Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mila fiaretana ianao’

‘Mila fiaretana ianao’

Toko Faha-23

‘Mila fiaretana ianao’

1. a) Nahoana moa no tena sambatra ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona anefa no torohevitra voatantara ao amin’ny Hebreo 10:36 mahakasika ny kristiana rehetra?

 IREO izay mametraka ny fitokisany rehetra amin’i Jehovah no tena sambatra indrindra amin’ny olona. Fantany fa mety ho hitany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo torohevitra tsara indrindra mba handaminana ny mety ho zava-manahirana azy. Tsy matahotra ny ho avy izy ireo, satria mahalala ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany (Jeremia 17:7, 8; Salamo 46:1, 2). Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana anefa ny apostoly Paoly: “Tokony hanana faharetana [fiaretana, MN] hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10:36). Fa nahoana no ilaina ny fiaretana?

2. Nahoana ireo mpianatr’i Jesosy no hila fiaretana?

2 Talohan’ny hahafatesany, dia nampiomana an’ireo mpianany ny amin’izay niandry azy ireo i Jesosy. Hoy izy tamin’ireo: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.” (Jaona 15:19-21). Miharihary fa marina tanteraka ireo teny ireo amin’izao andro izao.

3. a) Nahoana no hoe ‘noho ny anaran’i Jesosy’ no anenjehana ny kristiana? b) Amin’ny heviny ahoana moa ireo mpanenjika azy ireny no ‘tsy mahalala’ Ilay naniraka an’i Jesosy? d) Iza no lehiben’ny mpamporisika hanenjika?

3 Ianjadian’ny fankahalan’ireo miara-belona aminy ny mpianatr’i Jesosy satria izy ireo miaina eo amin’izao tontolo izao mandà izay rehetra asehon’ny kristianisma marina. “Voahosotra” no dikan’ny hoe Kristy. Jesosy Kristy no ilay nohosoran’i Jehovah ho Mpanjaka mba hanapaka amin’ny tany manontolo. Rehefa nilaza tamin’ny mpianany àry i Jesosy fa henjehina izy ireo ‘noho ny anarany’, ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe satria izy ireo hifikitra aminy, ka hanaiky azy ho Mpanjaka mesianikan’i Jehovah, hankatò azy fa tsy ny mpitondra olombelona hafa rehetra, hanohana amim-pahatokiana ny Fanjakany ary tsy hitsabaka amin’ireo raharahan’ny fitondram-panjakana amin’ny tany. Nampian’i Jesosy koa fa ho tojo fanoherana ireo mpianany satria ‘tsy mahalala Izay naniraka Azy’ ireo mpanenjika azy ireny, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe satria izy ireny tsy mety manaiky an’i Jehovah Andriamanitra ho Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao (jereo Eksodosy 5:2). Fa iza no lehiben’ny mpamporisika hanao izany fanenjehana izany? Tsy iza fa Satana Devoly. — Apokalypsy 2:10.

4. a) Ahoana no ikasihan’ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 12:17 ny fiainantsika? b) Inona no zava-kendren’i Satana?

4 Nihamafy ny fanerena nampiharina tamin’ny kristiana indrindra fa nanomboka tamin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra, taorian’ny nahaterahan’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah tamin’ny 1914 indrindra. Aza hamaivanina izany toe-javatra izany. Mandefa ny heriny rehetra ny Devoly sy ireo demoniany amin’ny ady ataon’izy ireo amin’ny olona izay nilahatra ho eo anilan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Izao no vakintsika ny amin’izany ao amin’ny Apokalypsy 12:17: “Dia tezitra tamin’ilay vehivavy [ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra oharina amin’ny vehivavy] ny dragona [Satana Devoly] ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa [ireo mpianatr’i Kristy voahosotra mbola eto an-tany], izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.” Eo afovoan’ny ady koa ny “ondry hafa”. Amin’ny alalan’ny fitaka na amin’ny alalan’ny hery, dia tadiavin’i Satana izay hitarihana azy ireny tsy hankatò ireo didin’Andriamanitra. Tiany ny hampaosa azy ireny, ny hanimba tanteraka ny fiainany ara-panahy. Ny zava-kendreny? Hampangina ireny kristiana ireny izay manambara an’i Jesosy ho Mpanjaka mesianikan’i Jehovah. Mivoaka mandresy avy amin’izany ady ara-panahy izany anefa ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky.

AHOANA NO TOKONY HO FANDRAISAN’NY KRISTIANA IZANY?

5. Inona avy moa no fandaharana ataon’ny fitondram-panjakana sasany ho fanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah?

