Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao tontolo izao iray naringana

Izao tontolo izao iray naringana

Toko Faha-6

Izao tontolo izao iray naringana

1. a) Moa ve ny olombelona efa niatrika fandravana izao tontolo izao iray? b) Nahoana moa isika no tokony ho velom-pankasitrahana noho ny tsy nanamavoan’i Noa ny fampitandreman’Andriamanitra?

 FAHINY ela be, dia nanakaiky ny fandringanana azy ny izao tontolo izao iray. Afaka ny ho velom-pankasitrahana ankehitriny ny olona avy amin’ny firenena rehetra noho ny tsy nanamavoan’ny anankiray tamin’ireo razambeny ny fampitandreman’Andriamanitra nanambara ny fahatongavan’ny safodrano iray naneran-tany. Io lehilahy io, i Noa, dia nihaino sy nankatò, hany ka tafita velona tamin’izany izy sy ny vadiny, ireo zanany lahy telo ary ny vadin’ireo. Avy tamin’izy ireo no niaviantsika rehetra. — Genesisy 10:1, 32.

2. Nahoana moa Andriamanitra no nandrava izao tontolo izao taloha?

2 Matoa nandringana an’izao tontolo izao taloha Andriamanitra dia noho ny fahatsapany fa feno herisetra ny tany. “Fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:3, 5, 13). Nitovy be dia be amin’izay hitantsika amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao ny tarehin-javatra.

3. Inona no nitarika ho amin’ny tarehin-javatra sarotra toy izany?

3 Fa inona anefa no nahatonga ny tarehin-javatra ho sarotra toy izany tamin’ny andron’i Noa? Omena antsika ao amin’ny Genesisy 6:2 ny foto-javatra iray amin’ny valiny lehibe tokoa. Izao no vakintsika: “Dia hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Fa inona no naha-ratsy izany? Satria, tsy lehilahy tsotra fotsiny no nanapa-kevitra hanambady. Tsia, fa ireny “zanak’Andriamanitra [zanak’ilay Andriamanitra marina, MN]” ireny dia anjely, zavaboary ara-panahy izay, rehefa nandinika ireo vehivavy tsara tarehy teto an-tany ka nahamarika fa nitondra fahafinaretana ny fanambadiana, dia nitafy vatan’olombelona (jereo Joba 1:6). Tamin’ny fitafiana vatana ara-nofo handraisana tenan’olombelona, avy eo dia nanambady, izy ireny dia tsy nankatò an’Andriamanitra. Milaza tokoa ny Soratra masina fa “nandao ny fonenany” izy ireny ary ny firaisany tamin’ny vehivavy dia “fanarahana nofo hafa [tsy araka ny natiora, MN]”, fanao ratsy (Joda 6, 7; I Petera 3:19, 20). Natanjaka tsy toy ny fahita ny zanak’izy ireny metisy. Nantsoina hoe Nefilima na “mpanjera” ireo satria olona nahery setra. — Genesisy 6:4.

4. a) Nahoana moa i Noa no nahita fitia teo imason’Andriamanitra? b) Inona no natao mba ho fitsimbinana aina?

4 Na dia velona tao anatin’izany izao tontolo izao izany, dia izao tontolo izao ratsy fanahy, aza i Noa, dia nahita fitia teo imason’i Jehovah. Nahoana? Satria “lehilahy marina” izy. Fantany tsara ireo fanontaniana napetraka tao Edena, ka niseho ho tsy nanan-tsiny, “tsy nivadika” izy. (Genesisy 6:8, 9; Bible de Jérusalem.) Mba hiarovana ny ain’i Noa sy ny fianakaviany, ary koa santionany tamin’ny karazam-biby tsirairay avy teto an-tany mbamin’ny voro-manidina, Jehovah dia nandidy an’ilay patriarka hanamboatra sambo fiara, dia vata iray makadiry. Nanazava izy hoe: “Indro, izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-pofonaina ambanin’ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ny tany.” (Genesisy 6:13-17). Nanao zavatra tamim-pahendrena i Noa. Nihaino an’Andriamanitra sy nankatò azy izy.

