Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raharaha iankinan’ny ho avinao

Raharaha iankinan’ny ho avinao

Toko Faha-2

Raharaha iankinan’ny ho avinao

1. a) Fanontaniana fandre ankehitriny inona no mitana ny sain’ny olona maro, ary mitodika aiza izy ireny mba hahitana fanafodiny? b) Inona no hadinon’izy ireo ny mihevitra azy matetika?

 TAO anatin’izao taona faramparany izao isika dia tojo tampoka raharaha mavaivay maro tsy ankijanona mahakasika akaiky ny ho avintsika. Ratsy aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka hatraiza hatraiza ny olona dia maniry mafy fanamaivanana. Mino an’Andriamanitra ny sasany, kanefa mieritreritra angamba izy fa raha tiana ny hahita ireo toe-javatra mihatsara eto an-tany, dia ilaina ny hanaovan’ny olombelona zavatra. Ny sasany miezaka hanao izany amin’ny alalan’ireo fitondram-panjakana, na mifanohitra amin’izany, amin’ny fanoherana ny fanapahan-keviny amin’ny alalan’ny fihetsiketseham-bahoaka. Ny hafa koa mino mafy fa ny revaolisiona no hany fanafodiny ka azo antoka ny hahazoana fihatsarana amin’ny fanovana ireo lalàna, ireo mpitondra na ireo fitondram-panjakana manontolo mihitsy aza. Fa inona no asehon’ny zava-misy? Tao anatin’ireo arivo taona maromaro ny olombelona dia tsy nahomby mihitsy tamin’ny fanorenana fitondram-panjakana na dia iray monja aza afaka miantoka rariny tsy misy fiangarana, tena filaminana sy fahasambarana maharitra ho an’ny vahoakany. Ahoana no hanazavana izany?

2. Nahoana no ratsy dia ratsy toy izao ny tarehin-javatra maneran-tany?

2 Na toy inona na toy inona fahatsaran’ny fikasan’ny olona mitana fahefana, ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra dia ampiasain’ny hery tsy voafehin’ireo mpitondra mitana toerana. Inona izany hery izany? Fanahy matanjaka noho ny olombelona, dia: Satana Devoly sy ireo demoniany. Marina fa olona be dia be no manao ho fihomehezana ny zavatra inoana toy izany. Tsy izany no fihetsik’i Jesosy Kristy. Fantany tsara hoe avy aiza Satana ka niresaka ny aminy ho toy ny “filohan’izao tontolo izao” izy. (Jaona 12:31, MN.) Amin’ny fitenenana ara-panoharana no ilazalazan’ny Baiboly ny fandehan-javatra ara-politika maneran-tany amin’ny endriky ny bibidia ka ampiharihariany fa “ny dragona [Satana] nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe”. (Apokalypsy 13:1, 2; jereo Daniela 7:2-8, 12, 23-26.) Ambonin’izany, ho an’ny androntsika, dia nanambara toy izao ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina (...) fa nidina ho aminareo ny devoly.” (Apokalypsy 12:12). Tsy azo atao ny manolotra fanazavana hafa mahafapo noho izany ny amin’ny fikorontanana mahatafalentika ny fitambaran’olona. Fa ahoana no nahatongavana amin’izany? Ary inona no tokony hatao mba hahitana fanamaivanana?

NY RAHARAHA NY AMIN’NY FIANDRIANANA

3. Araka ny Genesisy 2:16, 17, tokony hanaiky inona ny olombelona raha ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra?

3 Ampahafantarin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Baiboly amintsika fa rehefa avy namorona an’i Adama sy Eva, mpivady olombelona voalohany, sy nametraka azy ireo tao amin’ny saha Edena Jehovah Andriamanitra dia nanome azy ireo toromarika momba ny fifandraisana tokony hananan’izy ireo aminy. Izy no Rain’izy ireo izay nanome azy ny zavatra rehetra tamim-pahalalahan-tanana. Izy koa no Tompom-piandrianana eo amin’izy ireo sy izao rehetra izao. Mba hahasambatra ny tenan’izy ireo dia tsy maintsy nanaiky Adama sy Eva fa niankina tamin’ny fankatoavany an’Andriamanitra ny fiainan’izy ireo. — Genesisy 2:16, 17; jereo Asan’ny apostoly 17:24, 25.

