Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ny kely tonga firenena mahery’

‘Ny kely tonga firenena mahery’

Toko Faha-20

‘Ny kely tonga firenena mahery’

1. a) Inona no nambaran’i Jehovah raha ny amin’ny fitomboan’ny isan’ireo tena mpivavaka aminy? b) Iza no fototr’izany fitomboana izany, ary amin’ny fomba ahoana?

 HATRAMIN’NY ela be ireo mpivavaka amin’i Jehovah no vitsy raha oharina amin’ny isan’ny mponina maneran-tany. Amin’izao andro izao anefa ny fitomboan’ny isany dia mahasafononoky ny hafaliana an’ireo tia ny rariny. Izao no nambaran’i Jehovah ny amin’ny halehiben’izany fitomboana izany: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Ny tenan’i Jehovah mihitsy àry no fototr’izany fitomboana izany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny famoronana eo amin’ireo mpanompony toe-piainana mahatonga fisian’ny fifanoheran-javatra mazava dia mazava eo amin’izy ireo sy izao tontolo izao manodidina azy, ka manintona ny olona tso-po izany.

2. a) Natao ho an’iza moa ny teny voasoratra ao amin’ny Isaia 60:1, 2? b) Tamin’ny heviny ahoana moa ny “voninahitr’i Jehovah” no hamirapiratra eo amin’io “vehivavy” io? d) Tamin’ny fomba ahoana no ‘nihazavan’ny’ sisa?

2 Izany no nambaran’ny Isaia 60:1, 2, izay itenenan’i Jehovah amin’ny ‘vadiny’, izany hoe ny fandaminany voaforon’ireo zavaboariny ara-panahy mahatoky sy ireo zanany nateraky ny fanahy mbola eto an-tany. Hoy izy taminy: “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” Izany fifanoheran-javatra izany dia vokatry ny nahaterahan’ny Fanjakana mesianikan’i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Tamin’izay ny “voninahitr’i Jehovah” no nanomboka namirapiratra teo amin’ny fandaminany any an-danitra vao niteraka an’io Fanjakana io. Loharanom-pifaliana lehibe teo anivony izany (Apokalypsy 12:1, 2, 5, 10-12) Eto an-tany, ny sisa voahosotra amin’ireo mpandova ilay Fanjakana dia miara-manana izany fifaliana izany koa. Nanomboka tamin’ny 1919, dia ‘nihanazava’ izy ireo tamin’ny fanombohana nanambara maneran-tany fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany tena fanantenana ho an’ny olombelona. — I Petera 2:9; Matio 5:14-16.

3. a) Nahoana moa, nanomboka tamin’ny 1914 indrindra, no ‘nanarona ny tany ny aizina’? b) Inona no hany tena fanafodiny?

3 Mifanohitra amin’izany, ireo antokom-pirenena izay niady mba hiarovana ny fiandrianam-pireneny, tamin’ny 1914, dia niditra tao anatin’ny fotoan’ny herisetra sy tsy filaminana tsy mbola nahatafarina azy mihitsy. Ny fivadibadihan-javatra naterak’izany dia nitarika olona be dia be hahatsapa fa na dia tao aza ny “fandrosoana ara-tsiansa”, dia tsy nanana ho avy azo antoka izy ireo. Tena ‘manarona ny tany tokoa ny fahamaizinana’. Fa nahoana ireo firenena no tsy mahita fanafodiny mihitsy? Noho izy ireo nanda an’i Jehovah. Tsy manaiky azy ho Tompom-piandrianana eo aminy izy ireo. Fara fahabetsany, dia filoham-panjakana vitsivitsy no manaja amin’ny molony “Andriamanitra” iray tsy tononiny mihitsy ny anarany. Tapa-kevitra izy ireo ny hitondra ny tenany ihany, kanefa lehibe loatra ny zava-manahirana azy ka tsy voalaminy (Jeremia 8:9; Salamo 146:3-6). Izao tontolo izao ankehitriny feno fitsiriritana sy faharatsiana, dia niditra ao anatin’ny ‘androny farany’. Tsy manana fomba handosirana ny fandringanana miandry azy mihitsy izy. Ny olona maneho finoana tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mibanjina ny ho avy amim-pitokisana. Izany no takatry ny olona tso-po mihamaro izay miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe miresaka ny amin’ilay Fanjakana izy ireo, fa manao fiezahana mafy koa mba hiainana mifanaraka amin’izay toriny.