5. Nanao ahoana ny halehiben’ny safodrano?

5 Tonga tampoka tamin’ny 2370 alohan’ny fanisan-taona iraisana ny safodrano, araka ny fandaharan-taona novoaboasana tao amin’ny Baiboly. Izany no loza aman’antambo lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona hatramin’izao. Lehibe aoka izany ny safodrano hany ka “voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ny lanitra rehetra”. (Genesisy 7:19.) Tamin’izany fomba izany no “nandravana izao rehetra izao taloha”. (II Petera 3:6.) Nefa hisy angamba hanohitra hoe: ‘Raha toa ka voasarona na dia ny tendrombohitra avo indrindra aza, aiza àry izao izany rano rehetra izany?’ Tsy misy isalasalana fa eto an-tany ihany.

6. Taiza no niangonan’ny rano rehetra taorian’ny safodrano?

6 Ilaina ny mahalala tsara fa tsy milaza akory ny Baiboly fa nisy tendrombohitra nitovy haavo amin’ny tendrombohitra Everest tamin’ny andron’i Noa. Nisy manam-pahaizana nanazava fa tendrombohitra maro tamin’ny lasa no iva lavitra noho ny ankehitriny ary ny sasany aza nipoitra avy tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Fanampin’izany, dia inoana fa nisy fotoana sasany naha-kely kokoa ny velaran’ireo ranomasina lehibe noho ny amin’izao fotoana izao ary ny kontinanta dia nitana velarana lehibe lavitra. Manamarina izany ny fandrosoan’ny fanambanin-dranon’ny ony sasany faran’izay lavitra any an-dranomasina. Raha niresaka ny toetoetry ny ankehitriny ny revio National Geographic tamin’ny janoary 1945 dia nilaza hoe: “Impolo lehibe lavitra noho ny an’ny tany eo ambonin’ny faritry ny ranomasina ny hadirin’ny ranon’ireo ranomasina lehibe. Raha tadiavina hototofana amin’ny alalan’ny tendrombohitra ny fanambanin’ny ranomasina, ny planeta iray manontolo dia ho rakotry ny rano iray ‘mile’ sy sasany [tokony ho roa kilaometatra sy sasany eo ho eo].” Toy izany indrindra fa rehefa avy niantonta tambonin’ny tany ny ranon’ny safodrano, nefa raha mbola tsy nampisintona ny rano teny amin’ireo kontinanta ny fisondrotry ny tendrombohitra sy ny filetsin’ny fanambanin’ny ranomasina, ary raha mbola tsy niangona tany amin’ny faran’ny tany avaratra sy atsimo indrindra ny ranomandry, dia nisy rano be dia be nihoatra noho izay tokony ho izy mba handrakotra “ny tendrombohitra avo rehetra”, araka ny ilazan’ny Baiboly azy. — Genesisy 7:17-20; 8:1-3; jereo Salamo 104:8, 9.

7, 8. Fanambarana inona momba ny safodrano no hitantsika ivelan’ny Baiboly?

7 Ny safodrano naneran-tany toy izany dia azo antoka fa nanaitra tamin’ny fomba tsy azo kosehina ny sain’ireo tafita velona izay tsy nanadino ny niresaka ny amin’izany tamin’ireo taranaka nanaraka. Koa satria ny Baiboly manamarina fa avy amin’io antokon’olona tafita velona io ihany avokoa ny firenena rehetra, dia ara-dalàna ny hanampoizana hahita indray ny fahatsiarovana izany loza aman’antambo tsy fahita izany ao amin’ny lovantsofin’ny mponina avy amin’ny faritra rehetra eto ambonin’ny tany. Toy izany tokoa ve no nitranga? Izany tokoa.

