Ny fiainana miandry ireo ho tafita velona
Toko Faha-4
Ny fiainana miandry ireo ho tafita velona
1. Nahoana moa ny “andron’i Jehovah” efa antomotra izao no tsy hamela ny tany ho rava (Isaia 45:18)?
NA DIA mety haharaiki-tahotra tokoa aza ny “andron’i Jehovah” efa antomotra izao, dia tsy hahatonga ny tany ho planeta foana tanteraka sy tsy azo onenana akory izany. Ny ho vokany dia tsy hisy hifandraisana mihitsy amin’ny an’ny loza aman’antambo noklehera iray izay, araka ny tahotry ny olona, dia hanimba tanteraka ny toerana manodidina eto an-tany ary noho ny taratra, dia hisy vokany hahatsiravina ho an’ny ho tafita velona. Tsy hanao izay hahatonga ny planetantsika tsy ho azo onenana àry ny Mpamorona, fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ kosa. — Joela 3:3, 4; Apokalypsy 11:18.
2. Inona no manome antoka antsika fa hamonjy ireo olony mahatoky Jehovah amin’ny fahoriana lehibe?
2 Tsy misalasala na dia kely akory aza ireo mpanompon’i Jehovah fa ho hain’Andriamanitra ny hiaro azy ireny na manao ahoana na manao ahoana hery fandringanana havoakany hanodidina azy ireo. Fantatr’izy ireo fa fony noravana Sodoma sy Gomora, tanàna ratsy roa, tamin’ny alalan’ny ‘solifara sy afo avy tany an-danitra’, dia namonjy an’i Lota sy ireo zanany vavy roa ny anjelin’i Jehovah iray (Genesisy 19:15-17, 24-26). Tsy nohadinoin’izy ireo koa fa tamin’ny andron’i Mosesy, rehefa novonoina ny lahimatoan’i Egypta rehetra, dia nandalo teo ambonin’ny tranon’ny Isiraelita ny anjely mpandringana, satria ireo trano ireo nomarihina mialoha tamin’ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska (Eksodosy 12:21-29). Toy izany koa, rehefa hamely ny fahoriana lehibe sy ny fandringanana hirehitra haterany, dia hamonjy an’ireo izay ho nanao azy ho fialofany Jehovah. — Salamo 91:1, 2, 14-16; Isaia 26:20.
3. Nahoana moa ireo faty ho maro dia maro no tsy hampidi-doza ho an’ny fahasalaman’ny ho tafita velona?
3 Marina fa aorian’io fandringanana hahatsiravina io dia hameno ny tany ny fatin’ny olona voavonon’i Jehovah. Kanefa tsy misy mihitsy mahalala tsaratsara kokoa noho Andriamanitra ny fomba hiarovana ny fahasalaman’ireo ho tafita velona. Lazainy amintsika fa hasainy ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ho “amin’ny fanasana lehiben’Andriamanitra” ka ho voky ny nofon’ny voavono izy ireo (Apokalypsy 19:17, 18; Ezekiela 39:17-20). Izay tsy ho nohanin’ny biby, dia ho hain’Andriamanitra ny hanafoana izany amin’ny fomba hafa. Hitohy mandra-pahavitany ny fahatanterahan’ny fikasany momba ny tany, araka ny nanambarany azy tany Edena.
IZAY AHARIHARIN’NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA TAMIN’NY VOALOHANY
4. Inona moa no fiaingana teo amin’ny fiainana nomen’i Jehovah ny mpivady olombelona voalohany, ary nahoana izany no mahaliana antsika mafy?
4 Mba hahazoana an-tsaina ny amin’ny ho avy hatolotra an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe, dia azo atao ny mihevitra ny fiainana nomen’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny fianakavian’ olombelona tany Edena. Rehefa nanomana ny tany izy mba hanaovana azy ho fonenan’ny olombelona, dia nataon’ny Mpamorona ny zavamaniry be dia be sy hazandrano, vorona ary biby an-tanety maro karazana mahafinaritra aoka izany. “Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tany Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.” (Genesisy 2:8). Tsy nanova ny tany manontolo ho paradisa anefa Andriamanitra ary tsy nanao azy ho saha izay ho nokolokoloiny ho an’ny olombelona. Tsia, nomen’i Jehovah ho an’ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany kosa ny fiaingana mahafinaritra; nitso-drano azy ireo izy ary nanankina asa taminy. Natorony azy ireo ny zava-kendrena izay hahatonga azy ireo ho afaka hampiasa araka izay farany betsaka ny fahaizany ka hahita fahafahampo amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo. Hisy heviny ny fiainan’izy ireo. Asa hahavariana re izany! Hataony izay hitaizana ireo zanany amin’ny fomba hanomezan’izy ireny taratr’ireo toetran’Andriamanitra, hanitatra ny Paradisa hatrany amin’ny faran’ny tany izy ireo ka hikarakara izany mbamin’ny zavaboary velona tsy tambo isaina. Raha nanohy nanaja ny fiandrianan’i Jehovah i Adama sy Eva, dia tsy ho nahita fahafatesana na oviana na oviana. Ho nifaly mandrakizay tamin’ny fiainana tonga lafatra teto an-tany izy ireo. — Genesisy 1:26-28; 2:16, 17.
