Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy ho noana intsony ireo”

“Tsy ho noana intsony ireo”

Toko Faha-10

“Tsy ho noana intsony ireo”

1. Manao ahoana ny halehiben’ny zava-manahirana momba ny hanoanana maneran-tany?

 NY HANOANANA eran-tany no anankiray amin’ny zava-manahirana lehibe indrindra amin’izao androntsika izao. Olona maro no sahirana mamelon-tena noho ny fisondrotan’ny vidin-javatra. Ny hafa ary dia tandindomin’ny mosary mihitsy. Nambara tsy ela akory izay fa isan-taona dia olona 40 tapitrisa — ary tamin’ny taona sasany 50 tapitrisa — no maty vokatry ny tsy fahampian-tsakafo. Avo folo heny noho izany no miaritra faharatsian-tsakafo lehibe. Raha misy tany mamokatra betsaka noho izay tokony hohaniny, ny fifandrafiana ara-politika sy ny fitiavam-bola fatratra dia manafoana ny fiezahana atao mba hizarana ireo ambim-bava amin’ireo izay tena mila izany indrindra. — jereo Apokalypsy 6:5, 6.

2. Nahoana na dia any amin’ireo tany izay tondraka aza ny sakafo no manana antony hitebitebena ny olona?

2 Na dia ireo firenena toa mahita fahatondrahana aza dia manahy ny amin’ny ho aviny. Nahoana? Satria ny fambolena dia matetika no miankina amin’ny solitany izay tsy hoe tsy manam-petra akory ny tahiry maneran-tany. Ambonin’izany, ny fampiasana be dia be ny zezika simika dia mandoto ny tahirin-dranon’izy ireo, ary ny fanaranam-po loatra amin’ny famonoana bibikely mba hiarovana ny vokatra dia miteraka ny fanimbana ireo tenan-javatra iankinan’ny maha-lonaka ny tany. Raha fintinina, dia tsy mitsaha-mitombo ireo zava-manahirana lehibe saika amin’ny lafiny rehetra andraisan’ny olombelona anjara. Aurelio Peccei, talen’ny klioba iraisam-pirenen’ireo avara-pianarana dia nampitaha izao tontolo izao ankehitriny amin’ny “bala iray miantsambotsambotra mitondra ho amin’ny loza hatrany hatrany”. Fiheverana ny zavatra tena misy àry ve ny hampifamatorana ny fahatsinjovantsika ny ho avy amin’izao tontolo izao toy izany? — Jeremia 10:23; Ohabolana 14:12.

3. Iza no afaka miantoka sakafo tondraka ho an’ny olona rehetra, ary inona no mamela anao hino mafy izany?

3 Olona an-tapitrisany maro no nanao zavatra tamim-pahendrena mba hahazoana ny fanampiana nilainy izay Andriamanitra irery no afaka manome azy ireo izany. Noho ny fandinihana ireo faminanian’ny Baiboly dia fantany fa efa nampanjaka an’i Jesosy Kristy, Zanany any an-danitra, Jehovah ary nanome azy ny tany manontolo ho fananany (Salamo 2:7, 8). Ny fahendrena sy ny fahefan’i Jesosy dia antoka fa ny olombelona rehetra dia hahazo vokatry ny tany tondraka be (Salamo 72:7, 8, 16; Kolosiana 1:15-17). Rehefa ho nanjavona izao fandehan-javatra ankehitriny tia tena izao, Kristy dia hitarika ny fiezahan’ireo ho tafita velona mba hahatonga ny tany manontolo ho Paradisa tena mahavokatra tokoa.

4. Inona no tokony hataontsika ankehitriny mba hanantenana handray ireny tombontsoa ireny?

4 Kanefa ny olona handray soa mandrakizay amin’ny fanapahan’i Kristy dia ireo izay mahatakatra fa tsy velona amin’ny mofo fotsiny ny olombelona, ireo izay mahafantatra ny maha-zava-dehibe indrindra ireo zava-tsarobidy ara-panahy ary ilaina sy iankinan’ny aina ny manovo hery amin’ny fianarana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Manipika imbetsaka ny amin’io hevi-dehibe io ny Baiboly (Jaona 4:34; 6:27; Jeremia 15:16). Jesosy koa; izao no nambarany: “Voasoratra hoe: tsy mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4). Mila io sakafo ara-panahy io àry isika raha maniry ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Ny fitantarana ao amin’ny Baiboly momba an’i Josefa sy ireo rahalahiny dia hanazava amintsika ny fomba hahazoantsika izany.