4. a) Avy aiza moa Satana? b) Fanirian-dratsy inona no navelany hitombo tao aminy?

4 Tonga lafatra tamin’izay ny zavatra rehetra. Nifanohitra tamin’ny biby, ny anjely sy ny olombelona dia nomena safidy. Taoriana kelin’ny namoronana ny olombelona anefa, dia nanararaotra loatra an’io fahafahana mahatalanjona nahatonga ny tenany ho afaka hanao fanapahan-kevitra io ny anjely iray. Nikomy tamin’ny fiandrianan’i Jehovah izy, nanao ny tenany tamin’izany ho fahavalo na mpanohitra an’Andriamanitra ka ara-bakiteny dia izany no dikan’ny teny hoe Satana (jereo Jakoba 1:14, 15; Apokalypsy 12:9). Natosiky ny fanirian-daza Satana ka niezaka hampiala ny mpivady olombelona voalohany tamin’i Jehovah Andriamanitra sy hametraka azy teo ambany fitarihany. Hitany ivelan’i Adama sy Eva ny tany iray feno olombelona izay hanome voninahitra azy amin’ny maha-andriamanitr’izy ireo azy (jereo Isaia 14:12-14; Lioka 4:5-7). Tsy angano akory ny fitantarana ireo fisehoan-javatra nitranga tany Edena. Niresaka ny amin’izany ho toy ny zava-nisy ara-tantara Jesosy Kristy. — Matio 19:4, 5.

5. a) Fanontaniana inona avy no nipoitra tany Edena? b) Iza no ho voakasika amin’ireo fanontaniana ireo?

5 Izao no nambaran’i Jesosy ny amin’ny Devoly: “Izy dia (...) tsy nitoetra tamin’ny marina (...) mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Ny teny lainga voalohany nataon’ny Devoly voatantara ao amin’ny Baiboly dia ireo nataony tamin’i Eva mba handavana ny filazan’Andriamanitra ny marina. Namporisika an-dravehivavy izy mba handa ny lalàn’Andriamanitra ka nilaza fa raha ny tenan’i Adama sy Eva mihitsy no nilazalaza ny fitsipika hifehy ny fiainany, dia handray soa avy amin’izany izy ireo (Genesisy 3:1-5; jereo Jeremia 10:23). Tamin’izany no nandavana ny fiandrianan’i Jehovah tany Edena. Araka ny nasehon’ny zava-nitranga taty aoriana, dia voakasika koa ny fahatokian’ny zavaboary manan-tsaina rehetra teo anatrehan’Andriamanitra. Nanompo an’Andriamanitra ve izy ireo satria tia azy tokoa sa hanaiky ho voavily hiala aminy izy ireo (Joba 1:7-12; 2:3-5; Lioka 22:31)? Hahakasika ny zavaboary rehetra na ny any an-danitra na ny eto an-tany ireo fanontaniana ireo. Inona àry no hataon’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao?

6. Nahoana moa Jehovah no tsy nandringana avy hatrany ny mpikomy?

6 Tsy nandringana avy hatrany an’ireo mpikomy Jehovah fa nampiseho ny fahendreny rehetra tamin’ny fanomezana fotoana mba hahafahana mandamina indray mandeha ireo raharaha nipetraka. Tsy hoe mba hanaporofoan-javatra amin’ny tenany akory no nanaovan’Andriamanitra toy izany, fa mba hamelana ireo zavaboariny manana safidy hahatsapa mihitsy ny voka-dratsin’ny fikomiana amin’ny fiandrianany. Ambonin’izany, dia nomeny azy ireo ny fahafahana hampiseho hoe inona no toerany hotanany manokana ny amin’ireo raharaha iankinan’ny aina ireo. Rehefa ho voalamina tanteraka ireo, dia tsy hisy mihitsy intsony olona ho tonga hanapaka ny fiadanana.

7. a) Ahoana no nahaterahan’ireo fitondram-panjakan’olombelona? b) Inona no nampiavaka azy ireo?