5. Fahatsinjovana ho avy inona no hatolotra an’ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe?
5 Miharihary tokoa fa aorian’ny fahoriana lehibe avy hatrany, dia tsy ho sahala amin’ny tany Edena akory ny toe-piainana hisy eto amin’ny gilaobintsika. Tsy hiova hatrany anefa ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny amin’ny tany sy ny olombelona: tsy maintsy hitarina maneran-tany ny Paradisa, ny olombelona no ho mpiambina izany ary ho tafaray ao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina izy rehetra. Hatolotra azy ny fahafahana hiaina mandrakizay sy hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. — Lioka 23:42, 43, MN; Apokalypsy 21:3, 4; Romana 8:20, 21.
6. a) Inona no hiafaran’ny fitaovana ara-tafika rehetra? b) Nahoana no tsy hisy olona hijaly noho ny hanoanana intsony?
6 Amin’ny voalohany dia tsy isalasalana fa tsy maintsy hampanjavonina ny sisan-javatra rava rehetra avy amin’ny fandehan-javatra taloha ka hovana ho fiasana tsy misy ady ireo fitaovam-piadiana (Ezekiela 39:8-10; jereo Mika 4:3). Ireo vokatra mbola ho hita eny an-tsaha dia azo antoka fa hojinjaina mba ho sakafon’ireo ho tafita velona. Avy eo, rehefa ho natao ny famafazana ka ho nampidirina an-tsompitra ny vokatra vaovao, dia hanjary ho zavatra tena izy izao fampanantenana izao: “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” (Salamo 67:6; jereo Deoteronomia 28:8). Koa satria efa ho nanjavona ny fitiavan-tena sy ny fisaratsarahana mampiavaka ny fandehan-javatra taloha dia tsy hisy handry fotsy intsony. — Salamo 72:16.
7. Nahoana moa Jehovah no naneho fahendrena sy fitiavana tamin’ny fifidianana ilay ho Mpanjaka vaovaon’ny tany?
7 Izany dia ho izao tontolo izao voaforon’ny olona izay hanaiky ny tena maha-zava-dehibe ny fitarihana sy ny fitahian’i Jehovah, izay homena amin’ny fomba hanome taratry ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra. Notendren’i Jehovah Jesosy Kristy Zanany ho mpanjaka vaovaon’ny tany. Ahariharin’ny Baiboly amintsika anefa fa tamin’ny alalany no namoronan’Andriamanitra ny tany sy ny karazam-piainana rehetra eo aminy (Kolosiana 1:15-17). Fantatry ny Zanak’Andriamanitra tanteraka àry izay ilaina mba hampaharetana ny fiainana ary, ambonin’izany, dia tiany indrindra izay rehetra mahakasika ny olombelona. — Ohabolana 8:30, 31.
8. Hanampy an’ireo vahoakany eto an-tany hanaraka fihetsika manao ahoana eo anoloan’ny fiandrianan’i Jehovah moa Jesosy Kristy?
8 Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, dia tohanan’ny Zanaka amim-pahatokiana ny fiandrianan’i Jehovah. Izao no nambaran’ny faminaniana ny amin’i Jesosy: “Ary ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Isaia 11:2, 3). Hanampy an’ireo vahoakany eto an-tany àry izy hahita fahafinaretana toy izany koa amin’ny fampifanarahana ny fiainany amin’ny lalan’i Jehovah. Eo ambanin’ny fiandrianany, ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe dia hanana ny fiainana izay nokasain’Andriamanitra hampahitana ny olombelona fony izy nanome an’i Edena ho fonenana ho an’ireo ray aman-drenintsika voalohany.
IZAY AHARIHARIN’NY FANOMPOAN’I JESOSY
9. a) Inona avy moa no sasantsasany amin’ireo vokatra manimban’ny fahotana nolovan’ny olombelona? b) Inona no fanantenana azontsika velomina amin’ny famakiana ny fitantarana ireo fahagagana nataon’i Jesosy?