5 Mpitondra maro no miaiky fa olom-pirenena mpanara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah ary mampihatra fitaomana mahasoa eo amin’izay iainany. Ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra anefa dia anisan’ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany (I Jaona 5:19; Apokalypsy 13:2). Tsy tokony ho gaga àry isika raha toa ny sasany amin’izy ireny ka mandrara an’ireo mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina mba tsy hivory, tsy mamela hamaky ireo bokiny, mandrara azy tsy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra na mampiditra an-tranomaizina sy mampijaly ireny kristiana ireny mihitsy aza. Fa inona no hataon’ny tenanao raha misetra fitsapana toy izany ianao?

6. a) Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika eo anatrehan’ireo manam-pahefana? b) Tapa-kevitra ny hanao inona anefa isika? d) Ahoana no mety hahasambatra antsika hatrany na dia ao aza ny fanenjehana?

6 Nanaja ireo solontenan’ny fitondram-panjakana ireo apostolin’i Jesosy. Rehefa nenjehina izy ireo, dia tsy namaly ratsy. Nefa rehefa nodidiana izy ireo hitsahatra tsy hanao izay nasain’Andriamanitra nataony, dia namaly tamin’ny fomba hentitra toy izao izy: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny apostoly 5:29; Romana 12:19; I Petera 3:15). Na dia rehefa norahonana ny ho faty aza izy ireny, dia tsy nandika ny feon’ny fieritreretany noho ny tahotra ny hamoy ny aina. Nino mafy izy ireo fa nanompo ‘an’ilay Andriamanitra Izay manangana ny maty’. (II Korintiana 1:9; Hebreo 2:14, 15.) Sambatra izy ireo na dia tao aza ny fanenjehana, sambatra nahafantatra fa nanao izay sitrak’Andriamanitra, fa nanana tombontsoa handray anjara amin’ny fanamarinana ny anarany sy ny fanaporofoana ny tsy fivadihany amin’ny Mpanjakany voahosotra (Asan’ny apostoly 5:41, 42; Matio 5:11, 12). Mitovy amin’izy ireny ve ianao? Mampahafantatra ny tenanao ankarihary ho miaraka amin’ireo izay iharam-pitsapana toy izany ve ianao? Tsy natahotra i Ebeda-meleka ary tsy nihemotra. Iza moa io lehilahy io?

7. a) Iza moa Ebeda-meleka, ary nahoana no mahaliana antsika ny aminy? b) Inona no nataon’i Ebeda-meleka rehefa reny fa natsipy tao anaty lava-drano be fotaka iray Jeremia, ary nahoana?

7 Mpivavaka tamin’Andriamanitra izy io, Etiopiana, izay nonina tany Jerosalema tao anatin’ireo taona nialoha ny nandravan’ny Babyloniana ilay tanàna. Nanompo tao an-tranon’i Zedekia mpanjaka izy. Tamin’izany fotoana izany, Jeremia izay mpaminanin’i Jehovah ho an’ny Fanjakan’ny Joda sy ireo firenena teny amin’ny manodidina, dia nanjary niharan’ny fanenjehana mafy satria nampita hafatra fampiomanana avy amin’Andriamanitra tsy nisy fanekena lembenana na dia kely akory aza. Noho ny famporisihan’ny mpanapaka vitsivitsy tao Jerosalema aza, dia natsipy tao anaty lava-drano iray hilentehany tao anaty fotaka sy hahafatesany izy. Na dia tsy isiraelita aza Ebeda-meleka dia nanaiky an’i Jeremia ho mpaminany nirahin’i Jehovah. Rehefa reny izay natao tamin’io mpaminany io, avy hatrany izy dia nitady ny mpanjaka teo am-baravaran’ny tanàna ka nangataka ho an’i Jeremia. Araka ny baikon’ny mpanjaka, dia tsy nangataka andro izy naka lehilahy telopolo niaraka taminy ary nitondra tady sy vorodamba. Rehefa avy eo dia nangataka an’i Jeremia izy mba hametraka ny vorodamba tao ambany heliny mba hanalefaka ny fikasokasohan’ny tady, avy eo dia nampakariny avy tao anaty lava-drano ilay mpaminany. — Jeremia 38:4-13.

8. Inona no fampanantenana manome toky nampitain’i Jehovah ho an’i Ebeda-meleka, ary nahoana?

8 Takatra tokoa ny nahavelom-panahiana an’i Ebeda-meleka ny amin’izay nety ho nataon’ireo mpanapaka taminy, dia izy izay nisakana ny teti-dratsin’izy ireo. Kanefa ny fanajany an’ilay mpaminanin’i Jehovah sy ny fitokisany an’Andriamanitra dia nandresy ny fanahiany. Taorian’izany, dia nanome izao fampanantenana izao tamin’ny alalan’i Jeremia ho an’i Ebeda-meleka Jehovah: “Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin’izany andro izany. Nefa hovonjeko hianao amin’izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ny olona izay atahoranao. Fa hovonjeko tokoa hianao ka tsy ho lavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.” — Jeremia 39:16-18.

