Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba nanombohan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”

Ny fomba nanombohan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”

Toko Faha-14

Ny fomba nanombohan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”

1. a) Ao amin’ny Baiboly, inona no voatondro matetika tokoa amin’ny fitenenana hoe “lanitra”? b) Inona no hevitry ny teny hoe “tany” ao amin’ny andalan-teny sasany?

 REHEFA lanitra no resahina, dia olona maro no mihevitra avy hatrany ny habakabaka, ny volana ary ny kintana. Nefa ny Baiboly dia mampifandray koa ny “lanitra” amin’ny fanapahana (Asan’ny apostoly 7:49). Indraindray izy dia mampiasa mihitsy aza ny fitenenana hoe “lanitra” mba hanondroana an’Andriamanitra amin’ny maha-Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao (Daniela 4:23; Matio 4:17). Ireo fitondram-panjakan’olombelona dia antsoina ihany koa hoe “lanitra” noho ny toeran’izy ireo ambony raha ampitahaina amin’ireo vahoakany (II Petera 3:7). Mitovy amin’izany koa, ny teny hoe “tany”, izay manondro ny gilaoby matetika, dia mety ho mitovy dika amin’ny hoe fitambaran’olona (Genesisy 11:1; Salamo 96:1). Raha fantatsika izany dia ho mora kokoa amintsika ny hahatakatra ny hevitr’ireo fampanantenana mahavariana momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Ny sasany tamin’ireny fampanantenana ireny dia nahita fahatanterahany voalohany tamin’ny andron’ny firenen’Isiraely fahiny.

‘MIRAVORAVOA SATRIA MAHARY IZANY AHO’

2. Nahoana moa Jehovah no namela ny handefasana ny Isiraely ho babo, nefa inona ihany koa no nambarany?

2 Andriamanitra dia nanao fanekena tamin’ny firenen’Isiraely izay nampanantena tamin’ny fomba manetriketrika fa hankatò azy. Kanefa ireo Isiraelita dia nanjary nivadika. Noho izany dia nampahafantatra Jehovah fa hanala amin’izy ireo ny fiarovany ary hamela ny handravana an’i Jerosalema sy ny handefasana ny vahoaka ho babo tany Babylona (Isaia 1:2-4; 39:5-7). Nefa noho ny famindrampony dia nanambara ny hiverenan’ny sisa amin’ny Isiraelita nibebaka koa izy. — Isaia 43:14, 15; 48:20.

3. Inona no dikan’ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Isaia 65:17?

3 Koa satria tena azo antoka tokoa io fanarenana ho avy io, Jehovah dia niresaka izany toy ny hoe efa eo am-pitrangana ilay fisehoan-javatra. Hoy izy hoe: “Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa indro mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” (Isaia 65:17, 18). Hilaza fanafahana ireo Isiraelita nibebaka izany.

4. a) Oviana no nitranga ny fanafahana voambara? b) Inona tamin’izany fotoana izany ny “lanitra vaovao” sy “tany vaovao”?

4 Na dia toa tsy hety aza izany amin’ny fomba fijerin’ny olombelona fotsiny, ilay Babylona nahery dia nianjera teo an-tanan’ny Mediana sy Persiana tamin’ny 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Tonga teo ambany fitondram-panjakana vaovao iray, “lanitra vaovao”, izay nandraisan’i Kyrosy anjara tena lehibe àry ny Jiosy. Na dia tsy nanjary proselyta jiosy aza i Kyrosy dia niaiky fa Jehovah no namela azy hampihatra ny fahefana nananany ary nanendry ny hampanamboatra ny tempolin’i Jerosalema (II Tantara 36:23; jereo Isaia 44:28). Rehefa tafaverina tany Jerosalema tamin’ny 537 Zerobabela governora sy Josoa mpisoronabe dia nitana toerana lehibe koa tao amin’io fitondram-panjakana na “lanitra vaovao” io. Fa raha ny amin’ny sisa tamin’ny Jiosy niverina tany Jerosalema, izy ireny dia nahaforona “tany vaovao”, fitambaran’olona voadio izay namerina ny fanompoam-pivavahana madio tao amin’ilay tany. — Ezra 5:1, 2.