9 Kanefa, mba hananana fiainana toy izany, dia tsy maintsy hafahana amin’ny vokatra manimban’ny fahotana isika. Isika rehetra tokoa dia nandova ny fahotan’i Adama izay nanary ny fahatanterahany fony izy nanamavo ny fiandrianan’i Jehovah. Miharihary ny vokatry ny fahotana amin’ny lafiny maro: izany dia miteraka aretina, takaitra ara-batana mbamin’ny fironana hieritreritra, hiteny sy hanao zavatra amin’ny antony ratsy manosika. Farany, dia io no nahatonga ny fahafatesana (Romana 5:12; 6:23). Tamin’ny fanompoany teto an-tany, dia nanao fahagagana maro i Jesosy, ka nampiseho tamin’izany izay hataony mba hanamaivanana ireo vahoaky ny Fanjakan’Andriamanitra.
10. Nahoana moa no tsy mifanohitra amin’ny fahamarinana ny tsy hahafahan’ireo manam-pahaizana mamerina ireo fahagagana nataon’i Jesosy?
10 Rehefa mamaky ireo fitantarana mampihetsi-po ny amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy anefa ny sasany dia maneho ny fisalasalany. Nahoana? Satria zavatra fahita ny fisalasalana eo amin’izao tontolo izao misy antsika. Mieritreritra angamba ireo be fisalasalana fa mba hahafahana hino azy, ireo fahagagana dia tokony ho azo averina na hazavain’ireo manam-pahaizana. Fa nahoana ireo mpahay siansa no tsy mitsahatra ny manokana vola sy fotoana be dia be amin’ny fikarohana? Satria indrindra zavatra be dia be no tsy takany. Fa raha ny amin’ny fihetsika tokony hasehontsika eo anoloan’ny fanompoan’i Jesosy, dia izao no fanontaniana ny amin’izany raha ny marina: Vonona ve isika sa tsia ny hanaiky fa afaka mandray anjara amin’ireo raharahan’ny olombelona Andriamanitra?
11. Araka ny Asan’ny apostoly 2:22, inona avy no teny nampiasain’i Petera mba hiresahana ny amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy, ary milaza inona izany?
11 Tamin’ny 33, raha niteny tamin’ny vahoaka tafavory tany Jerosalema ny apostoly Petera dia niresaka an’i Jesosy hoe “lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana [fambara, MN] ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy”. (Asan’ny apostoly 2:22.) Raha raisina indray ny fitenenana nampiasain’i Petera, ireo fahagagana dia “asa lehibe”, tsy asa azon’ny olon-kafa naverina na nohazavaina, fa porofo fa ny herin’Andriamanitra dia niasa tamin’ny alalan’i Jesosy. Izany dia “famantarana” manaporofo fa tena Mesia, Zanak’Andriamanitra, tokoa Jesosy. Izany koa dia “fambara”, toe-javatra nanambara zavatra hiseho hahafaly amin’ny ho avy.
12. a) Nahoana moa no mampahery ny mamaky ireo fitantarana fanasitranana boka nataon’i Jesosy? b) Amin’ny ahoana moa ny fanasitranan’i Jesosy olona nalemy iray no mahaliana indrindra?
12 Vakio ao amin’ny Baibolinao ireo Filazantsara sady mitadidy ao an-tsaina fa ireo fahagagana nataon’i Jesosy dia mahatonga hahazo an-tsaina ny amin’izay hotanterahiny ho an’ny olombelona hiaina eto an-tany, eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra. Amin’izay ireo dia hodiovina amin’ny aretina maharatsy tarehy toy ny habokana — tsy misy hafa amin’ny nanasitranan’i Jesosy boka folo tamin’ny 33, fony izy teny an-dalana ho any Jerosalema. Noporofoiny tamin’izany fa hainy ny nanampy ny marary karazan’izany ary tena niriny tokoa izany (Lioka 17:11-19; Marka 1:40-42). Olona maro no malemy. Ho sitrana koa izy ireny — sahala amin’ilay malemy tsy afa-niala teo am-pandriana nositranin’i Jesosy taorian’ny namelany ny helony. — Marka 2:1-12.
13. Manonòna fahagagana iray nataon’i Jesosy izay manome fanantenana a) ho an’ny jamba, b) ny miboredika sy ny moana, d) ny olona tsy sitran’ny mpitsabo maro. e) Ahoana no ahafantaranao fa hahay hanasitrana ny karazan’aretina sy kilema rehetra Jesosy?
