Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voamarika ho amin’ny fandringanana sa ho amin’ny fahatafitana velona?

Voamarika ho amin’ny fandringanana sa ho amin’ny fahatafitana velona?

Toko Faha-12

Voamarika ho amin’ny fandringanana sa ho amin’ny fahatafitana velona?

1. Fanontaniana inona avy no amporisihan’ity toko ity antsika hoheverina?

 NY TOERANA ara-pivavahana dia mitaky ny hampiharihariantsika izay tena raketin’ny fontsika. Eny, moa ve isika tia marina an’i Jehovah sy ny lalany? Moa ve isika manahaka an’i Jesosy Kristy, Zanany izay nolazaina hoe: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” (Hebreo 1:9) Moa ve isika vonona haneho an-karihary fihetsika mitovy amin’izany, hany ka ho fantatry ny mpiara-belona amintsika hoe miandany amin’iza isika? Ny fitantarana araka ny Baiboly momba an’i Jeho sy Jonadaba zanak’i Rekaba dia hanampy antsika handini-tena amin’io lafiny io.

2. Iza moa Jeho sy Jonadaba?

2 Tamin’ny taonjato fahafolo talohan’ny fanisan-taona iraisana, Jeho dia nohosorana ho mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely izay Samaria no renivohiny. Nanankinana asa nanirahana azy izy mba handringana izay rehetra tao an-trano ratsin’i Ahaba, indrindra fa Jezebela vadin’ny mpanjaka izay namporisika ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala teo amin’ny Isiraely ary nanandrana nampanjavona ny an’i Jehovah. Jonadaba izay tsy isiraelita fa kenita dia tsy isalasalana fa nahafantatra ny fandaharam-pandringanan’i Jeho rehefa nivoaka izy mba hitsena azy. Nefa nanao ahoana ny halalin’ny fitiavany an’i Jehovah? Moa ve izy hampiseho an-karihary ny finoany mafy orina fa Jehovah irery ihany, ilay Andriamanitra marina, no tokony hivavahana?

“MARINA VA NY FONAO”?

3. Ahoana no nampisehoan’i Jonadaba ampahibemaso ny hoe nanao ahoana ny toerany teo anoloan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?

3 Rehefa avy nifampiarahaba ireo lehilahy roa, Jeho dia nanasa an’i Jonadaba hampiseho mazava izay niandaniany. Nanontany azy izy hoe: “Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ny fonao?” Namaly tsy nisy fisalasalana Jonadaba hoe: “Eny.” “Raha izany ary no izy, dia aoka isika hifandray tànana”, hoy Jeho nanohy ny teniny, ary dia nampiakariny ho ao amin’ny kalesiny Jonadaba. Avy eo dia nanampy teny izy hoe: “Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an’i Jehovah.” Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra i Jonadaba ary tsy nihemotra. — II Mpanjaka 10:15, 16; jereo Deoteronomia 6:13-15.

4, 5. a) Ahoana no nitarihan’i Jeho an’ireo mpivavaka amin’i Bala hampahafantatra ny tenany ho toy izany? b) Inona no nataon’i Jeho nony avy eo ary taiza Jonadaba tamin’izay? d) Ahoana no fihetsikao amin’ny famakiana ny fitantarana io fandringanana io?

4 Rehefa tonga tany Samaria Jeho dia nandray fepetra izay nanery ireo mpivavaka tamin’i Bala rehetra hiseho ho toy izany. Ny mpaminany, ny mpisorona ary ny mpivavaka tamin’i Bala rehetra dia nantsoina ho amin’ny fanaovana sorona lehibe ao an-tranon’ilay andriamanitra sandoka. Nampiomanina izy ireo fa ireo tsy ho tonga dia tsy havela ho velona. Nandidy koa i Jeho mba hanomezana fitafiana ireo mpivavaka amin’i Bala rehetra sy hanaovany izany mba hamantarana azy mazava. Izay rehetra nihambo ho nivavaka tamin’i Jehovah àry dia hampiseho hoe iza marina no tompoiny. Toa ho fotoana halaza izany ho an’i Bala sy Satana Devoly, ilay andriamanitra nasehon’i Bala raha ny tena izy.

