Ampifalio ny fon’ny ray aman-dreninao
Toko Faha-12
Ampifalio ny fon’ny ray aman-dreninao
1. Nahoana moa no ara-drariny ny hanajana ny ray aman-drenin’ny tena?
NA mbola kely isika, na eo am-pifaranan’ny taona maha-zatovo, na olon-dehibe, dia zanak’olona isika rehetra. Tsy azo atao tokoa ny hanombana ny lany tamin’ireo roapolo taona teo ho eo nikarakarana, niasana, nanaovana fandaniana sy fiezahana ho an’ny ankamaroantsika, nanomboka tamin’ny nahaterahantsika ka mandra-pahatongantsika ho olon-dehibe. Ambonin’ireny zavatra rehetra ireny izay noraisintsika avy aminy, ny ray aman-drenintsika dia namindra tamintsika, zavatra tsy azontsika averina aminy, dia: ny aina. Raha tsy teo izy ireny, dia tsy ho nisy isika. Izany fahamarinana miharihary izany, ambonin’ny antony hafa rehetra, dia tokony hanosika antsika hanaraka ity didin’Andriamanitra ity: “ ‘Manajà ny ray sy ny reninao’ (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), ‘mba hahita soa hianao sy ho maro andro ambonin’ny tany’.” — Efesiana 6:2, 3.
2. Nahoana moa isika no tokony hahatsiaro fa ananan’ny ray aman-drenintsika trosa?
2 Na dia manan-trosa tokony haloa voalohany indrindra amin’ny Mpamorona antsika, tena Loharanon’ny aina rehetra aza isika, dia tokony hahatsiaro lalina koa fa manana adidy amin’ireo ray aman-drenintsika. Inona no azontsika atolotra azy ireo ho takalon’izay rehetra nataony ho antsika? Nanambara ny Zanak’Andriamanitra fa ny harena rehetra eo amin’izao tontolo izao dia tsy mahavidy ny aina, satria tsy azo tombanana izy io (Marka 8:36, 37; Salamo 49:6-8). Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany”. (Romana 13:8). Ny fontsika dia tokony hanosika antsika hanohy ho tia amin’ny fomba manokana tokoa ny ray aman-drenintsika sy haneho amin’izy ireny izany fitiavana izany raha mbola velona koa izy ireo na isika. Na dia tsy afaka manome azy ireo ny aina toy ny nataony tamintsika aza isika, dia azontsika atao ihany ny manao zavatra sasany manome heviny ny fiainany, mitondra fifaliana ho azy sy manome azy fahatsapana fahafahampo lalina. Afaka manao izany amin’ny fomba manokana dia manokana isika, fomba tsy isalasalana fa tsy hisy olon-kafa hahay azy, satria zanany isika.
3. Araka ny Ohabolana 23:24, 25, toetra inona avy asehon’ireo zanany no mahatonga ny ray aman-dreny ho faly?
3 Izao no ambaran’ny Ohabolana 23:24, 25: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” Misy ray aman-dreny izay maniry avy hatrany ho afaka ny hirehareha noho ny amin’ireo zanany sy hifaly noho izy ireo. Izany ve no hitan’ireo ray aman-dreninao?
4. Inona no torohevitra omen’ny Kolosiana 3:20 ny zanaka?
4 Miankina be dia be amin’ny fihetsika asehontsika izany: manaja azy ireny amim-pahatsorana sy mihaino ny toroheviny ve isika? Manome ho an’ny ankizy izao didy izao Andriamanitra: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Mazava ho azy fa ny hoe “amin’ny zavatra rehetra” dia tsy milaza akory fa ny ray aman-dreny dia manana zo hitaky ny hanaovan’ireo zanany zavatra mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, fa ny dikan’izany kosa dia hoe manana andraikitra izy ireny, raha mbola kely isika, hitari-dalana antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. — Ohabolana 1:8.
5. Inona no fanontaniana azon’ny tanora iray apetraka amin’ny tenany raha ny amin’izay hantenainy avy amin’ny zanaky ny tenany?