‘TONGA ARIVO NY KELY’

4. Mifanaraka amin’ny Isaia 60:4, fanangonana inona aloha no nitranga?

4 Tamin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia tsy vita ny fanangonana ireo mpandova ilay Fanjakana. Mbola nila ‘zanakalahy’ sy ‘zanakavavy’ ilay Jerosalema any ambony mba hiisa ho 144 000, isa voafetra mampiseho ny fitambaran’ireo mpandova voantso hiara-hanjaka amin’i Kristy any an-danitra. Nanambara ny fahavitan’io asa io anefa Jehovah tamin’ny filazana hoe: “Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.” (Isaia 60:4). Noho ny fanambarana ilay Fanjakana, nanomboka tamin’ny 1919, dia olon-kafa an’arivony maro no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa, ary taorian’izany dia nohosorana tamin’ny fanahy izy ireo. Jesosy anefa dia niresaka ny antokon’ny mpandova ilay Fanjakana manontolo ho “ondry vitsy” monja (Lioka 12:32). Mba hahatanterahan’ny Isaia 60:22 anefa, dia tsy isalasalana fa tsy maintsy nisy olon-kafa maro tafangona sy nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Izany tokoa no nitranga.

5. Ahoana moa no nahatongavan’ny fitomboana taty aoriana araka ny fomba voambara ao amin’ny Isaia 55:5?

5 Misy firesahana ny amin’izany fanangonana izany ao amin’ny Isaia 55:5, izay amakiantsika toy izao: “Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao [anao, MN] no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.” Eo dia misy firesahana ny amin’ny olona tsy anisan’ny Isiraely ara-panahy. Avy amin’ny firenena maro izy ireny, kanefa mahaforona vahoaka tafaray satria manohana amim-pahatokiana ny Fanjakan’Andriamanitra izy rehetra. Izy ireo dia mahaforona “firenena” tsy ‘fantatry’ ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy satria, etsy andaniny, dia voafetra ny fahalalany ny Soratra Masina, ary, etsy ankilany, ireny olona ireny dia tsy mbola nahafantatra ireo tena mpanompon’Andriamanitra. Kanefa, noho ny fitoriana ny vaovao tsara, ireny olona ireny dia voasintona hanatona ny Isiraelita ara-panahy, satria tsapany fa mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina ireo ary hainy ny manavaka eo amin’izy ireo, fahatsarana ara-panahy izay ny fitahian’Andriamanitra ihany no afaka manome azy.

6. Nanao ahoana ny nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary inona avy no vokatra mahafaly azo?

6 Na dia ao aza izay rehetra nataon’i Satana mba hanakantsakanana ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy mba hampitodihana ny sain’ny olona ho amin’ny zava-kendrena hafa, dia mbola mahatratra ihany na dia ireo toerana mitokana indrindra amin’ny tany aza ny fahazavan’ny fahamarinana. Ny vokatr’izany dia izay nambaran’Andriamanitra ara-paminaniana tamin’ny ‘vadiny’ efa ela be tokoa izay, manao hoe: “Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena. (...) Ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly hambarany.” (Isaia 60:5, 6). Marina tokoa fa misy “olona betsaka” anisan’ny ranomasina na olombelona lavitra an’Andriamanitra taloha, olona nanana fiainana maintin’ny “aizim-pito” manarona ireo firenena, nanjary niaraka tamin’ny Isiraely ara-panahy. Eo imason’Andriamanitra, dia tena zava-tsarobidy avy amin’ny firenena rehetra tokoa izy ireny.

7. Ahoana, tamin’ny fomba nanambarana ny fitomboana, no nampisehoan’i Jehovah izay tena sarobidy teo imasony?

7 Tamin’ny fanorenana indray ny tempoliny tany Jerosalema, dia nanosika an’i Hagay mpaminany hanambara toy izao Jehovah: “Ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:7). Ny fampihorohoroana ireo firenena dia hitarika ny fandringanana azy ireo amin’ny farany, nefa alohan’izany, ireo “izay irin’ny firenena rehetra” dia tsy maintsy hivoaka avy ao sy hangonina mba hampidirina ao anatin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah lehibe, dia ny tranon’ny fanompoam-pivavahana aminy eo amin’izao rehetra izao. Tsy hanana ahiahy izy ireo ao rehefa hirodana izao tontolo izao. Ireny mpivavaka velona ireny no sarobidy eo imason’i Jehovah. Tsy ny haren’izy ireo ara-nofo akory no iriny (Mika 6:6-8). Ny fanompoam-pivavahana ataon’izy ireo amin’ny fanahiny rehetra, izany no zavatra sarobidy indrindra azony atolotra ho an’ny Andriamanitr’izy ireo. Ny fanatitra entiny dia ny fitiavam-pivavahana amim-pahatsorana sy ny asa amin-jotom-po, ary ‘manambara ny fiderana an’i Jehovah’ izy rehetra. Niteraka fifaliana lehibe dia lehibe ho an’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah ny fisehoan’izy ireny, na tany an-danitra na teto an-tany.

8. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika raha ny amin’ny halehiben’ny fanangonana ireo izay handova ny tany?

8 Ho firy amin’ny farany ny isan’ireny mpivavaka amin’i Jehovah ireny izay mankamamy ny fanantenany hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany? Tsy milaza mazava ny amin’izany ny Baiboly. Ny olombelona rehetra, na avy amin’ny firenena iza izy na avy amin’ny firenena iza, izay handray soa amin’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra noho ny fitiavany, dia afaka ny ho anisan’izany. Hitantsika anefa ny filazana iray ao amin’ny Isaia 60:8 izay anoharana an’ireny olona rehetra ireny amin’ny voromailala “manidina tahaka ny rahona”, dia rahona mila hanamaizina ny tany eo ambaniny. Io sary io dia manambara ny fahatongavan’ny olona maro be tokoa ao anatin’ny fotoana fohy. Nolazaina mialoha fa noho izany firohotan’ny mpivavaka amin’i Jehovah izany, “ny kely”, izany hoe ny Isiraely ara-panahy, dia “ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery”, ka ‘hanafaingana izany amin’ny fotoany’ Jehovah. (Isaia 60:22.) Moa ve izany mifanitsy amin’ny hitantsika amin’izao andro izao?

9. Ahoana no nisehoan’ny fitomboana nanomboka tamin’ny 1935?

9 Teo am-pivoahana avy amin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia olona an’arivony vitsivitsy monja no nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny fanambarana ampahibemaso ho an’ilay Fanjakana. Tamin’ny 1935, dia 60 000 latsaka kely izy ireny naneran-tany. Tamin’ny 1941, dia nihoatra ny tanjona 100 000 ny isany. Tamin’ny 1953 dia maherin’ny 500 000 izy ireny. Folo taona taty aoriana, dia niisa ho iray tapitrisa izy ary teo am-piandohan’ny 1984 dia 2 652 323 izy ireo. Amin’ny fitambarany, amin’ny ara-keviny izy ireo dia manokana ora maherin’ny iray tapitrisa isan’andro hanazavana amin’ny mpiara-belona aminy hoe nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Raha ampitahaina amin’ny mponina eo amin’ireo firenena ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay manaporofo toy izany fa vahoaky ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah izy ireny, dia hahaliana ny hanamarika fa firenena eo amin’ny 60 no manana mponina vitsy kokoa noho ny an’io “firenena” mitatra aoka izany io. Io “firenena” tsy manam-paharoa amin’ny karazany io anefa dia tsy manana anjara mihitsy amin’ny politika maneran-tany, fa manokan-tena fotsiny amin’ny asan’ilay Andriamanitra marina.

10. a) Toe-javatra inona avy no mahatonga an’io fitomboana io hahatalanjona eo imasontsika? b) Inona no mahatonga hihevitra fa hitohy io fitomboana io?

10 Kanefa izany ihany ve no fahatanterahan’io faminaniana io azo antenaina? Izay nitranga dia efa mifanitsy be dia be amin’ny filazalazan’ny Baiboly. Ambonin’izany, rehefa heverina ireo toe-javatra nanaovana an’io asa io sy ireo vato misakana noresena, dia amim-pahatalanjonana no iaikena fa tsy azo natao izany raha tsy noho ny fitarihan’Andriamanitra ka mampitolagaga ny fandavan-tenan’ireo izay mandray anjara amin’izany. Mahagaga toy izany koa ny fiovana nentin’io asa io teo amin’ny fiainan’ny olona. Tsy mijanona eo anefa akory ny fitomboan’ny isan’ny olona izay miandany ankarihary amin’i Jehovah ary tsy miadana izany. Tao anatin’izao taona faramparany izao dia olona maherin’ny 10 000 no natao batisa isam-bolana amin’ny ara-keviny, ary mitombo isan-taona ny isan’ny batisa amin’ny fitambarany. Raha miaina mifanaraka amin’izay asehon’ny batisany ireny olona rehetra ireny, dia afaka mamelona fanantenana manome toky fa ho tafita velona ka hampidirina ao amin’ny “tany vaovao”.

11. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa tonga anisan’ny fandaminana iray izany mpivavaka an-tapitrisany maro izany? b) Inona no zava-kendren’io fandaminana io lehibe indrindra?