7 Noho izy Mpamorona ny olombelona, dia Filohan’izy ireo ara-dalàna koa Jehovah Andriamanitra (Apokalypsy 4:11). Rehefa nandeha anefa ny fotoana, Satana sy ireo demoniany dia nanomboka nampipoitra tao amin’ny olombelona, tsy ny faniriana hametra irery ny atao hoe ratsy na tsara fotsiny, fa ny faniriana hanapaka eo amin’ny mpiara-belona aminy koa. Nimroda no voalohany nanao ny tenany ho mpanjaka tamin’ny fanorenana ny fanapahany teo amin’ny tanàna maro tany Mesopotamia. Izy io dia “mpihaza [olona sy biby] nahery, nanohitra an’i Jehovah”. (Genesisy 10:8-12.) Nanomboka tamin’ny andron’i Nimroda ka hatramin’izao andro izao ny olona dia nanandrana izao karazam-pitondram-panjakana nety hisy sy azo nosaintsainina rehetra izao. Nefa araka ny fantatr’izay rehetra nianatra ny tantara tsara, tamin’ny ankapobeny izany dia niavaka tamin’ny faharatsiana sy ny fandatsahan-dra. — Mpitoriteny 8:9.

8. Nahoana moa Jesosy no tsy nety nitsabaka tamin’ny fandaharana ara-politika maneran-tany?

8 Satana aza dia nanandrana nanintona an’i Jesosy Kristy ho eo ambany fitarihany fony izy io teto an-tany. Natolony azy ny “fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao” ho takalon’ny fiankohofana indray mandeha monja. Nolavin’i Jesosy izany (Lioka 4:1-13). Taty aoriana ireo niara-belona taminy dia nitady hanao azy ho mpanjaka, nefa niala i Jesosy (Jaona 6:15). Fantany ny fandehan-javatra ara-politika maneran-tany ary takany tsara fa tsy sitrapon’ Andriamanitra akory ny hanitsiana izany.

9. a) Inona no ilaina mba handaminana ireo zava-manahirana ny olombelona ka ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manao azy? b) Inona moa io Fanjakana io?

9 Nanome porofon’ny tsy fivadihany tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra sady Rainy Jesosy. Tiany ny lalan’io ary nanao mandrakariva izay nankasitrahany izy (Jaona 8:29). Fantany fa tsy ho voalamina ireo zava-manahirana ny olombelona raha tsy noho ny Fanjakan’Andriamanitra, dia fitondram-panjakana iray tena misy izay hanapaka ny tany avy any amin’ny lanitra ambony ka hanolotra ho an’ny olombelona ny fitarihana ara-drariny sy voamariky ny fitiavana ilain’ireo aoka izany. Io fitondram-panjakana io ihany no ho afaka hanafoana ny herin’i Satana sy ireo demoniany. Izy irery ihany no hampiray ny olona avy amin’ny firazanana rehetra sy ny firenena rehetra ho fianakaviana tokana eo amin’izao rehetra izao izay hiaina amim-pihavanana. Io Fanjakana io ihany no hahay hanafaka ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana, ka hitondra ho azy fahasambarana mandrakizay. Izany akory tsy fanjakana atsangan’olona mpanao politika tsofin’ny klerjy rano. Ary ny kristiana marina dia tsy mampiasa fiadiana ara-nofo mba hiasana ho an’ny tombontsoan’ny fanjakana toy izany. Raha ny marina, izany fitondram-panjakana izany dia avy amin’Andriamanitra ary ny mitarika azy dia mpanjaka iray any an-danitra sy tanteraka voatendrin’ny tenan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no notorin’i Jesosy ary ho an’io Fanjakana io no nampianarany ny mpianany hivavaka. — Daniela 2:44; Apokalypsy 20:1, 2; 21:3, 4.

ANDANINY IZA NO HOFIDINAO?

10. a) Inona moa no fanontaniana lehibe tokony hovalian’ny tsirairay avy? b) Tokony ho eo am-panaovana inona ianao?

10 Ilainao àry ny mamaly an’ity fanontaniana ity: Ekenao ve Jehovah Andriamanitra Mpamorona, tompom-piandrianana ara-dalàna sy Filoha tampony eo amin’izao rehetra izao? Mba hahafahana mamaly izany, moa ve ianao naka fotoana handinihana ny Baiboly mba hahafantarana ny fikasany sy ny fepetra takiny? Ho fanajana ny toerany sy ny lalany, moa ve ianao mankatò azy amim-pitiavana? — Salamo 24:1, 10; Jaona 17:3; I Jaona 5:3.