5 Zatovolahy na zatovovavy ianao amin’izao fotoana izao, nefa azo inoana fa ho tonga ray na renim-pianakaviana ianao any aoriana. Hirinao ve amin’izay ny hanana zanaka hanaja anao, sa haleonao zanaka hikomy izay angamba hiseho hihaino anao, nefa tsy hankatò anao raha vao tsy eo imasonao? Lazain’ny Ohabolana 17:25 fa “ny zanaka adala mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy” fa tsy mahafaly ny ray aman-dreniny velively. Sahala amin’ny ahaizanao indrindra manao izay hahasambatra ny ray aman-dreninao, dia toy izany koa fa ny tenanao, mihoatra noho ny olon-kafa rehetra, dia mety handiso fanantenana azy ireo sy hahatonga alahelo mafy ho azy. Hiankina amin’ny fitondrantenanao izany.
ILAINA NY FOTOANA MBA HAHATONGAVANA HO HENDRY
6. Inona no ohatra mampiseho fa amin’ny ankapobeny dia ny hamaroan’ny taona no mitondra fahendrena?
6 Tsara ny hahatakaran’ny tanora fa anton-javatra tena lehibe eo amin’ny fahazoana fahendrena ny taona. Folo taona ve ianao? Tsapanao fa betsaka kokoa ny zavatra fantatrao tsy toy ny fony ianao dimy taona, sa tsy izany? Dimy ambin’ny folo taona ve ianao? Tsy isalasalana fa betsaka kokoa ny zavatra fantatrao tsy sahala amin’ny teo amin’ny fahafolo taonanao. Ho feno roapolo taona tsy ho ela ve ianao? Tokony hiaiky ianao fa betsaka kokoa ihany ny zavatra fantatrao tsy tahaka ny fony ianao vao dimy ambin’ny folo taona. Mora ny mitodika ny lasa ka mahatsapa fa mahatonga ho hendry kokoa ny taona mandroso. Sarotra kokoa anefa ny manaiky an’io fahamarinana io ihany rehefa mihevitra ny ho avy. Kanefa, na toy inona na toy inona mety ho fiheveran’ny zazalahy iray na ny zazavavy iray ny tenany ho hendry, dia tokony ho tsapany fa ny ho avy dia mety sy tokony hitondra fahendrena lehibe kokoa ho azy.
7. Inona no fianarana momba ny fahendrena azontsika tsoahina avy amin’ireo torohevitra noraisin-dRehoboama mpanjaka?
7 Inona no tokony hotsoahina avy amin’izany? Fa ny ray aman-dreninao izay be taona kokoa noho ianao sy efa nanao fanandraman-javatra betsaka kokoa, dia araka ny fandrindran-kevitra raha ho hendry kokoa noho ianao amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Sarotra amin’ny tanora be dia be ny manaiky izany hevitra izany. Matetika ireo be taona noho izy no lazainy fa “lamaody antitra”. Marina angamba izany amin’ny sasany, nefa tsy toy izany amin’ny ankamaroany, toy ny tsy azo iheverana ho kely saina ny tanora rehetra satria toy izany ny sasany. Tsy mahalana no andrenesana tanora milaza ho hendry kokoa Joba 12:12; I Mpanjaka 12:1-16; 14:21.
noho ny olona be taona. Ny mpanjakan’ny Isiraely iray, Rehoboama, dia nanao izany fahadisoana izany izay nitera-doza. Rehefa nandimby an’i Solomona mpanjaka rainy izy teo amin’ny faha-41 taonany, dia nangataka taminy ny vahoakany mba hanamaivana azy ireo tamin’ny enta-mavesatra nitambesatra taminy. Nanontany ny tranainy i Rehoboama ka nanoro hevitra azy ireo mba hiseho halemy fanahy sy hanana hatsaram-po. Avy eo, rehefa nitodika tany amin’ny tanora izy, dia nanoro hevitra azy kosa ireo mba hanao fitondrana mafy dia mafy. Narahiny ny hevitr’ireo. Inona no vokany? Nikomy ny folo tamin’ireo foko roa ambin’ny folo, ary tsy afaka nitana afa-tsy ny ampahenin’ny fanjakany i Rehoboama. Ireo lehilahy efa zokinjokiny fa tsy ny tanora no niteny tamim-pahendrena. “Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.” —8. Fihetsika manao ahoana eo anoloan’ny olona be taona, anisan’izany ny ray aman-drenintsika, no amporisihan’ny Baiboly antsika mba harahina?