8 Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ny taranak’ireo tafita velona, izay nifindra monina nankany amin’ny faritra lavitra dia lavitra, dia nanova ny antsipirian’ny tantara ka nampifanaraka izany tamin’ireo finoana ara-pivavahana teo amin’ilay toerana. Tsy azo atao loatra anefa ny milaza fifanandrifian-javatra fotsiny mba hanazavana fa, any amin’ny faritra rehetra eto amin’ny gilaoby, dia misy lovantsofina tranainy tokoa miresaka ny amin’ny safodrano nahatalanjona iray nandringana ny olombelona, afa-tsy ain’olona sasantsasany fotsiny niara-notsimbinina. Ahitana fahatsiarovana ny amin’io zava-nitranga io any Mesopotamia sy any Azia, any Aostralia sy ireo nosy Pasifika, ao amin’ny ankamaroan’ireo fokom-pirenena indiana any Amerika Avaratra sy Atsimo, ao anatin’ireo lovantsofin’ny Grika sy Romana fahiny, any Skandinavia ary koa ao amin’ireo fokom-pirenen’i Afrika. Maro be amin’ireny fitantarana ireny no milaza fa narovana tao anaty sambo iray niaraka tamin’olombelona ny biby. Milaza, sahala amin’ny Baiboly, ny sasany fa nisy vorona nalefa tany ivelan’ny sambo fiara mba hahafantarana raha efa nihena ny rano (jereo Genesisy 7:7-10; 8:6-12). Tsy misy mihitsy zava-nitranga hafa taloha namela fahatsiarovana toy izany tao an-tsain’ny olombelona.

9. Lovantsofina inona avy no ahitana tsara taratry ny fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin’ny “volana faharoa” araka ny fanisanandron’i Noa?

9 Ankehitriny koa, ny fanao sasany dia misy ifandraisana amin’ireo antsipiriany ara-tantara mifandray amin’ny safodrano. Ahoana izany? Izany hoe, milaza ny Baiboly fa nanomboka “tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa” ny safodrano. Io “volana faharoa” io dia mifanitsy amin’ny faran’ny oktobra sy ny voalohan’ny novambra amin’ny fanisanandrontsika (Genesisy 7:11). Ary anefa, tsara ny anamarihina fa mankalaza andro iray ho an’ny maty na fety iray ho an’ireo razana ny olona amin’io fotoana ao anatin’ny taona io any amin’ny faritra maro eto amin’ny gilaoby. Inona no azo lazaina amin’izany raha tsy hoe ahitana tsara taratry ny fahatsiarovana ny fandravana nentin’ilay safodrano a ireny fanao ireny?

10. Nahoana moa ny tantaran’ny safodrano araka ny Baiboly no mendrika inoana sy tena sarobidy ho antsika?

10 Ao amin’ny Baiboly ihany anefa na izany aza no ahitana fitantarana tsy miova an’io zava-nitranga io. Voarakitra tatỳ aoriana ao anatin’io boky io ny zavatra hitan’i Noa sy niainany. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanisy fitenenana ny amin’ny “ranon’i Noa” raha niteny tamin’ny alalan’Isaia mpaminany izy. (Isaia 54:9.) Vavolombelon’ireo zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa ny zanak’Andriamanitra lahimatoa. Tatỳ aoriana, fony izy tetỳ an-tany, tamin’ny anarana hoe Jesosy Kristy, dia nolazainy ho toy ny zava-nitranga ara-tantara ny safodrano ary nohazavainy ny antony nahafaty olona maro be tamin’izany.

“TSY NAHAFANTATRA NA INONA NA INONA IZY IRENY”

11. Nahoana ny olona maro be no ringana tamin’ny safodrano?

11 Tsy nilaza akory Jesosy fa naditra sy feno herisetra ny olombelona rehetra afa-tsy ny fianakavian’i Noa. Tsia, fa izao no nambarany: “Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny Sambo-fiara, ary tsy fantany [tsy nahafantatra na inona na inona izy ireny, MN] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona [Jesosy Kristy.]” — Matio 24:37-39.

12. “Tsy nahafantatra na inona na inona izy ireny”. Nahoana izany no tena ratsy?

12 Tsy ratsy akory ny nihinana sy nisotro tamim-pahalalana onony na nanao fifanekena tamin’ny fanambadiana mendri-kaja. Nefa kosa, rehefa nampandrenesina ny fahantomoran’ilay loza aman’antambo naneran-tany ireo mpiarabelona tamin’i Noa, dia nanohy nampifantoka ny fiainany rehetra tamin’ny fanomezana fahafahampo ireny fanirian’ny tenany manokana ireny. Nasehony tamin’izany fa raha ny marina dia tsy ninoany na Noa na Jehovah Andriamanitra izay notorian’ilay patriarka ny hafany fampitandremana. Raha nampiseho finoana izy ireny, dia ho nitady tamim-pahatsorana hamantatra ny fomba nety hahatafitana velona ka nanao zavatra tsy nitaredretra hamenoana ireo fepetra notakina. Angamba ny olona sasany niaiky ihany fa nilainy ny hanaovan-javatra hamaranana ny herisetra niely aoka izany tamin’izany fotoana izany, saingy toa sarotra ninoana taminy ny fisian’ny safodrano maneran-tany. Araka ny nanambaran’i Jesosy azy dia “tsy nahafantatra na inona na inona izy ireny [tamin’ny tsy fiheverana ny hafatr’Andriamanitra nampitain’i Noa] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. Voasoratra izany ho fampitandremana antsika.