5 Tsy toerana tsara natao ho an’ireo tena mpanompon’i Jehovah izany. Ankoatr’izany dia nosavaina tamim-pitandremana ny trano mba hahazoana antoka fa tsy nisy afa-tsy mpivavaka tamin’i Bala. Dia nanomboka àry ilay fankalazana fotoan-dehibe. Nandritra io fotoana io ireo olon’i Jeho dia niomana tany ivelany. Raha vao nomeny famantarana ireo dia niditra an-tsehatra. “Vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka”! hoy ny baikony. Novonoina daholo ireo mpivavaka tamin’i Bala rehetra ary noravana tanteraka ny tranon’ilay andriamanitra sandoka. “Toy izany no nandravan’i Jeho an’i Bala tsy ho amin’ny Isiraely.” Nanatrika izany rehetra izany Jonadaba, izay teo anilan’i Jeho (II Mpanjaka 10:18-28). Inona no tsapan’ny tenanao tamin’ny famakiana ireo zava-niseho ireo? Raha marina fa tsy misy na iza na iza amintsika faly amin’ny fahafatesan’ny olon-kafa, na dia ireo ratsy fanahy aza, moa ve takatsika na dia izany aza hoe nahoana no nilaina ny fandringanana toy izany ary nahoana ireny zava-niseho ireny no noraketina tao amin’ny Baiboly mba hovakintsika? — jereo Ezekiela 33:11.

6. a) Ahoana no handringanana an’i Babylona Lehibe? b) Fony izy tetỳ an-tany, ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy noleferiny mihitsy ny fandrafiana an’i Jehovah?

6 Io fitantarana io dia tsy manome lalana antsika velively handrava ireo trano lehibe ara-pivavahana na handringana ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahan-diso. Tsy naniraka an’ireo vavolombelony ankehitriny Jehovah hanatanteraka ny didim-pitsarany ara-drariny; nanendry an’i Jesosy Kristy, ilay Jeho Lehibe, izay mitafy voninahitra ankehitriny, ho amin’izany izy. Ilay Mpanjaka any an-danitra dia hampipoaka ny fandravana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia Babylona Lehibe, amin’ny famelana ny fitambaran’ireo herim-panjakana ara-politika hanaram-po amin’ny fankahalany azy (Apokalypsy 6:2; 17:16; 19:1, 2). Fony tetỳ an-tany Jesosy dia nanda ny hanatanteraka na dia asa fankalazana iray aza mba hanomezam-boninahitra ny Devoly. Nomelohiny ireo izay nanilika ny Tenin’i Jehovah fa nanome toerana ho an’ny lovantsofin’olombelona ary tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra dia nanaram-po tamin’ny fiantohan-draharaha ara-barotra. Tsy noleferiny mihitsy na inona na inona asa fandrafiana an’i Jehovah. — Lioka 4:5-8; Matio 15:3-9; 21:12, 13.

7. a) Inona avy moa no sasantsasany amin’ny zavatra mampiavaka ny fivavahana amin’i Bala ankehitriny? b) Nahoana Jesosy Kristy Mpanjaka no mamela izany hisy?

7 Fa nahoana kosa àry i Kristy izay efa manjaka eo afovoan’ireo fahavalony no toa mamela ny fivavahana amin’ny bala ankehitriny hiroborobo? Nahoana izy no mamela ny olona hanome voninahitra an’ilay andriamanitry ny fandehan-javatra ankehitriny amin’ny tsy firaharahana ny zavatra takin’Andriamanitra nefa toa tsy ianjadian’ny vokany? Nahoana izy no milefitra amin’ny fitondrantenany ratsy toy ny hoe tsy manameloka ny fahalotoana momba ny lahy sy ny vavy Andriamanitra, ny fomba fiaina fatra-pitia ny zavatra hita maso ary ireo fanao momba ny spiritisma ataon’ireny mihambo ho kristiana ireny, na ireo foto-pampianarana babyloniana ampianariny toy ny hoe tenin’Andriamanitra izany? Ny zava-niseho nampangitakitaka tamin’ny lasa notsahivina teo ambony dia mampahafantatra antsika fa mba hisedrana ny olona, mba hanomezana azy ireo fahafahana hampiseho ampahibemaso hoe iza no ivavahany ary, noho izany, mba hampisehoana raha mendrika ny horinganina izy ireo na ny ho tafita velona.

8. Fanontaniana lehibe inona avy no tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

8 Ary ianao, lalana inona no nofidinao? Moa ve narianao izay rehetra mety hamantarana anao ho mpanaraka ny fivavahana amin’ny bala ankehitriny? Moa ve ianao nisaraka tamin’izao tontolo izao ary niandany amin’ny maha-tena mpivavaka amin’i Jehovah? — II Korintiana 6:17.