8 Aza heverina ho lany andro ny hevitr’ireo ray aman-dreninao satria hoe tsy tanora kely intsony izy ireo. Araho kosa izao torohevitry ny Tenin’Andriamanitra izao: “Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” Mendrika ny hohajaina ny olona be taona. “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” Marina fa tanora be dia be no tsy miraharaha ireo didy ireo, nefa tsy mitondra fahasambarana ho azy ireny izany, mainka fa ho an’ny ray aman-dreniny. — Ohabolana 23:22; Levitikosy 19:32.
ATAOVY NY ANJARANAO
9. Rehefa mimenomenona tsy amin’ny antony na mikomy ny anankiray aminy, inona no vokany eo amin’ny fianakaviana?
9 Iharan’ny vokatry ny ataonao ireo izay manodidina anao. Izany no izy. Raha mijaly ny anankiray amin’ny mpianakavy, dia miara-mijaly aminy ny rehetra. Toy izany koa, raha tsy mitsahatra ny mitaraina na mikomy ny anankiray aminy, dia ampy hanakorontana ny fiadanan’ny rehetra ao an-tokantrano izany. Mba hananan’ny fianakaviana iray fiainana sambatra I Korintiana 12:26.
àry, dia tokony hanao ny anjarany ny tsirairay avy. — Ampitahao amin’ny10. Inona no soa raisin’ny zanaka izay mianatra manao tsara ny asany?
10 Be dia be ny zavatra azonao atao mba hitondrana fahasambarana ho an’ny fianakavianao. Raha tanora ianao ary monina ao an-tranon-dray aman-dreninao, dia afaka manampy azy ireny, satria miasa mafy izy ireo mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviana manontolo. Lany amin’ny asa ny tapany lehibe indrindra amin’ny fiainana ka mitaraina ny amin’izany ny maro. Nefa raha mianatra manao tsara ny asanao ianao ka manatontosa izany amin’ny antony tsara manosika, dia hahazo fahafahampo lehibe avy amin’izany. Izay tsy manao ny anjarany kosa anefa fa miantehitra amin’ny hafa mba hanao ny zavatra rehetra eo amin’ny toerany, dia tsy vitan’ny hoe tsy hahita izany fahafinaretana izany mihitsy, fa hitera-pahasosorana ho an’ny hafa koa na, araka ny fitenenana ampiasain’ny Baiboly, ho “setroka amin’ny maso”. (Ohabolana 10:26; Mpitoriteny 3:12, 13.) Koa raha anankinana asa sasany ao an-trano ianao, dia tanteraho tsara araka izay farany azonao atao izany. Ary raha irinao tokoa ny hanao izay hahafaly ny ray aman-dreninao, dia manaova raharaha fanampiny tsy nasaina nataonao. Tsy isalasalana fa ho tsikaritrao fa izany asa izany no hitondra fahafahampo lehibe indrindra ho anao, satria raha manao azy ianao dia satria manosika anao hanao izay hahafaly ny ray aman-dreninao fotsiny ny fonao.