5, 6. a) Ahoana no hanomezan’ireo Jiosy porofo fa niova marina izy ireo? b) Rehefa nanitsy azy ireo Jehovah, tamin’ny ahoana ny fihetsiny no hafa noho izay nananany talohan’ny nahababoany?

5 Mba hanomezana porofo fa niova tokoa izy ireo na tao an-tsainy na tao am-pony, ireny Jiosy ireny dia tsy maintsy nanome ho an’ny fanompoam-pivavahana madio ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany, nanaja marina ny fiandrianan’i Jehovah ary nihaino ireo mpaminaniny. Noho izany, raha vao tonga tao Joda izy ireo dia nanomboka indrindra “nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Isiraely” izy ireo ary nanolotra fanatitra. — Ezra 3:1-6.

6 Rehefa nitaredretra tamin’ny famitana ny tempoly ireo Jiosy noho ny fironany ho fatra-pitia ny zavatra hita maso sy ny tahotra olona, dia nandefasan’i Jehovah mpaminany izy ireo mba hanitsy azy ary nihaino ny fananarana izy ireo (Hagay 1:2, 7, 8, 12; 2:4, 5). Tatỳ aoriana, rehefa naseho azy ireo fa tsy nahavita ny adidiny izy ireo tamin’ny tsy fanajana ireo zavatra takin’ny Lalàna momba ny fanambadiana, dia nanitsy ny lalany ireo Isiraelita (Ezra 10:10-12). Araka ny fitenenana ara-panoharana dia tsy ny nanana maso tsy nahita sy sofina tsy nandre ny tenin’Andriamanitra velively izy ireo fa nandray soa tamin’ny fanasitranana ara-panahy ary nampiasa ny fahaizany nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah (ampitahao amin’ny Isaia 35:5, 6 ny 6:9, 10). Ho vokatr’izany, Andriamanitra dia nanome ho azy ireo ny fanambinana mifanaraka amin’ny fampanantenana voninahitra ao amin’ny Isaia 65:20-25.

7. Ahoana no ahafantarantsika fa hanana fahatanterahana hafa ny faminanian’Isaia?

7 Nefa moa ve izany ihany no hany fahatanterahan’ilay faminaniana momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”? Azo antoka fa tsy izany. Nanambara ny apostoly Petera fa ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia niandry anankiray hafa tamim-pahadodonana (II Petera 3:13). Izay nantenain’izy ireo dia tanteraka eo ambany masontsika. Ahoana izany? Mifanaraka amin’ireo fisehoan-javatra mahakasika ny fanomezana seza fiandrianana an’ilay Kyrosy Lehibe, izany hoe Jesosy Kristy ao amin’ny voninahiny.

8. a) Oviana Jehovah no namorona io “lanitra vaovao” io ary tamin’ny ahoana io fahatanterahan’ny faminaniana io no hafa noho ilay voalohany? b) Ahoana no nitomboan’ny asan’ny mpikambana ao amin’ny “lanitra vaovao” tsikelikely?

8 Araka ny efa nambarantsika, tamin’ny 1914 Jehovah Andriamanitra dia nanome fahefana ny Zanany mba hanombohany manjaka eo afovoan’ireo fahavalony. Hatramin’izay no nisian’ny “lanitra vaovao” nandrasana hatry ny ela be. Nahagaga lavitra noho izay nitranga tamin’ny fanafahana ny Isiraely fahiny ilay fisehoan-javatra (Salamo 110:2; Daniela 7:13, 14). Manapaka tokoa any an-danitra ilay fitondram-panjakana teraka tamin’ny 1914, ary nomen’Andriamanitra azy ny fahefana amin’ny tany manontolo. Nitombo tatỳ aoriana ny isan’ireo mpikambana amin’io fitondram-panjakana io noho ny fitsanganan’ireo mpianatr’i Kristy voahosotra (efa maty), mba hahatongavan’izy ireo ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka amin’ny Tompony. Hatramin’izay, rehefa misy kristiana hafa anisan’ny kilasin’ilay Fanjakana mahatapitra ny fiainany eto an-tany, izy ireo dia atambatra amin’ireo mpikambana mihamaro kokoa hatrany an’ny “lanitra vaovao”. (I Tesaloniana 4:14-17; Apokalypsy 14:13.) Ny ampahany be indrindra amin’ireo mpiara-mandova amin’i Kristy àry ankehitriny dia miasa ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Ireny kristiana nateraky ny fanahy sy nakambana amin’i Kristy ireny no mahaforona ilay Jerosalema Vaovao izay nanambaran’i Jehovah hoe: “Indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” — Isaia 65:18.

