Madiva ho tapitra ny fanisana miverina
Toko Faha-24
Madiva ho tapitra ny fanisana miverina
1. Araka ny fiheveran’ny manam-pahaizana ambony, lavitra ve ny “Fitsarana farany”?
TAMIN’NY 1947, ireo manam-pahaizana dia namorona “famantaranandron’ny Fitsarana farany”. Hita teo amin’ny fonon’ny Filazam-baovaon’ny manam-pahaizana ataomista (anglisy) izany ary, araka ny filazan’izy ireo, dia natao hanairana ny fiheverana fa antomotra amin’ny fomba mampidi-doza ny fandringanana izao tontolo izao amin’ny ady noklehera iray. Narosony na nahemony imbetsaka ireo fanjaitran’io “famantaranandro” io, arakaraka ny niheverany fa mampidi-doza kokoa na tsia ny tarehin-javatra niraisam-pirenena. Teo am-piandohan’ny 1984 izy ireo dia naroso mba ho amin’ny misasakalina latsaka telo minitra sisa. Raha manamarika ny misasakalina indray andro any ireo fanjaitra, dia ho efa nanomboka ilay ady noklehera atahorana aoka izany.
2. Oviana moa Jehovah no nanomboka ny fanisana miverina, ary hilaza inona ny zerô?
2 6 000 taona lasa anefa izay Jehovah Andriamanitra dia nanome fiaingana ho an’ny fanisana miverina izay mitohy tsy azo sakanana ary tsy hajanona mihitsy. Ny zerô dia mifanitsy amin’ny ora noferany mba hanamarinana ny fiandrianany, dia fanaovan-javatra iankinan’ny fiadanana sy ny fahasambarana eo amin’izao rehetra izao manontolo. Nampiharihary mazava ny fikasany Jehovah ary nanomana marika famantarana mahatonga antsika ho afaka hanavaka ny fandrosoan’izany. Taorian’ny fikomiana tany Edena avy hatrany, dia nampanantena izy fa hanome, amin’ny alalan’ny ‘vadiny’, dia ny fandaminany voaforon’ireo zavaboariny ara-panahy mahatoky, “taranaka” izay hanorotoro loha sy hanafoana mandrakizay an’i Satana, “menarana ela”. (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:9; Romana 16:20.) Tsy andrin’ny olona tia ny rariny izay hahatongavan’io fotoana io.
3. a) Inona no mampiseho fa efa voalaza mialoha tamim-pitandremana tao amin’ny fotoana ny hahatongavan’ny Mesia? b) Fanorenana inona no napetraka tamin’izany?
3 Tamin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra sy nambara taloha ela be, io “taranaka” nampanantenaina io, ny Mesia, ny Zanak’Andriamanitra, dia niseho teto an-tany. Namaly tamin’ny fomba nanakoako ny fihaikana nalefan’i Satana i Jesosy ka nitana fitiavam-pivavahana tonga lafatra hatreo amin’ny fahafatesany. Ambonin’izany, tamin’ny fahafatesany tamin’ny naha-olombelona tanteraka, dia nomeny koa ny avotra izay mahatonga ho afaka hanavotra ny taranak’i Adama amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Napetraka tamin’izany ny fototra izay hahatonga ho afaka “handrava ny asan’ny devoly”. — I Jaona 3:8; Daniela 9:25; Galatiana 4:4, 5.
4. a) Fony izy teto an-tany, antokon’olona iza no nanomboka nangonin’i Jesosy? b) Mifanaraka amin’ny fandaharana nomanin’Andriamanitra, oviana moa Jesosy no nanomboka nanjaka? d) Inona no anankiray tamin’ireo zavatra nataony voalohany?
4 Fony izy teto an-tany, dia nanomboka nanangona lehilahy sy vehivavy hiara-handova ny Fanjakan’ny lanitra aminy i Jesosy. Amin’ny fitambarany rehetra, dia ho olona mahatoky sy voasedra 144 000 monja izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana hanangonana ireo mpikambana farany amin’io antokon’olona io, dia nomena an’i Jesosy izay tany an-danitra tamin’izay ny “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” (Daniela 7:13, 14). Tamin’ny 1914, tamin’ny fotoana voatendry indrindra, dia niditra hiasa tamin’ny naha-Mpanjaka nitafy fahefana izy ary nandroaka avy hatrany an’i Satana sy ireo demoniany avy any an-danitra, ka nanadio tamin’izany ny foiben’ny fitondram-panjakany (Apokalypsy 12:7-12). Niditra tao anatin’ny androny farany ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny.