“MANKANESA ANY AMIN’I JOSEFA”

5. Ahoana no nahatonga an’i Josefa ho andevo tany Egypta tamin’ny farany?

5 Tamin’ny nofy maromaro Andriamanitra dia nampiseho tamin’i Josefa, zafiafin’i Abrahama fa hanana anjara asa tena lehibe izy. Noho ireo nofiny ary satria koa tia azy indrindra manokana ny rainy dia nankahalain’ireo rahalahiny tsy iray reny taminy i Josefa. Niray tetika ny hamono azy mihitsy aza ireo nefa tamin’ny farany dia namidiny ho andevo izy, ary rehefa avy eo dia nentina tany Egypta i Josefa. Ahoana àry no hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba an’i Josefa? — Genesisy 37:3-11, 28.

6. a) Ahoana no nisarihana ny sain’i Farao ho amin’i Josefa? b) Nofy inona no nanahiran-tsaina an’i Farao?

6 Raha 30 taona Josefa dia nandefa ho an’i Farao, mpanjakan’i Egypta, nofy roa izay nampitebiteby azy tokoa Jehovah. Tao amin’ilay voalohany aloha izy dia nahita ombivavy fito “tsara tarehy sady matavy”, avy eo dia fito hafa, “ratsy tarehy sady mahia”. Nohanin’ireo ombivavy kaozatra ireo fito voalohany. Tao amin’ny nofy hafa iray, no nahitan’i Farao teo amin’ny taho iray ihany salohim-bary fito “sady vokatra no tsara”, ary avy eo, fito hafa, “maivam-boa sady main’ny rivotra avy any atsinanana”. Natelin’ireo salohim-bary mahia koa ireo matavy. Inona no hevitr’izany rehetra izany? Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo olon-kendry tao Egypta nahay nilaza ny hevitr’ireo nofy ireo. Kanefa dia nahatsiaro ny mpitondra kapoakan’i Farao fa fony izy tany an-tranomaizina, Josefa, anankiray tamin’ireo voatana niaraka taminy dia nanambara ny hevitry ny nofy tamim-pahamarinana. Nampiantso an’i Josefa avy hatrany i Farao. — Genesisy 41:1-15.

7. a) Ahoana no nahatonga an’i Josefa ho mpitantana ny hanina tany Egypta? b) Rehefa tonga ny mosary, inona no nataon’ireo Egyptiana mba hahatafitana velona?

7 Tsy mihevitra ny tenany ho nanana fahamendrehana i Josefa ka nilaza tamin’i Farao hoe: “Ny nofin’i Farao dia iray ihany; izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao.” (Genesisy 41:16, 25). Nohazavainy nony avy eo fa ilay nofy faharoa dia nitovy hevitra tamin’ilay voalohany ary nanamafy fotsiny ny fahatanterahany azo antoka. Hisy fito taona zina harahin’ny fito taona mosarena any Egypta. Notolorany hevitra àry Farao hifidy lehilahy iray mahay mba hanangona voa mandritra ireo taona zina ho fitsinjovana ny mosary. Noho ny fiaikeny fa niharihary ho Andriamanitra no naneho an’i Josefa izany rehetra izany, Farao dia nanendry azy ho mpitantana ny hanina ary nasandrany ho faharoa tao amin’ny tany nanarakaraka azy avy hatrany izy. Nifanaraka tamin’ilay voambara mialoha dia nisy fito taona zina tokoa izay nanangonan’i Josefa hanina be dia be. Taorian’izay dia namely an’i Egypta ny mosary voambara. Rehefa tonga nitaky mofo tamin’i Farao ny vahoaka dia novaliany hoe: “Mankanesa any amin’i Josefa; ary izay holazainy aminareo dia ataovy.” Nivarotra vary tamin’izy ireo àry i Josefa, natakalo vola aloha avy eo dia biby fiompy ary farany ny tenany sy ny taniny. Raha naniry ho velona ireo Egyptiana dia tsy maintsy niasa tanteraka ho an’i Farao. — Genesisy 41:26-49, 53-56; 47:13-26.

8. a) Inona no tsy maintsy nataon’ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy mba hahazoana ny hanina nilain’izy ireo? b) Nahoana no notehirizina ny fitantarana ireny zava-niseho ireny?

