Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve ianao tsy mivadika amin’ilay Mpanjaka vaovaon’ny tany?

Moa ve ianao tsy mivadika amin’ilay Mpanjaka vaovaon’ny tany?

Toko Faha-18

Moa ve ianao tsy mivadika amin’ilay Mpanjaka vaovaon’ny tany?

1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoaka rehefa niseho ho toy ny Mpanjaka Jesosy tamin’ny 33?

 TAMIN’NY 9 NISANA taona 33, dia naseho tamin’ny Jiosy ho toy ny Mpanjakany, dia ilay Mesia voambara, i Jesosy Kristy. Raha nidina ny tendrombohitra Oliva ho any Jerosalema izy dia nifaly sy nanome voninahitra an’Andriamanitra ny vahoaka nahaforona ny mpianany noho ny asa lehibe notanterahin’i Jesosy (Lioka 19:37, 38; Zakaria 9:9). Nefa, moa ve izy ireo hiseho ho tsy mivadika amin’ilay nankalazain’izy ireo ho toy ny Mpanjakany? Tsy ho ela dia hosedraina ny tsy fivadihan’izy ireo.

2. a) Manao ahoana ankehitriny ny fihetsiky ny ankamaroan’olona rehefa ambara aminy fa Kristy no Mpanjaka vaovaon’ny tany? b) Fanontaniana inona avy anefa no mendrika fandinihana amim-pitandremana?

2 Nanomboka tamin’ny 1914, Jesosy Kristy Mpanjaka be voninahitra, izay manao ny asany any an-danitra, dia aseho amin’ny olombelona rehetra ho toy ny Mpanjaka vaovaon’ny tany. Misy olona avy amin’ny firenena samy hafa mifaly amin’ny fahatsinjovana ny hiaina tsy ho ela eo ambanin’ny fitondram-panjakana iray tarihin’i Kristy, fitondram-panjakana izay handamina tokoa ireo zava-manahirana ny olombelona. Nefa hiseho ho tsy mivadika ve izy ireo? Ary isika, hitoetra ho toy izany ve isika?

NY TENAN’NY MPANJAKA DIA EFA NANAPOROFO NY TSY FIVADIHANY

3. a) Nahoana moa Jesosy no antsoina hoe ilay ‘mahatokin’i’ Jehovah? b) Inona moa ny tsy fivadihana?

3 Ny tenan’i Jesosy Kristy dia nanaporofo tamin’ny fomba ampy ny tsy fivadihany tsy azo nohozongozonina tamin’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao. Ara-drariny tanteraka àry ny iantsoan’ny Soratra masina azy hoe ilay ‘mahatokin’i’ Jehovah (Salamo 16:10, MN; Asan’ny apostoly 2:24-27, MN). Ny teny hebreo nadika hoe “fahatokiana” dia mahafaoka ny hevitra hoe hatsaram-po sy fitiavana. Tsy mangatsiaka izany na mifototra fotsiny amin’ny lalàna sy ny rariny. Izany koa dia atosiky ny fitiavana sy ny fankasitrahana. — Jereo Salamo 40:8; Jaona 14:31.

4, 5. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny tsy fivadihany tany an-danitra taorian’ny fikomian’i Satana? b) Ahoana no nanaporofoany ihany koa ny tsy fivadihany fony izy tetỳ an-tany?

4 Tany an-danitra, rehefa nitady hanana ny voninahitra tokony ho an’i Jehovah irery ihany Satana ary nisy anjely hafa nandao ny toerany tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia tsy nanahaka azy ireny ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa. Taminy, dia tsy azo nosaintsainina ny fanao toy izany. Lehibe aoka izany ny fifikirany tamin’i Jehovah sy ny fitiavany fahafoizan-tena, hany ka mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy, dia namoy ny voninahiny tany an-danitra izy, nanjary olombelona tsotra ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana feno fanalam-baraka teo amin’ny hazo fijaliana. Tamim-pitiavana dia niahy izy, raha mbola niankina taminy koa izany, mba tsy hahatonga na dia antsipiriany iray aza amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, tsy ho tanteraka. — Filipiana 2:5-8; Lioka 24:44-48.

