Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fanavahana ny olombelona momba ny raharahan’ilay Fanjakana

Ny fanavahana ny olombelona momba ny raharahan’ilay Fanjakana

Toko Faha-15

Ny fanavahana ny olombelona momba ny raharahan’ilay Fanjakana

1. Nahoana ny fanavahana ny olombelona ny amin’ny raharaha momba ilay Fanjakana no mifono heviny lehibe ho an’ny tsirairay avy amintsika?

 NY TSIRAIRAY avy amintsika dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra lehibe raha ny amin’ny fihetsiny eo anatrehan’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah nampiandraiketina an’i Jesosy Kristy. Nahoana? Satria mifandray amin’io raharaha io ankehitriny no anaovana ny fanavahana ny olombelona rehetra ho antoko roa. Hiandany amin’ny iray na ny ankilany isika arakaraka ny fihetsika arahintsika manoloana ilay Fanjakana. Kanefa ny iray amin’ireo antoko roa dia ho tafita velona amin’ny fandringanana tsy ho ela izao tontolo izao ankehitriny. — Matio 24:40, 41.

2. a) Amin’ny ahoana ny Fanjakana mesianika no mifamatotra amin’ny raharaha momba ny fiandrianan’i Jehovah? b) Hanjary inona tsy ho ela ilay Fanjakana, koa inona no tokony hoeritreretina amim-pitandremana?

2 Jehovah dia efa nampanjaka any an-danitra ny Zanany, dia ny Mesia. Tamin’ny faran’ny “andro voafetra ho an’ireo firenena”, tamin’ny 1914, dia nomeny azy tokoa ny firenena ho lovany ary ny tany manontolo ho fananany (Salamo 2:6, 8). Ny fitondram-panjakana mesianika, izay ilay Mpanjaka voahosotr’i Jehovah no eo amin’ny seza fiandrianana, no fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany feno fahendrena sy fitiavana momba ny tany. Ny fihetsikao manoloana ilay Fanjakana àry dia mampiharihary ny fihetseham-ponao eo anoloan’ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Tsy ho ela ilay Fanjakana mesianika dia ‘hanorotoro sy handevona’ ny fandehan-javatra ara-politika rehetra manapaka ireo raharahan’olombelona ary hanjary ho hany fitondram-panjakana tokana ho an’ny tany manontolo (Daniela 2:44; Apokalypsy 19:11-21). Ho aiza ianao rehefa hanomboka hanova ny tany ho Paradisa izy? Moa ve ianao ho anisan’ireo olombelona hanaiky hotarihin’io fitondram-panjakana io mba handray soa amin’ny fiainana lavorary? Nofaritan’i Jesosy ny fomba hitsarana ireo olona velona ankehitriny mendrika hahita ho avy toy izany.

NY MPANJAKA SY IREO ‘RAHALAHINY’

3. Inona no lazalazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-33?

3 Rehefa niresaka tamin’ireo apostoliny ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” i Jesosy dia nampiasa fanoharana na sary maro be. Tao amin’ilay farany dia nanambara izy hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” — Matio 24:3, MN; 25:31-33.

4. a) Inona no ifandraisan’io fanoharana io amin’ny Daniela 7:13, 14? b) Fanontaniana inona avy no azontsika apetraka amin’ny tenantsika mba hahasoa antsika?

4 Mariho fa Jesosy dia niresaka ny tenany ho toy ny “Zanak’olona”, ary izany dia efa nataony imbetsaka tao amin’ny faminaniany (Matio 24:27, 30, 37, 39, 44). Tamin’io fitenenana io izy dia nampahatsiahy fahitana ara-paminaniana nomena an’i Daniela efa ho taonjato enina talohan’izay ka nolazain’ilay mpaminany tamin’ireto teny ireto: “Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola [Jehovah Andriamanitra] Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” (Daniela 7:13, 14; Hebreo 2:5-8). Efa nandray io fanapahana io Jesosy Kristy satria nanomboka tamin’ny 1914, dia manjaka avy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra izy. Ahoana no andraisanao manokana ny fanapahany? Moa ve ny fomba fiainanao manaporofo fa manome ny fanajana mendrika an’ilay nataon’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ho Filoha amin’ny tany manontolo ianao?

5. Ahoana no amaritan’i Kristy raha tso-po izay milaza ho manaiky azy ho Mpanjaka?

5 Tsy ampy ny manamafy izany, satria mora ny milaza fa mino ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena ary tia an’i Jesosy Kristy. Nefa tao amin’ny fanoharany ny amin’ny ondry sy ny osy dia nasehon’i Jesosy fa satria tsy ho hita maso any an-danitra izy, dia hitsara ny fahatsoran’ny fihamboan’ny olona iray izy amin’ny fiheverana indrindra ny fihetsiny eo anoloan’ireo ‘rahalahiny’, dia ireo kristiana misolo tena azy eto an-tany. — Matio 25:40, 45.

