Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova zavatra amim-pahendrena mialoha ny loza aman’antambo

Manaova zavatra amim-pahendrena mialoha ny loza aman’antambo

Toko Faha-7

Manaova zavatra amim-pahendrena mialoha ny loza aman’antambo

1. Nahoana moa no nisy olona maty na dia nety ho afaka namonjy ny ainy aza, a) tamin’ny faharendrehan’ny Titanic? b) tamin’ny fipoahan’ny tendrombohitra Pelée?

 MANAO zavatra tsy mitaredretra hamonjena ny ainy ny olona hendry, rehefa ampandrenesina avy amin’ny loharano azo antoka fa antomotra ny loza aman’antambo iray (Ohabolana 22:3). Olona an’arivony maro anefa no maty, na dia afaka ny ho velona tsara aza, noho ny fitokisany diso toerana. Tamin’ny 1912, na dia nilazana sy niangaviana mafy hiondrana tao anaty lakana famonjena aina aza izy, dia mpandeha an-jatony maro no rendrika niaraka tamin’ny Titanic satria natoky ireo olona nilaza fa tsy mety milentika ilay sambo. Tamin’ny 1902, tany Martinika, rehefa nanomboka namoaka lavenona sy vato ny tendrombohitra Pelée, dia raiki-tahotra ny mponina tao Saint-Pierre sy ny manodidina. Niezaka nampitony ny tebitebin’ny mponina mba tsy handehanany anefa ireo mpanao politika teo an-toerana sy ny mpanoratra gazetin’ilay faritany satria voakasika ny tombontsoan’ireo olona nanan-toerana ambony tao amin’ilay faritra. Avy eo, tampotampoka teo, dia nipoaka ny volkano ka olona 30 000 no maty.

2. a) Fampandrenesana mahadodona inona no torina amin’izao andro izao? b) Nahoana no ratsy ny tarehin-javatra?

2 Misy fampitandremana mahadodona lavitra manakoako amin’izao andro izao. Tsy milaza loza aman’antambo amin’ny toerana iray fotsiny akory izy io, fa ny fahatongavan’ny adin’Andriamanitra haneran-tany efa antomotra, dia Hara-Magedona (Isaia 34:1, 2; Jeremia 25:32, 33). Manerana ny tany manontolo ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitsidika matetika ny olona mba hamporisika azy ireny hanao zavatra amim-pahendrena hamonjena ny ainy. Ampy fitiavana ny fiainana ve ianao mba hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany ary tsy misy hataka andro?

“MANDALO IZAO TONTOLO IZAO”

3. Nahoana no tena zava-dehibe ny fihetsitsika eo anoloan’izao tontolo izao raha ny amin’ny fanantenantsika ho tafita velona?

3 Hiankina be dia be amin’ny fihetsikao eo anoloan’izao tontolo izao ankehitriny ny hahavelona anao. Marina fa miaina eo amin’izao tontolo izao ianao, nefa tsy misy na inona na inona manery anao hamelona fanirian-dratsy mitovy amin’ny azy sy hanahaka ny ratsy ataony. Tsy voatery hiray hevitra amin’ity izao tontolo izao ity koa ianao amin’ny fametrahana ny fitokisanao amin’ny olombelona sy ny volavolan-keviny fa tsy amin’Andriamanitra sy ny fikasany. Tsy maintsy misafidy anefa ianao; Tsy azonao atao ny sady ho atsy no ho aroa. “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Nahoana? Satria araka ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra, “izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. — Jaona 4:4; I Jaona 5:19; Salamo 146:3-5.

4. a) Asehoy amin’ny alalan’ny Baiboly ny hoe inona avy ny fanao sy fihevitra hisakana ny olona tsy hiaina eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. b) Nahoana no ilaina ny miala avy hatrany amin’izany?