13 Hahiratra ny mason’ny jamba ary halady ny marenina, hahay hiteny ny miboredika sy ny moana — tsy misy hafa amin’ny nanasitranan’i Jesosy mponina tany Galilia sy Dekapolisy tamin’ny taonjato voalohany (Matio 9:27-30; Marka 7:31-37). Amin’izao andro izao, dia aretina be dia be no tsy azon’ireo mpitsabo sitranina. Izany koa no hita tamin’ny vehivavy iray tany Kapernaomy izay “efa niaritra zavatra betsaka tamin’ny mpanao fanafody [mpitsabo, MN] maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana”. Nositranin’i Jesosy izy io, ary hanasitrana marary maro hafa sahala aminy izy (Marka 5:25-29). Ny homamiadana, ny aretim-po, ny tazo, ny “bilharziose”, ireo aretina rehetra ireo dia mety ho foana noho Jesosy. Izany no noporofoiny rehefa “nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra” izy tamin’ny fanompoany tany Galilia. — Matio 9:35.
14. Rehefa heverina amin’ireo fitantarana fananganana maty nataon’i Jesosy, hanao ahoana ny ho fihetsik’ireo ho tafita velona hanatrika fananganana maty?
14 Amin’izay koa no fotoana hahafahan’ireo olona an-davitrisany maro maty tao anatin’ireo taonjato — fa tsy ireo ho naringan’Andriamanitra tamin’ny fahoriana lehibe — ho velona indray, amin’ny fahatsinjovana ho avy tsy mbola fantany mihitsy teo aloha. Hilaza inona ho an’ireo ho tafita velona izany? Tany akaikin’ny vohitr’i Naina i Jesosy dia namafa ny ranomason’ny vehivavy mpitondratena nitomany mafy iray tamin’ny famelomana indray ny zanany lahitokana. Tany Kapernaomy dia nampiravoravo ray aman-dreny aoka izany izy rehefa namoha zazavavy kely iray maty (Lioka 7:11-16; Marka 5:35-42). Tsy ho tianao ve ny ho eo rehefa hovelomina indray ireo olon-tsy foinao efa maty? Hiaina fisehoan-javatra hahatalanjona toy izany ireo ho tafita velona izay handova “ny tany vaovao”.
15. a) Araka ny fampianaran’i Jesosy, karazan’olona manao ahoana no hiaina eto an-tany? b) Ahoana no mety hananantsika dieny izao santatr’izay ho fiainana eto an-tany?
15 Tsy ho famerimberenana fotsiny izay hitantsika amin’izao andro izao miaraka amin’ny alahelony sy ny fanaintainany izay matetika no mampahory ny olombelona akory ny fiainana. Noporofoin’i Jesosy izany, tsy tamin’ny alalan’ny fahagagana nataony fotsiny, fa tamin’ny fampianarany koa ka nasehony fa ireo izay tena kristiana ihany no ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny “tany vaovao”. (Jaona 3:36.) Nampianatra ny mpianany koa izy hametraka ny zava-tsarobidy ara-panahy alohan’ny fikatsahana zavatra ara-nofo, hiantehitra amin’i Jehovah, hitady ny fitarihany sy hankasitraka azy noho ny fitahiany rehetra. Tamin’ny teniny sy ny ohatra nomeny, dia nasongadin’i Jesosy ny amin’ny fitiavana sy ny fanetren-tena, ary nosoritany ny maha-zava-dehibe ny hiahiana amim-pahatsorana ny hafa sy ny hananana fandavan-tena mba hahasoa azy ireny. Ny olona efa tonga mpianatr’i Kristy ka tena manaraka tokoa ny fotopoto-pitsipiny dia mahita dieny izao, fampaherezana ho an’ny fanahiny ka noho izany dia mampahery ny hafa (Matio 11:28, 29; Jaona 13:34, 35). Izany anefa dia ho fisantarana fotsiny ny ho fiainan’ny olombelona izay ho tafita velona amin’ny fandravana izao tontolo izao ankehitriny tsy manam-pitiavana. Mety hanana izany fiainana izany ianao raha manao zavatra amim-pahendrena ankehitriny.
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 33]
NY FIKASAN’ANDRIAMANITRA TAMIN’NY VOALOHANY HO AN’NY OLOMBELONA
Hameno ny tany amin’ny olona hahitana taratr’ireo toetrany.
Hanitatra ny Paradisa hatrany amin’ny faran’ny tany sy hikarakara izany mbamin’ireo biby.
Hiaina sambatra sy mandrakizay eto an-tany.