5 Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nampihatra fanerena mafy taminy Satana mba hampialana azy amin’ny asa nampiandraiketin’Andriamanitra azy sy hitarika azy hanao asa hanery an’i Jehovah handa ny Zanany. Nanosika an’i Jesosy mba hanao zavatra hahazoana laza sy fahefana izy, nefa ao amin’izao tontolo izao ihany izay Satana no filohany. Nanda Jesosy tamin’ny fanononana ny Soratra masina, mpitari-dalana azy (Matio 4:1-10). Nampiasa tsara dia tsara ireo fahaizany miavaka izy ary nifanaraka hatrany tamin’ny sitrapon’ny Rainy. Nilofo tanteraka tamin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy hotanterahiny izy (Jaona 7:16-18; 8:28, 29; 14:10). Endrey izany ohatry ny tsy fivadihana!

6. Amin’ny heviny ahoana ny valisoa noraisin’i Jesosy no mitaky tsy fivadihana avy amintsika?

6 Rehefa nanaporofo ny tsy fivadihany Jesosy, dia natsangan’i Jehovah tamin’ny maty. “Izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra (...), sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”. (Filipiana 2:9-11.) Io “anarana izay ambony noho ny anarana rehetra” io dia mampiseho ny hery sy fahefana noraisin’i Jesosy mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Ny hoe ‘mandohalika’ amin’ny anarany dia midika hoe miaiky ny toerany amin’ny maha-mpanjaka sy manaiky ny fahefany, indrindra amin’ny maha-vahoakany tsy mivadika.

FITIAVANA TSY MIVADIKA HO AN’IREO VOAHOSOTR’I JEHOVAH

7. Amin’ny lafiny inona avy ny tsy fivadihan’ireo mpianatr’i Jesosy no sedraina?

7 Rehefa niakatra any an-danitra Jesosy dia tsy afaka nahita azy intsony tamin’ny mason’olombelona ireo mpianany. Izany dia hisedra mafy ny tsy fivadihan’izy ireo. Moa ve izy ireo hampifanaraka ny fiainany amin’ny fotopoto-pitsipika nampianarin’i Jesosy azy? Hitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao ve izy ireo? Moa ve izy hanaja ny sasany amin’izy ireo izay homen’ny fanahy masina andraikitra amin’ny maha-mpiandry? Moa ve izy ireo hanatanteraka amin’ny fanahiny rehetra ny asa nampiandraiketin’i Jesosy azy?

8. Tandindon’ny inona moa ny fitiavana tsy mivadika nampiray an’i Jonatana sy Davida?

8 Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, ireo “ondry hafa” dia hangonina ho tafakambana amin’ny “ondry vitsy” mpandova ny Fanjakan’ny lanitra. Moa ve izy ireo hankasitraka tokoa ny toerana homena azy ampitahaina amin’i Kristy, ilay Mpanjaka, ary ampitahaina amin’ireo kristiana hafa? Ireo zava-miseho dia mampiharihary fa nisy fitiavana tamim-pahatsorana sy nifamaly nitombo teo amin’ireo anisan’ny “andiany tokana” tarihin’i Jesosy Kristy. Izany fifandraisana izany dia nanana ho tandindona ny fitiavana tsy nety lefin’i Jonatana, zanak’i Saoly mpanjaka, an’i Davida. Rehefa avy nanatri-maso ny fifikiran’i Davida tanteraka tamin’i Jehovah sy ny fitokisany Taminy fony izy namono an’i Goliata goavambe, i Jonatana dia voatohina mafy ary dia “raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy”. Tsy nihena ny fitiavany an’i Davida rehefa nanjary niharihary fa hanome ho an’ilay namany ny fanjakana Jehovah fa tsy ho azy. Nanao vy very ny ainy imbetsaka ho an’i Davida mihitsy aza i Jonatana. — I Samoela 17:45-47; 18:1; 23:16, 17.

9. Ahoana no nampisehoan’ireo tsy Isiraelita nanompo tao amin’ny tafik’i Davida, tsy fivadihana toy izany ihany koa?

9 Ankoatra an’i Jonatana, dia nisy tsy Isiraelita nifikitra tamin’i Davida. Tsy mpikarama an’ady ireo fa lehilahy nahery fo natosiky ny fandavan-tenany ho an’i Davida izay nekeny ho voahosotr’i Jehovah. Tamin’izy ireo dia nisy Keretita, Peletita ary olona avy any Gata, tanàna filistina. Nitoetra tsy nivadika taminy izy ireo rehefa nitady haka ny fon’ireo lehilahy teo amin’ny Isiraely ka nanao zavatra tamim-pitaka i Absaloma zanany. Na dia teo aza ny laza sy hakingan’i Absaloma, dia tsy nanaiky ho voataonan’ireo teny malefaka am-bava izy ireo ary tsy namadika an’i Davida. — II Samoela 15:6, 10, 18-22.

