Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?

Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?

Toko Faha-3

Mbola haharitra fotoana toy inona ny fandehan-javatra ankehitriny?

1. Inona avy no fanontaniana napetraky ny maro tamintsika tamin’ny tenany ny amin’ireo fampanantenana ao amin’ny Baiboly?

 ARA-DALÀNA tanteraka ny haniriana hahafantatra hoe rahoviana no hitranga ireo fisehoan-javatra hiafara amin’ny Hara-Magedona izay lazalazain’ny Baiboly araka ny tena izy tokoa. Rahoviana àry no ho rava ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny? Ho velona elaela ve isika mba hahita ny tany tonga toeram-piadanana sy filaminana marina ho an’ny olona tia ny rariny?

2. a) Inona no fanontaniana sahala amin’izany napetraky ny apostoly tamin’i Jesosy? b) Fantatsika marina ve ny hoe rahoviana no hifarana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny? d) Inona avy anefa no fanazavana ilaina tokoa nomen’i Jesosy?

2 Nanome fanazavana miavaka mamaly ireo fanontaniana ireo Jesosy Kristy. Vao avy nanontany azy toy izao ireo apostoliny: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Ny amin’ny fandravana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, dia nanambara mazava toy izao i Jesosy: “Fa ny amin’izany andro izany sy izany ora izany, dia tsy misy mahalala, na ny anjelin’ny lanitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:3, 36, MN). Lazalazainy amin’ny antsipiriany betsaka anefa ny taranaka hahita “ny fifaranan’ny [suntéléia amin’ny teny grika] fandehan-javatra”, dia ny vanim-potoana hiafara amin’ny “farany [télos amin’ny teny grika]”. Azon’ny tenanao atao mihitsy ny mamaky izany fanazavana izany ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46, ary koa ao amin’ireo soratra mifanitsy aminy ao amin’ny Marka 13:4-37 sy Lioka 21:7-36.

3. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nahakasika fotsiny ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany ny valintenin’i Jesosy?

3 Amin’ny fandinihana ireo fitantarana ireo, dia ho tsapanao fa tamin’ny lafiny sasany fara fahakeliny, Jesosy dia nilazalaza fisehoan-javatra hialoha sy hahafaoka ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny, izay nitranga tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana. Miharihary anefa fa nieritreritra koa ny amin’ny fisehoan-javatra lehibe lavitra izy. Nahoana? Resahiny ao amin’ny Matio 24:21 ny amin’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. Izany dia nanambara tokoa zavatra hafa noho ny fandravana tanàna iray sy ireo mponina ao aminy voatana tao anatin’ny mandany. Ambonin’izany, ao amin’ny Lioka 21:31 dia lazaina amintsika fa izany fisehoan-javatra izany dia hanambara ny fahatongavan’ny “fanjakan’Andriamanitra” nandrasana aoka izany. Inona àry izany “famantarana” miavaka izany izay tokony hodinihina, araka ny filazan’i Jesosy?

FAMANTARANA MISY LAFINY MARO

4. Inona moa ny “famantarana” nomen’i Jesosy?

4 Nambaran’i Jesosy ny ady, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohorontany lehibe mbamin’ny tsy fisian’ny fitiavana amin’ny fotoana hitomboan’ny tsy firaharahana lalàna. Kanefa tsy misy na dia iray monja aza amin’ireo zavatra ireo mahaforona irery “ny famantarana”. Mba hahafeno azy io, dia tokony ho tanteraka ao anatin’ny taranaka iray ihany ny lafiny rehetra. Tokony hanampy ho anisan’izany koa ‘ny fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra (...), ny faharerahan’ny fon’ny olona’ noho ny fisehoan-javatra hitranga eny amin’ny lanitra sy any an-dranomasina (Lioka 21:10, 11, 25-32; Matio 24:12; jereo II Timoty 3:1-5). Nambaran’i Jesosy koa ny lafiny hafa iray amin’ny famantarana, hafa tanteraka noho ireo voalaza eo aloha: ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny tany rehetra, ary izany dia na dia ao aza ny fanenjehana ireo mpianany maneran-tany (Marka 13:9-13). Moa ve io filazalazana misy endriny maro io mifanitsy indrindra amin’izao androntsika izao?

