Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mandosira hiala an’i Babylona”

“Mandosira hiala an’i Babylona”

Toko Faha-11

“Mandosira hiala an’i Babylona”

1. a) Ahoana no mety hahafantarantsika hoe fanompoam-pivavahana inona no ankasitrahan’Andriamanitra? b) Mananatra antsika handositra avy aiza Andriamanitra?

 OLONA maro no nifindrafindra fivavahana mba hahitana valiny mahafapo amin’ny fanontaniana napetrak’izy ireo tamin’ny tenany momba ny fiainana. Tsapany fa misy fitoviana sasany amin’ny zavatra inoana sy ny fanao nefa misy fahasamihafana maro koa. Kanefa mba hahazoana antoka fa marina ireo valin-teny azo ary ankasitrahan’Andriamanitra ireo fanao arahina dia tsy maintsy manaiky hotarihan’ny Teniny isika. Amin’ny alalan’ny Baiboly tokoa no ampahafantaran’ny Mpamorona antsika ny amin’ny Tenany sy ny fikasany. Asehony amintsika ao amin’ireo pejiny koa ireo fototry ny fanompoam-pivavahan-diso. Mampitandrina antsika izy amin’izany amin’izay antsoiny hoe “Babylona Lehibe” ary mananatra antsika ‘handositra’ hiala ao aminy. Moa ve ianao nihaino ny fampitandremany? — Apokalypsy 18:4, 21; Jeremia 51:6.

2. Inona moa “Babylona Lehibe”?

2 Inona moa “Babylona Lehibe”? Amin’ny heviny mitambatra, ireo fivavahana rehetra miaro hevitra, zavatra inoana na fanao avy amin’ny fivavahan’i Babylona fahiny dia mahaforona an’i Babylona Lehibe. Azo atao àry ny mamaritra ny maha-izy azy amin’ny fijerena ny fiandohan’ilay Babylona fahiny sy ny fivavahany.

3. a) Inona no fiandohan’i Babylona fahiny ary fihetsika inona no namporisihan’ny mpanorina azy? b) Amin’ny fomba ahoana avy no ahitana taratr’io toe-tsaina io eo amin’ireo fivavahana ankehitriny?

3 Maherin’ny taonjato iray taorian’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa dia nanorina ny tanànan’i Babela (nantsoina tatỳ aoriana hoe Babylona) ny olona, nanodidina ny tilikambo iray, volavolan-kevitra izay tsy isalasalana fa i Nimroda no fotony. Nampitsiry tao amin’ireo namany toe-tsaina tia fikomiana tamin’i Jehovah ary koa ny faniriana hiavaka, io lehilahy io (Genesisy 10:9, 10; 11:1-9). Moa ve tsy voadinikao koa ny toe-tsaina toy izany ankehitriny, izany hoe ny fanamavoana ny Tenin’Andriamanitra na dia eo amin’ireo mihambo ho mpino aza? Tsy tsapanao ve fa ampiasaina ny fivavahana mba hanatrarana toerana malaza na ambony?

4. Ahoana no nanovan’ny fivavahana babyloniana tanteraka ny fahamarinana momba ny tenan’Andriamanitra mihitsy?

4 Ny fivavahana babyloniana dia nanome toerana lehibe ho an’ireo fitambaran’andriamanitra telo. Aoka hotononintsika izay nahaforona an’i Anu sy Bel ary Eâ, na koa Sin sy Shamaoh ary Ishtar. Ankoatr’izany, ireo toerana fanaovana fanompoam-pivavahana tany Babylona dia feno sampy. Izany rehetra izany dia nitarika ny olombelona hanadino fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana sady marina izay Jehovah no anarany (Deoteronomia 4:39; Jaona 17:3). Ireo toetra sy fitondrantena nolazaina fa nananan’ireny andriamaniny ireny, izay nampian’ny fampiasana sary na sary vaingana tsy manana aina, dia nikolokolo teo amin’ireo Babyloniana ny hevitra ny amin’ny Mpamorona nodisoina tanteraka. — Jeremia 10:10, 14; 50:1, 38; I Korintiana 10:14, 19-22.

