Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Renay fa momba anareo Andriamanitra”

“Renay fa momba anareo Andriamanitra”

Toko Faha-19

“Renay fa momba anareo Andriamanitra”

1, 2. a) Inona no nambaran’ny Zakaria 8:23 ho an’ny androntsika? b) Andriamanitra iza no resahina ary ahoana no ampisongadinan’ny Baiboly ny anarany manokana?

 “MBA handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” Izany no holazain’olona avy amin’ny firenena rehetra amin’ny fe-potoana iray, araka io faminaniana ao amin’ny Baiboly io (Zakaria 8:23). Nefa Andriamanitra iza no resahin’ny faminanian’i Zakaria? Tsy avela ho ao anatin’ny fisalasalana isika satria ny anarany manokana, JEHOVAH, dia hita in-135 ao amin’io boky ao amin’ny Baiboly somary fohy io.

2 Momba ny anarany, dia nanambara Andriamanitra hoe: “Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15). Ny maha-zava-dehibe io anarana io dia voasoritra amin’izy hita efa ho im-7 000 eo ao amin’ny soratra hebreo ao amin’ny Baiboly, tarehi-marika izay mihoatra lavitra ny an’ireo anaram-boninahitra rehetra toy ny hoe Tompo sy Andriamanitra amin’ny fitambarany. Araka izay voambara, amin’izao “andro farany” izao io anarana io dia nakambana tamin’ny fomba miavaka amin’ny fitambaran’olona iray.

“HANDEHA HIARAKA AMINAREO IZAHAY”

3. Mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 8:20-23, a) iza no handeha hitady an’i Jehovah? b) amin’ny fitambarana amin’iza?

3 Tamin’ny fotoana nanamboarana indray ny tempolin’i Jehovah tao amin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny, dia nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra i Zakaria mpaminany hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho avy; ary ny mponina ao amin’ny anankiray hankany amin’ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’i Jehovah sy hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro; izaho koa mba handeha. Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’i Jehovah, Tompon’ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’i Jehovah. Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” — Zakaria 8:20-23.

4. Nahoana io faminaniana io no tsy mihatra na amin’ny jodaisma na amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

4 Ny fahatanterahana kelin’io faminaniana io tamin’ny fanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema izay nanomboka tamin’ny andron’i Zerobabela dia nanambara anankiray hafa, tsy fahita lavitra, amin’izao androntsika izao. Nefa mifandray amin’ny vahoaka iza? Ireo olona ‘mitady an’i Jehovah’ dia tsy hanao zavatra amim-pahendrena marina tokoa raha mitodika any amin’ireo olona izay, noho ny finoanoampoana, dia tonga hatramin’ny fandavana ny hanonona ny anaran’Andriamanitra toy ny ataon’ireo Jiosy andevozin’ny fanompoam-pivavahany nentin-drazana. Vao mainka tsy hohatoniny koa ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mandà ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra, amin’ny fanarahana ny fanaon’ny Jiosy amin’izany. Tsy any Jerosalema eto an-tany koa akory no jeren’ireo maniry hivavaka amin’i Jehovah. Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, Andriamanitra dia nahafoy ny tempoliny nitsangana tao amin’io tanàna io, tempoly izay noravana tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana ka tsy haorina intsony mandrakizay. Izany no manondro amin’ny olona manan-tsaina rehetra fa tsy momba ny Isiraely Andriamanitra. — Matio 23:37, 38; jereo I Mpanjaka 9:8, 9.

5. Ahoana no ampahafantaran’ny Soratra masina a) an’ilay “Jerosalema” mampiseho an’i Jehovah ankehitriny? b) ilay “Jiosy” ao amin’ny faminaniana?

