Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no mitarika antsika ho amin’ny lalan’ny famonjena?

Iza no mitarika antsika ho amin’ny lalan’ny famonjena?

Toko Faha-9

Iza no mitarika antsika ho amin’ny lalan’ny famonjena?

1. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatafitana velona amin’ny “fahoriana lehibe”? b) Ahoana no nanehoana izany tamin’ny fomba nampiasan’Andriamanitra an’i Mosesy?

 TSY AZONTSIKA atao ny ho afaka amin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny sy ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra raha tsy amin’ny fanekena ny fitarihan’i Jesosy Kristy sy amin’ny fanehoana amin’ny fomba mampiaiky fa mihaino azy marina isika sady manaraka tokoa ny diany (Asan’ny apostoly 4:12). Voazava tsara izany tamin’ny alalan’ny ohatr’ireo zava-nitranga nialoha sy nanaraka ny fanafahana ny Isiraelita babo tany Egypta, tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tamin’ny fomba mahagaga no namonjen’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fampitana azy tamin’ny ranomasina Mena, ary taorian’izany, dia nofoanany ny tafika egyptiana nanenjika azy ireo. Tamin’izany rehetra izany Andriamanitra dia nampiasa an’i Mosesy ho mpitari-dalana ny vahoakany. — Josoa 24:5-7; Eksodosy 3:10.

2. a) Iza no nahaforona ny “olona maro samy hafa firenena” nandao an’i Egypta niaraka tamin’ny Isiraely? b) Inona no azo antoka fa nanintona azy ireny? d) Amin’ny lafiny inona no hisedrana azy ireo tsy ho ela?

2 Rehefa nivoaka avy tany Egypta ny Isiraelita tamin’ny fahatsinjovana ny hankany amin’ny Tany nampanantenaina, dia nisy olon-kafa niandany taminy. Izany no notantarain’i Mosesy tatỳ aoriana tamin’ny filazana hoe: “Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy.” (Eksodosy 12:38). Iza ireny olona ireny? Egyptiana sy vahiny hafa izay nampiray ny fiainany tamin’ny an’ny Isiraely. Vavolombelon’ireo loza nahatsiravina nalefan’i Jehovah tamin’i Egypta mpampahory izy ireny mba hanaporofoana fa izy irery ihany no Andriamanitra marina fa ireo Andriamanitr’i Egypta kosa dia diso sy tsy afaka manafaka ireo mpivavaka aminy. Ambonin’izany, izy ireo dia tsy misy isalasalana mihitsy fa nahare ny Isiraelita niresaka ny fanantenany hiaina ao amin’ny “tany tondra-dronono sy tantely” iray, ka izany dia noheveriny ho tsara (Eksodosy 3:7, 8; 12:12). Kanefa moa ve izy ireo koa nanaiky tsy nisy fepetra an’i Mosesy ho ilay natsangan’Andriamanitra ho filoha sy mpanafaka ny vahoakany? Tsy ho ela dia ho voasedra izy ireo amin’izay lafiny izay. — Asan’ny apostoly 7:34, 35.

3. a) Nahoana moa no niankinan’ny aina ny nanarahan’ny Isiraelita ny toromarik’i Mosesy? b) Amin’ny heviny ahoana izy ireo no “natao batisa ho amin’i Mosesy”? d) Nahoana no zava-dehibe ny handalovan’ny Isiraelita ara-panahy amin’ny batisa toy izany?

3 Raha mbola nanatona ny ranomasina Mena ny Isiraely sy ny “olona maro samy hafa firenena”, dia nanenjika azy ny mpanjakan’i Egypta sy ny miaramilany mba hahatonga azy ireo ho andevo indray. Raha tiany ny hafahana, dia nilain’izy ireo ny hitoetra miaraka sy hanaraka ireo toromarik’i Mosesy, satria tamin’ny alalany no nitarihan’i Jehovah azy. Tamin’ny fampiasana rahona nahagaga no nisakanan’i Jehovah ny fahavalo raha mbola nanasaraka ny ranon’ny ranomasina izy sady nanamaina ny fanambaniny. Mifanohitra amin’izay hihatra amin’ny Egyptiana aoriana kelin’izay, ny Isiraelita rehetra ary koa ny “olona maro samy hafa firenena” dia afa-nandositra tamin’ny fandehanana an-tongotra namakivaky ny ranomasina teo amin’ny tany maina teo ambany fitarihan’i Mosesy (Eksodosy 14:9, 19-31). Ny dian’izy ireo tao anatin’ny rindrin-drano roa sy teo ambany rahona, izany hoe ny fanatrehan’Andriamanitra, dia fisehoan-javatra tena lehibe aoka izany. Resahin’ny Baiboly ho toy ny batisa izany, tsy hoe batisa amin’ny rano amin’ny heviny ara-bakiteny akory, fa batisa ara-panoharana tamin’i Mosesy, mpaminanin’i Jehovah sady mpanafaka nirahiny ho azy (I Korintiana 10:1, 2). Toy izany koa, fa ny Isiraelita ara-panahy rehetra ho tafita velona amin’ny fandravana izao tontolo izao ratsy ankehitriny dia tsy maintsy mandalo amin’ny batisa toy izany amin’i Kristy, Mpanafaka azy ireo, sady manome porofo miharihary fa manaiky tanteraka ny fitarihany izy. Fa raha ny amin’ny “olona maro samy hafa firenena” amin’izao androntsika izao kosa, izy ireny dia tokony hanaraka ny dian’izy ireo.