11. Ahoana moa no mety hahatonga ny teny sy ny ataon’ny zanaka iray hisy akony tsara eo amin’ny ray aman-dreny?
11 Rehefa mahafinaritra ny olona ny fitondrantenan’ny zazalahy iray na ny zazavavy iray, dia mandrakariva izy ireny maniry hahafantatra hoe zanakalahin’iza na zanakavavin’iza izy io. Rehefa naneho herimpo sy finoana nahagaga i Davida zatovo, avy hatrany dia nanontany toy izao i Saoly mpanjaka: “Zanak’iza moa hianao, ry zatovo?” (I Samoela 17:55-58). Mitondra ny anaran’ny fianakavianao ianao. Izay ataonao sy ny hoe karazan’olona manao ahoana ianao àry dia hisy heriny eo amin’ny fiheveran’ny olona an’io anarana io sy ny ray aman-dreninao izay nanome anao azy. Afaka manome voninahitra ny ray aman-dreninao amin’ny fomba maro ianao, na ao amin’ny faritaninao na any an-tsekoly, amin’ny fisehoana ho be hatsaram-po, vonona ny hanolotra ny fanampianao, mahay manaja sy tsara fanahy amin’ny olona rehetra. Hanome voninahitra ny Mpamorona anao koa ianao amin’izany. — Ohabolana 20:11; Hebreo 13:16.
12. Nahoana moa no mahasoa ny hiarahan’ny zanaka miasa amin’ny ray aman-dreniny izay miezaka hitaiza azy ireo?
12 Mifamatotra amin’ny anao ny fahasambaran’ny ray aman-dreninao. Miezaka izy ireny mba hitaiza tsara anao, mba hanomezana anao fiandohana tsara eo amin’ny fiainana. Miaraha miasa amin’izy ireo, hahafaly azy ireo tokoa izany, satria izy ireo mitady izay tsara indrindra ho anao. Izany no ampahafantarin’ny mpanoratra ny Ohabolana nahazo tsindrimandry rehefa nilaza izy hoe: “Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko, dia ny foko”. (Ohabolana 23:15). Raha miaiky ny ray aman-dreninao fa manana andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izy ireny hitari-dalana anao eo amin’ny lalan’ny tena fahendrena, dia ampio izy ireo hiantsoroka izany amim-pahatokiana. “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” — Ohabolana 19:20.
13. Inona no mety hanampy ny zanaka iray hanaraka fihetsika tsara eo anoloan’ny fameperana ampiharin’ny ray aman-dreny aminy?
13 Mihevitra angamba ianao indraindray fa mitaky zavatra be loatra aminao ny ray aman-dreninao na miseho ho henjana loatra. Tsy mora akory ny mahita fandanjalanjana tanteraka eo amin’ny fifehezana. Indray andro any, raha manana fianakaviana ianao, dia tsy isalasalana fa ho tsapanao izany. Raha mandrara anao ny ray aman-dreninao tsy hifanerasera amin’ny tanora sasany, mampitandrina anao amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina na mamepetra amin’ny lafiny sasany ny fifandraisanao amin’ny zazavavy raha lahy ianao, na amin’ny zazalahy raha vavy ianao, dia mieritrereta kely. Moa ve tsy tsaratsara kokoa ny manana ray aman-dreny mifehy anao toy izay ray aman-dreny tsy miahy anao (Ohabolana 13:20; 3:31)? Ekeo ny fifehezan’izy ireo. Hitondra soa ho an’ny tenanao ianao ary hahatonga ny ray aman-dreninao ho sambatra. — Ohabolana 6:23; 13:1; 15:5; Hebreo 12:7-11.
14, 15. Rehefa misy tsy fifanarahana mitranga eo amin’ny mpianakavy, inona avy moa no fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly hanampy ny zanaka iray hitandro ny fihavanana ao an-tokantrano?
Romana 12:18). Tsy mora foana akory izany, satria tsy mitovy isika rehetra. Tsy mitovy ny fomba fijerintsika zavatra sy ny fandraisantsika izany. Mifandona indraindray ny hevitsika sy ny faniriantsika. Aoka hatao hoe mifanditra amin’ny rahalahinao na ny anabavinao (ny anadahinao na ny rahavavinao) ianao. Angamba aza ianao mahatsapa fa manao zavatra amim-pitiavan-tena izy. Inona no hataonao?