8 Nahakasika koa ireo tany nanakaiky an’i Egypta ny mosary, hany ka tonga avy any Kanana koa ireo rahalahin’i Josefa iray ray taminy. Roapolo taona mahery izay no lasa hatramin’ny nivarotany azy ho andevo. Noho izany dia tsy fantatr’izy ireo izy. Niondrika teo anatrehany izy ireo, tsy nisy hafa tamin’ny nambaran’ireo nofin’i Josefa ary nitady hahazo hanina (Genesisy 37:6, 7; 42:5-7). Nisedra azy ireo tamim-pahakingana i Josefa. Nahazo toky izy tamin’izany fa niova fihetsika taminy sy tamin’ny rainy izy ireo. Farany dia nampahafantatra ny tenany izy ary nanazava fa “hamonjy aina” no nandefasan’Andriamanitra azy ho any Egypta talohan’izy ireo. Nifanaraka tamin’ny toromarik’i Josefa dia nampiantso ny rainy sy ireo fianakaviany ho any Egypta ireo rahalahiny (Genesisy 45:1-11). Ireny fitantarana rehetra ireny dia voatahiry an-tsoratra mba hanasoavana antsika, ary ny heviny ara-paminaniana dia mifandray amin’ny zava-miseho amin’izao androntsika izao — Romana 15:4.

NY FOMBA HAMPITONENA NY HANOANANTSIKA SY NY HETAHETANTSIKA

9. a) Nahoana izao tontolo izao no mahita mosary ara-panahy ankehitriny? b) Nahoana izany no anankiray amin’ireo antony lalina miteraka zava-manahirana ho an’ny olombelona?

9 Ny mosary ara-panahy dia iray amin’ireo antony lalina miteraka zava-manahirana manafika ny taranak’olombelona. Koa satria ny olona nandao an’i Jehovah, dia tsy nanome azy ireo fahatakarana ny Teniny izy, hany ka iharan’ny “mosary (...) tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11.) Ireo olona mosarena ara-panahy dia mikatsaka anjamba ny valin’ireo fanontaniana iankinan’ny aina toy ireto: Inona no hevitry ny fiainana? Nahoana no maty? Tsy misy fanantenana mihitsy ve? Koa satria nahatonga azy ireo ho adala ny mosary ara-panahy dia matetika no nanimba tena izy ireo sy ireo mpiara-belona aminy tamin’ny fanarahana fitondrantena maloto na feno ditra mba hanomezana fahafaham-po ny filany feno fitiavan-tena.

10. a) Mifanaraka amin’ny faminanian’Isaia 65:13, 14, manao ahoana ny toeran’ireo mpanompon’i Jehovah? b) Rahoviana no tondrointsika ho misy vanim-potoan’ny mosary sy ny fahatondrahana ara-panahy?

10 Mifanohitra amin’izany, Jehovah dia nanome fahatondrahana ara-panahy ireo mpanompony mahatoky tafaray amin’ny fitiavana amim-pahatsorana. Namoha ny fahiratan-tsain’izy ireo izy mba hahavoky azy ireo amin’ny fahamarinan’ny Teniny ara-tsindrimandry, ary dia nanankinany asa hotanterahina amin’ny maha-vavolombelony azy izy ireo. Mampita amim-pifaliana ireny fahamarinana ireny amin’ireo mpiara-belona aminy noana ara-panahy izay mitady hiaina amin’ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra izy ireo (Isaia 65:13, 14; Lioka 6:21). Tany Egypta ireo fito taona mosarena dia nanaraka ireo fito taona zina, nefa amin’izao androntsika izao ny mosary sy ny fahatondrahana ara-panahy dia indray miseho.

11. a) Tandindon’iza moa Farao sy Josefa, ary nahoana? b) Amin’ny ahoana ny fihetsika arahin’ny “olona betsaka” no azo ampitahaina amin’ny an’ny Egyptiana tratry ny mosary?

11 Amin’izao fotoana izao dia tsy i Farao no manapaka, fa Jehovah Andriamanitra, ilay Farao Lehibe, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Nanome an’i Jesosy ny fahefana ambony indrindra misy manarakaraka azy izy. Jesosy, ilay Josefa Lehibe dia nanankinan’Andriamanitra indrindra andraikitra hizara ny sakafo ara-panahy ilaina amin’ny fiainana. Noho ireo fivavahana sy filozofian’izao tontolo izao ankehitriny, ny taranak’olombelona dia mijaly noho ny hanoanana ara-panahy. Tsy misy afa-tsy amin’ny fitodihana any amin’i Jesosy Kristy sy amin’ny fankatoavana ny toromariny no hahazoan’izy ireo ny sakafo ara-panahy hampitony ny hanoanany. Manao toy izany ny olona an-tapitrisany maro nanana ho tandindona ireo Egyptiana voakasiky ny mosary. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia manolo-tena ho an’i Jehovah mandrakizay izy ireo ary tafiditra ho anisan’ny olona betsaka manantena ho tafita velona amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra ho avy tsy ho ela.