5. Nahoana moa izany fisehoan-javatra izany no tsy fiverimberenan’ny tantara fotsiny?

5 Hihomehy angamba ireo mpanaraby amin’ny filazana fa tao anatin’ny fotoana nisian’ny tantara dia matetika tokoa no nisy ady, mosary, horohorontany, ets. Ny fisehoan-javatra toy izany dia mifono heviny manokana rehefa miara-mitranga daholo, tsy ao amin’ny toerana mitokana vitsivitsy monja, fa maneran-tany, ao anatin’ny vanim-potoana nanomboka tamin’ny daty iray voambara ela be mialoha.

6, 7. Fisehoan-javatra inona sy toe-javatra inona mampiavaka ny taonjato faha-20 no mifanitsy tanteraka amin’ny famantarana misy zavatra maro loha nomen’i Jesosy (mba hamaliana, dia ampiasao ny Baiboly ary lazao hoe tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy no resahinao)?

6 Hevero ireo zava-nisy: Ny ady nipoaka tamin’ny 1914 dia lehibe aoka izany ka nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Ady Lehibe (maneran-tany) Voalohany. Ary nanomboka tamin’izay dia tsy nisy tena fandriampahalemana intsony teto an-tany. Ny Ady Lehibe Voalohany dia narahin’ny anankiray tamin’ireo mosary lehibe indrindra hitan’ny olombelona, ary amin’izao andro izao koa dia olona eo amin’ny 40 tapitrisa no maty noho ny hanoanana isan-taona. Ny gripa espaniola tamin’ny 1918 dia niteraka fandripahana olona tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’ny areti-mandringana. Amin’izao fotoana izao, ary na dia ao aza ny fikarohana ara-tsiansa, dia olona am-polony tapitrisa maro no voan’ny homamiadana, ny aretim-po, ny aretin-dratsy maharikoriko toy ny tety, ny tazo, ny “bilharziose” sy ny “volvulose”. Avy 20 heny ny isan’ny horohorontany lehibe noho ny tao anatin’ny roa arivo taona nialoha ny 1914. Fa raha ny amin’ny tahotra sy ny fitebitebena, izany dia manjo olona samy hafa taona maneran-tany. Ny antony? Ny fahasahiranana ara-toe-karena, ny heloka bevava sy ny herisetra, ny fandrahonan’ny fandringanan’ny ady noklehera iray hisy fampiasana bala afomanga halefa avy eny amin’ny habakabaka na avy amin’ny sambo mpisitrika an-dranomasina, dia zavatra tsy azo noeritreretina talohan’ny taonjato faha-20.

7 Ambonin’izany rehetra izany, dia atrehina amin’izao andro izao ny asa iraisam-pirenena hafa dia hafa: ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, araka ny nanambaran’i Jesosy azy. Any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 200, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manokana isan-taona, ora an-jatony tapitrisa maro hanampiana maimaimpoana, olona avy amin’ny sokajiny ara-tsosialy rehetra hahazo ny hevitr’ireny fisehoan-javatra ireny amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Amin-jotom-po no ampisehoany amin’ny mpiara-belona aminy ny fomba mety hahatafitany velona amin’ny “fahoriana lehibe” amin’ny maha-vahoaky ny Fanjakan’Andriamanitra. Manao io asa io ny Vavolombelona na dia “azo inoana aza fa miaritra fanenjehana bebe kokoa noho ny fahadisoana kely lavitra noho izay vitan’ny finoana hafa eo amin’izao tontolo izao”, araka ny nomarihin’ny gazety kanadiana iray.

8. Ny amin’ny vanim-potoana inona koa moa no noresahin’i Jesosy ao amin’io faminaniana io?

8 Mariho koa fa tao amin’io faminaniana io ihany i Jesosy dia nanambara ny fahataperan’ny vanim-potoana iray voafaritra tsara, tamin’ny filazana hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa [fotoana voafetra ho an’ireo firenena, MN].” (Lioka 21:24). Nifarana ve izany “fotoana voafetra” izany?

“NY FOTOANA VOAFETRA HO AN’IREO FIRENENA”

9. a) Inona moa ilay “Jerosalema” ‘nohitsahin’ireo’ firenena? b) Oviana izy io no nanomboka ‘nohitsahina’?