5 Ilay “Jerosalema” mampiseho an’i Jehovah ankehitriny dia voalazalaza ao amin’ny Hebreo 12:22 ho “tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra”. Toy ny naha-sary tandindona hita mason’ny fanapahan’i Jehovah an’ilay Jerosalema fahiny, dia toy izany koa fa ilay “Jerosalema any an-danitra” no Fanjakana mesianikan’Andriamanitra izay nanendrena an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka tamin’ny fahataperan’ny andron’ireo firenena, tamin’ny 1914 (I Tantara 29:23; Lioka 21:24). Io fanjakana na fitondram-panjakana io dia manana solontena eto an-tany, dia olona manambara azy amim-pahatokiana ho hany fanantenana azo antoka ho an’ny olombelona. Ireo anisan’ny “ondry vitsy” mbola eto an-tany no voalohany nanambara fa io Fanjakana io dia naorina tamin’ny 1914. Mahaforona “ny Isiraelin’Andriamanitra” amin’ny heviny ara-panahy izy ireo, ‘Jiosy’ ara-panahy ao amin’ilay faminanian’i Zakaria (Lioka 12:32; Galatiana 6:16; Romana 2:28, 29). Tamin’ny 1931 izy ireo dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah satria tia an’Andriamanitra ary mahatsapa ny andraikiny hanambara fa Jehovah no Andriamanitra marina sady Tsitoha. — Isaia 43:10-12.

AHOANA NO HAMANTARANA AZY IREO?

6. a) Inona no namela olona an-tapitrisany maro hamantatra amin’ny fomba azo antoka ny vahoaka izay omban’Andriamanitra ankehitriny (mandraisa hevitra iray hatrany ary vakio ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly)? b) Hevitra inona, na inona avy no nanaitra anao manokana?

6 Koa satria ireo Jiosy ara-panahy ireo niantsoroka tamim-pahatokiana ny andraikiny amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah, dia nanampy olona tso-po an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao izy ireo ‘hitady an’i Jehovah’. Takatr’ireny olona ireny fa momba tokoa ireo olona mitondra ny anarany ireo Jehovah. Inona no nampiaiky azy ireo? Zavatra maro ka ireto ny lehibe indrindra:

 1) Ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifototra amin’ny Baiboly daholo, tsy amin’ny andalan-teny mitokantokana, fa amin’ny fitambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mampiely ny fampianarany manokana ny Vavolombelon’i Jehovah fa miankina amin’ny Baiboly mba hamaliana izay rehetra mety ho fanontaniana. Manome voninahitra an’i Jehovah izy ireo amin’ny famelana ny tenany hiteny (jereo Jaona 7:16-18).

 2) Milaza ny Baiboly fa ny tenan’Andriamanitra dia haka amin’ny firenena “olona (...) hankalazana ny anarany”. (Asan’ny apostoly 15:14.) Hiantso ny anarany àry io vahoaka io ary hiezaka hampahafantatra izany amin’ny tany manontolo (Isaia 12:4, 5). Manerana izao tontolo izao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah no mahaforona io vahoaka akambana amin’ny anaran’Andriamanitra manokana io, dia ny hoe: Jehovah.

 3) Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana sakafo ara-panahy tondraka sy mahafapo. Ny fampianaran’ny Soratra masina sy ny vokatr’io fampianarana io eo amin’ny fomba fijeriny ny fiainana dia mahatonga azy ireo ho sambatra, ka izany dia mifanohitra amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. Nilaza Jehovah fa ho toy izany no ho izy ny amin’ireo mpanompony (Isaia 65:13, 14; jereo Matio 4:4).

 4) Mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah mba hamaritana ny fitsipi-pitondrantenany ary manaiky hotarihin’izany amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana: ao amin’ny fianakaviana, any am-piasana, any an-tsekoly, amin’ny fifidianana fialam-boly mba hamaritana ireo fanao tokony hariana sy hilazana mazava ireo asa tokony handraisana anjara. Mampanantena Jehovah fa ‘handamina ny làlan’ireo’ hanao toy izany (Ohabolana 3:5, 6).

 5) Ny fiandraiketana ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia alamina araka ny ohatra navelan’ny kongregasionan’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany. Tao amin’izy io, dia tsy nahaforona klerjy nanan-daza akory ireo loholona fa ohatra ho an’ny andian’ondry ary mpiara-miasa ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra (I Petera 5:2, 3; II Korintiana 1:24).

 6) Tsy mitsabaka amin’ny politikan’izao tontolo izao ankehitriny ny Vavolombelon’i Jehovah fa manatanteraka ny asa nampiandraiketin’ny Baiboly ireo kristiana marina, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana izao tontolo izao manontolo ho vavolombelona alohan’ny hahatongavan’ny farany (Matio 24:14; jereo koa Jaona 17:16; 18:36).