14 Mazava ho azy fa ao an-tokantranonareo dia be dia be ny zavatra mitranga tsy maha-tompon’andraikitra anao, nefa ny fomba fandraisanao izany dia misy heriny eo amin’ny rivo-piainana manjaka ao. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (15 Ny zanaka sasany dia hikiakiaka avy hatrany sy hiampanga ny rahalahiny na ny anabaviny (ny anadahiny na ny rahavaviny), avy eo dia hangataka ny rainy na ny reniny izy mba hisalovana. Ny hafa hitady handamina irery ny raharaha ho tombontsoany, ka tonga hatramin’ny fifamelezana izy. Manambara toy izao anefa ny bokin’ny Ohabolana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany”. (Ohabolana 19:11). Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny hoe izany dia mitarika azy hijery ny toe-javatra niseho nanamaivana ny fahadisoany. (Tsy niniana natao angamba ilay zavatra.) Izany dia mampahatsiahy azy fa impiry impiry akory aza ny tenany no mba efa diso. (Ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah aoka izany izy noho ny namelany ny fahadisoany!) Mety hampahafantatra azy koa izany fa na dia meloka aza ny rahalahiny na ny anabaviny (ny anadahiny na ny rahavaviny), dia ratsy ny ataony raha misafoaka, satria hanapaka ny fihavanana ao an-tokantrano izy. Io boky ao amin’ny Baiboly io ihany koa no manampy teny toy izao ny amin’ny olona hendry toy izany: “Voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” — Jereo koa Kolosiana 3:13, 14.
16. Fitsipi-pitondrantena inona arahin’ireo zanany no mahafaly ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra?
16 Amin’ny fotopotony, izay mampifaly ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra dia mampifaly an’i Jehovah koa. Izay mampalahelo azy ireo dia mampahory azy koa (Salamo ). Ny ray aman-dreny tsy mahalala ny hevitr’Andriamanitra dia ho faly angamba raha mahazo laza na tonga malaza ireo zanany, raha mahazo vola be, ets. Ireo izay manana an’i Jehovah ho Andriamanitra kosa dia mahafantatra fa mandalo izao tontolo izao sy ny filany fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” ( 78:36-41I Jaona 2:15-17.) Koa izay mahatonga azy ireo ho sambatra tokoa, dia ny fahitana ireo zanany mankatò ny Mpamorona azy ireo, manao ny sitrapony sy manome taratry ny toetrany. Marina fa faly ny ray aman-dreny kristiana rehefa mahomby amin’ny fianarany ireo zanany. Mbola lehibe lavitra anefa ny fahasambaran’izy ireny rehefa porofoin’ny fitondrantenan’ny zanany any an-tsekoly sy any an-toeran-kafa ny fifikirany tsy amim-pivadihana amin’ny fitsipik’Andriamanitra sy ny faniriany hahazo sitraka aminy. Farany, dia mifaly indrindra izy ireny rehefa tonga lehibe ny zanany ka mbola tia ihany ny lalan’i Jehovah.
NY ANDRAIKITRAO HIKARAKARA IREO RAY AMAN-DRENINAO
17-19. Ahoana no azon’ny zanaka tonga olon-dehibe ampisehoana fa mankasitraka an’ireo ray aman-dreniny izy?
17 Tsy tokony hihena ny fitiavantsika ny ray aman-drenintsika rehefa tonga olon-dehibe isika ka mandao ny tokantrano. Irintsika ho sambatra izy ireo mandritra ny andro iainany rehetra. Nikarakara antsika nandritra ny taona maro izy ireny, indraindray tamim-pahafoizan-tena lehibe. Inona izao no azontsika atao mba hanaporofoana aminy ny fankasitrahantsika?
18 Tokony hotadidiantsika izao baikon’Andriamanitra izao: “Manajà ny rainao sy ny reninao”. (Matio 19:19). Tsy isalasalana fa sahirana tokoa isika, nefa tokony ho tsapantsika fa zava-dehibe tokoa ho an’ireo ray aman-drenintsika ny maharay vaovao avy amintsika sy tsidihintsika.