4 Takatsika tsy misy manahirana fa tsy harovan’i Jehovah sy tsy hampidiriny ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao sy marina ny olona izay mampiseho amin’ny fomba fiainany fa mifikitra hatrany amin’ny zavatra melohin’Andriamanitra izy. Inona avy ny sasantsasany amin’izany zavatra izany? Amin’ny ankapobeny, izany dia ny fomba fanao sy fihevitra heverin’izao tontolo izao fa ara-dalàna. Raha maniry ho tafita velona amin’ny fandringanana izao tontolo izao ratsy ankehitriny isika, amin’izay, na inona na inona mety hataon’ny olona na heveriny, dia hasiantsika fiheverana ny fampitandreman’ny Baiboly milaza fa tsy ho tafita velona ny mpijangajanga, ny mpanitsakitsa-bady, ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy ary izay rehetra manana fitondrantena maloto na mahamenatra. Na dia mampiasa halatra sy lainga matetika aza ny mpiara-belona amintsika, dia hariantsika ireny fanao ireny. Na dia tiam-bahoaka aoka izany aza ny fanao misy ifandraisana amin’ireo hery tsy hita maso, dia hohalavirintsika. Lehilahy sy vehivavy maro no be fialonana, tia ady sy mora tezitra, na koa manaram-po amin’ny zavatra mahadomelina na zava-pisotro misy alikaola mba hanandramana hanadino ny fahadisoam-panantenany, fa isika kosa, tsy mba hanahaka azy ireny. Raha toa isika ankehitriny ka manana fahazarana manao zavatra toy izany, dia hiaiky isika fa ilaina ny hiova. Na dia toa “ara-dalàna” tamintsika aza teo aloha ny sasantsasany amin’ireo fanao ireo, dia hialantsika. Nahoana? Satria tiantsika marina Andriamanitra sy ny fiainana. Ny tenin’i Jehovah anefa dia mampitandrina antsika fa “izay manaraka fanao toy izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — Galatiana 5:19-21; Efesiana 5:3-7; I Korintiana 6:9, 10; II Korintiana 7:1; Apokalypsy 22:15.

5. a) Raha misy vidiny eo imasontsika ny fiainana, inona no tokony hianarantsika hatao? b) Toetra tsara inona avy no voalaza ao anatin’ireo andinin-tenin’ny Baiboly aseho eo amin’ny faran’ny fehintsoratra? Inona no maha-zava-dehibe izany ary ahoana no azontsika ambolena izany?

5 Raha misy vidiny eo imasontsika ny fahafahana hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana, dia tokony hianarantsika kosa ny fomba hahazoana sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra, mpanome fiainana (Asan’ny apostoly 17:24-28; Apokalypsy 4:11). Tsy maintsy ampifanarahintsika tsikelikely amin’ny Teniny ny zavatra rehetra ataontsika. Amin’ny fanaovana izany, dia tsy hangataka andro isika handinika amim-pitandremana ny tena maha-isika antsika sy ireo zava-kendrentsika, ary koa ny fihetsitsika eo anoloan’ny namana sy fananantsika, mba hahitana hoe amin’ny ahoana izany no misy heriny eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Angamba mety hanana fiheverana tafahoatra ny tenany manokana, ny fokony, ny firazanany na ny fireneny ny olona manodidina antsika, fa isika kosa dia hisaintsaina lalina izay lazain’ny Soratra masina, manao hoe: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” — Jakoba 4:6; Zefania 2:2, 3; Salamo 149:4.

6, 7. Nahoana moa isika no tokony handini-tena mifanaraka amin’ny I Jaona 2:15-17?

6 Angamba ny olona ifampikasohantsika manaiky handevozin’ny fitsiriritana ampitomboin’ny fitambaran’olona fatra-pitia ny zavatra hita maso na voatosiky ny faniriana hahazo toerana manan-daza. Fa isika kosa handinika ny fiainantsika amin’ny fahazavan’ny I Jaona 2:15-17, milaza hoe: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao [izao tontolo izao, MN] sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” Raha toa ka ilaina ny hanaovantsika fiovana, dia tokony hatao dieny izao izany.

7 Tsy haharitra lalandava izao tontolo izao ankehitriny sy ny fomba fiaina mampiavaka azy. Tsy hoe “tsy mety milentika” akory ireo. Angamba ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity miezaka hihazona ireo mpiandany aminy amin’ny toa fampinoana azy ireny fa mety hanatsara ny zavatra ny fiezahana ataony. Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany anefa no hahatafitana velona amin’ny loza aman’antambo efa antomotra: ny mihaino ny fampitandreman’Andriamanitra. Ny amin’izany, ireo Ninivita tamin’ny andron’i Jona mpaminany dia namela ohatra izay tsara raha horaisintsika am-po.

“NIBEBAKA IZY TAMIN’NY NITORIAN’I JONA TENY”

8. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ninivita fahendrena rehefa nampita taminy ny fampitandreman’Andriamanitra i Jona, ary inona no vokatr’izany ho azy ireo?