9. a) Raha mitovy marina amin’i Jonadaba isika, inona no hataontsika? b) Ahoana no anantitranteran’ireo andinin-teny voatonona ny amin’ny maha-zava-dehibe ireo zavatra ireo?

9 Jonadaba, ilay mpivavaka tamin’i Jehovah tsy isiraelita, dia tandindon’ireo “ondry hafa” izay mamelona fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany ary eo an-dalam-panangonana. Moa ve ianao maneho toe-tsaina toy ny an’i Jonadaba? Moa ve ianao vonona ho fantatra ampahibemaso fa miaraka amin’ilay Jeho Lehibe sy ireo mpianany voahosotry ny fanahy izay mbola eto an-tany ka manambara ny fahatongavan’ny “andro famalian’Andriamanitsika” tsy ho ela? Moa ve ianao mandray anjara miaraka amin’izy ireo amin’io asa maika dia maika io (Isaia 61:1, 2; Lioka 9:26; Zakaria 8:23)? Moa ve ianao manolotra ho an’i Jehovah fifikirana tsy mizarazara, ka tsy mamela na inona na inona haka ny toerana tokony hotanany ao am-ponao (Matio 6:24; I Jaona 2:15-17)? Moa ve ny fiainanao mamela ny ahitana fa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia mahaforona ny harenanao sarobidy indrindra ka izay rehetra ataonao dia mifantoka amin’izany? — Salamo 37:4; Ohabolana 3:1-6.

MANANA NY MARIKA VE IANAO?

10. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa ireo mpivavaka amin’i Jehovah ihany no ho tafita velona?

10 Raha heverintsika fa angatahin’Andriamanitra hanana fiainana “mihaja” fotsiny isika sy hanary ireo fivavahana izay ny asa dia voaheloka mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary izay ihany, dia hanao fahadisoana lehibe isika. Marina tokoa fa na iza na iza manantena ho tafita velona sy handova ny “tany vaovao” dia tokony ho fantatra koa amin’ny fomba tsy azo lavina ho mpivavaka amin’i Jehovah (Apokalypsy 14:6, 7; Salamo 37:34; Joela 3:5 (2:32, MN). Izany no hafatra azon’i Ezekiela mpaminany tamin’ny alalan’ny fahitana iray talohan’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607.

11. a) Lazalazao ny fahitana voatantara ao amin’ny Ezekiela 9:1-11; b) Inona no notakina mba hahatafitana velona?

11 Henony Jehovah nampiantso ireo nomeny andraikitra handrava an’i Jerosalema nivadika sy ny mponina tao aminy. Avy teo izy dia nahita lehilahy enina nitondra fiadiana ho enti-mandringana, ary koa lehilahy hafa anankiray nitafy rongony, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpanoratra teo am-balahany. Niteny tamin’ilay lehilahy nitafy rongony aloha Jehovah ary nilaza taminy hoe: “Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.” Ary ireo enina hafa dia nodidiany hoe: “Mandehana manaraka azy hianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy, fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany.” Tao amin’io fahitana io ihany, Ezekiela avy eo dia nanatrika ny fandravana nanaraka izany, fandravana lehibe aoka izany hany ka toa hitan’i Ezekiela ho fongotra daholo ireo Isiraelita mbola tao amin’ilay tany (Ezekiela 9:1-11). Amin’ny fepetra inona ihany no nahafahana ho tafita velona? Nilaina ny nanana teo amin’ny handrina ilay marika napetrak’ilay lehilahy nitondra fitoeran-dranomainty.

12. a) Momba ny fahavetavetana inona avy no nahatonga ireo olona nandray ny marika ‘hisento sy hitaraina’? b) Nahoana Jehovah no to fo tamin’ny zavatra toy izany?