19 Rehefa mandeha ny fotoana, dia azo atao ny ‘manaja’ azy ireo amin’ny fomba hafa koa. Raha mila fanampiana ara-nofo izy ireo, dia asehoy aminy ny fankasitrahanao noho izay rehetra nataony ho anao ary hevero ny fepetra ara-drariny takin’i Jehovah. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly momba ny olona be taona: “Fa raha misy mpitondratena manana I Timoty 5:3, 4.
zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” —20, 21. a) Araka ny Matio 15:1-6, milaza inona, ankoatra ny zavatra hafa, ny hoe manaja ny ray aman-drenin’ny tena? b) Moa ve misy antony maningana izay hanome lalana olona tsy hanaja ny ray aman-dreniny amin’izany fomba izany?
20 Asehon’ny Soratra Masina mazava fa ny fomba iray ‘fanajana’ ny ray aman-drenin’ny tena dia ny fanampiana azy ireny amin’ny ara-nofo. Indray andro, dia nanatona an’i Jesosy ny Fariseo ka niampanga ny mpianany ho mandika ireo lovantsofina. Izao no navalin’i Jesosy azy ireo: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Fa Andriamanitra efa nanao hoe: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’, ary koa: ‘Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa’. Fa hoy kosa hianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: ‘Efa fanatitra ho an’Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,’ dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.” — Matio 15:1-6.
21 Araka ny lovantsofina, izay nanambara fa “efa fanatitra ho an’Andriamanitra” ny volany na ny fananany dia afaka amin’ny andraikitra hikarakara ny ray aman-dreniny. Tsy neken’i Jesosy anefa io lovantsofina io, ary isika, amin’izao androntsika izao, dia tokony handatsaka am-po ny teniny. Marina fa any amin’ny tany maro, dia nanao fandaharana ara-tsosialy ny fanjakana mba hanampiana ny olona be taona. Ampy ve anefa ireny fandaharana ireny? Raha tsy izany no izy na raha tsy misy fanampiana ara-tsosialy, ny zanaka izay manaja ny ray aman-dreniny dia hanao izay rehetra azony atao mba hanomezana azy ireo izay mety hilainy. Ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena be taona sy mahantra dia azo antoka fa, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly, dia fampisehoana “toe-panahy araka an’Andriamanitra”, fitiavam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra Mpanao ny fianakaviana mihitsy.
22. Ankoatra ny fanampiana ara-nofo, inona moa no tokony homentsika ny ray aman-drenintsika?
22 Tsy tokony hihevitra anefa isika fa noho ny ray aman-drenintsika be taona manana ny ampy amin’ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fonenana, dia tsy misy na inona na inona tokony hataontsika amin’izy ireny. Misy zavatra ilainy koa eo amin’ny ara-pihetseham-po sy ara-panahy. Irin’izy ireny fatratra, ary matetika amim-pamoizampo, ny hotiavina sy homena toky. Amin’ny androm-piainantsika rehetra, dia ilaintsika ny hahafantatra fa misy olona tia antsika, fa an’olona isika, fa tsy irery isika. Tsy tokony hodian’ny zanaka tsy fantatra izay ilain’ireo ray aman-dreniny be taona eo amin’ny ara-batana sy ara-piraiketam-po. “Izay mitohatoha [manevateva, MN] amin-drainy sy mandroaka ny reniny dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.” —23. Ahoana moa no mety hahatonga ny zanaka iray ho loharanom-pifaliana ho an’ny ray aman-dreniny?
23 Manomboka amin’ny fahazazany sy mandritra ny andro iainany rehetra amin’ny maha-olon-dehibe, ny zanaka dia mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny ray aman-dreniny. Mampalahelo anefa fa be dia be no miteraka alahelo sy fahadisoam-panantenana. Raha manaja ny ray aman-dreninao anefa ianao, raha mihaino ny toroheviny, raha maneho fitiavana sy firaiketam-po amim-pahatsorana aminy, dia mety ho loharanom-pifaliana isan’andro ho azy ireo. Eny, “enga anie ianao hitondra fifaliana ho an-drainao, sy firavoravoana ho an’ilay niteraka anao”! — Ohabolana 23:25, Jérusalem.
[Fanontaniana]