5. a) Amin’ny heviny ahoana ny finoana babyloniana momba ny fahafatesana no fanamboamboarana, raha ny tena izy, ireo teny lainga nataon’i Satana tamin’i Eva? b) Niteraka foto-pampianarana hafa inona izany?

5 Mino ireo Babyloniana fa ny fahafatesana dia tsy inona fa fifindrana avy amin’ny fiainana iray ho amin’ny anankiray hafa, ka izany dia nifanohitra tanteraka tamin’ny fanambarana nataon’Andriamanitra tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanitatra io fomba fiheverana ny fahafatesana io ireo Grika tamin’ny filazana fa nanana fanahy tsy mety maty ny olona. Tamin’ny laingany voalohany ny Devoly dia nanamafy fa raha tsy nankato an’Andriamanitra i Adama sy Eva dia ‘tsy ho faty tokoa’ akory, raha lazaina ara-batana. Nampianarina ny olona izao fa izay velona mandrakizay dia zavatra ao anatin’izy ireo tsy azony jerena. Io fampianarana diso tanteraka io no niandohan’ny foto-pampianarana maro, toy ny afobe, ny afo fandiovana ary ny fivavahana amin’ny razana. — Genesisy 3:1-5; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4.

6. a) Fanao mahazatra hafa inona avy ankehitriny no manana fiandohana avy amin’ny fivavahana babyloniana? b) Ratsy ve izany?

6 Ny fivavahan’i Babylona dia nanome toerana koa ho an’ny fanandroana, ny fankatovana, ny majika, ny fanaovana ody ratsy, dia samy fanao nanandraman’ny olona nitady fitarihana avy amin’ny hery lehibe noho ny an’ny olombelona hahafahan’izy ireo hanan-karena sy hanapaka ny mpiara-belona aminy (Daniela 2:27; Ezekiela 21:26 [21:21, MN]. Fahita tokoa ankehitriny ireny fomba fanao ireny na dia mampitandrina antsika amin’izany aza ny Baiboly. Nisy olona nanaram-po tamin’izany latsaka teo am-pelatanan’ny demonia izay mitaky vidiny lafo dia lafo ho takalon’ireo tombontsoa omeny. — Deoteronomia 18:10-12; Isaia 8:19; Asan’ny apostoly 16:16; Apokalypsy 18:21, 23.

7. Zavatra inona azonao nodinihina no manaporofo fa Babylona Lehibe dia a) manana fifandraisana tsy ara-dalàna amin’ireo filoha ara-politika? b) manana harena be? d) meloka noho ny fandatsahan-dra?

7 Mba hahafahantsika mamantatra an’i Babylona Lehibe, ny Baiboly dia miresaka koa ny amin’ny fifandraisany tsy ara-dalàna amin’ireo filoha ara-politika, ny harenany ary ny andraikiny amin’ny fandatsahan-dra, indrindra fa ny an’ireo tena mpanompon’Andriamanitra (Apokalypsy 17:1-6; 18:24). Ny amin’izany, dia fantatra tsara ny tantaran’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao.

LALINA VE NY FITIAVANAO NY FAHAMARINANA?

8. Iza moa raha ny marina no andriamanitr’i Babylona Lehibe?

8 Iza moa no omena voninahitra raha anisan’i Babylona Lehibe sy mandray anjara amin’ny fetiny ny tena na manaraka ny lalany? Tsy Jehovah mihitsy. Mifanohitra tanteraka amin’izany, na iza na iza manao toy izany dia miankohoka, raha ny tena izy, eo anatrehan’ny “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, izay nanajamba ny sain’ny olona. — II Korintiana 4:4, MN.

9. Ahoana no nahafahan’i Satana namitaka olona betsaka toy izany tamin’ny lafiny ara-pivavahana?

9 Nefa ahoana no mahatonga olona betsaka toy izany ho voafitaka hatramin’izany? Mamaly ny Baiboly fa latsaka tao amin’ny fandrik’i Satana izy ireo satria “tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana”. (II Tesaloniana 2:9-12.) Tsy tokony hahagaga antsika izany. Firy amin’ireo olona fantatrao tokoa no milaza foana hatrany ny fahamarinana: any an-trano, amin’ny raharaham-barotra na rehefa sarihina ny sainy ho amin’ny kilemany? Rehefa aseho azy izay lazain’ny Baiboly, ny teny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, firy no vonona hiala amin’ny zavatra inoany na amin’ny fahazarany, hanova ny fiainany mihitsy aza mba hanarahany izany? Ary ianao?