12 Kanefa ireo mponina tao Jerosalema izay ‘nisento sy nitaraina noho ny fahavetavetana rehetra’ natao tao an-tanàna ihany no nahazo io marika io. Inona avy moa ireo “fahavetavetana” ireo? Dimy no voalaza: 1) “sarin-javatra nampahasaro-piaro” teo amin’ny fidirana amin’ny tokotany anatiny tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Na nanao ahoana na nanao ahoana endrik’io “sarin-javatra” io, ireo Isiraelita dia naneho ny fifikirany taminy izay tokony ho an’i Jehovah (I Mpanjaka 14:22-24). 2) Sarin’ny biby mandady sy biby hafa voasokitra teo amin’ny rindrina izay nanolorana fandoroana ditin-kazo manitra tao anatin’ny faritry ny tempoly mihitsy. 3) Nisy vehivavy nitomany ny fahafatesan’ilay andriamanitra natao hoe Tamoza, anarana izay raha ny tena marina dia nanondro an’i Nimroda, izay nikomy tamin’i Jehovah (Genesisy 10:9). 4) Nisy lehilahy nanala baraka izaitsizy an’i Jehovah raha niamboho ny tempoliny ka niankohoka nanandrify ny masoandro (Deoteronomia 4:15-19). Ny fahavetavetana farany, ireo mponina dia nameno fampahoriana an’ilay tany ary nanainga “rantsan-kazo”, angamba sarin’ny maha-lahy sy vavy ho amin’ny oron’i Jehovah. Takatrao ve hoe nahoana Jehovah no to fo tamin’ireo Isiraelita ireo? — Ezekiela 8:5-17.

13. a) Amin’ny fiheverana azy ireo misesy, resaho ny amin’ny fanao amin’izao androntsika izao azo ampitahaina amin’ireny “fahavetavetana” ireny? b) Ahoana no fiheveranao ireny fanao ireny?

13 Ahoana no fihetsikao manoloana ireo asan’ny fivavahana lazaina fa kristiana azo ampitahaina amin’ireo “fahavetavetana” ireo? 1) Maro amin’ireo fiangonany no misy sary na tsangambato izay iankohofan’ny olona ho mariky ny fivavahana nefa ny Baiboly mampitandrina antsika amin’ny fihetsika toy izany (I Korintiana 10:14; jereo II Mpanjaka 17:40, 41). 2) Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanaraka ny hevitra hoe ny olombelona dia vokatry ny fivoarana miandalana avy amin’ny biby fa tsy noharìn’Andriamanitra. Mandray anjara amin’ny asa fitiavam-pivavahana mirehitra manome voninahitra ny biby na vorona aseho amin’ny famantaram-piandrianan’ireo firenena izy. 3) Amin’ny fanompoam-pivavahana dia asongadiny ny vokovoko izay hatramin’ny Fahagola dia marika ara-pivavahan’i Tamoza. Mandray anjara koa izy amin’ny fombafomba fisaonana hanomezam-boninahitra ireo maty tamin’ny ady feno fandatsahan-dra, izay nanome taratry ny toe-tsain’i Nimroda (jereo Jaona 17:16, 17). 4) Laviny izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny mba hitodihana ho amin’ny “fahazavana” avy amin’ny siansa ankehitriny sy ireo filozofian’olombelona (I Timoty 6:20, 21; jereo Jeremia 2:13). 5) Toy ny hoe tsy mbola ampy izany, dia manohana ny revolisiona izy any amin’ny tany sasany ary manakimpy ny masony amin’ny fahalotoana momba ny lahy sy ny vavy, sady mihambo ho miteny amin’ny anaran’Andriamanitra (II Petera 2:1, 2). Ny sasany dia milazalaza io fihetsika io ho tia fahalalahana. Angamba izy ireo tsy mankasitraka ny asan’ny fivavahana lazaina fa kristiana rehetra, nefa dia manaraka koa ny tenan’izy ireo na fara fahakeliny manala tsiny zavatra ratsy hafa. Ary ianao, ahoana no fiheveranao ireo asa manala baraka an’Andriamanitra ireo ary mampiala ny olona amin’ny Mpamorona azy?

14. Nahoana ny hoe maha-diso fanantenana ny olona iray noho ireo Fiangonana no tsy voatery midika hoe anisan’ireo ho tafita velona izy?

14 Olona maro, diso fanantenana tamin’ireo Fiangonana no tsy manatrika intsony ireo fotoam-pivavahana. Angamba koa izy ireny tafintohina noho ny herisetra na tsy fahamarinan’izao tontolo izao. Nefa tsy midika avy hatrany akory izany fa voamarika ho amin’ny fahatafitana velona izy ireo. Tsy maintsy mandray ny marik’ilay ‘lehilahy mitondra fitoeran-dranomainty’ izy ireo. Kanefa, ny zava-misy dia manaporofo fa ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sady malina” no manatanteraka io asa fanamarihana io ankehitriny. — Matio 24:45-47, MN

15. a) Inona moa ilay marika? b) Ahoana no andraisana azy?