6. Iza moa ireo ‘rahalahin’i’ Kristy?

6 Iza moa ireo ‘rahalahiny’ ireo? Ireo olombelona nofidin’Andriamanitra ho mpiara-mandova amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Voafetra ho 144 000 ny isan’izy ireo ary sisa aminy monja no mbola eto an-tany (Apokalypsy 14:1, 4). Zanak’Andriamanitra izy ireo satria ‘nateraka indray’ noho ny asan’ny fanahiny. Izany no antony iresahan’ny Soratra masina azy ireo ho toy ny ‘rahalahin’i’ Jesosy Kristy (Jaona 3:3; Hebreo 2:10, 11). Heverin’i Jesosy Kristy fa izay atao amin’ireo ‘rahalahiny’, na dia amin’ny anankiray amin’ireo kely indrindra amin’izy ireo aza dia atao aminy.

7. Nahoana ireo “rahalahin’i” Kristy no tsy anisan’ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

7 Aiza no misy ireo ‘rahalahin’i’ Kristy ankehitriny? Moa ve ianao mahita azy ireo eo amin’ireo mpiangona ao amin’ny Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo tena mpianany? “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16). Toy izany ve no izy amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ireo mpiangona ao aminy? Amin’ny ampahany lehibe, ny fihetsiny sy ny fitondrantenany dia tsy hafa velively noho ny an’ny ankamaroan’ireo mponina eo an-toerana. Ny fitsabahan’ireo Fiangonana amin’ny politika dia fantatra tsara. Rehefa nosoratana ny fitsipika itondrana ny Firenena mikambana tamin’ny 1954, dia nisy solontena protestanta, katolika ary jiosy nanatrika teo tamin’ny naha-mpanolo-tsaina. Tao anatin’izao taona faramparany izao, ireo papa dia nidera ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, nilaza azy ho ny “fara fanantenam-pihavanana sy fiadanana” ary ho “lampihazo fara tampon’ny fiadanana sy ny rariny”. Ny Fanakambanam-pinoana, izay misy fandaminana ara-pivavahana eo amin’ny 300 eo aza dia nanome vola hanampiana ireo fihetsiketseham-panovana ara-pitondram-panjakana. Kanefa Jesosy Kristy dia nilaza tamin’i Pontio Pilato governora romana hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao.” — Jaona 18:36.

8. a) Inona no nanampy anao hamantatra ireo ‘rahalahin’i’ Kristy? b) Manao ahoana moa, eo imason’izy ireo, ny maha-zava-dehibe ny fitoriana ilay Fanjakana?

8 Ireo zava-misy dia manaporofo fa fandaminana ara-pivavahana tokana ihany no niandany tamin-kerim-po tamin’ilay Fanjakana, ary ireo mpikambana ao aminy dia mandany hery be dia be hitoriana izany manerana izao tontolo izao manontolo, sady manalavitra ny fitsabahana amin’ny politika na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona. Izany dia ny Vavolombelon’i Jehovah izay ahitana ireo sisa amin’ny ‘rahalahin’i’ Kristy. Manaraka ny ohatry ny Tompony sy ireo apostoliny izy ireo ka nanokana ny fotoanany sy ny heriny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fandehanana isan-tanàna sy isan-trano (Lioka 8:1; Asan’ny apostoly 8:12; 19:8; 20:20, 25). Tamin’ny 1919, tamin’ny fivoriambe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah (nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe Mpianatra ny Baiboly) tany Cedar Point (Etazonia), dia nampahatsiahivina an’ireo mpanatrika fa ny “niantsoana azy ireo, ary mbola izany foana, dia ny hanambara ilay fanjakana be voninahitry ny Mesia efa antomotra izao”. Tamin’ny 1922, nandritra ny fivoriambe karazan’izany ihany, io andraikitra io dia nosoritana indray tamin’ireto teny ireto: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.” Tamin’ny fampiasana ny fomba azo noraisina rehetra, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nanatanteraka hatrany io asa maneran-tany io hatramin’izao andro izao (Matio 24:14). Tamin’izany no nampahafantarana anao ny raharaha momba ilay Fanjakana. Manao ahoana àry ny fihetsikao momba io raharaha io?

‘NATAONAREO TAMIN’NY ANANKIRAY AMIN’IREO RAHALAHIKO IZANY’

9. a) Inona no fifandraisana misy amin’ireo tarehin-javatra voalazalaza ao amin’ny Matio 25:35-40 sy ny fanompoana momba ilay Fanjakana? b) Karazam-pisedrana inona no nampiharina tamin’ireo mponina amin’ny tany rehetra?