11. Nahoana moa ny lalana hafa iray ankoatra ny fankatoavana an’Andriamanitra no tsy mitondra fahasambarana?

11 Moa ve sambatra kokoa ny olona manaraka fihetsika hafa noho izany? Inona no vokatry ny fiadian-kevitra natsangan’i Satana rehefa nilaza izy fa handray soa izy ireo raha manantitrantitra ny amin’ny fahaleovantenany fa tsy mihaino an’Andriamanitra. Ny tsy fetezana hanaiky fa Andriamanitra no Tompon’ny tany ary ny olona rehetra, taranaky ny mpivady voalohany, dia mpirahalahy, dia nitarika famonoana lehilahy sy vehivavy ary ankizy 99 000 000 fara fahakeliny, tao anatin’ireo ady tamin’izao taonjato faharoapolo izao fotsiny. Ny fandavana ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ampianarina ao amin’ny Baiboly dia nandrava tokantrano maro, niteraka tena fielezan’ny aretin-dratsy toy ny tety sy niteraka heloka bevava mbamin’ny fampiasana zavatra mahadomelina manimba ny fahasalaman’ireo izay andevoziny. Na dia afa-mandositra fiafarana mahery vaika aza ny olombelona dia iharam-pahavoazana noho ny fahafatesana vokatry ny fahotana nolovana tamin’i Adama. Porofoin’ny zavatra rehetra àry fa rehefa tsy miraharaha ireo fepetra feno fahendrena sy fitiavana avy amin’ny Mpamorona ny olombelona dia tsy afaka afa-tsy ny hitondra zava-dratsy hoan’ny tenany, dia izy sy ireo manodidina azy (Romana 5:12; jereo Isaia 48:17, 18). Azo antoka fa tsy izany no fiainana irinao. Afaka mifidy zavatra hafa tsara lavitra anefa ianao.

12. a) Fanasana mafana inona no atolotry ny Baiboly anao? b) Inona no ho tsapanao raha mampihatra miandalana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao?

12 Manolotra anao izao fanasana mafana izao ny Baiboly: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.” (Salamo 34:8). Amin’izany, dia tokony hianatra hahalala an’i Jehovah ianao ary rehefa avy eo dia hanaraka ny toroheviny. Amin’izany dia hisy heviny ny fiainanao. Tsy hisambotra fotoam-pahafinaretana mahalana izay na dia mety hanampy anao vetivety hanadino an’ireo zava-manahirana aza dia matetika tokoa no arahin’ny alahelo ianao fa hianatra ny fomba fandresena ireo fahasahiranana eo amin’ny fiainana kosa ka hahita fifaliana maharitra amin’izany (Ohabolana 3:5, 6; 4:10-13; 1:30-33). Ambonin’izany, dia hotananao ny fanantenana ny hanandrana ireo fitahiana mahatalanjona hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha izany fiainana izany no irinao fatratra, dia iankinan’ny aina ny hanaovanao zavatra dieny izao. Nahoana?

MANATONA NY HARAMAGEDONA NY FIRENENA REHETRA

13. Nahoana no zava-dehibe ny hiandaniana mafy amin’i Jehovah dieny izao?

13 Tsy handefitra tsy misy farany akory Jehovah eo anoloan’ny olona na fandaminana izay manaraka an’i Satana an-tsitrapo na noho ny tsy firaikana. Tsy hamela azy ireo hanohy tsy hiraharaha ny lalàny, hanimba ny tany sy ny fiainan’ny hafa izy. Manatona andro fitsarana antsoin’ny Baiboly hoe “andro lehiben’i Jehovah” izy ireo. — Zefania 1:2, 3, 14-18.

14. Eo am-piangonana ho amin’inona moa ny firenena rehetra?

14 Raha nanambara ny fisehoan-javatra hitranga ao anatin’ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny i Jesosy Kristy, dia nilaza fa “hisy teny ara-tolo-tsain’ny demonia” hivoaka “ho any amin’ireo mpanjakan’ny tany onenana manontolo, mba hanangona azy ireny ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Araka io fanambarana io, “izany dia nanangona azy ireny ho ao amin’ny toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-Magedona”. Atao ankehitriny izany fanangonana izany. — Apokalypsy 16:14, 16, MN.

15, 16. a) Inona moa no atao hoe Hara-Magedona? b) Nahoana moa no ilaina io ady io?