8 Tamin’ny taonjato fahasivy alohan’ny fanisan-taona iraisana, Jehovah dia naniraka an’i Jona ho any Ninive, renivohitr’i Asyria, mba hampiomana ny mponina tao aminy fa horavana io noho ny faharatsian’izy ireo. Nanao ahoana anefa ny fihetsik’izy ireo rehefa nanambara taminy i Jona fa haringana izy rehefa afaka efapolo andro? Tsy naniratsira velively izy ireo fa “nino an’Andriamanitra (...) ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana”. Nanao toy izany koa ny tenan’ny mpanjaka mihitsy sady nandidy ny vahoaka rehetra hiantso an’Andriamanitra amin-kery ka hiala amin’ny lalany ratsy sy ny herisetrany. Nitana izao fanjohin-kevitra izao izy: “Fa angamba (...) Andriamanitra (...) hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?” Koa satria ny Ninivita niala tamin’ny fitondrantena ratsiny, Jehovah dia namindra fo taminy. Voavonjy ny ain’izy ireo. — Jona 3:2-10.

9, 10. a) Araka ny nambaran’i Jesosy, tamin’ny lafiny inona moa ny Ninivita no namela ohatra tokony harahina? b) Iza no sahala amin’ny Ninivita amin’izao andro izao?

9 Nananatra ireo Jiosy tsy nino i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’ny fampahatsiarovana azy ireny io zava-nitranga ara-tantara io, dia izao no nolazainy taminy: “Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa, indro misy lehibe noho Jona eto.” — Matio 12:41.

10 Ary amin’izao andro izao? Misy olona mampiseho ve fa mibebaka izy? Eny; manerana ny tany manontolo, dia misy olona an’arivony maro izay, sahala amin’ny Ninivita, angamba tsy nihambo na oviana na oviana ho nanompo an’ilay Andriamanitry ny Baiboly, mihaino ny fampitandreman’i Jehovah. Mitady ny famindrampon’Andriamanitra izy ireny rehefa avy nahafantatra ny antony hahatongavan’ny fandringanana tsy ho ela eo amin’izao tontolo izao. Manova amim-pahatsorana ny sainy sy ny fony izy ireny raha ny amin’ny fomba fiainany, ary miezaka hatramin’izao hanao “asa miendrika ny fibebahana”. (Asan’ny apostoly 26:20; jereo koa Romana 2:4.) Maniry ho anisan’izy ireny ve ianao? Raha eny, dia aza mitaredretra.

TADIAVO AVY HATRANY NY FIHAVANANA

11. a) Iza moa ny Gibeonita? b) Nahoana izy ireo no naniry hitady fihavanana tamin’ny Isiraely?

11 Nanao zavatra tamim-pahendrena mba hahatafitana velona koa ny Gibeonita, tamin’ny andron’i Josoa. Izy ireo dia Kananita izay ny fiainany dia niavaka tamin’ny faharatsiam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fanompoan-tsampy ary ny fanompoana demonia. Nandidy ny handringanana azy ireny Jehovah. Fantatr’ireny Gibeonita ireny ny fomba nanafahany ny Isiraelita tany Egypta tokony ho efapolo taona talohan’izay sy ny tsy nahafahan’ireo mpanjaka amorita nahery nanohitra azy ireny tany atsinanan’i Jordana. Tsy niafina taminy fa nirodana teo anoloan’ny Isiraelita ny manda mafin’i Jeriko nefa tsy nampiasa fitaovana fandravana manda akory ireo, ary koa ny nahatongavan’ny tanànan’i Ay ho antontan-javatra rava sisa (Josoa 9:3, 9, 10). Naniry ho velona ny mponina tao an-tanànan’i Gibeona, nefa fantany fa tsy ho afaka na oviana na oviana hiady amim-pandresena amin’ny Andriamanitry ny Isiraely izy. Nilainy ny nanao zavatra, ary haingana. Inona anefa? Raha tsy azony natao ny nitaky fifanekem-pihavanana tamin’ny Isiraely, dia nino izy fa tokony hanandrana hahazo anankiray tamin’izany fara faharatsiny. Tamin’ny fomba ahoana?

12. a) Na dia tao aza ny fomba nampiasainy, nahoana moa no notsimbinina ny ain’ny Gibeonita? b) Fiovana inona no tsy maintsy nataony, ary raharaha inona no nankinina taminy?

