Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ohatra sy filazalazana ara-paminaniana ny amin’ny olona velona ankehitriny izay handova ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany

Ohatra sy filazalazana ara-paminaniana ny amin’ny olona velona ankehitriny izay handova ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany

Ohatra sy filazalazana ara-paminaniana ny amin’ny olona velona ankehitriny izay handova ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany

Izy ireny dia nasehon’ireto olona na antokon’olona manaraka ireto:

1) Ireo zanakalahy sy vinantovavin’i Noa (Genesisy 6-9).

2) Lota sy ireo zanany vavy (Genesisy 19).

3) Ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy folo nibebaka (Genesisy 37, 42-45).

4) Ireo Egyptiana azon’ny mosary izay nivarotra ny tenany tamin’i Josefa (Genesisy 41; 47:13-26).

5) Ny olona isan-karazany izay nandao an’i Egypta niaraka tamin’ny Isiraely (Eksodosy 12:38).

6) Ireo foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely tsy levita tamin’ny Andro Fanavotana (Levitikosy 16; Matio 19:28).

7) Ireo vahiny teo amin’ny Isiraely (Levitikosy 19:34).

8) Hobaba, zaodahin’i Mosesy (Nomery 10:29-32).

9) Rahaba tany Jeriko (Josoa 2, 6).

10) Ireo Gibeonita nitady fihavanana tamin’ny Isiraelita (Josoa 9, 10).

11) Jaela, vadin’i Hebera Kenita (Mpitsara 4, 5).

12) Jonatana, zanak’i Saoly mpanjaka (I Samoela 18; 23:16, 17).

13) Ireo vahiny niady teo anilan’i Davida (II Samoela 15:18-22).

14) Ny mpanjakavavin’i Sheba (I Mpanjaka 10).

15) Namana izay nositranina tamin’ny habokana (II Mpanjaka 5).

16) Jonadaba, zanak’i Rekaba (II Mpanjaka 10:15-28).

17) Ireo vahiny izay nivavaka nitodika tany amin’ny tempolin’i Jehovah (II Tantara 6:32, 33).

18) Ny Netinima sy ny zanakalahin’ireo mpanompon’i Solomona tsy isiraelita (Ezra 2, 8).

19) Ny Rekabita (Jeremia 35).

20) Ebeda-meleka Etiopiana (Jeremia 38; 39:16-18).

21) Ny Ninivita nibebaka (Jona 3).

Nolazalazaina ara-paminaniana toy izao koa izy ireny:

1) Ireo fianakaviana amin’ny tany tahina amin’ny alalan’i Abrahama sy ny taranany (Genesisy 12:3; 22:18).

2) Ireo firenena izay miara-mifaly amin’ny olon’i Jehovah (Deoteronomia 32:43).

3) Ny marina izay manantena an’i Jehovah (Salamo 37:9, 29).

4) Ireo virijina naman’ny ampakarina (Salamo 45:14).

5) Ny olona mahitsy sy tsy manan-tsiny (Ohabolana 2:21).

6) Ireo firenena ampianarina ao an-tranon’i Jehovah ka mandeha amin’ny lalany (Isaia 2:2-4).

7) Ireo firenena izay mitodika manontany any amin’ny Faneva (Isaia 11:10).

8) Ireo firenena mivoaka avy amin’ny maizina (Isaia 49:6, 9, 10).

9) Firenena iray tsy fantatra taloha (Isaia 55:5).

10) Ireo vahiny manompo an’i Jehovah sy tia ny anarany (Isaia 56:6).

11) “Ny haren’ny ranomasina”, “ny fananan’ny firenena”, ‘ireo manidina tahaka ny rahom-boromailala’. (Isaia 60:5, 6, 8.)

12) Ireo vahiny miandry ny andiam-bibin’ny Isiraely, mpamboly ny taniny sy ny tanimboalobony (Isaia 61:5).

13) Ireo marihin’ilay lehilahy mitondra fanoratana eo amin’ny handriny (Ezekiela 9).

14) Ny olona miantso ny anaran’i Jehovah ka voavonjy amin’ny andro fahatezerany (Joela 3:5).

15) Ny zavatra irin’ny firenena rehetra (Hagay 2:7).

16) Ireo firenena ‘manaiky ho an’i Jehovah’ (Zakaria 2:15).

17) Ny ‘folo lahy mihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray’. (Zakaria 8:23.)

18) Ireo firenena itenenan’ny Mpanjaka fiadanana (Zakaria 9:10).

19) Ireo “ondry” manao soa amin’ireo rahalahin’ny Mpanjaka (Matio 25:31-46).

20) Ilay zanaka adala nibebaka (Lioka 15:11-32).

21) Ny “ondry hafa” mihaino ny feon’ny Mpiandry tsara (Jaona 10:16).

22) Ireo olona maneho finoana an’i Kristy ka “tsy ho faty mandrakizay”. (Jaona 11:26.)

23) Ny zavatra noforonina izay hafahana amin’ny fanandevozan’ny faharatsiana ka hahazo ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra (Romana 8:20, 21).

24) Ny olona eo amin’izao tontolo izao izay mahazo ny fiainana mandrakizay satria naneho finoana ny Zanak’Andriamanitra (I Jaona 2:2; Jaona 3:16, 36).

25) Ny “olona betsaka” izay miasa andro aman’alina ao amin’ny tempolin’i Jehovah (Apokalypsy 7:9-17).

26) Izay rehetra misotro ny ranon’aina ka milaza amin’ny hafa hoe: “Avia”! (Apokalypsy 22:17).

Ireo dia ny ohatra na sary resahina na asiana fitenenana ato amin’ity boky ity ihany.