 7) Tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah toy ny tokony hataon’ireo kristiana marina araka izay nolazain’i Jesosy. Mifanaja izy ireo na inona na inona volon-kodiny, fokony, toerany ara-nofo, fireneny na fiteniny. Na dia eo aza ny tsy fahatanterahan’olombelona dia tafaray marina izy ireo ary mahaforona fianakaviana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy. Jehovah no omeny voninahitra amin’izany (Jaona 13:35; jereo Asan’ny apostoly 10:34, 35).

 8) Sahala amin’ireo kristiana voalohany, ireo Vavolombelona ankehitriny dia manompo an’Andriamanitra hatrany na dia enjehina aza. Amin’ny fametrahany ny fitokisany amin’i Jehovah, dia tsy mamaly faty ireo fahavalony izy. Toy ny tamin’ny lasa, Andriamanitra dia nanaporofo fa nomba ireo mpanompony tamin’ny fanafahana azy ireo (Jeremia 1:8; Isaia 54:17).

7. a) Iza moa ireo “folo lahy”? b) Ahoana no anomezany porofo fa Jehovah tokoa no nanjary Andriamaniny?

7 Tsy inona ireo fa vitsivitsy monja amin’ireo antony araka ny faminaniana, ilazan’ireo “folo lahy” avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra” amim-piaikena amin’ny sisa amin’ny mpandova ilay Fanjakana hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Ao amin’ny Soratra masina, ny tarehi-marika “folo” dia manondro ny fahafenoan’ny zavatra eto an-tany. Ireo “folo lahy” ireo àry dia mampiseho ny olombelona rehetra manaiky sy manaraka ny fanompoam-pivavahana marina miaraka amin’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy mitafy hosotra. Tsy mianina amin’ny fifaneraserana amin’ny sisa amin’ireny kristiana voahosotra ireny any amin’ny fivoriany izy ireo fa mampahafantatra ny tenany koa ho mpivavaka amin’ilay Andriamaniny, dia Jehovah. Manolo-tena ho azy izy ireo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ary manamarika izany fanaovan-javatra izany amin’ny batisa ao anaty rano ka manaporofo amin’izany fa maniry “hanaiky ho an’i Jehovah” izy ireo. Avy eo izy ireo dia mandray anjara amim-pifaliana amin’ny asa tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana izao tontolo izao. — Zakaria 2:15; Isaia 61:5, 6.

OHATRA HOTAHAFINA

8. a) Inona no nanosika ny mpanjakavavin’i Sheba ho tonga tany Jerosalema? b) Inona no nataony tamin’ny fahatongavany tao an-tanàna, ary famaranan-kevitra inona no notsoahiny? d) Ahoana ankehitriny no nisian’ny olona nanahaka azy (Salamo 2:10-12)?

8 Ny sasany amin’ireo manao izany dingana samy hafa izany dia manahaka ny mpanjakavavin’i Sheba tamin’ny andron’i Solomona. Avy any lavitra be izy dia nandre “ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah”. Koa satria izy tsy mbola niresaka velively tamin’i Solomona na nahita ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema, dia nanontany tena izy raha tsara tokoa araka izay nolazaina taminy izany rehetra izany. Nanao fiezahana anefa izy hamotopototra, ka izany dia nanery azy hamakivaky, angamba 2 200 kilaometatra nitaingina rameva. Rehefa nahazo ny valin’ny “fanontaniana sarotra” rehetra napetrany izy dia nihiaka hoe: “Hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory.” Tsy afaka nanatsoaka afa-tsy izao famaranan-kevitra izao izy: Tia ireo mpivavaka taminy Jehovah (I Mpanjaka 10:1-9). Nisy olona sasany nanana toerana ambony teo amin’izao tontolo izao ankehitriny nanahaka io mpanjakavavy io ary maro hafa izay tsotra kokoa ny toerany nanao toy izany ihany koa. Nahazo porofo izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky ho Mpanjakany, tsy olona, fa Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe. Ireo valim-panontaniana hitan’izy ireo tao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mahafapo ny sainy sy ny fony, ary mahatsiaro tena ho voatosika hiray feo izy ireo mba hidera an’i Jehovah. — Jereo Lioka 11:31.