12 Tamim-pahakingana fatratra no nanirahany, ho any amin’i Josoa, olona izay ny fisehoany ivelany dia namela hino fa avy nanao dia lavitra dia lavitra izy. Nilaza tamin’i Josoa ireo fa avy tany amin’ny tany lavitra iray ary nahare ny zava-dehibe nataon’i Jehovah. Nitolo-batana ho mpanompo tamin’ny anaran’ny fireneny izy sady nangataka tamin’ny Isiraelita hanao fifanekem-pihavanana taminy. Nanaiky i Josoa sy ireo filohan’ny Isiraelita. Tatỳ aoriana, rehefa tratra ny hafetseny, dia niaiky tamim-panetren-tena ny Gibeonita fa natahotra ny ainy ka niseho ho vonona ny hanao izay rehetra notakina taminy (Josoa 9:4-25). Tsy voafitaka akory Jehovah, izay nanara-maso ny zavatra rehetra. Afaka nahatsapa izy fa tsy nitady hanimba ny vahoakany, sahala amin’ny nataon’ny Moabita fotoana kely talohan’izay akory ny Gibeonita fa naniry mafy ho velona kosa. Navelany hanankinana asa sasany tao amin’ny tabernakely masina àry izy ireny, teo ambany fitarihan’ny Levita. Tamin’izany no nahatonga azy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano, tamin’ny asa fanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Mba hahatonga azy ho mendrika hanatontosa izany asa izany, dia miharihary fa tsy maintsy nandao ny fanaony naloto taloha izy. — Josoa 9:27; Levitikosy 18:26-30.

13. a) Lesona inona no azontsika tsoahina avy amin’ny zava-nitranga nampangitakitaka ara-paminaniana niainan’ny Gibeonita? b) Inona no tokony hatao amin’izao andro izao mba hitsimbinan’ilay Josoa Lehibe ny ain’ny tena?

13 Koa satria isika miaina ny fotoana akaiky dia akaiky indrindra ny faran’ny “andro farany”, na iza na iza maniry ho tafita velona dia tsy maintsy manao zavatra tsy mitaredretra sy amim-pahatsorana tokoa; iankinan’ny aina izany. Tsy azo fitahina sahala amin’i Josoa koa Jesosy Kristy, izay manatanteraka ankehitriny ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany àry no hahafahana mifanaraka amin’i Jesosy mba hahavoatsimbina ny aina: ny manambara ampahibemaso ny finoan’ny tena an’i Jehovah, ka manaiky azy ho Andriamanitra marina (jereo Asan’ny apostoly 2:17-21). Ilaina koa ny manaiky an’i Jesosy amin’ny anjara asa nankinin’Andriamanitra taminy, avy eo dia mampiseho eo amin’ny fiainana fa tsy tian’ny tena ny fomba fiainan’izao tontolo izao voaheloka ankehitriny. Manaraka izany, dia tokony ho tonga mpanompon’Andriamanitra manetry tena ny tena ka hanompo azy amin’ny fanompoana masina amin’ny fiaraha-miasa amin’ny kongregasiona izay voaforon’ny vahoakany. — Jaona 17:16; Apokalypsy 7:14, 15.

14. Nahoana moa ny fanafahana nataon’i Jehovah ho an’ny Gibeonita norahonan’ny tafika fahavalo no mifono heviny lehibe ho antsika?

14 Taoriana kelin’ny nilaharany teo anilan’ny vahoakan’i Jehovah, dia nandalo fitsapana faran’izay mafy ny Gibeonita. Nanao fahirano ny tanànany ny mpanjaka amorita dimy mba hanery azy hiandany taminy amin’ny ady ataony amin’ny Isiraely. Nandefa hafatra maika dia maika ho any amin’i Josoa ny Gibeonita ka tamin’izany izy dia nitalaho mafy taminy ho tonga hamonjy azy. Ny fanafahana azy ireo no anankiray amin’ireo fisehoan-javatra nahatalanjona indrindra teo amin’ny tantara rehetra. Namafy fisavoritahana teo amin’ny fahavalon’ny Isiraely Jehovah, nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra ary nanalava tamin’ny fomba nahagaga ny faharetan’ny andro mandra-pandresin’ny Isiraely azy (Josoa 10:1-14). Io fanafahana ny Gibeonita io dia manambara ara-paminaniana, amin’ny fomba mahatalanjona lehibe lavitra, izay ho hitan’ny olona betsaka mpanompon’ilay Andriamanitra marina amin’ny ady maneran-tanin’ny Hara-Magedona. Afaka handray soa amin’io fanafahana io ny olona avy amin’ny firenena rehetra raha manao zavatra amim-pahendrena dieny izao. Manao izay tokony hatao mba ho anisan’izy ireny ve ianao? — Apokalypsy 7:9, 10.

[Fanontaniana]