10. a) Karazan’olona manao ahoana no tadiavin’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahantsika manaporofo fa io karazan’olona io isika?

10 Mitady lehilahy sy vehivavy manana fitiavana ny fahamarinana toy izany Jehovah. Izy mihitsy aza no “Andriamanitry ny fahamarinana”. (Salamo 31:5.) Ny fampianarana nomena ao amin’ny Teniny dia tsy hevi-dravina ranofotsiny; izany no fahamarinana. Tamin’ny vehivavy Samaritana anankiray dia nanambara i Jesosy hoe: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24). Maniry ho tonga mpivavaka karazan’izany ve ianao?

IREO FANDAHARAN’ANDRIAMANITRA HO FANAFAHANA ANTSIKA

11. a) Inona moa no voambara ao amin’ny Isaia 49:8, 9? b) Oviana io faminaniana io no nahita ny fahatanterahany voalohany? d) Nahoana izany no mahaliana antsika?

11 Efa ela be tokoa izay ary mba hitarihan-dalana antsika, Jehovah dia nampanoratra tao amin’ny Baiboly, teny faminaniana nampanantena ny fanafahana amin’ny fanapahana lozaben’i Babylona. Tanteraka io teny io rehefa nanafaka ny Jiosy ary koa ireo Netinima, izay tsy Jiosy i Kyrosy Lehibe mba hodian’izy ireo any Jerosalema sy hanamboarany any indray ny tempolin’i Jehovah. Nefa tsy izay ihany no tokony ho fahatanterahan’io faminaniana io. Io fisehoan-javatra io dia nanambara fanafahana hafa noho ilay Kyrosy Lehibe, dia Jesosy Kristy Tompo. Raha manaraka ny toromarika omeny isika dia hanalavitra ny fetezana ho voafitaky ny olona izay tsy mikatsaka afa-tsy ny lazan’ny tenany manokana. Izao faminaniana manaraka izao dia mihatra manokana indrindra amin’i Jesosy: “Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava ka hanao amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha, ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa.” (Isaia 49:8, 9). Ahoana no nahatanterahan’izany tamin’i Jesosy?

12. a) Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana tamin’ny tenan’i Jesosy (Lioka 4:16-18)? b) Amin’ny ahoana izany no famporisihana ho antsika?

12 Novalian’i Jehovah ny vavak’i Jesosy. Tena namonjy sy niaro ny Zanany tokoa izy rehefa nanala sarona tamin-kerimpo ireo lainga ara-pivavahana izy io ary nampahafantatra ny ‘marina hahafaka ny olona’. (Jaona 8:32.) Na dia teo aza ny fiezahan’i Satana rehetra mba hanafoana an’i Jesosy, Jehovah dia niaro ny Zanany mandra-pahavitan’ny asany teto an-tany. Taorian’izay dia nanangana azy ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra izy, izay anohizany ny asa fanafahany. Nomen’Andriamanitra ho toy ny “fanekena” na tamby izy io ka niantoka tamin’izany izy fa hafahana marina tokoa amin’ny fatoran’i Babylona Lehibe ny olombelona. Toy ny tsy isalasalana fa any an-danitra Jesosy natsangana sy nomem-boninahitra, dia azo antoka fa ny olona tia ny fahitsiana dia hafahana avy ao amin’ny haizimpito ara-pivavahan’i Babylona Lehibe. Handray soa avy amin’izany fanafahana izany ve ny tenanao?

13. Ahoana hatramin’ny 36 no nihariharian’i Jesosy ho “fanazavana ny jentilisa”?

13 Fa raha ny amin’ny fitaran’io fanafahana io, Jehovah dia nanambara hoe: “Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Isaia 43:6) Noho izany, tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana dia nisy Jentilisa, izany hoe olona avy amin’ny firenena tsy jiosy, nanomboka tafiditra tao amin’ny kongregasionan’ny Isiraely ara-panahy. Kanefa ny fampidirana ny Jentilisa tao amin’ny kongregasionan’ny kristiana voahosotry ny fanahy dia tsy nanamarika ny fiafaran’ny anjara asan’i Jesosy amin’ny ‘maha-fanazavana ny jentilisa’.