5. Iza no mbola ho velona mba ho vavolombelon’ny fanamarinana ny fiandrianan’Andriamanitra?
5 Tsy lavitra ny zerô ny fanisana miverina izay nanomboka 6 000 taona teo ho eo izay. Akaiky aoka izany io fotoana io, hany ka ny olona velona tamin’ny 1914 izay efa be taona tokoa ankehitriny, dia tsy hanjavona eto an-tany daholo akory alohan’ny hahatongavan’ireo fisehoan-javatra hahatalanjona izay hanamarika ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah. — Marka 13:30.
6, 7. a) Toe-javatra inona mahakasika ny “olona betsaka” no mampiseho fa tokony ho akaiky ny fahoriana lehibe? b) Nahoana moa ireo anisan’izany olona betsaka izany no mihevitra ny ho avy amim-pahalianana lehibe?
6 Hisy mpanompo mahatokin’Andriamanitra hafa koa anefa hahita maso ireo fisehoan-javatra hampiavaka an’io andro lehibe io. Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, daty nahafantarana mazava ny atao hoe “vahoaka maro be” na “olona betsaka”, dia olona maro anisan’izany no nanomboka niseho. Niisa ho an-jatony maro aloha izy ireny, avy eo dia an’arivony maro, taty aoriana kely dia ana hetsiny maro, ary ankehitriny dia an-tapitrisany maromaro izy ireny maneran-tany. Ny Tenin’Andriamanitra tsy mety diso dia mampiseho izany olona maro be izany ho “avy tamin’ny fahoriana lehibe”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tafita velona amin’izany izy ary ampidirina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra ka tsy voatery ho faty (Apokalypsy 7:9, 10, 14; Jaona 11:26). Ankehitriny ny tranainy indrindra anisan’izany “olona betsaka” izany dia 60 taona, 70 taona na mihoatra. Tsy navelan’i Jehovah hanomboka aloha loatra ny fanangonana azy ireo. Araka izany, ny “olona betsaka”, misy maro be amin’ireo anisany tranainy indrindra, dia ho tafita velona ka handova ny “tany vaovao”.
7 Ny fanantenan’ny “olona betsaka” dia tsy hofoanana amin’ny alalan’ny loza aman’antambo noklehera iray izay handringana ny olombelona rehetra. Manana antony tsara tokony hijerena lafitsaran-javatra sy hahabe herim-po àry ireo anisany. Arakaraka ny fandehan’ny fisehoan-javatra nanamarika ny “andro farany”, dia nandinika izany tamim-pahalianana lehibe izy ireo, sady nanaraka izao torohevitr’i Jesosy izao: “Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Kanefa, mandritra ny fotoana sisa tavela alohan’izany fanafahana izany, dia mbola tokony hitranga ny fisehoan-javatra hampitolagaga hafa.
FISEHOAN-JAVATRA MBOLA VAO HO AVY
8. a) Fisehoan-javatra lehibe inona voambara ao amin’ny I Tesaloniana 5:3 no mbola vao ho avy? b) Ahoana no nametrahana eo amin’ny toerany efa hatramin’ny ela be ny foto-javatra hilaina amin’io fisehoan-javatra io? d) Tao anatin’izao taona faramparany izao, fihetsiketsehana inona avy no nanery ireo mpitondra mba hanorenany fiadanana?
8 Raha nanambara ny anankiray tamin’ireny fisehoan-javatra ho avy ireny ny apostoly Paoly, dia nanoratra toy izao: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tsy maintsy ho tonga avy hatrany aminy ny fandringanana tampoka, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka; ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” (I Tesaloniana 5:3, MN). Tsy maintsy miandry isika mba hahitana hoe amin’ny endriny ahoana no hanaovana an’io fanambarana io. Tsara anefa ny manamarika fa ireo foto-javatra mahatonga ho afaka hanao izany fanambarana izany dia efa napetraka eo amin’ny toerany taoriana kelin’ny fanombohan’ny “andro farany” ho an’izao tontolo izao ankehitriny. Tamin’ny 1919 dia tena nambara fa ny zava-kendren’ny Fikambanam-pirenena dia ny hanorina indrindra ‘ny fiadanana sy ny filaminana’. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanambara ny fitsipika itondrana ny Firenena mikambana fa ny fitandroana ‘ny fiadanana sy ny filaminana’ no zava-nokendren’io fandaminana iraisam-pirenena io lehibe indrindra. Tsy tratra anefa io zava-kendrena io. Tao anatin’izao taona faramparany izao anefa, dia nisy olona avy amin’ny ambaratonga ara-tsosialy rehetra nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana goavana tany amin’ny tany maro mba hanosehana ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao hamarana ny fanamboarana, ny fanandramana ary ny fampiasana be dia be fitaovam-piadiana noklehera. Irin’ireny olona ireny ho azo antoka ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao ka raiki-tahotra izy ireny mieritreritra hoe hanao ahoana, araka ny fiheviny, ny fiafarana iray.