9. a) Amin’ny lafiny inona moa ny “ondry hafa” no sahala amin’i Ebeda-meleka? b) Milaza inona ho azy ireo àry ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Ebeda-meleka?

9 Sarobidy tokoa io fampanantenana io ho an’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao. Sahala amin’i Ebeda-meleka, ny “ondry hafa” dia mahita maso ny tsy rariny ampiharina amin’ny kilasin’i Jeremia amin’ny andro ankehitriny, dia ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, mbamin’ny fiezahana atao mba hampiatoana ny fitoriany ny hafatra avy amin’i Jehovah. Tsy nisalasala izy ireo nanao izay rehetra azony natao mba hiarovana sy hanohanana ireny kristiana voahosotra ireny. Ara-drariny àry raha manatanjaka azy ireny ny fampanantenana nomen’i Jehovah an’i Ebeda-meleka ka manamafy ny fiaikeny fa tsy havelan’Andriamanitra handringana azy ireny ny fahavalony, fa harovany izy ireo amin’ny maha-kilasy amin’ny fandringanana ho avy an’izao tontolo izao mba hampidirana azy ireny ao amin’ny ‘taniny vaovao’ sy marina.

10. Aiza ary amin’ny fotoana toy inona moa ny kristiana no iharam-panenjehana?

10 Tsy rahonana hampidirina an-tranomaizina daholo akory ny mpianatr’i Jesosy Kristy rehetra, nefa enjehina amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa ny rehetra (II Timoty 3:12). Vehivavy sy lehilahy kristiana an’arivony maro no miaritra fanoherana mafy dia mafy hatramin’ny taona maro eo anivon’ny tokantranony mihitsy. Nisy zanaka narian’ny ray aman-dreniny satria naniry hanompo an’i Jehovah (Matio 10:36-38). Mety henjehina koa ny tanora any an-tsekoly, ary ny kristiana hafa, be taona kokoa, any amin’ny toerana iasany. Enjehina kely na be ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra rehefa mandray anjara amin’ny asa ampahibemaso fanambarana ilay Fanjakana. Mihatra amin’izy ireny ireto tenin’i Jesosy ireto: “Amin’ny faharetanareo [fiaretanareo, MN] no hahatananareo ny ainareo.” — Lioka 21:19.

11. a) Tarehin-javatra hafa inona koa no mety hisedrana ny kristiana maro? b) Iza no nahita karazam-pisedrana toy izany ary nahoana?

11 Ny sasany sedraina noho ny antony hafa koa. Angamba izy ireny voan’ny aretina mafy izay manaisotra aminy ny fifaliana maro entin’ny fiainana. Na mety manana fahasahiranana ara-bola lehibe koa izy ireny. Nety ho nisy koa kristiana niharan’ny resaka tsy marina na tsy mampiseho fahalemem-panahy avy amin’ny namana akaiky. Nampiasain’i Satana izany fomba rehetra izany mba hanandramana manapaka ny tsy fivadihan’i Joba patriarka. Ahoana no hataontsika raha tonga ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany isika? — Jakoba 5:11.

12. a) Nahoana moa Noa no nila fiaretana indrindra? b) Amin’ny ahoana no sahala amin’izany ny tarehin-javatra amin’izao andro izao?

12 Ankoatr’izany, hanao ahoana ny fihetsitsika raha toa, na dia ao aza ny fiezahantsika rehetra, ka tsy misy akony afa-tsy kely ny asa fanambarana ataontsika ho an’ny fikasan’i Jehovah? Mitaky fiaretana koa izany avy amintsika. Tadidio fa na dia nitory nandritra ny taona maro talohan’ny safodrano aza i Noa, dia ny vadiny, ireo zanany lahy sy ireo vinantony vavy ihany no niaraka taminy mba hanompo an’i Jehovah. ‘Tsy nahafantatra’ ny olon-kafa. (Matio 24:39.) Toy izany koa amin’izao andro izao: ‘tsy mahafantatra’ ny ankamaroan’olona. Kanefa, any amin’ny faritra sasany tsy nahitan’ny hafatra momba ilay Fanjakana afa-tsy akony kely dia kely teo aloha, dia atrehina ankehitriny ny fijinjana mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina be dia be. Sambatra aoka izany ny kristiana izay, rehefa avy naharitra nandritra izany taona rehetra voamariky ny tsy firaikan’ny olona na ny fanoherana mivantana izany, dia mandray anjara amin’izao andro izao amin’izany fijinjana mahafinaritra izany!