9. “Firavoravoana” inona no naterak’i Jehovah teto an-tany tamin’ny 1919?

9 Kanefa Jehovah dia nampisy “firavoravoana”, tsy tany an-danitra fotsiny, fa teto an-tany koa. Marina tokoa fa misy sisa amin’ireo mpandova ilay Fanjakana mbola eo amin’ny sehatra eto an-tany. Nandritra ny ady lehibe voalohany, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanararaotra ny fahaverezan-tsaina nandalo nateraky ny ady mba hitondrana fiampangana lainga an’ireo Mpianatra ny Baiboly ary nahatonga tamin’izany ny fanamelohana mpikambana maromaro tamin’ny Kolejy foibeny ho amin’ny fanaovana an-tranomaizina haharitra ela be. Kanefa tamin’ny 1919 dia nafahana izy ireo, ka izany dia nidika, raha ny tena izy, ho fanafahana azy ireo tamin’ny fahababoana izay Babylona Lehibe no mpamporisika. Notohanan’ny fanahin’i Jehovah izy ireo ary dia nifandamina indray mba hahaforona vahoaka voatokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio sy ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany.

10. a) Tamin’ny ahoana ny fanantenan’ireo Isiraelita ara-panahy no hafa noho ny an’ireo Jiosy niverina avy tany amin’ny fahababoana tamin’ny 537? b) Asa inona no nampiandraiketin’i Jehovah azy ireo? d) Fitahiana inona avy no raisiny raha mbola eto an-tany izy ireo, ary ahoana no ilazalazan’ireo teny voatonona ao amin’ny fehintsoratra ireo fitahiana ireo?

10 Nefa ny fanantenan’izy ireo dia hafa noho ny an’ireo Jiosy niverina tao amin’ny taniny tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ireo mpikambana amin’ny Isiraely ara-panahy dia niandry tokoa lova izay “voatahiry any an-danitra” ho azy ireo (I Petera 1:3-5.) Kanefa alohan’ny hanomezan’i Jehovah valisoa azy ireo dia hanankinany asa iray izy ireo. Momba izany, dia nanambara ara-paminaniana Andriamanitra hoe: “Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’i Ziona hoe: Oloko hianao.” (Isaia 51:16). Jehovah dia nametraka ny ‘teniny’, izany hoe ny hafany, tao am-bavan’ireo mpanompony mba hanambaran’izy ireo izany amin’ny tany manontolo. Tamim-pitokisana, izy ireo dia nampahafantatra fa Andriamanitra dia nanao ny “lanitra vaovao” ho mafy aoka izany ka na ny olona na ny demonia dia tsy ho afaka hanongotra azy. Ny nataon’Andriamanitra tamin’ireo solontenan’i Ziona any an-danitra dia nampahafantatra azy ireo mazava ho vahoakany. Mifanohitra amin’izao tontolo izao rava ara-panahy sy ara-pitondrantena, ny “tany” itoeran’ny Isiraely ara-panahy, raha lazaina amin’ny teny hafa, ny sahan’asany, dia mahita ireo zava-tsarobidy sy asa ara-panahy miroborobo. Raha ny tena izy dia paradisa ara-panahy izany (Isaia 32:1-4; 35:1-7; 65:13, 14; Salamo 85:1, 8-13). Nefa ahoana ny amin’ny “tany vaovao” voambara ao amin’ny Isaia 65:17?