9 Mba hahatakarana ny valiny, dia ilaintsika ny mahafantatra hoe iza no Jerosalema resahina. Taloha ilay tanàna, nisy ny fonenan’ny mpanjaka teo an-tendrombohitra Ziona, dia nantsoina hoe “tanànan’ny Mpanjaka lehibe”, ‘tanànan’i Jehovah’. (Salamo 48:2, 8; Matio 5:34, 35.) Fa raha ny amin’ireo mpanjaka tao amin’ny ankohonan’i Davida, dia nolazaina fa “nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” izy ireny. Araka izany, Jerosalema dia marika hita maso nampiseho fa nampihatra ny fanapahany teto an-tany Jehovah (I Tantara 29:23). Rehefa namela ny tafika babyloniana handrava an’i Jerosalema àry Andriamanitra, hitondra ho babo ny mpanjakany sy hamela ilay tany ho foana, dia nohitsahin’ireo ny Fanjakan’Andriamanitra izay nihatra tamin’ny alalan’ny taranak’i Davida iray nanana fiandrianana. Ny taona hitrangan’io fisehoan-javatra io, 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanamarika ny fanombohan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena [jentilisa na tsy jiosy]”. Hatramin’izay, dia tsy nisy intsony mihitsy taranak’i Davida nanjaka tany Jerosalema.

10. a) Hilaza inona ny fahataperan’io vanim-potoana io? b) Avy ao “Jerosalema” aiza i Jesosy no hanjaka, ary nahoana?

10 Hilaza inona àry ny fahataperan’io ‘hanitsahana’ an’i Jerosalema io? Hilaza fa hanendry indray mpanjaka iray nofidiny i Jehovah, dia taranak’i Davida iray, mba hampiharany fahefana, tsy eo amin’ny Jiosy intsony ihany, fa eo amin’ny olombelona rehetra. Io Mpanjaka io, dia Jesosy Kristy Tompo (Lioka 1:30-33). Fa avy aiza izy no hanjaka? Avy ao Jerosalema eto an-tany ve? Nasehon’i Jesosy mazava fa hesorina amin’ny Isiraely araka ny nofo ireo tombontsoa mifamatotra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 21:43; jereo koa 23:37, 38). Taty aoriana, ireo mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina dia nampitodika ny sainy ho amin’i “Jerosalema any ambony”, dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra voaforon’ireo zavaboariny ara-panahy mahatoky, izay noheverin’izy ireo ho reniny (Galatiana 4:26). Tao amin’io Jerosalema any an-danitra io Jesosy no hotendrena mba hampihatra ny fiandrianany ho an’ny tany (Salamo 110:1, 2), ary izany dia amin’ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. Oviana àry no nifarana izany?

11 sy tabilao (pejy faha-27). a) Ahoana no anisana ny faran’ny “andro voafetra”? b) Inona no nanomboka tamin’ny fahataperan’ny “andro voafetra”? d) Ahoana no fiheveran’ireo mpanoratra tantara ny 1914 (jereo pejy faha-29)?

11 Fantatra am-polony taona maromaro nialoha fa izany dia ho tapitra amin’ny 1914 rehefa hifarana, amin’ny fahatanterahan’ilay faminaniana lehibe indrindra, ny “fetr’andro fito” voalaza ao amin’ny Daniela 4:10-17 a. Tao anatin’ireo taona nanaraka anefa vao takatra miandalana ny tena hevitry ny fisehoan-javatra. Hitan’ireo mpianatra ny Baiboly tanteraka tsikelikely teo ambany masony tokoa ny lafiny isan-karazany amin’ilay famantarana misy zavatra maro loha izay, araka ny filazan’i Jesosy, dia tokony hampiseho ny fanatrehany any an-danitra ao amin’ny herin’ny Fanjakana. Nanjary niharihary àry fa niditra tao amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izy ireo, fa Kristy dia nanomboka nanjaka tamin’ny 1914 ary ny fahataperan’izao tontolo izao ratsy dia hitranga ao anatin’ny taranaka izay nahita ny fanombohan’izany zavatra izany.

ARAKA NY MARINA VE NY FANANTENANAO?

12. Noho ny fanantenana sandoka inona moa no mahatonga ho sarotra amin’ny sasany ny fanekena io fifaranana io (Matio 24:26, 27; Jaona 14:3, 19)?