12. a) Ahoana no anomezan’i Jesosy izay any an-danitra ny sakafo ara-panahy eto an-tany? b) Inona no ahafahanao mamantatra amin’ny fomba azo antoka ny “mpanompo mahatoky sady malina”?

12 Kanefa noho Jesosy any an-danitra, ahoana no anomezany ny sakafo ara-panahy izay andraisantsika soa eto an-tany? Eny, nambarany fa homeny amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sady malina” izany. (Matio 24:45, MN.) Izany dia “mpanompo” amin’ny heviny mitambatra, izany hoe ny kongregasionan’i Jesosy voaforon’ireo kristiana voahosotry ny fanahy mbola eto an-tany (jereo Isaia 43:10). Ireny kristiana ireny dia tsy inona fa sisa ihany eo amin’ny sehatry ny tany. Mora ny mamantatra ny tena kongregasiona kristiana amin’ny fampitahana ny fampianarany sy ny asany amin’ny Baiboly, izay mampiseho marina ny nandidian’i Jesosy. Tsy mandray anjara amin’ny politikan’izao tontolo izao ankehitriny àry izy ary ny mpikambana rehetra ao aminy dia mitory ampahibemaso ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy miparitaka any amin’ireo Fiangonana isan-karazany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana akory izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah daholo ny rehetra araka ny ohatry ny Tompony (jereo Jaona 17:16, 20, 21; Matio 24:14; 28:19, 20; Apokalypsy 1:5). Mandray soa amin’ny sakafo ara-panahy tondraka izy ireo ary vonona tanteraka hizara izany amin’ny olon-kafa.

13. a) Amin’ny lafiny inona avy moa ny olona maro no manao toy ireo rahalahin’i Josefa folo? b) Ahoana no ahafahantsika rehetra mandray soa amin’ny sakafo ara-panahy omen’i Kristy amin’ny alalan’ny kilasin’ny “mpanompo”?

13 Olona maro no naneso ireny kristiana voahosotra ireny tamin’ny filazana hoe: “Mihevitra ny tenanareo ho tsara kokoa noho izahay ve ianareo? Mihevi-tena ho ny hany manana ny marina ve ianareo?” Nefa arakaraka ny fandehan’ny fotoana ny sasany dia niaiky tamim-panetren-tena fa manana vavolombelona eto an-tany tokoa Jehovah ary mampahafantatra marina ny Teniny izy ireo. Takany fa, araka ny Baiboly, dia tsy misy afa-tsy kongregasiona kristiana marina tokana ka tsy maintsy ho tafaray ireo mpikambana ao aminy (Efesiana 4:5; Romana 12:5). Rehefa nandinika tamim-pahamarinana sy fanetren-tena ny zava-miseho izy ireo dia nanatona io fandaminana io tamin’ny farany. Ireo rahalahin’i Josefa folo dia tandindon’io karazan’olona io izay, rehefa avy nanenjika ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra na nanohana ireo nanao toy izany, dia manaporofo ankehitriny fa tena nanova ny fony izy ireo (Jaona 13:20). Ireny olona ireny dia manaiky amim-pankasitrahana ny sakafo ara-panahy izay omen’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny ‘mpanompony mahatoky’. Miorina mafy ara-panahy izy ireo amin’ny fameloman-tena amin’ny fahamarinana velabelarina ao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy amin’ny fanatanterahana amin-jotom-po ny sitrapon’Andriamanitra. Anisan’ireny olona manetry tena ireny ve ianao? — Hebreo 10:23-25; jereo Jaona 4:34.

14. Toerana ara-panahy manao ahoana no misy ireo olona manaraka ireo fotopoto-pitsipika nianarana noho io tantara manaitra ny saina ao amin’ny Baiboly io?

14 Izay rehetra tia ny Mpamorona ary manokana ny fiainany ho azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia mahazo fampiononana sy sambatra. Amin’ny fiteny ara-panahy dia “tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo (...), fa ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina”. — Apokalypsy 7:16, 17; Isaia 25:6-9.

[Fanontaniana]