13. a) Araka ny efa nambara, ahoana no fihetsiky ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao rehefa lazaina aminy fa manatrika amin’ny fomba tsy hita maso Kristy ankehitriny, ary nahoana? b) Araka ny nolazain’i Petera, inona no tsy fantatr’izy ireny?

13 Toy izany koa, teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, ny apostoly Petera dia nanoratra toy izao ho fampitandremana: “Amin’ny andro farany [izay iainantsika ankehitriny] dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” Tsy maniry hanefa na inona na inona ho an’olona na iza na iza izy ireny. Ailiny tsy ho ao an-tsainy àry ny fiheverana fa efa manatrika Kristy ankehitriny sy izay ho hevitr’izany ho an’izay manohy manaraka fiainana ratsy. Nanampy teny toy izao anefa i Petera: “Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” — II Petera 3:3-7.

14. Nahoana moa ny fahatanterahan’ny “tenin’Andriamanitra” tamin’ny famoronana sy tamin’ny andron’i Noa no tokony hampieritreritra antsika tsara?

14 Tsy raharahain’ny mpaniratsira ny amin’ny hoe tsy mbola tsy tanteraka mihitsy “ny tenin’Andriamanitra”. Mba hanoherana ny fanjohin-kevitr’izy ireny, Petera dia mitondra antsika ho any amin’ny famoronana fony Andriamanitra nanambara hoe: “Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ny rano izy!” Taorian’izany, “Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka”. Tanteraka araka izany “ny tenin’Andriamanitra”, dia ny fanambarany milaza ny fikasany (Genesisy 1:6, 7). Tanteraka ihany koa ny teniny fony izy nampiasa ireny rano ireny handringanana “izao tontolo izao taloha”, rehefa avy nilaza mialoha ny hahatongavan’ny safodrano haneran-tany iray. Ary mbola amin’ny alalan’io teny tsy hay toherina io ihany, ny an’Andriamanitra, no ho tonga amin’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny ny fandringanana.

15. a) Nahoana moa ny II Petera 3:7 no tsy mamela hihevitra fa ny tany mihitsy no ho levon’ny afo? b) Inona àry raha izany ny “lanitra” sy ny “tany” “hazonina ho amin’ny afo”?

15 Nahaforona ohatra ny amin’ireo zavatra hiseho amin’ny ho avy izay nitranga tamin’ny fotoan’ny safodrano. Tsy ny tany akory no nofoanana, fa ny olona ratsy fanahy. Ahoana àry no handraisana ny hevitr’ireto teny ireto: “Fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonina (...) ho amin’ny afo.” (II Petera 3:7; 2:5). Inona no mety ho herin’ny afo, eo amin’ny masoandro sy ny kintana eo amin’izao rehetra izao hita maso efa midedadeda aoka izany? Ambonin’izany, moa ve ny fandravana ny tany amin’ny afo hifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra milaza indrindra ny hanaovana azy ho Paradisa? Miharihary fa “ny lanitra sy tany ankehitriny” resahin’i Petera dia tsy maintsy ara-panoharana (jereo Genesisy 11:1; I Mpanjaka 2:1, 2; I Tantara 16:31). “Ny lanitra” dia mampiseho ireo fahefana ara-pitondram-panjakana manapaka ny olombelona amin’ny ankapobeny, fa “ny tany” kosa manondro ny fitambaran’olona ratsy fanahy. Ho levona tanteraka sahala amin’ny amin’ny afo izy ireo amin’ny andro lehiben’i Jehovah. Manao izay hahatandindomin-doza ny fiainany àry ireo izay manohy maniratsira ny fampitandreman’Andriamanitra.