‘SAMBATRA IZAY MIARITRA NY FITSAPANA’

13. a) Inona no tokony hotadidiana ao an-tsaina foana mba haharetana amin’ny fihazakazahana kristiana? b) Inona no tokony ho fantatsika raha ny amin’ireo fomba ampiasain’i Satana?

13 Raha tsy tiantsika ny hamoy ny fanantenana kanto atolotra antsika: ny fiainana ao amin’ny “tany vaovao”, dia tsy maintsy tadidiantsika ao an-tsaina ny raharaha lehibe atrehin’ny zavatra noforonina rehetra, dia ny amin’ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. Milahatra eo anilan’i Jehovah ve isika ka tsy manaiky lembenana na dia kely akory aza? Takatsika tanteraka ve fa roa monja ny lalana mety hisy ary tsy afaka ny ho eo anelanelan’ireo roa ireo ny tena? Raha tsy tiantsika ny hiharam-pahavoazana amin’ny ady ara-panahy mitranga, dia tokony hiaiky isika fa sady mampiasa fankahalana i Satana no mampiasa famitahana mba hanapahana ny tsy fivadihantsika, mba hanaovana izay tsy hankatoavantsika an’Andriamanitra ka hanohy ny asa iankinan’ny aina fanaovana fanambarana ny amin’ny Fanjakana mesianika. — I Petera 5:8, 9; Marka 4:17-19.

14. a) Karazam-pifandraisana inona moa no tokony hambolena ary amin’iza? b) Ahoana no hanampian’i Jehovah antsika?

14 Tokony hamboly fitokisana tanteraka an’i Jehovah koa isika. Ho hadalana ny tsy hianteherana afa-tsy amin’ny herintsika mba hanalavirana ireo fandriky ny fahavalo iray mahery noho ny olombelona fetsy aoka izany. Raha matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra kosa anefa isika, ny faharetantsika na dia ao aza ny fahasahiranana sy ny fakam-panahy dia hampanatona antsika azy bebe kokoa (Efesiana 6:10, 11; Ohabolana 3:5, 6). Tsy manery antsika hanaraka lalana toy izao na izao Jehovah; tsy hitarika antsika tsy araka ny sitrapontsika izy. Kanefa raha manaiky hotarihin’ny teniny isika, raha mivavaka aminy mba hanatanjahany antsika ary raha mifikitra mafy hatrany amin’ny fandaminany isika, dia hitarika ny diantsika izy ary hanome hery antsika amin’ny alalan’ny porofo nohavaozina ny amin’ny fitiavany tsy mety rava. — Romana 8:38, 39.

15. a) Iza no tokony homentsika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika? b) Ahoana no tokony hiheverana ireo tarehin-javatra isedrana ny finoantsika?

15 Ireo fahasahiranana sy fakam-panahy hitanao dia hitsapana anao raha ny amin’ny hahalalana hoe iza no omenao ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao. Lazain’i Satana fa ny tenantsika manokana no ahintsika voalohany indrindra. Marina fa manao toy izany ny ankamaroan’olona, nefa hafa Jesosy Kristy. Ary ianao? Moa ve ianao nianatra nanome toerana ho an’ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah alohan’ny zavatra rehetra. Raha izany no izy, dia tsy handositra ireo tarehin-javatra mety hisedrana ny finoanao ianao, fa hahay hisetra izany amim-pahatsorana, sady hivavaka amin’i Jehovah mba hanome anao ny fahendrena ilaina mba hanararaotanao izany fahafahana izany hanomezam-boninahitra azy. Hiteraka fiaretana ny fahoriana zakainao, ary hahatonga anao hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ny fiaretana satria ho nanaporofo taminy ny fitiavanao ianao. “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy [miaritra fitsapana, MN]; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo [Jehovah, MN] homena izay tia Azy.” — Jakoba 1:2-4, 12; Romana 5:3, 4.

16. Zava-kendrena inona no tokony hiezahantsika hotratrarina?

16 Tsy ampy ny manomboka manompo an’i Jehovah na ny maharitra mandritra ny fotoana kelikely. Miditra hanao fihazakazahana isika, ka ireo izay hahatratra ny tsipika fahatongavana ihany no hahazo ny loka. Ho sambatra tokoa izay rehetra manohy miady amin’ny fibanjinana hatrany ny loka, rehefa hirodana ny fandehan-javatra ankehitriny. Fahatsinjovan-javatra halaza re izany! — Hebreo 12:1-3; Matio 24:13.

[Fanontaniana]