4. Fahefana inona no nankinin’i Jehovah tamin’i Kristy?

4 Nomen’i Jehovah fahefana lehibe Jesosy Kristy Zanany. Tamin’ny alalany no nanaovany izay hetezan’ny ‘fanafahana antsika amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny’, mba tsy hahameloka antsika hitovy fiafarana mampalahelo aminy (Galatiana 1:3-5; I Tesaloniana 1:9, 10). Tamin’ny alalan’i Mosesy, Jehovah dia nanome ho an’ireo Isiraelita, lalàna maro izay hanankery avy hatrany eo amin’ny fiainany. Raha mankatò izany izy ireo, dia handray soa lehibe avy amin’izany, nefa kosa ny lalàna sasany dia nomanina hanameloka ho faty raha misy fandikana azy. Taonjato maro tatỳ aoriana, Jesosy dia tonga mpaminany lehibe kokoa noho Mosesy ary nampianatra ny “tenin’ny fiainana mandrakizay” izy. Ny tsy fankatoavana an-tsitrapo an’ireny teny ireny dia mitarika ho amin’ny fahafatesana, izay tsy mety hahitana fanafahana mihitsy. Iankinan’ny aina àry ny handraisantsika am-po izay lazainy. — Jaona 6:66-69; 3:36; Asan’ny apostoly 3:19-23.

5. Nahoana no hitantsika ho faniry ny hanekena an’i Kristy?

5 Ny fiheverana fotsiny ny tsy maintsy hanekena filoha iray dia tsy mahafaly ny sasany. Marina fa matetika izy ireny no vavolombelon’ny fanamparam-pahefana! Kanefa ny tenin’i Jesosy mihitsy dia ahitana taratry ny toe-tsaina manome toky. Araka izany, dia mandefa ho antsika izao fanasana amin-kafanam-po izao izy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30). Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra re izany! Izay manaiky io fanasana amin-kafanam-po io, amin’ny fananana fitokisana tanteraka amin’i Jesosy, dia tsy ho diso fanantenana (Romana 10:11). Hahita filaminana izy ireny sahala amin’ireo ondry ao amin’ny andiany iray tarihin’ny mpiandry anankiray feno fitiavana.

ILAY MPIANDRY TSARA

6. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny firenen’Isiraely no azo nampitahaina tamin’ny ondry ao anatin’ny vala iray? b) Mpiandry iza no nampanantenain’i Jehovah homena ireny “ondry” ireny, ary tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’izany fampanantenana izany?

6 Ny firenen’Isiraely dia azo nampitahaina tamin’ny andian’ondry anankiray fananan’i Jehovah. Nomen’izy io ny Isiraelita ny Lalàna izay niaro azy ireo, toy ny rindrin’ny vala iray, sy nampisaraka azy tamin’ny fomba fiainan’ireo firenena mpanompo sampy. Ny Lalàna koa dia nitarika ireo izay nanaraka fihetsika tsara ho amin’ny Mesia (Efesiana 2:14-16; Galatiana 3:24). Izao no nambaran’i Jehovah momba io Mpanjaka Mpiandry mesianika io: “Ary hanangana Mpiandry iray ho azy [ny ondriko] Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida mpanompoko.” (Ezekiela 34:23, 31). Tsy nilaza akory izany fa ny tenan’i Davida izay maty dia hanjaka indray eo amin’ny olon’Andriamanitra, fa Jehovah kosa dia hampipoitra mpanjaka mpiandry ao amin’ny taranak’i Davida nanana fiandrianana ka amin’ny alalany no hitondrany filaminana (Jeremia 23:5, 6). Tao anatin’ny fotoana samihafa, dia nisy olona nihambo tamim-pahadisoan-kevitra ho ny mpanafaka mesianika, kanefa tamin’ny 29 amin’ny fanisan-taona iraisana i Jehovah dia nampiasa an’i Jaona Mpanao batisa mba hampiseho an’i Jesosy Kristy tamin’ireo ‘ondrin’ny Isiraely’ sady hampahafantatra azy, niaraka tamin’ny porofo fanamafisana, fa izy no Mesia tena nirahiny. Jesosy no ilay Zanaka tany an-danitra, an’Andriamanitra izay namindra ny fiainany ho ao an-kibon’ny virijiny jiosy anankiray, mba hahaterahany ao amin’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Ny anarana hoe Davida dia midika hoe “malala”. Tena nety indrindra àry ny nanononan’i Jehovah avy tany an-danitra ary tamin’ny fomba ren’ny sofina, izao teny izao taorian’ny batisan’i Jesosy tao anaty rano: “Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.” — Marka 1:11.

7. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy, “ilay Mpiandry tsara”, ny halalin’ny fitiavany ny “ondry”? b) Tamin’ny ahoana ny fitondrantenany no hafa noho ny an’ireo mesia sandoka niseho teo alohany?

7 Efa-bolana latsaka talohan’ny hahafatesany, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.” (Jaona 10:11). Nampifanohitra ny fihetsiny tamin’ny an’ireo mesia sandoka tonga teo alohany izy, tamin’ny filazana hoe: “Izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry. Ary izy no vohan’ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ny vahiny.” — Jaona 10:1-5, 8.

8. a) Ho ao amin’ny “vala” vaovao inona no nitarihan’i Jesosy ny Jiosy nanaraka azy? b) Olona firy no nampidirin’i Jesosy tao anatin’io vala io?

8 Tao anatin’ny valan’ny jiosy, ireo izay nanaiky hotarihin’ny Lalàna, dia nanaiky an’i Jesosy, tamin’ny fahatsapana azy ho ny Mesia, rehefa nasehon’i Jaona Mpanao batisa, ilay “mpiandry vavahady”, azy ireo izy. Tamin’izany no namantarana azy ireny ho ‘tena ondrin’i Jesosy’, izay nitondra azy ho ao amin’ny vala ara-panoharana vaovao, an’i Jehovah. Io vala io dia mampiseho fifandraisana misy tombontsoa amin’i Jehovah, dia fifandraisana nanjary nety tamin’ny fanekena vaovao nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely ara-panahy ary nohamarininy tamin’ny ran’i Jesosy. Noho io fanekena io, ireny Isiraelita ara-panahy ireny dia afaka hahazo ny fiainana any an-danitra miaraka amin’i Kristy amin’ny maha-‘taranak’i Abrahama’, izay avy aminy no hanomezana fitahiana ho an’olona avy amin’ny firenena rehetra (Hebreo 8:6; 9:24; 10:19-22; Genesisy 22:18). Jesosy Kristy, izay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty mba homeny indray ny fiainana any an-danitra, no ‘vavahadin’ny’ valan’ny fanekena vaovao. Mifanaraka tsara amin’ny fikasan’ny Rainy, izy dia tsy nampiditra ho ao anatin’io vala io afa-tsy olona voafetra ihany ny isany, — dia 144 000 marina, — nofidina teo amin’ny jiosy aloha, avy eo, tatỳ aoriana dia teo amin’ny Samaritana ary farany dia teo amin’ny Jentilisa. Amin’ny maha-Mpiandry tsara azy, Jesosy dia mahafantatra ny tsirairay avy amin’ireo ondriny amin’ny anarany avy ary izy rehetra dia samy anehoany fikarakarana betsaka sy fitandremana avokoa, izany rehetra izany dia amim-pitiavana. — Jaona 10:7, 9; Apokalypsy 14:1-3.

9. Iza moa ireo “ondry hafa” noresahin’i Jesosy, ary oviana izy ireny no nangonina?

9 Kanefa, tsy Mpiandry ny “ondry vitsy” voaforon’ireo kristiana hahazo ny Fanjakana any an-danitra fotsiny akory Jesosy (Lioka 12:32). Izao no nanampiny: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (Jaona 10:16). Iza moa izany “ondry hafa” izany? Izy ireny dia olona tsy mba nampidirina ho ao anatin’ny fanekena vaovao, noho izany dia tsy Isiraelita ara-panahy. Nefa tafakambana akaiky amin’ireo mpikambana amin’ny Isiraely ara-panahy izy ireny raha mbola eto an-tany ireo ary mila ny karazana fiandrasana izay lazalazain’i Jesosy. Ny “ondry hafa” dia olona izay, mandritra izao andro farany izao, dia angonina ao anatin’ny fandaharan’i Jehovah ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany miorina amin’ny finoan’izy ireo ny vidin’ny ran’i Jesosy natao sorona. Mitovy amin’ny “olona betsaka” ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10, 14 izy ireo, koa dia manana fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe efa antomotra izy ireo.

