. Nasian’i Jehovah fisavoritahana tao amin’ny toby fahavalo ary tondra-drano tampoka izay nampihitsoka ireo kalesy mpiady. Nandao ny kalesiny i Sisera ary nandositra an-tongotra ho any amin’ny lain’i Jaela, vadin’i Hebera. Araka izay nantenain’i Sisera, dia nasain’io nandroso izy. — Mpitsara 4:4-17; 5:20, 21.

14. Fanapahan-kevitra inona no noraisin’i Jaela, ary nanome porofon’ny inona izy tamin’izany?

14 Teo no nanomboka ny fisedrana. Ahoana no hataon’i Jaela amin’ny fahavalon’i Jehovah? Norakofany lamba izy, nomeny ronono mandry hialany hetaheta ary nandrasany ny hatoriany. Tamin’izay izy “dia naka tsima-day (...) sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ny tany — fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra — ka dia maty izy.” Tsy maintsy ho be herim-po sy tia an’i Jehovah sy ny vahoakany izy mba hanaovana toy izany. Nitaky fihetsika manorina sy fiezahana lehibe avy taminy koa izany. — Mpitsara 4:18-22; 5:24-27, 31.

15. Ahoana no ampisehoan’olona fa manahaka an’i Jaela izy ireo ankehitriny?

15 Tahaka ireo mpivavaka amin’i Jehovah hafa tsy isiraelita, Jaela dia tandindon’ireo “ondry hafa” manao soa amin’ireo rahalahin’i Kristy ara-panahy. Tsy mampaninona izay fifandraisana mety hananan’ireo havany akaiky amin’izao tontolo izao sy ny kilasy mpitondra azy, ireo “ondry hafa” dia tsy mankasitraka ny fampahoriana ny vahoakan’i Jehovah ataon’ireo filohan’izao tontolo izao. Amin’i Baraka lehibe, Jesosy Kristy Tompo, sy ireo mpianany no ampisehoany ny fahatokiany. Ireo kristiana anisan’ny kilasin’i Jaela dia tsy manainga tanana hamely ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao, nefa mampiasa ny fomba rehetra eo am-pelatanany izy ireo mba hanoherana ny fiezahan’ireo mampahory ny mpanompon’i Jehovah. Tsy misalasala izy ireo mampahafantatra fa mitondra ny fanekeny feno ny fikasan’i Jehovah handringana ireo fahavalony rehetra.

16, 17. a) Ohatra mendrika ny harahina inona no voatantara ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-8? b) Inona àry no hataontsika hatrany aorian’ny batisantsika?

16 Tsy misy fotoana tokony hariana àry. Raha manam-pinoana marina an’i Jehovah sy ny Fanjakany mesianika ianao ary nampifanaraka ny fiainanao amin’ireo zavatra takin’ny Baiboly, dia ampahafantaro an-karihary izany ary tsy misy hataka andro. Manehoa toe-tsaina mitovy amin’ilay ionoka etiopiana resahina ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-8. Raha vao takany izay nandrasana taminy dia nanontany an’i Filipo izay nanazava taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy izy hoe: “Inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Dia nataon’i Filipo batisa avy hatrany izy.

17 Raha vao avy nandray io fiaingana tsara io ianao dia mitandrema isan’andro mba hanamafy orina ny fifandraisanao amin’i Jehovah; tadiavo izay fomba hampiharana tsara kokoa ny Teniny eo amin’ny fiainanao ary mandraisa anjara faran’izay betsaka azo atao amin’ny asa iankinan’ny aina tanterahina amin’izao andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny izao: ny fitoriana ilay Fanjakana.

[Fanontaniana]