11 Ireny olona an-tapitrisany maro ireny dia tsy mpianatra ny Baiboly mahaleotena fotsiny ka hoe samy hanompo an’Andriamanitra araka ny fomba itiavany azy. Tsia, izy ireny dia tonga anisan’ny fandaminan’i Jehovah hita maso izay ekeny. Araka ny efa hitantsika, dia ireo mpandova ny Fanjakana aloha no ‘novorina’. Ary ankehitriny, dia olon-kafa, avy amin’ny firenena rehetra no ‘mankany amin’izy ireo’ noho ny fanantenana ny hahazo ny fiainana eto an-tany (Isaia 60:4, 5). Izy ireo dia tafaray ho “andiany iray” ihany eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’, dia Jesosy Kristy (Jaona 10:16). Ny apostoly Petera dia miresaka ny kristiana marina ho toy ny ‘fianakavian’ny mpirahalahy’ maneran-tany, ary mananatra azy ireny i Paoly mba tsy hitokantokana fa ‘hiangona’, ary izany dia mainka satria antomotra ny andro hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany (I Petera 5:9, MN; Hebreo 10:23-25). Amin’izany no ifanatanjahan’izy ireo sy andraisany ny fiofanana ilaina mba handraisana anjara amin’ny fikasana lehibe mahatonga an’io fandaminana io hisy. Inona izany? Ny fanandratana ny anaran’i Jehovah. — I Petera 2:9; Isaia 12:4, 5.

NY ASA HOTONTOSAINA

12. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny hoe asa inona no tokony handraisantsika rehetra anjara? b) Inona no maha-zava-dehibe an’io asa io, ary nahoana?

12 Izay rehetra miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah dia mahatsapa avy hatrany fa mandray anjara amin’ny asa iray ny mpikambana ao aminy. Sahala amin’ny nataon’i Jesosy Kristy, izy rehetra dia mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, fiasana hampiasain’i Jehovah mba hanamarinana ny anarany. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nanambara hoe: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra (...) Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:43). Nasehony tamin-kery tamin’ireo mpianany fa tokony hampifantoka ny fiainany amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izy. Nampianariny izy ireo hanatontosa asa sahala amin’ny azy ary, ny amin’ny androntsika, dia nambarany fa “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” dia “hotorina amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. (Matio 24:14, MN.) Izany no asa lehibe indrindra tokony handraisan’ny tsirairay avy amintsika anjara. Nahoana? Satria amin’ny fanaovana toy izany no anohanantsika ny fanapahana ara-dalàn’i Jehovah Andriamanitra iankinan’ny fahasambaran’ny zavatra noforonina rehetra. Amin’ny fanaovana an’io asa io amin’ny fo rehetra, dia manaporofo ny fankasitrahantsika noho ny fahasoavan’i Jehovah isika. Ambonin’izany, dia manampy ny mpiara-belona amintsika isika handray soa amin’ny hany fomba hahatafitana velona amin’ny fahoriana lehibe efa antomotra izao. — Jereo I Timoty 4:15, 16.

13. a) Inona no toetra mampiavaka an’io fandaminana io voambara ao amin’ny Isaia 60:17? b) Inona no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa feno avy amin’izany? d) Ho avy manao ahoana no tsinjon’ireo izay manao toy izany?

13 Ireo olona miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah dia mahita toe-piainana mampahery ao. Izao no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’Isaia: “Ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” (Isaia 60:17). Tsy ara-piheverana fotsiny akory ny fiadanana manjaka ao anatin’io fandaminana io, fa tena izy. Vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra izany. Tsy milaza anefa akory izany hoe ampy ny miaraka amin’io fandaminana io mba hanandramana ny fiadanana amin’ny fomba feno. Tsia, ny tsirairay avy dia tokony hianatra “hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana”. (Romana 14:19.) Tena ilaina ny hianarana haneho ny fahendrena araka an’Andriamanitra amin’ny fizakana ny tsy fahatanterahan’ny hafa, amin’ny fanehoana faharipo sy fifehezan-tena, amin’ny famelana ny heloky ny hafa, toy ny aniriana hahazo ny famelan’Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia ilaina ny ‘hihavanana’. (Jakoba 3:17, 18; Galatiana 5:22, 23; Kolosiana 3:12-14.) Izay rehetra manao toy izany dia mahatsiaro fifaliana lalina satria anisan’ny “firenena mahery” miforona ankehitriny izay voatokana hanao ny asan’i Jehovah, ilay “Andriamanitra sambatra”. (I Timoty 1:11, MN.) Harovana ireo anisan’io “firenena” io rehefa hampiharin’i Jehovah ny fanamelohany an’izao tontolo izao manontolo izay manaiky an’i Satana filohany.

[Fanontaniana]