9. Nahoana ny fandringanana tampoka no hamely an’ireo ho nankasitraka ny fanambarana hoe: “Fiadanana sy filaminana!”?
9 Na noho izany fihetsiketseham-bahoaka izany na noho ny fitarihan-javatra hafa, tsy ho ela ireo filoha olombelona dia hanao ny fanambarana lehibe hoe: “Fiadanana sy filaminana!” Ho ivelany fotsiny izany fiadanana izany, nefa ireo izay ho nankasitraka izany fanambarana izany dia hanantitrantitra fa nahatratra an’io zava-kendrena io tamin’ny fomban’ny tenany ihany, fa tsy nila ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho ny fandavany ny fiandrianan’i Jehovah no ‘tsy maintsy hahatongavan’ny fandringanana tampoka aminy’.
10. Nahoana no azo atao ny milaza fa efa mandroso ny tarehin-javatra ho amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe?
10 Rehefa avy eo dia handroso haingana ireo fisehoan-javatra. Horavan’ireo sakaiza ratsiny ara-politika taloha Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Dieny ankehitriny dia mpitondra maro no mahatsapa tanteraka fa ny fivavahana dia hery hiray fanakorontanana izay niteraka fankahalana sy fandatsahan-dra ary ady saika hatraiza hatraiza maneran-tany. Leon’ny fanerena ampiharin’ny klerjy ireo mpanao politika. Any amin’ny ankamaroan’ny tany, dia nihena be dia be ny isan’ny mpanatrika ireo fotoam-pivavahana. Manjaka ankarihary ireo hevitra mampiseho tsy finoana an’Andriamanitra na amin’ny fomba miafina eo amin’ny hevi-bahoaka. Afa-tsy izany koa, dia firenena maro be mpikambana ao amin’ny O.N.U. no nanaraka politika manohitra fivavahana tsotra izao. Rehefa ho tonga ny ora voatendrin’i Jehovah mba hampiharana ny didim-pitsarany, dia homeny lalana ireo mpitondra ara-politika hanao fihetsiketsehana iraisam-pirenena lehibe mba hamelezana an’i Babylona Lehibe sy handravana azy tanteraka. — Apokalypsy 17:15, 16; 19:1, 2.
11. a) Hitodika any amin’iza rehefa avy eo ireo firenena? b) Hiafara amin’ny fisehoan-javatra hafa inona avy izany?
11 Ho mamon’izany fandresena izany sy hotairin’i Satana Devoly, filohany tsy hita maso, ireo firenena ka rehefa avy eo dia hamely ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky eto an-tany (Ezekiela 38:14-16). Tsy horaharahain’izy ireny mihitsy ny hoe tsy tia ady sy mpanara-dalàna ireo, tsy mitsabaka amin’ny politika ary tsy tompon’andraikitra velively amin’ireo ady. Hitaky fanohanana tanteraka ireo firenena, hitaky fankamasinana ny fandehan-javatra ara-politika. Kanefa, rehefa ho vonona ny hanafoana ny fandaminan’Andriamanitra hita maso izy ireo, dia hisalovana amim-pahatapahan-kevitra Andriamanitra mba hamonjena ireo mpanompony mahatoky. Hanafoana tanteraka izay rehetra mety ho soritry ny fandaminan’i Satana hita maso sy izay rehetra hifikitra hatrany amin’izany ny tafiky ny lanitra. Avy eo, ny Devoly koa, ilay fahavalo lehibe indrindra, dia halaina ka tsy havela hitondra fanimbana intsony mandritra ny arivo taona hikosehana amin’ny tany ny vokatry ny fitaoman-dratsiny rehetra ka hanovana ny tany ho paradisa. Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana kelikely Satana mba hisedrana ny olombelona tafaverina indray ao anatin’ny fahatanterahana. Amin’izay ny olona rehetra izay hanapa-kevitra ny hanaraka azy dia haringana miaraka aminy sy ireo demoniany. — Apokalypsy 19:19-21; 20:1-3, 7-10.
“TANY VAOVAO” KANTO
12. a) Holazain’ny “olona betsaka” fa avy amin’iza ny fanafahana azy? b) Iza no hiaraka aminy mba hidera an’Andriamanitra?