12 Ny olona sasany izay mahatsapa anefa fa fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ireny fisehoan-javatra ireny, dia mahita fa sarotra aminy ny manaiky ny fifaranan’izany. Nahoana? Satria zavatra hafa no andrasany. Nampianarina azy ireo tokoa fa ho hita maso ny fahatongavan’i Kristy fanindroany ka hiteraka fiovan’ny olombelona hiaraka maro. Diso fanantenana tamin’ny zavatra nandrasany koa ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany satria nanantena izy ireo fa ho avy hanana fahefana lehibe ny Mesia ka hanafaka azy ireo amin’ny fanapahana romana. Nifikitra hatrany tamin’ny fanantenany diso izy ireo ka nanda ny Zanak’Andriamanitra. Ho hadalana tanteraka ny hanaovana fahadisoana toy izany amin’ny fanatrehan’i Kristy ao amin’ny herin’ny Fanjakany. Tsaratsara kokoa ny hahazoana izay tena lazain’ny Soratra Masina.

13. Fisehoan-javatra inona avy no tondroin’ny Baiboly fa mitranga mandritra ny fanatrehan’i Kristy?

13 Asehon’ny Baiboly fa hanomboka hanapaka eo afovoan’ny fahavalony Kristy (Salamo 110:1, 2). Tondroiny koa ny fandroahana an’i Satana sy ireo demoniany avy any an-danitra ho etỳ amin’ny manodidina ny tany ho nitranga taorian’ny nandraisan’i Jesosy ny herin’ny Fanjakana. Tokony hisy vanim-potoam-pahoriana mbola lehibe kokoa ihany àry ho an’ny tany (Apokalypsy 12:7-12). Ao anatin’izany fotoana izany ihany koa dia hitarina ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana mba hanolorana ho an’ny olombelona fahafahana hanao izay tokony hatao mba hahatafita velona (Matio 24:14; Apokalypsy 12:17). Nefa moa ve izany hiafara amin’ny fanovana ny olombelona miaraka maro? Mifanohitra lavitra amin’izany, satria ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa hanaraka izany ny fandringanana lehibe tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantara. Raha tsy hahita mihitsy an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra amin’ny masony ara-bakiteny ny olona, izay rehetra tsy ho nanaiky ny zava-nitranga momba ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka dia tsy maintsy “hahita” azy amin’ny heviny hoe tsy maintsy hiaiky izy ireny fa, araka ny faminaniana, dia izy no mahatonga fandringanana eo amin’izy ireny. — Apokalypsy 1:7; Matio 24:30; jereo I Timoty 6:15, 16; Jaona 14:19.

14, 15. Nahoana moa ny efa nahalasanan’ny taona maro nanomboka tamin’ny 1914 no tsy tokony hahatonga antsika hisalasala fa tena ao anatin’ny “andro farany” tokoa isika?

14 Koa satria 70 taona izay no lasa hatramin’ny 1914, moa ve tsy misy antony tokony hisalasalana fa tena ao anatin’ny “andro farany” tokoa isika nanomboka tamin’io daty io ka akaiky ny fahatongavan’i Kristy mba hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra? Tsy izany velively. Raha niresaka ny amin’ireo izay hahita ny fahatanterahan’ny “famantarana” nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fisehoany tamin’ny 1914 i Jesosy, dia izao no nambarany: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Marka 13:30). Misy anefa olona anisan’io taranaka io mbola velona ihany na dia mihena isa haingana aza izy ireo.

15 Marina fa araka ny fanisana, ny ara-kevin’ny halavan’ny andro ahaveloman’ny olona amin’ny ankapobeny dia 60 taona monja ankehitriny; olona an-tapitrisany maro anefa no velona elaela kokoa noho izany. Araka ny tarehi-marika ananana, tamin’ny 1980 dia olona 250 000 000 teraka talohan’ny 1914 na tamin’ny 1914 no mbola velona. Mbola tsy lany io taranaka io. Aoka homarihintsika amim-pahalianana anefa fa, araka ny fanisana navoakan’ny Firenena mikambana, dia lehilahy sy vehivavy 35 316 000 teraka tamin’ny 1900 na talohan’izay no mbola velona tamin’ny 1980. Mihena haingana àry ny isan’ireny olona ireny izay nahatratra fitopolo na valopolo taona. Izany zava-nitranga izany mbamin’ny antsipiriany rehetra amin’ny famantarana ara-paminaniana nomen’i Jesosy dia mampiseho mafy fa akaiky ny farany. — Lioka 21:28.