15 Na iza na iza àry maniry handray io marika manaporofo io fa manana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy dia tokony hanaiky ny fampianaran’Andriamanitra ampitaina amin’ny alalan’io “mpanompo” io ary ho tonga tena mpivavaka amin’i Jehovah. Tsy tokony hitovy amin’ireo mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny molotra nefa raha ny tena izy dia tia ny lalan’izao tontolo izao izy ireo (Isaia 29:13, 14; I Jaona 2:15). Tsia, tsy maintsy tiavina Jehovah sy ny lalàny ary ‘hisento sy hitaraina’, izany hoe halahelo lalina noho ny fampianarana sy fanao manala baraka an’Andriamanitra. Ny olona manao izany dia tsy homarihina amin’ny ranomainty eo amin’ny handriny, fa handray ny marika ara-panoharana, amin’ny heviny hoe hiharihary amin’ny rehetra fa amin’ny maha-kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa azy, dia nitafy ny “toetra vaovao” voalazalaza ao amin’ny Efesiana 4:24 izy. Manana finoana velona àry izy. Ampahibemaso na manokana dia miezaka hanaja fatratra an’Andriamanitra izy amin’izay ataony rehetra. Raha tahiny ireo olona tafavoaka avy tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy maintsy manana io marika io, dia toy izany koa no izy amin’ny rehetra, tsy mampaninona izay fiainany tamin’ny lasa, ka manantena ny ho tafita velona ary ho tafiditra ao amin’ny “tany vaovao” amin’ny maha-mpiara-dia amin’ny kilasin’ireo kristiana voahosotra.

16. Nahoana moa io fahitana io no tena zava-dehibe ho an’ireo ankizy sy ireo ray aman-dreniny?

16 Misy heviny indrindra ny nandidian’i Jehovah ireo mpiasa voatendry hanatanteraka ny didim-pitsarany tsy hitsimbina na dia iray aza amin’ireo nanala baraka azy, na firy taona izy na firy taona na lahy na vavy, na mpitovo na manambady. Ny lehilahy na vehivavy iray manambady dia tokony hanana ny mariky ny tenany manokana mba hahavoatsimbina. Raha misy ray aman-dreny manohitra ny handraisan’ireo zanany io marika io na tsy manome ho azy ireo ny fampianarana mety hahatongavany ho mpanompon’i Jehovah dia ho tompon’Andraikitra amin’izay hitranga aminy izy ireo. Heverin’i Jehovah ho “masina” ireo ankizy mankatò ny ray aman-dreniny tia fivavahana, fa tsy ireo mpikomy (I Korintiana 7:14; Salamo 102:28; Ohabolana 20:11; 30:17). Raha misy izao ankizy ampy taona mba hahatongavana ho kristiana vita batisa nefa tsy maniry hanaraka ny fepetra takin’Andriamanitra, na vita batisa izy na tsia dia tsy hotsimbinina noho ny taonany. Iankinan’ny aina àry ho an’izay rehetra ampy taona mba handray ny andraikiny ny hananana io marika hita tsara io izay hamantarana azy ireo ho olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra manao ny sitrapony.

17. Inona no nianarantsika teto ny amin’ny fangoraham-pon’i Jehovah?

17 Niseho ho namindra fo tokoa tamin’ny olona Jehovah tamin’ny fanirahana ny vavolombelony mba hampiomana azy ireny ny amin’ny fandringanana mandrahona azy ireo sy mba hanoro azy ny lalan’ny famonjena. Kanefa fantany ny zava-bita sy ny asan’ny fivavahan-diso ary koa ireo vokatra ho naterany. Rehefa ho avy ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, dia tsy haneho fangoraham-po intsony amin’izay maniry hifikitra tanteraka amin’izany izy. Raha maniry ho tafita velona amin’ny fanatanterahana tsy ho ela ny didim-pitsaran’Andriamanitra àry isika, dia ilaintsika ny manaraka ny dian’i Jesosy Kristy amin’ny fampahafantarana antsika ho tena mpivavaka amin’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 95]

Moa ve ianao tena manana ny marika tena ilaina mba hiantohana ny fahatafitanao velona?