14. a) Ho an’ny olon-kafa iza anisan’ireo “firenena” moa Jesosy no tokony ho “fanazavana”? b) Fitambaran’olona iza nandao an’i Babylona fahiny moa no tandindon’ireny olona ireny? d) Mifanaraka amin’ny Isaia 49:10, fitahiana ara-panahy inona no raisiny dieny izao?

14 Fantatr’i Jesosy fa hanangona koa “ondry hafa” izay hotolorana fiainana mandrakizay eto an-tany izy (Jaona 10:16). Izy ireo dia nanana ho tandindona ireo Netinima sy ireo zanaky ny mpanompon’i Solomona, olona tsy Isiraelita nanaraka ny Jiosy rehefa nivoaka avy tao Babylona ireo tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana (Ezra 2:1, 43-58). Amin’izao androntsika izao dia efa misy sahady olona betsaka amin’ireny “ondry hafa” ireny nankatò ny baiko ‘hivoaka’ avy ao Babylona Lehibe. Ireny olona ireny dia efa mahazo fampiononana dieny izao noho ireo fitahiana ara-panahy nambara tao amin’ny Isaia 49:10, manao hoe: “Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.” Ny Apokalypsy 7:9, 16, 17 dia mampiseho fa ireo fitahiana ireo dia omena marina tokoa ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”.

“MIALÀ AMINY HIANAREO, RY OLOKO”

15. Nahoana ny Baiboly no mamporisika ireo izay maniry ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra hivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe?

15 Tao amin’ny fahitana iray araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra, dia hitan’ny apostoly Jaona izay ho dikan’ny fanatanterahana ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho an’i Babylona Lehibe. Koa satria azo antoka io fandringanana io, ny anjely iray avy any an-danitra ary niteny nisolo toerana an’Andriamanitra dia nihiaka hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Apokalypsy 18:4, 5.

16. Inona no mety hampiharihary fa nankatò na tsia io baiko io isika?

16 Nankatò io didy io ny mpikambana amin’ny Isiraely ara-panahy ary dia anjaran’izy ireo indray ny mamporisika olona hafa hanao toy izany. Fantatr’izy ireo fa izay mampifangaro ny fanompoam-pivavahana marina sy ny diso dia tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Raha misy àry olona mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy manapaka izay rehetra mety ho fatorana amin’i Babylona Lehibe, ahoana moa no ahazoany manamafy fa tsy anisany izy akory? Na dia hoe tsy mandeha mihitsy any amin’ny eglizy na fiangonana na oviana na oviana aza ny olona iray dia mikasika izay maloto ihany izy raha mandray anjara amin’ny fety ara-pivavahan’i Babylona, amin’ny asany na miaraka amin’ny ankohonany (Isaia 52:11). Raha toa miaraka amin’ny fianakaviany izy ka manaraka fomban-drazana manome taratry ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy na ny tahotra feno finoanoampoana ny fanahy ratsy, dia mbola mandray anjara amin’ny fahotan’i Babylona Lehibe izy. Tsy azontsika atao ny manao fitan-droa. Raha inoantsika fa Jehovah no ilay Andriamanitra marina dia tokony hanompo azy irery ihany isika. — I Mpanjaka 18:21.

17. a) Araka ny Apokalypsy 14:6, 7, asaina hanao inona moa ireo olona avy amin’ny firenena rehetra? b) Didy hafa inona no tsy maintsy ankatoavin’izy ireo mba hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoam-pivavahany?

17 Atao ho an’ny olona avy amin’ny firenena, fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny rehetra ity fanasana mahafinaritra ity: Avia ary mivavaha amin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina (Apokalypsy 14:6, 7)! Amin’izany dia ilainao koa ny manahaka ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa izay nankatò ity baiko ity: “Mandosira hiala an’i Babylona hianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy.” — Jeremia 51:6.

[Fanontaniana]