9 Ireo ‘rahalahin’i’ Kristy voahosotry ny fanahy dia voasedra mafy satria nitory tamim-pahasahiana ny Fanjakan’Andriamanitra sady nitoetra ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao (Jaona 15:19, 21). Ny sasany noana sy nangetaheta na tsy ampy fitafiana. Maro no nandao ny tranony mba hanompoana any amin’ny faritra lavitra. Tamin’ny fanaovana ny asa fanompoany dia niaritra aretina sy tranomaizina izy ireo, ary ny sasany aza dia novonoin’ireo mpanenjika azy. Izay niainan’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy dia niteraka fisedrana ho an’ireo olona amin’ny firenena rehetra. Moa ve ny fitiavany an’Andriamanitra sy Kristy tokoa hanosika azy ireo hanampy ireny iraky ny Fanjakan’ny lanitra ireny (Matio 25:35-40; jereo II Korintiana 5:20)? Izay heverin’i Kristy, ilay Mpanjaka, ho toy ny atao amin’ny tenany dia tsy ny hatsaram-po mahasoa olombelona fotsiny aseho amin’ireny kristiana ireny, fa ny fanampiana atolotra azy ireny noho ny antony mazava hoe azy izy ireny. — Marka 9:41; Matio 10:42.

10. a) Nahoana no tsy misy vidiny mihitsy ny fandavan’ireo “osy”? b) Mifanohitra amin’izany kosa, inona no fihetsika narahin’ireo “ondry”?

10 Ampitahain’i Jesosy amin’ny “ondry” ireo olombelona mitondra io karazana fanohanana ireo ‘rahalahiny’ io. Mifanohitra amin’izany kosa, ao amin’ny fanoharany, dia ampitahainy amin’ny “osy” ireo tsy mba tonga manampy azy ireo. Angamba izy ireny mandà mafy satria tsy mahita an’i Jesosy Kristy, nefa nalefany ho any amin’izy ireo ny mpanompony izay nampahafantatra ny tenany mazava ho toy izany. Marina fa tsy manenjika ireo ‘rahalahin’i’ Kristy daholo akory ny “osy” rehetra, nefa na dia izany aza dia tsy tia ny Mpanjaka any an-danitra izy ireo ka hoe ho tonga hanampy ireo solontenany eto an-tany (Matio 25:41-45). Izy ireo kosa dia mifikitra amin’izao tontolo izao izay Satana Devoly no filohany tsy hita maso. Fa raha ireo “ondry” dia tsy mahita koa an’i Kristy izy ireo amin’ny heviny ara-batana. Nefa, mifanohitra amin’ireo “osy”, dia tsy matahotra ny hitovy amin’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy izy ireo na ny hitondra ny fanohanany ho an’ireny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ireny. Mahalala izay ataony ireo “ondry” ary miandany mazava tsara amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy izy ireo. Izany no antony mampisy vidiny ny asany eo imason’ilay Mpanjaka.

11. a) Koa satria olona maro be no tsy mbola nahita mihitsy ny anankiray amin’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy, ahoana no mety hitsarana azy ireo araka izay voalazalaza ao amin’ilay fanoharana? b) Inona no miantoka ny fahombiazan’io asa io?

11 Nefa ahoana no hetezan’ny hitsarana ny firenena rehetra amin’io fototra io? Moa ve tsy milaza i Jesosy fa ireo ‘rahalahiny’ izay homen’ny Ray ny Fanjakan’ny lanitra tsy hahaforona afa-tsy “ondry vitsy”? (Lioka 12:32.) Marina fa olona betsaka no tsy nahita manokana mihitsy na dia iray aza tamin’izy ireo, nefa ireo ‘rahalahin’i’ Kristy dia mahaforona ny votoatin’ny fandaminana iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa amin’ny alalan’io vahoaka voalamina io, ny raharaha lehibe momba ilay Fanjakana dia aseho ny olombelona rehetra ankehitriny, na aiza na aiza iainany. Izany rehetra izany dia atao eo ambany fitarihan’ny tenan’i Kristy mihitsy, avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra, ary miaraka amin’ny fanampian’ireo anjely. Any amin’ny tany sy nosy 200 eo ho eo, ary na dia any amin’ireo tany andraran’ny manam-pahefana azy aza, io asa fanavahana io dia mandroso tsy azo tohaina, ary dia maro be no miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

12. a) Ahoana no ampisehoan’ireo “ondry” mazava hoe miandany amin’iza izy? b) Nahoana izy ireo no manao toy izany?