16. Inona àry no tokony ho fihetsika hasehontsika?

16 Tsy izao àry no fotoana tokony tsy hiraikana. Ilaina ny hanaovan-javatra tsy misy hataka andro sy ny hihainoana izao fampitandreman’i Jesosy izao: “Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona [Jesosy Kristy].” — Matio 24:44.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana fanazavana amin’ny antsipiriany, dia jereo ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, pejy faha-127-139, 186-189.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 29]

Ireo mpanoratra tantara sy ny 1914

Tsy hoe tsy nisy antony akory ny niantsoana ny ady tamin’ny 1914 hoe Ady Lehibe na Ady voalohany niraisam-pirenena. Tsy mbola nisy mihitsy ady hafa teo aloha nanimba toa an’io. Hatramin’izay ireo ady dia nanohy fotsiny izay nanomboka tamin’ny 1914. Ireto misy famoaboasan-kevitra vitsivitsy momba ny vokatr’io fisehoan-javatra niavaka io:

● Tsy vitan’ny hoe niteraka fikorontanan’ny sarintanin’i Eoropa sy niteraka fiovan-dehibe izay nandrava empira telo ilay ady, fa nisy vokany mivantana sy tsy mivantana maro hafa koa saika tamin’ny lafiny rehetra. Taorian’ny ady, ireo mpanao politika sy ny hafa koa dia nanandrana nampiadana na nampitsahatra ny fiovana ka nitarika ny zavatra ho amin’ny ‘ara-dalàna’, izany hoe hiverina amin’izao tontolo izao talohan’ny 1914. Tsy azo natao anefa izany. Nahery aoka izany ny fikorontanana ary naharitra ela be aoka izany, hany ka nirodana teo amin’ny fotony izao tontolo izao tranainy. Tsy nisy mihitsy olona afaka nanorina azy indray araka ny teo aloha, niaraka tamin’ny firafiny ara-tsosialy, ny heviny sy ireo fitsipiny ara-pitondrantena.

“(...) Tsy ny zavatra kely indrindra akory ny firodanan’ny fahatsarana nitranga izay nitarika fanorenana fitsipika vaovao tanteraka tamin’ny lafiny maro. (...) Tsy ireo miaramila tany an’ady ihany no nanao zavatra toy ny biby sy tsy niraharaha ny fananan’ny hafa. Hevi-dravina sy fitompoan-teny fantatra ary hevitra sandoka maro no rava, nefa koa fitsipika maro momba ny fitondrantenan’ny isam-batan’olona sy ny fiainana ara-tsosialy. Niova àry ny zavatra heverina ho sarobidy ary toa mivily lalana ny zavatra rehetra, toy ny hoe tsy misy na inona na inona nanam-paka lalina intsony. Marina izany ny amin’ny vola, nefa koa ny amin’ny fitsipi-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, ny politika sy ny zava-kanto (...).

“Hita indrindra ny fanahiana nampiavaka ny fotoana teo amin’ny lafiny ara-toe-karena. Nofoanan’ny ady tamin’ny fomba mahery vaika ny fandaharana iray misy zavatra maro loha, azo ovaovana sy voalamina tsara araka ny lalàna hentitra sy ny hevitra mafy orina (...). Tamin’izany koa anefa dia tsy azo natao ny niverina tamin’ny ‘ara-dalàna’.” — Väridshistoria-Folkens liv och Kultur (Stockholm; 1958), boky VII, pejy faha-421, 422.

● “Lasa ny antsasa-taonjato, kanefa tsy voakosoka tsy ho ao amin’ny fanahy sy ny tenan’ireo firenena ny loza mampangitakitaka tamin’ny Ady Lehibe (...). Lehibe aoka izany tamin’ny ara-batana sy ara-tsaina ny fitsapana, hany ka tsy nisy na inona na inona toy ny teo aloha intsony. Ny fitambaran’olona iray manontolo: fitondrana, sisintany, lalàna, tafika, fifandraisan’ireo fanjakana, nefa koa fampianarana, fiainam-pianakaviana, harena, tarehin-javatra, fifandraisan’ny mpiasa, dia niova tanteraka. (...) Nanjary verin’ny taranak’olombelona ny fijoroany ka tsy hitany indray hatramin’izao.” — Kabary nataon’ny jeneraly de Gaulle tamin’ny 1968 ary voalaza tao amin’ny Le Monde tamin’ny 12 novambra 1968.