10. a) Ahoana no ilazalazana ao amin’ny Salamo 45 ny fifandraisana akaiky mampiray an’i Kristy, ny sisa voahosotra ary ireo “ondry hafa”? b) Amin’ny heviny ahoana ireo ‘zazavavy no miditra ao an-dapan’ny mpanjaka’?

10 Ao amin’ny Salamo 45 dia ahitana filazalazana iray hafa mampahery momba ny fifandraisana mampiray an’i Kristy, ny sisa amin’ireo kristiana voahosotra ary ireo “ondry hafa”. Tsy hoe tononkalo tena kanto fotsiny izany, fa sary ara-paminaniana koa mifandray amin’ilay Fanjakana mesianika, ka ny tenan’Andriamanitra mihitsy no “seza fiandrianana”, izany hoe fototra na tohan’ny fanjakan’i Jesosy (Salamo 45:1-7, MN; Hebreo 1:8, 9, MN). Ny mpanao salamo eo dia milazalaza ny vadin’i Kristy, “ny zanakavavin’ny mpanjaka”, rehefa nentina ho eo anilan’ny Mpanjaka izy tamin’ny andro fampakaram-bady. Avy eo, dia manaraka ny “zazavavy sakaizany”. Iza moa izy ireo? Ireo olombelona manantena ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra etỳ an-tany. “Amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana”, dia miaraka amin’ny kilasin’ilay “ampakarina” izy ireo, mandra-paha-tafaray ny farany amin’ny mpikambana ao aminy amin’i Kristy any an-danitra. Miaraka aminy, dia ‘miditra ao an-dapan’ny mpanjaka’ izy ireo, tsy amin’ny heviny hoe mankany an-danitra, fa manolo-tena mba hanompo ilay Mpanjaka. Ary ianao, miaraka amin’izany mpanotrona falifaly izany ve ianao? — Salamo 45:13-15.

IZAY TAKIN’NY TSY FIVADIHANA

11. Amin’ny tarehin-javatra manao ahoana no isedrana antsika mba hahitana raha ‘tsy naman’izao tontolo izao isika’?

11 Eo amin’ny fiainana, dia tarehin-javatra maro no mitarika antsika hampiseho hoe karazana olona toy inona isika. Moa ve isika mino marina ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah? Tena zava-misy ve izy io eo imasontsika? Nambaran’i Jesosy fa ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’ ny tena mpianany. Toy izany ve no izy amintsika? — Jaona 17:15, 16.

12. Na dia tsy tanteraka aza isika, dia amin’ny lafiny inona avy no ahafahantsika na dia izany aza, manaporofo ny tsy fivadihantsika?

12 Ny tsy fivadihana dia tsy mitaky fahatanterahana avy amin’ny olombelona tsy lavorary toa antsika. Kanefa tsy maintsy mifady ny fandikana ankitsirano ireo didy voalaza ao amin’ny Baiboly isika, na misy mahita na tsia. Ny fiahiantsika ny hitoetra tsy hivadika dia hanosika antsika hampihatra amin’ny fomba tsara ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, toy izay hitady ny hanatonantsika araka izay farany azo atao ny lalan’izao tontolo izao. Hanosika antsika koa izany hamelona fankahalana amim-pahatsorana ny ratsy. — Salamo 97:10.

13. Amin’ny ahoana ny tsy fivadihana no hiaro antsika amin’ny teny mody malefaka ataon’ireo mpivadi-pinoana?

13 Raha mankahala tokoa ny ratsy isika dia tsy hamela ny fahalianana hahafanta-javatra hitarika antsika hanakaiky izany araka izay farany azo atao. Izay liana loatra amin’ny fiainan’ny olona ratsy fitondrantena amin’ny maha-lahy sy maha-vavy dia hitolo-batana ho amin’ny loza (Ohabolana 7:6-23). Toy izany koa fa mety ho tratry ny loza ara-panahy ny tena raha mividy sy mamaky zavatra vita an-tsoratra avoakan’ireo mpivadi-pinoana, dia olona nandao an’i Jehovah sy ny fandaminany ary amin’ny teny dia “mikapoka” ireo namany taloha (Matio 24:48-51). Ahitantsika ity fampitandremana ity ao amin’ny Ohabolana 11:9: “Ny vavan’ny mpihatsaravelatsihy [mpivadi-pinoana, MN] no animbany ny namany.” Nefa ny tsy fivadihantsika dia hiaro antsika ary hampanalavitra antsika ny fanekena ho voafitak’ireo teniny mody malefaka. — II Jaona 8-11.