12 Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy mba hitory amin-jotom-po fa ilay Fanjakana dia mampihatra ny fanapahany ary hamongotra tsy ho ela ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny. Mampiseho ampahibemaso izy ireo amin’izany fa milahatra eo anilan’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah ary mamporisika amim-pitiavana ireo mpiara-belona aminy hanao toy izany koa. Ireny olona mifikitra amin’ny rariny ireny dia atosiky ny zavatra mahery lavitra noho ny faniriana ho tafita velona fotsiny. Tena tia an’i Jehovah sy ny lalany izy ireny. Ny fandaharana nataon’Andriamanitra, izany hoe ilay Fanjakana izay Kristy no Mpanjaka, dia mameno fankasitrahana ny fony, ary iriny ny handraisan’olon-kafa ny tombontsoa hoentin’izany. Noho izany izy ireo dia mandray anjara araka izay farany azony atao amin’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mifanaraka amin’ny toromarika nomen’i Jesosy an’ireo mpianany, izy ireo dia ‘mikatsaka ny Fanjakana aloha’ amin’ny tsy famelana ireo fanahiana eo amin’ny fiainana hampanilika izany ho eo amin’ny toerana faharoa. Amin’izany no iomanan’izy ireo handray fitahiana lehibe. — Matio 6:31-33.

‘HANDOVA ILAY FANJAKANA VE IANAO’?

13. a) Hatramin’ny oviana Jehovah no nihevitra ny valisoa homeny ireo “ondry”? b) Hidika ho inona ho azy ireo ny hoe ‘handova ilay fanjakana’?

13 Ho avy kanto no miandry ireo olona mitovy amin’ny “ondry” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra dia hilaza amin’izy ireo izy hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay hanorenana izao tontolo izao.” (Matio 25:34). Hatramin’ny “nanorenana izao tontolo izao”, izany hoe hatramin’ny fotoana nananan’i Adama sy Eva ireo zanany voalohany, izay afaka handray soa amin’ny avotra nomanin’Andriamanitra; araka ny Genesisy 3:15, 16, Jehovah dia nihevitra ny valisoa homeny ireny “ondry” ireny. (Jereo Lioka 11:50, 51.) Ireo “ondry” dia tolorana fahafahana handray soa amin’ny fiainan’olombelona lavorary ao amin’ny Paradisa voaorina indray izay verin’i Adama. Ny hoe ‘handovan’izy ireo ilay Fanjakana’ dia tsy midika akory fa ho any an-danitra izy ireo, satria ilay fanoharana dia mampiseho mazava fa tsy ireo olombelona izay ‘rahalahin’ny’ mpanjaka, dia ireo mpandova ny Fanjakan’ny lanitra akory izy ireo. Ireo “ondry” àry dia tokony ho ireo vahoaka etỳ an-tany an’ilay fitondram-panjakana any an-danitra. Araka ny diksionera nohafohezina grika anglisy iray (ny an’i Liddell sy Scott), ny teny grika basiléia, nadika tamin’ny hoe “fanjakana” dia azo raisina amin’ny endriny iharana ary manondro izay “tapahin’ny mpanjaka iray”. Miharihary fa amin’io heviny io no ampiasana io teny io eto.

14. Amin’ny ahoana ny didim-pitsarana voatonona ho an’ireo “osy” no ho hafa noho ny an’ireo “ondry”?

14 Raha ho any amin’ny “fanesorana mandrakizay” ireo “osy”, izany hoe ho any amin’ny fandringanana feno toy ny ateraky ny afo, ireo “ondry” kosa dia hotsimbinin’ilay Mpanjaka mesianika (Matio 25:41, 46, MN; jereo Apokalypsy 21:8). Tsy ho voatery handalo fahafatesana izy ireo fa ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe mba hiditra ao amin’ny “tany vaovao” be voninahitra, izay hafahana amin’ny fitaomana ratsin’i Satana sy ny fandehan-javany ratsy. Handray io fitahiana io izy ireo noho ny nandraisany dieny ankehitriny fanapahan-kevitra tsara raha ny momba ny raharahan’ilay Fanjakana.

15. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tanteraka amin’izao androntsika izao io fanoharana io? b) Asa inona avy àry no mifono heviny lehibe?

15 Ho fanaovana fahadisoana lehibe ny fiheverana fa noho ny maha-mandrakizay ny fandringanana ireo “osy”, ilay fanoharana dia tsy hety ho tanteraka raha tsy any aoriana kokoa, angamba mandritra ny fanjakana arivo taonan’i Kristy. Mifanohitra lavitra amin’izany, Jesosy dia nampiseho io fanoharana io ho toy ny anisan’ny famantarana ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, MN.) Ireo fisehoan-javatra nolazalazainy tao dia nitranga taorian’ny nandraisany seza fiandrianana, kanefa raha mbola ao amin’ny nofo ireo ‘rahalahiny’ ary miaritra ireo fahasahiranana nambarany. Miaina ao amin’io fe-potoana io isika ary manatona haingana ny farany izany. Iankinan’ny aina àry, tsy ny hametrahana ny fitokisantsika amin’io Fanjakana io fotsiny, fa ny hanampiana koa ireo mpiara-belona amintsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe indrindra ny hanaovana toy izany dieny ankehitriny.

[Fanontaniana]