10. Inona no tokony hatao mba hahatongavana ho anisan’ny “ondry hafa”?

10 Mba hilazana tena ho anisan’ireny “ondry hafa” resahin’ny Baiboly sy arovan’ilay Mpiandry tsara ireny, dia ilaina ny ‘mihaino’ ny feony sy manome porofo fa tena anisan’ny “andiany iray” izay ahitana ihany koa ireo tena mpandova ny Fanjakana any an-danitra ny tena. Izany ve no ataonao? Henoinao amim-pitandremana ve ny feon’ilay Mpiandry tsara?

11. Inona no hanaporofo fa ‘mihaino’ marina izay lazain’i Jesosy isika araka ny Jaona 15:12?

11 Azo antoka fa fantatrao fa nilaza Jesosy hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12). Misy heriny eo amin’ny fiainanao ve io didy io? Araka ny ohatra navelan’i Jesosy, moa ve ianao mampiseho ny karazam-pitiavana sahala amin’ny azy? Voamariky ny fandavan-tena marina ve izany? Asehonao amin’ny asanao sy ny fihetseham-ponao ve fa tia toy izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona kristiana sy ny fianakavianao ianao?

12. a) Raha ‘nampianarina tokoa tao amin’i Jesosy’ isika, fiovana inona no tokony hataontsika? b) Tokony hataontsika ahoana àry izay zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly?

12 Milaza ny apostoly Paoly fa raha ‘nahare’ marina an’i Jesosy isika ka ‘nampianarina tao aminy’, dia hiova ny maha-isika antsika iray manontolo. Hanary ny fitondrantena mifanaraka amin’ny fiainantsika tamin’ny lasa isika ary hitafy “ny toetra vaovao” ahitana taratr’ireo toetra tsaran’i Jehovah (Efesiana 4:17-24; Kolosiana 3:8-14). Rehefa mianatra ny Baiboly ianao, moa ve saintsaininao ireo lafin-javatra tokony hanaovanao fiovana mba hahafaly an’Andriamanitra? Manao marina tokoa izany fiovana izany ve ianao? Raketinao ao an-tsaina ve ny asa iankinan’ny aina nandidian’i Jesosy hotanterahina amin’izao andro izao, dia: ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina ankehitriny, ary mitady fomba handraisana anjara amin’izany ve ianao? Moa ve ny fankasitrahanao noho ny hatsaram-po amin’izay tsy mendrika akory nasehon’Andriamanitra taminao mamelona ao aminao ny faniriana amim-pahatsorana hanao zavatra tahaka izany? — Matio 24:14.

13. a) Ahoana no mety hamelantsika ny fontsika hamitaka antsika? b) Manao ahoana no tokony hanarahantsika ny dian’i Kristy?

13 Tokony hitandrina isika mba tsy hamitahan’ny fontsika antsika. Olona an-tapitrisany maro tokoa no manantitrantitra fa mino an’i Jesosy Kristy ary angamba aza afaka mitanisa sasantsasany amin’ireo fampianarany, kanefa tsy mampihatra afa-tsy izay tiany izy ireny. Misy sasany manary tokoa ny asa heveriny amim-pahatsorana ho ratsy, ary ny fahatsinjovana ny hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia mety ho toa mahafinaritra azy. Angamba aza izy mifanerasera amim-pifaliana amin’ireo izay miezaka amim-pahatsorana hampihatra eo amin’ny fiainany ireo fotopoto-pitsipika kristiana. Kanefa, raha maniry ho anisan’ireo ho tafita velona hampidirina ao amin’ny “tany vaovao” isika, dia tsy maintsy mihaino amim-pitandremana izay rehetra nolazain’i Jesosy. Tena ilaina ny hahatsapana fa tsy afaka mitondra tena irery amim-pahombiazana isika. Tokony hihaino ny Zanak’Andriamanitra izay nanankinan’i Jehovah ny fanirahana hamonjy ny vahoakany isika, ary hiahy amim-pitandremana ny hanarahana tsara ny diany. — Jeremia 10:23; Matio 7:21-27; I Petera 2:21.

[Fanontaniana]