14. a) Inona no anankiray amin’ireo fomba lehibe indrindra hanaporofoantsika ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy Mpanjakantsika? b) Nahoana no zava-dehibe toy izany io asa io?

14 Ny anankiray amin’ny fomba lehibe hanaporofoantsika ny tsy fivadihantsika dia ny fandraisana anjara amin’ny fanahintsika rehetra amin’ny asa nampiandraiketin’i Jesosy ireo mpianany. Nanome ohatra ny tenany tamin’ny fandehanana isan-tanàna, isam-bohitra, nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Lioka 8:1). Nanambara izay hataon’ireo kristiana marina amin’izao andro izao i Jesosy raha nilaza hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Amin’ny alalan’ny fitoriana io vaovao tsara io no ampisehoana amin’ny mponina rehetra amin’ny tany ny raharaha momba ilay Fanjakana, mba handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra manokana. Misy olona betsaka, lehilahy sy vehivavy, manao safidy tsara izay hahafahan’izy ireo ho voaro sy ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe (Apokalypsy 7:9, 10). Moa ve ianao mandray anjara amim-pahatokiana amin’io asa ilaina maika dia maika io?

15. a) Araka ny Salamo 145:10-13, inona no horesahin’ireo olo-mahatokin’i Jehovah? b) Ahoana no iharan’ireo teny ireo amintsika?

15 Efa ela be izay, Davida mpanao salamo dia nanoratra hoe: “Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao (Salamo 145:1-13). Io fanjakana io ankehitriny dia miasa amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianika, izay Jesosy Kristy no Filoha tsy mivadika, ary manaporofo ny tsy fivadihantsika isika na amin’Andriamanitra na amin’i Kristy, amin’ny firesahana tsy amin-tahotra sy amin-kafanam-po ny amin’io Fanjakana io.

16. Amin’ny ahoana ny tsy fivadihana no misy heriny eo amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana sy ireo antony manosika manentana antsika?

16 Manao ahoana ny fiheveranao ho zava-dehibe io asa fanambarana ho an’ilay Fanjakana io? Moa ve ianao manao izany alohan’ireo zava-kendrena hafa manokana? Koa satria samy hafa ny toeran’ny tsirairay avy dia tsy isalasalana fa manao mihoatra na latsaka noho ny sasany amin’ireo namanao ianao amin’io lafiny io. Kanefa tsara ny hametrahantsika fanontaniana toy ireto amin’ny tenantsika: ‘Moa ve ny fandraisako anjara amin’io asa io atosiky ny fahatsapana adidy fotsiny? Moa ve izany tsy fanatitra anarany fotsiny? Moa ve aho tsy mahita izany afa-tsy toy ny fepetra tsy maintsy fenoina mba hahatafitana velona? Sa kosa ny fitiavako an’i Jehovah, ny fifikirako amin’ny Mpanjakany mesianika sy ny fiahiako amim-pahatsorana ny mpiara-belona amiko no manosika ahy hanome toerana voalohany ho an’io asa io ka hampiankina amin’izany ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainana? Ny tsy fivadihantsika dia hanosika antsika hitady ny fomba hanaporofoantsika fa io asa io dia zava-dehibe koa eo imasontsika toy ny maha-izany azy amin’ilay Mpanjakantsika.

17. Amin’iza no ‘hitenenan’i Jesosy fiadanana’ rehefa handringana ny ratsy fanahy izy?

17 Tsy ho ela, ilay noderain’ireo mpianany tamim-piravoravoana ho Mpanjakany tamin’ny fidirany tao Jerosalema tamin’ny 33 dia handringana ireo rehetra mandà ny fiandrianan’i Jehovah, izay miasa amin’ny alalan’io Mpanjaka mesianika io. Mifanohitra amin’izany kosa, izy dia “hiteny fiadanana” amin’ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra izay ho nanaraka ny ohatry ny tsy fivadihana navelany. Ho anisan’izy ireo ve ianao? — Zakaria 9:10; Efesiana 4:20-24.

[Fanontaniana]