NY FANOMANANA NY “TANY VAOVAO”

11. a) Hatramin’ny oviana indrindra moa Jehovah no manomana ireo ho anisan’ny “tany vaovao”? b) Olona iza nivoaka avy tany Babylona fahiny moa no tandindon’izy ireo?

11 Hatramin’ny 1935 indrindra, Jehovah dia nanampy ny Isiraely ara-panahy hanavaka fa tonga ny fotoana hanangonana olona betsaka amin’ny lehilahy sy vehivavy izay hanana fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany. Raha ampitahaina amin’ny “ondry vitsy” mpandova ilay Fanjakana izy ireo dia nanjary vahoaka betsaka tokoa (Apokalypsy 7:9, 10). Nampidirina tao amin’ny paradisa ara-panahy koa izy ireo. Tandindon’izy ireo ny Isiraelita nandao an’i Babylona niaraka tamin’ny Jiosy tamin’ny 537 sy tatỳ aoriana kokoa (Ezra 2:58, 64, 65; 8:17, 20). Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra mahaforona ankehitriny izany olona betsaka izany ary manana fanantenana ny ho eto an-tany no ho anisan’ny “tany vaovao” amin’ny ho avy.

12. Ahoana no anomanana olona dieny izao ho fototra tsaran’ny “tany vaovao”?

12 Ireo kristiana ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ary hanana amin’izany fahatsinjovana fiainan’olombelona tanteraka, dia hahaforona, raha ny tena izy, ny fototr’io tany vaovao io izay ho izy ireo no ho anisany voalohany; Zava-dehibe tokoa ny hahamafy orina io fototra io. Noho izany, izy ireo dia efa ampianarina amim-pitandremana ao amin’ny lalan’i Jehovah dieny ankehitriny. Ampiana izy ireny hankamamy amim-pahatsorana ny maha-zava-dehibe tokoa ny raharaha lehibe momba ny fiandrianana manerana izao rehetra izao, hahatakatra fa iankinan’ny aina ny ‘hatokiana an’i Jehovah amin’ny fo rehetra fa tsy hiankina amin’ny fahalalan’ny tena manokana’. (Ohabolana 3:5, 6.) Omena azy ireo ny fahafahana hiseho ho mpiaro mahatoky sy be zotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara faran’izay betsaka amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:14.) Tsapan’ny tenan’izy ireo ny dikan’ny hoe anisan’ny fikambanana iraisam-pirenena izay iarahan’ny lehilahy sy vehivavy avy amin’ny firenena, fiteny sy firazanana rehetra miasa ao amin’ny fifankatiavana amim-pirahalahiana (Jaona 13:35; Asan’ny apostoly 10:34, 35). Moa ve ianao miezaka handray soa faran’izay betsaka amin’io fandaharam-pampianarana io? Misy fahatsinjovan-javatra kanto atolotra an’izay rehetra manao toy izany.

MANJARY ZAVA-MISY NY “TANY VAOVAO”

13. Amin’ny ahoana ny “tany vaovao” no hahaforona fahatanterahana mahagaga lavitra ny fampanantenan’i Jehovah noho izay nitranga tamin’ny 537?

13 Ny fahatanterahana farany sy fenon’ilay fampanantenan’i Jehovah hamorona “tany vaovao” dia mbola hahagaga lavitra noho ny fanafahana ireo Jiosy tamin’ny 537. Tsy hoe ho voaforon’ny olombelona nafahana avy tao Babylona Lehibe fotsiny ny “tany vaovao”, fa io koa, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia ho efa nolevonina mandrakizay (Apokalypsy 18:21). Io fitambaran’olona marina io — ny “tany vaovao” — dia tsy ho voahodidin’ny firenena izay hanala baraka an’i Jehovah sy hanenjika ireo mpanompony, toy izay nitranga tamin’ny fahatanterahan’ny faminanian’ Isaia voalohany. Koa satria tsy nety nanaiky ny fiandrianan’i Jehovah ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra dia ho efa nofongorana ary ny fitambaran’olona ratsy ankehitriny dia ho efa voaongotra tanteraka amin’ny tany (Daniela 2:44; Ohabolana 2:21, 22). Rehefa hanomboka ny fandaharan-javatra marina vaovao nomanin’Andriamanitra, dia ireo olombelona manome voninahitra an’i Jehovah sy mifaly amin’ny lalany no ho hany mponina amin’ny planeta. — Salamo 37:4, 9.