9. a) Tamin’ny lafiny inona ny fihetsik’i Rahaba no hafa noho ny an’ny mpanjakavavin’i Sheba? b) Inona avy no sasany tamin’ireo zava-nitranga nisy heviny namela an-dRahaba sy ny fianakaviany ho tafita velona? d) Ahoana no ampisehoan’olona ankehitriny fa manahaka an-dRahaba izy ireo?

9 Ny hafa dia manahaka an-dRahaba tany Jeriko izay efa niaiky sahady noho ny fahafantarany fa ny Andriamanitry ny Isiraely no “Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany”. (Josoa 2:11.) Rehefa nisy mpisafo tany isiraelita niditra tao amin’ilay tany dia noraisiny tsara, nafeniny ary nanao vy very ny ainy aza izy mba hiarovana azy ireo. Nanam-pinoana izy ary nanaporofo izany tamin’ny asany tamin’ny fiandaniana tamin’ny vahoakan’i Jehovah (Hebreo 11:31; Jakoba 2:25). Nanaraka tamim-pitandremana ireo toromarika nomena azy mba hiantohana ny fahatafitany velona izy. Nanaporofo ihany koa ny fitiavany ny rainy, ny reniny, ny anadahiny sy rahavaviny izy tamin’ny fanolorana ho azy ireo fahafahana ho voatsimbina koa raha nanao izay notakina tamin’izy ireo (Josoa 2:12, 13, 18, 19). Tafita velona àry Rahaba sy ny fianakaviany rehefa noravana Jeriko ka naringana ireo mponina tao aminy, mpivavaka tamin’i Bala (Josoa 6:22, 23). Misy heviny lehibe dia lehibe ho antsika io zava-niseho io ankehitriny, satria manaporofo fa Jehovah dia hitsimbina ireo olombelona manahaka an-dRahaba. Nefa ahoana no anahafany io vehivavy io? Amin’ny fanehoana finoana an’i Jehovah, amin’ny firaisan-kevitra amin’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy, amin’ny fanarahana akaiky ny toromarika raisiny avy amin’io lalana fampitohizana io sy amin’ny fiezahana amim-pitandremana hanampy ireo fianakaviany akaiky sy ireo havany amin’ny ankapobeny hahatakatra fa fahendrena ny hanaovana toy izany.

10. a) Araka izay tondroin’ny faminanian’i Zakaria, inona raha ny tena izy no manintona ny olona ho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny fihetsitsika sy ny ataontsika fa mameno ny fontsika ny fitiavana an’i Jehovah?

10 Mazava ho azy fa alohan’ny zavatra rehetra, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra no mahasintona olona avy amin’ny firenena rehetra ho amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah sy manosika azy ireo hifanerasera aminy. Ny Teniny mihitsy sy ny vokatry ny fanahiny izay voamarika eo amin’ny fiainan’ireo mpanompony, dia manintona. Rehefa fantatr’ireny olona ireny tsara ireo toetr’Andriamanitra sy izay rehetra nataony ho an’ny taranak’olombelona, dia tsy andrin’izy ireo ny hiaina amin’ny fotoana izay hanadiovana ny anaran’Andriamanitra amin’izay rehetra mety ho fanalam-baraka natototr’i Satana sy ireo olona tsy manam-pinoana azy. Etsy andanin’izany, dia manao izay rehetra azony atao izy ireo mba hiainana amin’ny fomba hahatongavana ho mendrika ny fankasitrahan’ilay Mpamorona azy sy hitarihana olona hafa hanome voninahitra azy (I Petera 2:12). Mivavaka amin’ny fony rehetra izy ireo, mifanaraka amin’izay nampianarin’i Jesosy ireo mpianany, dia ny hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Ary mifanaraka amin’ny vavaka ataony, izy ireo dia manompo an’Andriamanitra amin’ny fanompoana masina, tafaray tanteraka amin’izay rehetra manaporofo amin’ny fomba tsy azo lavina fa izy ireo dia mahaforona marina ‘vahoaka ho an’ny anaran’i’ Jehovah.

[Fanontaniana]