15 Ny antsoin’ny Baiboly hoe Hara-Magedona dia tsy loza aman’antambo azo sorohina amin’ny alalan’ny “gel nucléaire” akory. Tsy hahasakana izany akory ireo fifampiraharahana iraisam-pirenena. Toa avy amin’ny anaran’ilay tanàna tranainy atao hoe Megido ny teny hoe Hara-Magedona, kanefa manondro zavatra mihoatra lavitra noho ny toerana iray any Atsinanana Afovoany izy io. Atosik’ilay “filohan’izao tontolo izao” tsy hita maso ny firenena rehetra na dia tsy mitovy hevitra aza ka eo am-piangonana ho amin’ny tarehin-javatra maneran-tany iray izay manaporofo ny fanoheran’izy ireo an’i Jehovah Andriamanitra. Tarihina handray toerana “ireo mpanjakan’ny tany onenana manontolo” mbamin’izay rehetra manaraka azy ireny. Alohan’ny Hara-Magedona avy hatrany dia hitombo tsy hisy toy izany haneran-tany ny fanoherany ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay rehetra manambara izany. Na ekeny na tsia ny fisian’i Satana, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. Izao tontolo izao ratsy manontolo sy izay rehetra mametraka ny fitokisany aminy, eny, izay rehetra manaraka ny lalany, dia tsy maintsy hanjavona. — I Jaona 5:19; 2:15-17.

16 Manjaka ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny ny faharatsiana, na amin’ny ambaratonga ara-tsosialy ambany na amin’ny ambony. Tsy ireo mpanao heloka bevava fanta-bahoaka ihany, fa ireo olom-pirenena antonontonony koa dia tsy miraharaha tanteraka ireo lalàna ary tsy manaja mihitsy ny olona sy ny fananany. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy mety manaraka izay lazain’ny tenan’Andriamanitra mihitsy ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, izy ireny. Tsy miraharaha ny fiandrianany izy ireny. Tena ilaina àry ny handraisan’i Jehovah anjara mba hanasana ny anarany amin’ny fanalam-baraka rehetra natototra taminy sy mba hanaovana ny fandaharana ilaina amin’ny fanovana ny tany ho paradisa hahafahan’izay rehetra tia ny rariny hifaly amin’ny tena fiadanana sy filaminana.

17. a) Hanao ahoana ny halehiben’ny fandringanana? b) Iza no hitarika ny fisehoan-javatra hatramin’ny fiafarana farany?

17 Rehefa ho tonga ny fandringanana, dia ho fantatry ny olona rehetra amin’ny fomba azo antoka fa avy amin’i Jehovah izany. Hitatra maneran-tany izany. Ho tsapan’ireo firenena fa niditra hiasa Jehovah rehefa handray anjara ny tafiny mpandringana. Rehefa hirodana ny fahefan’ireo fitondram-panjakana, dia hitodika hamely ny namany ny tanan’ny tsirairay avy. Avy any an-danitra no hitarihan’ny Zanak’Andriamanitra ireo zavatra hiseho hatramin’ny fiafarany farany. — Apokalypsy 6:16, 17; 19:11-13; Zakaria 14:13.

18. Iza no ho tafita velona amin’ny Hara-Magedona?

18 Mifanohitra amin’ny mety ho ady noklehera hapoakan’ny olombelona, dia tsy hamely an-jamba ny olona rehetra akory izany fandringanana izany. Iza àry no ho tafita velona? Izay rehetra manaraka fivavahana iray na inona na inona ve sa izay milaza tena fa kristiana angamba? Tsia, nolazain’i Jesosy fa “mpanao meloka” ny “maro” tamin’ireny milaza fa kristiana ireny (Matio 7:21-23). Tsy ho tafita velona mba hiditra ao amin’ny “tany vaovao” afa-tsy ireo izay tena ho nitana fifandraisana akaiky dia akaiky tamin’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany mpanjaka. Amin’ny fomba fiainany sy ny fanambarana ataony ho an’ilay Fanjakana, dia ho noporofoin’izy ireo fa ‘tena mahalala tokoa an’Andriamanitra’ izy ireo ary ‘manaraka ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy Tompontsika’. Ary ianao, moa ve ianao mampiseho fa anisan’ireny olona ireny ny tenanao? — II Tesaloniana 1:8, MN; Jaona 17:3; Zefania 2:2, 3.

[Fanontaniana]