14. a) Rahoviana ireo teny voarakitra ao amin’ny II Petera 3:13 sy Apokalypsy 21:1 no ho tanteraka? b) Ao anatin’ny toe-piainana vaovao manao ahoana ny “lanitra vaovao” no hanao ny asany? d) Olombelona hafa iza koa no ho tafiditra ao amin’ny “tany vaovao”?

14 Ny amin’io fotoana halaza io no noeritreretin’ny apostoly Petera rehefa nanoratra ny taratasiny faharoa araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy (II Petera 3:13). Momba ireo fahatsinjovana ny ho avy tena mampahery ireo ihany, ny apostoly Jaona dia nitantara ny antsipiriany sasany tamin’ny fahitana nomena azy raha nilaza hoe: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.” (Apokalypsy 21:1). Rehefa ho tapitra ny fahoriana lehibe ary ho efa natsipy tany amin’ny lavaka tsy hita noanoa Satana sy ireo demoniany dia hanomboka amin’izay ny fotoam-baovao iray. Ny fitaomana ratsin’i Satana sy ireo demoniany dia ho efa nanjavona ary ny fandehan-javatry ny Devoly manontolo dia ho efa nolevonina. Ho afaka hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah feno fitiavana ho tombontsoan’ireo zavaboary ny “lanitra vaovao” ka tsy ho voahelingelin’ny fitondram-panjakana tsy miraharaha firy ny fiandrianan’Andriamanitra. Eo ambanin’io “lanitra vaovao” io dia hisy “tany” tena “vaovao”, “olona betsaka” izay hotoloran’Andriamanitra ho avy kanto: ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izay hitatra amin’ny tany manontolo ary hiavaka amin’ny hatsarana, ny fanambinana, ny fahasambarana ary ny fiadanana. Rehefa ho tonga ny fananganana ny maty, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, izy ireo dia hahita koa fahafahana ho anisan’io “tany vaovao” io izay honenan’ny fahamarinana. — Apokalypsy 20:12, 13.

15. Nahoana ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4 no zava-dehibe aminao?

15 Momba ireo soa homen’Andriamanitra ny taranak’olombelona amin’izay, ny apostoly Jaona dia nandre ity fanambarana avy any an-danitra ity: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4). Ho fiainana hahavariana re izany!

16. Inona no azonao andrasana avy amin’ny ho avy araka ireo fampanantenana voarakitra ao amin’ny a) Isaia 11:6-9? b) Isaia 35:1-7? d) Isaia 65:20-25? e) Noho iza no ahafahantsika manantena zavatra toy izany?

16 Ireo toe-piainana nisy tao Edena sy ireo fahagagana nataon’i Jesosy dia manome ho antsika santatra tsara dia tsara ny amin’ny fiainana ao amin’ny “tany vaovao”. Ankoatr’izany, ireo zavatra isan-karazany amin’ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 11:6-9; 35:1-7 sy 65:20-25 dia ho tanteraka ho hita maso ho fahasambarana lehibe indrindra ho an’ny olombelona mankatò. Ho famelombelomana toy inona moa izany ho azy ireo rehefa ho afaka handray soa amin’ny toe-piainana tena ilaina toy ny fahasalamana sy ny fanambinana ara-panahy ary koa ny fahalavorariana ara-batana sy ara-tsaina izy ireo eo amin’ny tany izay hanjary Paradisa amin’ny lafiny rehetra! Amin’ny fahatsinjovan-javatra kanto loatra toy izany, ahoana no tsy hanandratana ny feontsika mba hiderana an’i Jehovah, ilay Mpamorona lehibe?

[Fanontaniana]