● “Nanomboka tamin’ny 1914, izay rehetra mahatsapa ny fiovana eo amin’izao tontolo izao dia manahy aoka izany ny amin’izay toa fanatonana tsy azo sakanana sy voatendry mialoha ho amin’ny loza aman’antambo lehibe kokoa ihany. Olona tsy manao vazivazy maro no tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa tsy misy na inona na inona azo atao mba hanalavirana ny firobohana ho amin’ny loza aman’antambo. Eo imason’izy ireny, ny taranak’olombelona dia sahala amin’ny olona fototry ny lazaina ao amin’ny tantara grika mampangitakitaka, atosiky ny andriamanitra tezitra: tsy tompon’ny anjarany izy.” — Bertrand Russell, Times Magazine any New York, 27 septambra 1953.

● “Mitodika ny lasa isika ka mahatakatra mazava amin’izao andro izao fa ny Ady Lehibe Voalohany dia nanokatra niaraka tamin’ny taonjato faharoapolo, ‘fotoam-pikorontanana’ — raha raisina indray ny fitenenana misy heviny tokoa nampiasain’ilay mpanoratra tantara anglisy atao hoe Arnold Toynbee — mbola tsy nahatafavoaka ny sivilizasionantsika. Mivantana na tsy mivantana, ny fikorontanana rehetra tamin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato dia niandoha tamin’ny 1914.” — The Fall of the Dynasties: The Collapse of the Old Order (New York; 1963), nataon’i Edmond Taylor, pejy faha-16.

Inona no anton’ny fihodinan’ny fisehoan-javatra manakorontana izao tontolo izao?

Ny Baiboly ihany no manome fanazavana mahafapo.

[Tabilao, pejy 27]

1914 — taona voamarika, araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly sy ireo fisehoan-javatra maneran-tany

Ny fandaharan-taona

→ Nambaran’ny Baiboly ny vanim-potoana iray

hisy “fetr’andro fito” izay ho tapitra ka amin’izay

no hanomezan’Andriamanitra ny fanapahana

an’ilay hofidiny (Daniela 4:10-14).

→ “Fetr’andro fito” = 2 520 taona

(jereo Apokalypsy 11:2,3; 12:6, 14; Ezekiela 4:6).

→ Ny fanombohan’ny “fetr’andro fito”: 607

alohan’ny fanisan-taona iraisana (Ezekiela

21:30-32; Lioka 21:24).

→ Ny fahataperan’ny “fetr’andro fito: 1914.

→ Notendrena tany an-danitra Jesosy Kristy

tamin’izay ary nanomboka nanjaka eo afovoan’ny

fahavalony (Salamo 110:1,2).

Noroahina avy tany an-danitra Satana: loza ho

an’ny olombelona (Apokalypsy 12:7-12),

Nanomboka ny andro farany (II Timoty 3:1-5).

Ireo fisehoan-javatra voambara ho amin’ny andro farany

→ Ny ady (nipoaka tamin’ny 1914 ny Ady Lehibe

Voalohany; hatramin’izay dia tsy nisy tena

fandriampahalemana intsony).

→ Ny mosary (izay mahafaty olona eo amin’ny

40 000 000 isan-taona).

→ Ny areti-mandringana (na dia ao aza ny fikarohana

ara-tsiansa).

→ Ny horohorontany (amin’ny ara-keviny, horohorontany

lehibe avy 20 heny eo ho eo isan-taona

nanomboka tamin’ny 1914

→ Ny fitebitebena (noho ny heloka bevava, ny

faharavan’ny toe-karena sy ny mety ho loza

aman’antambo noklehera).

Tsy maintsy horavan’Andriamanitra izao tontolo izao ratsy alohan’ny hahalanian’ny taranaka nahita ny 1914 (Matio 24_3-34; Lioka 21:7-32).