12 Ireo ho tafita velona, nampiharana fankasitrahana lehibe, dia hanana eo aoriany ireo fisehoan-javatra naharaiki-tahotra izay ho nanamarika ny faran’izao tontolo izao ankehitriny ary eo anoloany, ny arivo taona hanjakan’i Kristy. Ho feno fankasitrahana lalina izy ireo ary hanandratra ny feony mba hisaotra an’Andriamanitra. Amin’ny fo safononoky ny fihetseham-po lalina, ny “olona betsaka” dia hihiaka amin’ny feo avo hoe: “Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitsika [Jehovah] izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy].” Fa raha ny amin’ny fandaminan’Andriamanitra mahatoky any an-danitra rehetra, noho ny fahatsapana ny maha-zava-dehibe tokoa ny fisehoan-javatra, dia hiaraka amin’izany “olona betsaka” izany izy mba hivavaka amin’Andriamanitra sy hihiaka hoe: “Amena! Ho an’Andriamanitsika mandrakizay doria anie ny fitahiana, sy ny voninahitra, sy ny fahendrena, sy ny fisaorana, ary ny fankalazana, sy ny fahefana, ary ny hery! Amena.” — Apokalypsy 7:10-12, MN.
13. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ireo fandaharana hataon’Andriamanitra mba hamahanana sy hanasitrahana ireo firenena?
13 Amin’ny farany ny olombelona rehetra dia hahaforona fitambaran’olona tafaray izay hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra marina, hahaforona “tany vaovao” hotarihin’ny “lanitra vaovao”, fisehoan’ny fanapahan’i Jehovah voamariky ny fitiavana. Amin’ny alalan’ny filazalazana ara-panoharana kanto aoka izany, ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny fitahiana maro be horaisin’ny olombelona ho sahala amin’ny “onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ka nikoriana teo afovoan’ny lalamben’i Jerosalema Vaovao any an-danitra. Teo amoron’io ony io dia nisy “hazon’aina” izay natao sakafon’ny olona ny voany ary fanasitranana ireo firenena ny raviny. Io sary io dia mampiseho ny fitambaran’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanasitranana sy hamahanana ny olona mino sy mankato, ka hanomezana azy ireo fahafahana handray soa amin’ny fiainana mandrakizay noho Jesosy Kristy. — Apokalypsy 21:1, 2; 22:1, 2.
14. Amin’ny lafiny inona avy moa ny toe-piainana ao amin’ny “tany vaovao” no ho hafa noho izay misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?
14 Amin’izay ny toe-piainana eto an-tany dia ho hafa noho izay rehetra nety ho nomen’izao tontolo izao ankehitriny. Hahafinaritra aoka izany ny fiainana! Noho ny soron’i Kristy sy amin’ny fianarana ny sitrapon’Andriamanitra, ny olona hankatò, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty, dia hafahana amin’izay rehetra mety ho soritry ny fahotana ka hampiana handroso eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-piraiketam-po sy ara-panahy mba hahatratra ny fahatanterahana. Tsy hanao ny “asan’ny nofo”, fototry ny fisaratsarahana ny tsirairay avy fa hianatra hamoa be dia be ireo vokatra araka an’Andriamanitra, toy ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena (Galatiana 5:19-23). Koa satria hanjaka eo amin’ny olona izany fanahy izany, ny vokatry ny tany dia hozaraina amin’ny fomba hanomezana be dia be izay ilain’ny rehetra. Hisy heviny ambony lavitra noho ny teo aloha ny fiainana amin’izany, satria hiara-hiasa ny olona rehetra mba hanatanteraka ny fikasan’ny Mpamorona tamin’ny voalohany momba ny tany sy ny mponina eo aminy.
15. a) Fanasana manintona inona no alefa dieny izao ho an’ny olombelona? b) Tokony ho eo am-panaovana inona àry ny tenantsika manokana?
15 Eo am-piandrasana amim-pifaliana izany fisehoan-javatra izany, dieny izao ny fanahin’Andriamanitra sy ny ampakarin’i Kristy dia mandefa izao fanasana mandodona izao ho an’ny olona tsirairay avy: “Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17). Tsy izao àry no fotoana tokony hiandrasana fotsiny ny hahatongavan’ny fanisana miverina ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah eo amin’ny zerô, izany hoe ny fahoriana lehibe. Rehefa nekenao izao ny fanasana amim-pahamoram-panahy mba ‘hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina’, dia manana tombontsoa koa ianao mampita izany fanasana izany amin’ny olon-kafa. Ankehitriny isika dia miaina amin’ny fotoana tokony hahitana mandany hery amin-jotom-po, izay rehetra manantena mafy hiantoka ny hahatafita velona azy ka handovany avy amin’Andriamanitra, “tany vaovao” hahafinaritra iray.
[Fanontaniana]