NY FANAFAHANA NY OLONA TIA FIVAVAHANA

16. Araka ny II Petera 2:9, inona no tena ilaina mba hahavoavonjy?

16 Ny tantaran’ny safodrano dia ohatra manazava amin’ny fomba mahatalanjona ny fahamarinana iray tokony horaisintsika am-po amin’izao andro izao. Inona izany? Izany hoe, rehefa avy nampahatsiahy ny fandraisan’Andriamanitra anjara tamin’ny andron’i Noa, ny apostoly Petera dia nanatsoaka hevitra hoe: “Dia fantatry ny Tompo [Jehovah, MN] izay hamonjeny ny tsara fanahy [hanafahany ny olona tia fivavahana, MN] amin’ny fakam-panahy sy hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana [hofoanana, MN] ho amin’ny andro fitsarana.” (II Petera 2:9). Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany hahavoavonjy àry: ny mampiseho fitiavam-pivavahana.

17. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Noa porofon’ny fitiavany fivavahana?

17 Fa inona anefa no tiana holazaina amin’izany? Azo antoka mihitsy fa lehilahy tia fivavahana i Noa. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” izy. (Genesisy 6:9.) Nanana fiainana nifanaraka tamin’ny sitrapo voambaran’i Jehovah izay nitanany fifandraisana akaiky izy. Nampiseho asa goavana ny fanamboarana ny sambo fiara sy fanangonana ny santionany tamin’ny karazam-boro-manidina sy biby rehetra. Tsy nanantena fotsiny anefa i Noa; nanam-pinoana izy. “Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony”. (Genesisy 6:22; Hebreo 11:7.) Tsy maintsy nampahatsiaro ny olombelona ireo làlana marin’i Jehovah sy nampiomana azy ireny ny amin’ny fandringanana tsy ho ela ny ratsy fanahy izy. Nanefa io asa nanirahana io ihany koa i Noa tamin’ny naha-“mpitory ny fahamarinana”. — II Petera 2:5.

18. Nahoana moa ny tsirairay avy tamin’ireo tafita velona tamin’ny safodrano no tsy maintsy naneho fitiavam-pivavahana toy izany koa?

18 Inona no holazaina ny amin’ny vadin’i Noa, ireo zanany lahy ary ny vadin’ireo? Noa no resahin’ny fitantaran’ny Baiboly be indrindra satria izy no filohan’ilay fianakaviana, kanefa ireo mpianakavy hafa dia tsy maintsy nampiseho fitiavam-pivavahana koa. Nahoana? Satria, tatỳ aoriana, raha niteny tamin’ny mpaminany Ezekiela i Jehovah, dia niankina tamin’io fisehoan-javatra io mba hampisehoana fa raha nonina tany amin’ny tanin’ny Isiraely Noa tamin’izay, ireo zanany dia tsy ho afaka nanantena ho voavonjy satria fotsiny olo-marina ny rainy. Efa ampy taona hisafidy na ny fankatoavana na ny tsy fankatoavana izy ireo. Tsy maintsy nampiseho isam-batan’olona ny fitiavany fivavahana àry izy ireo, izany hoe ny fifikirany tamin’i Jehovah sy ireo lalany marina. — Ezekiela 14:19, 20.

19. Inona àry no tokony hataontsika, ary amin’ny fomba ahoana?

19 Koa satria azo antoka ny fandravana tsy ho ela izao tontolo izao ankehitriny, ny Baiboly dia mamporisika antsika tsy hanadino izany sy haneho ihany koa porofon’ny fitiavantsika fivavahana (II Petera 3:11-13). Any amin’ny faritra rehetra eto an-tany, dia misy taranak’i Noa manaraka amin’izao andro izao io torohevitra feno fahendrena io, izay hahatonga azy ireny ho anisan’ireo ho tafita velona hiditra ao amin’ny “tany vaovao”.

[Fanamarihana ambany pejy]

a The Worship of the Dead (Londres; 1904) nataon’ny kolonely J. Garnier, pejy faha 3-8; Life and Work at the Great Pyramid (Edimbourg; 1867), boky II, nataon’ny profesora Piazzi Smyth, pejy faha-371-424.

[Fanontaniana]